Nampihomehy ahy ny zavatra nitranga androany. Efa hitako matetika fa ny ankamaroan'ny tononkira mitranga ao amin'ny GasyKaManja dia notrohana avy ao amin'ny tononkira.serasera.org avokoa. Tsy tompon'ny hira aho ka nikimpiako. Ny nanaitra dia mahasahy mampidi-bola betsaka ry zareo amin'ny resaka tononkira (misy publicités Google betsaka sy manelingelina), nefa na izaho aza tsy dia tena mahasahy manararaotra manao azy io ho fivelomana. Fa ny mampihomehy ahy sy mahakamo ahy dia ny ahita hoe dika-petaka be fahatany ilay izy, ka voadika hatramin'ny zavatra diso. Raha mba mitady tononkira izany ny olona, dia tononkira diso no hitany amin'ny site roa satria ilay efa diso taty amin'ny tononkira.serasera.org no notrohina nentina tatsy ampita.
Dia raha mijery ny hira maro ao dia tahaka izany daholo. Tsy miova hatramin'ny faingo, elanelana, teboka. Satria angamba tsy dika petaka fotsiny fa tena notrohana ara-teknika mihitsy.
Dia izay ry zalahy no mahatonga ahy tsy mizara firy satria manjary ataonareo fitadiavam-bola indray ilay izy avy eo.
"Sous emprise" indray no film malaza kely ao amin'ny Netflix. Efa ela aho tsy nahavita film hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany fa ity mba vita, na dia natao in-telo miantoana aza. Ary tamin'ity koa vao naharitra tsy nitady info tamin'ny Wikipedia mikasika ny tena tantara raha tsy vita ilay film. Satria mantsy hono nosintomina tamina tantara tena marina ity film ity.
Fintiniko amin'ny teny fohy fotsiny ho an'izay mbola hijery azy, mba tsy hitantaràna ny tena tantara. Ny fitiavana mahazaka maniraka. Sady mety mahatonga anao hahavita zavatra goavana, mihoatra ny tokony ho vitanao, ny fitiavana, no mety mahatonga anao hahavita handrava ny zavatra goavana izay tokony ho vitanao... dia avy eo mampametra-panontaniana hoe mbola fitiavana ihany ve nefa izany :-)
Nahafinaritra ny sary sy ny tontolo nanaovana an'ity sarimihetsika ity. Manga, eny amoron-drano, heno ny feon-drano miboiboika, masoandro mibaliaka. Mampatsiahy ny vakansy amin'ity andro fidirana :-)
Misy scènes sexuelles telo, tsy dia tena tiako loatra, kanefa izay no anisan'ilay hoe votoatin'ny tantara. Tsy misy olona mifankatia aza moa mbola vitan'ny mpandrindra ihany ny manisika resaka sexe, vao mainka fa hoe resaka fitiavana :-) Fa dia efa nilaza aho izay hoe tsy dia tiako ilay resaka sexe ao anatin'ilay izy... tsisy romantisme.
Ny acteurs mahay milalao. Mahay izy matoa tafita aty amin'ny mpijery ilay fankahalàna an'ilay olona lalaoviny. Misy mpilalao sarimihetsika tonga dia mety be amin'ilay tantara mihitsy... izay koa angamba no tena anton'ny casting.
Famintinana... tsara "ihany". Raha film 1h40 vitako na dia iverimberenana aza, dia azo lazaina ho tsara. Na dia lazain'ny olona fa tiako daholo aza ny films rehetra loll.
Mifangaroharo loatra sy mibosesika hevitra ny ao antsaina manaraka an'ity vaovao momba ny ady ao Ukraina ity. Io resaka io foana koa moa ny vaovao heno n'aiza n'aiza ka tototra mihitsy raha vao mpanaraka radiom-baovao tahaka ahy. Mino aho fa betsaka koa ireo hafa manara-baovao ka rariny raha samy manana ny zavatra henony ny tsirairay. Dia rehefa ady tahaka izao dia matetika misy ny manome rariny ny andaniny sy manome tsiny ny ankilany... dia misy koa ny mahasahy (satria amiko izany fahasahiana ihany) tsy maneho hevitra, na mody sarontsaromana amin'ny hoe "tsy momba ny atsy na ny aroa".
Araka ny heno izany dia nanapa-kevitra ny tsy hanameloka n'iza n'iza ny fitondrana malagasy. Manahy sao ho very ny fihinanana amin'ny Rosiana (sy ny Sinoa?) raha ohatra ka manameloka ny fananiham-bohitra ataon'izy ireo, nefa tsy sahy mijoro koa hoe manohana tanteraka an'i Rosiana satria mba menatra ihany. Dia aleo mialokaloka ao ambanin'ny hoe mifandray amin'ny firenena rehetra i Madagasikara. Fa angaha ny fanamelohana ny tsy rariny (satria mandika ny lalàna sy ny zo iraisam-pirenena) dia midika hoe tsy hifandray intsony mandrakizay? Ny firenena Eoropeana sy Amerikana izay manameloka ity fanafihana firenena manana ny fiandrianany ity dia mametraka fepetra foana hoe mandra-piovan'ny Rosiana hevitra ka hanajanonany ny fananiham-bohitra. Rehefa vita izany ny ady dia hilamina indray ny fifandraisana.
Na izany na tsy izany dia manana zo hiaro ny tombontsoany ireo mpitondra malagasy, efa izany rahateo no nataony hatramin'izay. Fa ny manorisory indraindray dia ireo mpanarak'efa sy mpisolelaka be fahatany. Izay tenenin'ny mpitondra dia tonga dia sori-dalan-kitan-kisoa avy hatrany ka hanina am-bolony. Tsy maneho hevitra mihitsy aloha - satria tsy manan-kevitra - fa miandry hoe ahoana ny hevitry ny volomboasary, dia rehefa mivoaka iny dia tsy misy fandinihana intsony. Dia avy eo lasa anisan'ireo manam-pahaizana momba ny ady iraisam-pirenena eo amin'ny Facebook.
Izaho dia resy lahatra sy mankasitraka ny vaksiny raha toa mbola maimaim-poana foana izy. Satria matoky ireo olona izay miezaka mafy mitady vahaolana ho an'ny hafa, ny mpikaroka, ny mpitsabo sy ireo mpanampy azy. Koa nanao vaksiny daozy fahatelo aho androany ary raha mbola ilaina koa ny daozy manaraka dia mbola vonona hatrany.
Avy niasa dia nandalo centre vaccinal. Tsy dia be olona teo ivelany, dia nanandrana niditra.
Tonga teo am-baravarana:
- Amin'ny firy ny rendez-vous-nao?
- Tena tsy manana rendez-vous aho fa sendra nandalo dia nahita hoe vitsy olona dia nijery sao dia afaka miditra.
Olona telo no teo alohako teo ivelany (couple iray sy tanora iray)
- Manam-bintana ianao fa raha nisy olona maromaro eto ivelany eto dia tsy noraisiko ianao satria tsisy rendez-vous. Mandrosoa.
Tonga tao amin'ny fandraisana anarana nanoloana an'ilay rangaha iray miaraka amin'ny taratasy misy lisitra lava be.
- Ny anaranao hoe azafady? Ny Carte d'identité-nao?
- Tsy manana rendez-vous aho ka.
- Hay, omeo ahy ny mombamomba anao dia mandehana mipetraka etsy amin'ny seza fiandrasana etsy.
Misy boxes folo hitako tao anatin'ilay centre kely. Samy efa misy olona daholo, eo ivelan'ny box tsirairay misy seza iray, dia samy misy olona daholo koa. Dia izay vao miditra izany miandry ety amin'ny efitra fiandrasana. Hitako niditra tsikelikely koa ny olona avy ao ivelany.
Tsy ampy 3 minitra dia niara-nivoaka ny olona vitsivitsy tao anaty boxes vitsivitsy, dia niara-niditra ny olona niandry teo amin'ny seza fiandry. Nasaina namonjy ny seza teo amin'ny box faha-5 aho.
Tsy ampy 10 minitra akory dia tonga ny anjarako. Toa ny mahazatra, dia dokotera iray sy mpanampy azy no tao. Mahagaga fa tsara fanahy be foana ny dokotera mpanao vakisiny. Tsy nanadihady be intsony toa ny tamin'ny doses roa voalohany fa tonga dia niomana ny hanindrona.
Nanaka-dresaka aho:
- Moderna moa izany iny?
- Eny, fa tsy maninona io fa mitovy ihany. Ny olona mihoatra ny 30 taona amin'izao dia afaka atao Moderna daholo.
Nampiomana izy nony tena hanindrona... nitsaingoka kely... dia vita.
Nampihetsi-po ny takarivanay omaly. Takarivam-piraisan-kina, takarivam-pifanampiana. Raha mifanasa vangy ny andaniny sy ankilany mikasika ny namoahan'ilay mpanao gazety Gaelle Borgia ny zava-misy any atsimo mikasika ny kere, nefa ny olona miha matin'ny hanohanana ihany, dia nisy kosa taty aminay ny takariva fiaraha-mientana ho an'ireo iharan'ny kere ireo indrindra. Amin'izao hamehana amin'ny hanoanana vokatry ny haintany any atsimo izao tokoa mantsy dia nanana hevitra ny handefa izay voatsirambin'ny tanana sy voaangona avy amin'ireo malala-tanana ny mompera sy masera malagasy vitsivitsy aty aminay. Takariva tsotsotra nefa natao am-pitiavana nanehoana hira sy dihy ka nahavoriana olona maromaro ihany.
Horonantsary iray mampiseho ny zava-misy any atsimon'i Madagasikara no nisantarana azy, horonantsary novokarin'i Gaelle Borgia indrindra. Nampihetsi-po ny maro, izay tsy dia mbola tena nahalala ny zava-mitranga any amin'ireo toerana isian'ny hain-tany, ilay horonantsary. Hitao eo amin'ny tambazotra tokoa fa betsaka ny manome tsiny an'ilay mpanao gazety mikasika iny fanadihadiana nataony iny, hatrany amin'ireo mpitondra fanjakana aza. Tongo-bakivaky tokoa izy iny, sady maharary no mahamenatra, kanefa zava-misy iainan'ny olona any an-toerana. Tsy ny henatra sy ny hambom-po mihitsy hanaronana ny zava-misy, indrindra raha izay no anisan'ny fomba hitadiavana vahaolana. Hoy ny fiteny malagasy hoe "Ny olon-kandrandrana tsy hanafenana loha sola". Izany hoe tsy ny olona hanome vahaolana ho anao no hanafenanao ny olana misy. Sady na hafenina tahaka ny inona ara io dia tsy maintsy hiseho ihany. Izay koa mantsy ilay lazain'ny Ntaolo hoe manafin-tay an-tsalaka. Koa aleo ho vaky ny vay hitsaboana azy.Ny irariana dia hisy maromaro ireo hetsika ataon'ireo Malagasy na ao an-toerana na aty ivelany hitadiavana vahaolana hanampiana ireo mpiray tanindrazana aminy. Vahaolana vonjy maika fohy ezaka aloha, ary koa ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin'ny vahaolana lavitr'ezaka.
Mahagaga fa eto Madagasikara, andao atao hoe tato ho ato, dia misy hatrany ireo olona mieritreritra hoe tsy tokony hanao fankalazàna amin'ny 26 jiona, fetim-pirenena. Vao manomboka ny volana jiona dia efa misy ny adihevitra amin'ny tokony na tsia hametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano. Ny antony apoitran'ireo izay manao izany matetika dia ny hoe tsy mbola mahaleo tena akory i Madagasikara. Mbola misy ireo sotrobe lava tango avy ataon'ireo mpanjanaka fahiny misalovana ny fanjakana.
Ny olana tokoa angamba dia tsy nampidirina na tsy tafiditra tsara ao antsain'ny Malagasy maro izany hevitry ny 26 jiona. Ny antsika tokoa mantsy, ny 26 jiona dia fankalazàna ny nahazoana fahaleovan-tena. Tsy hoe azo tamin-kery sy ady be anefa izany, tahaka ny hoe tsy mba nisasarana, satria nomena. Marina fa nisy ireo Malagasy niady mafy ho an'izany fahaleovan-tena izany tamin'ny 1947, fa tsy mba izy ireny no nankalazaina tamin'ny fanomezana ny fahaleovan-tena. Tsy nolazaina mihitsy hoe vokatry ny adin'izy ireny dia nahazo fahaleovan-tena isika... fa fanomezana tsotra izao. Ary fanomezana avy amin'ireo mpanjanaka ihany. Vokatr'izany dia saritsarim-pahaleovan-tena no niainana nandritra ny taona maro. Tsy nanamarika ny hambom-pon'ny Malagasy izany ilay andro nanomezana fahaleovan-tena, tsy tena midika fandresena.
Ny an'ny hafa mantsy, ohatra fotsiny ho an'ny Frantsay, ny andro 14 jolay ny azy dia tena vokatry ny ady mihitsy. Fankalazana ny nakàna ny Bastille. Izany hoe nisy zavatra niadiana dia azo. Tahaka izany koa ny an'ny Etazonia, fanambarana ny fahaleovan-tena taorian'ny ady natao... sy ireo firenena hafa maro.Koa angamba tsy omena tsiny ny Malagasy sasany raha toa ka tsy manaitra azy ity andro iray ity. Inona nefa ny andro mety azo hasolo azy? Andro nanamarika fahafahana? Sa mbola tsy afaka mihitsy ny Malagasy?
Na izany na tsy izany dia mirary fety mahafinaritra eo anivon'ny fianakaviana ho an'ireo izay manamarika izany. Indrindra mila manararaotra fety amin'izao fotoanan'ny krizy vokatry ny valan'aretina izao.
Matetika dia tsy olana ho an'ny olona tena matanjaka sy ampy sakafo tsara ary tsy taizan'aretina ny Covid. Tsy tsapan'izy ireny akory hoe efa voa izy satria indraindray tsy misy soritr'aretina akory.
Tsy mahagaga noho izany raha tsy marisika amin'ny fiarovana ny ankamaroan'ireo sokajin'olona ireo. Anatin'izany ireo filoham-pirenena tanora sy matanjaka. Tsy mila atao vakisiny izany izy ireny raha resaka fiarovan-tena fotsiny no jerena.
Ny olana fotsiny izao dia tsy resaka olon-tokana izy ity fa resaka itambarana. Raha tsy tiana hiparitaka sy hiverimberina ny aretina dia mila miaro tena daholo ny rehetra na dia ireo dfq matoky fa tsy ho lavon'ilay aretina aza. Raha sendra mitondra ny tsimok'aretina mantsy ianao nefa tsy misy fiantraikany eo aminao ilay izy nefa ianao tsy miaro tena dia ho voa daholo ireo mifandray aminao... ary izy ireo mety marefo, be taona, taizan'aretina, sns.
Io fitsinjovana ny hafa io angamba no tsy tsapan'ny sasany miteny hoe tsy hanao vakisiny mihitsy. Sarotra be nefa ny hifandresy lahatra raha ohatra ka efa tsy mba zatra mitsinjo ireo marefo hatramin'izay ianao na tsy nobeazina tamin'izany.
Ny hany azo atao angamba dia ny maniry hoe raha tsy hatao vakisiny ihany dia tokony ho voa malaky satria araka ny fikarohana dia mitovy amin'ny vita daozy iray amin'ny vakisiny ny olona efa voan'ilay aretina.
Zavatra tsapako tato ho ato hoe lasa tsotra be ny nofiko. Angamba hoe efa miha be taona. Tsy misy suspens mampitaintaina intsony. Izany nofy ratsy izany moa dia efa ela tsy hita. Ny nofy faran'izay ratsy nitranga angamba dia ilay nanofy hoe mamo. Tamin'izay ara mbola izaho ihany no nanamboatra ny scenario satria tsy sensation mbola niainako mihitsy ilay mamo. Fa ohat'izany daholo ny nofiko amin'izao. Ohatry ny hoe fiainana hafa en parallèle fotsiny ny nofy, zavatra azo tanterahina daholo... nefa hono mba nofy 😊
Taloha nefa misy nofy tena hoe nofinofy. Rehdfa taitra ianao dia mbola miezaka mitady torimaso hanohizana azy. Na foronina eo am-pandriana mihitsy ny épisodes sasany. Dia manofinofy eo. Izany manofy manidina izany tena fahasambarana. Nisy an'izay nofiko manidina niverimberina izay. Tao anatina tunnels maromaro misesy hono... toa lalan'ny fiaran-dalamby mandeha any Ambatolampy. Dia miditra anatin'ny tunnel iray. Rehefa ao anatiny nefa no tonga ny fiara dia manidina aho mba tsy ho tratrany. Im-betsaka mihitsy izay nofy iray izay no niverina. Karazana superman kely izany tamin'izany. Fa izao tsy nisy intsony.
Angamba misy dikany ara-pahasalamana koa izany. Matetika mantsy ny nofy ratsy dia misy dikany ara-pahasalamana, aretim-po na aty na saina sns. Ka angamba ny manofy tsara na tsy manofy be koa misy dikany hafa.
Mpihaino radio mavitrika aho, ary hitako hoe raha eto Frantsa dia mbola manan-danja ihany ny radio na dia eo aza ny firongatry ny internet sy ny fahitalavitra. Ny anisan'ny itiavako ny radio dia noho izy tsy mibahana ny asan'ny maso. Na dia mandeha aza ny radio dia mbola afaka manao ny asa fanaoko ihany ny masoko... na dia hoe marina fa mihena kely aza ny fifantohan'ny saina. Ny radio tena henoiko matetika dia ny France Inter, FM 95,70 izy raha avy eto amin'ny toerana misy anay. Efa mila ho haiko tsianjery avokoa ireo fandaharana sy ny mpanolotra azy. Azo atao hoe radiom-panjakana, ilay antsoin-dry zareo Frantsay hoe "service public" ny France Inter ka matotra kokoa ny fandaharana vokariny. Misy izany ny fandaharana ankafiziko manokana fa misy koa ny tonga dia dinganiko avy hatrany. Resaka safidy ilay izy ka tsy dia tena hoe hovelabelarina.
Fa ny antony nanoratako ity dia te hizara aminareo mpamaky aho hoe ankoatra ny radio mivantana dia miha-malaza koa amin'izao ny resaka podcast. Izany hoe karazana radio tsy mivantana. Azo eritreretina hoe mitovy amin'ireny youtube ireny izy saingy tsy sary fa feo kosa. Izany hoe karazana fandaharana mpandeha amin'ny radio no henoinao fa tsy mivantana. Afaka misafidy izany ianao araka izay tianao. Ankoatra ny fandaharana mpandeha ao amin'ny radio France Inter ary dia nanintona ahy tato ho ato ny tantara vokarin'izy ireo izay mivoaka ao amin'ny Les fictions de France culture... satria tena izany koa ny podcast... misy tantara izay azonao henoina. Tantara foronina tahaka ireny mpandeha amin'ny radio tany Madagasikara ireny, saingy amin'ny teny frantsay mazava ho azy. Raha hihaino sombin'ny zavatra nahaliana ahy ianareo dia afaka mihaino avy hatrany eto ambany eto. Misy tantara fohy tahaka izao koa mantsy ao.
Dia lasa mitombo kely ny eritreritro hoe tsy tokony ho azo atao ve ny zavatra toa izany amin'ny teny malagasy? Tena mahaliana ahy raha mba misy toerana fitehirizana tantara na fandaharana maro amin'ny teny malagasy. Raha misy ny mpanohana dia vonona ny hanomboka izany ao amin'ny RadioVazoGasy aho...
Alasarona kely aloha. Tany Italia dia in-telo isanandro farafahakeliny no miditra "bar". Saingy ny "bar" any Italie dia tsy fisotroana toaka loatra, na dia mivarotra toaka koa aza, fa fisotroana kafé. Efa ho isaky ny 100 metatra dia misy "bar" ary tsy mahamenatra mihitsy ny mipetraka maharitra ao anatiny. Misy sakafo koa aza izy indraindray. Ny aty Frantsa indray ny "bar" toa tena fisotroana mihitsy, na dia mivarotra kafé koa aza izy indraindray.
Amin'izao fotoanan'ny COVID izao dia mihidy ny bar aty, efa ho am-bolana izao. Any anefa no toerana tena fihaonan'ny ankamaroan'ny olona. Ny mpiara-miasa rehefa avy miasa dia any no manala havizanana kely amin'ny resaka ivelan'ny asa tanteraka. Ny tanora vao mifankahalala dia any no mifanasa amin'ilay teny malaza hoe "je t'offre un verre?". Ny andian-jatovo mpinamana dia mbola any koa no "mandamina" fandaharam-potoana ho an'ny lahy sy "mifosa" ho an'ny vavy. Ireo efa zokinjokiny sy misotro ronono koa dia any no mifampiresadresaka ny "fiainana taloha" na dia tsy ronono akory aza no sotroiny any.
Fa ny tena nahatonga ahy nanoratra ity lahatsoratra ity dia ny hampahafantatra anareo ny site iray nanaitra ahy "I miss my bar" izany hoe manina ny bar-ko aho. Takelaka iray hihainoana ny feo mitranga ao anaty "bar". Mandritra izao fotoana fikatonan'y "bar" izao dia mety misy ireo te hihaino ny feo fandre anatin'ireny "bar" ireny. Ka nisy nanana hevitra nametraka anatin'io site io izany feo izany. Ho henonao ao ny feon'ny mpikarakara cocktail, ny fampidinana zava-pisotro anaty vera, ny feon'ny olona manodidina sns.
Koa raha manimanina ny "bar" ianao amin'izao fotoan-tsarotra izao dia aza misalasala mandeha ao amin'ny http://www.imissmybar.com/
Ny firariana dia hoe hijanona ho fahatsiarovana ity taona 2020 anisan'ny nanahirana an'izao tontolo izao ity. Tamin'ny herintaona tahaka izao tokoa dia tsy nisy nieritreritra hoe ho tahaka izao ny fiafaran'ity taona 2020 izay nolazaina hoe 20/20 ity. Ravan'ny COVID19 ny ankamaroan'ny tetikasa rehetra. Betsaka ny lasa tsy an'asa. Fa anisan'ny mampalahelo dia tsy voafehy ilay fiparitahan'ny valan'aretina ka na ny fetin'ny faran'ny taona aza dia tsizarizary.
Tsy dia tena ifanomezantsiny nefa na izany aza dia tsara ihany tsiahivina ho anatra ho an'ny sisa (sy ho an'ny hafa) fa ny tsy fitandremantenan'ny tsirairay no mahatonga an'izao fitarazohan'ny valan'aretina izao. Ady be mihitsy vao mahavita mandresy lahatra ny tsirairay hoe mampiasà masques, tandremo ny fifaneraserana, manasà tanana matetika sns. Nandritra ny vakansy jolay sy aogositra dia tahaka ny hoe tsy nisy valan'aretina atahorana na dia naverimberina foana aza hoe tsy mbola tapitra ny fifindran'ny aretina. Toa izay miteny foana no diso. Tsy eo no ho eo koa moa ilay fahavoazana dia tsy tsapan'ny tsy tonga saina. Raha ohatra ka hoe vao tsy mitandrina tonga dia mikohaka, mety ho betsaka ihany no nitandrina.
Jereo anefa ny any Chine amin'izao, tany no nipoiran'ny aretina kanefa amin'izao tsy nisy deuxième vague tany. Satria mafy be mihitsy ny fepetra noraisin'izy ireo tamin'ny fiarovana.
Ny hany azo atao dia ny manaiky izay fepetra mitranga eo. Misy fanantenana kely koa noho ny fisian'ny vakisiny kanefa izao dia efa betsaka sahady indray no miezaka manohitra. Fikafika fotsiny hono ny vaksiny e, resaka politika e. Ny sasany aza moa dia mieritreritra hoe misy fifandraisany ny 5G sy ny vakisiny.
Ny fepetra noraisin'ny fanjakana frantsay izany amin'izao noely izao dia ny couvre-feu manomboka amin'ny 20h hatramin'ny 6h, ka tsy hisy indra fo ho an'izay tratra. Mbola betsaka koa ny toerana mihidy ho fitsinjovana ny fivezivezena sy fifampikasohana. Dia miandry ny fivorany.
Araka ny vaovao izany dia mifarana amin'ity faha 15 ny volana désambra 2020 ity ny Yahoo Groups izay nampiantrano ny dinidinika teto amin'ny Serasera nandritra izay 20 taona mahery kely izay. Nanomboka tamin'ny taona 1999 tany tokoa no nanombohan'ity toerana fifanakalozana ity. Ary ity fifandraisana antsoratra ity no niantombohan'ny hevitra rehetra ao amin'ny serasera.org Nisy ny fotoana tena nilàna izany teo amin'ny fiainan'ny diaspora. Fotoana nahafinaritra ireny ka isaorana antsika rehetra.
Amin'izao fotoanan'ny tambazotram-piaraha-monina izao dia tsy dia misy manoratra eto firy intsony isika na dia mbola mandray hafatra daholo ihany aza. Amin'izao dia misy 1000 mahery ny mpikambana mbola mandray hafatra. Ka angamba hivalona ho tantara amin'izay izany ny Serasera. Raha misy soso-kevitra hafa moa dia raisina ihany.
Koa mamerina ny fisaorana antsika rehetra indrindra ireo izay teto hatramin'ny voalohany, niatrika ny resaka rehetra teto. Angamba nisy vokany tamin'ny fiainantsika, na ny fiainan'ny Malagasy hafa ihany ireny resaka rehetra nandalo teto ireny. Ho ahy manokana dia nampivoatra ny fomba fisainako sy ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena ny fiseraserana teto amin'ny serasera ary nandray anjara tamin'izany avokoa ianareo rehetra.
Ny takelaka serasera.org sy ireo sampana rehetra avy aminy dia ezahiko tohizana ihany.
Notezaina tao anaty boky romans aho fony kely. Tsy dia hoe notaizana ahoana fa i mama no tena mpamaky an'ireny collections "Fleuve Noir" sy "Série noire" ireny. Mpanakalo an'ireny boky ireny teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona mihitsy. Nisy SAS maromaro koa tsikaritro fa tsy dia voavakiko firy satria sarotra azo . Tom Clancy koa tena nahaliana ahy, na dia ny fonony fotsiny aza dia efa waow.
Angamba noho izany no nahatonga ahy tia films policiers fony kely ary nigorisa tsimoramora tamin'ny films espionnages izany taty aoriana. Vokany, James Bond rehetra efa saika hitako avokoa indrindra ireo nisian'i Sean Connery, Roger Moore (tiako kokoa), Thimoty Dalton, Pierce Brosnan (tsy haiko tamin'izany hoe naninona no nampanaovina James Bond) ary i Daniel Craig (nahafahako namaly hoe naninona no nampanaovina James Bond i Pierce Brosnan). Tsy aritro mihitsy rehefa misy resaka CIA, KGB ny film iray.
Amin'izao firongatry ny Video streaming izao, Netflix sy Amazon prime sy ny afa, dia ireo karazan-tsarimihetsika ireo no trandrahako voalohany, na nalaina tamin'ny tantara tena nisy na tantara noforonina.
Hapetrako tsikelikely eto ary ireo lohateny efa nojereko taloha sy vao nojereko mba ho tadidy hoe efa hita.
Raha misy hafa tokony ho hitako dia teneno ihany :-)
Nafana be indray ny vaovao androany hoe nahanton'ny FIFA mandritra ny 5 taona be izao andriamatoa Ahmad Ahmad iza filohan'ny CAF na ny federaziona afrikana momba ny baolina kitra. Izy ihany no Malagasy mba tonga teo amin'izany toerana izany hatramin'izao aloha. Resaka kolikoly, araka ny vaovao, no nahatonga izao fampiatoana azy amin'ny asany izao, satria tsy amin'ny maha filohan'ny CAF fotsiny, izay efa mamarana mandat rahateo izy, fa amin'ny resaka baolina kitra rehetra mihitsy.
Toa ny mahazatra dia miakatr'afo ireo "tia tanindrazana" ka miantsoantso hoe tsy rariny izao fa fanenjehana ny Malagasy. Misy aza moa no mieritreritra fa fanembatsembanana ny fandroson'ny BAREA izao ataon'ny FIFA izao. Mahagaga tokoa fa isaky ny mba nandroso kely ny BAREA dia misy misompatra foana.
Fa ny manahirana an'ity resaka Ahmad ity dia ilay raharaha tsy vao izao. Iza tokoa moa no tsy nahatadidy fa voatonontonona tao anatin'ilay fanadihadiana nataon'ny Canal+ ny anaran'ny filohan'ny Federasiona malagasy momba ny baolina kitra fahizany, Atoa Ahmad Ahmad. Na dia tsy izy irery aza fa ireo filohan'ny federasiona amin'ny firenena hafa koa, dia anisan'ireo nangataka vola sy nomen'ny Qatari vola izy. Mety hoe tsy misy ifandraisany amin'ny nahazoan'i Qatar ny fampiantranoana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra amin'ny 2022. Mety hoe nomeny manontolo ho an'ny federasiona ny vola noraisiny... Fa misy fofompofona kolikoly hatrany ny zavatra tahaka izany.
Tsy nisakana azy tsy ho lany filohan'ny CAF anefa izany, saingy nipoaka indray ny raharaha tamin'ny 2019 mbola mikasika kolikoly ihany. Resaka fampiasana vola tsy araka ny tokony ho izy. Nilaza fa nandeha nanao iraka tany Rosia nefa toa tsy tany akory araka ny filazan'ny BBC. Sy ny maro hafa. Ary dia izao niafara tamin'ny fampiatoana azy amin'ny maha filohan'ny CAF izao.
Le président sortant de la Confédération africaine de football a été condamné à l’interdiction d’exercer toute activité relative au football pour cinq ans par la chambre de jugement de la Commission d’éthique indépendante de la Fifa. Ahmad Ahmad est notamment accusé de détournements de fonds.
La décision est tombée sous la forme d’un communiqué publié sur le site de la Fédération internationale de football association (Fifa). Le Malgache Ahmad Ahmad, président sortant de la Confédération africaine de football (CAF) et vice-président de la Fifa, est suspendu pour une période de cinq ans de toute activité liée au football professionnel.
Aleo ny fanadihadiana sy ny fitsaràna no hanambara na meloka na tsia Ahmad Ahmad, fa raha mbola ampidirana resaka politika foana ny resaka fanatanjahan-tena dia tsy maintsy hitranga ny resaka tahaka izao. Aleo ny resaka fanatanjahan-tena hahaleotena.
Na dia tsy mpanaraka baolina kitra malagasy loatra aza ny tenanay, na dia tsy mbola nino hoe mety ho an'ny Malagasy ny baolina kitra, dia mirary tokoa mba tsy hisakantsakana ny BAREA amin'ny lalana lalovany izao zava-mitranga izao.
Tato ho ato dia mahazo vahana ao amin’ny Netflix ny sarimihetsika afrikana. Tantara vokarina na tohanan’ny Netflix manokana. Angamba vokatry ny valanaretina COVID19 satria vitsy kokoa amin’izao ny horonantsary amerikana sy eoropeana noho ny fitandremana tsy ho voan’ny aretina. Misy rahateo ireo mpamokatra sarimihetsika no minia tsy mamoaka ny horonantsariny mba hialàna amin’ny fatiantoka.
Fa ny manaitra dia tantara tsotra, fiainana an-davanandron’ny afrikana no tantarain’ireo sarimihetsika ireo. Mikasika ny kolikoly, ny tsy fandriam-pahalemana, hasin’ny vehivavy. Tsy dia noraisin’ny Netflix ireo horonan-tsary mampalaza ny afrikana mitantara famosaviana izay mampalaza ny mamokatra sarimihetsika Nizériana sy Gahaniana. Toa te haneho hoe miaina fiainana eo anivon’ny fotoana iainany koa ny Afrikana fa tsy voatery hiresaka mikasika ny fomban-drazana sy “folklore” foana.
Dia mampametra-panontaniana hoe hatraiza tokoa ny fivoaran’ny sarimihetsika malagasy amin’izao fotoana izao? Misy vokatra mivoaka foana nefa toa tsy dia tena lalina loatra. Fampihomehezana matetika no votoatiny. Misy ihany ny tsy dia natao hihomehezana saingy tsy mampitaintaina sy tsy manaitra loatra. Angamba tokony hiova lohahevitra amin’izay. Atao mitovitovy amin’ny tantara henoina. Tadidiko ireny tantara taloha nampalaza andry Vahandanitra, Solofo José, Clara, Gégé, Clotilde sns ireny. Mitangorona eo ambody vata fandraisam-peo avokoa ny rehetra. Sarotra be ve ny manatontosa ny toa azy ireny ho tonga sarimihetsika indray?
Mino aho fa raha manana votoatiny mafonja sy tsara rindra ny sarimihetsika malagasy mety mba ho tafakatra tsikelikely… ary nahoana moa no tsy ho tonga any amin’ny Netflix koa?
Ireto ireo films afrikana vitsivitsy ao amin’ny Netflix mety mahaliana, Adù, La convocation, Azali, Resgate...
Efa ho telo taona izay no nampiasako linux tamin’ny ordinatera fampiasako isanandro. Tsy misy windows intsony ao anatiny fa linux mint fotsiny. Tamin’ny voalohany aloha somary sahirana ihany satria anisan’ny mpakafy Windows ny tena ka tsy nahazatra mihitsy ireo fitaovana natolotr’i Linux. Nisy rahateo izay tsy nahitana solony nahafa-po, indrindra ny fanaovana mozika sy video.
Fa rehefa taty aoriana dia nanomboka zatra ihany. Nihafy no marimarina kokoa. Nezahina natao nahavita izay fitaovana atolotry ny Linux, na farafaharatsiny mitady izay mahavita tsara indrindra na dia handoavana vola kely aza. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ireo zavatra vitako tamin’ny nampiasa Windows tsy vitako amin’ny mampiasa Linux intsony… fa nampiononona ny saina hoe zavatra tsy dia tena manan-danja be akory ireny.
Talohan’ny nampiasana Linux ranoray tahaka izao dia efa nisy Linux kely ihany tato anatin’ny ordinatera nampiasaiko. Ubuntu sy Debian no nampiasaiko tamin’izany. Rehefa nisy zavatra tsy vitan’ny Linux dia tonga dia avadika Windows kely…
Fa efa ho telo taona izao dia Linux Mint manontolo no ampiasaiko… ary afa-po aho… na dia tsy tanteraka aza.
Fa ny tena nahafaly ahy androany, nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra kely ity, dia tsy ampy ora firy akory dia nahavita nanao upgrade goavana tamin’ny Linux Mint aho. Izany hoe niala avy amin’ny version 18 mandeha amin’ny version 19. Angamba mitovitovy amin’ny hoe Windows 7 miditra Windows 10. Tsy mila DVD na CD, fa commandes vitsivitsy sy internet fotsiny.
Ny lahatsoratra fototra narahiko dia ilay hoe How to Upgrade to Linux Mint 19, nila fotoana kely fotsiny (navelako nandritra ny alina teto) dia vita.
Tamin’ny ni-redemarrer azy fotsiny no nisy olana kely satria saika tsy tafiditra, niverimberina foana teo amin’ilay fampidirana mot de passe na dia efa marina tsara ara ny mot de passe nampidirina. Fa nony nitady tamin’ny internet dia hita ny vahaolana. Ovaina ny permission-n’ny fichier .Xauthority
Dia efa ilay Linux Mint 19 ity ampiasaiko ity amin’izao.
Je comprends maintenant pourquoi certaines personnes laissent tout pour leurs idéaux. Ils se concentrent à un but final et évitent tout autre chose qui pourrait les empêcher d’y arriver.
Parce que ces jours-ci, j’ai beaucoup d’idées, beaucoup de réalisations en tête. Mais c’est impossible de les accomplir. J’ai juste pas assez de temps. Il me faut aussi occuper de beaucoup d’autres choses, ma famille entre autres. Je ne peux donc pas prendre toute ma concentration pour ces réalisations sauf si elles arrivent à me remplacer dans mes devoirs économiques…
Si à travers ce que je fais, j’arrivais à compenser mon équivalent de salaire, je consacrerais mon temps de travail entier à le faire. C’est mathématique.
Mais en attendant, je ne peux que lui donner des miettes de temps, ceux dont je n’ai pas besoin, pas importants.
Mandritra izao fihibohana izao, avy namita ilay tavoangin-dabiera aho dia nandefa saina nijery ity kapisily tavela teo ambony latabatra. Itony kapisily itony tokoa mantsy sarobidy mihitsy tamin’ny andronay fahiny. Indraindray efa harafesina maharitra mbola miasa ihany, vao mainka moa fa jôjôpila be. Misy ireo mahavatra mikiky ilay loko na marika ka mangirana tsara ery. Anisan’ny nanahirana ahy rehefa mikiky azy itony ilay tsy maintsy misikotra ny ambin-doko amin’ny sisiny, satria raha tsy izany dia mbola hita hoe tsy voakiky tsara. Ary matetika ny kapisily manamanan-danja dia miaraka amin’ny “bouchon”... izay no iantsoanay an’ilay saron-tavoahangy anakiray somary plastika malefaka izay mivady tsara amin’ny kapisily. Ny bouchon matetika dia sarotra hita satria matetika izy saron-tavoahangina rôma bota na fisaka.
Ny teny nampiasaina tokoa tamin’izany dia hoe “hita”, satria ny kapisily dia “tadiavina” matetika. Vitsy taminay ny misotro “fanta” na “caprice” (henoy hoe jus de fruits) andavan’andro ka tsy mora ny mahita kapisily. Fa matetika izy hita eny andalandalana eny.
Maromaro ny kilalao nampiasàna kapisily fa ireto no mba tadidiko, asa ianareo raha mahatadidy hafa.
Ny korsa kapisily
Fifaninanana “hazakazaka” kapisily izy ity. Mamaritra lalana eo an-tokotany, indraindray mahitsy, mbetika mibilioka. Misy endrika somary atao mihakely ary misy ny mandalo lavaka. Somary ampandalovina dongona koa aza indraindray. Manidina kely ny kapisily rehefa mandalo eo. Misy départ (fiaingana) dia misy arrivée (fahatongavana). Miainga eo amin’ny fiaingana ny tsirairay mifandimby mitsipindy ny kapisiliny. Tsy azo atao ny mivoaka ny làlana, raha sendra tafavoaka (sort) dia averina eo amin’ny toerana niaingany ny kapisily. Raha ohatra moa tafavoaka ny kapisily nefa avy eo tafiditra anaty lalana indray (sort miditra) dia averina eo amin’ny toerana nivoahany làlana fotsiny. Dia raikitra ny fifaninanana ka izay tonga voalohany eny amin’ny arrivée no mandresy.
Matetika misy kapisily roa na telo no ampiasain’ny tsirairay satria misy ilaina rehefa làla-mahitsy, misy mahay mitsambikina, misy mavesabesatra (misy bouchon) misosa amin’ny goudron.
Fiteny mahazatra ny hoe “maka very ligne”, izany hoe azo akisaka miankavia na miankavanana ny kapisily, arakaraka ny làlana tiana haleha saingy tsy azo aroso.
Zoera no iantsoana ny lalao baolina kitra amin’ny kapisily. Avy amin’ny hoe “joueurs” mazava ho azy. Tsy ny kapisily no tena fanaovana zoera fa vatofisaka hafa mavesatra kokoa toy ny biriky parpins, vakina “carreaux”, na koa vakina masontantely (hay moa avy amin’ny tafontrano amiante ireny). Rehefa tsy manana an’ireny vatofisaka ireny dia ny kapisily no atao zoera. Mila kapsily mavesabesatra ny zoera ka matetika misy bouchon izy na koa asiana tain-dabozia. Ny maharatsy ny tain-dabozia dia tsy hita intsony ny haingony izay solon’akanjo (maillots). Mila mitovy mantsy, ary matetika nalaina avy amin’ny lokon’akanjon’ny mpilalao malaza mandeha amin’ny télé. Tsy ivalamparako ny filalaovana zoera satria mbola be mpahay. Faritana ny kianja dia mifandimby mitsipindy ny kapisiliny mba handona ny baolina izay vita amin’ny plastika nodorana. Ny tanjona dia ny hampiditra ny baolina any amin’ny haraton’ny mpifanandrina. Harato izay voaaron’ny mpiandry tsatokazo vita amin’ny boatina sardine matetika.
Ny tsipy lavaka
Lalao iray fanangonana kapisily ny tsipy lavaka. Mitovitovy amin’ny kanety izy saingy kapisily no ampiasaina. Olona roa na maromaro no mifaninana, samy manana kapisily tsirairay. Amin’ny voalohany dia miady izay voalohany hanipy ao anaty lavaka. Ka ny fomba atao dia avy eo amin’ny lavaka no manipy ny kapisily eny amin’ny ligne. Izay akaiky ligne indrindra no voalohany. Mety hisy ny “même”, izany hoe mitovy dia miverina manipy indray. Ny “sofiny” koa, izany hoe tafavoaka ny faritry ny ligne dia mamerina manipy.
Rehefa voafaritra hoe iza no manipy voalohany dia raisiny daholo ny kapisily rehetra ka atsipiny tsirairay avy eny amin’ny ligne mankao anaty lavaka. Raha misy tafiditra avy hatrany ao anaty lavaka dia antsoina hoe an-kanina, tonga dia anazy iny. Ny kapisily sasany izay tsy mbola tafiditra kosa dia tsipindiany tsirairay mandeha ao anaty lavaka, ka izay lavitry ny lavaka no tsipindiany voalohany. Raha tafiditra ao anaty lavaka iny dia lasany koa, ary tsipindiana indray ny kapisily manaraka. Raha sendra tsy tafiditra ao anaty lavaka dia raisin’ilay mpilalao manaraka indray ny kapisily rehetra tsy mbola tafiditra anaty lavaka ka anjarany indray no manipy azy avy eny amin’ny ligne sy mampiditra azy anaty lavaka. Dia toa izany hatrany mandra-pahatapitry ny kapisily.
Rehefa tapitra dia miverina miady ligne indray, izany hoe manipy ny kapisily eny amin’ny ligne mitady izay voalohany.
Misy fotoana izany mety ho lany daholo mihitsy ny kapisily entinao, eo ilay gorona, dia mitady indray.
Ny tifitra kapisily
Lalao fanangonana kapisily koa ity iray ity. Ny tanjona dia mitifitra ny kapisilin’ny namana ka izay voatifitra dia lasanao.
Samy mametraka ny kapisiliny mifanalavitra ny mpilalao. Tsy atao lavitra loatra koa anefa satria ela be vao afaka manafika. Mifandimby mitsipindy ny kapisiliny manatona ny an’ny mpifanandrina izay tianao hofidina. Rehefa voadonan’ny kapisily tsipindinao ny kapisilin’ny namana dia lasanao iny kapisily iny. Raha maromaro ny mpilalao dia mitohy ny fitifirana mandrapahatapitry ny kapisily. Izay vao miverina milalao daholo indray.
Dia ireo lalao ireo no tsaroako nandritra ny fijerena ity kapisily tsy maintsy hariana ity. Mbola misy lalao kapisily hafa tsy voalazako ve?
J'ai donc commencé à développer ce petit jeu de lettre malgache. C'est ma première application jeu pour android, et j'espère que ce ne sera pas la dernière
L'idée vient du fait que j'avais déjà ce type de jeu dans le chat Karajia (mitahia izy fa lasan-ko razana... ou pas). Il y a des lettres proposées et on cherche le mot... en malgache. Toutes les lettres doivent être utilisées, et le mot à deviner est tiré du "Rakibolana Malagasy" (qu'on peut trouver sur rakibolana.org). Vous avez une minute pour trouver le mot, et le point que vous gagnez dépend de votre vitesse.
Le niveau se joue aux nombres de lettres à utiliser. Vous pouvez choisir entre 4 lettres, pour les mots plus faciles, jusqu'à 7 lettres, des mots difficiles mais pas impossibles.
Les points que vous gagnez s'accumulent et si vous êtes connectés avec votre compte Google, et que vous avez internet, ils seront enregistrés en ligne pour les comparer avec ceux des autres joueurs.
Si vous ne trouvez pas le mot, vous pouvez voir la solution... avec la définition, bien sûr. Ces définitions sont toujours tirées du site rakibolana.org. Elles ne sont pas parfaites mais dans prochaines versions du jeu, vous aurez l'occasion de directement les corriger sur place.
Quoi d'autres? Essayez et faites-moi savoir vos expériences.
Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ankamaroan’ny firenena rehetra miady amin’ny coronavirus ny fanidina fiangonana. Ka anisan’izany ny ao Madagasikara izay vao tratran’ity valanaretina ity tamin’ny 20 marsa teo.
Betsaka ihany no mahazo ny antony izay tsy inona fa fiarovana amin’ny fifampikasohana sy fitangoronana ary fivoriana izay antony tena mampifindra be indrindra ny tsimok’aretina.
Fa misy koa ireo izay mafy loha, mieritreritra ny tenany ho hany vontom-pinoana ka manome tsiny an’izany fanapahan-kevitra izany.
Ka ho anareo ireny indrindra ity fanazavana kely ity.
Tsy misy resaka hoe resy, matahotra ny ho faty, tsy mijoro amin’ny finoana velively ny fanakatonana fiangonana. Tsy ifandirana ny finoan’ny tsirairay satria mety misy tokoa ny tena manam-pinoana mahafindra tendrombohitra, ka na hisotro pozina sy hokakerin’ny bibilava aza dia tsy ho faty. Saingy ity valanaretina ity dia mifindra amin’ny piti-drora sy fifampikasohana. Ka ny olona manodidina anao, sy ireo ondry avorinao, izay mety tsy dia ampy finoana loatra toa anao dia mety hifamindra otrik’aretina. Izy ireo indrindra, izay sady marefo ara-panahy no mety marefo ara-batana (antitra, taizan’aretina) no tiana arovana.
Tsy vao voalohany izao no nisy ny fanakatonana fiangonana. Rehefa misy ny ady, misy ny tondra-drano, misy ny loza voa-janahary hafa, ka voatohitohina ny fiarovana ny aina dia mikatona ny fiangonana. Sa raha totory ny rano ny fiangonana dia mbola hilomano ho any am-piangonana ihany ianao satria mila miangona?
Koa samia tompon’andraikitra. Ianao izay manana andraikitra ao am-piangonana indrindra no tokony hiaro ny ondrinao sy hanampy azy ireo.
“Ho fisintonana mpijery fotsiny ity”. Izay no soratra voalohany nosoratako tamin’ilay video iray izay navoakako tao amin’ny Youtube hoe Rijade – Drako hely – censurée vao tsy ela akory izay, fa avy eo moa bedy satria hoe rehefa manao zavatra dia mba ataovy tsara. Marina fa nisy votoatiny tsara ny resaka fa teo ihany koa ilay hoe hisintona mpijery. Nisy vokany be tokoa satria tao anatin’ny 24 ora monja dia nahazo mpijery 6000. Sambany ny video nataoko vao nahazo mpitsidika tahaka izany ao anatin’ny iray andro. Na dia eritreretiko hoe mahaliana aza indraindray ny zavatra soratako dia sarotra mihitsy vao mahatratra mpijery 300 anatin’ny iray andro.
Dia niezaka nanao fampitahana aho hoe inona marina izany no tena be mpijery ? Toa ny zavatra heveriko fa maivamaivana, mitsingevangevana, indray no be mpijery noho ny zavatra heveriko hoe mavesa-danja ? Toa ny resaka kidaladala, kiadiady, kilalaolao, no manintona ny olona kokoa noho ny resaka dinidinika ara-kolotsaina, fampitàna hevitra, fanabezana, fifampizaràna traikefa? Inona no antony?
Mbola te hahazo statistika manamarina ireo eritreritro ireo aho dia niezaka nitady ireo “chaînes” malagasy vitsivitsy malaza. Misy tokoa ny tena mahazo mpitsidika be isan’andro. Noezahiko nojerena amin’ny maso tsy miangatra ny votoatin’izy ireny, ankoatry ny hira izay tsy azo lavina fa be mpitsidika, tsy ho an’ny Malagasy ihany fa eran-tany, dia voamarina ny tombatombako. Ny “clash” no mahazo mpijery ambony kokoa noho ny “flash”. Ny zavatra mampiala voly, izany hoe mampihomehy, mampiresaka, mampifalifaly, mifosafosa, mifanenjinenjika, ny toa ireny no be mpijery kokoa noho ny fifampizaràna traik’efa, dinidinika politika, resaka haisoratra, resaka kolotsaina. Toa te hanao hitsin-dalana aho hoe izany tokoa ve no mahaliana kokoa?
Niezaka nitady ny antony aho dia misy vitsivitsy hitako:
Fialam-boly ho an’ny Malagasy ny video. Tsy mbola tena fitaovana nentina hanabe na hampitomboana fahaizana loatra ny video fa mbola fialam-boly aloha, na fanalana azy hoy ny tanora. Izany hoe olona efa vizaka niasa, avy niady amin’ny fiainana no mitsotsotra mijery Youtube ka zavatra maivamaivana sy mahatsikaiky no tadiaviny.
Tsy mahay manintona olona ny mpanao video. Raha efa fantatra ny salan-taonan’ny mpijery, ny karazan’olona mijery (lahy sa vavy sns), ny toerana misy ny mpijery (Madagasikara na andafy), dia tokony atao mifandraika amin’izay ny zavatra avoaka raha te hahazo mpijery.
Tsy présentable ny mpanao video sasany. Hafa mihitsy ny hoe mpanao video vehivavy manja, tsara feo. Na dia tsy marina foana aza izany… ahoana izao i anona sondendandenda nefa be mpitsidika ihany?
etc.
Dia inona izany ny vahaolana entiko raha te hanana mpitsidika betsaka? Alaim-panahy ihany aho hanao video maivamaivana ho fialam-boly. Kanefa mila mandanjalanja ihany koa hoe mpitsidika betsaka ve no tadiavina sa hampita hevitra. Ka ny marimaritra iraisana angamba dia hoe tazonina ho ankamaroany ihany ny votoatiny mahaliana fa indraindray, tena indraindray, asiana video fisintonana mpitsidika mba hahita ny votoatiny hafa ihany koa.
Sary roa nanamarika iny herinandro iny eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina teto Madagasikara ireo napetrako ireo. Ny sary voalohany dia mametraka ny hevitra niseho tao amin’ny rindrin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, izay toa efa nofafainy taorian’ny resaky ny olona, mikasika indrindra ny fomba fitafy ho an’ny vehivavy. Ny sary faharoa kosa dia mikasika tovovavy kely iray vao 9 taona monja nisy nanolana. Araka ny resaka dia hoe nandeha nandihy alina niaraka tamin’ny namany izy izao nisy nanolana izao.
Ny fifandraisan’ireo sary roa ireo dia ny fahitana amin’ny ankapobeny ny toe-tsaina manomboka voizina na efa mipaka anaty mihitsy aza ao Madagasikara. Tsy ny tompon-keloka intsony no melohina fa ny nahatonga ny tompon-keloka nanao ny heloka. Ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazana dia manainga ny raiamandrenin’ny tovovavy hanabe azy ireo hitondra fitafy maotina satria hono izany no hampihena ny filan-dratsin’ny lehilahy. Hadisoan’ny ray amandreny na ny tovovavy indray izany raha toa ka iharan’ny filan-dratsin’ny lehilahy izy ireo. Toa alàna tsiny avy hatrany ny filan-dratsy. Toa tafapaka avy hatrany amin’ny toe-tsain’ny ankamaroan’ireo nanome hevitra mikasika ilay tovovavy kely nisy nanolana sahady izany. Ny renin’ity tovovavy kely ity indray no tena nahazo tsiny satria toa noho ny nataony no naha voaolana ny zanany. Zazavavy kely vao 9 taona ve dia alefa handiny amin’ny alina. Toa alàna tsiny ilay lehilahy nanolana.
Diso lasibatra tanteraka ny toe-tsaina tahaka izany raha tohizana. Marina fa amporisihina ny olona hanao fitafy maotina, tsara, ary tenenina ny ray aman-dreny hitaiza tsara ny zanany, fa tsy tokony hanala tsiny ireo mpanao ratsy izany. Raha misy ny tokony mila fanabeazana na famaizana dia ireo mpanao ratsy na ireo mirona tsikelikely amin’ny fanaovan-dratsy.
Diso foana ny lehilahy mpanolana, ka tokony hofaizina, na inona na inona ny akanjo anaovan’ny vehivavy.
Nohazavaiko nandritra ny 3 minitra tao amin'ity video ity ny hevitro momba ny Francophonie izay hatao ato ho ato. Betsaka tsinona ireo hevitra misavorovoro mikasika azy ity, misy ny mankasitraka, misy ny mitsipaka sy mitady hisakana mihitsy.
Tokony hararaotina ihany ny fanamboarana sy fanadiovana ary fanatsaràna tahaka izao dieny mbola manao ny fanjakàna. Satria raha mbola izao politika izao dia tsy hisy intsony indray ny fanamboarana raha tsy any aoriana be any.
Araka ny vaovao voaray, ny antony tsy hianaran'ny mpianatra dia ny mba hahafahan'ny mpampianatra azy ireo mitsidika eny amin'ny tananan'ny Francophonie ihany koa.
Nisy fampirantiana ara-tsary nokararakarain’ny Maison des Enfants teto Roma tamin’ny sabotsy 22 oktobra teo no sady fihaonana fanaon’ny Fikambanana isan-taona amin’ireo mpanohana azy ireo hiresadresahana ny zavabitan’ny fikambanana hatramizao sy ny tetikasa miandry azy ireo amin’ny taona ho avy io.
Ny fikambanana Maison des Enfants onlus, araka ny anarany, dia mikarakara ireo zaza anaty fahasahiranana tanteraka ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika. Ramatoa italianina efa niasa an-tsitrapo an-taonany maro tamin’ireny fikambanana mpanao asa soa ireny no nanangana azy tamin’ny 2007.
Ankehitriny dia efa manana fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Mponina ny Fikambanana. Miompana indrindra amin’ny zon’ny ankizy ny filamatra entiny : zo hotiavina, zo hovelomina, zo hianatra, zo hotsaboina.
Ny ankizy no raisiny an-tànana, hoy ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanana tanaty tamin’ny resaka nataony teo (anaty video), satria ny antsasaky ny mponina ao Madagasikara dia ankizy latsaka ny 18 taona (10 tapitrisa eo ho eo, raha 20 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina) ary marobe ny zaza velombelom-poana noho ny fahantrana, tsy manan-kohanina, tsy manan-trano ialofana , tsy afaka miditra am-pianarana, tsy manana fahafahana mitsabo tena, sns.
Ankehitriny dia tetikasa roa no tena iompanan’ny andraikitr’izy ireo :
- Ny voalohany dia ny Centre Mère-Enfant, satria tsy afaka sarahana ireo rehefa miresaka zaza. Mikendry ny hampihena ny zaza avelavela fotsiny eny an-dalambe sy voatery ampiasaina mba hitondra vola hivelomana izy ity. Manomboka amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny Centre. Ka ankoatra ny fandefasana any am-pianarana ireo ankizy efa amin’ny taonan’ny miditra an-tsekoly dia eo koa ny fanaraha-maso sy fanampiana manokana ny fianarana ho an’izay somary
tratra aoriana. Eo anilan’izany dia misy ny trano fisakafoanana izay azo lazaina fa sandan’ny fankanesana any an-tsekoly kosa anefa satria tsy ny zaza rehetra no mazoto mianatra. Izany hoe izay mandeha mianatra dia mahazo anjara sakafo izay mody ny hariva. Fa ao koa ny drafitrasa ho an’ireo zaza tena mila fanampin-tsakafo manokana. Ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.
- Ny faharoa dia ny Maison de Famille izay mifantoka indrindra amin’ireo zaza menavava sy zaza madinika indrindra. Azo lazaina hoe ankohonana kely ho an’ireo zaza nariana na navelavela fotsiny teny izy ity. Misy 15 mianadahy izy ireo izao.
Hita amin'ny vaovao sy amin'ny statistika isan-karazany fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana firenena maro any Afrika ny Sinoa. Manao foto-drafit'asa maro goavana toa ny lalana, tetezana, fa mampiasa vola hatramin'ny fambolena sy fiompiana koa.
Ao Madagasikara koa nandritra ny taona nifamdimby dia nandray anjara tamin’ireo tetikasa goavana notantanan’ny fanjakana ny sinoa. Na ara-pitaterana tahaka ny lalam-pirenena faharoa izany na ara-panatanjahan-tena tahaka ny nanamboarana ny lapan’ny fanatanjahan-tena ao Mahamasina, sns.
Tsy maimaim-poana daholo ireny tetikasa goavana ireny fa nisy tambiny. Ary na dia tsy fanta-tsika vahoaka loatra aza dia nahafa-po antsika ny asa ka matetika tsy nojerena hoe inona no tambiny notakian’ny sinoa tamin’ireny asa ireny. Ka ny mampa-metra-panontaniana amin’izao fotoana izao dia hoe nahoana no manjary misy kely amin’ny fiarahamiasantsika amin’ny sinoa? Toa ny ao Soamahamanina sy ireto tany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hafa. Toa ny lalan’ny frankofonia izay toa tsy maharitra tahaka ny mahazatra?
Hatramin’izao aloha dia tsy misy afatsy ny hoe “sao dia” no azo lazaina.
Sao dia mba tsy tena sinoa fa sinoa foza no niditra antsehatra?
Sao dia niova fiasa tokoa ny sinoa?
Sao dia Mba nanome tambiny betsaka ny sinoa fa nisy nikepoka?
Sao dia tsy misy harena akory ao Soamahamanina?
Anjarantsika izay voakasika mivantana no manao fanadihadiana fa làlana fotsiny ihany ireo. Araka ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy fomban’ny fiaraha-miasan’ny sinoa amin’izay toerana andehanany izao fa misy antony ao. Io na ireo antony ireo no ahitsy dia mino aho fa hiravona io ary hisy fandrosoana tokoa avy amin’ity fiaraha-miasa amin’ny sinoa ity.
Nanam-bahiny aho tao amin'ny serasera 3 min androany, izany rahateo moa ny serasera 3 minitra, resadresaka mikasika ny zavatra mahaliana ahy sy tiako zaraina amin'ny hafa amin'ny video. Naseho tao izany Ramatoa Jackie Randriantsoa filohan'ny fikambanana Education for Madagascar.
Ny Education for Madagascar dia fikambanana mikarakara mikasika indrindra ny fanabeazana. Eny Ambohibe ilafy eny no foibeny. Tamin’ny 2010 izy ireo no nanomboka ary ankizy 20 no nobeaziny tamin’izany, amin’izao dia efa mahatratra 50 izany ary tsy mitsahatra mitombo ireo mangataka hiditra. Efa mahatratra 750 any. Dia izany indrindra no nahatonga andry zareo hanorina ity fikambanana ity mba hahafahana mandritra ny fitantanana sy mangataka ihany koa fanampiana avy amin’ny malala-tanana. Marihina fa tsy miankina sy tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ity fikambanana ity fa dia miantehitra tanteraka amin’ny fanampian’ny malala-tanana sy ireo tsara sitra-po izay manampy rehefa misy ny ilàna azy. Araka izany dia ny fanabeazana ny ankizy, izay eo amin’ny 13 taona eo ny salan-taonany, no tena sahanin’ity Fikambanana ity. Eo amin’ny taona maha-sarotra ny fanabeazana indrindra. Ka ezahina ny hanome azy ireo araka izay tratra, ny karazam-panabeazana sy fampianarana mba tsy hampibirioka azy. Anisan’izany ohatra ny fampianarana teny vahiny amin’ny alalan’ny internet. Ny fampianarana mamaky teny ihany koa. Ary tsy very lanja ihany koa ny zava-kanto toa ny fampianarana hosodoko, mozika, dihy ary fikarakarana zaridaina. Ny andinindininy rehetra moa araka ny voalaza teo dia ao amin’ny takelaka educationsformadagascar.org no hahitantsika azy.
Mampalahelo ihany ny vaovao niseho androany hoe nodoran'ny vahoaka ny JIRAMA ao Farafangana. Mila vahaolana malaky ny tahaka izao mba tsy hiparitaka ho zary vahaolana ho an'ny rehetra.
Voalohany indrindra aloha dia hatezerana fa tsy fisainana no nentin'ny olona nandoro JIRAMA tao Farafangana. Rehefa mafy loatra tokoa ny fijaliana manjo ny olona iray dia mahavita zavatra tsy am-pisainana izy. Ny mahatonga ny olona ho tezitra dia ny tsy fisian'ny fangaraharana sy fifampiresahana. Azo atao tsara ny manazava ny sain'ny olona amin'ny mangarahara hoe inona ny olana ary rahoviana no hivaha. Ahoana tokoa moa no hinoana hoe misy ny olana raha ohatra ka ny sasany ihany no mijaly fa ny hafa miha manana foana?
Indro velabelariko mandritra ny 3 minitra amin'ity vlog ity izany.
Nomeko anarana androany ny vlog fanaoko. Tsy dia hoe ho isanandro akory fa tsy hajanona ela fotsiny.
Ny nolazaiko ao dia mikasika an'i Awa izay "efa miezaka" mihitsy mihiray saingy betsaka ny tsy tia azy noho ny feony sy ny paoziny. Misy mihitsy aza no miteny hoe tsy tokony hihira akory izy. Amiko indray kosa dia tsy tokony omena tsiny avy hatrany izy ireny satria endriky ny ezaka lehibe izay ataony ireny. Tsy ny olona manan-talenta ihany no manao zavatra iray fa ny olona vonona hianatra ihany koa.
Nanomboka nanao vlog aho androany. Ny vlog na video log dia fanangonangonana resaka izay mahakasika lohahevitra maro ao anaty video. Mitovy amin'ny blaogy ihany izany saingy antsary fotsiny. Ny zavatra hotantaraina ao anatin'ity vlog ity dia ny hevitro mikasika ny zavatra mitranga sy ny zavatra iainako na ny zavatra reko sy ny zavatra hitako. Hoezahina hatao tsotra sy fohy ary amin'ny teny malagasy manontolo ny vlog. Atao 3 minitra raha ela indrindra. Ary sady hisy ao amin'ny Youtube (Jereo eto) no hisy ao amin'ny Facebook (jereo eto). Noeritreretiko hoe moramora kokoa ho ahy ny mamelabelatra hevitra raha mivantana amin'ny resaka. Fa hotohizako ihany koa anefa ny blaogy.
Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena alina hono ny Lalàna mifehy ny fifandraisana. Raha fintinina dia sivana sy famehezam-bava ho an'ireo mpikirakira vaovao sy ho an'ny rehetra no ao anatiny. Araka ny vaovao farany dia nitsipaka izany ny RSF sy ny UPF. Tsy vaovao intsony nefa izany ho an'ireo niaina tany amin'ny taona 80 tany. Imbetsaka no nahita gazety nisy faritra na pejy fotsy tanteraka satria nandalo sivana tamin'ny ora farany. Fa ny nahay azy dia ny Gazety Lakroa izay nisy an'i mompera Remy Ralibera sy ny ekipany. Hainy ny nihoatra ny sivana ka tafita foana ny hafatra nefa sarotra dia sarotra ny nanakana ny Gazety Lakroa hivoaka.
Tamin'izany no nahenoako andry Rainisoazanatasy.
Rainisoazanatasy dia vahoaka ao amin'ny RBDMNK (raha tadidiko) izay miaritra fijaliana sy fahoriana. Misy itovizany betsaka amin'ny an'ny Malagasy ny fiainany, fa tsy Malagasy ry zareo :-) Ka dia ny fiainan'ny Rainisoazanatasy sy ny RBDMNK no voatsikera sy toroana hevitra tao.
Izany no fomba iray nataon’ireo mpanao gazety tao amin’ny Gazety Lakroa nitsikeran’izy ireo ny fitondrana izay tsy azo notsikeraina intsony tamin’izany fotoana izany. Izany sisa no nahafahany nampita ny zava-misy ho an’ireo mpamaky. Isaky ny misy zavatra mitranga eo amin’ny firenena, na misy kabarin’ny mpitondra mila tsikeraina, dia ny mpitondran’ny Rainisoazanatasy sy ry Rainisoazanatasy no nahazo fananarana sy torohevitra.
Tamin'ny farany moa dia hoy foana ny lahatsoratra hoe "Hafa ihany ho'aho isika Malagasy e."
Koa raha izao no mitohy dia hitsangana indray ry Rainisoazanatasy sy ny fianakaviany hiseho gazety.
Tsy dia tena ilay hiran’i Lukas Graham hoe “7 years” loatra na dia hoe iny ihany aza no nahatonga ny aingam-panahy hanoratra lahatsoratra eto amin’ny blaogy indray rehefa kivin’ny zava-miseho eo amin’ny facebook. Tsy nanoratra momba an’i OmGui tokoa aho, tsy niresaka fetin’ny 26 jiona, tsy nanoratra momba ny bomba mipoaka, tsy nanoratra momba ny mananasy, ny trano may tetsy sy teroa sns. Nefa taloha anisan’ny soratako ato daholo ireny :-) Fa mbola ho avy ka… mbola ho avy. Fa androany aloha.
Mbola tanora be tokoa angamba i Lukas Graham, na tsy mitovy generation amintsika (isika), satria raha marina io tantarainy amin’ny hirany io, hoe fony izy 7 taona dia nolazain’ny mamany hoe mitadiava namana sao ho tokan-tena, dia tena hafa mihitsy ny zavatra nanahirantsaina ny reniny tamin’izany. Tsy izany ny zavatra nanahirantsaina ny reninay fony izahay 7 taona.
Fony aho 7 taona dia niaina tao anaty fahadiovan’ny ankizy tanteraka. Tsy tadidiko ny ankamaroan’ny zavatra niainana, mazava ho azy, satria tsy dia nisy zavatra nanamarika ahy loatra ankoatry ny fiainan’ankizy. Namana avokoa na iza na iza, tsy nisy hoe foko avy aiza. Nisy ihany ireo ankizy nalaza hoe maditra teo amin’ny tanàna tsy dia navela nifaneraseràna loatra… saingy tsy voasakan’izany rehefa tena miara-milalao. Tadidiko ry Fifi, Vévé, ry Zozé, ry Nônô kely, tafiditra tao anatin’ny lisitra mainty, tsy tokony hifaneraserana, nefa toa namana tsara ihany tsy nisy fanavahana.
Fony aho 7 taona, toa navela nalalaka, mivoaka irery eny an-tokontany. Mino aho fa nataon’ny ray aman-dreny tazan-davitra ihany fa tsy nosemban-tsembanina kosa.
Fony aho 7 taona, ny tena nahaliana ahy dia ny any an-tokontany, miaraka amin’ny namana. Tsy variana milalao irery na mijery fahitalavitra. Vao vita ny sakafo dia efa rifatra hivoaka. “Ho aiza? Handeha hilalao.” Hilalao fotsiny tsy misy tohiny fa rehefa any an-tokontany vao fantatra hoe hanao inona.
Fa amin’izao fotoana izao, 7 taona ny zanako, hafa be mihitsy ny fitaizana raha miohatra amin’ny anay. Miaraka aminay ny ankamaroan’ny fotoanany rehefa tsy mianatra. Rehefa milalao miaraka amin’ny ankizy ao antokotany izay mifefy sy mihidy vavahady izy dia tsy maintsy eo ny iray aminay, tsy izahay irery fa ny ray amandrenin’ny ankizy miaraka milalao aminy koa.
Na amin’ny fihaonana amin’ny malagasy hafa aza, hahitàny namana Gasy hilalaovana, dia tsy maintsy voajery isa-minitra. Voafehy, tandremana. Sao dia…
Vokany, tsy manana fahalalahana tsara intsony… dia avy eo ho tapa-kofehy rehefa votsotra. Mila torohevitra na dia efa fantatra ihany hoe inona no tokony hatao.
Famaranana: Noho ny vinavinan’ny solombavam-bahoaka handany ilay lalàna mikasika ny serasera izay ahitàna fanampenam-bava dia angamba ho resaka tahaka izao sisa no amin’ny blaogiko. Tsy hisy politika intsony, tsy hisy tsikera fitondrana na olom-pitondrana intsony. Fa tsy maninona izany. Izany no vokany rehefa te hifidy depioté tsy mahalala akory ny lalàna hofidiny. Tapitra
Vao hitako nanoratra atsy ambadika atsy i Jentilisa mikasika ny mety hatao mikasika ity lozam-pifamoivoizana mitranga matetika ao Madagasikara ity. Tohina mihitsy moa ny fo tamin'ny zavatra niseho androany fa toa efa halohalika ny ranom-bary. Tsy afaka hiandry fanjakana isika, be izay efa tsy nataony izay koa samia mitady hevitra hiarovana ny aina. Sosokevitra iray izay ampiharin'ny olona amin'ny firenena sasany no arosoko. Fehezina amin'ny hoe "ny mpandeha" (ny mpanjifa) no tokony ho tompom-pahefana.
Ny mpandeha dia mandoa vola fa tsy entina maimaim-poana. Ary efa vidina lafo mihitsy ny fitaterana amin'izao fotoana izao raha miohatra amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay. Koa tahaka ny varotra rehetra dia izay tsara sy hitanao mahasoa no vidina. Inona no mifandrindra amin'izany resaka tolotra sy tinady izany eo amin'ny fitaterana:
- Anontaniana mialoha ilay mpamily raha handeha mafy izy na tsia, indrindra ho an'ny taxi-brousse mandeha lavitra. Azavaina aminy mihitsy fa raha handeha mafy izy dia aleo hifidy taxi-brousse iray hafa izay vonona hanaja lalàna. Tokony ho azo atao izany satria ifandrotehana ny mpandeha rehefa eo amin'ny Stationnement.
- Raha vao manomboka mandeha mafimafy mihoatra ny tokony ho izy ny mpamily dia tenenina avy hatrany. Afaka mangataka ny hijanona mihitsy na miantso zandary amin'ny antso an-taroby. Fa tsy hoe faly rehefa mandeha mafimafy ny mpamily.
- Tsy avelavela fotsiny amin'izao raha nisy ny tsy fanarahan-dalàna teny an-dalana (mpamily nandeha mafy sns) fa resahina avy hatrany amin'ny mpitandro filaminana rehefa tonga.
- Ampitampitaina amin'ny hafa amin'ny fomba samihafa (groupe F.E.M eo amin'ny facebook na fitaovana hafa) ireo fiara, mpamily, kaoperativa izay tsy manara-dalàna toy ny mpamily mifoka sigara, mandeha mafy, sns.
Inoako fa raha samy mandray ny andraikiny ny mpandeha tsirairay dia mety hisy ihany ny aina ho voavonjy. Dia andao hiara-mitady vahaolana mandra-pahatongan'ny fitondrana saina.
Resaka hafa mihitsy aloha. Miverimberina foana ny antso hoe miverena aty an-Tsihanaka... na ilay hoe aza mimenomenona fotsiny ianareo any ivelany any fa raha tena te hampandroso firenena dia miverena aty Madagasikara. Eny, mety hadisoana ho anay ny tsy miverina hampandroso an'i Madagasikara... fa inoako fa tsy hampiova zavatra lehibe loatra akory ny fiverenana. Firifiry ireo niverina nefa tsy afaka manao na inona na inona akory... toa izany koa moa ireo efa tao foana fa tsy afa-mikofoka e. Vao maika loza aza satria tsy afaka miteny tahaka izay any ivelany akory noho ny delestazy :-) Koa aza mifampiantsoantso fa samia manao izay ho vitany amin'ny toerana misy azy.
Sary: www.iisd.ca
Ny kajikajy politika tamin'ny fanoloana praiminisitra teo dia hoe hanomanana ny fifidianana 2018. Dia be ireo tena manao kajy tokoa hoe ho hita eo fa tsy handresy ny anay io na soloina an'iza na soloina an'iza. Dia misy ireo miezaka mandresy lahatra ny vahoakaNY hoe vao maika ireo resintsika raha iny no praiminisitra. Ny sasany moa dia faly ery milaza hoe "voaporofo izao fa tsy mamely ity fitondrana ity satria intelo niova praiminisitra ka ho resintsika io amin'ny fifidianana"... dia mikajikajy politika eo. Kanefa toa ho diso kajy daholo.
Diso kajy satria tsy mitovy ny "fototra" (base) hoy ny mpanao matematika. Ny 1+1 dia mety ho mira 2 na mety ho mira 10 arakaraka ny "fototra" ampiasaina. Ka ity kajy politika ity misy "puissance" hafa mihitsy dia ny vola sy ny fahefana izany. Na tsy ho tian'ny vahoaka aza io fitondrana io, raha mbola ny vola sy ny fahefana no hiasa dia ho reraka eo fotsiny ny mpikajy madio. Ny vahoaka madinika mety tsy ho voavidy amin'ny fifidianana intsony satria efa maranitra amin'ilay hoe hano fa adala tompo. Ka tsy hifidy Herim-po Very Maina intsony na hahazo Tee-Shirt sy vary tambim-bato aza. Ny vahoaka madinika efa tsy ho resy lahatry ny kabary tsara lahatra intsony satria tadidiny ny ngidin'izay mandat voalohany izay. Saingy tsy ny vahoaka madinika intsony no hianteheran'izay manana vola sy fahefana fa ny ambaratonga ambony kokoa. Izay no atahorana amin'ilay kajy maloto. Raha voavidin'ny eo amin'ny fitondrana avokoa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hanao "halabato be vata" dia tsy hisy kajy mirindra. Ka na ho zakanao avoko aza ny vahoaka dia ho gaga ianao hahita ny voka-pifidianana hoe tsisy nifidy anao akory.
Koa raha hanao kajy dia ovay ny "fototra"... na farafaharatsiny ampitovio ny "fototra" hanaovana ny kajy.
Ny fanantenako amin'ity Praiminisitra vaovao ity dia toa Katolika hono izy... ary ho an'ny Katolika dia taonan'ny famindram-po ity taona ity.
Mipoaka be ny resaka Panama Papers #PanamaLeaks tamin'ity herinandro ity. Izy ity dia fanatsikafonana, tamin'ny alalan'ny famoahana ireo dossiers maromaro sendra tsy voapirina tsara, ny fomban'ireo mpanambola sy mpitondra maro amin'ny firenena maro izay manorina orinasa sy mampiasa vola any amin'ny tany tsy dia misy fanarahana hetra loatra mba hialàny amin'ny fandoavan-ketra eo amin'ny taniny. Samy miandriandry hoe iza avy no ho tratran'ny ampamoaka. Efa misy anarana ngeza mivoaka, toa voatonontonona ao koa hono hatramindry Messi, Platini sns. Toa misy ihany koa ny avy ao Madagasika fa mbola tsy fantatra hoe iza. Dia mifampiandry kendry tohina eo aloha.
Fa alohan'ny hanondroana molotra azy ireo, izay tokony hofaizina mafy tokoa aloha, dia tokony samy mandini-tena. Hatraiza ny fandoavanao hetra eo amin'ny taninao na eo amin'ny tany hivahiniananao. Mora be ilay filazàna hoe tsy mipàka amin'ny fiainana andavanandron'ny vahoaka akory ilay hetra ka aleo samy tsy mandoa. Kanefa toa vahaolana diso ihany izany satria dia hiara-mifafa eo. Fa raha toa tokoa ka tsy misy fiantraikany amin'ny fiainana ny hetra dia ny fitondrana izay tsy mampiasa izany araka ny tokony ho izy no tokony harodana.
Nampiasa anaram-bady hono ireo tsy mpandoa hetra
Manomboka amin'ny zavatra kely indrindra ny ady amin'ny tsy fandoavan-ketra ary tsy maintsy hiaraha-manao. Raha olona vitsy fotsiny mantsy no miezaka mandoa dia mitovy amin'ny tsy misy ihany. Miainga amin'ny fahazarana faran'izay kely indrindra, maka faktiora foana rehefa mividy zavatra... ary manome faktiora foana koa rehefa manome zavatra.
Ho anay eto Italia, ny zavatra novidina, na dia kafé iray kaopy aza, dia misy ampaham-bola mandeha any amin'ny fanjakàna rehefa nisy taratasy manamarina azy. Imbetsaka mihitsy no tsy manome taratasy ny mpivarotra rehefa tsy mitaky ianao fa odiany fanina. Nefa midika iny fa tsy voarotsaka any amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny 10%-n'ny zavatra novidinao.
Mitaky fandraisan'anjaran'ny rehetra izany. Ankoatry ny fandoavanao ny hetranao dia anjaranao koa miteny ny hafa handoa ny anjarany.
Il est temps d’obliger les grandes multinationales de payer leur juste part d’impôt. Signez notre pétition et rejoignez le mouvement contre l’évasion fiscale. http://oxf.am/Fb6m
Koa satria ito no tetik'asa voalohany amin'ny Arduino ataoko dia tsara ihany angamba hazavaina fohifohy ny momba ny Arduino ho an'izay tsy mahalala. Raha handalina bebe kokoa dia afaka mandeha ao amin'ny site officiel-n'ny arduino ao amin'ny http://www.arduino.cc. NyArduino dia azo lazaina hoe fitaovana iray (noforonina ekipa italiana) izay tsotra sy misokatra hahafahana manao tetikasa elektronika. Alaivo sary antsaina fotsiny ohatra hoe ny fanokafana vavahady, ny fampandehanana jiro maintso, ny jiro krismasy mifandimbindimby sns. dia azo atao amin'ny arduino avokoa. Ny olona rehetra manana finiavana hikirakira elektronika sy programmation tsotra dia afaka mitrandraka arduino. Betsaka ny fampianarana ao amin'ny youtube izay mikasika azy ka tsy dia manahirana loatra.
Izay no ela fa tamin'ny novambra aho no tena nanomboka nihaona tamin'ny Arduino ka nanana tetikasa voalohany hoe hampandeha ilay fiarakelin'i Aina aminy.
Fiara efa téléguidé saingy very ny télécommande dia tsy nandeha intsony. Dia nesorina tanteraka ny circuit-ny ka hosoloina Arduino.
Arduino Nano V3 no nojerena tao amin'ny Ebay ka teo amin'ny 6 Euros teo ny vidiny. NyArduino nanodia tableau arduino kely. Misy ny zavatra rehetra ao amin'ny Arduino izy saingy kely fotsiny ka mety tsara amin'ity tetikasa ity satria tafiditra ao anatin'ilay fiara.
Kely dia kely tokoa ny Arduino Nano V3 kanefa mora dia mora tokoa ny vidiny, indrindra raha vidiana ao amin'ny Aliexpress na ao amin'ny Banggood satria mahatratra 2 Euros mihitsy izy any. Ity novidiko ity dia tsy soudé, izany hoe misaraka aminy ny broche ka raha ilainao dia ianao ihany no mi-souder azy. Ny ahy moa no-souder-ko satria hapetraka amin'ny platine d'expérimentation (na breadboard) ary betsaka ny bokotra (pins) ilaiko.
Ankoatra an'io Arduino io dia nila zavatra roa hafa ihany koa. Ny voalohany dia module Bluetooth HC-06hibaikoana an'ilay fiara avy amin'ny alalan'ny smartphone. Nisy ny niteny hoe tsy mahazaka 5v io module io na dia betsaka aza ireo ao amin'ny youtube tonga dia mametaka azy amin'ny 5v, koa dia voatery nampandalovina mpampihena courant ilay izy (jereo ilay resistances roa R1 sy R2 eo amin'ny schema) hahazoana 3,3v eo ho eo. Ary ny faharoa dia ny module Pilote de moteur L9110izay hibaikoan'ny arduino ny motera anakiroa ao amin'ilay fiara. Misy motera roa tokoa mantsy ilay fiara, ny iray ao aoriana izay manosika sy mampihemotra azy ary ny iray kosa ao aloha miandraikitra ny fiviliana havia sy havanana.
Ankoatr'ireo dia tena nilaina koa ny tariby isan-karazany izay mampifandray ny Arduino amin'ireocomposants na modules hafa. Tao anatin'ilay fiara indray dia efa nisy fitoerana piles efatra izay 6 volts no fitambarany ka mety amin'ny Arduino tsara.
Tamin'ny voalohany aho dia nisalasala na Bluetooth no hampiasaina hibaikoina azy na WiFi. Fa hitako hoe Bluetooth no mety kokoa satria afaka ampiasaina na aiza na aiza...
Eo amin'ny lafiny software indray dia tena mahaliana ny Arduino satria misy ny atao hoe Arduino IDEizay ampidirina amin'ny ordinatera dia afaka mifandray avy hatrany amin'ny Arduino board (tahaka nyArduino Nano). Raha ny tena izy dia mampiasa "language C" amin'ny programmation ny Arduino, ho an'izay tsy dia tia programmation kosa dia efa misy ny fanamboarana tetikasa amin'ny arduino amin'ny alalan'ny kisarisary, azonao jerena eto ny mBlock momba izany.
Toa izao izany ny schema kely mikasika ny branchement. Ialana tsiny fa tsy nianatra electronique aho fa dia izay fahaizako azy tao no natao. Mino aho fa mahita zavatra betsaka hotsikeraina ry zalahy ingénieurtahaka an'i zandrinay :-p (Sary no-imprimer-na avy ato)
Koa satria matanjaka be ireo moteurs dia tsy zakan'ny Arduino (tonga dia maty ny bluetooth raha vao mihodina ela ny moteur) dia nalaina mivantana avy amin'ny alimentation 6v ny courant mampihodina azy.
Ny télécommande izay mampandeha azy dia avy ao amin'ny PlayStore antsoina hoe Arduino Bluetooth Car. Efa asehony ao anatin'io fitaovana io ny commandes rehetra ampitainy any amin'ny arduino dia iny fotsiny no ampidirina amin'ny script izay hampiasaina.
Ny zavatra fanampiny dia ny jiro sy ny buzzer (solona klaxon). Tsy eo amin'ny schema eo ambony fa jiro roa sy resistors fotsiny ary haut parleur kely iray nalaina avy amin'ny casque no natsatoka amin'ny broches iray amin'ny arduino.
Ireto ambany ireto ary ny sary sy ny script hanaingo ity resaka ity.
Roa volana izay no nitsapako ny netflix. Ny iray volana maimaim-poana, dia avy eo mbola nampiasa iray volana 8 Eur. Nanaitra ihany aloha tamin'ny voalohany hoe tonga eto Italia (sy toa eran-tany koa) ny Netflix izay heno be avy any amin'ny bekintana USA ny lazany. Maimaim-poana rahateo ny iray volana, ary afaka mijanona avy hatrany na oviana na oviana ka tsy te hijery intsony. Dia nanandrana tokoa. Tao anatin'ny iray volana dia lany tao nijerena serie iray misy 7 saisons izay manana episodes 12 amin'ny 45 minitra ny fotoana. Raha atao kajikajy dia any amin'ny 65 ora any. Zavatra roa no azo tsoahina: matoa zavatra nandaniako 65 ora izany dia mahaliana ahy tokoa :-) (izaho tsy miteny hoe tsara), ary faharoa tena betsaka ihany izany 65 ora izany ao anatin'ny iray volana. Ka hotohizana sa hajanona?
Anisan'ny mahafinaritra ny Netflix dia mandefa hafatra izy rehefa ho tapitra ny volana hoe mbola hanohy hijery ve ianao amin'ny volana manaraka? Raha tsy hanohy hijery dia mila tapahina ny famandrihana, raha tsy izany dia alainy tsikelikely ao amin'ny kaontinao ny sarany. Ny Gasy moa tsy mety afa-po ary mila mahazo tombony foana, dia notadiavina izay tsy hahafaty antoka raha toa ka mandoa ilay 8 Euros isam-bolana... na dia kely aza izany. Hita ary aloha izao fa ahazoana fahafinaretana ilay izy dia notohizana... holazaiko eo ihany rehef manamorida (teny vaovao io) toa ny nataon'ny sky izay voatery notapahina teo.
Indraindray be loatra ny zavatra eritreretina hatao ka izay tonga ao antsaina amin'ny fotoana maha-mety azy sy azo atao avy hatrany dia atao.
Efa ela aho no nieritreritra hanao video mirakitra fampianarana faran'izay tsotra ireo fitaovana ampiasain'ny olona andavanandro amin'ny ordinatera. Koa atomboko amin'ny Microsoft Word izany. Fampianarana izay natao ho an'ny tena vao manomboka mihitsy. Misy ireo olona izay tsy nampiasa na tsy zatra nampiasa Word fa noho ny adidy izay nomena azy tampoka dia voatery tsy maintsy hampiasa Word. Misy koa ireo tonga dia nikatroka nanoratra tamin'ny Word ka ataony tahaka ny manoratra amin'ny vata fanoratana taloha (machine à écrire) no fampiasa izany, zary tsy afaka mihanoka amin'ireo zava-baovao isan-karazany mahamora ny fanoratana. Ary misy koa ireo efa mahay Word ihany fa mbola miadana be satria tsy mahita ireo fikafika mampalaky kokoa ny fanoratana.
Ho an'ireo olona ireto no tena nanaovako ity andiana video ity. Hisy fizarana 10 eo ka azonao arahina ao amin'ny playlist Jereo eto
Haheno resa-be momba an'i Vatican indray isika ato ho ato noho ny fivoahan'ny boky anakiroa izay milaza kolikoly eo anivon'ny mpiasa ambony ao Vatican. Ny votoatin'ireo boky ireo dia manambara ireo fanodikodinam-bola sy fiainan'ny mpanan-karena ataon'ireo olona vitsivitsy ao amin'ny governemantan'i Vatican.
sary afp
Araka ny re dia tsy mandà ny zava-mitranga ny Papa saingy tony kosa izy satria ady efa natombony hatramin'ny nitondrany ny Fiangonana ny ady amin'ny kolikoly sy ny fahalovana. Mbola misy ireo resin'ny fakam-panahin-dravola ao Vatican tsy maharitra ny mena miraviravy ka mbola manao ny fomban'izao tontolo izao amin'ny figalabonana amin'ny zava-mandalon'ny tany. Vao tonga teo amin'ny toerany ny Papa François dia nahatsikaritra fa misy olana ihany amin'ny fiainana ataon'ireo olona sasany ao Vatican. Nambarany ombieny ombieny fa tokony hiaina ny fahantrana, araka izay lazain'ny Baiboly tokoa, ny Fiangonana indrindra ireo izay eo amin'ny fitondrana. Tamin'ny 22 desambra 2014 ary ny Papa, dia nanao kabary izay nitsikera lalina tokoa ny toe-piainana anaty harena ilomanosan'ny mpitondra sasany. Nantsoina hoe "Kabary mikasika ireo aretina 15" izany kabary izany (jereo eto). Nisy tamin'ireo izay voatsindrona mivantana no nahasahy nijoro ho vavolombelona fa tsy nety tokoa ny fomba niainany ka hanitsy izany. Nisy kosa vitsivitsy izay tsy faly tamin'ny kabarin'ny Papa.
Tsy zava-miafin'i Vatican araka izay lohatenin-gazety natao hanaitra izany ny zava-misy amin'izao fotoana izao fa toe-draharaha efa fantatra sy efa ilofosan'ny Papa hiadiana amin'izao fotoana izao. Ny inoana fotsiny dia hisy andinindininy (détails) betsaka kokoa ao anatin'ireo boky ka izay indrindra no mahatonga ny fanadihadiana isan-karazany satria avy amin'ny andinindininy izay nivoaka dia inoana fa nisy ireo namoaka tsiambaratelom-panjakàna. Amin'ny maha fanjakàna (Etat) mahaleotena an'i Vatican, dia misy tokoa ny atao hoe "secret d'état" ka tsy maintsy misy ny fanadihadiana rehefa mivoaka ireny hahitana hoe iza no namadika. Izany "délits administratifs" izany dia tsy misy ifandraisany amin'ny resaka fahamarinana na tsy fahamarinana ao anatin'ny dossiers navoaka izay "délits moraux". Ny fanjakàna dia manasazy izay namoaka tsiambaratelo araka izay nifanarahana. Anjaran'ny lehiben'ny Fiangonana dia ny Papa kosa ny mandray ny andraikiny vokatry ny fanadihadiana anatiny mikasika an'ireo olona voalaza ao amin'ny boky.
Dia miandry ny tohiny isika amin'izao fotoana izao.
Fianarana hatrany ny fiainana. Rehefa misy fotoana na toerana hahafahana mianatra dia mianatra zavatra vaovao. Tsy voatery ilaina eo no ho eo... mety tsy ho ilaina mihitsy... nefa mety ho ilaina tampoka koa any aoriana any. Efa malalaka sy feno fitaovana amin'ny internet mikasika zavatra maro azo ianarana dia aleo araraotina. Mianatra mahandro, manjaitra, manamboatra fiarakodia, mandrafitra, informatika, fiteny vaovao. Ny youtube.com no toerana voalohany hahitako fianarana an'ireo rehetra ireo... hatramin'ny mianatra manotra :-)
Fa ny hitako tamin'ity herinandro ity dia ity takelaka iray ity duolingo.com izay fianarana fiteny (langue). Hitako fa tsotra sy manintona ny fomba fampianarany. Tsy mandreraka loatra nefa miditra tsikelikely ao anaty saina sy fitadidiana ny lesona. Ianao ihany no mamaritra ny fatran'ny fianarana tokony hatao isan'andro araka izay fotoana ananana.
Nifidy ny hianatra fiteny alemana aho na dia tsy manana namana alemana sy tsy mieritreritra ny hipetraka any aza :-) Nanandrana sy nanao fanamby fotsiny hoe raha tena mahomby io takelaka io dia tokony hahay teny alemana aho, izay teny anisan'ny sarotra indrindra. Telo andro izao aloha dia nolazainy fa efa 9% no vita... hiezaka hanaraka ny rindra atolony tanteraka aho dia ho hita eo ihany rehefa 100% na nahay fiteny tokoa aho na tsia...
Misy fianarana fiteny italiana, anglisy sns koa ao raha hanandrana
Miala tsiny avy hatrany raha tsy hitako ny dikan-teny hilazàna ny "homosexuel" amin'ny teny malagasy. Mety hoe tsy fomba malagasy mihitsy angamba izany ka tsy namoronany teny. Ny fivarotan-tena mantsy izao, na dia fomba tsy dia mahomby loatra aza dia misy dikanteny amin'ny teny malagasy. Koa ialan-tsiny fa dia io "pelaka" io aloha no teny ampiasaina. Raha toa moa ianareo izay "homosexuels" sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity manana teny malagasy hafa tokony hiantsoana anareo dia afaka milaza izany eto.
Fa ny tena resaka dia ny kabarin'i Mugabe tao amin'iny fihaonamben'ny firenena mikambana tamin'ity septambra 2015 ity iny. Nanitrikitrika izy fa i Zimbabwe dia tsy hanaiky ny "homosexualité" izay toetra tian'ny tandrefana hapetraka fotsiny tsotra izao. Efa naverimberiny tamin'ny kabary fanaony tao an-tanindrazany ny resaka tahaka izao fa tsy nisy nanam-po hoe holazainy eo amin'ny pilpitran'ny Firenena Mikambana. Betsaka ny nihomehy, nisy koa ny nitehaka tsy sazoka ireo filoham-panjakana izay nanatrika.
Izaho na dia tsy mankasitraka ny didy jadona aza dia manome rariny an'i Mugabe ihany, indrindra eo amin'ilay fihizingizinany. Saro-piaro amin'ny kolotsainy sy ny fomban-taniny izy, ka anjarany no mijery izay tokony hitehirizana izany. Ary tsy tokony hidiran'ny tandrefana izany. Eo amin'io fidiran'ny tandrefana io mihitsy no manahirana indraindray satria resaka fomban-tany, kolotsaina izy ity, mitovy tsy misy valaka amin'ny hoe resaka finoana. Raha manapa-kevitra ny ho silamo ny firenena iray, tahaka ireo repoblika islamika maro, dia sarotra be ho an'ny kristianina ny mivelona any. Misy ny fanenjehana, sarotra na tsy azo atao mihitsy ny manangana fiangonana... kanefa tsy miditra ny tandrefana. Toa izay hahitany tombony ihany no idirany. Koa aleo tsy asiana tombo sy hala. Avelao i Mugabe hanao izay heveriny fa mety ao amin'ny fireneny... rehefa tsy misy herisetra. Na ny any amin'ny firenena tandrefana koa aza dia misy lalàna moraly maromaro, toa ny lalàna manafay ireo izay mamoafady (na ny Outrage public à la pudeur), izay misy tsy mifanaraka amin'ny fisainana afrikana kanefa tsy idirany. Koa amiko dia tsy tokony hisy ny fanaovana bambaray resaka kolotsaina sy moraly.
Ary ny ao Madagasikara tokoa ve milamina ny pelaka?
Vao avy nitsidika (na natsidika arakaraka izay tiana handraisana azy) an'i Madagasikara ny sisan-taolana (fa tsy razana na taolam-balo) an'i Mb Therese-n'i Jesoa Zazakely sy ny Ray amandreniny tamin'iny volana lasa iny. Nitety fiangonana sy faritra maro manerana an'i Madagasikara. Fotoam-pialan-tsasatra rahateo ny andro ka maro ireo mpino Katolika no afaka nanararaotra sy nahita izany fandalovany izany na dia tany amin'ny fiangonana kely any ambanivohitra aza. Fotoanan'ny ririnina no nandalovan'izy telo mianaka ka nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanaovana famadihana amin'ny toerana maro manao izany (ny ao afovoan-tany indrindra indrindra). Dia mipetraka ny fanontanian'ny sasany hoe inona no ifandraisany na maha samihafa ireto fomba roa ireto? Zavatra mitovy ihany ve? Mety tsy dia hahavaly tanteraka aho fa hitondra fanazavana sasantsasany fotsiny ihany.
Ny olona mijery ivelany aloha avy hatrany dia manao hitsin-dalana hoe mitovy. Razam-bazaha sy razan-gasy. Samy milanja razana. Tsy lavina avy hatrany izany satria samy milanja raiamandreny be tokoa. Amin'ny famadihana dia avoaka avy ao am-pasana ny razana, olona efa maty tany aloha be tany, karakaraina, fonosana, mba hampidirina ao am-pasana indray. Ny antony namoahana azy avy ao dia ny fahafahana mandamina ny ao am-pasana, mamono lamba mba tsy hiparitaka. Misy avy eo ho an'ny sasany ny fombafomba manaraka ny famadihana. Lanjalanjaina entina mandihy, , fiaraha-milanonana, fivoriam-pianakaviana. Samy manana ny fomba fanaony, notohizany na navelany ny tsirairay. Ho an'ny sasany dia mitahy izy ireo ka misy koa ny fangatahan-tso-drano sy fangataham-pitahiana. Ireto sisan-taolan'izy telomianaka koa dia olona efa maty tany aloha be tany, navoaka tao amin'ny toerana nametrahana azy, dia lanjalanjaina sy entina mitety faritra. Fifaliana sy fandihizana ihany koa na amin'ny fomba maotina kokoa aza. Ary satria ho an'ny sasany dia olomasina, akaikin'Andriamanitra izy ireto, dia misy koa ny fangataham-pivavahana, fangatahana fahasoavana avy amin'Andriamanitra.
Raha ireo izany no jerena dia misy itovizany be dia be ireto fomba ireto. Tsy mahagaga anefa izany satria misy azo raisina tsara hifanaraka amin'ny foto-pinoana katolika ny fomba malagasy ao anatin'ny famadihana. Ny Katolika, ohatra, dia mino fa tsy maty ny fanahy... ny Malagasy koa dia manaiky fa ny fanahy no maha olona. Ho an'ny Katolika dia akaiky an'Andriamanitra ny olona izay nanana fiainana mendrika sy azo alain-tahaka. Afaka manampy ny olombelona hitondra ny fivavahan'izy ireo eo anatrehan'i Jesoa izy ireny. I Jesoa irery no mpanalalana, ny fiombonan'ny olona masina kosa izay akaiky ny olombelona ara-tantara, dia afaka mitondra ny vavak'izy ireo sy miara-mivavaka amin'izy ireo. Tsy mahasolo an'i Jesoa ny olomasina ho an'ny Katolika fa tombony ho azy ireo kosa. Satria sady afaka mivavaka mivantana amin'i Jesoa ny mpino no afaka mangataka ny olomasina hanohana sy hanampy izany vavaka ataony izany. Ny olona rehetra tsara sitra-po efa maty izany, na Malagasy na vazaha, izay azo heverina fa efa eo anilan'Andriamanitra, olona masina azon'ny tsirairay angatahana hitondra vavaka. Tafiditra amin'io sokajy io ny Razana izay nanana ny maha izy azy fony fahavelony. Ny mampiavaka ireo razana ireo amin'ireo olomasina ao anaty kalendrie dia ilay habe-n'ny olona voakasiny. Ny Razana dia olona vitsy no nahalala azy, olona vitsy raha misy no afaka manaporofo na mahatadidy fa nanana toetra modely tokoa izy. Mijanona ho mpitondra vavaka sy modelin'ireo olona vitsy (matetika taranany) izay mahatoky izany toetra nananan'ilay Razana izany fotsiny ihany izany izy. Azo ekena ho olona masina izy saingy tsy ambara am-pahibe-maso satria tsy nisy fanadihadiana nahafahana nanamarina ny fiainany. Ny olomasina kosa dia niainga tahaka izany ihany. Ny taranany, na ny olona nahafantatra azy dia niezaka nanaporofo fa tena olona nanana ny maha izy azy sy azo alain-tahaka tokoa ilay razam-beny. Nisy ireo vavolom-belona nijoro, nisy ireo tantara nipetraka. Nisy mihitsy aza ireo sahy milaza sy mijoro vavolombelona fa nahazo fahasoavana noho ny vavaka nataon'ilay razana. Rehefa atao ny fanadihadiana ka mitombona daholo ny fijoroana vavolombelona dia eken'ny Fiangonana fa olona nanana ny lazany tokoa ilay Razana ka ambarany fa olomasina ka azon'ny katolika rehetra hangataham-bavaka sy atao ho fakan-tahaka tamin'ny toetra niainany. Izay maha manokana (ho an'ny Razana) sy maha iraisan'ny rehetra (ho an'ny olomasina) izay izany no tena mampiavaka ny Razana sy Olomasina ho an'ny Katolika. Andriamanitra irery no mahalala ny maha masina na tsia ny tsirairay. Ny velona kosa dia miantehitra amin'izay fijoroana vavolombelon'ireo izay nahalala azy manambara ny toetra tsara niainany.
Raha toa ary ka mijanona fotsiny amin'ny fanajana ny razana, sy fangataham-bavaka na fiaraha-mivavaka aminy, toa ny atao amin'ny olomasina no atao mandritra ny famadihana dia tsy manohitra izany ny Katolika ary tsy miantso izany ho fanompoan-tsampy. Mazava ho azy, miankina amin'ny tsirairay tanteraka eo imason'Andriamanitra izany. Toa izany koa, raha tsy mijanona fotsiny amin'ny fangataham-bavaka sy fiaraha-mivavaka aminy ny fitodihana amin'ny olomasina ataon'ny mpino katolika, dia efa mivoana ho fanompoan-tsampy indray izany ka ilàna fitandremana. Miankina amin'ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay koa anefa no hahafantarana izany.
Koa mitovy ary ve ireo sary ireo? Miankina amin'ny fo sy toe-panahy entin'ny tsirairay tanteraka eo ampanaovana ireo fihetsika ireo izany. Raha mahaliana anao ny fiheveran'ny Katolika lalindalina kokoa ny famadihana dia azonao vakiana eto ambany.
Efa elaela ihany izay nanaovako facebook izay. Ary nisy fotoana ara tamin’ny taona 2009 nanaovako veloma kely azy mihitsy nakana aina sy nieritreretana (Jereo eto). Nony niverina aho 9 volana taty aoriana dia nazava tsara tao an-tsaiko ny tanjona hanaovana facebook. Nazavaiko kely tato tamin’ilay fiverenako.
Amin’izao aho izany dia manana namana 5000 latsaka kely. Tsy azo fenoina 5000 na dia efa betsaka aza ny lisitry ny mpangataka ao satria manjary tsy afaka mampiditra intsony. Fa nahoana? atao inona daholo? Indrindra raha tsy miresaka, tsy mi-commenter, tsy mi-j’aime, atao inona fotsiny ao?
Amin’izao ny facebook-ko dia raisiko ho mitovy amin’ny carnet d’adresses na contacts amin’ny finday. Rehefa tadiavina tampoka ilay olona, tiana handefasana hafatra tampoka, dia mety ho hitako ao amin’ny facebook izy izay. Ny tanjoko izany tsy hijery tsirairay azy 5000 isaky ny mihetsika satria dia tsy ho araka tokoa, na hi-j’aime izay lazainy sns… tahaka ny hoe tsy hiantso ny contacts ao amin’ny finday isaky ny mihetsika aho na hijery ny laharany isaky ny mihetsika, fa rehefa ilaina izy dia tadiavina dia antsoina na resahana.
Koa aza omenareo tsiny mihitsy aho raha tsy mijery ny momba anareo akory… fa voatahiry ho anisan’ny namako ihany ianareo. Raha tsy mety aminareo moa izany dia azonareo esorina. Raha fantatrareo fa tsy mety hifandray amiko mihitsy ianareo any aoriana any na tsy hisy fotoana mety hifandraisako aminareo mihitsy dia tena marina hoe tsy tokony ho ao anaty lisitra ao akory aho. Tahaka ny hoe numero telephone fantatrareo fa tsy hifandraisanareo intsony mandrakizay ve moa hotehirizina ao anaty contacts ao?
Nanaitra ahy ny nataon'ny amerikana tany Los Angeles (California) tamin'ity herinandro ity mba hitehirizana ny rano amin'ny tohodrano lehibe iray mamelona ny tanàna. Maina tokoa ny andro amin'izao aty amin'ny ila-bolantany avaratra. Ary ho an'ny tanan-dehibe tahaka an'i Los Angeles dia mitombo ny fandaniana nefa ny loharano tsy misy na kely dia kely. Nahita hevitra ary ry zareo mba hamehezana ny fihenan'ny rano, indrindra vokatry ny fientonan'ny rano noho ny masoandro.
Nasiany baolina plastika mainty kely be dia be, miisa 96 tapitrisa, mitsingevana eo ambonin'ilay rano. Ny tombony lehibe izany dia tsy mientona vokatry ny masoandro intsony ny rano. Eo koa ny fialàna amin'ny loto mety ateraky ny vorona manidina sns. Rehefa natao ny kajy dia betsaka lavitra noho ny tombony ho azo amin'ny rano voatsisy ny vola lany nanamboarana ireo baolina kely be dia be ireo.
Mazava ho azy fa mbola tsy laharam-pahamehana any amin'ny tany mahantra ny toa izao na dia eo aza ny tombony mety ho azo. Mila averina indray ny kajy. Raha ao Antananarivo, ohatra, dia eny Mandroseza no farihy hakàna ny rano hosotroina. Mila kajiana hoe firy ny rano miditra sy ny rano mivoaka, ary firy ny rano mientona am-pitoerana. Dia izay vao afaka mahafantatra hoe ohatrinona isan-taona ny rano very mba hahafahana maminavina hoe lafo sa mora ny manao toa izao amin'ny velaran'ny rano toa an'i Mandroseza.
Mampalahelo tokoa ny mandre ny fanafihana, fangalarana, fanapotehana ny VIVA TV tany Fianarantsoa. Tahaka izany koa nampalahelo ny fanakatonana sy fangalarana ny fitaovan'ny Radio Fahazavana, ny MBS Radio sy TV, indrindra ny fandorana ny TVM sy ny RNM tamin'ny fotoan'androny. Mampalahelo foana rehefa fitaovana mahavokatra tsara ho an'ny Malagasy, na iza tompony na iza, no simbaina sy dorana. Satria anisan'ny voakasika amin'izany koa ny Malagasy mpanjifa, mpiasa, mpamboly, mpamokatra. Ny fanimbana ny Tiko Madagasikara ohatra dia nahavery asa fianakaviana maro. Ary hatramin'izao dia mbola tsy nisy nahasolo azy ny vokatra hita eny antsena.
Sary ao amin'ny site-n'ny viva
Rehefa dinihina anefa, amin'ny fo tsy miangatra sy tsy mandatsa, dia main'ny afo natsangany ihany ny mpiandraikitra ny VIVA. Toa ny fitaovana fanaovan-gazety rehetra dia tokony hanabe ny fiaraha-monina ny VIVA. Nivoana tamin'izany adidy masina tokony hiantsorohany izany anefa izy ka nanjary niandany tamin'ny herisetra sy fanimbàna zavatr'olona. Nisy ve, ohatra, ny fanamelohan'ny VIVA ny fandoroana ny MBS na ny RNM na ny TVM? Fanamelohana ny hetsika sy ireo izay nitarika izany? Ny fanamelohana tahaka izany mantsy dia fanabeazana ny mpihaino hahalala fa tsy fomba ny tahaka izany. Nisy ve ohatra, tamin'ny fotoanan'ny tetezamita, ny fiantsoan'ny mpanao gazety ao amin'ny VIVA ny hanokafana ireo radio sy televiziona nohidiana? Raha nisy dia mba tiako ho hita.
Koa tompon'andraikitra, na dia tsy mivantana aza, amin'izao zava-mitranga amin'ny VIVA Fianarantsoa izao, ny fanabeazana nentin'ny VIVA hatramin'izay, indrindra nandritra ireny korotandrotana teto amin'ny firenena ireny. Anatra ho an'ireo rehetra mihambo ho mpanao gazety izay manana adidy hanabe ny mpiray firenena aminy. Beazo ao anaty fandriam-pahalemana ny vahoaka dia handry fahalemana miaraka aminy ianao.
Koa satria nitohy be ny resaka momba ny JIOI izay efa natsidiko tato omaly dia heno androany fa niantso ny mpifaninana rehetra hampitsahatra ny fandraisany anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indiana andiany faha-9 ny ao amin'ny Fiadidian'ny Filohan'ny Repoblika. Izany hoe ajanona daholo ny lalao dia manomboka miomana ny hody... fa tsy mody avy hatrany toa ny nataon'ny Comores. Mety hoe rehefa vita ny lalao rahafakampitso vao hotanteraka ilay fodiana... fa efa mba niantso aloha. Ny faniriana no tena zava-dehibe :-)
Fa manara-baovao ihany izany ny ao ambony ao koa araraoty ampitaina daholo izay vaovao manahirana rehetra. Anaovy petitions isan-karazany. Itaraino mihitsy.
Ireto aloha hatreto no tena mampimenomenona ny olona tao anatin'ny herinandro fa betsaka ny tahaka ireto:
Jiro tapaka efa ho intelo isanandro.
Voka-pifidianana ben'ny tanana teo voahodinkodina
Ny resaka SECES eny amin'ny oniversità sy ny Bacc
Ny grevy etsy sy eroa.
....
Araraoty ny mampakatra feo rehefa mihaino kely ilay mpanao be marenina.
Efa natsidiko tao amin'ny facebook-ko ihany ny hevitro mikasika ilay resaka sainam-pirenena malagasy sy Catherine Paoli fa averiko kely eto. Ny Facebook mantsy mandalo (malaky be ny fanjavonany) fa ny eto mitoetra.
Izaho aloha hatramin'izay tsy dia tena mpanaraka an'ity lalaon'ny nosy ity firy. Tamin'ny taona 1990 no nalaza tamiko ny Lalaon'ny Nosy satria tany Madagasikara no toerana nanaovana azy. Lalaon'ny Nosy faha-telo tamin'izay. Raha ny tokony ho izy dia tamin'ny 1989 no tokony natao tao Madagasikara ny andiany faha-telo. Tsy vonona anefa ny fanjakàna izay teo ambany fitarihan'ny filoha Ratsiraka tamin'izany dia nahemotra ny 1990 ilay izy. Nisy rahateo ny famangian'ny Papa Joany Paoly II tamin'ny taona 1989 ka angamba tsy zakan'ny firenena miaraka.
Tamin'ity taona 2015 ity indray aho izany vao naharaka tsy fidiny ny JIOI (Jeux des Iles de l'Océan Indien) rehefa nisy korotandrotana ny fanomanana sy fanatanterahana azy. Araka ny hita tamin'ny filazam-baovao samihafa dia talohan'ny nanombohana dia efa nisy ny fifankahazoan-kevitra politika ka ny disadisa dia teo amin'i La Frantsa (La Réunion) sy i Comores mikasika indrindra an'i Mayotte. Noho ny fitsapakevi-bahoaka izay nataon'ny vahoakan'i Mayotte tamin'ny 2009 dia lasa departemanta manana zo feno ao anatin'i La Frantsa izy. Nanomboka ny 1 janoary 2014 no nihatra tanteraka izany ka lasa sainam-pirenena Frantsay ny sainy ary fitantanana Frantsay no ao aminy. Tsy nanaiky an'izany anefa ny Komorianina fa nihevitra ny Frantsay ho toa ny mpanjana-tany. Mihenjan-droa izany ny tady mikasika an'i Mayotte. Nandritra ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy ary dia nisy ny fanontaniana momba ny endriky ny ho fandraisan'i Mayotte. Ho eo ambany fanevan'i La Frantsa ve izy, izay nanohina ny Komorianina, sa ho toa ny teo aloha izay nananany faneva manokana. Nisy ihany anefa ny marimaritra iraisana nony farany dia ny hoe tsy hitondra saina mihitsy ny Mahorais (mponina avy any Mayotte) fa ho eo ambany fanevan'ny JIOI hatrany izy.
Nony nanomboka anefa ny lalao, nandritra ny filaharana tamin'ny lanonana fanokafana dia nilahatra taorian'ny sainam-pirenena Frantsay i Mayotte. Ny azo inoana dia ireo mpilalao no naniry ny hitondra ny fanevan'i Frantsa satria efa departemanta frantsay ry zareo. Tsy nankasitrahan'ny delegasiona komorianina izany fihetsika izany ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny tsy handray anjara intsony amin'ny lalao 2015. Nomelohiny ny tsy fandraisan'ny komity mpikarakara fepetra hentitra hampanaja izay nifanarahana dia ilay hoe tsy mitondra sainam-pirenena i Mayotte. Dia tena tsy nandray anjara tokoa ry zareo fa dia nody. Araka ny heno anefa dia nisy Komorianina vitsivitsy tsy nandray ilay fiaramanidina tokony hitondra ny delegasiona nody. Angamba mba nanao vakansy kely. Nalahelo noho io fanapahan-kevitry ny Komorianina io ny komity mpikarakara ka nanapa-kevitra niaraka tamin'ireo firenena mpandray anjara sisa fa tsy hasiana saina intsony mandritra ny fandraisana ny medaly ho an'ny mpandresy, ary tsy hohiraina intsony ny hiram-pirenen'ny voalohany. Izany no natao dia mba ho fanehoana fa marina tokoa ny nataon'ny Komorianina, ary koa fisakanana ny Mayorais tsy hampiasa ny saina frantsay mandritra ny fotoana fifaninanana.
Teo amin'izay no nanomboka ny tantara nidiran'ny Malagasy. Araka ny video efa miparitaka. Raha handray ny medaly volamena ramatoakely Marthe Ralisirina izay nisalotra ny sainam-pirenena malagasy dia niantsoantso ilay ramatoa antsoina hoe Cathérine Paoli hoe "non, pas le drapeau". Dia nanatona izy ary nanala ny saina teny amin'i Marthe. Araka ilay nifanarahana tsinona dia tokony tsy mitondra saina rehefa miakatra maka medaly ary tsy misy hiram-pirenena.
Ny tena nahakivy ny maro dia ilay fomba natao ho fampiharana ny fitsipika fa tsy ny fitsipika velively. Izany hoe ilay ramatoa nentanim-po be loatra hanatanteraka ny asany no olana. Azo natao tsara ny nilaza mialoha an'ilay mpihazakazaka, ary azo natao tsara koa ny niteny moramora azy hanome ny sainam-pirenena na niantso ny mpanazatra azy hitazona ny sainam-pirenena aloha. Fa ilay fisintonana no tsy nety.
Taty aoriana moa dia nitombo tsikelikely ilay resaka nisy ny fanangonan-tsonia, nisy ny fangatahana fifonana am-pahibe-maso, nisy hatramin'ny hoe asaivo mody tahaka ny an'ny Comores ny ankizy... nefa ny antony dia mifanohitra tanteraka amin'ny nataon'ny Comores. Ny Komorianina nasainy nody ny ankizy satria tsy narahina tsara ilay fifanarahana hoe tokony tsy mitondra saina ny Mayotte. Dia ny Malagasy indray izany hody satria nasaina nanaraka ilay fifanarahana.
Taorian'iny tranga tamin'ny ekipa malagasy iny dia nifamahofaho ny resaka fitondrana saina. Nisy ny nanaparitaka ny sary niseho taty aoriana izay nisian'ireo Mahorais (izany hoe ny ekipan'i Mayotte) nisalotra sainam-pirenena teny ambony podium. Sary tsy misy idirany mihitsy satria mandritra ny fametrahana ny medaly sy fanaovana ny hira no tsy afaka mitazona saina. Sady mety efa nanenina tamin'ny fihetsika nataony ilay Catherine Paoli ka tsy niakatra intsony. Nisy kosa anefa avy eo ny nataon'ny filohan'ny departemanta La Réunion izay nitondra ny saina Frantsay sy nametraka izany teo antongotry ny mpilalaony mialoha ny hanomezany medaly azy. Ka tsy fantatra intsony hoe hifanarahana ve sa tsia.
Na izany na tsy izany dia namoaka fianalntsiny ho an'ny vahoaka malagasy ho valin'ny fangatahan'ny minisitry ny fanatanjahan-tena malagasy ny komity mpikarakara. Irariana mba hilamina izany ny momba an'iny ka tsy antsoina hody izany ny ekipa malagasy izay efa manao izay ho afany.
Raha ny fanjakana indray no andrasana hanao hetsika eo dia hiandry an'i Paoli indray. Ny "Iles éparses" izay tokony hahazoany tombony ara-toekarena maro aza tsy nasiany maso noho ny tahotra ny Frantsay, vao maika fa izay "Jeux des iles" any La Réunion no hanoherany an'i Lafrantsa? Manofinofy.
N'aiza n'aiza, amin'ny firenena misy demokrasia dia manana zo hitokona ny mpiasa. Ny mifanohitra amin'izany dia fambara ho an'ny firenena misy jadona. Eken'ny lalàna soa amantsara ny fitokonana manara-pitsipika. Eny, hatramin'ny fitokonana heverina ho tsy manara-dalàna aza dia toa mbola eken'ny lalàna ihany. Anisan'izany ny fitokonana tsy misy ilay fetran'ny asa farafahakeliny (service minimun), ny fitokonana tsy misy daty fiafarany. Ny mpanamory tao amin'ny Air France, ohatra, dia nanao fitokonana tsy misy fetra mandra-pahazony izay notadiaviny.
Amin'izao fotoana fitokanan'ny mpiasan'ny Air Madagascar izao dia tena ao anaty fitsipika sy zo mifehy ny mpiasa tokoa ry zareo. Zo fototra ho an'ireo sindikan'ny mpiasa izay mahatsapa ny tsy mety ny migrevy ary tsy voatery hisy fetrany izany satria miankina tanteraka amin'ny feon'ny fieritreretany ny hanaovany ny asa farafahakeliny na ny halavan'ny fitokonana. Saingy... saingy... saingy...
Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina. Izany hoe misaina ny mpitokona ary misaina koa ny olona itakiana ny zavatra, izany hoe ny fanjakana izany amin'ity trangan'ny Air Madagascar ity. Ny mpitokona misaina dia mahita hoe hatraiza no fetran'ny tokony hitokonana ka hanimba ny hoaviny... satria fijerena ny hoavy no antony hitokonana. Ary ny fanjakana koa raha misaina dia mahita hoe hatraiza no tokony mila mandray andraikitra sao hanimba ny hoaviny. Fa amin'izao fotoana izao dia vondrona roa samy tsy misaina no idiran'ny fitokonana ka ny azo antoka dia samy ho very fihinanana ireo.
Ny mpitokona ao amin'ny Air Madagascar dia mahatsapa fa raha tsy mihodina tanteraka ny orinasa dia ho fatiantoka tanteraka. Ka na tsy amin'izao fotoana izao aza dia hisy fiantraikany (amin'ny fomba ara-dalàna) ho an'ny mpiasa tsirairay. Tsy ho gaga mihitsy isika raha hisy ny fandroahana teknika rehefa milamindamina ny raharaha, tahaka izay nahazo ny tany Ambatovy farany teo. Fandroahana ara-dalàna satria misy antony voaporofo. Tsy adalan'ny mpitokona amin'ny toerana hafa ny manao izay sady hampiodina kely ihany ny orinasa tsy ho faty antoka. Mahatsapa izany izy ireo raha misaina.
Ny mpitondra koa dia tsy mahatsapa hoe mampidina be ny sary asehony ny fisian'ny fitokonana lavareny. Midika ho tsy fahafahana mamaha olana izany, ary midika indrindra indrindra tsy fahaiza-mitantana. Ankoatr'ireo olona voakasiky ny vokatry ny fitokonana mivantana, dia misy koa ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola izay miandry kendry tohana amin'izay hetsika hatao na tsy hataon'ny fanjakana hanalàna ny fitokisana aminy. Tsy adalan'ny fitondrana hafa ny manao famoizana tombotsoa sasany (sacrifice) mba hamahàna fitokonana lava reny... na dia hisy talé sy sekretera tsy maintsy hoesorina amin'ny toerany aza. Mahatsapa izany izy raha misaina.
Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vokany sisa isika. Tsy vokatra fohiezaka izay mety hamaha olana vetivety fotsiny fa ny fiantraikan'izao krizy izao lavitrezaka eo amin'ny toekarena, ny fizahan-tany, ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.
Rehefa tsy mifanerasera amin'ny ankizy miteny malagasy ny zaza malagasy fa ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe manodidina azy ihany no miteny malagasy miaraka aminy dia mihena be dia be ny voambolana ananany. Hafa mihitsy mantsy hoe samy ankizy dia voambolan'ny ankizy no henony dia mitombo tsikelikely izy. Mba tsy ho very izany ny teny malagasy ao amin'ny ankizy teraka taty an-dafy dia mila ampilomanosina ao anaty tontolon'ny ankizy malagasy izy. Tokony hisy fotoana maharitra hampiainana azy ny tontolon'ny ankizy malagasy ka na ny ray aman-dreny no midina ho ankizy mandritra io fotoana io na izy asaina mijery na mihaino sarimihetsika na feo misy resaky ny ankizy tena malagasy.
Ilay hoe ny ray amandreny no midina ho ankizy malagasy dia tsy midika akory hoe manao fibadabada rehefa miteny (izay miteraka fifangaroana voambolana indray) fa miezaka kosa maka sary antsaina hoe raha ankizy malagasy daholo no manodidina ny zaza iray dia inona no mba vetin-dresaky ry zareo, inona ny kilalao lalaoviny, inona no manaitaitra azy sns. Ny teny malagasy mantsy dia tsy voambolana sy fanabeazam-bohon-teny ihany fa kolontsaina manontolo mihitsy.
Tsy izaho irery angamba no tratran’ilay vatoaratra (batterie) tsy maharitra iray andro akory amin’ny finday. Na dia finday vaovao aza ka feno tsara vao maraina dia tsotsofina mihitsy vao tonga amin’ny hariva. Manahirana raha sendra tsy mitondra famahanana azy na sendra tsy misy herin’aratra ny toerana aleha.
Marina fa efa misy irony vatoaratra fanampiny irony izay atovana amin’ny finday rehefa lany iny izy ka misy ilàna azy tampoka… kanefa tokony ho vonjimaika ihany izany satria tokony haharitra farafaharatsiny mandrak’alina ny vatoaratra rehefa tena voafahana amin’ny maraina. Misy koa ireo rindrankajy izay fampitomboana ny faharetan'ny vatoaratra saingy indraindray izy ireny koa no vao maika mitroka herin'aratra.
Ireto ary misy fika vitsivitsy hitehirizana ny vatoaratry ny finday mba haharitra. Marihina aloha fa android ny findaiko kanefa inoako fa misy mifandraika amin’izay voalaza eto ihany ny amin’ny marika hafa.
Ny tena mandany vatoaratra, mazava ho azy, dia ireo rindrankajy (applications) ao anatin’ny finday. Misy aloha, voalohany indrindra, ireo rindrankajy mampiasa “internet” na tosaka “wifi”. Hitako nampitombo ny faharetan’ny herin’ny vatoaratra ny fanajanonana ny internet isaky ny tsy ampiasaiko. Misy mantsy ireo rindrankajy izay mampiasa internet foana na dia tsy jerena sy tsy ampiasaina aza.
Manaraka izany, ny rindrankajy tsy voahidy tsara dia mbola mitazona hery kely hahafahany mitahiry hoe inona no nataonao farany rehefa miverina ianao. Fomba voalohany hialana amin’ny fandanin’ireny rinjakajy ireny herin’aratra izany dia ny fanajanonana azy. Rehefa tsy ilainao intsony ny rindrankajy iray dia hidio. Ny fomba fanidy azy dia azo atao tsotra amin’ny fampiasana ny bokotra [miverina] (back na arrière) mandrampihidiny. Azo atao koa ny mijery ireo rindrankajy niasa farany dia mamafa azy ao (jereo ny sary eto ambany).
Bokotra miverina
Bokotra rindrankajy farany niasa
Lisitry ny rindrankajy farany
Misy anefa ireo rindrankajy izay mbola mandeha na dia tsy hita sy tsy ilaina mivantana aza. Mandeha any ambadiky ny rindrina (background). Anisan’izany ireo rindran-kajy izay mpanome fampatsiahivana anao. Toa ny diary, ny filazana toetr’andro, ny famataran’andro, ny mailaka sy ireo hafa mikasika ny fifandraisana (facebook, viber sns.). Misy amin’ireo rindrankajy ireo dia tsy ilainao akory mandritra ny fotoana maharitra, ary misy aza ireo izay tsy fantatrao akory ny fisiany. Eto indray dia anjaranao no mijery hoe tena ilainao tokoa ve ireo rindrankajy ireo. Koa ny vahaolana voalohany izany dia ny fanajanonana tanteraka ireo rindrankajy ireo amin’ny fotoana tsy ilàna azy. Mandeha ao amin'ny fanovana (na paramètres) dia avy eo jerena ny lisitry ny rindran-kajy rehetra. Miditra ao amin'ny lisitry ny rindrakanjy misokatra dia mahita ireo lisitra ka fidina izay rindrankajy tianao hajanona satria tsy ilaina. Rehefa avy eo dia tsindrina ny bokotra [stop] manajanona azy tanteraka. (jereo ny sary eto ambany)
Paramètres na fanovana
Lisitry ny rindrankajy
Rindrankajy misokatra
Fidina izay hohidina
Hidina tanteraka
Raha ohatra moa ka tena tsy ilainao ny rindrankajy iray dia tokony hoesorina na vonoina mihitsy. Rehefa ilaina indray izy dia ampidirina na koa velomina indray.
Oviana no niova ho mena ny lokon'ny TIM? Sa efa hatramin'izay? Raha izaho ry zareo dia ilay loko maitso tamin'ny loko TIM (manga sy maitso) taloha no nalaina.
Teo am-panatsarana ny takelaka ohabolana (ohabolana.org) aho no sahirana kely satria betsaka ny ohabolana mitovy sy miverimberina nefa ny mpitsidika dia mampiditra ohabolana ihany. Tenenina izy ireo hoe tadiavo aloha, saingy raha diso fanoratra ilay ohabolana teo aloha dia mazava ho azy tsy hitany. Ny rindran-kajy natao koa dia mijery fotsiny raha misy ohabolana tena mitovy izay vao milaza. Fa raha vao samihafa kely fotsiny dia ampidiriny ihany.
Koa amin'izao aho izany dia mandinika hoe inona no fomba mety kokoa mba hampihena ny ohabolana mitovy tafiditra... ankoatra ny fisian'ny olona mandrindra izay mitady ohabolana sy mamafa izay mitovy. Raha misy manana hevitra dia tonga soa. Holazaiko eo ihany ny vokatry ny fandinihana rehefa kelikely.
Fa amin'ny ankapobeny aloha izany dia efa mba vitavita ny takelaka ohabolana.org ka afaka mitady sy mampiditra ohabolana tsara indray. Azo jerena amin'ny finday koa izy amin'izao fotoana izao.
Ito sary ambany ito izao dia mampiseho ny olana... izay tsy maintsy hovahaina.
Mba nanaitra ahy dia zaraiko... noheveriko fa mbola trondro aprily ihany ity nataon'i Google ity. Tsy inona izany fa ny nanamboaran'izy ireo site Google mivadika tanteraka. Izany hoe mivadika daholo mihitsy na ny soratra ao amin'ny google na ny sary eny hatramin'ny soratra soratanao. Azonao andramana avy hatrany... mazava ho azy fa mivadika koa ny fanoratra ny google.com jereo eto: http://com.google
Rehefa mampiasa io site io ianao dia mila fitaratra.
UPDATE: Trondro aprily ity resaka ity. Mbola tsy misy fakàna mp3 vita aloha ao amin'ny klipgasy.org amin'izao fotoana izao. Fa nanokatra ny masoko ity resaka ity ka mety ho anaty tetik'asa ihany.
Nampidirana fitaovana afaka mamadika avy hatrany ny video youtube ho mp3 ny www.klipgasy.org koa ny hira rehetra ao (mahatratra 1500) dia azonao alaina avy hatrany ny mp3-ny.
Eo ambanin'ny hira tsirairay dia misy hoe télécharger mp3 dia iny fotsiny no tsindriana. Raha hotehirizina ilay mp3 dia atao click droite dia enregistrer sous. Marihina fa noezahina nohatsaraina tamin'ny ffmpeg ny feon'ny hira ka tsara kokoa noho ny fivoakan'ny feo ao amin'ny Youtube izany.
Misy niece-ko kely izay tena miondana One direction mihitsy (hany ka fantatro fa onedirection ny mot de passe-ny) :-) Nilazako izy, vao tsy ela akory izay, hoe "mbola vao 12 taona indry izao fa efa nandalo niondana mpihira tahaka izany daholo izahay. Fa rehefa lehibe any aoriana any dia adino ho azy ireny mpihira ireny indrindra tsy maintsy hisaraka ny tarika." Dia notantaraiko ny ohatra akaiky indrindra nampisaraka ny Take That nisy an'i Robbie Williams. Dia namaly tamim-pahendrena izy hoe "Rehefa lehibe aho, manana zafikely, dia fantatro fa mety efa tsy misy intsony ny One Direction, efa nisaratsaraka, samy efa niteraka sns, fa tantaraiko amin'ny zafikeliko hoe mpihira tena tiako be izany One Direction izany".
Tamin'ny 25 marsa teo tokoa dia niala tao amin'ny One Direction i Malik... fa angamba nahita direction vaovao. Ilay Album farany navoakandry zareo dia mitondra ny lohateny hoe "Four". Na dia milaza ny album faha-efatra aza dia toa tsindrimandry sahady hoe ho 4 sisa izy ireo. Asa izao nanahoana tokoa ilay nièce keliko fa i Malik no anisan'ny tena tiany... amin'ilay gasigasy fihetsika :-p
Tamin'ity herinandro ity dia in-telo no nisian'ny tranga izay efa fantatry ny ankamaroan'ny mpikirakira internet sy email kanefa ny roa amin'ireo tranga ireo dia nangatahana fanazavana tamiko ka inoako fa misy olona hafa izay mbola mety ho tratra ihany.
Ny tranga iray dia tahaka izao. Nahavoaray hafatra imailaka ity namana iray. Hafatra amin'ny teny frantsay misy sonian'ny "Yahoo" milaza hoe ho lany daty ny adiresiny ka tsy ho tafiditra intsony izy raha tsy mamaly ilay hafatra ka mandefa ny mombamomba azy (Anarana sns, hatramin'ny tenimiafina). Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hisalasala hamafa avy hatrany ny hafatra tahaka izany. Ahoana tokoa moa no hangatahan'ny Yahoo ny tenimiafinao? Saingy noho ilay hafatra niverimberina dia nisalasala ihany ilay ranamana ka nanontany. Ny tranga iray indray dia hafatra ho ahy mitovitovy amin'izany ihany saingy nisy tovana ("fichier attaché") pdf izay nasainy nosokafako. Nony nosokafana ilay tovana dia filazana hoe mety misy mampiasa ny adiresiko koa mila manova tenimiafina aho. Dia misy rohy hidirana ilay izy. Nony niditra tao aho dia mazava ho azy fa tsy site-n'i Gmail no ery amin'ny adiresy saingy mitovy kosa ny endriny. Ary misy fampidirana tenimiafina fampiasako sy ny tenimiafiina vaovao izay angatahany. Raha tsy mijery tsara dia mameno tokoa ka mampiditra ny tenimiafina teo aloha (izay mbola mandeha) sy ny tenimiafina tianao hampiasaina. Koa satria tsy site-n'i Google ilay izy dia lasany avy hatrany izany ny tenimiafinao... ary rehefa hidirany ny kaonty dia hovainy avy hatrany ihany koa ka tsy tafiditra ao intsony ianao. Ny tranga fahatelo dia hafatra mangataka vola avy amin'ny adiresin'olom-pantatro. Saingy tsy ny adiresiko manokana no nandefasany azy fa olona maromaro. Ity olona ity angamba dia voa tahaka ilay tranga faharoa etsy ambony. Nidiran'ny olona ny kaontiny dia nandefasany fangataham-bola etsy sy eroa. Ny votoatin'ilay email dia tahaka ireny fomba fangataham-bola ataon'ny afrikana sasany ireny... saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia amin'ny teny malagasy tsizarizary. Hita be hoe nadika tamin'ny fandikan-tenin'i "Google" ilay izy. (Jereo ny sary)
Koa ny lazaina angamba dia ny fahamalinana ihany. Tsy tokony hampidirina amin'ny sites hafa mihitsy ny tenimiafina. Alohan'ny hampiditra tenimiafina amin'ny site iray dia jereo tsara ny adiresiny fa sao dia site sandoka. Ary indrindra indrindra tsy tokony handefa tenimiafina amin'ny email izany satria tsy hangataka izany amin'ny email mihitsy ny Yahoo na Google raha misy ilàny azy.
Sendra hitako tao amin'ny Google+ ka zaraiko eto indrindra ho an'ireo izay vao manomboka maka sary tahaka anay. Hahitana ireo fikafika madinika hahafahana mamoaka ny tena hevitra rehefa maka sary. Amin'ny faran'ilay video dia miteny ilay nanao azy hoe ny fitsipika voalaza ato dia tsy voatery harahina satria indraindray ny fientanam-po koa no tena hahitana ny hevitry ny sary fa tsy ny fitsipika.
Hitako tokoa fa misy zavatra vitsivitsy mifanohitra ilay fitsipika. Ohatra ilay hoe "Rule of thirds" sy ilay "Symetrie", dia ilay "Dominant eye" sy ilay "Symetrie" koa. Fa na izany na tsy izany dia betsaka ny lesona azo tsoahina na dia fohy dia fohy aza ilay video. Isaorana ilay nanamboatra azy.
Alohan'ny tena resaka. Misy vato mandondona (fa tsy mandondòna) be iray izay any Myanmar, hita eto amin'ny sary, an-tampon'ny tendrombohitra iray ao Kyaiktiyo. Antsoina hoe Vato volamena izy io satria lasa toerana fanaovan'ny mpino Bodista fivahinianana masinia ka izay mamangy mivavaka eo dia mametaka felam-bolamena. Ilay vato be, izay mirefy 7m ny hahavony ary 15m ny savaivony, dia zara raha mipetraka amin'ilay vato eo ambaniny... nefa tsy mikodiadia any ambany. Tsara tombina.
Fa ny tena resaka dia mikasika ihany ilay vatobe eny Avaratr'Ankatso izay mahabe resaka any amin'ny tambazotra sosialy. Araka ny re dia 57.000.000 ar no hanesoran'ny Colas azy nefa ny Malagasy mpiasa vato eny Ambatonapoaka nangataka 6.000.000 hanalàny azy. Betsaka, avy hatrany, ny entim-po, indrindra mahita ny elanelan'ny sarany, hoe resaka fanandevozan'ny Frantsay indray io, satria an'ny Frantsay ny Colas. Ireto anefa misy eritreritra kely mandalo ilàna fanadihadiana... izay mazava loatra fa ny tompon'andraikitra no afaka mamaly azy.
- Nisy ve "appel d'offres" natao tamin'ny fanesorana ilay vato? Raha nisy mantsy ny "appel d'offres" ka raha hita fa ny Colas no nahazo ny varotra dia ara-dalàna tsara ilay "procédure". Miseho any rehetra any rahateo ny sarany fa 57.000.000 ariary, ka raha nisy mpifaninana tamin'ny Colas nanolotra latsak'io nefa tsy nahazo ilay varotra dia tokony izy ireo no hiantsoantso.
- Raha nisy ny "appel d'offres", nahoana no tsy afaka nanolotra ny vinavinany ireo "mpamaky vato"? Tsy nampahafantarina ve izy ireo? Tsy afaka mandray anjara amin'ilay "appel d'offres" ve izy ireo?
- Iza tokoa ilay hoe "mpamaky vato" nanolotra vinavina 6.000.000 ar? Fikambanana ve izy ireo sa "Entreprise"? Afaka manome faktiora sy mandoa haba ve izy ireo? Sao dia tsy mitsinjara amin'ny mpiasa tsara ny vola azo? Ara-dalàna avokoa ve ireo mpiasa sa mety hisy fitsentsefana raha omena azy ireo ny vola? Misy "assurances" ve ny mpamaky vato raha sanatria ka misy loza mitranga mandritra ny fanesorana ilay vato be. Misy antoka (garanti) ve omen'izy ireo amin'ny asa ataony? Ahoana ny fomba hanaovana ny "contrat" amin'izy ireo? Misy "assurance" ve raha sanatria ka miteraka loza hafa (amin'ny manodidina) ny asa ataony?
Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka miteny tsara hoe nahoana tokoa no ny "Colas" no manala ilay vato na dia 57.000.000 aza ny vola takiany.
Fampidirana kely aloha. Mijerijery blaogy maromaro aho (anisan'ny mahafinaritra ahy ny mamaky blaogy) dia mahita fa misy endrika vaovao tena miparitaka be amin'izao. Tsy mikasika ny votoatiny akory satria iny efa samy manana ny fomba fanaony, fa mikasika ny endrika ivelany, ny paozin'ilay blaogy mihitsy. Inoako fa vokatr'ilay resaka "responsive" ilay izy. Ny "responsive design" hono dia hoe ny fanaovana ny endriky ny vohikala na blaogy iray mba ho azo jerena amin'ny fitaovana maro samihafa... ordinatera, finday, tablety sns. Dia nalaiko ny finday, nojereko ny blaogiko fa tena tsy mbola responsive mihitsy. Ahoana tokoa moa no haha-responsive azy raha tsy atao responsive loll. Koa mieritreritra aho hoe hanamboatra endrika vitsivitsy responsive ampidiriko ato amin'ny blaogy.com ka raha mahaliana anareo dia afaka mampiasakoa ianareo.
Fa ny tena resaka androany dia resaka sarimihetsika iray nahafinaritra... fa asa na mahasoa. (tohiny)
Asa tokoa hoe manao ahoana ny any #Madagasikara any amin'ny resaka fihinanana sakafo. Indrindra eo amin'ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina mba ho ara-pahasalamana. Nanomezana tsiny betsaka ny aty Eoropa sy any Amerika mantsy io fihinanana sakafo mahasalama io teo aloha. Ary noderaina ery ny Afrikanina satria misy ny rehetra sady azo ampifandimbiasina no ara-pahasalamana fa mbola tsy indostrialy. Fa amin'izao dia hitako miova ny famindran'ny olona aty. Angamba manomboka tonga saina daholo vokatry ny aretina sy ny fiovam-batana vokatry ny sakafo. Ny salady tokoa mantsy, noho ny anti-oxydant sy ny fibres ao anatiny dia manadio sy manampy ny any anaty rehetra any. Vavony, aty, tsinay... ary mahatsara fo sy mampihena ny tavy ihany koa.
Na izany asa dia somary hitako mivoana ihany ilay izy ho an'ny olona sasany satria dia lasa salady no foto-tsakafo nefa tsy dia tena hoe matavy akory. Amin'izao, ny toerana andehanako aloha, dia malaza ny menu hoe "Insalatone". Izany hoe portion ngeza amin'ny salady... tena salady iray baolina mihitsy. Mahagaga fa ifandrombahana io menu io ka manjary manao an'io daholo ny bar rehetra raha te hahazo kil hihinan-kanina antoandro.
Ankoatra izany dia tsy atokisana kokoa ny fahadiovan'ny salady noho ny fahadiovan'ny hanina nandrahoina. Ny salady araka ny novakiako tato dia mety hiteraka aretina bebe kokoa noho ny hamburger noho ny fahasarotan'ny fanasana azy. Tsy ampy ny fanasana azy amin'ny rano be fa tokony hisy fanafody sady mamono ny bakteria aminy. Voalaza ao anefa aloha fa tsy ny salady rehetra no misy bakteria mampidi-doza, saingy tsy hay na ilay salady hohaninao iny no ilay misy bakteria tsy mety afa-drano.
Any Madagasikara moa, ankoatra izany bakteria izany, dia anisan'ny loharanon'ny cysticercose koa ny fihinana salady tsy fatam-piaviana. Mbola zezi-kisoa no ampiasain'ny olona sasany mpamboly salady. Misy atodin-kakana sakoitra ilay zezika ka mipetaka amin'ny salady. Raha tsy voasasa tsara sy maharitra izany ny salady dia mahavoan'ny cysticercose.
Ngah hita e. Mila mitandrina bebe kokoa fotsiny fa izay hohanina rehetra toa ahitana tsininy daholo. Mazotoa homana.
Androany hono, araka ny efa nampiomanako anareo omaly (yes) ny Saint Val. Ary na dia ireo izay tsy mino an'izany resaka olomasina izany aza dia miteny hoe "Saint Valentin"... farafaharatsiny amin'ny frantsay. Ny an'ny anglisy mantsy tonga dia nataony hoe "Valentine's day" (raha tsy diso aho). Fa nanaitra ahy ny captcha (ilay teny fanamarinana etsy ambany etsy) rehefa mampiditra commentaires eto amin'ny blaogy koa dia manana endrikendrika Saint Val. Ireto amin'ny sary ireo ohatra ny hitako.
Ny fitiavana hono no lehibe indrindra hoy ny kristianina (1Kor 13, 13)... nohamafisiny tsara hoe lehibe indrindra amin'ireo zavatra telo izay mitoetra ankehitriny dia ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Raha raisina ara-bakiteny io dia tokony hahatonga saina satria ambonin'ny finoana koa izany ny fitiavana. Tsy tokony hisakana amin'ny fitiavana ny finoana. Raha finoana tsy mitondra amin'ny fitiavana dia finoana tsy misy dikany. Raha finoana mifanohitra amin'ny fitiavana moa dia tsy azo lazaina ho finoana akory. Satria ilay inoana dia fitiavana.
Koa dia mirary antsika rehetra hiaina ao anaty fitiavana daholo.
Rahampitso ny 14 febroary (grrr mitontona asabotsy) ilay andro malazan'ny mpanao bizna isankarazany, manararaotra ny fo mafanan'ny tanora (sa ny antitra koa?) mirehidrehi-pitiavana. Saint Val tokoa rahampitso, val comme valeureux, lafolafo daholo ny zavatra rehetra mikasika ny fitiavana sy ny menamena. Val comme valable, satria dia valables daholo ny excuses rehetra voasaron'ny fitiavana. Val comme vallet... raha tena lehilahy dia misehoa :-) sa val comme vallée any an-dohasaha?
Fa ny tena resaka dia manintona mafy ilay film hoe "Fifty shades of grey" hivoaka rahampitso. Resaka tsy resaka momba azy eran'ny takelaka isan-karazany. Etsy ampitan'ny birao moa dia misy dokam-barotra goavana (io amin'ny sary). Ny tantara dia efa nivoaka boky tamin'ny 2011, nosoratan'i E. L. James mikasika ny fifandraisana lalina eo amina tovovavy mpianatra iray sy lehilahy mpandraharaha iray. Raha ny fahitana ny sombiny dia mafanafana ihany ilay izy ka tsy azo jerena miaraka amin'olom-pady... sao dia hoe fianakaviana iray manontolo no hijery film fa Saint Valentin.
Tsetsatsetsa tsy aritra ity dia lazaiko ato amin'ny blaogy ato. Fa mialoha an'izany aloha, resaka misy ifandraisany amin'izay holazaiko rehefa avy eo, dia angamba efa samy nahita an'i Berenice avokoa isika mpikirakira tambazotra sosialy, ary mety efa samy naheno ny feony na dia tsy hatramin'ny farany aza :-). I Berenice dia ilay tovovavy Nigeriana manao ny cover-n'i John Legend hoe "All of me". Nataony amin'ny feony izay tena mivalana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany... saingy voatanany hatramin'ny farany ilay mivalana. Mila fahaizana be amiko ny olona mahavita tahaka izany. Jereo ery ambany ilay video raha hihaino... dia mba henoy anie ny famaranany azy e :-)
Fa ny tena resaka dia mifandray amin'ny fanaovana "cover" ihany. Nahazo hafatra matotra be aho androany, tsy holazaiko hoe avy amin'iza, nilaza hoe "mba miangavy, ajanony ny hira Ankalazao ny Tompo ataonao fa sady be diso, tsy mitovy amin'ny tena izy no tsy niera akory ianao." Efa hatramin'ny 2010 tokoa aho izay no nanomboka nanao "cover masina" izay azo jerena ato ny sasany. Izany hoe hira katolika tao amin'ny fihirana dia mba tendritendrena tahaka ny ataon'ny rehetra dia alaina Video dia apetraka amin'ny youtube. Lazaiko hatrany isaky ny manao aho hoe ny hira dia tao anaty fihirana katolika. Hira hiraiko araka izay fahaizako sy izay tratrako satria ny tena sady tsy manam-peo no tsy dia mahay mitendry mozika. Ary tsy natao ho an'izay tsy faly mihaino azy fa natao hozaraina amin'ireo namana. Ny dikan'izany dia tsy hira ofisialy... fa tahaka ny olona mihira ao antrano sns... indrindra moa fa hiram-pivavahana.
Koa gaga ihany aho tamin'ilay email feno fanajana mandrara ahy tsy hanao hiran'ny "Ankalazao ny Tompo" intsony. Mino aho fa olona mbola tototry ny zava-baovaon'ny internet ilay olona ka izay no fiheverana voalohany tao an-tsainy. Tsy mbola tsapany hoe ny fanaovan'ny olona "cover" dia manome lanja ny hira iray. Satria voalohany indrindra dia tsy mahasolo ny hira fototra ireny "cover" ireny. Ary faharoa dia manentana ny olona hijery ilay hira fototra ilay izy... fahatelo farany, raha toa misy manao "cover" ny hiranao dia tian'ny olona sy malaza izay.
Koa raha izany no mitohy, tsy ho azo hiraina any am-piangonana intsony koa ve izany ny "Ankalazao ny Tompo" ? Eny e, raha ny tompon'ny hira na ny tompon'ny "zon'ny mpamorona" no miteny amiko hoe ajanony ny ataonao, dia tena hajanoko tokoa raha tsy azony ireo zavatra nolazaiko teo ambony ireo. Fa raha tsy izany dia hotohizana ihany araka izay tratra... sao manjary mihira koa ny vato mantsy.
Fantatro fa efa febroary izao, ary efa tara tanteraka raha ohatra ka izao vao hiarahaba tratry ny taona... sady efa nanao an'izany koa aho amin'ny ankapobeny e. Fa nisy zavatra hitako tany ho any tsy tanako dia nozaraiko. Tsy ilay sary voninkazo fa ilay firariantsoa etsy ambany :-) Mivoatra tokoa ny taona.
Miala tsiny fa natao teny angilisy ny lohateny. Saika nametraka an'io fehezan-teny io tao amin'ny Twitter mantsy aho dia napetrako eto indray fa nataoko lohateny fotsiny ilay fehezan-teny. Rehefa avy eo io tsy maintsy hitranga any amin'ny Twitter ihany dia avy eo aparitak'i Twitter any amin'ny Facebook ka mitovy ihany na soratana eto na any. Ny tombony eto izany dia mba misy fanazavana :-)
Fa taloha tokoa aho mantsy dia resaka Viagra sy Cialis (moa?) no mameno ny email izay nivantana avy hatrany tany amin'ny spam. Nataondry zareo daholo izao fomba isan-karazany hahazoana mpividy izao. Dokam-barotra izay matetika manapempo ny fahavitan-tenanao (ara-javatra ). Tato aoriana anefa dia ohatra ny tsy hitahita intsony tany amin'ny spam ny viagra. (Eny mamaky tsindraindray ny emails voalaza ho spam aho satria misy tsy spam akory nefa mitontona any) Nanomboka tonga saina angamba ny mpividy hoe tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroan'ireny fanafody amidy amin'ny internet ireny ka nihena ny mpanjifa. Na koa efa tsy saro-tadiavina firy intsony ny viagra ka sarotra amidy lafo. Toa efa azo vidina malalaka any amin'ny fivarotam-panafody mahazatra mantsy ireny fanafody ireny, fa izany hoe mila taratasim-panafody ara-dalàna avy any amin'ny dokotera. Dia inona fa rava izany ny bizna.
Ny mameno spam amin'izao (sisa) dia filazàna hoe nahazo loka volabe aman-tapitrisany aho. Ao koa ny hoe ovay ny tenimiafina facebook fa nisy ni-piraty ka mandehana eto manova azy, miaraka amin'ilay site mitovy be amin'i facebook. Misy vitsivitsy somary vetaveta. Ny sasany moa dia hafatra mitsotra hoe "Tsy mahasambatra anao ny vady tokana" lol.
Marina fa tiako i Lego sy ny angorodaony saingy tsy mikasika azy mihitsy ity lahatsoratra ity... asa nefa sao dia avy amin'ny Lego tokoa no nakan'ny ray amandrenin'i Lego ny anarana hoe Lego :-).
Lego hafa mihitsy no tiako holazaina mantsy, dia ilay kilalao plastika atambatambatra, miloko maromaro, hahafahana mamorona zavatra maro. Androany 28 janoary hono no tsingerin-taona tena niforonany ara-dalàna... izany hoe nanoratana azy ara-panjakàna. Ho ahy dia anisan'ny nofinofy fahakely adino ilay izy ka nipongatra indray nony nanan-janaka. Dia nanomboka nividianako potipotika Lego ny boay kely ka dia rafitra mandrava sy manorina tokoa. Ny tena lafy tsaran'ilay Lego dia tsy manam-petra ny famoronana. Ny fetrany, mazava ho azy, dia rehefa tsy ampy intsony ny biriky kely. Manitatra tsara ny sain'ny ankizy kely ilay izy, noho izany, ary mandany andro azy ihany koa. Mihena ny fotoana laniny amin'ny kilalao elektronika na ny fahitalavitra. Ny mahasosotra fotsiny dia tsy maintsy ravaina izay vita. Indraindray teneniko mihitsy izy hoe antsoy aho rehefa mahavita zavatra tsara dia alaina sary alohan'ny handravàna azy... saingy tsy vatra.
Indro sombintsombiny amin'ny Lego nataon'i Aina.
Na izany aza dia apetrako eto ihany ity hiran'i Lego (mpihira malagasy) ity... dadilahy (Ny daddi dia kodiakely amin'ny teny italiana... mbola kilalao koa :-) )
Alohan'ny tena resaka, toa nafàna amboalohany toa t*in-kisoa fotsiny ilay resaka politika 2015. Noheverina hoe hamiratra amin'izay nony novaina ny praiminisitra fa toa praiminisitra tsy afaka tena namorona ekipa ilay izy. Raha tsy izany ve dia ho minisitra valo fotsiny no vaovao? Raha ny tena izy mantsy dia ny praiminisitra no mamorona ekipa matotra dia mampiseho ilay ekipa amin'ny filoham-pirenena... saingy indrisy e. Kotozafy ihany no Leksisy.
Izay no momba an'iny fa hiditra amin'ny resaka noeritreretiko hosoratana. Anisan'ny fanontaniana miverimberina isan'andro any anatin'ny hafatra voaraiko ny hoe "inona ny tenimiafina amin'ilay Tononkira Malagasy amin'ny Android". Rehefa mampiasa ilay application tononkira (tsy mila internet) amin'ny android mantsy dia mitaky tenimiafina isambolana ilay izy. Mba hialàna amin'ny fanontaniana imbetsaka dia napetrako ao amin'ny site tononkira.serasera.org izany tenimiafina izany. Misy anefa ny malaky fanontaniana ka tsy hahita an'ilay tenimiafina eo amin'ny pejy voalohan'ny site mihitsy.
Ny hevitra mora angamba dia hoe tadiavo malaky ao amin'ny Google ny hoe "tenimiafina tononkira android". Rehefa anontaniana mantsy i Google dia manome avy hatrany. Ka mba tsy hiandry valiny ela avy aty amiko dia i Google anontaniana mialoha... ary tsy mikasika an'io ihany fa mikasika zavatra maro. Izany akory tsy misakana ny fifandraisana amin'ny email, afaka mbola manoratra ihany rehefa mahita valiny :-) fa raha mitady valiny maika fotsiny dia ampiasao i Google.
Alohan'ny tena resaka dia tsetsatsetsa tsy aritra kely mikasika ilay tenin'ny Papa omaly hoe tokony ho tompon'andraikitra ny raim-pianakaviana. Tsy tokony hitondra tena toa ny bitro katolika. Ny tena noteneniny dia hoe "Misy ireo miteny hoe ny katolika tokony hanao toa ny bitro... tsia... tsia". Avy eo moa izy nanazava ny ato hoe ray amandreny tomponandraikitra. Fanamarihana kely fotsiny fa hay tsy fantatry ny maro hoe ny Katolika dia tsy manaiky ny fanabeazana aizana afatsy ny natoraly. Izany hoe tsy manaiky fatotra, kapaoty, fanafody, FI.SA. Koa ny fanabeazana aizana hany voizina dia ny resaka fifadiana amin'ny fotoana maha lonaka. Izay no fitsipika sy foto-kevitra katolika. Ny tena katolika dia manarka an'io. Avy eo moa, toa ny lalàna rehetra io, misy ny mandika, misy ny tsy manaraka, fa tsy olan'ny mpanao lalàna intsony izany.
Fa ny tena resaka dia mety misy ifandraisany kely amin'izay ihany. Misy sarimihetsika mandeha amin'izao, "The Imitation Game", nanaitra ahy ny sombiny tamin'ny Youtube dia mba nijery aho. Tantara tamin'ny ady lehibe faharoa saingy tsy dia ilay ady amim-basy loatra fa ny taktika isan-karazany nitadiavana izay handresena ny Alemana. Ny alemana dia mampiasa tenimiafina amin'ny baiko alefany ho an'ny miaramila mpanafika. Azo vakiana tsara ny baiko saingy tsy fantatra hoe inona no tena heviny. Mila mahafantatra ny fifangaroan'ny tenimiafina vao afaka mahalala ilay tena baiko ao ambadiky ny baiko miseho. Ny tanjona izany raha te handresy dia ny mitady ilay tena baiko mba hahafahana miaro tena na manafika dieny mialoha. Izay no asa nampanaovina an'i Alan Turing lehilahy tsy dia mitovy amin'ny rehetra nefa nasaina nanao asa goavana noho ny faharanitantsainy... hitady ny tena dikan'ilay baiko. Tsy dia hotantaraiko amin'ny antsipirihany satria sarimihetsika vao nivoaka ihany ka sao dia mbola misy te hijery. Fa rehefa avy nahita an'ilay tantara aho dia nieritreritra hoe mety ho tena nisy tokoa izany tantara izany. Dia notadiavina tamin'ny Google dia hay tena nisy tokoa ny tantaran'i Alan Turing ary ny tantarany tokoa no asehon'ilay sarimihetsika.
Nanaitra voalohany aloha ny fomba nataon'ny olona tamin'izany fotoana izany ara-teknolojika. Toa tsy mampino rehefa mieritreritra ny finday sy ny solosaina amin'izao fotoana izao. Nefa dia tahaka izany tokoa no niantombohany. Ny kajy iray dia herinandro maro vao ahitan'ny milina valiny. Ny milina ampiasaina hanaovana izany kajy izany dia milanja an-taonina. Olona maro no miara-mieritreritra. Betsaka kokoa ny sakana kanefa betsaka kokoa ihany koa ny fikirizana. Toa mamantam-bonona ihany isika ankehitriny.
Fa nanaitra sy nahatonga saina koa ny fivoaran'ny fiaraha-monina rehefa mieritreritra hoe tamin'izany fotoana izany, izay tsy mbola 80 taona lasa akory izay, dia miafina sy voaheloka ireo izay manana fironana homosexuel. Amin'izao fotoana izao anefa izy ireo dia miantsoantso hanana zo be dia be toa ny hivady, hanana zanaka, tahaka ireo mpivady tsy mitovy ehy. Fandrosoana tokoa angamba.
Ny sombin-teny nanaitra tao anatiny sady azo entina hikirizana amin'ny fiainana dia ilay hoe "Indraindray dia ny olona izay tsy eritreretina hahavita na inona na inona no mahavita zavatra izay tsy eritreretin'ny olona ho vita." "Sometimes it is the people who no one imagines anything of who do the things that no one can imagine."
Baikom-pitolomana: manao, manao, manao hatrany (izay vita eo vita fa mila mahavita)
Toa izao ny resaka momba ny #imitationgame ao amin'ny twitter
Noho ny antony mazava loatra dia tsy tena sarin'ny zavatra hita no hapetraka eto amin'ity resaka ity. Fotoanan'ny krizy lahatsoratra koa izao (vakansy sns) koa dia itony tantara itony no tantaraina :-)
Avy niara-nivavaka sy nifampiarahaba tratry ny taona tamin'ny namana protestanta izahay ny alahady hariva (rehefa avy nahavita ny anjaran'ny Katolika ny maraina), dia alohan'ny hidirana tao anaty fiara dia nahita poketra (portefeuille) teo amin'ny tany. Nalaina dia nisy cartes de credit maro be tao anatiny (10, eny 10) ary nisy taratasy famelàna hitondra fiara sy taratasy madinika maromaro. (tohiny)
Maro tamintsika angamba no nahita an'ilay video izay nahafaty an'i Tamir Rice, zazalahy mainty fihodirana, vao 12 taona monja, notifirin'ny polisy tany Etazonia. Nisangisangy izy, ka rehefa misy mpandalo dia tondroiny amin'ny basy kilalao avy ato aoriana. Tsy hitan'ilay mpandalo izany fihetsika izany ka tsy mitranga eo ny olana. Fa nisy kosa vavolombelona nahita avy lavitra dia niantso polisy. Fantatr'ilay niantso hoe mety basy kilalao ilay basy ka nolazainy tamin'izy niantso. Nandefa polisy teo an-toerana ny antso vonjy taitra saingy tsy voalazany ilay resaka hoe basy kilalao. Nony tonga ny polisy nahita an'i Tamir Rice nitazona ilay basy tao am-paosiny ka saika hamoaka tanana, dia tonga dia notifirin'izy ireo. Maty teo no ho eo. Araka ny vaovao dia tsy mbola nanana traikefa ilay polisy satria tsy mbola ampy herin-taona nanaovana ny asany akory.
Amin'ny toe-javatra tahaka itony ankoatra ny fanadihadiana izay tokony hatao amin'ilay mpitifitra sns, dia manana ny andraikiny lehibe ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina. Mbola tsy azoko foana hatramin'izao hoe nahoana no ividianana kilalao izay maka tahaka ireo fiadiana fanaovana herisetra ny ankizy. Basy, antsy, sns. Ny hitany amin'ny fahitalavitra aza efa tsy fidiny. Taloha ny tena dia nanao "bandy sy rola", "polisy volera", izay marina fa mifanalavitra be amin'ny tena izy (réalités) saingy na ireny aza dia efa miteraka faniriana hanao herisetra ao anaty lalina ao. Ka raha tsy voataiza tsara dia lasa mivoaka rehefa lehibe.
Ankatoky ny noely izao, fetim-pifaliana. Dia aleo mba kilalao miteraka fifaliana ho azy, ho an'ny manodidina azy, ho an'ny feon'ny fieritreretany, no omena ny zaza. Izao fotoana izao indrindra no tokony hikolokoloina ny ho avy izay irina ho azy.
Ao anatin'ny mi-"dev" tanteraka amin'izao dia tsy misy fotoana malalaka mihitsy ka na ny miblaogy aza tsy vita. Fa nisy eritreritra nandalo kely nanahirana ny loha dia nosoratako teto ihany.
Nisy resaka mikasika ny fiainana izay nosoratan'ny namako anakiray tao amin'ny facebook angamba efa herintaona na roa taona lasa izay dia notadiaviko sy notadiaviko fa tena tsy mety hitako. Fantatro tsara ny votoatiny hoe #fiainana #fanambadiana saingy tsy hitako ao amin'ny mombamomba azy intsony ilay izy. Izy rahateo manoratra imbetsaka ka tena very fotoana mihitsy mitady azy.
Dia tsaroako foana ilay faharesen-dahatro hoe ny Facebook tokoa dia tena afo-mololo. Ny zavatra soratanao ao amin'ny facebook na dia tena mafonja aza dia amin'iny andro anoratanao azy iny ihany no tena misy lanjany. Mety hoe misy mbola mahita afaka roa, telo na herinandro... mety misy mamoaka tampoka amin'ny "commentaires" rehefa faka 1 na 2 volana fa avy eo dia manjaona any. Ao ihany izy fa tototra. Tsy hitan'i google, tsy hitan'ny archives. Tsy hita hotadiavina. Ka raha tsy ianao tompony no miezaka mamoaka azy tao indray dia tsy hita momoka ao izy... na dia hevitra sy resaka tsara aza.
Ny zavatra hafa kosa tsy mba tahaka izany... ny blaogy, ny forum sns dia mora hita. Tsy voatery mandeha mivantana any amin'ilay blaogin'ilay namana na ny forum nisy ny resaka akory fa "Google" dia ampy. Mitady ao amin'ny Google aho izao hoe "fandrahoana ravim-bomanga" dia anisan'ny valiny asehony ny resaka tao amin'ny Forum serasera tamin'ny taona 2004... resaka tamin'ny 10 taona lasa, ary tsy misy valiny avy ao amin'ny Facebook mihitsy asehony. Nitady aho hoe "recette mofo akondro" tao amin'ny Google ihany, dia mitovy ihany. Ny blaogy sy forum sy sites manokana no mitranga eo nahitako ny valiny mahafa-po. Nefa firy ny olona niresaka mofo akondro tao amin'ny facebook? Misy rohy kely ihany ery ambany ery hoe facebook, dia nidirako saingy groupe ilay izy "recette malagasy" dia mitovy ihany, tsy ilay recette mofo akondro no eo fa mbola tsy maintsy asesy any ambany be any vao mety hahita ilay "recette mofo akondro".
Ny tiana hotenenina dia tsy hoe aza manao facebook, na hoe aza apetraka ao amin'ny facebook ny hevitra tsara sy mafonja. Fa hoe raha tena tianao hozaraina marina ireny hevitra tsara sy mafonja ireny dia soraty amin'ny toerana hafa ihany koa. Na site-nao manokana, na blaogy n'aiza n'aiza, na forum misasika azy. Satria raha izao dia hita fa ny "Facebook" mandalo fa iretsy farany no mitoetra.
Raha tsy hoe izay fandalovany fotsiny izay no tena tanjona...
Ny vaovao farany momba an-dRavalomanana dia ho hitanareo ery ambany amin'ny faran'ity lahatsoratra ity. Fa alohan'izany dia eritreritra kely mikasika indrindra ny zava-nitranga hatry ny omaly izay efa iaraha-mahalala ihany no tehiriziko eto amin'ity blaogy ity.
Nalaky dia nalaky ny fivoaran'ny toe-draharaha politika teto Madagasikara omaly rehefa tonga tampoka, mba tsy hilazàna hoe antsokosoko, ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nikorontana na dia ny resaka serasera teo amin'ny fiandidiana ny repoblika aza satria ny kaontin'ny Prezidansa tao amin'ny facebook ohatra dia nampiseho sary tànana hifandray sy niresaka fifampihavanana. Atoa Rajoelina Patrick izay mpanohana akaiky an'i Rajaonarimampianina koa dia nilaza fa mety hihaona Ravalo sy Rajao mandritra ny takariva. Ny DirCab-n'ny fiadidiana ny repoblika anefa dia nilaza fa tsy nahalala na inona na inona momba ny fahatongavan-dRavalo ka hampihatra ny lalàna satria "tany tan-dalàna loatra i Madagasikara" (Amin'ny teny gasy, ny dikan'ny loatra dia hoe tafahoatra ny mety). Nisalasala ny rehetra hoe iza amin'ireo hevitra samy nipoitra avy any amin'ny ankolafin-dRajao ireo no hisy tohiny? Dia iny nitranga iny fa nosamborina i Ravalo ary natao tany amin'ny toerana tsy fantatra mba hiarovana ny ainy. (Toa misy film efa nandeha tahaka izany, ry Monja Jaona sy ry Bao Andriamanjato toa efa natao tahaka izany fa toa tsy dia niadana loatra ka asa Ravalo raha hahazo hotely kintana dimy)
Ka ireto vitsivitsy ireto ny eritreritra nandalo tato amiko.
Ny voalohany dia eritreritra momba ny tranga nahatongavany. Ny mazava aloha dia nisy lavaka be tamin'ny fiarovana sisin-tany manokana voalohany indrindra, sy teo amin'ny fanaraha-maso an-dRavalo ihany koa ka nahatonga azy tafaverina. Misy sampam-pitsikilovana ihany ao Madagasikara ary amin'ny zavatra tahaka itony no tokony hahitàna izany. Vao niteny Ravalo fa ho avy indray (na mety efa tonga izy tamin'iny) dia tokony nihetsika ny sampam-pitsikilovana nijery hoe aiza ho aiza izy, ahoana no eritreretiny hahatongavana sns. Nahazo isa Ravalo tamin'iny ankiafina iny ka na ny AV7 aza tonga saina. Tadidiko tamin'ilay fotoana saika hahatongavan-dRavalo voasakan'ny NOTAM dia efa tonga teny Ivato koa ny AV7, fa tamin'izy ry zareo niesona.
Faharoa eritreritra momba an-dRavalo sy ny manodidina. Nisy lavaka be koa teo amin'ny mpanolontsain-dRavalo, zavatra efa mahazatra ihany. Raha nisy tena mpanao politika ny manodidina an-dRavalo dia ho nanoro azy ny zavatra tokony ho nataony tamin'iny fidirany teto Madagasikara iny. Toy ny hoe niketrika irery indray Ravalo, mety hoe nampian'ny vazaha, fa tsy nisy mpanolontsaina tena niara-niketrika taminy. Nisy tetikady na stratejia maro tokony ho natao ka anisan'izany ny fiambenana ny tenany sy ny toerana misy azy... indrindra raha hiseho (show up) sy hiteny (speak out) izy. Mba tsy horaisim-potsiny tahaka an'ireny. Azony natao ihany koa ny tsy nanao filazàna ampahibemaso fa nitsapa rano aloha sy nanivana ireo manodidina mpiara-miasa. Hoe iza tokoa ny mpanao politika mbola azo ianteherana sa hitady mpikatroka vaovao.
Fahatelo, eritreritra momba ny fanjakàna. Misy lavaka be koa ny fanjakàna tamin'ny fifehezana an'iny raharaha iny. Ny filazàna ampahibemaso fa tsy naharaka na inona na inona dia sady fisehoana ho tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana sy ny fiandrianan'ny firenena no fanamelohana ireo izay heverina ho nampiditra antsokosoko an-dRavalo teto an-toerana. Ary dia mbola tsy fahaizana mifehy ny toe-draharaha ihany koa ny nisamborana (na nakàna) an-dRavalo sy namindràna azy tamin'ny toerana hafa. Tsy zavatra vaovao ny toe-draharaha tahaka ireny fa zavatra efa nitranga eran-tany. Azo atao tsara ny mijery hoe ahoana ny fanaon'ny olona amin'ny tranga toa ireny. Afaka nanao récupération politique tsara mihitsy Rajao ary mety nanarona ilay lavaka amin'ny fiarovam-pirenena izany. Inona tokoa moa no nisakana azy tsy hanao dingana voalohany amin'ny fihavanam-pirenena? Ny tsy miady hono olom-bodo. Na dia hoe nanao fihantsiana aza i Ravalo, raha tsy novaliany tamin'ny fihantsiana mafimafy kokoa izany dia nahazo ny fon'ny olona izy. Rehefa nisambotra indray izy dia tokony nanao stratejia hafa kokoa. Raha toa ka fiarovana (sécurisation) araka ny nolazainy mantsy dia tokony hisy hatrany ny fifanarahana sy fifandraisany amin'ny fianakaviana. Ny fanokàna-monina (isolation) an-dRavalo toa izao anefa dia tsy hahafahan'ny fanjakana milaza mihitsy hoe voaaro izy.
Fahaefatra, eritreritra momba ny vahoaka. Efa niova tokoa ny Malagasy. Tsy anomezan-tsiny azy izany satria mafy loatra ny vokatry ny tetezamita. Nandritra ny tetezamita dia fanasàna atidoha ho leo fitakiana no natao. Naverimberina foana hoe tsy hisy mpanao politika ho tsara izany fa na iza na iza eo dia mitovy ihany. Natao naharitra mihitsy ny tetezamita mba hahafahan'ny rehetra nanaiky izany hevitra izany. Na ny tetezamita 5 taona aza moa dia nanjary nekena. Tsy nijery lavitra intsony, noho izany, tamin'ny fifidianana fa izay nanome sakafo eo no ho eo no nofidina. Nisy dia nisy ireo kandidà sady tsy nanohana ny tetezamita no tsy nanohitra ny tetezamita fa hery tena vaovao... saingy ny zava-nitranga dia naleon'ny Malagasy nanohy ny tetezamita. Diso tanteraka izany amin'izao fotoana izao ny mpanao politika miandry fihetsehan'ny Malagasy. Ary ho diso fanantenana Ravalo raha toa manantena hanainga vahoaka. Efa antitra avokoa ireo nitolona tamin'ny 1972, ary ireo nitolona taty aoriana dia tsy manana faharesen-dahatra tahaka ny taloha intsony noho ny fahantrana sy ny hanohanana. Koa tsy hisy vahoaka maro hitroatra izany intsony eo. Raha ny tokony ho izy dia rehefa noana ny vahoaka dia mitroatra. Saingy tsy mihatra amin'ny Malagasy intsony izany, tahaka ireo any Korea tavaratra sy any Cuba izay tsy mitroatra intsony na dia mahantra sy noana aza... diniho hoe nahoana.
Koa dia miandry ny tohiny isika hoe iza no hiova voalohany: Rajao sa Ravalo sa ny Vahoaka.
Mpanaraka an'ity sary ahetsika (animations) ity aho, efa nahita ny 1 sy ny 2 (ny 3 tsy tadidiko). Fa androany aho dia tonga saina hoe tena sady milalao izany ilay bandy ity no miasa. Araka ny nolazainy dia 11 volana izy no nanao an'ilay sary ahetsika, teo amin'ny 700 ora mahery teo. Ary tena ataony matihanina daholo ny zavatra atao fa tsy mba kitoatoa (jereo ilay video faharoa mikasika ny nanaovany azy. Marina fa manana fitaovana sy fahaizana izy saingy ny tena ananany araka ny fahitako azy dia ilay fitiavana an'ilay zavatra ataony ka mahatonga azy hanana faharetana.
Tsy tazomiko ela ianareo fa ankafizo ny vokatry ny asany. Dia jereo ery ambany ny famintinany ny nanaovany azy. Kopa-tsatroka.
Tamin'ny 1999, 3 oktobra izy izay, no nivorivory teo antokontanin'ny oniversité iray tany Afrika izahay mpinamanamana, niresa-dresaka. Dia nitsiry ny hevitra hoe hanamboatra sehatra iray, amin'ny internet, hifandraisan'ny Malagasy. Dia ny alin'iny aho no nitady ny fomba rehetra hanombohana izany. Nanomboka tamin'ny zavatra tsotra, maimaim-poana, nitady hébergements tetsy sy teroa, maimaim-poana. Dia nivoatra tsikelikely. Dia nalaza be... dia miha-mangina, dia fohazina kely dia mangina indray :-p. Fa ny mahafaly dia mbola mitohy hatrany hatramin'izao. Feno 15 taona androany tokoa izany izao ny Serasera. Betsaka ny nandalo tao, fa misy koa ny tsy mbola nandre ny fisiany... tsy maninona izany, mbola maro ny fotoana hihaonana eny an-dalana eny :-)
Ho henonareo amin'ny vaovao malaza ato ho ato io vaovao io. Androany alina tokoa no natomboka natao lavanty ny satrok'i Papa Fransoà, tena satroka nanaovany fa tsy sandoka. Toa izao no fandehan'ny tantara izay nitranga tao amin'ny fandaharan'ny televiziona italiana Le Iene androany 17 septambra... tantara araka ny filazan'izy ireo.
I Damiano dia tafiditra niasa tao amin'io fandaharana io tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Tsy nahomby loatra anefa izy dia voatery nesorina. Nitady fomba maro izy hanehoana amin'ny tompon'ny fandaharana hoe mahavita zavatra ka ny tanjony dia ny haka ny satrok'i Papa Fransoà.
Ny tanjony dia ny hahazo tso-drano amin'ny zavatra manokana entiny eny amin'ny Papa Fransoà. Nividy satroka mitovy amin'ny anaovan'ny Papa ary izy ka nandritra ny fandalovan'i Papa dia niantsoantso tahaka ny olona rehetra mba horaisin'ny Papa ny satroka nentiny ka hotsofiny rano. Nijanona tokoa ny Papa ka nampanalainy ilay satroka teny aminy. Tsy nampoizina anefa fa dia noraisin'ny Papa ilay satroka ka ny azy indray no nomeny an'i Damiano.
Nentin'i Damiano tany amin'ny tompom-pandaharana ny video rehetra mikasika izany sy ilay satroka koa nanapa-kevitra izy ireo fa hatao lavanty ny satroka ka ny vola azo dia atolotra ny masera mpanao asa soa iray any Congo. Adin'ny iray aty aoriana dia efa tafakatra 80.000,00 Euro ny vidin'ilay satroka ao amin'ny Ebay (Jereo eto).
Nahafinaritra ahy ity sarimihetsika iray ity "Une rencontre" (2014) andraisan'i Sophie Marceau sy i François Cluzet anjara. Anaty fonosana, tena misy itovizana amin'i Dustin Hoffman tokoa i François Cluzet an. Tsy ho tantaraiko fa sao misy liana te hijery... fa tsy araka ny ampoizina ny farany. Ilay karazan'ny hoe maty ny "role" sns :-)
Vita aloha ny facebook login sy google login amin'ny ankamaroan'ny site-n'ny serasera. Raha manana compte facebook na google dia tsy voatery misoratra anarana amin'ny Vavahady intsony fa avy hatrany dia ny compte facebook na google no idiranao. Na ireo efa manana tenimiafina koa aza dia tsy voatery mitadidy tenimiafina raha ohatra ka ny email any amin'ny facebook na google ihany no ampiasainy.
Toa io sary io, ohatra, no miseho rehefa hampiditra tononkalo ianao.
Afaka mampiditra tononkalo sy tononkira, midinika any amin'ny forum, mandahatra hira, mitady namana sns... izany ianao raha vao manana Facebook sy Google fotsiny.
Ny olona vaovao mbola tsy mpikambana mihitsy tao amin'ny serasera, rehefa mampiasa ny kaonty Facebook na Google amin'ny voalohany dia angatahany mba hamorona solonanarana. Ny eto amin'ny serasera.org tsinona dia ny solonanarana no mitranga rehefa mametraka zavatra iray (tononkalo, tononkira sns), koa ilaina ihany ny mametraka ny solonanarana. Amin'ny voalohany ihany no toa izany fa avy eo tsy misy fangatahana solonanarana intsony.
Nahafinaritra sy nampieritreritra ahy ity tantara ity ka hozaraiko ato amin'ny blaogiko. Angamba fifanandrifian-javatra fa sendra nijerijery tao amin'ny FB aho dia nahita namana vehivavy taloha iray elaela tsy tazana. Eny e, tsy namako izy ka izay angamba no tsy nahitako azy fa sendra tsikaritro nametraka hevitra tamin'ny sarin'ny namana iray. Dia maika aho hijery ny sariny sy ny mombamomba azy "hitilitily vaovao". Dia hitako nanjary nangingina izy, nimpirimpirina tsy toa ny taloha. Taloha mantsy izy naka sary tetsy sy teroa tamin'ny fitafy isan-karazany, paozy isan-karazany, fiara, sambo, fety... fa ilay vao hitako ao toa takelaka mendrimendrika. Dia hoy aho tany an-tsaiko hoe "eeeeh, antitra ihany isika ity..."
Dia toa fifanandrifian-javatra fa hitako tampoka ity lahatsoratra iray eto ambany nosoratan'i Robin Korth eto ambany ity. Tamin'ny teny anglisy no nahitako azy fa hitako koa fa efa voadika amin'ny teny frantsay. Ny votoatiny dia ilay teny any amin'ny faramparany hoe "io ny vatako..." toa miteny hoe "rehefa tsy faly mibontsina :-)" Manaiky ny fotoana rehetra, izay tsy midika hoe milavo lefona na resin'ny fotoana, fa mandray ihany koa ny fotoana rehetra ho toa ny fanomezana sarobidy. Mampalahelo ny mieritreritra ny olona tsy mba nandalo ny fahazazana fa tonga dia lehibe (ireo terena hanambady dieny mbola kely), ireo tsy mba nandalo fahatanorana (rehefa lehibe vao te ho tanora), dia toa izany koa hampalahelo ireo izay tsy mba vonona handalo fahanterana ka tsy mba higoka am-pifaliana ilay rononon'ny fialan-tsasatra fa mbola te ho tanora foana ihany.
---
"Ma vérité toute nue" de Robin Korth
Me voilà, nue devant le miroir, toutes les lumières allumées, et je me prépare mentalement. Je respire profondément et me positionne, ainsi que les miroirs, afin d'être bien certaine que je peux me voir en entier. Je me déleste, d'un effort conscient, de l'image que je me fais de moi-même. J'ouvre les yeux et j'observe attentivement mon propre corps. Mon coeur a été chambardé par la vérité: je ne suis plus une jeune femme. Je suis une femme qui a du vécu, et mon corps est le témoin de toutes ces années passées à être le vaisseau qui a porté mon âme à travers la vie.
Je suis une femme de 59 ans et excellente santé et en très bonne forme physique. Je fais 1 m 75 et je pèse 50 kilos. Je porte des jeans et des sous-vêtements de taille 38, et mes seins sont encore bien loin de toucher à mon nombril. En fait, encore aujourd'hui, ils peinent à remplir un soutien-gorge avec un bonnet de taille B. Mes cuisses ne sont plus douces comme du velours, et mes fesses sont légèrement ridées. Mes bras sont un peu flasques et ma peau affiche les effets du soleil. Mon tour de taille est un peu mou et mon ventre tombe légèrement, héritage d'une césarienne qui lui a dérobé sa planéité, mais qui m'a donné un fils.
Pourquoi cet examen approfondi de mon propre corps? Parce qu'il était temps pour moi de réparer les dommages causés par notre culture et par ma propre crainte face à celui-ci. Il était temps de remettre un peu d'amour dans mon âme blessée. Le temps était venu de reprendre possession de chacune de ces marques et de chacun des centimètres carrés de ce corps imparfait, ce corps récemment qualifié de "trop ridé" par un homme qui était attiré par mon énergie vitale et mon esprit, mais un homme qui n'avait pas aimé ma vérité toute nue. Il se nommait Dave, et il avait 55 ans.
Nous nous étions connus via un site de rencontres. Dave était un homme intéressant, un vrai gentleman, et très intelligent. Nous nous tenions par la main et nous aimions faire de longues randonnées à vélo. Il devait parcourir de grandes distances pour me rendre visite. Il nous cuisinait d'excellents repas et adorait mon chien. J'étais très attirée par lui et j'avais très hâte de le connaître intimement. De fil en aiguille, nous avons planifié un week-end d'amoureux. Et c'est là que les choses sont devenues confuses, inexprimées et pas tout à fait claires. Nous avons partagé un lit comme le font tous les couples, nus et en contact rapproché. Nous avons partagé de nombreux baisers et nous nous endormions dans les bras l'un de l'autre. J'ai bien tenté de provoquer une intimité encore plus grande tout au long de ce week-end, mais il m'en a dissuadé à chaque fois.
Le lundi suivant, lors d'un appel téléphonique, j'ai demandé à cet homme qui avait partagé ce lit avec moi pendant trois nuits consécutives pourquoi nous n'avions pas fait l'amour. "Ton corps est trop ridé", m'a-t-il répondu du tac au tac. "Depuis des années, je me gâte avec des femmes plus jeunes. Tu ne m'excites tout simplement pas. J'aime ton énergie et ton humour. J'aime ton esprit et ton coeur. Je n'arrive simplement pas à aimer ton corps."
J'étais abasourdie. La douleur viendrait plus tard. Je lui ai demandé calmement et clairement s'il trouvait dur de regarder mon corps. Il m'a répondu oui. "Donc, ce que tu me dis c'est que de me voir nue t'est pénible?", lui ai-je donc demandé. Il m'a répondu qu'il avait simplement détourné le regard. Puis, lorsque les lumières étaient éteintes, il s'imaginait que mon corps était celui d'une femme plus jeune, que j'étais plus jeune. J'ai eu le souffle coupé et j'ai pris quelques instants pour digérer ces informations. J'ai senti mon visage s'enflammer de gêne et de honte d'avoir eu tant de facilité à me montrer nue devant lui durant notre week-end.
Nous avons continué notre discussion, mais j'étais toujours sous le choc de la nature de cette conversation. Il me parlait de bas-culottes et autres vêtements spéciaux conçus pour «masquer» mon âge. Il m'expliquait avec insouciance à quel point il aime les "petites robes noires" et les talons à minces lanières. Il m'a dit que mes cheveux n'étaient pas longs et dans le vent, comme il le préfère, mais que ça n'était pas si grave, car il trouvait mes cheveux courts "cool". Je me sentais comme une Barbie dans un "trip" de LSD pendant que j'écoutais cet homme. Il était complètement inconscient de la brutalité de ses propos. Il m'avait transformé en un objet que l'on habille et dont on dispose à sa guise pour sa propre satisfaction afin de correspondre à ses critères très spécifiques de ce que devrait être la perfection sexuelle féminine.
Il a conclu en affirmant que maintenant que je savais ce qu'il attendait de moi, nous pourrions avoir beaucoup de plaisir dans la chambre à coucher. Je lui ai dit non. Il était hors de question que je fasse abstraction de mon propre corps. Je refusais de porter des vêtements qui rendraient mon corps plus "tolérable" à ses yeux. Je n'allais pas commencer à me déshabiller dans le noir ou à prendre ma douche avec la porte de la salle de bain close. Je refusais de me diminuer pour lui, ou pour qui que ce soit, d'ailleurs. Mon corps est magnifique et il est le complément inséparable de mon esprit et de mon coeur.
Lorsque j'ai dit à Dave que je ne voulais plus le voir ni entendre parler de lui, il s'est dit confus. Selon lui, je faisais tout un plat de quelque chose d'anodin. Il se lamentait que je mettais trop d'emphase sur un tout petit élément de notre relation et que je le montais en épingle. Je n'avais même pas envie de tenter de lui expliquer la douleur et l'horreur qu'il venait de m'infliger. Je ressentais même une certaine pitié nauséeuse pour lui lorsque j'ai coupé la communication. C'est à ce moment que je me suis rendue dans ma chambre à coucher et que je me suis tranquillement déshabillée.
Pendant que je m'observais dans le miroir, avec lucidité et courage, je me suis réapproprié chaque centimètre de mon corps avec amour, honneur et tendresse. Ce corps, c'est moi. Ce corps est le vaisseau de mon âme et de tout ce que je suis depuis ma naissance. Chaque ride et chacune de ses imperfections sont une médaille qui témoigne de ma vie et de fait que j'ai donné la vie. En larmes, je me suis embrassée moi-même. J'ai remercié Dieu de ce cadeau que sont ce corps et ma vie. Et j'ai également remercié ce triste individu nommé Dave de m'avoir fait réaliser à quel point tout cela est précieux.
Robin Korth enjoys interactions with her readers. Feel free to contact her at[email protected] or on Facebook.
Sary vaovao nataon'i Marcello Barenghi indray amin'izao fotoanan'ny Mondial izao. Rehefa tsy nahazo ny amboara ihany ny Italiana dia aleo atao sary mitovy amin'ny tena izy. Dia ankafizo ny nanamboarany azy.
Aleo apetraka ato ihany itony hotadidiana any aoriana :-) Resin'ny mpilalao alemana tamin'ny isa mavesatra dia mavesatra 7-1 ny mpilalao breziliana. Ny antony? Satria tsy tahaka ny mpilalao taloha intsony amin'izao ny breziliana. Taloha dia manana ny lanjany daholo ny mpilalao tsirairay fa tsy misy hoe favoris manokana. Afaka mamitapitaka sy mamono baolina avokoa fa tsy misy hoe i ranona na i ranona no tena mpamono baolina. Amin'izao misy mpilalao tena mahiratra fa misy mpiambina sy mpanolotra fotsiny. Ilaina dia ilaina koa ilay mpanolotra baolina saingy tsy tafa raha vao tsy eo ny mpamono.
Koa inona moa fa dia amin'ny 2018 indray manarina.
Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho.
Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )
Vaovao farany: 26/06/2014. Voasazy tsy afaka milalao mandritra ny lalao 9 mifanesy andraisan'ny ekipa Uruguay anjara i Suarez. Tsy afaka hilalao amin'ity fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina kitra ity intsony izany izy.
Tehiriziko ato fotsiny ity sary iray hafa hitako ity. Tsy vao voalohany i Suarez no nanaikitra, ary tsy vao voalohany no nanaikitra an'i Chiellini. Ary ny tena mahagaga dia tsy ahoan-tsy ahoana eo. Toa ny hoe olona entin-javatra handeha hanaikitra. Tandremo ihany mihaona amin'ny toa itony :-)
Mafanafana fo indray ny ao Antananarivo renivohitra ao satria manomboka hentitra amin'ny fampiharana ny lalàna (efa nisy taloha na vao napetraka) ny ao am in'ny Kaominina. Nisesisesy mihitsy izy tato ho ato taorian'ny gaboraraky ny Tetezamita. Nanomboka tamin'ny fandrodànana trano, fandraràna fivarotana toaka amin'ny ora sasany, fandroahana ny mpivaro-tena tsy ampy taona, fanadiovana ny mpivarotra amoron-dalana, ny fanamboarana ny laharan'ny fiara sns. Mahafinaritra aloha ny mahita ny fanarahan-dalàna tahaka izao saingy misy tsetsatsetsa tsy aritra roa.
Teo alohaloha teo rehefa miantso an-taroby mandeha any Madagasikara dia ny skype no nampiasaiko na dia somary lafo noho ny tolotra sasany aza satria tamin'izany dia teo amin'ny 0,33 EUR eo ny 1 minitra. Fa tamin'ny fetin'ny reny teo dia niantso nampiasa skype indray dia akory ny hagagàna fa tapaka sahady ilay izy nefa tsy mbola niresaka firy akory. Niverina nijery ny tarif aho vao tonga saina fa nisondrotra avo telo heny ny saran'ny fiantsoana amin'ny skype any Madagasikara. Ary ny mahagaga dia tsy ny skype ihany no nisondrotra fa ireo mpifanandrina aminy hafa. Niezaka nijery ireo fampiasa hatr'izay ary aho ka dia ireto hozaraina aminareo ireto hoe iza no mora indrindra. Raha manana hafa moa dia ilazalazao. Alahatro avy amin'ny mora indrindra.
Ny Rebtel no hitako mora indrindra amin'izao fotoana izao satria dia 0,34 EUR /min no aloanao raha hiantso any Madagasikara. Ary raha mampiasa ity rohy ity ianao dia hahazo fihenam-bidy ary maimaim-poana ny antso voalohany http://reb.tl/1vyszmS.
Marihina fa misy application amin'ny finday koa io rebtel io.
Fantatra fa tia baolina kitra ny Papa (avy any Argentine rahateo izy). Koa navoakany tamin'ny Twitter-ny androany hoe "Je vous souhaite tous une très belle coupe du monde de football, jouée avec un esprit de vraie fraternité". Fantatro fa maro no tsy maintsy hikiredy sy himenomenona, indrindra moa fa ny rahalahy sasany... efa betsaka rahateo ireo manopa ao amin'io twitter io (jereo etsy ambany) saingy ny hafatra dia hoe aza ariana miaraka amin'ny rano avy nandroana ny zazakely. Marina tokoa fa maharikoriko ny fomba fanaon'ny FIFA sy ny kolikoly ao anatiny. Marina fa (tohiny)
Efa mitady ho feno 5000 indray ny namana ao amin'ny FB koa mijanona kely indray aloha ny fampidirana namana. Afaka mifandefa hafatra foana ihany nefa na dia tsy namana aza. Marihina fa ny fampidirana namana maimaim-poana no mijanona fa raha misy moa terem-panahy hametraka kely dia azoko ampidirina ihany ka toa izao ny sarany:
Raha atao namana alavitra (subscription) : 25.000 AR
Raha atao namana tsotra mahita sary: 50.000 AR
Raha atao fianakaviana (mahita zavatra maromaro kokoa) : 100.000 AR
Raha atao izaho (euh) : mametraka commentaire eto ambany dia ifampidinihana.
Rahafak'ampitso sisa dia hanomboka indray ny fifaninanana eran-tanin'ny baolina kitra. Dia be dia be ireo manao fampanantenana isan-karazany sy mivoadivoady mihitsy mba handresy ny ekipany. Efa betsaka eto Italia ireo tranom-barotra lehibe hoe hanome fihenam-bidy goavana raha mandresy ny Italiana. Fa ny tena nahalatsaka dia i Rocco Siffredi izay nivoady koa ny tsy hanao ny asany (izay efa fantatrareo) mandritra ny maha any Brazily ny ekipa italiana. Zaraiko ihany na dia tsy dia mifanentana loatra amin'ny kapoakako aza.
Raha ny fahitana ny fiaingan'ny ekipa italiana aloha dia vetivety ihany i Rocco no hiafy kanefa asa ho hita eo. Mety hanampy andry zareo angamba ny fahendren'i Rocco.
Izaho hatramin'izao mbola tsy maka ekipa fa mbola miandry ny fihodinana voalohany, mety hisy tampoka mantsy ny "surprise"
Ary iza tokoa hono no mety handresy hoy i Sr. Fabiola? :-)
Nijery ity clip-n'i Syril sy Melky eto ambany ity aho dia mahatsiaro ilay lazain'ny Ntaolo hoe aza kivy fa ny vodisobika aza manan-tandrify... saingy aza misavi-tsaranga :-) Mahavariana tokoa ny mahita fa tena misy karazany ny olona, isaky ny faritra, isaky ny firenena, isaky ny firazanana, isaky ny fahefa-mividy. Ary samy mahazo ny anjarany daholo raha eo amin'ny fitiavana no resahina... satria samy manana ny anjara tsara ao aminy izay hitan'izay tia izany anjara izany. Ny olana matetika dia ny be fitetika tahaka andry Syril ka tsy afaka mamoaka ilay tena tsara ao aminy ho hitan'izay mety ho tandrify azy fa misavika ny tsy anjaran'ny tena. Tsy ratsy ny manandrana sao dia raikitra tampoka (mi-tanté sansa) fa tsy atao am-po mety hankarary satria manjary mitomany randrana manendrika ny hafa. Aleo avoaka araka izay tratra fotsiny ny kanto indrindra dia mionona amin'izay mankafy.
Fa na izany na tsy izany dia misaotra an'i Syril sy Melky namoaka tokoa ny fiainana an-davan'andron'ny olona.
Tehiriziko ato amin'ny blaogy ihany na dia efa hitanareo mandehandeha any aza fa nivoaka omaly alina koa ny Hira Katolika amin'ny Android. Rindran-kajy hihainoana hira katolika malagasy amin'ny android. Tsy dia application be mankaiza fa nisy namana nangataka fotsiny hoe mba ataovy amin'ny telephone koa ilay Hira Henoina ao amin'ny katolika.org dia mba natao.
Fanamarihana mialoha: Mila internet io satria mavesatra be kosa raha ohatra ka atao ao anatin'ilay application avokoa ny hira katolika ananako :-)
Resaka fampidirana tsy misy idirany mihitsy. Nitady lahatsoratra vitsivitsy momba ny mondial nosoratako tato amin'ny blaogy aho dia gaga fa hay tena nanoratra be tokoa aho taloha. Ary tamin'izany tsy voatery nasiana sary sy rindra fa izay tonga tao ambava sy tao antsaina ary tao am-po dia nosoratana. Tiako haverina indray izany fomba fanoratra eto amin'ny blaogy izany. Tamin'izany aho mantsy resy lahatra foana hoe valako ity aloha voalohany indrindra... dia izay tiako hosoratana ho ahy. Ny mpamaky manaraka ny onjany eo. Matetika ny mpanoratra blaogy mieritreritra be loatra ny mpamaky azy dia lasa mpanao gazety tsy fidiny :-). Nefa amiko dia fizaràna sy fifampizaràna aloha no atao. Mandray izay raisiny eny ihany ny mpamaky.
Fa izany eo ihany fa herinandro sisa dia baolina :-)
Toa ny lehilahy rehetra maro dia mba tia baolina koa aho. Any Brazily nefa ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ity taona ity. Izany hoe tsy mitovy ora amin'ny aty Eoropa sy Madagasikara. Nojerena ny fandaharana dia misy manomboka sasak'alina sy manomboka amin'ny 3 maraina, izany hoe tapitra amin'ny 5 maraina any ho any. Aleo apetraka mihitsy ho hita sy hotadidiana fa raha izao no mitohy dia haka congé :-)
Dieny mazotozoto dia navoaka indray koa ny RadioVazoGasy amin'ny Android. Ny player dia izay efa nataon'i SetraR ihany fa nahitsy kely fotsiny. Ny fandrindrana ny fandaharana hira kosa no namboarina tanteraka.
Ity App Radiovazogasy ity dia natao indrindra hihainoana ny RadioVazoGasy, handaharana hira handeha ao amin'ny RadioVazoGasy, ary hametrahana hafatra amin'ireo hira izay mandeha.
Navoaka androany indray ny application Sorona Masina amin'ny android. Isaorana be dia be i Jean Frederic R. izay nanome ny lahatsoratra. Mbola natao faran'izay tsotra aloha izy io fa hohatsaraina miandalana ihany.
Amin'izao fotoana izao dia ny vavaka sy vakiteny isaky ny alahady no hita ao ary ny taona 2014 ihany (Taona A) fa hampidirina koa ny taona hafa sy ny andavan'andro atsy ho atsy.
Irariana mba hanampy antsika hidera an'Andriamanitra sy hiaina ny Teniny, tsy any am-piangonana ihany fa na dia any an-trano koa aza.
Azonao alaina ao amin'ny Google Play (Tadiavo hoe Sorona Masina) alaivo eto
Zaraiko aminareo fandaharana iray milaza ny zava-misy any amin'ireo firenena maro any Afrika (Cameroun no tena lazainy). Ahitana ireo vehivavy maro izay te hanambady vazaha mba hahazoana taratasy handehanana aty Eoropa. Voalazany ao fa efa ho atsasaky ny mariazy ao Suisse, ohatra, dia mariazy mifangaro, izany hoe vahiny ny iray. Inoako fa efa miroborobo koa io bizna iray io any Madagasikara, izay tsy zavatra ratsy loatra akory, saingy mila samy mitandrina na ny Malagasy na ny Vazaha. Ny Malagasy moa mila mitandrina sao dia tratran'ny mpanadala fotsiny, ataony fialam-boly mandritra ny fotoana fialan-tsasatra ka tsy miafara amin'ny mariazy akory, na koa lasa andevo sy mpivaro-tena aty antanin'olona aty fotsiny. Ny vazaha koa mila mitandrina sao tratran'ny Malagasy tsy tokan-tena akory ka tsy raikitra ny mariazy rehefa tafavoaka.
Matetika dia tsy ny finoana no ratsy fa ny olona ao anatiny. Efa niseho izany tamin'ny finoana Katolika mikasika an'ireo pretra tena vitsy izay lavo tamin'ny fikasihana zaza tsy ampy taona, tamin'ireo pasitera izay manolana ny mpivavaka ao aminy, tamin'ireo silamo mahery fihetsika mamono ny zanany vavy mitady hanambady tsy mitovy finoana aminy. Dia izao fa miseho indray amin'ity fakàna an-keriny tovovavy maherin'ny 200 tany Nizeria nataon'ity ranamana miseho azy ho silamo ity.
Miantsoantso izao tontolo izao hoe avereno izy ireo saingy hatramin'izao aloha dia tsy misy akony. Angamba mila asa mivaingana kokoa noho ny antso amin'ny twitter sy facebook fotsiny? Inona tokoa moa no misakana ny firenena matanjaka tsy hampiasa ny fahaizana sy ny teknolojia eo am-pelatanany hanafay ny mahery fihetsika tahaka itony?
Ho antsika izay tsy afaka manao na inona na inona dia tsy misy atao afatsy ny mitondra am-bavaka ireo tovovavy ireo. Mba hosakanan'Andriamanitra ny habibiana mety hitranga.
Ity blaogy ity no mba fitantarako ny zava-mitranga izay vakin'ny fianakaviana any an-tanàna ka matetika dia izay zavatra iainako no tantaraiko. Amin'ny maha blaogy azy dia tsy lahatsoratry ny mpanao gazety ka aza gaga loatra rahefa mamaky azy. Tamin'ny alahady no nanandratana ho olomasina an'i Papa Joany XXIII sy i Papa Joany Paoly II teny amin'ny tany malalak'i Md. Piera teny Vatikana. Anisan'ny mba afaka nanatrika izany indray aho satria dia efa elaela tsy nanatrika zavatra tahaka ireny na dia mipetraka eto Roma aza. Tamin'ny herintaona aho izao no namonjy farany, tamin'ny nifidianana an'i Papa Fransoà.
Anisan'ny tombony ho anay eto Roma ny mahita mivantana rehefa misy hetsika ara-pivavahana tahaka izao. Amin'ny 27 aprily izao tokoa mantsy no hasandratra ho olomasina ny Papa Joany XXIII sy ny Papa Joany Paoly II. Efa misy ny lahatsoratra hafa milaza ny fandaharam-potoana ao amin'ny katolika.org (Jereo eto) fa ity lahatsoratra fohy ity dia fanazavana fotsiny ny momba ity resaka olomasina olomasina ity. :-)
Zavatra tsy misy idiran'ny lohahevitra aloha. Fantatrao ve hoe firy ny isan'ny namako ao amin'ny Facebook? (Dia firy amin'ireo ny katolika?) :-) Amin'zao dia 4980 ny namako ao amin'ny FB ary betsaka no mbola tsy nekena satria tsy atao mahatratra 5000 fa manjary tsy afaka misy miditra intsony. Misy ny hiteny hoe tsy tena namana izany, misy ny hoe izahay koa mahavita fa ny anay tsy tia namam-bomanga fotsiny sns. Fa ny ahy ny namako tazomiko amin'io 5000 latsaka io ary tsy asiana fanadiovana izany fa avela hifangaro ao daholo ny tany misy vatovato, ny tany misy tsilo, ny tany misy kirihitr'ala ary ny tany lonaka. Iray volana latsaka mantsy izay dia namorona takelaka facebook anakiray aho izay hitanao eto kahatramin'ny androany dia mbola 553 no nanao hoe "Tiako" na "J'aime" na "Like". Izany hoe 10%-n'ny namako. Andao atao hoe ho an'ny katolika irery io dia 10%-n'ny namako izany no katolika? tsy haiko... fa raha te hanao j'aime ianao (na tsy katolika aza) dia tsindrio eto dia tsindrio ny "J'aime" sns.
Fa ny tena lohahevitra tiana holazaina dia hoe nohavaozina ny vohikala katolika.org ary natsangana niaraka tamin'izay fanavaozana izay koa ilay takelaka facebook katolika.org voalaza tetsy ambony io. Ka hilaza ny zava-baovao vitsivitsy aho mba hotehirizina ato amin'ity blaogiko ity.
Hitako hoe tsy dia namely intsony ny andron'ny lainga, na ny trondron'ny aprily, tamin'ity taona 2014 ity. Miha lefy tsikelikely hatrany ilay izy satria vao 31 marsa ny olona dia efa miomana ary tsy misy manadino firy tahaka ny taloha intsony. Efa mahita internet daholo ihany koa ny ankamaroan'ny olona ka tsy misy voafitapitaka intsony. Ny manome vaovao rahateo moa dia vaovao tonga dia tsy mampino na vaovao hita hoe marivo tototra hehezin'ny akoho tokan'anaka no alefany. Tsy trondro intsony fa tsiboboka e :-)
Vous n'avez pas tort, vous vous y attendiez à voir une recette pour les pommes et ce n'est pas totalement faux. Mais c'est plutôt une mode de manger les pommes que chaque malgache a fait au moins une fois dans sa vie, bien sûr s'il ou elle a au moins vécu à Madagascar. C'est ce que nous appelons "Paoma sy sira" (Pomme au sel) et pour les plus courageux "Paoma sy sira sy sakay" (Pomme au sel et piment). Je viens de l'essayer et ça marche encore.
Donc vous aurez besoin d'une pomme, bien lavée avec de la bicarbonate, par exemple, parce qu'avec vos pesticides et insecticides l'eau n'est plus suffisante. Oui, la peau aussi ça se mange. A Madagascar on avait seulement l'habitude de bien la nettoyer avec nos vêtements en pur cotton. Vous aurez aussi besoin d'une ou deux pincées de sel fin, ou plus selon le goût de chacun, chez nous on utilisait même des gros sel, c'était plus facile à trouver. De vos propres mains et de vos propres dents... je n'ai pas essayé mais je doute bien que ça marche avec de la prothèse pour ceux qui n'ont plus de dents.
Commencez à prendre une petite bouchée pour créer un petit trou qui servira de premier appui pour le sel... eh oui, le sel ne collera pas sur la peau de la pomme. Une petite bouchée, parce que si vous en prenez une grande, vous devez le recracher pour y mettre du sel. Vous n'allez pas quand même manger une bouchée sans sel... Maintenant que vous avez un trou sur la peau, vous pouvez y mettre du sel et ainsi de suite.
Nalaza be ity Maseran'ny fikambanana Orsolina ity tamin'ity volana marsa ity satria nandray anjara tao amin'ny "The Voice Of Italy" ary nihira ny hiran'i Alicia Keys hoe "No one". Nanaitra ny mpitsara ny feony ka nitodika avokoa naniry ny hahita sy hitantana azy ireo mpitsara efatra. Fa iza marina moa i Masera Cristina Scuccia?
Tamin'ny volana novambra 2013 dia niresadresaka ny momba azy tao amin'ny TV2000 izy, apetrako eto ambany ny video, ka toa izao ny resa-dresaka raha fintinina.
Avy any Sicile eto Italie izy, 25 taona. Nianatra momba ny fitantanana, niasa tetsy sy teroa toa ny tanora italiana rehetra, tao amin'ny call center anakiray, nianatra tany amin'ny oniversité, nanana namana. Fony kely izy dia efa naniry hatrany ny ho mpihira, ary nony tanora dia nanana tarika mpihira kely nanafàna fety tetsy teroa. Tao anatin'izany anefa izy dia nahatsapa hatrany fa nisy zavatra tsy ampy ka toa nitady an'izany ny fiainany. "Isaky ny miverina avy mihira aho, hoy izy, dia nahatsapa hatrany fa nisy zavatra tsy ampy ny fiainako. Tsy ampy an'ilay fitiavana, tsy ampy an'ilay fitiavana tena marina. Ka nony hitako izany dia noraisiko."
Nandritra ny filalaovana tantara an-dapihazo iray izay mitantara ny asan'ireo masera Orsolina dia izy no nilalao ilay masera mpanorina. Nandritra izany indrindra izy no nilalao ny tantaran'ity Masera izay nanorina ny fikambanana. "Nametraka fanontaniana be dia be tamin'ny fiainako, hoy izy, ny fiainan'i Masera Rose izay nolalaoviko". Teo izy no nanomboka nandinika ny hoe hanao inona tokoa ny fiainany? Ka nitarika azy tsikelikely hiditra ao amin'ny fiainana relijiozy.
Tsy olona vaovao amin'ny resaka hira izany i Masera Cristina fa efa namorona sy nandrindra hira mihitsy aza izy. Koa mino aho fa fantany tsara ny ataony amin'izao niditra "The Voice" izao ary mazava ho azy moa fa mankahery azy amin'izany ny lehibeny.
Ity ohatra dia hira nosoratany, noforoniny sy nohirainy.
Indro averina eto iny fandraisany anjara voalohany tamin'ny The Voice of Italy.
Nahazo mpijery nihoatra ny 20 tapitrisa io video io ary na dia i Alicia Keys ara mba tonga saina tamin'ilay resaka :-)
Now, THAT'S what beautiful, pure energy looks like! Sing it, sister Christina! ;-) https://t.co/yGJnu56dqM
<= Relancée avec "e" :-) Inona no antony handehanan'ny olona any am-piangonana? Anaty fonosana, karemy ny andro, ary amin'ny alakamisy dia antsoina hoe "mi-carême" izany hoe fotoana mampisasaka ny karemy. Koa mbola tsy tara raha toa ka tsy nanao ezaka :-)
Fa mety daholo ny zavatra rehetra entina hanatonana an'Andriamanitra... tena marina io. Ary hanaporofoina izany ilay video kely etsy ambany. Aza manome tsiny be fahatany raha toa ka hihirahira, na hiakanjo tsara, na hampiseho paozy sy fiara, na hanenjika sipa no andehanan'ny olona (ny tanora indrindra indrindra) any am-piangonana. Mety fitaovana entin'Andriamanitra hitondrana azy ho ao antranony fotsiny ireny zavatra ivelany ireny. Sady na dia tsy tena hiangona aza izy dia mbola tsy misy maha faty antoka.
(dikanteny: Aza miandry hoentin'ny olona amin'ny lamesa fa tongava)
Fa mafimafy mihitsy ny tenin'ilay Mompera iray taty Italia izay (Don Mimmo Parlavecchia), tao amin'ny fiangonana iray ao San Rocco ao Bari, tamin'iny herinandro lasa iny momba ity fidirana am-piangonana ity. Rehefa mbola velona, hoy izy, no ento aty am-piangonana ny olona fa tsy rehefa maty. Tongava aty am-piangonana dieny velona. Ny eto tokoa mantsy, ny ankamaroany, dia entina any ampiangonana foana ny razana... nefa indraindra efa firy taona tsy nandingana fiangonana. Koa raha hitondra azy any am-piangonana ihany tokoa maninona no tsy dieny mbola velona izy dia resena lahatra?
Ity ary ilay video misy tantarana fandresen-dahatra iray :-) Bref j'ai relancé ma vie spirituelle, oui je l'ai relancée
Andro natokan'ny Firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasambarana androany (ie izaho koa nanamarina tato aloha vao niteny). Ny fivoriam-ben'ny firenena mikambana tamin'ny 28 jiona 2012 no nanapaka azy. Dia ny malaza amin'izao dia ny manao video miaraka amin'ilay hiran'i Pharell Williams hoe Happy. Be dia be no efa manao avy amin'ny firenena hafa, ary misy koa ny avy eto Madagasikara Antananarivo (jereo eto) na dia tamin'ny desambra aza no efa natao sy Sainte Marie (jereo eto).
Ity hira hirahirain'i Aina ity no mahasambatra ahy :-). Efa nalaiko video ihany i Aina nihira azy fa tsy nety tsara fa rahalina averina dia hapetrako eto ihany.
Efa herintaona mahery izay no nivoaka ny Fihirana Katolika amin'ny Android, efa an'arivony no mampiasa azy. Betsaka nefa ny antso sy ny hafatra tonga taty amiko ny mba hanamboarana ny fihirana katolika ho an'ny iPhone sy iPad ihany koa. Araka ny efa nolazaiko hatramin'izay dia tsy maintsy amin'ny ordinatera Macintosh vao afaka manamboatra "app" ho an'ny iPhone na iPad. Noho ny mbola tsy fahafahako manana Mac (teneno aho raha misy hanome fanomezana) dia aleo havoakako eto ny "structure"-n'ny "base de données" ampiasaiko ka izay vonona hanamboatra app dia afaka manao izany.
Ny structure ihany no avoakako ka rehefa vonona ilay app dia afaka mangataka aty amiko ny données feno izay nanamboatra azy. Marihina fa mila arahina ilay structure mba hahafahana manome ny "mises-à-jour" rehefa misy fanitsiana amin'ny hira.
Eh oui (hoy ny Frantsay) - Misokatra ny fonosana - Fa ny Frantsay tokoa aloha misy fihetseham-po bebe kokoa noho ny Italiana e. Raha tsy izany koa ve moa hisy ny oroka frantsay nefa tsy misy ny oroka italiana - Mihidy ny fonosana - Sendra mba lasalasam-borona androany dia nitendritendry ilay hoe "Plaisirs d'amour" izay midika amin'ny teny malagasy hoe "Fahafinaretan'ny fitiavana". Hira frantsay izy ity izay nantsoina koa hoe "La Romance du Chevrier" (Jereo eto ny fanazavana misimisy). Kay rehefa tena dinihina ny ao anatiny dia (tohiny)
Tandremo sao voafitaka ianao fa heno izao fa efa Malagasy maro no voafitaka tsy misy indrafo, lehilahy no ankamaroany, ary rehefa tratrany dia mijafajafa mihitsy. Tsy Malagasy ihany fa ny vazaha koa indrindra indrindra. Amin'ny voalohany aloha ianao ampisehoany zavatra mbola tsy hitanao mihitsy toa tena mahaliana kay fitaka... (Teny fampidirana fotsiny io mba hiseho eo amin'ilay teny famintinana any amin'ny facebook)
Herin-taona androany tokoa izay no naha-Papa an'i Papa Fransoà. Tamin'ny herintaona tahaka izao, raha teny Vatican teo amin'ny tany malalak'i St. Pierre aho, dia nahatsapa teny amin'ny endriky ny olona fanontaniana be dia be nony voatonona tamin'ny "Habemus Papam" ny anaran'i Bergoglio. Ny teo amin'ny manodidina anay aloha tsy nisy nahazo antsaina fa niezaka nifanontany. Ary nony nahafantatra hoe kardinaly avy any Argentine ilay Papa vao lany dia sady nitaintaina no nanantena. Ho toa inona ity Papa ity. (tohiny)
Androany no manomboka ny fitsaràna an'i Pistorius... raha toa ka voamarina fa nomanina mialoha ilay famonoany ny fofom-badiny dia ho voaheloka am-ponja mandrapahafatiny izy.
Koa satria andro natokana ho an'ny tenin-dreny androany (nahoana no androany fotsiny?) dia mba haneho amim-panetren-tena ny ezaka nataon'ny serasera.org mikasika ny fanajana ny tenin-drazana, ny teny malagasy, aho amin'ity lahatsoratra iray ity.
Raha niforona tamin'ny oktobra 1999 ny serasera dia anisan'ny nanentana tao anaty ny hoe fitaovam-pifandraisana amin'ny teny malagasy. Ny teny malagasy sy ny kolotsaina malagasy hatrany no nanentana isaky (tohiny)
Atomboka amin'ny zavatra iray tsy misy idirany amin'ny lohahevitra mihitsy. Eto Italia koa dia niova nanomboka omaly ny Praiminisitra. Ingahy Matteo Renzi izay ben'ny tanànan'i Florence teo aloha sady lany sekretera jeneralin'ny antoko havia vao tsy ela no nanongana ny Praiminisitra, izay nalototry ny antoko havia ihany koa nefa. Be dia be ny fampanantenana nataony sy mbola ataony ka betsaka ny mieritreritra hoe hafana am-boalohany (tahaka ny tainkisoa) fotsiny izy. Misy aza moa ny mananihany hoe raha ataony alohan'ny volana mey daholo ny zavatra lazainy dia inona no hataony hatramin'ny 2018? Sa hiongana koa?...
Fa eto Madagasikara dia Ramatoa Christine Razanamahasoa no lany ho filohan'ny Antenimieram-pirenena. Raha araka ny lalam-panorenana (asa na efa niova tamin'ilay anakiray teo) dia izy no olona ambony faharoa aorian'ny filoham-pirenena, ary misolo avy hatrany ny filoham-pirenena raha misy ny sakana. Izay no tsy naha ara-dalàna ny nataon-dRavalo satria tokony nomeny ny filohan'ny antenimiera ny fahefana. Koa azo atao hoe prezidà (prezidanty) ihany koa izany Ramatoa Razanamahasoa. Tsiahivina fa Minisitry ny fitsarana sy mpitana ny fitombokasem-panjakana izy nandritra ny tetezamita. Toerana manana ny lanjany izany satria mitazona ny lakilen'izay tokony hidina sy hovohaina.
Ny Praiminisitra izany sisa dia tafiditra tanteraka ao amin'ny Tetezamita ara-dalàna isika. Izany hoe ireo ekipan'ny tetezamita ihany saingy natao làlana fotsiny ny tetezana. Tsy maintsy ho olona avy ao amin'ny MAPAR (hono) no praiminisitra, ka sarotra be ny hieritreritra hoe hanolotra olona tsy MAPAR izy ireo raha tsy ilay AR ao amin'ny MAPAR mihitsy.
Tsy misy olana izany, tsy ampahafirin'ny niaretan'ny Malagasy hatramin'izay izany. Ratsiraka aza firy amby roapolo taona no teo niaretany ihany. Mahari-pery anie ny Malagasy e. Jereo anie fa amin'ny fifidianana manaraka dia 1er tour dia vita koa ireo olona eo amin'ny fitondrana ireo e.
Fanitsiana: Araka ny lalam-panorenana 2010 (izay lanin'ny 25%-n'ny manan-jo hifidy) dia ny Filohan'ny Antenimieran-doholona no misolo ny filoham-pirenena raha misy sampona mahazo azy. (and. 50)
Ny azo andikana teny hoe "carino" amin'ny teny italiana dia hoe mahafatifaty. Ilazàna rehefa misy zavatra mahafinaritra sy mampihetsipo... nefa tsy voatery ho zazakely na momba ny zazakely ihany. Dia io angamba no hamintinako ity raim-pianakaviana iray ity. Fred Giovannitti no tena anarany fa Tastputin no solonanarana entiny amin'ny internet. Nandritra ny taona maro izy rehefa mandeha miasa na manao iraka lavitra dia mandoko ny sary ataon'ny zanany no andaniany fotoana mandritra ny làlana. Tamin'ny voalohany, hoy izy, dia pensilihazo miloko no nampiasainy, fa taty aoriana izy dia nampiasa iPad.
Ity ny sary voalohany nolokoiny.
Azonao jerena eto ambany ireo sary hafa nolokoiny... soa fianatra e :-)
Dia i Hery Rajaonarimampianina izany no lasa filoham-pirenena ara-dalàna amin'izao Repoblika faha-4 izao. Marihina fotsiny hoe ny atsasaky ny Malagasy no tsy nifidy, ary mbola atsasaky ny Malagasy ihany noa no tsy nandàny izany Repoblika faha-4 izany. Tamin'ireo nifidy dia nolazaina fa nahazo 54% i Hery R. ary betsaka ireo nilaza hoe nangala-bato izy. Izany hoe raha tena be indrindra dia 25%-n'ny Malagasy no nifidy azy. Fa tsy maninona izany, aoka fotsiny tsy hisy hitaraina :-)
Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona 2014 izao indray. Navalon'iny 2013 iny ny lasa fa tsy maintsy hiatrika ho avy indray koa dia mirary soa ho an'ny tsirairay.
Mandeha ny fotoana, mandeha ny taona. Rehefa voalohan'ny taona tahaka izao dia betsaka ny mandray fanapahan-kevitra goavana sy salatsalany. Ao ny tsy mandray fanapahan-kevitra mihitsy. Izaho indray aloha dia hanohy ny fomba fanaoko tamin'ny voalohan'ny taona 2013 hoe tsy mametraka vinavina fa rehefa vita ny taona dia miezaka mandresy lahatra ny tena hoe nahavita zavatra betsaka nandritra ny taona.
Na izany aza misy zavatra vitsivitsy azo atao ihany. Tsy hantsoina hoe vinavina na fanamby na faniriana akory aza na "résolutions" fa eritreritra sendra mandalo fotsiny mba tsy hohadinoina.
Hasiana fiheverana manokana ny momba ny blaogy.com sy blaogy.org. Hatambatra ho tokana? Platforme vaovao sa ny fitaovana efa nampiasaina ihany? Miha vitsy mantsy ny mampiasa ny blaogy (noho na tsy noho ny facebook), ka manjary fandaniana resources fotsiny ny famelàna azy roa ho misokatra nefa tsy misy fanavaozana. Mamono antoka koa ny hanavaozana ny toerana roa samihafa mampiasa haitao roa samihafa nefa vitsy ny mampiasa. Ka mila dinihina na hampiasa Wordpress (blaogy.org) na hampiasa LifeType (blaogy.com) na zava-baovao mihitsy.
Hasiana fiheverana manokana ny momba ny fikarakarana ny serasera.org. Betsaka ny zavatra azo atao sy ny tokony natao ka ho hita eo.
Aza avela ny fialam-boly. Ny hira sy ny spaoro, ny zavatra tsy dia matotra loatra fanao tena ilaina eo amin'ny fiainana. Na dia ireny video ratsiratsy ao amin'ny youtube ireny fotsiny aza dia efa manala azy tokoa :-)
Ary ity facebook ity atao ahoana? Ry DotMG hono toa niala FB sy twitter sy ny sisa? Tsy mi-social network intsony? Efa nandalo tamin'izany aho fa hitako hoe very be ny kil. Aleo amin'izao ihany, manjary tsy hisy handefasana pub serasera sns lol
Vita io hariva io ny atsapaka tamin'ireo ekipa hiray vondrona sy hilalao amin'ny fifanintsanana any Bresil amin'ny 2014. Raha ny vinavinako, ka apetrako eto, dia ireto ekipa ireo no ho tafakatra eo amin'ny fahavalon-dalana izany hoe ho tafita amin'ny fifanintsanana.
Ny mahafinaritra aloha dia mety ho moramora ny hahatafakatra an'ireo ekipa afrikana telo ireo. Ny ekipa afrikana mety hampalahelo dia i Ghana izay tafiditra ao anatin'ny vondrona samy rezatra. Ho hita eo ihany anefa fa ny baolina boribory.
Dia nohavaozina kely ihany koa ny application Fihirana Katolika Android androany alina. Ny zava-baovao dia ny lisitry ny Salamo sy ny fomba hahafahana mitahiry ny hira mba mora hiverenana.
Mba nanam-potoana kely aho dia nohatsaraina kely ny Tononkira Android androany. Betsaka ny sosokevitra fanatsaràna nalefan'ny olona aty amiko fa mbola tena tsy ho vita daholo fa alefa tsikelikely. Ny fotoana mantsy tsy dia ampy loatra, tsy ny fotoana hanamboarana azy fotsiny fa ny fotoana hianarana ny fanamboarana azy indrindra indrindra. Tsy hita fa zavatra tsy hay ilay manamboatra application android fa eny andalana manamboatra azy no sady mianatra.
Koa ny fanavaozana vaovao ary amin'izao dia ny fisian'ny lisitry ny hira tianao. Raha misy hira hiverimberenana matetika ohatra dia tsy voatery tadiavina fa asiana kintana fotsiny (tsindrina ilay kintana eo ambony) dia avy eo milahatra ao amin'ny lisitry ny hira tiana. Raha ohatra moa ka tsy tiana intsony ilay hira dia tsindriana indray ilay kintana mba hanalàna azy.
Izay ihany no tena hitako maika tamin'ity faran'ny herinandro ity fa amin'ny heriny indray ampidirina tsikelikely ireo sosokevitra hafa.
Tsy hiresaka fifidianana aho amin'ity lahatsoratra ity na dia mangidihidy faran'izay zokiny aza ny tanako... azonareo jerena ao amin'ny Twitter-ko rahateo ny hevitro vitsivitsy mikasika ny fifidianana izay tsy maintsy mbola hovoaboasako ihany rehefa tonga ny fotoana. Fa hiresaka sarimihetsika nahafinaritra ahy aho... na ny marimarina kokoa sary ahetsika. (tohiny)
Henonareo ilay vaovao? Nisy an'ilay vehivavy izay nahatsapa fa tena tsy araka ny tokony ho izy intsony ny tao am-piasany dia avy eo nametra-pialàna... fa izany hoe tamin'ny alalan'ny video napetraka tao amin'ny youtube no nanaovany azy. Jereo eto ambany :-)
Raha fintinina dia hoe miasa mafy izy, manao fihafiana be hatramin'ny tsy fahafahana mifandray amin'ny namany mba hahatsara ny asany, kanefa tsy afa-po ihany ny mpampiasa azy. Tsy mijery ny votoatiny fa mijery fotsiny hoe firy ny mpijery ny vokatra ataon'izy ireo. Ka nanapa-kevitra izy ny hiala. Nahazo mpijery 12.000.000 (12 tapitrisa) hatramin'izao io video napetrany io, zavatra tsy mateti-pitranga izany eo amin'ny Youtube.
Telo andro taty aoriana dia nametraka valiny ilay mpampiasa azy taloha... narahan'ny mpiara-miasa rehetra. Izay nanatsikafona amin'ny fomba hafa kely ny zavatra tsy nety nataony sy nilaza hoe efa banga izao ny toerana ka mampiditra mpiasa izahay. Nataon'izy ireo video koa ilay valiny jereo eto ambany
Ary dia nahazo mpijery 3.000.000 koa io video io amin'izao. Inoana samy hahazo tombony ny andaniny sy ankilany. Samy hahazo vola amin'i Google aloha izy ireo vokatry ny publicité azo amin'ny Youtube. Ilay mpiasa niala dia azo inoana fa hisy handray satria hita hoe nanana hevitra tsara. Ilay toeram-piasana koa dia nalaza tampoka vokatry ny dokam-barotra maimaim-poana nataon'ilay mpiasa taloha.
Ny lesona azo tsoahina?
Matanjaka kokoa ny hafatra arahin-tsary sary noho ny hafatra antsoratra fotsiny
Aza matahotra ny mametraka hafatra antsary rehefa mahita hevitra mamiratra
Fantatrao amin'izao hoe inona no mahaliana ny olona ao amin'ny youtube :-)
Dia vita soa amantsara omaly alina izany ny Tononkira Malagasy amin'ny android. Afaka mandeha amin'ny telephone sy tablet misy Android rehetra. Ny tononkira ao anatiny dia izay tononkira hita ao amin'ny takelaka tononkira.serasera.org ihany saingy tsy mila connexion izy dia mandeha. Izany hoe azo ampiasaina na any ambanivohitra aza :-p (tohiny)
Resaka hafa tena tsy misy idirany mihitsy aloha. Ny ahy ho'aho rehefa fotoana fialantsasatra tahaka izao ny tena (ie, fialantsasatra aho io lol) no tena reraka kokoa. Ny antony dia araraotina atao daholo babay sy lohavohitra. Izay faniriana nipetrapetraka nandritra ny andro fiasana rehetra dia mandritra ny fialantsasatra no anaovana azy. Be kokoa izany ny atao amin'ny fotoam-pialantsasatra noho ny amin'ny fotoana fiasàna. Hany ka rehefa miditra miasa dia reraka beeee... dia any am-piasàna vao tena miala sasatra. Angamba tahaka izany koa ianareo :-) koa mazotoa mandrera-tena amin'ny fialan-tsasatra ary.
Fa ny tena resaka dia ity fitapitaka ataondry zalahy (tohiny)
Ary izaho ihany no tsy nahalala an'io fika iray io. Nijery an'ilay film hoe "Intercesections" (2013) aho vao dia nahita an'ilay Sahel nanetsina radiateur vaky tamin'ny atody dia nanamarina tamin'ny google raha misy manao tokoa ny toa izany. Dia gaga fa toa hoe nisy nanporofo tamin'ny Discovery Channel mihitsy ilay izy fa azo atao. Fa izany hoe ny tapotsiny ihany no tena ilaina, ary raha zara fa mitete koa fa tsy hoe ireny vaky be ireny.
Anisan'ny olana naha-may ny culasse-n'ilay fiara nentinay indray mandeha izay mantsy io. Ny andro alina, ny tena mandeha mafy, ny làlana mangina, ilay fiara rahateo efa somary vizana ihany ka tsy misy témoins intsony eo amin'ny tableau de bord. Sendra nisy fiara tao aoriana dia izay vao hita notarafin'ny jirony hoe manetroka be ilay fiara. Dia nijanona. Kay efa nidonaka be ny tao anaty motera ary tsy nisy rano intsony ny radiateur fa very daholo, nitete kay ilay radiateur tsss.
Manaraha lamaody ihany hono mba tsy ho very lol. Ity misy "dokambarotra" manomboka miparitaka etsy sy eroa dia mahazo points be ny Tampax sy ny Rosiana fa hoe créative be ilay izy.
Fa ho an'izay sendra nahita an'ilay film ratsy hoe "Movie 43" (2013) dia mahatsikaritra fa anisan'ny ampahany ao io dokambarotra tsy tena izy io.
Io sarimihetsika hoe "Movie 43" io no sarimihetsika faran'izay ratsy nojereko tato ho ato (raha atao hoe mijery 5 isankerinandro aho). Tsy misy votoatiny, fitambatambarana sarimihetsika vitsivitsy... kanefa malaza satria misy mpilalao malaza maromaro milalao ao. Anisan'izany i Richard Gere, Kate Winslet, Naomi Watts, Halle Berry...
Dia misy film jereko tahaka izany, na dia fantatro hoe ratsy aza. Na ny marimarina kokoa tsy tiako. Satria mba te hahalala izay fantatry ny olona. Ireny Harry Potter ireny izao dia tsy tiako, saingy rehefa raikitra ny fitsikerana ilay sarimihetsika dia tsy maintsy efa mba nahita azy ianao. Ilaina amin'ny fahalalàna ankapobeny izany ilay izy.
Ireto misy film roa nalaza fa tsy voajeriko mihitsy "Seigneur des Agneaux", "Twilight"... ary misy hafa koa fa tsy ao antsaiko.
Tantara nanaitra ahy no holazaiko eto, tantarana vehivavy senegalezy iray. Fa mialoha an'izany aloha, tsy misy idirany mihitsy, kay androany ny 21 jiona izay araka ny mahazatra hoe ny andro lava indrindra aty amin'ny ila-bolantany avaratra. Manomboka androany koa izany ny fahavaratra, izay tsy midika hoe manorana aty fa vao maika aza mafana. Toa ity ny sary napetrak'i Google ho fanamarihana izany :-)
Hita indray koa iny. Film gidragidra ilay mahazo mpijery betsaka any amin'ny salle video any Dago. Tsy dia misy votoatiny mivaingana loatra fa fanindraindrana ny héro anakiray izay lalaovin'i Arnold Schwarzenegger. Mahafinaritra fotsiny ny mijery azy. Tahaka ny avy mijery video fahiny tonga dia lasa ohatry ny matanjaka sy commando be daholo :-)
Tsy misy resaka fitsarana olona mihitsy fa mba manimanina ny taloha aho dia nandefa soratra niakatra. Sendra nisy resaka mantsy hoe nilay ihany ny hiran'i Rija Rasolondraibe taloha ireny. Ry "Miandry anao" sy ry "Anjara tandrify". Fa amin'izao, ary efa ela mihitsy, no tsy nohirainy intsony ankalamanjàna (na mety hoe antsokosoko koa). Hira nitaiza ny tena tamin'ny fahatanorana ary anisan'ny nikolokolo ara-pitiavana. Azy ny hira ka anjarany sy safidiny ny mihira na tsy mihira azy fa ny akon'izany sy ny fiezahana hitady ny antony no mahalasa saina. Fa naninona tokoa no tsy nohiraina intsony? Tsapa taty aoriana ve hoe ratsy? Vokatry ny fandresen-dahatra hita tamin'ny resaka finoana ve? Ary raha misy olona vonona hamelona ny hira (cover na tsia) indray ve dia tsy maninona?
Fa ny atahorako dia toa hoe mitady hanao toa izany koa i Poopy. Rehefa resy lahatra amin'izay mandresy lahatra azy izy dia tsy hohirainy intsony ny hira taloha. Dia tsaroako ilay resaka nolazain'i Dama izay ny hira rehefa malaza, tafiditra am-pon'ny olona, dia tsy an'ny artista irery intsony na dia izy aza no tena tompony. Misy ireo olona izay mandray ilay hira ho ampaham-piainany mihitsy. Ka raha manapa-kevitra ny mphira hoe hanova ny tonony, ny gadona, ny mpihira azy, dia misy akony kely eo amin'ny mpakafy izany.
Ny hafatro ho an'ny artista mbola tsy lasa mpivavaka be dia hoe na "mibebaka" aza ianareo any aoriana any dia mba tsarovy ihany ny laka-nitàna. Aza ariana miaraka amin'ny koveta nampandroana azy ny zazakely... satria izaho dia mino fa nisy zavatra tsara azo raisina ihany ireny hiranareo ireny.
Ary raha i Samoela tokoa no lasa mpivavaka be? Aza hitako ka ho "Rava tanteraka tokoa" ny momba anay roalahy.
Nivoaka alina omaly dia nanandrana an'izany hoe long exposure izany (na pause longue hoy ny frantsay). Atao miadana araka izay ilàna azy ny hafainganan'ny fakantsary, izany hoe avela hisokatra elaela. Niaraka tamin'ny mpaka sary pro dia mba nanandrana koa. Mbola ho ela vao mety fa (tohiny)
Alohan'ny tena resaka aloha dia hitako hoe niova ihany ny sary ofisialin'ny kandidà Lalao Ravalomanana ka tsy ilay nolazaiko tato intsony no izy fa mba ity manjamanja ity indray. Mba mendrika sy manintona kokoa. Na ny sary aza anie dia efa misy akony lehibe e, indrindra moa fa resaka biletà tokana isika izao.
Tsy nisy nanampo indray iny fikafikan-dRajoelina iny kanefa mahatsara zavatra ihany koa. Nirotsaka (na narotsaka) tamin'ny minitra farany Rajoelina na dia vao omaly aza izy no nirehareha fa manaja fifanarahana. Dia azo antoka fa ny tena hifaninana dia Rajoelina sy Ravalomanana. Mahatsara zavatra ihany raha ohatra ka tena tsy misy hala-bato satria dia ho hita eo tokoa hoe iza no tena mamim-bahoaka. Ny mampalahelo fotsiny dia mbola duel ihany indray ilay fifidianana... na dia misy kandidà hafa izay mahavita azy aza. Raha vitan'i Patrick Raharimanana na ny hafa ny mandresy lahatra ny olona hoe "Ni... Ni..." dia mety ho hafa ny fivoakany.
Fa ity aloha izany ny vokany ho fahatsiarovana ny andro androany. Ny nahaliana kely dia 49 no nolazain'ny HCC nefa misy hatramin'ny 50 ny lisitra. Angamba diso tsipelina. (tohiny)
Fampidirana kely. Tsy haiko ianareo na ahoana fa ohatry ny tsy tiako be izany ilay sarin'i Lalao Ravalomanana eo amin'ilay ofisialy an. Ohatry ny terana be izany ilay izy. Aty Italie dia mahita olona maro mitovy amin'itony saingy tsy photoshop no miasa fa tena bistouri mihitsy. Ka manjary ohatra ny hoe amboarina be izany ilay sary. Tsy maninona anie izy na dia eo amin'ilay fahatsorany sy fahalehibeazany iny aza e. Fa raha tsy namboarina aloha ilay sary dia tena niova be indray izy izany.
Fa tsy izay no tena resaka fa ity fikafikan-dRatsiraka ity. (tohiny)
Tsy mikaonty ho anisan'ny lahatsoratra ity fa voninkazo fotsiny :-) Teny amin'ny ambassade malagasy eto Italia. Ireto avy ny voninkazo hitako teny teo am-piandrasana an-dRajoelina Toa lasa ho mpaka sarim-boninkazo ihany aho ity :-)
Nahita fika tamin'ny internet hanaovana macro mampiasa "Reversed lens" (objectif renversé?) indray aho. Izany hoe afototra ny objectif ka ny lohany no atao vodiny tongony :-). Mba hahafahana manao izany nefa dia mila adapteur adaptateur (efa hoe adaptateur fa tsy adapteur no fiteny) izay mora dia mora ao amin'ny ebay. Ny objectif mahazatra, grand angle, 18-55mm ihany no nampiasaina fa nafototra. (tohiny)
Fampidirana kely hafa mihitsy. Tamin'i Papa Fransoà lany dia samy nieritreritra ny maro fa hisy fiovana betsaka eo amin'ny Fiangonana Katolika. Nasehon'ny Papa tokoa izany fanombohan'ny fiovàna izany satria noraisiny ho tarigetra ny fanetren-tena ho azy sy ho an'ny Kristianina manontolo. Fa ny tena anisan'ny betsaka mpanantena dia hoe mety hanambady amin'izay ve ny pretra. Marihana aloha fa tsy ny pretra, ary tsy ny katolika akory matetika no manao ireo resaka ireo fa matetika dia ireo izay tsy katolika akory ka miandrandra fiovana na fisokafana kokoa eo amin'ny Fiangonana katolika. Ny antony tena nampivoaka ny resaka dia satria heno fa talohan'ny naha Papa azy ny eveka Bergoglio dia tsy nandà ny mety hisian'ny pretra manambady. Saingy nomarihany tsara fa tsy hoe famelàna ny pretra hanambady akory no tiany lazaina fa kosa ny famelàna ny olona efa manambady mba hanao pretra. Izany hoe mitombona ihany ilay hoe tokony tsy hanambady ny efa pretra... fa ho afaka manao pretra ny olona efa manambady. Tsy mampihena ny lanjan'ny fahambonian'ny "célibat" ho an'ny pretra izy amin'izay. Nolazainy tamin'izay fa tsy resaka foto-pinoana (dogmatique) izany fa resaka fombafomba (coutumes) ka azo atao tsara ny manova azy araka ny toe-tany sy ny toetr'andro. Amin'ny fiangonana katolika hafa toy ny "coptes" sy ny manaraka ny fombam-pivavahana "bizantinina" rahateo dia efa misy ny toa izany. Noho izany dia mety hisy ihany ho an'ny Katolika Romana ny mompera manambady any aoriana any.
Fampidirana hafa. Andro iraisam-pirenena ho an'ny tany androany. Raha ny tokony ho izy izany, tahaka ny an'ny vehivavy (andro iraisam-pirenena no lazaiko) dia tokony tsy hiasa koa ny tany, na farafaharatsiny haka aina tapak'andro. Rehefa dinihina tokoa dia tena miha antitra ny tany, ny endriny aza niova raha taloha izy fisaka (afatsy ny rediredin'i Galilea), izao izy efa lasa boribory (tanteraka ihany ny rediredin'i Galilea). Manontany tena aho hoe inona tokony hanamarihako ity andron'ny tany ity. Ny an'ny sasany manadio tany, tsinjaraina ny fako mba tsy ho verivery etsy sy eroa. Ny an'ny hafa mitsitsy tany, tsy mampiasa fiara sy fiaramanidina firy androany (fa rahampitso vao manao double). Ny hafa koa manao sesi-tany (tsy fidiny ho any ny any Afrika Atsimo). Izaho mbola variana manontany... manon-tany. Tratry ny fety tany - sa hoe joyeux anniver-terre?
Fa tsy izay mihitsy ny resaka androany fa (tohiny)
Fampidirana kely tsy misy idirany mihitsy. Samy naheno ny vaovao politika omaly hariva avy any Afrika Atsimo ny ankamaroan'ny Malagasy. Nipoaka be ilay vaovao ho an'ny sasany, tsy nampoizina ho an'ny hafa, fa maro koa no efa nanampo. Lalao Ravalomanana izany no natolotry ny vadiny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka izay mbola tsy tena fantatra hoe rahoviana. Politika avo lenta indray io ka tsy idirako lalina fa na izany na tsy izany dia mahafaly ahy rehefa vehivavy na iza na iza no sahy mijoro. Miandry mafy an'i Onitiana Realy koa ny tenanay ankoatra an'i Brigitte Rasamoelina sy SGR dia ho hita izay tena vehivavy nosoran-dreniny menaka. Maninona moa raha tonga dia hoe amin'ny fifidianana manaraka tsy mahazo milatsaka hofidina ny lehilahy e? :-)
FK [*]: Aza omena tsiny aho raha tsy tia saka na alika ao antrano fa fitiavako azy ireo mihitsy no tsy hiompiako azy. Amiko ireny biby ireny dia tokony hapetraka amin'ny toerana maha biby azy. Raha toa mantsy ka raisina toy ny olona izy dia manjary misy trouble d'identité ao aminy (loll) ary mety hiteraka complexe psychologique goavana ho azy hoe maninona aho no misy rambo nefa mitovy ihany izahay sy i lita. Adidy goavana ho ahy, raha mitaiza biby aho, io mametraka ny biby amin'ny toerany io ka aleo milamina. Tsy maintsy hampatsiahivina foana mantsy ny biby hoe "biby ity!" hahatsapàny fa tsy olona izy :-)
Fampidirana kely an'ity vaovao mampalahelo holazaiko ity. Vao omaly mihitsy aho no nilaza tao amin'ny twitter hoe raha tany amin'ny toerana hafa (na firenena hafa) no nisy an'izao zava-mitranga ataon'ny JIRAMA ao Toamasina izao dia ho lasa JIRAMAY io. Androany maraina dia indrisy fa tsy ny Jirama no may fa olona tsy manan-tsiny. Tsy rariny ary tena tsy rariny mihitsy ny fisian'ny tanàna lehibe toa an'i Toamasina no zara raha misy jiro ao anatin'ny 24 ora, ary maharitra andro maromaro. Simba na ny fifandraisana, na ny fitehirizan-tsakafo, na ny tsena, sns. Ingahy Rolland Ratsiraka moa no kandidà avy ao izay efa nahatafiditra ny filatsahan-kofidina any amin'ny CES koa tokony izy no korontanina voalohany satria dia tsy hisy hifidy azy ny zanak'i Toamasina raha izao no tsy voalamina. (tohiny)
Fampidirana lava be :-) Ohatry ny efa mahazatra ahy ilay manao fampidirana lavalava alohan'ny tena resaka. Sady coup de gueule ihany koa indraindray. Ka alohan'ny hilazako ny tena foto-dresaky ny distance de sécurité tiako lazaina dia hiresaka ny tena distance de sécurité aho . Misoratra tsara ao anaty lalàm-pifamoivoizana ny fanajàna ny distance de sécurité, izay fitazomana ny elanelana misy eo aminao sy ny fiara eo alohanao mba tsy hisy ny loza raha sendra mijanona na tafajanona tampoka izy. Ny formula ampiasaina dia ilay atao hoe "5/9". Izany hoe ny hafainganam-pandehanao ampitomboina 5/9 no tokony ho elanelana eo aminao sy ny fiara eo aloha. Raha mandeha 100km/h ianao dia tokony ho 100 x 5 / 9 = 55,5m eo ny elanelana. Ny olana sady faran'izay mandreraka eto Italia dia raha vao manaja an'io elanelana io ianao dia mety tsy hihetsika intsony mihitsy ny fiara. Satria tonga dia songonan'ny olona avy hatrany, dia voatery mihemotra ianao hanaja ny elanelanao amin'ilay vao nisongona, dia misy misongona hafa indray. Raha vao misy elanelana kely hidiran'ny fiara fotsiny eo alohanao dia tonga ny mpisongona na dia samy mandeha mafy izao ihany aza. (tohiny)
Fampidirana lava be aloha lol. Mahaliana mihitsy ho'aho ny zavatra avoakan'ny olona amin'ny Google+ noho ny avoakany amin'ny Facebook. Tsy laviko fa arakaraka ny olona. Fa amin'ny Facebook matetika dia somary maivamaivana saingy matetika ny fifampizarana. Ao amin'ny Google+ koa dia misy fifampizarana somary mahalana fa betsaka ny mavesa-danja. Ao amin'ny fb ohatra dia fiarahabana ny maraina miaraka amin'ny andininy ao amin'ny baiboly, ao no ahitana hoe tena lasa mpivavaka be daholo ny Malagasy. Dia rehefa atoandrotoandro iny dia resaka hoe noana sns, fa mbola misy andininy ao amin'ny baiboly koa, ilay misy sarisary ao ambadiky ny soratra. Ilay sary amin'io hitanao intelo na in'efatra, raha manana namana maro toa ahy. Ny sary mety efa hitanao afak'omaly tamin'ny olona iray no hitanao amin'ny namana vaovao hafa indray satria nanaitaitra azy dia nozarainy. (Misy an'ilay sarina henan'alika iny izao efa hita izao fa fopla mbola afindrafindra etsy sy eroa ihany grrr). Dia amin'ny hariva indray resaka bonne nuit sy jiro tapaka. Eny antsefatsefany eny moa misy ny lagy amin'ny connexion, ny ilaozan'ny sipany dia tiany ho fantatry ny olona rehetra... na tia loatra ny sipany saingy tsy hainy hoe misy message privé koa ao amin'ny fb. :-) Ny ao amin'ny Google+ aloha hatramin'izao mbola tsy tena toa izany. (tohiny)
Ela ny ela ka tonga ihany ny lohataona. Mbola hisy orana vitsivitsy ato ho ato fa ny zava-boahary efa nahafantatra mialoha ka efa nanomboka namoakan ny voniny. (tohiny)
Araka ny nambarako tamin'ny twitter-ko omaly dia nanandrana nanao sary nampiasa low-key lighting aho na low-key photography. Ny low-key photography dia fomba iray fakana sary izay mampiasa loharanon-kazavana mampivoitra ny aloka. Matetika dia atao mainty na maizina tanteraka ny "arrière-plan". (tohiny)
Sendra namaky ny tantaran'ilay mpaka sary tsy matihanina anakiray antsoina hoe Andrej Vasilenko aho teo nalaina avy ao amin'ny "The Register". Raha fehezina ny tantara dia nisy an'io sary eo ambony io izay nalain'i Andrej Vasilenko tamin'ny taona 2007 tany no nanjary nalaza tampoka satria noheverina ho an'ilay mpaka sary malaza hoe Henri Cartier-Bresson. Nampitondrain'ny olona anarana hoe "A girl and a dog" moa ny sary tamin'izay. (tohiny)
Tany Monte Cassino izahay (Mont Cassin) no nitsangatsangana tamin'ity taona ity. Niaraka tamin'ny tao am-piangonana. Làlana mandeha any Naples, eo amin'ny adin'ny iray sy sasany teo. Adino koa ny nandrefy làlana satria tonga dia ambiance be ny teny ambony bus. Efa nandeha tany ihany ny tao am-piangonana tamin'ny roa taona lasa fa tamin'izany hono teny an-tampon-tendrombohitra. Tamin'ity kosa tety ambany ka nalalaka tsara ny fotoana na dia tsy nahita natiora tsara aza.
Tsy lainga fa tena afaka mandeha mijery ny planeta marsa ianao na dia 1er avril sahady aza androany. Tsy antenaina ho toeram-pitsangatsanganana ato ho ato akory ny planeta Marsa saingy mahaliana ity sary eto ambany nalefa avy any ity. (tohiny)
Paka indray ny andro, fety sy fifaliana no mameno ny fo taorian'iny karemy, 40 andro, izay nandinihana ny fijalian'i Kristy iny. Alohan'ny resa-bitro dia tantaraiko kely ny fety taty. Nanomboka tamin'ny 11 alina ny lamesa. Na dia avy be aza ny orana alina dia feno ihany ny fiangonana ka tsy afaka nipetraka ny lehibe... raha tsy faram-parany. Nitontona tsara tamin'ny 12 alina ny hira voninahitra izay nampanenoana ny lakolosy lava reny. Tomombana ny feo ka nazava tsara daholo ny vakiteny 8 nitantara ny tantaram-pamonjena sy evanjely. Ny toritenin'ilay mompera koa nanentanentana na dia efa dilan'ny sasakalina aza. Fa ny tena nanoratako dia momba ity resa-bitro mandritra ny Paka ity. (tohiny)
Sary hitako tatsy amin'ny tavamboky tatsy ito fa tsy aritro satria mampatsiahy zavatra anisan'ny tsaroako tany amin'ny faha 3 na 4-taonako tany. Tadidiko tsara ny sekoly nianarana ary taona iray ihany aho nianatra tao ka tsy maintsy marina io 3 na 4 taona io. Tsy nisy olona hafa nitantara azy tamiko koa ka izay no hahazoako antoka fa tena ny fitadidiako no nahatsiarovako azy. (tohiny)
Tsy nisy objectif lava ny fakantsary reflex digital ampiasaiko (mbola EOS 350D). Tsara foana ny sary saingy vokatr'izay tsy dia afaka manalehibe zavatra lavitra. Mba hahafahana maka sary lavidavitra dia mila manana objectif mahataka-davitra kokoa, izany hoe lehibe kokoa ny Distance focale. Dia nitady tamin'ny internet fa hitako lafolafo daholo ilay izy raha vao mihoatra ny 200mm. Ny hevitra hita dia hoe hanandrana hampiasa an'ireo objectifs fampiasa amin'ny fakantsary Canon analogiques, izay mora kokoa, kanefa rehefa avy eo dia mila mividy adaptateur (fa tsy adapteur no fiteny) hahafahana mampiasa azy amin'ny EOS. Dia teo no nifanenako tamin'ity Hanimex 70-210mm ity izay novidina 30 Euros tao amin'ny Ebay.
Manaraka ny asa ataon'ny Akademia Malagasy momba ny "fanatsarana" ny teny malagasy aho ka amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny momba ny Handrafetana (indray) ny abidia malagasy ry zareo. Nadikako ato moa ilay izy na dia tao amin'ny lisitra serasera izay hita ato aza no tena nandefasany ny resaka.
Dia isaorana an'Andriamanitra fa mbola teny amin'ny Bazilikan'i Md Piera teny Vatican indray koa aho tamin'ny nandraisana an'i Papa Fransoà, toy ny tamin'ny andron'i Benoà XVI.... efa nampoizipoiziko ihany, na dia be aza ireo mpanakivy, fa androany no ho voatendry ny Papa vaovao. Ny tany am-piasàna dia gaga hoe tena ho eny ve aho satria vatrako ny naka congé tapakandro hariva kanefa mety tsy hisy Papa mbola hivoaka akory. Zoma avokoa no noeritreretin'ny olona. Fa izaho nanantena ihany hoe tsy hiandry ela izany ny Kardinaly.
Nahita ilay resak'i DotMG momba ilay Tecno T3 tato aho dia nitady hoe aiza no mety hahitana, raha avy aty, finday mahazaka Android tsaratsara faran'izay mora nefa tsy dia foza[*]. Hitako ihany nisy Huwaei latsaky ny 60 Euros fa Android 2.1. Farany dia nahita Alcatel OT 903D aho. Novidiako tamin'ny site Amazon avy eto Italia (Eto raha any Frantsa). Tao amin'ny amazon.it izy dia 67 Euros fotsiny tonga any antrano, fa ao amin'ny amazon.fr mbola 80 Euros mahery.
Ceci est un article que j'ai écrit en 2006 dans un autre blog. Je vais le reproduire ici parce que rien n'est changé en 6 ans.
Je ne sais pas pourquoi les femmes sont fières de maintenir ce jour de 8 mars une journée pour les femmes. Ne sont-elles pas conscientes qu’en célébrant cette journée comme journée particulière, elles s’éloignent de plus en plus de leur idéal sur l’égalité de sexe… l’égalité au travail, l’égalité pour l’engagement des femmes en politique etc? Je préfèrerais qu’elles disent qu’elles n’ont pas besoin d’une journée particulière pour lutter. Qu’elles doivent lutter 365jours/ an… et que comme les hommes, elles ont droit au repos journalier, au repas quotidien, au travail… et tout cela tous les jours.
Olona tia mampiasa fakantsary aho ary tia maka sary. Tsy tena mahay maka sary nefa fa ilay mitahiry sary sy mijery azy rehefa aty aoriana be no mahafinaritra ahy. Ity lahatsoratra fohy ity dia fizaràna ny fomba fitehirizako sary amin'ny internet, sy ny fikafika madinika mety mahaliana an'ireo izay te hitahiry sary amin'ny internet. Marina mantsy fa manana disques, flash, cd, dvd, sns isika kanefa hafa ihany ny mitahiry sary amin'ny internet. Azo jerena n'aiza n'aiza, mora tadiavina, azo zaraina ho hitan'ny hafa. (tohiny)
Mba tafiditra tao anatin'ny horonantsary tiako indray ity Upside Down ity. Efa elaela mantsy tsy nisy horonantsary nivoaka mba nahafinaritra intsony. Ilay tantaram-pitiavana tao anatiny aloha dia classique be ihany, indrindra ilay resaka amnésie kely, fa ny tena nahafinaritra dia ilay hevitry ny mpamorona mihitsy. Ny tontolo ambony sy ny tontolo ambany, ny fanazavàna tamin'ny mpijery hatrany amboalohany ny anton'ilay tontolo roa sy ny fitsipi-dalao iainan'ny mponina mahatonga fisian'ny tontolo.
Tokony mbola betsaka ny zavatra azo noforonina tao anatin'ilay izy fa angamba sarotra tontosaina loatra dia tsy nataondry zareo intsony. Matetika mantsy ny tantara tahaka itony dia voatery atao dessins animés mba hahatontosa azy fa sarotra amboarina rehefa tena olona no manao azy... na dia hoe effets spéciaux aza no be dia be.
Nahafaly ahy ny dia farany tany Milan tamin'ny weekend teo. Tsy dia tena ilay nahita tany hafa loatra fa ny votoatin-dia mihitsy. Toerana mbola tsy hita tokoa aloha ilay nandehanana na dia nandalovana matetika aza rehefa mandeha any Torino. Tao amin'izany Novara izany aho no nijanona tamin'ny fiaran-dalamby dia niaraka kely tamin'ilay namana izay tonga nitsena sy niantsena. Fa ny toerana tena nitodiana dia any amin'ilay Borgosesia. Nanatrika ny nankalazan'ny fikambanana Gasy Tsy Manavaka (GTM) ny andro natokana ho an'ny tenin-dreny no tena naleha tany. Ny GTM dia fikambanan iray ivondronan'ny Malagasy any Italia avaratra any, Torino, Milano sy ny manodidina. Manao hetsika matetitetika ry zareo mba hihaonana sy hampivondronana ny samy Malagasy. Volana vitsivitsy lasa, ohatra, dia efa nisy ny fifaninanana fitafy malagasy, ny alim-pandihizana malagasy, ary izao indray dia nanao fifaninanana rindran-teny ry zareo ho fanamarihana ny andro ho an'ny tenin-dreny.
Mirongatra izaitsizy tato ho ato ny mpangalatra kaonty amin'ny internet. Ny ao amin'ny facebook no tena misy lasibatra. Gaga ianao indraindray hoe fomba ahoana no hahatafidirany kanefa ny tenimiafina efa mba atao faran'izay sarotra ihany. Koa ireto misy torohevitra vitsivitsy hiarovana ny kaonty... indrindra ireo izay mametraka ny fiainany manontolo amin'ny facebook :-p (tohiny)
Nanao filazàna izany ny Papa Benoa XVI tamin'ny 11 febroary lasa teo fa hitsahatra amin'ny maha Evekan'i Roma azy amin'ny 28 febroary amin'ny 8 ora alina. Izany dia midika fa tsy Papa intsony koa izy manomboka amin'io fotoana io ary manomboka ny "Sede vacante" mandra-pifidy ny Papa vaovao hisolo azy.
11 febroary
Tsy kisendrasendra velively no nifidianan'i Papa Benoa XVI ny datin'ny 11 febroary nanambarany ny fitsaharany. Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny marary ary ho an'ny tononandro katolika dia fankalazana an'i Masina Maria Mpanjakavavin'i Lourdes, mpiahy ny marary. Ny antony nolazain'i Papa mahatonga io fitsaharany io dia mifandraika indrindra amin'izay, tsy ho zakany intsony ny adidy apetraka aminy satria tsy salama ary ao anatin'ny fahanterana izy.
Miamboho adidy?
Ny resaka mandeha etsy sy eroa amin'izao fotoana izao dia ny hoe miamboho adidy ny Papa. Tsy matoky an'Andriamanitra angaha izy no niala? Fantatry ny Papa tsara ny mety ho vokatry ny fitsaharany tsy ho Papa. Nolazainy rahateo tamin'ny kabary nataony izany hoe "fantatro ny halalin'izao fanapahan-kevitro izao" saingy notohizany hoe "nefa ny mahasoa ny Fiangonan'Andriamanitra no ambony kokoa amiko". Izany hoe ny adidy lehibe ho an'ny Papa dia ny Fiangonana aloha, mialoha izay mety ho fitsaràna na fitsikerana mahazo azy. Efa Papa nandritra ny 8 taona izy, fantany ny asa nataony sy ny mbola miandry azy, fantany koa ny efa nanampian'Andriamanitra azy sy ny mbola hanampian'Andriamanitra azy, ka "tao anaty fivavahana sy fandinihan-tena", hoy ihany izy, no nandraisany ny fanapahan-kevitra. Herim-po lehibe sy fatokisana an'Andriamanitra amin'izay sitrapony manaraka no fahitako izany fanapahan-kevitra izany.
Ara-dalàna tsara koa ny fitsaharan'ny Papa Benoa XVI. Ny lalàna fototry ny Fiangonana Katolika dia milaza mazava fa afaka mandà ny maha Papa azy ny Papa, ary tsy mila alàlana avy amin'iza na iza izy, raha toa ka ao anaty fahalalahana sy tsy voateritery izy no manao izany. Voafaritra tsara ao koa araka izany hoe inona no mitranga raha toa ka mitsahatra toa izany ny Papa.
Voateritery ve ny Papa ?
Betsaka no mieritreritra fa mety nisy faneriterena, mivantana na ankolaka, ka mahatonga izao fanapahan-kevitry ny Papa izao. Raha ny hevitro manokana dia tsy nisy izany. Tsy fotoana mamparefo indrindra ny Fiangonana izao. Tamin'ny roa taona lasa no tena narefo ny Fiangonana vokatry ny resaka "pédophilie" ary hita narefo mihitsy na ny Papa aza, niaiky sy nifona tetsy sy teroa. Saingy tamin'ireny izy dia tsy niala satria mbola nila niatrika ireny olana rehetra ireny. Amin'izao fotoana izao kosa no fotoana hitany hoe milamindamina hahafahana mitsahatra. Ankoatr'izany dia olona manana ny mahaizy azy mihoatra ny hafa aza raha i Ratzinger. Tsy izy mihitsy no hiforitra eo ambany faneriterena, fa ny mifanohitra amin'izany aza no matetika mitranga. Na izao fitsaharany izao fotsiny dia efa taratr'izany satria inoako fa nisy ireo tsy nanaiky ny hitsaharany saingy tsy naharesy lahatra azy. Tsy voateritery ihany koa ny Papa satria tsy hita hoe iza no mety haneritery azy. Tsy nisy mihitsy hatreto eveka na kardinaly eritreretina hoe namiratra mety hisolo ny Papa. Amin'izao izy niala izao aza dia mbola tsy manana endrikendriky ny mety ho Papa vaovao mihitsy ny eto Roma.
Tsy toa ny Papa Joany Paoly II ?
Ny fampitahàna tonga ao antsaina voalohany dia ny nataon'i Papa Joany Paoly II izay tsy niala mihitsy mandra-pahafatiny na dia teo aza ny aretina nahazo azy. Efa nanomboka tamin'ny taona 2000 tokoa no betsaka ny nieritreritra hoe sao dia tokony hiala ny Papa Joany Paoly II saingy nolazainy tamin'izany fa hozakainy miaraka amin'i Kristy ny hazofijaliany.
Voalohany indrindra aloha dia Papa samy hafa mihitsy i Joany Paoly II sy i Benoa XVI. Itsy voalohany dia tonga teo amin'ny fitondrana tao anatin'ny fahatanoràny tsara. Olona nivelatra be kokoa na tamin'ny fifandraisana izany na tamin'ny toe-tsaina anaty ihany koa. Naharitra be ihany koa izy no teo amin'ny fitondrana. Ireo rehetra ireo dia anisan'ny nanentana azy tsy hiala. Fantany tsara ny zavatra ilaina aminy sy efa nataony nandritra ny taona maro ary fantany fa mbola vitany izany ka tsy nampaninona azy ny nijanona ho Papa na dia maro aza ireo nieritreritra hoe tokony hiala izy.
Manaraka izany, nandritra ny fotoana faramparany izay niarahan'i Kardinaly Ratzinger tamin'i Papa Joany Paoly II dia hitany tsara ny herimpo sy ny tanjaka anaty niainan'ity Papa ity. Nony tonga Papa izy dia fantany tsara hoe hatraiza ny mety ho vitany sy ny vokatr'izany. Efa hatramin'ny 2008 sy tamin'ny 2010 ny Papa Benoa XVI no nilaza mazava fa manana zò hitsahatra amin'ny maha Papa azy ny Papa raha tsapany fa tsy ho vitany intsony izany. Koa dia io notanterahiny io.
Fehiny
Marina fa tampoka ho an'ny maro ny fihetsiky ny Papa Benoa XVI saingy efa nampoizina ihany hoe mety hitranga satria efa naverimberiny teo aloha ary efa maro koa ireo nanipy hevitra nandritra ny fotoana nankarary ny Papa Joany Paoly II. Ny Papa Benoa XVI dia hitsahatra amin'ny maha Papa azy, fa tsy amin'ny maha mpanompon'Andriamanitra azy. Misy endrika maro ny fomba hanompoana an'Andriamanitra ka tsy manelingelina velively ny Fiangonana ny fitsaharan'ny Papa tsy ho Papa intsony.
Koa tsy olana velively ho an'ny Fiangonana Katolika mihitsy ny fitsaharan'ny Papa. Fankaherezana sy fideràna ny herim-pony aza no ataon'ny katolika amin'izao fotoana izao. Mivavaka ho azy amin'izay làlana mbola hodiaviny ary manankina ny Fiangonana eo an-tanan'Andriamanitra hatrany
Hatramin'izay aho dia manome tsiny ny vehivavy rehefa mandeha miantsena miaraka. Ny zavatra tena mahafinaritra ny vehivavy indrindra mantsy dia ny mijery vitrine fa tsy ny miantsena loatra. Matetika rehefa miaraka amin'ny vehivavy miantsena dia lany amin'ny fijerevana ny zavatra tsy hovidina avy hatrany ny 80%-n'ny fotoana, ny 15% kosa lany amin'ny filaharana eo amin'ny caisse ary ny 5% sisa (miaraka amin'ny hazakazaka) no natokana ho an'ilay zavatra tena hovidina. Mazava ho azy fa 50% ny fahafaham-po ary 50% kosa ny nenina rehefa tonga any an-trano. Soso-kevitra mandalo ihany ity ho an'ny vehivavy hoe mba asio "feuille de route" rehefa miantsena :-) fa tsy hoe "ho hita eo".
Fa nanomboka tamin'ity taona 2013 ity aho dia tsy dia manome tsiny ny vehivavy loatra... rehefa variana tao amin'nyebay. Efa ela aho no nanana kaonty ebay sy paypal, efa ela no nividividy zavatra, ary efa nisy fotoana aza nanandrana nivarotra... fa vokatry ny fijerena akaiky ny zavatra ao amin'ny ebay (tsy hadisoako loatra fa vokatr'ireo namana mangataka hijerevana zavatra hovidina) dia hitako ho bizna mahafinaritra ihany ny ao.
Tamin'ny septambra 2012 aho dia efa namoaka lahatsoratra milaza ny "Fikafika rehefa mampiasa ebay" izay tokony harahin'ny mpividy zavatra... raha mividy. Ary raha tsy mividy dia manao toy ny vehivavy miantsena. Jerena avokoa ny sokajy rehetra misy sy izay mahaliana anao, telefonina, ordinatera, fakan-tsary, fahitalavitra, fitaovana fampiasa ao antrano hatramin'ny fanaka. Ny mahasamihafa azy amin'ny ataon'ny vehivavy fotsiny dia sady afaka miasa, mijery film, mamaky no mijery ny entana amidin'ny sasany. Ny tena mahaliana koa dia ny manaraka ny lavanty. Satria misy lavanty tokoa ary izay mahay milalao no mahazo. Samy manana ny stratejiany, misy ireo mametraka tolo-bidy dieny vao manomboka ny lavanty, misy kosa ireo mijery aloha dia miandry farany vao mametraka tolo-bidy. Mahafinaritra ny mahita ny fifaninanana "masina" sy ny mahita hoe ohatrinona no niafarany. Ary misy dia mahaliana tokoa ny vidiny, mora dia mora, na dia hoe fampitahana vidin-javatra fotsiny aza.
Fa ny mahaliana koa dia ny mivarotra. Azo amidy daholo izay rehetra tianao amidy... ary amin'izao fotoana izao dia maimaim-poana ny mivarotra. Apetraka fotsiny izay zavatra amidy, asiana vidiny, dia miandry ny hampakaran'ny olona hividy azy. Mahazo fahafaham-po kely rehefa mba mihoatra noho ny nieritreretana azy no ividianan'ny mpanjifa ny entana... raha mahalafo dia manome 35%-n'ny vola azo ho an'ny ebay, ary raha tsy mahalafo dia tsy mandoa na inona na inona.
Misy torohevitra vitsivitsy ato raha toa ka liana ny hanomboka bizna vaovao: Jereo eto
Efa betsaka koa ny fandraisana anjara nataonay teo anivon'ny fiaraha-monina... izay namolavolany anay. Ny chorale, ny skoty, ny fikambanana teny am-piangonana, ny lomano, ny judo, ets.
Dia mieritreritra ny mba vitako amin'izay aho vao tonga saina hoe nahavita be ny ray amandreny taloha. Zaza iray ara ny anay no velomina, mbola tsy firy taona akory dia efa miha fotsy ny volo ary miha sola ny loha. Marina fa sarotra ny fiainana, nefa na izany aza.
Koa natokako indray ity andro androany ity hisaorana ireo ray aman-dreniko tamin'ny zavatra efa vitany sy mbola ataony amin'izao fotoana izao. Misaotra fa nahavita ny adidinareo ianareo... dia tsofy rano tsara izahay mba hahavita mihoatra izay vitanareo ihany koa amin'ny taranaka amam-para.
Satria efa tsy nitondra soa nandritra izay 4 taona nisian'ny krizy politika teto Madagasikara izay.... Io ny valiny mivantana (noho ity lahatsoratra ity miseho any amin'ny twitter) fa velabelariko eto ambany ny fanazavana.
Obama dia avy ao amin'ny antoko demokraty... azo raisina hoe antoko havia. Izany hoe mitady ny tombontsoa tanteraka ho an'ny madinika, ary tsy dia miraharaha loatra ireo izay efa manana. Nandritra iny efa-taona iny ohatra dia nimasoany ny resaka fahasalamana, ny fanomezana asa ireo madinika, ny famelomana indray ireo orinasa izay maty na niha nalemy (mba hitsiinjovana ireo madinika hatrany). Vokany dia nitombo ny fitiavan'ny sarambabem-bahoaka Amerikana azy satria tena nitsinjo ny Amerikana maro an'isa tokoa izy. Dia efa azo antsaina ihany fa tsy maintsy ho lany indray Obama satria mbola ireo olona notohanany ka afa-nitraka ara-pivelomana ireo no maro an'isa nifidy azy.
Ny vokany anakiray anefa dia tsy dia nidiran'i Obama lalina ireo fahasahiranan'ny firenena hafa. Nahena be ny teti-bola miasa ho an'ireo firenena izay idiran'i Amerika lalina (Irak sy Afghanistan) ka nahena ny isan'ny miaramila Amerikana any. Nitombo be koa ny tsy firaharahian'ny Amerikana ireo firenena izay tsy ahitan'i Amerika tombontsoa manokana. Rariny izany satria tsy ampy amin'izany intsony ny teti-bola izay efa bahanan'ny raharaha anatiny toa ny fahasalamana sy fanabeazana ary ny ekonomia. Dia tafiditra ao anatin'io i Madagasikara.
Ny vaindohan-draharahan'ny antoko havia (toa ny demokraty Amerikana sy ny sosialista Frantsay) izany dia ny resaka ara-tsosialy ao amin'ny fireneny aloha vao ny resaka ara-tsosialy any amin'ny firenena hafa. Koa tsy dia manana fananenana firy aho ny mbola handraisan'i Amerika anjara mivatana kokoa amin'ny famahana ny krizy ao Madagasikara. Koa mifalia indray ry TGV fa mbola manana fotoana lavalava hijanona eo amin'ny tetezamita(tra) ianareo... noho i Obama. Ary ianareo zanak'i Dada indray dia mitadiava lalana hafa fa tsy atakalon'i Obama ireo Amerikana sahirana maro mbola tsy maintsy avotany ny Malagasy.
Io indray no tetikasa an-dalana ato ho ato. Ezahina hivoaka tsy ho ela. Tsy dia nanam-potoana loatra aho nianarana ny teknolojia finday fa tato ho ato (androany...) dia mba nisy fotoana kely nijerena ny "jquery mobile" izay fitaovana azo ampiasaina hanaovana ny takelaka finday. Nisy namana mahafatra-po koa efa miketrika ny baiboly katolika amin'ny finday ka dia hifameno eo ireo takelaka ireo.
Folo taona toa izao no nampidirina voalohany tamin'ny serveur ny namana.serasera.org. Ny 19/10/2002 izany no azo lazaina fa nahateraka ny namana.serasera.org, telo taona taorian'ny niforonan'ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Mbola tsy nisy facebook tamin'izany fa tao no efa afaka nifandefa hafatra, nifampijery sary, nifampiditra namana... nifampiresaka mivantana. Izany hoe ny ankamaroan'ny zavatra natao tato amin'ny facebook taty aoriana ihany.
Ny tena antony nipoirany dia ny hampifandray be be kokoa ny Malagasy amin'ny alalan'ny internet. Ary anisan'ny zava-dehibe nilofosana ny hoe "teny malagasy ranoray". Tamin'ny 1999 raha niforona ny lisitra serasera.org izay fifandraisana amin'ny alalan'ny email, dia mbola tamin'ny email fotsiny no nifankahalalana. Tsy mbola afaka nahita mombamomba an'ilay olona hafa raha tsy hoe hanontany. Nony niverina tany Madagasikara aho dia nahita fa efa misy manana fifandraisana amin'ny internet ihany ny olona na dia mbola vitsy aza. Mbola vitsy dia vitsy tamin'izany ny cyber-café saingy efa nisy. Nitsiry ara ny hevitra niaraka tamin'ny namana iray fa hitarina amin'ny fifandraisana sy fihaonana ny serasera... nantsoina anjambany hoe "Site de rencontres" satria mbola tsy nisy ny voambolan'ny "Social Network" tamin'izany, dia natsangana ny namana.serasera.org.
"Betsaka" avy hatrany ny nazoto, ary mbola any avokoa ny ankamaroan'ireo namana voalohany, na dia efa samy lehibe aza. Nitalahoana mihitsy ny ankizy tamin'izany hampiditra sary. Nisy fotoana aza moa nanaovanay séance photo nandritra ny iray andro tao Ampefiloha. Nantsoina izay te hametraka sary nefa tsy manana fakan-tsary na tsy mahavita scanner any amin'ny cyber mba ho tonga halaina sary ao Ampefiloha... dia nisy vitsivitsy tonga tokoa :-)
Nisesisesy ny fihaonana rehefa avy eo. Voatahiry ao amin'ny forum sy ao amin'ny tahirintsary ny sasany... nahafinaritra hatrany. Fa nisy koa ny tsy nifankahazo, niady, nisaraka, ny nifamerina, ny tsy nifankafoy... ary na hatramin'izao aza dia mbola tsy mifankafoy. Ny sasany moa nahasahy nifampilaza anarana sy sary tao amin'ny facebook hatramin'izao, ny sasany nivady arahin-janaka, ny sasany tsy mifampiteny intsony, fa mbola misy koa ny mijanona ao amin'ny serasera, mamangy tsindraindray, miresaka tsindraindray, mamorona fifandraisana vaovao sns.
Azoko lazaina hoe tsara ny vokatry ny jery todika nandritra izay folo taona lasa izay. Mbola velona hatrany ny namana.serasera.org ary mbola malagasy ranoray hatrany hatramin'izao... mbola tsy mampidi-bola hatrany ihany koa :-) nefa mbola mahavita tena. Mbola misy ny namana vaovao miditra, na dia misy aza ny tsy hita intsony.
Dia samy ho tratry ny 10 taona manaraka indray :-)
Tamin'ny 9 oktobra teo vao tena nalaza be ny anarana hoe Felix Baumgartner, lehilahy 43 taona avy any Autriche. Tamin'io daty io mantsy izy no hoe hitsambikina avy eny amin'ny 36 km, ary hiezaka hihoatra ny hafainganam-pandehan'ny feo hono. Tsy tanteraka izany tamin'iny daty iny ary betsaka no nieritreritra hoe tena resaka varotra ity satria ny Red Bull no manohana azy voalohany. Saingy omaly 14 oktobra dia tanteraka soa amantsara ihany izany ary nandritra ny fotoana nitsambikinany dia nahatratra 8 tapitrisa ireo nanaraka nijery teo amin'ny Youtube. (tohiny)
Adinoko foana fa aleo soratana eto ny fikafika rehefa hividy zavatra amin'ny ebay. Ny fika madio daholo ireto fa ny fika maloto any amin'ny sisiny :-). Misy manao fika maloto koa mantsy ny ao amin'ny ebay dia indraindray mila valiana fika maloto.
Samy nahita an'ireny sary mandratra maso sy fo nipaaritaka etsy sy eroa ireny Agaamba ny Gasy manana internet. Sary mampiseho olona vitsivitsy mitsirara, efa tsy misy aina intsony, novonoin'ny fokonolona satria hono dahalo. Nafatotra tamin'ny bao toa tsy misy lanjany sy tsy misy hasiny amin'ny maha olona azy.
Raha ny tena izy aloha dia tsy tokony hiseho ireny sary ireny. Rahefa mampiseho sary misy olona maty amin'ny sehatra azon'ny rehetra jerena dia tokony hafenina sy takonana hatrany ny endrika sy ny ratra mba tsy hanohina ny mpamaky sy ho fanajana ny momba ilay maty.
Voaporofo ihany taty aoriana fa tena dahalo ireo novonoina ireo araka ny fitantarana ny zava-misy nataon'i Vola Rotsy, tovovavy kely vao 14 taona monja, anisaan'ireo dahalo nanafika.
Sazy henjana indrindra no nanjo ireto dahalo satria fanamelohana ho faty avy hatrany tsy nandalo fitsarana. Tsy afaka niaro tena na farafaharatsiny nanazava ny antony akory. Fa fahavoazana ho an'ny fokonolona ihany koa satria tsy afaka nanao fanadihadiana tsara akory ny fanjakana mba hahafahana misambotra ny dahalo hafa. Ny maty hono mantsy tsy miteny. Ka mbola mety hisy dahalo hafa ho tonga hanafika azy indray. Mety hanao valifaty mahery vaika koa ny dahalo ka tsy haharo tena intsony ny Fokonolona. Fihetsika tsy voahevitra ihany izany ireny nitranga ireny ka anjaran'ny tsirairay no misoroka azy tsy hiverina intsony.
Fa ny toe-javatra toa ireny matetika dia taratry ny fanjakana tsy milamina. Tadidiko ny fotoanan'ny 1991 izay nisian'ny fitsaram-bahoaka be tao Antananarivo. Tsy azo nitokisana intsony ny polisy sy ny zandary ka raha vao misy olona tratra mangarom-paosy fotsiny dia avy hatrany dia doran'ny olona. Tsy azo natao mihitsy tamin'izany ny mihazakazaka sao misy manao antsoantso dia enjehin'ny olona. Dia izany koa no atahorana hitranga, tondro molotra dia mety hahafaty. Ka na tena dahalo na tsy dahalo fa misy mpankahala dia tsy handalo fanadihadiana sy tsy ho afaka hiaro tena akory.
Miteraka resa-be ho an'ny tsy katolika, ary mety mampametra-panontaniana ho an'ny mpino katolika ihany koa, amin'izao fotoana izao ny fandalovan'ny sisan-taolan'i Don Bosco any Madagasikara. Tonga tao Toliara tamin'ny 16 aogositra lasa teo tokoa mantsy ny vata fitaratra misy ny sisan-taolan'i Md. Joany Bosco ka entina mitety ireo tanàna misy ny irak'asa ataon'ny Salezianina ao Madagasikara ka hipaka hatrany Antsiranana mandritra indrindra ny JMJ (Androm-pirenena ho an'ny tanora) amin'ny maha mpiaro manokana ny tanora azy. Katolika aho no manoratra, hevitra amin'ny maha katolika no zaraina ary fomba katolika no resahina. Noho izany mety tsy ho azon'ny tsy katolika mihitsy ny resaka. Na izany na tsy izany dia zaraina ho an'ny rehetra mba hahalalana hoe hay toa izany no fandraisana sy iainan'ny katolika izao hetsika lehibe izao.
Mba hahafahanao manana toerana manokana amin'ny internet tsy miankina amin'ny anarana hafa (ohatra hoe facebook na google sns) fa anarana tianao sy fidinao manokana dia tsy maintsy manana ilay hoe "Anaram-bala" ianao (nom de domaine). Ny blaogy.com ohatra dia anaram-bala iray ary ny hery.blaogy.com dia zanak'anaram-bala na zana-bala iray (sous domaine). (tohiny)
Nandritra ny fandalovana tany amin'i DS tany Schiltigheim nandritra ny vakansy teo dia nihirahira izahay, nisy mpitendry nahafinaritra. Fa nony nitady tononkira tao amin'ny takelaka tononkira serasera dia hita fa tsy tena nahafa-po ny vokatry ny fikarohana. Dia anisan'ny zavatra nataoko nony tonga taty an-trano ny nanatsara ny fikarohana tononkira.
Manomboka izao ara dia antenaina fa mora kokoa ny mitady tononkira. Azo tadiavina amin'ny alalan'ny mpihira, lohatenin'ny hira na koa teny iray ao anatin'ny tononkira... Misy mantsy hira fantatra hoe misy teny iray fa tsy fantatra ny mpihira sy ny lohateny.
Araka ny heno dia mety anisan'ny fomba iray hiverenan-dRavalomanana ao Madagasikara ny tsy handraisany anjara amin'ny fifidianana ho avy manaraka io. Valin'izay koa anefa dia tsy afaka hirotsaka hofidina koa Rajoelina. Io izany no mety hitranga hoe samy tsy milatsaka hofidina Ravalo sy Rajoel. Dia iza no tena voa ary inona no mety hitranga?
Tato ho ato aho tsy nanoratra teto. Mbola nisalasala aho hoe hotohizako toy ny taloha ve sa hovaina ny zavatra hosoratana. Matetika mantsy dia zavatra mikasika ahy manokana, ny zavatra ataoko, ny zavatra mahaliana ahy no tena soratako... ary tsy dia nivakiako loha na mahaliana ny hafa na tsia. Amin'izao dia miha betsaka ny mamaky (na mahavaky) ny blaogiko. Misy ny olona tsy fantatro akory, misy ny tsy ho liana mihitsy amin'izay hosoratako, dia nieritreritra aho hoe sao dia tokony hovaina ny zavatra hosoratana sy ny fomba fanoratra azy? Sao dia tokony hovaina ny fiteny sy ny endriny? Dia niverenako novakiana ny lahatsoratra sasany nosoratako toa ity hoe I'd rather be a blogger ity ny eritreritra mandalo (ato) rehetra dia tapakevitra indray aho hoe hotohizana toy ny taloha ihany ny blaogy. Resaka ankapobeny manokana na tsia... misy rahateo ny sokajy azo ametrahana azy. Izay azo raisina dia raisina, izay tsy azo raisina dia raisiko :-)
Hatramin'izay, ny famaritana ny fatiantoka dia hoe "ny masonkarena analàna ny vidy ivarotana". Mahazo tombony ny mpivarotra iray raha toa ka betsaka noho ny masonkarena ny vidy ivarotana. Maty antoka kosa izy raha mifanohitra amin'izay. Raha miverina fotsiny ny masonkarena dia azo heverina hoe tsy nahazo tombony izy no sady tsy maty antoka ihany koa. Eto indrindra no miseho ilay "coût d'opportunité". Raha toa ka nisy toombom-barotra tokony ho azo nefa tsy nalaina dia midika ho fatiantoka. Efa tokony ho anisan'ny nampitombo ny masonkarena nampiasaina tsinona iny saingy tsy niditra.
Dia toa izany koa ny resaka fahotana. Ny olona manao ratsy dia manota. Tsy ampy nefa ny tsy manao ratsy hahafahana miteny hoe tsy nanota. Fa manota koa ny olona tsy manao ny tsara tokony ho nataony. Io karazana fahotana io no antsoina hoe "péché par omission" boriborian'ny gasy hoe "adidy tsy vita".
Ny "péché par omission" izany dia fatiantoka vokatry ny "coût d'opportunité"
Taona maromaro lasa izay, rehefa nanazava tamin'olona vitsivitsy ny atao hoe internet aho, fony mbola vitsy dia vitsy ny Malagasy nampiasa azy, dia nohariko tamin'ny tranomboky (bibliothèque) lehibe izy. Rehefa miditra ao anaty Internet ianao dia miditra ao anaty tranomboky iray lehibe. Rehefa miditra amin'io tranomboky io ianao dia sady mpanjifa no mpanome. Izany hoe sady afaka mitady sy mamaky ny boky ao ianao no afaka mampiditra boky vaovao ihany koa. Izay indrindra no (tohiny)
Tsy tokony ho eto no nametrahako ity lahatsoratra ity satria manana ny blaoginy izy. Fa nataoko ato ihany satria mahaliana ahy. Alarobian'ny lavenona rahampitso. Manomboka rahampitso ny fotoanan'ny karemy ho an'ny Katolika. Fotoana fampihavanana, fifandraisan-tanana sns. (tohiny)
Whitney Houston no mpihira vavy tiako indrindra. Ary mino aho fa betsaka ny toa ahy. Ny hira isan'ny tsaroako indrindra sy miverina ao a-bavako dia ilay hoe "My love is your love". Nohenoina en boucle fony tany tamin'ny 2001 tany ho any. Misy toa izao ny tonony rehefa adika tsotsotra amin'ny teny gasy. Tsy ny tonony manontolo no apetrako
Araka ny nampanantenaiko ankizy vitsivitsy dia tiako haseho anareo amin'ity lahasoratra an-tsary ity ny fomba fampiasana ny Pidgin mba hahafahana mikarajia haingana sy mahafinaritra ao amin'ny karajia.org.
Voalohany indrindra aloha, ny karajia.org dia takelaka iray izay hahafahanao miresaka (mifanoratra) mivantana amin'ny namana maromaro. Tsy mitsahatra ny misy namana gasy ao 24 ora isanandro. Ka raha sendra mangingina iny ianao na te hiresaka amin'ny namana gasy na dia tsy mifankahafantatra aza dia midira ao amin'ny karajia.org.
Angamba tsy eto Italia ihany no krizy amin'izao fotoana izao... fa ny eto kosa dia efa tsy rariny mihisy. Taorian'ny nanesorana an'i Berlusconi (tsy tamin'ny coup d'état fa hitany hoe tsy nanana majorité intsony izy dia niala), dia niditra teo amin'ny fitantanana ny governemanta i Mario Monti. Governemanta teknisianina avokoa (tsisy an'ireny sipasipa kely 30 taona tahaka ny tamin'i Berlusk ireny ) Dia anisan'ny vahaolana narosony ho an'ny krizy ny libéralisation...
Raha ny tokony ho izy izany dia tokony tsy hidina be intsony ny faripiainana.
Amin'izao anefa dia tsy faly amin'ilay libéralisation ny olona izay mitantana ny harena, toy ny mpivarotra, ny mpitatitra, ny mpitantana ny solika sns... dia migrevy indray. Dia mihitsoka tanteraka. Miditra any an-tsena any amin'ny supermarché dia betsaka ny toerana foana, tsy misy entana satria migrevy ny fiarabe mpitatitra entana. Mitombo ny vidin'ny solika satria tsisy mpitatitra solika. Misondrotra ny vidin-tsakafo eny antsena, nitombo avo roa heny ohatra ny vidin'ny legumes.
Ary androany dia nanampy trotraka koa ny fitateram-bahoaka (bus, metro, tram, train) tamin'ny fitokonana 24 ora izay nataony. Izany hoe tsy misy ny fitateram-bahoaka kanefa ny vidin'ny lasantsy niakatra be... vokany tsy miasa ny ankamroan'ny olona.
Nisy sarimihetsika "The ides of March" izay vao nivoaka tamin'iny 2011 iny izay resaka politika avo lenta no tena ao anatiny. Na dia fitapitaka maloto sy mahafanina aza ilay izy dia mahaliana satria tena ady sy kajy politika. Fa nony nahita ity zava-niseho androany ity aho dia niaiky fa efa manomboka mahay politika ny HAT. Mino aho aloha fa misy mpanolotsaina matevina ao ambadik'i Rajoelina satria tsy eritreretiko ho izy no hahay zavatra toa izay nitranga androany.
Voafitak'i Rajoelina daholo androany na ny Communauté Internationale, SADC, na Ravalomanana mianakavy, na ny Mouvances Ravalomanana izay niandry tao amin'ny salon d'honneur, na ny governemanta Beriziky, na ny mpitandro ny filaminana (afats'i Gal Ravalomanana sy izay niaraka taminy).
Nesoriny hatry ny ela ny NOTAM satria tsy ara-dalàna ny fisian'ny NOTAM lava reny, na dia hoe efa nohavaozina kely aza. Fantany fa raha mamoaka NOTAM mialoha izy dia hosakanan'ny Governemanta sy hofaizin'ny SADC. Tsy mety aminy mihitsy anefa ny hiverenan-dRavalo dia navelany ihany hiainga ny fiaramanidina. Rehefa teny am-panidinana dia nohidiany ny seranana teny Ivato. Torohevitra avy aminy manokana mihitsy ilay NOTAM fa tsy tamin'ny Governemanta akory (Misy soratra mazava hoe PHAT INSTRUCTION). Natao haharitra adin'ny telo fotsiny izany NOTAM izany ary nolazaina tamin'ny fiaramanidina nitondra an-dRavalo hoe aiza izy no afaka mipetraka. Ny antony dia mba hanatanterahana ny fisamborana (Hoy ny minisitry ny serasera). Mazava ho azy fa niverin-dalana ny fiaramanidina nony nahita ilay NOTAM.
Ny zavatra nahaliana dia efa nisodisody teny Arivonimamo nandritra iny herinandro iny ny mpitandro ny filaminana. Ny sasany nihevitra hoe mety Ravalomanana no hidina tampoka eny Arivonimamo dia nojerena ny fahafahan'ny fiaramanidina midina eny. Kay ry zalahy mihitsy no nanomana an'ilay hoe havily any ny fiaramanidinay.
Ny zavatra nahaliana anakiray koa dia ny Jeneraly Ravalomanana niteny hoe hitsena an-dRavalomanana kanefa izy tsy teny Ivato. Mazava izany fa toerana hafa no saika hitsenany an-dRavalomanana.
Dia inona no mety ho tohiny?
Henjan-droa ny tady. Efa miely be amin'izao fa tsy navelan'ny FT (tsy FAT intsony hono) higadona ao Madagasikara ny fiaramanidina. Ry zareo ao amin'ny mpitatitra an'habakabaka SAA - Airlink dia nanao filazana hoe nohidiana ny habakabaka Malagasy, ary tsy nolazaina azy hoe inona ny antony. Tsy hijanona amin'izany fotsiny izy ireo fa tsy maintsy hisy vokany izany. Efa miakapeo i Fransman fa hampiakarina eo anivon'ny UA na ny vondrona afrikanina ny resaka. Hitohy izany ny dinidinika saingy efa hita ihany koa ny fahefan'ny Tetezamita tsy hanaiky ny hidiran-dRavalo ka tsy maintsy hotohizany izany.
Ny hany herin-dRavalo?
Mody antsokosoko sisa no azon-dRavalo atao. Raha mody amin'ny zotra ara-dalàna tahaka ny androany izy dia tsy maintsy hisy NOTAM hisakana foana. Raha mody amin'ny fiaramanidina manokana indray izy ka fantatra mialoha dia mety vao maika hosamborina na ho zavatra hafa ny hanjo. Koa tsy maintsy tahaka izay fomba nialany tao Madagasikara ihany sisa no hidirany ao. Tsy nisy nahalala ny nialany tao Madagasikara sy ny nikarakara izany, ka azony atao koa ny tsy mampahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenany.
Izaho dia anisan'ireo mandray anjara amin'ny hetsika "Aok'izay".
Nandritra ny taona mifandimby ny Malagasy dia tsy mba nahita fitsaharana mihitsy fa nohitsahin'ireo mpanao politika, na iza na iza. Mihitsoka tsy mety tafavoaka ao anaty lavaka ny Malagasy.
Koa izay no iantsoako hoe "Aok'izay"
Tsy maintsy hisy ny hiteny hoe araraotin'ny GTT sy Ravalo ny "Aok'izay", tsy olana izany. Hahazo ny "Aok'izay" koa izy rehefa tonga eo satria samy manana ny hadisoany.
Fa amin'izao aloha:
Aok'izay ny fampihorohoroana Aok'izay ny fanenjehana Aok'izay ny fisamborana Aok'izay ny fanagadrana Aok'izay ny fanampenam-bava
Nanomboka tamin'ny herintaona aho no tsy naka resolutions intsony rehefa voalohan'ny taona. Nahomby satria tsara foana ny vokatry ny jery todika tamin'ny faran'ny taona. Toa betsaka kokoa ny zavatra vita satria tSy nisy fetra tsy maintsy notratrarina. HatrAmin'izay mantsy voafetra sy voaterin'ny lisitra maty paika nodinihina sy nandaniana fotoana maharitra kanefa tsy tanteraka akory amin'ny farany. Dia miteraka fanamelohan-tena sy fananjehan'ny eritreritra fotsiny. Nisy koa ny zavatra tsara tokony ho vita fa tsy tafiditra tao anaty liSitra dia tsy naha rototra loatra. Tamin'iny 2011 iny kosa dia maro ny zavatra izay tsy ho natao anatY lisitra mihitsy kanefa natao sy vita satria tonga tampoka tao an-tsaina dia hita hoe mety ho tsara.
Dia izay koa no atao amin'ity taona vaovao ity. Manao izay tratra dia mifaly amin'izay vita.
Amin'ny alina kosa ve no misy "Tara-pahazavana" dia ho afaka ao antsaina?
Nahafinaritra ahy ny revy (nofy) niaraka tamin'i Arison Jaha tao amin'ny Espace Kiron tao Paris tamin'ilay takarivan'ny 2 desambra lasa teo. Manana revy manokana ry zalahy. Arison Jaha, Olombelo Ricky, Milon Kazar no tao nampian'ireo namany vitsivitsy nasaina. Lafatra be ny rindram-peo. Gitara gasigasy, tsotsotra, manjary misy feony daholo hatramin'ny kibon'i Ricky rehefa kapohana. Afa-po tanteraka ny kil. Santionany fotsiny ity video hany mba nalaiko ity :-p (Tany wa zah lol)
Eo am-pianarana ny language C++ aho amin'izao fotoana izao ary niditra indrindra tao anatin'ny fizaràna momba ny Qt (vakio hoe Cute). Tao anatin'izany indrindra no nisy resaka tampoka avy tany amin'i Raozigasy momba ilay Seraser'alina 3 hoe ataovy ao anaty CD ny tononkira.serasera.org dia ampiasaina amin'ilay koràna. Dia tapaka ny hevitro fa atao fampiharana amin'ilay zavatra ianarako ilay izy. Somary nanjary tsy nirindra ilay fianarana satria izay nilaina hanatanterahana ilay Logiciel kely no natao. Vita tao anatin'ny 3 andro ary ilay izy ka dia hoentina any amin'ny Seraser'alina hoampiasaina. Marina fa application kely faran'izay tsotra fa tena sahirana ihany aho vao nahavita azy. Ilay izy izany dia application hahafahana mitady tononkira sy mamaky izany.
Mazava ho azy fa tsy mila internet ny fampiasana azy...
Toa izao ny patiny... dia aza mihomehy fa zara ara aho nahavita an'io :-)
Ho an'ny mpijery baolina dia mahita fa misy fomban'ny mpanazatra rehefa te handany fotoana izy dia ilay mampiditra mpilalao vaovao mandritra ny minitra farany, na mandritra ny fanalavam-potoana mihitsy aza. Matetika ireny mpilalao ireny dia zara raha mikasika baolina fa mihazakazaka kely fotsiny dia voatsoka indray ny kiririoka mamarana ny lalao.
Toa ireny mpilalao ireny no fahitako ireto minisitra vaovao ao amin'ny governemanta Beriziky ireo. Ampidirina amin'ny governemanta izay tsy fantatra na haharitra oviana. Governemanta hita hoe marefo noho ny an'i Camille izy ity satria ny azy dia avy amin'i Andry Rajoelina irery, nananany fahefana feno. Fa ity an'i Beriziky ity dia sadasada ihany. Ireo avy amin'ny mpanohitra dia nolavin'ny mpanohitra ka manjary miady irery, ireo avy amin'i Rajoelina moa dia tsy afaka hanjaka tokana satria misy ihany iretsy mpanohitra.
Nisy kosa aloha ireo fetsy tsy nanaiky niditra tamin'izany governemanta izany. Anisan'ireny ry Ruffine TSiranana. Ireny no azo antoka fa hahazo toerana maharitra kokoa amin'ny governemanta tena firaisam-pirenena rehefa mitsangana izany.
Na izany na tsy izany dia mikaonty ireny lalao nataon'ireny mpilalao ireny na dia minitra vitsy monja aza. Izay angamba no mba tombony ho azon'ireo minisitra vaovao ireo. Anisan'ny voasoratra ao anatin'ny CV-ny hoe efa minisitra izy.
Misy hetsika goavana sy fanentanana maharitra amin'izao fotoana izao momba ny hiaroovana ireo karazam-biby izay efa miha vitsy isa amin'izao fotooana izao.
Voalaza fa ny 40%-n'ireo "reptiles" dia ahiana ho lany taranaka. Ny antony voalohany moa dia ny fanimban'ny olombelona nyu tontolo manodidina azy. Ny fandoroana tanety, ny fambolena, ny fanajariana ny tany sns.
Fa misy antony faharoa kosa izay antony natoraly. Miha tsy zakan'izy ireo intsony ny vanim-ptoana amin'izao fotoana izao. Tsy noho ny fanimbana ataon'ny olona loatra fa vokatry ny fivooatry ny tontolo mihitsy. Lany, ohatra, na nihavitsy ny sakafo fihinan'ireny biby ireny. Miha-tery tsy azony onenana intsony ny toerana misy azy noho ny fitombon'ny biby hafa izay miroborobo kokoa. Raha fintinina dia efa tsy vanim-potoana tokony hahavelomany intsony izao.
Eo indrindra no mampisalasala ahy hanao ny fanentanana sanatria sao dia mitazona ny efa tokony ho lany tarangana. Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Misy ny taranaka mandalo eto antany. Ny dinozoro ohatra dia efa nahavita ny anjarany. Marina fa rava'ny meteorita nilatsaka teto an-tany, hono, no naha-fongana azy, saingy lalana natoraly ihany. Angamba ho sahirana ihany nyolombelona raha mbola nisy dinozaoro nandehandeha sy velona amin'izao fotoana izao. Misy koa ny taranaka voatery nivoatra sy nihavao. Ny olom-belona, ohatra, dia anisan'ireo karazana izay nivoatra miandalana nanaraka ny toetr'andro.
Koa angamba tsara ihany raha avela hidina ny natiora. Ireo karazan-java-boahary izay efa tsy afaka hiaina intsony dia avela handeha amin-kalalahana. Hain'ny biby, raha mbola tokony ho velona izy, ny maka volontany. Izany hoe miezaka miaina amin'ny zava-misy manodidina azy (toe-tany, toetr'andro) fa matoa ny biby tsy afaka mivelona intsony dia tsy zakany. Fitiavan-tenan'ny olombelona, fifalian'ny maso sa inona, fotsiny ny fanerena azy ireo hiaina amin'ny toerana tsy zakany.
(grrr. lahatsoratra tsy vita ity, nosoratana tamin'ny zoma, fa milona
ao amin'ny vakiraoka ao dia aleo alefa ihany)
Henjikenjika be ity herinandro ity ka tsy nisy fotoana nanoratana
mihitsy. Ny trains sy bus izay nanome ny fotoanany hanoratana hatrizay
resin'ny torimaso tsy nahazo toerana nandritra ny alina. Manjary
misavorovoro ao antsaina fotsiny ny hevitra... Mitady fifandraisana.
Tsy hitako mihitsy izao, ohatra, ny ifandraisan'i Berlusconi amin'ny
omby vavy (na dia hoe lasa lavitra aza i leiry) kanefa mifandrirotra
ao antsaina satria lohahevira samy tokony navoaka tamin'ity herinandro
ity fa tsy tafavoaka. I Berlusconi moa iny hametra-pialana amin'ny
herinandro ambony iny. Maka tsirony faram-parany amin'ny Bunga-bunga.
Nilokaloka mihitsy i leiry fony voafidy hooe tsisy miala eo, saingy
tsisy fika. Ilay resaka omby vavy indray dia ilay pub humour malaza
hoe "Keleri-lait". Tsy tantaraiko fa jerijereo any, dia apondra ny azy
fa tsy omby, ary Gigi ny azy fa tsy i Zizi. :-)
Fa tsy ireo resaka roa ireo no tena horesahiko eto fa zavatra roa
samihafa. Ny iray nanaitra, ny iray tsia.
Nanohina ahy ilay film hoe "Omar ma tuer" (2011), mitantara zavatra
tena nisy. Ny nanentana ahy hijery azy aloha dia sendra nataon-dry
zalahy fomba fiteny ilay izy taorian'ny fanendrena an'i Omer Beriziky
ho praiminisitra. Fa ny votoatiny tsy misy ifandraisany mihitsy.
Tantara tena marina ny tantaran'i Omar. Mahaliana indrindra ho anay
izay mivahiny aty an-tanin'olona aty. Voalohany aloha hita hoe vokatry
ny maha vahiny azy fotsiny dia ny fanamelohana no mandeha alohan'ny
fanadihadiana ataon'ny polisy. Ny olona rehetra alohan'ny hanontany
azy dia efa samy resy lahatra fa izy no meloka... Na dia tsy nahalala
azy sy ny fomba fiainany akory aza. Faharoa dia nanana olana lehibe
izy vokatr'ilay tsy mbola mahay miteny frantsay. Tsy afaka nanazava sy
niaro tena. Vokany, 18 taona an-tranomaizina. Rehefa tena nohalalinina
anefa, na ny olontsotra fotsiny aza dia mahita hoe misy zavatra tsy
mitombona. Hatramin'izao moa izy dia mbola mitady ny marina ihany.
Ny zavatra iray tsy nanaitra ahy dia ilay 1111111111 tamin'ity taona
ity. Marina fa nahaliana ilay isa 1 be dia be tamin'ny 11 novambra
2011 tamin'ny 11 ora sy 11... fa dia ny nandreraka dia 1 minitra monja
io :-). Firy andro mialoha no niresahana azy. Hatramin'ny "illuminati"
avy no nanao vinavina. Kanefa tamin'ny 11ora sy 12mn dia efa tsy tafa
intsony. Ilay 11:11 aza moa dia efa samy nanana ny azy isaky ny
firenena, mbola vao tamin'ny 9 sy folo taty dia efa nisy niteny hoe am
11:11 izao eto Madagasikara... dia maninona?
Ny zavatra maivana sasany:
- Lasa praiminisitra i Beriziky
- M...
Inviato con Windows Mobile®.
Ao amin'ny tetiandro katolika dia fetin'ny olomasina rehetra rahampitso. Tsy hoe ny olomasina no mila an'izany satria efa kilalaka non-stop any an-danitra any. Fa ho an'ny Katolika dia hampatsiahy ilay fiombonam-ben'ny olomasina (communion des saints) izay ao anatin'ny foto-pinoana. Fanamafisana ny fisian'ny fiainana ho avy izay karakarain'Andriamanitra ho an'ny olona.
Io ihany koa no fotoana hanateran'ny olona voninkazo ho an'ireo havany nodimandry. Fandinihan-tena, fieritreretana ao anaty fahanginana. Tsy aleo izany? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?
Filaharam-be noho izany teto Roma hijery an'ilay Twighlight fahatelo (?). Na ilay voalohany aza tsy mbola hitako. Tsy manintona ahy. Harry Potter mba tiako ihsny satria resa-jaza, fa ilay Twighlight tsy mety voajeriko mihitsy. Misy boky anefa ao an-trano. Tsy aleoko mijery Shrek 1-2-3? Na ny toa ireny? Sa aleo inona? Halloween?
Hiresaka ny fihetseham-poko kely momba ny resaka praiminisitra ao Madagasikara aho. Marihina aloha fa tsara ilay "Monsieur Papa" (2011) nojerena omaly, na dia film frantsay aza. :-)
Tsy dia azoazoko loatra ilay resaka fifidianana ho praiminisitra tamin'ity indray mitoraka ity. Tonga dia hita hoe cinema be ilay izy. Sady tsy misy chance ho an'ireo olona izay mety afaka manao praiminisitra nefa tsy natolotry ny mouvance. Tsy hita mihitsy izao, ohatra, i Prof. Ranjeva na dia efa anisan'ireo tokony ho nantsoina taloha aza.
Fa ny nanaitra ahy dia ity Jeneraly Rabotoarison Sylvain tsy annisan'ny natolotra teny amin'ny Paon d'Or kanefa tafiditra tampoka tao anaty lisitra. Toa azo eritreretina hoe izy no ho voafidy. Raha izy no lany eo dia sinema tanteraka ilay mody misy kandida sy consultations fa efa notendrena talohan'ny fotoana ny ho Praiminisitra. Ny tsy fantatra fotsiny dia hoe iza no tena nampanendry azy: ny SADC ve? Ny Frantsay ve?
Na izany na tsy izany dia tsy haharitra ela intsony ny fitaintainana satria raha ny heno dia rahariva amin'ny 7ora no havoaka ny anaran'izay ho lehiben'ny Governemanta vaovao.
Rehefa avy nijery an'ilay horonantsary hoe Limitless (2011) aho omaly dia lasa ohatry ny nitombo be izany ny fanantenako hoe mbola betsaka tokoa ny zavatra azon'ny saina atao fa vokatry ny fanadinoana fotsiny dia milevina ao anaty atidoha ao daholo ny fahaizana. Raha toa izany ka resy ny fanadinoana dia hitombo ho azy ny fahaizana satria hifoha avy ao amin'ny "sub-conscience" avokoa ny zavatra hay taloha. Izay no fiantombohan'ilay film hoe Limitless io.
Nalaina avy ao amin'ny boky iray hoe The dark fields ny tantara. Ary ny tanjona dia ny fitrandrahana (exploitation) ny atidoha hampiasa ny fahafahana rehetra ananany. Voalazany mantsy fa ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no miasa fa ny ambiny dia matory. Lasa lavitra be ny vinavina (imagination)-n'ilay mpanoratra ka mahafinaritra ny mijery ilay film... Ny mpilalao koa mahay tsara. Miserana ao amin'ity horonan-tsary ity i Robert de Niro ary tsy mandiso fanantenana na dia tsy izy aza no mpilalao fototra.
Io maraina io dia nojereko tao amin'ny wikipedia ny mikasika ity resaka 10% ity ka nolazainy fa tsy marina ilay izy. Tsy ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no tena miasa. Lazain'io lahatsoratra ao amin'ny wikipedia io fa miasa ("active") daholo ny singa rehetra ao amin'ny atidoha... izany hoe tsy misy matoritory... tsy very nefa ny fanantenana :-p
Mitady torimaso ety ambony bus dia manoratra eto amin'ny blaogy vetivety. Tiako tehirizina ato fotsiny ilay film hoe "The Beaver" na "Le complexe du castor" (2011) tontosain'i Jodie Foster, ary lalaoviny miaraka amin'i Mel Gibson. Nety tsara mihitsy ny casting, ary tena efa mahay i Jodie Foster fa nivoaka tsara ilay izy.
(Attention, spoiler) Mitantara ny dingana fanasitranan-tena (process of auto-healing) nataon'ny lehilahy iray izay tratran'ny depression ilay izy. Mba hahafahany manao ny asany sy ny fiainany ara-dalana dia nandray personnage hafa izy (castor) ka iny no nentiny nahatafita indray ny orinasa. Ny olany manokana, eo anivon'ny fianakaviany, izay tsy manaiky ny fisian'ilay "castor", anefa tsy mety mivaha. Dia io no votoatin'ny tantara.
Nety tamin'i Jodie Foster mihitsy ny "role" noraisiny, renim-pianakaviana be adintsaina (toy ny mahazatra), ary i Mel Gibson koa tsy nandisso fanantenana na dia somary mi-exagérer ihany aza izy. Fa misy an'ilay sipa iray iny (hjereko amin'ny internet refaveo ny anarany fa milalao amin'ny X-Men izyJennifer Lawrence) hitako hoe tsara safidy koa. Misy mantsy tsy dia tafiditra loatra amin'ny personnage entiny.
Tsy ity no lahatsoratry ny blaogy tokony hivoaka fa gravy fotsiny ilay nanjo nandritra ny oram-be androany tontolo andro iny (nb. Omaly) ka dia aleo mitantara kely.
Efa elaela aho tsy niresaka firy intsony ny momba an'Italiafrika. Tsy hoe nikisaka akory ilay kontinanta, na hoe nivoatra... Fa vao maika aza nitotongana. Ny Afrikana sasany aza moa nandritra ireny fihetsehan'ny tany Arabo ireny dia tsy nety nialokaloka teto Italiafrika. Naleony nitady lalana tany Eoropa. I Rachid izao efa tafita ao Marseille ao... efa tsy nihambo ho Afrikana intsony.
Tsy any no tena resaka fa fiarahabana an'ireo Malagasy namana maromaro izay tonga handranto fianarana eto Italiafrika. Hoy aho hoe tonga soa. Mino aho fa tsy hanana olana firy ianareo satria tsy dia samihafa firy amin'ny any Afrika ny eto. Ny vazaha fotsiny no maro an'isa amin'ny mponina.
Na izany aza dia misy zavatra vitsivitsy mety hahaliana anareo momba ny toetran'ny Italiana.
- Toa ny any Afrika, ny Italiana dia be resaka. Mitabataba eny ambony bus sy train. Milelalela amin'ny tele sns. Efa ao anatin'ny rany io ka tsy azo esorina. Misy lafiny tsara anefa io indrindra rehefa tsy mbola mahay teny italiana tsara. Mba miitabataba tahaka azy koa. Aza matahotra hoe tsy ho azony fa ny fihetsiky ny tanana fotsiny no ataovy betsaka. Na ry zareo koa aza tsy mifankahazo raha tsy mampiasa tanana.
Ny Italiana amin'izao tena lasa mpanavakavaka be. Indrindra hatramin'ny nisian'ny krizy. Ny antony dia toy ny any Afrika, lasa niha nahantra ka lasa samy maka ho azy. Raha mba miasa ianao dia mimenomenona izy hoe mangalatra ny asa tokony ho azy nefa izy amin'io kamo tsy hahavita ilay asa akory
Aza gaga raha toa feno fako eny an-dalana. Misy mpiasan'ny voiries koa aty ary tena be karama fa aleon'ny commune tsy mampditra mpiasa intsony mba hampitombo ny karamany.
Aza gaga rehefa misisika be sy anki-tolona ny miditra anaty bus sy train. Tsy ampy, toa ny any Afrika koa ny fitaterana eto. Ary izay kely mandeha dia efa tonta be sy maloto.
Ary aza gaga raha misy ireny toy ny androanyy ireny. Rano be hatreny an-poto-pe kanefa orana tsy ampy adin'ny efatra. Ny antoko ankavanana no mitantana an'i Roma amin'izao. Tsy misy fijerena ny madinika izany. Nisy vola 2 millions d'euros nomena ny comune hanamboarana indrindra ny tatatra sy ny fivoahan-drano rehhetra. Mbola safo-drano ihany Roma. Ny paosiny no notsetsemany.
Betsaka ny zavatra mbola ho hitanareo eto mitovy tanteraka amin'ny any Afrika... ny tombony dia hoe tsy mila mizatra firy intsony fa tonga dia tamana. Dia raha tena te ho any an-dafy dia mba mivoaha kely an'i Italie.
Ny karajia.org dia toerana iray ifanoratana mivantana. Misy olona maromaro, efitra maromaro, zavatra azo atao maromaro. Misy olona foana ao na dia alina be aza satria tsy mitovy ny ora... fa ny tena maha be olona dia amin'ilay maraina amin'ny 10 ora ao Madagasikara sy amin'ny 3 tolakandro ao Madagsikara iny. Ny antsoiko hoe karajia eto dia ilay resaka mivantana na chat (Vakiana hoe "Tchatte" sy hagasian'ny namana hoe tsaty).
Ho avy (ihany) ny fifidianana, tsy maintsy ho avy na dia mbola tsy fantatra aza hoe rahoviana. Ny olona mety mbola hilatsaka hofidina sy hanana salanisa ho lany aloha hatreto dia i Ravalo sy Rajoelina. Ny voalohany moa mety ho lany vokatry ny fahatsiarovana ny asa vitany sy vokatry ny tsy fitiavan'ny olona ny HAT, ilay faharoa dia mety ho lany vokatry ny hala-bato sy ny sangodim-panina ao anatiny ao, kandidam-panjakana tsinona.
Hatramin'izao izany dia ireo no safidy. Samy manana olana goavana anefa ireo raha mbola hitondra.
Raha ohatra izany ka manaraka am-bokony ny zavatra nolazaiko tatsy aloha momba ny hoe ny microblogging (twitter) no entina mamelona ny blaogy dia anisa'izany ity lahatsoratra ity.
Nidina ho 2°C ny maripana aty Subiaco hatry ny omaly maraina. Mety efa tato ho ato fa omaly indray aho vao niala maraina be tao an-trano. Dia gaga aho fa nisy filazana teo amin'ny fiara hoe mandehana mora fa mety halama ny lalana satria 2°C ao ivelany ao. Fampitandremana fa toa tsy nalama akory ny lalana. Dia tahaka ny tsy ampy hery izany koa ilay fiara. Gasoil tsinona ka angamba mila hafanaina elaela.
Izahay ao antrano efa nanomboka nandrehitra kitay. Tsy mbola isanandro aloha. Fa alina heno nangatsiakka loatra talohan'ny hatory, nanondro 18°C ny fandrefesana ka dia nalefa nandriitra ny 4 ora ny chauffage. Izay no mahatsara ny chauffage autonome.
Aza miaintaina ianareo raha maheno matetika vaovao mikasika an'i Italia. Atao hoana fa dia malaza mihitsy ity firenena ity amin'izao. Na izany aza anefa dia salama saina tsara daholo izahay.
Marina tokoa ny nolazainreo fa praiministra aty ilay Berlusconi. Io no fanoratra ny anarany fa tsy "Very Loha sy Con" izany na dia tena manomboka very saina tokoa aza izy. Mbolaa praiminisitra izy ary tsy mieritreritra ny hametra-pialana na dia imbetsaka aza no voarohirohy amin'ny resaka maro. Ka eto Italia tsy mb mitovy amin'ny firenena hafa aty Eoropa fa mitovy amin'ny any Afrika ihany. Misy aza efa tokony higadra ny politisiana dia avoakan'ny namany anaovana latsa-bato mihitsy.
Mianatra tsara ny ankizy amin'izao. Napitsangam-bolo ahy fotsiny androany ny nihaino ny resaky ny mpiara-miasa aminay iray manan-janaka efa mianatra any amin'ny scuola materna an'ny fanjakana. Mba misy ao anatin'ny fandaharam-potoana hono hoe misy heures d'informatique, dia nasaina nividy boky ny ray aman-dreny, kinanjo kay tsy misy ordinatera akory ao amin'ilay sekoly. Tsy mbola nomen'ny fanjakana dia bbangoana fotsiny ao ny salle. Dia zavatra tahaka izany no hanabeazana ny zanakay aty.
Andefaso voajobory sy vary mena rehefa misy mandeha aty. Ny vary mena no tena hahaatsiarovanaa ny any an-tanana rehefa manao sosoa hariva iny. Ny vary aty efa nisondrotra daholo. Tsy misy azon'ny 1 euro na telo arivo ariary toyy ny taloha intsony ny kilao. Indray mandeha isanandro sisa no mba mihinam-bary. Ny voanjobory koa no mandefasa, namboly izahay fa tsy mety vanona.
Ary inona ny vaovao any? Toa lava be hono ny teteza-mita? Fa inona mihitsy no iampitana? Aza manaiky an'izany hanao CST izany aloha fa sao dia fanambatambazana izany. Aleo miandry fifidianana ihany... Sady vitantsika io izao no malaza.
Izay aloha ary fa tonga ihany ny train nandrasako. Tara 45mn ilay izy dia nanararaotra nanoratra aho.
Tsy dia ilay hoe izaho mitongilana kokoa amin'ny Google+ no antony anoratako ity fa hitako miha ratsy ilay Facebook.
Ny zavatra tsapako dia tsy hitako intsony ny zavatra malaza soratan'ny namako taloha. Taloha rehefa manokatra FB dia zavatra mahaliana avy hatrany no hita voalohany. Amin'izao dia mifangarongaro be ka manjary jerena tsirairay ny profile-n'ny namana. Ny tena mampihomehy dia zavatra hita ao amin'ny Google+ io saingy noho ny fahafahana manaraka "Cercles" ao amin'ny G+ dia tsy very.
Zavatra anakiray hitako ihany koa nampidirin'i FB dia ilay resaka "Zarao" (partager). Mifampiditra ilay izy dia mikorontana. Ao amin'ny G+ dia rehefa mizara zavatra irayy ianao dia mifindra any amin'ny rindrinao ilay zavatra nozarainao ary reference fotsiny sisa ny hoe taiza ny loharano. Raha misy mizara fanindroany izany iny dia tsy mifampiditra ka tsy misy ifandrasany mivantana amin'ilay loharano voalohany. Ao amin'ny FB dia mifampitaritarika eo daholo na ny loharano na ny nizara.
Na izany na tsy izany dia mbola any aloha ny ankamaroan'ny olona. Ny G+ rahateo mbola matotra loatra ka sarotra ho an'ny sasany ihany ny hampiasa azy.
Alohan'izany aloha dia hitako fa misy fomba tsara mba hahafahana manohy manoratra lahatsoratra amin'ny blaogy matetika. Amin'izao mantsy manjary varian'ny "microblogging" toy ny twitter sy ny status ao amin'ny facebook na Google+ dia tsy mahavita manoratra lahatsoratra lavalava intsony. Matetika ny ankamaroan'ireny dia teny fohy manambara zava-mitranga iray. Ny an'ny sasany aloha dia famintinana amin'ny andalana vitsy ny lahatsoratra efa voasoratra. Fa ny ahy matetika dia eritreritra mandalo mihitsy. Ka ataoko fa azo atao tsara indray ny mamelabelatra sy mandalina iny ho lahatsoratra lava sy lalindalina kokoa. Mazava ho azy fa raha vita ny manao lahatsoratra iray isaky ny eritreritra mandalo iray dia ny fotoana hamakian'ny olona azy indray no tsy hisy :-)
Fa ny zavatra tena tiako holazaina amin'ity lahatsoratra ity dia ny momba indrindra ny fitehirizana ny lasa amin'i Facebookk sy Google. Efa nolazaiko teto ihany hoe raha misy lahatsoratra na zavatra mahaliana anao ao amin'ny rindrinao ao amin'ny Facebook dia very any iny afaka fotoana ela. Ohatra fotsiny hoe ny resaka nandeha momba an'i Kemba tamin'ny 2009, ny reactions-n'ny tsirairay, ny zavatra natao tamin'izany dia tsy hita hoe aiza ao amin'ny facebook no hahitana azy. Tsy misy fomba tsotra hiverenana amin'izany ao. Dia hohadinoina ve ny lasa?
Ao amin'ny Google+ indray, amin'ny maha tompon-daka an'i Google amin'ny resaka fitadiavana dia azo tadiavina ihany ny zavatra napetrakao taloha. Izany hoe mila fantatra fotsiny ny zavatra tadiavina dia asehony ao. Eto izany dia farafaharatsiny, raha nampiasa Google+ ianao fa tsy Facebook tamin'ny fotoana nisian'ny fihaonan'ny serasera teto Roma dia ho hitanao ihany ny tantara sy sary afaka 5 taona... fa tsy maintsy fantatrao hoe nisy ilay fihaonana serasera dia iny no tadiavinao.
Raha mieritreritra ny mbola hiverina amin'ny lasa izany dia tsara kokoa ihany ny mampiasa G+ noho ny FB. Tsy misy amin'ireo anefa ahafahanao mijery, ohatra hoe, inona daholo ny zavatra nosratano tamin'ny 2007. Dia eo no miditra ny tanjaky ny blaogy. Ny blaogy mantsy amin'ny maha fitaovana manaraka ny fotoana azy (chronologique) dia milahatra arakany daty ny lahatsoratra. Misy sokajy sy lohahevitra ao saingy araka ny daty aloha ny filaharana. Mora ho anao izany ny miverina amin'ny lasa. Mety ho gaga aza angamba hoe "hay ve nanoratra toa izany aho taloha" raha nanoratra. Misy fotoana aho mamerina mamaky ny blaogiko sy mijery ny zavatra nosoratako dimy taona lasa dia hitako hoe misy fomba fijery hafa sy hevitra hafa.
Koa amiko dia mbola fitaovana mahomby sy tsy misy mahasolo azy aloha ny blaogy. Sady azo atao foana, tahaka ny ataoko, ny mizara amin'ny G+ na Fb ny zavatra voasoratra ao amin'ny blaoginao.
(Le monde nous appartient) Mbola mahagaga ahy ihany ny mahita ny olona sasany manangana rindrina avo dia avo manodidina azy amin'izao fotoanan'ny fanatontoloana izao. Tsy hainy fa arakaraka ny haavo sy hatevin'ny rindrina ajorony no mahatonga azy tsy hahita ihany koa ny aty ivelany. Tsy mampaninona izany, hidio ao fa ho lasanay ny tontolo manodidina rehetra. Hoy aza ilay fiteninay fony kely izay hoe "Efa eny amin'ny volana izahay izao". Ny nantsoinay hoe volana tamin'izany dia ilay toerana iray tanaty alaala fipetrapetrahana, mahatazana nefa tsy tazana... Rehefa mba mandrevirevy iny dia any amin'ny volana no fotoana, mitantara ny zava-misy sy ny zavatra tsy hisy. Koa hidio ao ny rindrinao fa izahay aza efa eny amin'ny volana.
Ampifandraisiko amin'ny sarimihetsika roa hitako tamin'ity herinandro ity. Tomboy (2011) sy Jimmy Riviere (2011). Tantana milaza indrindra an'io mivoaka ny rindrina io. I Laure na dia 12 taona monja aza ao amin'ilay "Tomboy" dia nhatsapa fa tsy ampy azy ny maha vehivavy azy ka niseho ho lehilahy izy hifandraisany amin'ireo boay kely eo an-tanana. Nivoaka ny tontolo. I Jimmy indray na dia nieritreritra hoe hampivelatra azy aza ny fifampitondrana tao amin'ny ankohonana Gitane nisy azy dia mbola nahita zavatra hafa fanampiny izy nivoaka n tontolo. Satria tsy mandao na manary ny tontolo tokoa akory no dikan'ny hoe mivoaka ny tontolo fa mandrava ilay rindrina manasaraka fotsiny hahafahana mifandray amin'ny tontolo hafa.
Izany eo ihany fa vita ihany ny installation'nilay router/firewall nitenenako sinoa tatsy ambadika. Mampiditra ny fitsipika rehetra indray aho io izao. Indro ny sary. Inviato con Windows Mobile�.
Koa satria efa hiditra tsikelikely amin'ny fotoanan'ny Google+ isika atsy ho atsy (izaho tsy miteny hoe hiala Facebook daholo). Izany hoe samy hampiasa ny kaonty Google-ny amin'izay (Jereo eto ny momba ny Google+) koa rariny raha aseho anareo amin'ny fomba tsotra ny atao hoe Picasa izay fitaovana fandaminana sy fikirakirana ny sary vokarin'ny Google. Azo ampiasaina dieny izao ny Picasa na dia tsy mbola manana kaonty Google aza. (tohiny)
(napetrako ato ity hotehirizina fa azon'izay te-hamaky vakinaa ihany koa) Nivika ny firewall tao am-piasana omaly. Nampiasa pfsense 1.2 izahay izay mifototra amin'ny freebsd. Tsy dia tiako loatra ny pfsense satria tsy mety tsara ilay content filter-ny. Efa nanandrana nisakana facebok tao ampiasana aho dia tsy nety fa nahita fika ny olona. Fa omaly, tsy dia tena tandritandriko loatra dia nanao upgrade-n'ilay pfsense ho 2.0 aho. Vita ny upgrade de ni-reboot ilay serveur dia tsy nety intsony. Tsy nisy internet intsony ny birao rehetra, ordinatera 50 mahery. Nojerena ilay serveur dia ireny rack 19 ireny, fa tsy misy lecteur CD. Tsy nis azoko natao omaly satria tsisy internet hitelecharger-na n'inona n'inona. Na izany aza dia nanao 2h supp ihany. Tany antrano dia nijery ireo alternatives mety azo ampiasaina... Misaotra ny http://alternativeto.net. Nalaiko daholo na pfsense na ClearOS (Clarknetwork taloha) na monowall na smoothwall. Nanamboatra Bootable USB roa nanandramana raha misy azo boote-vana amin'ny USB ireo. Nety ni-boot daholo tany antrano fa rehefa tena hi-install dia mangataka CD foana. Dia tsy maintsy nanamboatra bootable CD ihany aho izany.
Niala tamin'ny 5 sasany tany antrano mba ho tonga vao maraina tao am-piasana. Tamin'ny 7 mahery tokoa aho dia efa tonga. Nandramana ihany aloha ny USB sao dia mba mety fa e e e. Dia tsy maintsy nosokafana ilay serveur. Soa fa nisy connecteur IDE sy alimentation libre tao dia lasa nitady lecteur CD tam machine hafa aho natao taminy. Namboarina ny BIOS mba hi-reconnaitre CD amin'ny boot dia no-installer-na aloha ny clearOS. Hitako hoe mba pro kokoa. Vita dahlo ny config rehetra, joignable ilay firewall fa tsy misy internet. Lany andro mihitsy aho ni-verifier azy fa tsy nnisy fika. Farany dia nesoriko ilay izy dia ilay smoothwall indray no nampidirina. Mazava be ny config-n'ilay smoothwall. Misy an'izany hoe fil mena (WAN) sy fil maitso (LAN) izany. Tonga dia nety tsy niandryy ela. Nohamarinina vonjimaika aloha dia hita hoe afaka mijery internet daholo ny kil. Amin'ny alatsinainy amboarina tsara ny NAT sy ny rules isankarazany. Andeha hiasa am'zay lol.
Sari-mihetsika ratsiratsy nojereko tamin'ity herinandro ity ilay hoe Arthur (2011). Tantarana mpandova iray, zanaka mpanan-karena tsy manan-katao afatsy ny mandany ny fananany tsy mety lany. Tsy mianatra, tsy miasa, misotro, ary ny vehivavy amin'io tsy lazaina intsony. Tena fiainana "hono". Fa any anatiny any dia hita ihany izy hoe tsy sambatra.
Nasaina nanambady vehivavy iray tsy tiany akory izy nefa vao nahita ny tena fitiavana tao amin'ny vehivavy iray hafa. Fitiavana tsy mbola niainany mihitsy. Izay izy vao tonga saina hoe kay tena nahantra satria nisy zavatra banga teo amin'ny fiainany.
Tsy hotantaraiko eto ny tantara satria vao tamin'ity 2011 ity io ka mety mbola nisy tsy nahita fa lesona azo tsoahina fotsiny, izay tsy vaovao fa efa fantatry ny rehetra ihany. Dia hoe "tsy ny vola aman-karena no tena mahasambatra"... fa ny fitiavana :-)
Tsy diso raha miteny hoe "Katsaho aloha ny fitiavana dia hanampy ho azonao ny zavatra rehetra"... (Ao amin'ny baiboly koa misy teny mitovitovy amin'io)
Ary raha tsy diso aho dia izany no mahatonga ny olona tsy dia manana loatra maro anaka. Satria be fitiavana... matetika manao fitiavana.
Na dia teo aza ny fanentanana, maneran-tany mihitsy, hanavotana ny ain'i Troy Davis dia novonoina ho faty tamin'ny tsindrona ihany izy alina. Tsy nihemotra, noho izany, ny daty farany novinavinaina namonoana azy. Efa in'efatra izy no saika hovonoina fa nisy hatrany ny sakana vokatry ny sakana noho ny fangatahan'ny mpiaro azy sy ny fisehoan'ny porofo vaovao. (tohiny)
Vita indray iny ny fotoam-pialan-tsasatra. Tamin'ity taona ity aho no tena tsy nahavita n'inona n'inona indrindra. Isan-taona mantsy dia misy zavatra mivaingana kely foana mba ataoko, fa vokatry ny tsy fanomanana angamba dia aotra tamin'ity. Zara raha nanitsy kely ny rakibolana.org sy nanavao ny takelaka.org fotsiny.
Nisy rahateo ny Fihaonana serasera Roma III ka somary nibahana ny fandaharam-potoana. Tsy dia tamin'ny fanomanana loatra, satria ankoatry ny emails maro be nifanakalozana tamin'i Rondro sy Andry, dia tsy hitako loatra izayy nataoko, fa tamin'ny fanatrehana azy mihitsy. Nitontona tao anelanelan'ny congé-ko koa ilay izy (izaho no adala) dia tsy afaka nankaiza na taloha na taoriany. Afa-po tamin'ilay fihaonana kosa nefa aho. Tsy araka ny ahiahiko tam-boalohany. Efa any amin'ny antsary.com any ny sary. Misy video koa ao amin'ny http://roma3.divers.serasera.org koa dia mbola mamerina ny fisaorana ho an'ny nikarakara rehetra sy ireo tonga koa.
Nandritra iny fialan-tsasatra iny izany dia niezaka nitrandraka sy nizaha ireo toerana manodidina ny toerana misy anay no tena natao. Tsy dia tany an-dranomasina loatra satria amin'izao, hatramin'izay nialana tany Roma izay, dia mandeha 100km vao mahita ranomasina... Ny gasoil efa lafo. Misy toerana vitsivitsy mahaliana rahateo eto an-toerana.
Tany an-tendrombohitr'i Monte Livata, ohatra, dia tsara rehefa ilay mafana iny ny andro. 15km miala ao an-trano fa fiakaram-be Misy tany malalaka be, misy hazo koa, dia tonga dia misy fatana ho an'izay te hitono hena...
Farihin'i Turano (eny, misy "rano" ilay anaran-tany) izay 50km fotsiny. Farihy artifisialy lehibe. Azo ilomanosana tsara. Tsy dia be olona toy ny any Bracciano, ilay niarahana tamin'ny serasera. Efa nifaramparana ny vakansy vao hita ilay izy, tamin'ny google maps. Afa-po tsara tany tamin'ny lomano. Ny tora-pasika any fotsiny no feno vatokely ka mila mitondra kapa... ary tsy afaka tena manao ladina an-tany rehefa mitsilailay... raha tsy hoe mitondra kidoro :-)
Ny toeram-pilalaovana naleha dia tao Guidonia, ilay hoe Aquapiper, izay 50 km miala ao antrano. Toeram-pilalaovana rano, misy dobo filomanosana enina, amin'ny halaliny avy, misy figorisana amin'ny heriny avy. Misy ilay figorisana antsoiny hoe Kamikaze... izay mitsotsorika, angamba 75°... fa tsy nidirako lalina :-). Ilay anakiray somary mandrimandry kokoa aza efa saika tsy vitako. Ela be mihitsy ny 5 segondra nigorisana tamin'ilay izy, izaho amin'izany nihidy vazana mafy. Tokony niverenana imbetsaka amin'izay zatra, 20 euros ny fidirana. Tany amin'ny Zoomarine 145km, izay nandehananay talohan'ny vakansy, dia 25 euros ny fidirana. Misy hafa koa hono any Valmontone 35km, fa toa 35 euros ny fidirana.
Ny teo an-tanàna moa dia fety isan-kariva. Izay no mahafinaritra ahy mipetraka any am-banivohitra. Rehefa fotoam-pialantsasatra dia misy fety foana, ary maharitra hatramin'ny aorian'ny misasakalina. Karazam-pety, ao ny hirahira, ao ny tsena, ao ny fisakafoanana, ao ny fetim-piangonana. Dia faranany amin'ny afomanga hatrany.
Ity angamba ny lahatsoratra voalohany amin'ny teny malagasy mikasika ny Google+ izay nisokatra ny 28 jiona lasa teo. Mbola vaovao ho an'ny maro tokoa ity G+ ity na dia efa ela aza no niketrehan'i Google azy, ary efa fantatra fa tsy maintsy ho avy masiaka(1). (tohiny)
Androany teto Roma no faran'izay nafana indrindra, misy alerte rouge amin'ny toerana sasany eto afovoany atsimon'i Italia. Antampon'ny hafanana tsara izany amin'izao fotoana izao... dia ny tsaroana dia ireo olona any Toliara izay miaina izany hafanana izany mandavan-taona. Andro vitsivitsy monja ao anatin'ny taona no mba misy orana. Ary ny orana sendra milatsaka dia eken'izy ireo va avy amin'-Ndragnahare. Marina fa misy ny fomba maromaro ataon'izy ireo hangatahana orana kanefa tsy mbola naheno mihitsy aho, hoe ny orana dia andriamanitra (toa ny an'ny Grika sy ny kolotsaina hafa). Andriamanitra ihany no mpanome orana, ka raha tsy ampy na tsy misy orana dia any amin'Andriamanitra izy ireo no manao fombafomba.
Ny tsikaritra dia indraindray ny Kristianina indray no tsy mahasahy mivavaka mangataka orana, menatra angamba na tsy mino. Ka ity hira iray misy hoe "Ny tany karakaina omeo orana, ny foko mitaraina fa te hahita anao". (Andraso kely raha mbola tsy miseho)
Efa ela aho no tsy niresaka politika, ary mbola tsy hiresaka politika koa androany. Ahoana tokoa moa no hiresahana politika raha toa ka vao miteny fotsiny ianao hoe resaka politiika ity dia tsy misy mamaky avy hatrany? Ny sasany aza vao hanomboka hifandray fotsiny ianao dia avy hatrany dia misakana hoe aza asiana resaka politika mihitsy an. Ilay bandy akamako mpanoratra lahatsoratra an-gazety mba nasaiko nitantara ny zava-misy sy ny toe-draharaha any Madagasikara dia nanda avy hatrany hoe "Izaho aloha tsy hanoratra mikasika politika mihitsy". Ry Ikalamako izany tsy te hiherika mihintsy raha vao misy hoe Rav... na Raj... (tsy hosoratako manontolo sao tsy mamaky eo koa izy) any anaty lahatsoratra.
Fa dia naninona loatra ny politika?
Ny politika no zavatra anisan'ny nahaliana ahy indrindra tamin'ny taona vitsivitsy nanaovako Filozofia. Io ihany tsinona no taranja hitako hoe mahakasika mivantana ny fiainako sy ny manodidina ahy. Resaka momba izany rahateo ny tena politika. Fitantanana tanàna (Polis), fandrindrana ny fiaraha-monina. Ny hoe mandrindra dia mandamina izay mikorontana sy tsy marina. Izany hoe hamarinina ho tsy misy avo sy iva, tsy hisy tombo sy hala. Izay no nitiavako politika.
Toa ny manao fanorona dia mahafinaritra ilay politika. Raha hijery sy handamina ny "avo sy iva" izany mantsy dia mila manana fijery ankapobeny aloha, izany hoe mahita ny rehetra, diia avy eo mahalala ny antsipirihany. Eo no mampiasa ilay teti-panorona isan-karazany hoe ahoana no hampakarana ny "iva" ka tsy hisian'ny elanelana be loatra eo amin'ny "avo sy iva". Resaka tena mikasika ny andavanandro izany ny politika fa tsy resaka maha monaina.
Ny olana angamba dia satria tsy manao politika akory ireo mpanao politika. Toa manao izay ham-panankarena ny tenany fotsiny ka manitsaka ny ambany sy "iva" mba hiakarana ambony amin'ny "avo". Mifanohitra tanteraka amin'ilay mandamina. Dia izay mahery sy be vola no lasa filoha.
Tonga amin'ny tanjony izao ny mpanao poltika sandoka. Tsy misy miresaka politika intsony. Tsy misy mitsikera ny "avo" sy miantra ny "iva" intsony. Lasa samy maka ho azy sisa. Mirehareha ery hoe tsy manao politika kanefa latsaka ao am-bovon'ny be polifika. Manjary mankaksitraka ilay tsy firindrana.
Tsy maninona, aleo samy mody fanina. Tsy maintsy hikorontana ihany rehefa lasa avo loatra ny "avo" ka lasa iva loatra ny "iva". Hiseho amin'izay ny tena mpanao politika "mpandrindra" sy "mpanamarina"
Ny teny hoe "Pentecôte" dia avy amin'ny grika hoe πεντήκοντα izay midika hoe faha dimampolo. Ny Pantekoty dia andro faha 50 aorian'ny Paka. Fety nodimbiasana avy amin'ny fety jiosy antsoina hoe Chavouot na hoe fetin'ny herinandro, izay nankalazaina ihany koa 50 andro taorian'ny Pessah (Paka jody). Araka ny fitantaran'ny Asan'ny Apostoly Toko 2 dia nandritra ny andron'ny Pantekoty no nidina tamin'ny mpianatra ny Fanahy Masina ka nampivaha ny lelan'izy ireo ho afaka niteny ny fiteny azon'ny rehetra. Nisy fotoana tokoa nanjary tsy nifankahazo fiteny intsony ny olona satria saika hiakatra ho any amin'Andriamanitra ka namorona ny tilikambon'i Babela, fa tamin'ity kosa dia Andriamanitra Fanahy no nidina ka nampifankahazo teny azy ireo indray. (tohiny)
Raha mamonjy lamesa katolika ianao androany dia io no votoatin'ny Vaovao mahafaly na filazan-tsara androany zoma. Azonao jerena eto ny lahatsoratra manontolo. Anisan'ny teny mahafinaritra indrindra ao amin'ny baiboly io teny io. Fahatsiarovana kely fa tsy hanao toriteny, tsaroako tamin'ny mbola kelikely (4eme tamin'izay mbola 12 taona), mbola tsy dia nahay teny anglisy firy, sady tamin'izany mbola tsy nisy internet hanaovana traduction avy hatrany, dia notadiaviko tamin'izay filazantsara anglisy kely izay ny dikan'io teny io dia anisan'ny fampiasa matetika tamin'izany fotoana izany :-)... "You know that I love you"... na dia tsy dia tena tamin'ny heviny araka ny baiboly aza no nakàna azy.
Amin'izao efa misy ny google ka afaka adika na dia amin'ny teny Rosiana aza
Tamin'ny nametraka Windows 7 tamin'ilayyy matosy aho roa taona lasa izay dia falifaly hoe tonga dia hitann'ny windows7 daholo ny pilotes-n'ny peripheriques rehetra (Audio, Video, sns). Nandeha tsara tokoa ilay izy, tsy nisy olana mihitsy. Fa afak'omaly nisy hira tiako no-enregistrer-na mivanntana tamin'ny internet dia tsy hitako ny fanaovana azy. Gaga aho fa tsy nisy capteur-na feo avy amin'ny carte son intsony ny windows7. Rehefa nijerijery tamin'ny google dia nahita soso-kevitra maromaro. Nisy niteny hatramin'ny hoe mampiasa fiche jack mivoaka amin'ilay sortie carte son dia averina amin'ilay entree carte son ihany, karazana loop izany.
Fa ny nahavaha ny olana dia nitady pilote compatible windows 7. Tadidididiko hoe Realtek ilay carte son dia nahita pilote version farany aho dia avy hatrany dia nety. Amin'izao dia hitako ao amin'ny lisitry ny feo azo raisina ny fe avy amin'ny carte son. Ho afaaka haka feo maromaro amin'izay.
Asa koa na mety hisy fiantraikany amin'ny hatsaran'ny feo rehefa manao hira ny fisian'io pilote original io.
Tamin'ny telo herinandro lasa no nanombohako ity hira ity dia omaly vao vita... kanefa mitovy ihany ny vokany. Samy ratsiratsy ihany. Tsy mitombona ihany izany ilay eritreritro tato hoe rehefa vitaina ao anaty roa andro ilay hira dia tandrametaka... fa tena ilay fahaizana mihitsy no tsy ao :-).
Tsy nohavaoziko ny licence windows fandoako isam-bolana ao amin'ny Ovh.com ndroany. Isambolana, ho an'ny serveur kimsufi iray dia nandoa 36 eur HT aho efa ho telo taona izay nametrahana ny DJ radiovazogasyy. Tsy maintsy windows ilay izy satria mbola tsisy equivaalent amin'ny Linux... Sady novidina 240 eur ilay logiciel DJ tamin'izany ka mbola tsyy azo ariana. Fa androany dia tsy nohavaoziko intsony ilay windows serveur satria nety ihany ny fikafika gasy. Tamin'ny roa volana lasa aho dia nisy niteny hoe afaka manome licence-na windows serveur 2008 MLA amin'ny vidiny mirary. Tsy mamela ny hametraka licence toa izany amin'ny serveur-ny nefa ny kimsufi ao amin'ny OVH. Ny fika izany dia mamorona virtual machine iray ao amin'ny serveur foibe, dia atao Kvm dia iny no asiana windows server 2008 hahafahana mametraka an'ilay licence. Natao ny andrana dia nety tsara nandritra ny iray volana. Nisy fotoana fotsiny ni-crash ilay VM ka nila intervention ni-redemarrer azy. Nesoriko ary ilay license tamin'ilay serveur kimsufi dia nasiana Proxmox dia nampidirina ho node-n'ilay serveur foibe. Nandramana nafindra tao amin'ilay node ny windows 7 tao amin'ilay foibe. Adin'ny 3 no namindrana azy fa tafafindra ihany, niaraka tamin'ny disk roa. Nisy olana kely ny reseau satria kay niova maaachine ilay VM dia niova IP ihany koa. Rehefa nalefa dia nety tsara ary io izy misy ny #scrabl ho an'ny karajia.org io. Hitako tapatapaka matetika ny rvg vokatr'ilay ao amin'ny VM kanefa aleo amin'izao fa mitady fika hi-gerer-na ny fahatapahana.
Misy olana kely ny serasera amin'izao fotoan izao. Eo am-panamboarana azy aho amin'izao.
Inona ilay olana?
Efa nalefako ihany hoe manamboatra ny API ho a'ny serasera aho amin'izao. Eo amin'ny resaka authorization indrindra aho no nahita fa hay tranainy ilay fitaovana ao amin'ny vavahady login.serasera.org
Dia nohavaozina iny fa tsy afaka niandry. Rehefa nohavaozina nefa iny dia tsy nifandray tamin'ny vavahady intsony ny sites rehetra. Vokany, tsy afaka mampiasa solonanarana na aiza na aiza.
Amin'izao dia efa manimboka mivha ny olan amin'ny sites sasany. Afaka 1/2 ora eo dia mety hivaha tanteraka.
Nampidiriko tato amin'ny blaogy ity video ity fa nijanona ela tato anaty ordi tato. Tamin'ny telo taona lasa izy izay, raha tsy diso aho, no nanaovako azy ity. Nisy bandy izay niara-nipetraka taminay dia tsy mahay mahandro vary hono izy. Dia nanao ity video ity aho, izay tsy hitany akory, nanandrana izany hoe fomba fandrahoana vary araka ny maha Malagasy :-)
Aza mieritreritra hoe "tutorial" fandrahoana vary io... fa mba manala azy fotsiny. Ialana tsiny ny korontana mety ho hitanareo ao anatiny ao. Ataovy mahafa-po fotsiny ny mieritreritra hoe efa 3 taona lasa io farafaha haingany... izany hoe efa mba nivoatra nahavidy fihogo, sy nahabango volo aho.
Farany, ilay mozika dia nampidirina taty aoriana. Hitako nitendritendry piano teto i Aina dia nalaiko feo... dia nampidiriko niaraka tamin'ilay video. Aza omena tsiny fa efa kely sisa i leiry dia hahay lol.
Ity ilay video fa lava loatra... hamoaka video clip hiram-pivavahana ihany aho rehefa avy eo ka.
Tamin'ny fotoana nianarana teny amin'ny oniversité (mba teny hono) dia nisy teny anakiray izay nolazain'ilay vazaha mpampianatra niraikitra lalina tao antsaiko nandritra ny taona maro. Raha te ho tafita ianareo, hoy izy, dia mamakia boky, mamakia boky, dia rehefa avy mamaky boky ka tsy te hamaky boky intsony dia mamakia boky amin'izay. Dia toa nandaitra tokoa io teo amin'ny fianarana. Ny olana fotsiny dia feno ny disque dur ka matetika tsy voatahiry izany novakiana.
Taty aoriana dia hitako hoe ho an'ny kelikely disque dur dia ny mifanohitra amin'izay no tena tokony hatao. Manoratra, manoratra, manoratra, dia rehefa avy manoratra ka tsy te hanoratra intsony dia manoratra amin'izay. Io angamba no antoka hahatadidiavana izay mandalo... ary indrindra indrindra antoka iray hahaela velona ny blaogy.
Amin'izao tokoa mantsy dia be dia be loatra ny zavatra mitranga etsy sy eroa, kanefa tsy voatantara amin'ny blaogy intsony ny hevitry ny tena mikasika azy ireny. Misy izany micro-blogging izany, toa ny twitter sy identi.ca. Misy izany social network izany toa ny diaspora sy ny myspace, ny hi5 sy ny facebook sy ny namana.serasera.org sns. Mahita sary anakiray mahaliana aho dia mametraka hevitra, indraindray hevi-dalina. Maheno vaovao anakiray apetraky ny namana aho dia mametraka hevitra izay indraindray mafonja satria entin'ny aingam-panahy eo no ho eo, vokatry ny zavatra iainana amin'io fotoana io. Vokany dia mahasoratra hevitra be dia be tokoa ary mafonja ny ankamaroany saingy miparitaka any rehetra any dia miha manjavona tsy hita. Aty aoriana ianao rehefa mieritreritra hoe toa efa nanoratra zavatra toa izany aho, dia tsisy hita ilay hevitra. Tsy fantatra hoe taiza no nosoratana, tamin'ny sarin'iza, tamin'ny eritreritra mandalon'iza... ary indraindray tsisy fomba hitadiavana azy intsony. Ianao ve ohatra mahalala hoe tsisy fomba hikarohana ny hevitra (mety mahaliana be sy ilainao aty aoriana) napetrakao tamin'ny status-n'ny namana iray ao amin'ny Facebook? Ary raha sanatria aza ka misy io fomba hitadiavana azy io dia mety efa nofafan'ilay namana ilay hevitra satria ao amin'ny status-ny izany hoe lasa azy manontolo... dia tsy hitanao ihany ilay hevitra. Sa ny zavatra soratanao ao dia tena fantatrao hoe tsy ilainao intsony? Dia manohitra ilay lazainao matetika ianao izany hoe zavatra serieux koa ny ao amin'ny FB.
Ka hoy aho hoe aleo ihany aho hi-blaogy. Na misy hevitra manan-danja amiko soratako aza sendra mandalo any amin'ny mombamomba ny hafa any dia iverenako soratana eto amin'ny blaogiko (na any amin'izay blaogiko hafa) satria ao aho no mahazo antoka fa ho hitako ny zavatra soratako rehefa ilaiko. Ary na tsy mandeha araka ny ilako azy aza ny fomba fikarohana ao amin'ilay blaogy dia manome toky ny google.
Niezaka namoaka ity hira iray tsy dia mora loatra ity aho androany. Nandresy ny Tompontsika. Hatramin'izay dia ohatry ny maivana be foana ny fetin'ny Paka rehefa tsy mihira ity hira ity. Hany ka na dia amin'ny toerana tsy miteny malagasy aza dia manezakezana rehefa any antrano. Tamin'ity taona ity izany dia niavaka mihitsy ilay hira satria efa hatry ny omaly alina no nibahana sy niverimberina tao an-dohako tao. Ny mahagaga kely fotsiny dia tsy misy teny hoe Aleloia mihitsy ao anatin'ity hira ity.
Elaela ihany izay tsy nanao ilay video kely fanaoko isan-kerinandro koa dia nanomboka indray aho tamin'iny faran'ny herinandro iny. Ny olana tamin'ireny video ireny dia fohy loatra ny fotoana nanaovana azy (2 andro raha misy) ka manjary lasa tandra metaka ihany. Misy anefa ireo olona mampiasa azy ireny amin'ny zavatra matotra kokoa (hianarana hira any am-piangonana aty andafy sns). Koa amin'ny manaraka aho dia hiezaka hanao azy tsaratsara kokoa, na ny fandrindrana ny mozika izany na ny feo. Tamin'ny voalohany mantsy ny tanjona dia hoe hihirahira fotsiny dia haka sary... fa raha vao manomboka misy mampiasa toa izany ilay izy dia mila zavatra matomatotra kokoa. Koa ho hita eo ny amin'ny manaraka.
Ce n'es pas une blague... Je viens de recevoir 120 euros de telecom Italia... Et je suis content... Miala tsiny fa teny gasigasy ny tohiny fa natao hisintomana kil fotsiny ilay mody natao teny frantsay eo ambony... litera 140 mandeha any amin'ny twitter sy facebook.
Fa tena marina. Nahazo verim-bola 120 euros tamin'ny telecom Italia aho. Aza miteny hoe izay vola kely izany ve, satria sarotra dia sarotra vao mahazo vola kely amin'ireo entreprises italiana ireo. Ny mifanohitra amin'izany aza mantsy no mateti-pitranga. Tamin'ny herintaona, ohatra, dia nandritra ny herintaona aho mbola nahazo faktioran'ny ligne telefonina tsy nampiasaiko akory na 1 segondra aza. Nefa isam-bolana dia tonga hatrany ilay faktiora. Ny ligne ampiasaiko amin'io efa fournisseur hafa mihitsy. Tato ho ato aho vao tsy nahare tohiny intsony fa angamba tonga saina, na reraka, na humm.
Ka ahoana ary ny momba ity 120 euros ity. Nanomboka tamin'ny faran'ny janoary teo dia tapatapaka ny internet tao antrano. Ny telefona mandeha tsara fa juste ny internet. Dia isaky ny tapaka dia miantso ny support avy hatrany aho. Dia amboarindry zareo ao anatin'ny 48 heures... dia avy eo tapaka indray dia toa izany foana. Misy fotoana izany rehefa tsy tapaka izy dia miari-tory bebe kokoa aho mba hahafahana manao zavatra dia rehefa tapaka izy dia matory aloha. Fa tsy tapaka mihitsy aho ny miantso ny support isaky ny tapaka. Farany dia niantso ny support commercial telecom aho nametraka fitarainana... notehiriziny tany ny fitarainana fa omaly kosa izy vao niantso dia nilaza fa averiny ny 120 euros.
Tsy mahasolo ny ora very isaky ny tsy misy internet io... fa mahafaly rehefa mba manao toa izany ny Telecom.
Efa firesako eto amin'ny blaogy matetika ny teny hoe Italiafrika izay iantsoako an'ity firenena ipetrahako ity. Italiafrika satria na dia aty Europa aza izy dia mbola toe-tsaina Afrikana ihany no ao anatiny. Ary tena Afrikana tokoa na amin'ny ratsy na amin'ny tsara. (tohiny)
Tsy fantatro tsara na oviana na oviana ilay herinandro, ary tsy haiko na ofisialy na any amin'ny FB ihany, fa rehefa henoko teto ilay izy dia mba iny koa aho hiteny kely. Tsy zoivina amintsika intsony angamba (rehefa midoka tena kely) fa anisan'ny loha laharana amin'ny teny malagasy eto amin'ny internet ny takelaka serasera.org. Ny toe-tsaina, toe-po, sy toe-panahy malagasy no nentina teto nandritra izay 11 taona izay ka na dia tsy vita aza ny nandika teny malagasy ara-teny (mot-à-mot) ny zavatra rehetra dia ao anaty ao hatrany ireo toetra malagasy ireo. (tohiny)
Noezahina nahitsy sy nandramana omaly sy androany ilay fampidirana sary avy ao amin'ny Facebook mankao amin'ny namana.serasera.org dia hita fa efa mandeha. Izany hoe na omaly aza izy dia efa nety fa miadana be fotsiny ilay dingana lalovana. Noezahina notsotsorina izany dingana izany ka mba efa segondra vitsivitsy sisa dia miseho ny sary. (tohiny)
Tsia, tsy ilay resaka roa farany nataoko teto amin'ny blaogy talohan'ity no tena anton'ity lahatsoratra ity fa zavatra hafa mihitsy. Fotoana elaela ihany izay dia manafika be mihitsy ny spam teto amin'ny blaogy.com, na ireo mpametraka lahatsoratra feno dokambarotra eny amin'ny hevitra rehetra eny amin'ny blaogy eny. Notadiavina ny vahaolana dia mba nihena kely ry zalahy fa mbola tsy fongana ihany. Tamin'iny herinandro iny ary dia ilay fitaovana hoe reCaptcha no nampiasaina (Eny, novidian'ny google ihany koa ny reCaptcha). Hitako nihena be ny spam fa mbola misy ihany :-)
Dia nitaditady tetsy sy eroa aho hoe vitandry zalahy koa ve ny nandrafa ny reCaptcha? Koa tsy maty antoka i Google nividy azy? Avy eo nefa hitako nisy nilaza fa tena olombelona no mametraka ireny spam ireny indraindray. Izany hoe misy manakarama mihitsy ry zalahy hametraka pub be dia be izay tratra. Mazava ho azy fa tsy mahavita betsaka tahaka ny taloha izy fa mbola mahavita ihany: copier-coller dia vita. Koa raha io no marina, dia tsy ho voasakana mihitsy na dia hasiana fametrahana lavotondro aza alohan'ny hametraka hevitra. Afaka adidy aho noho izany an :-)
Fa miresaka an'ireo mersenera informatika ireo ihany dia hasiako resaka fara-parany ilay nolazaiko tamin'ny lahatsoratra roa talohan'ity. Efa mila ho azo antoka izao fa ry zalahy avy ao amin'ny RTA no tena migafy ao amin'ny karajia.org. Avy any Madagasikara izy na dia noheverina hoe avy aty andafy aza teo aloha. (Sa ilay akama lasa nanao vakansy any Dago?). Olona vitsivitsy izy (ekipa) fa tsy olona iray. Ankoatra ny fampiasana proxy anonyme, izay efa voasakan'ny fitaovana napetraka, dia manjary miovaova ip koa ry zalahy ary ip any Dago no ampiasainy. Client-n'ny moov aloha ry zalahy. Ary mino aho fa voakarama ry zalahy satria nahoana? Raha olona tsy mahazo tombony manokana, tombony ara-bola bebe mihitsy, dia tsy handany adin'ny 6 mahery mandritra ny iray andro hitadiavana fomba hanafihana ny kaajia. Tena miezaka mitady ny fomba rehetra mihitsy (hatramin'ny mandoa vola hividianana vpn). Koa efa tonga any Dago koa izany izao ny mersenera informatika.
Tsy mampaninona aloha raha mahazo vola sy mahazo tombony tokoa... efa mba misy iray mahazo tombony fa tsy hoe ry zalahy maty antoka moa izaho koa maty antoka. Tsiky dia ampy :-)
Efa andro vitsivitsy izay no niadiana tamin'ireo bandy mpigafy ao amin'ny karajia.org. Efa nisy ihany ireo fepetra noraisina vitsivitsy saingy tsy afaka manoatra firy satria manjary betsaka koa ny ankizy voasakana raha tena ampiharina daholo ny fitsipiky ny aro loza rehetra. Ny hirariana fotsiny dia mba ho eo hatrany ny ops rehefa raikitra ny fanafihana satria azon'ny op sakanana ihany ilay izy.
Fa toa izao ny zavatra kely azo zaraina momba io karajia.org io.
Nanomboka tamin'ny 22 janoary 2010 dia naka lohamilina (serveur) manokana ho azy ny karajia.org rehefa avy nampiasa ny tambazotra (reseau) epiknet.org nandritra ny 7 taona. (Tamin'ny 2003 tokoa mantsy no nanomboka nisy chat teto amin'ny serasera ka tao amin'ny epiknet.org no nangataka trano.) Tsy dia sarotra loatra ny nametraka ilay lohamilina satria natao faran'izay tsotra. Araka ny nolazaiko dia tsy dia nandaniana andro be loatra ny resaka fiarovana satria tsy noheverina hisy hanafika izany mihitsy izy io.
Nanomboka nisokatra tsara tao amin'ny tambazotra karajia.org ary ny efitra #serasera ny 23 janoary 2010 izay efitra ofisialy voalohany. Misy eo amin'ny 50 eo ny salanisan'ny ankizy mi-chat ao isanandro. Misy fotoana mahatratra 80 tsy ao anatiny ny robots isankarazany.
Nanomboka tamin'ny Jolay 2010 dia notehirizina ny resaka rehetra mandalo eo amin'ny efitra #serasera. Nanomboka tamin'io ka hatramin'izao anoratako izao dia mahatratra 1.489.844 ny isan'ny andalana voasoratra tao. Mahatratra 34.573 kosa ny isan'ny solonanarana efa nandalo tao. Marihina fa ny solonanarana iray dia tsy midika hoe olona iray. Amin'izao dia 19 ny efitra voatahiry ankoatra ireo efitra izay foronin'ny ankizy fa tsy tehiriziny.
Misy solonanarana voatahiry (enregistrés) 129 amin'izao fotoana izao. Marihina fa ny solonanarana voatahiry dia voafafa ho azy ao anatin'ny 40 andro. Ireo solonanarana 129 ireo izany dia ireo izay nampiasaina tao anatin'ny 40 andro farany.
Raha ireo rehetra ireo no dinihina dia rariny ihany raha misy manafika isanandro ny karajia.org. Izy no chat gasy tranainy indrindra, izy no chat gasy be mpi-chat indrindra, izy no manana mpikarakara be fandeferana indrindra :-p
Niharan'ny fanafihana mahery vaika (lol) tato ho ato ny serveur irc-n'ny karajia.org. Mikolay daholo ny ankizy rehefa tena raikitra ilay izy. Eny e, tsy dia tena mahery vaika manao ahoana fa manelingelina fotsiny. Ary raha ny tokony ho izy ary dia tsy tokony hiseho akory ilay izy... fa izany hoe nisy.
Tsy tokony hiseho satria serveur privé ny karajia.org, tsy dia misy hoe olona hafa avy any ivelany mampiasa. Ny efitra ao dia ny an'ny serasera ny ankamaroany. Olona fantatra daholo na mifankahafantatra daholo (virtuellement) no tena ao. Noho izany tsy dia misy handany ron-doha hanafika ao satria tsy misy tombony. Izany rahateo no tsy nandaniako ron-doha hiaro be loatra an'ilay serveur. Mandany ressources sy fotoana fotsiny kanefa tsy hisy hanafika akory. Eritrereto hoe mipetraka any ambanivohitra lavitra andriana ianao, ianao sy ny fianakavianao irery no eo amin'ny tanàna... tsy manana harem-be sy ny sisa... dia matetika tsy manidy trano. Toa izany no niheverako ny karajia.org
Tato ho ato anefa dia tonga ny mpamosavy malemy. Ny ao antrano ihany no asiana. Araka io nolazaiko eo ambony io dia tsy olona avy any ivelany fa tsy maintsy izahay samy izahay ao ihany. Mampiasa izao fitaovana rehetra (andaniana vola mihitsy) hanafihana ny réseau karajia.org. Betsaka ny karazana attaque ataony amin'izany, flood, cycling, CTCP flooding any amin'ny mpitsaty hafa. Misy ny ankizy izay tsy tapaka matetika satria tonga dia mitobaka be ny tosaka alefany dia tapaka ny fifandraisana. Mamorona canal manokana mihitsy dia izy irery no mi-flood ao mba handavoana ny serveur.
Androany ary dia tafaresaka izahay roalahy (sa mianadahy satria tsy hay na lahy izy na vavy). Dia fanadrohadroana an-kolaka moa no nataony voalohany, toa ny hoe "reraka ve" sy ny hoe "hosakanana koa izany ity". Izaho kosa nanontany ny tena anton'ilay fanakorontanana. Nolazainy tamin'izany fa manandrana sy mianatra izy. Dia eto amin'ny serasera no mampiasa izay kely hainy. Dia nijanona tamin'ny "hahaha" sy ny "mdr" moa ny resaka nifanaovanay. Izaho rahateo amin'io sady miezaka misakana ny zavatra ataony atsy ambadika ihany.
Koa androany izany dia lany indray ny tapakandro hariva nametrahana tao amin'ny karajia.org ireo fiarovana rehetra tokony atao amin'ny reseau lehibe... na dia tsy lehibe aza ny karajia.org... vokatry ny nataon'olona iray. Manampy ahy hianatra be be kokoa koa izay... Tsiky dia ampy fa nandany fotoana sy ron-doha fotsiny.
Mahagaga ihany fa teo aloha dia nangataka ny hanagadràna
an-dRavalomanana ny HAT... kanefa nony hody izy ity dia tsy navela
indray. Izany ve tsy manamafy hoe tsy misy dikany izany ny fitsarana
malagasy amin'izao fotoana izao? I Christine ao efa falifaly mihitsy
hoe hiampy iray indray ny client eny Tsiafahy kanefa toa matahotra
indray i Rajoelina sy i Camille ka vao roa andro mialoha dia efa
nalefa daholo na NOTAM na famporisihana ny olona hibahana ny aeroport.
I Ravalo nefa amin'io ho tonga tahaka ny mpandeha rehetra ary tsy nisy
mercenaires nanaraka akory araka izay novoizina tetsy sy teroa.
I Ravalo anie hono efa tsy mamim-bahoaka e. Koa maninona no sakanana
fa tsy avela ho menatra eo? Ary raha hoe hanakorontana indray no
hahatongavany, dia haharesy andry zalahy efa nanakorotana tamin'ny 26
janvier 2009 ireny ve izay olona karamainy hanakorontana? Sady izao
mbola niampy ny AV7 indray ka tokony tsy hahavanona mihtsy i Ravalo fa
hatahotra aza.
Koa maninoa ary izany izy no nosakanana fa tsy notsenaina fotsiny
tamin'ny polisy teny Ivato dia samy nilamina :-) Hay matahotra ihany
ny HAT rehefa tena tonga tokoa ny tokoa.
Eto amin'ny sary dia Ravalomanana sy ny fianakaviany alohan'ny
hidirany ao amin'ny fiaramanidina.
IZay izany no vaovao farany tamin'ity herinandro ity dia ny hoe hody amin'ny asabotsy i Ravalomanana rehefa nivahiny tany Afrika Atsimo nandritra ny roa taona. Zavatra vitsivitsy no mety hitranga fa amin'io kosa, raha tena tonga tokoa izy, no hahitana hoe iza no tena politisiana ary iza no jiolahim-boto. Fa inona tokoa no manentana an-dRavalo hody?
Voalohany indrindra aloha dia inoana marimarina tokoa fa efa misy tetika politika goavana nomanina hatry ny ela io daty hiverenany io. Tsy hoe vao nifoha dia hoe, izaho andeha hody.
Faharoa dia efa mitady hilamin-damina manana aretina ny Malagasy ka mila action kely... Ary fanararaotana azy izao Afrika mafampana izao (Tonizia, Ejipta, Libia)
Fahatelo dia efa manomboka arahin'ny Vondrona Iraisam-pirenena maso akaiky ny HAT taorian'ny fansalovan'ny (cyclone) Simao aniny SADC. Ka raha vao manao fihetsika hafahafa tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy dia ho voa.
Fahaefatra dia tsy eken'ny sain-dRavalo raha ny mpanaradia azy (fetison) indray no lasa hEros satria nigadra sns, ka mety ho lasa vedety kokoa. Ka dia izy mihitsy no hitarika ny tolona.
Fahadimy dia efaniandry ela loatra ny Magro. Efa saika niova hoe "Andraso eo i dada" ilay hoe "Andraso eo i Paoly". Ka raha ela loatra ilay fihaonana dia lasa "lavitry ny maso, lavitry ny fo"... Tahaka ny mpifankatia virtoaly eto amin'ny internet ihany.
Farany dia hitan-dRavalo fa azo atao tsara, raha sendra tsy tafaverina eo amin'ny fitondrana, ny mialokaloka eto Madagasikara ihany fa tsy voatery ho any Afrika Atsimo. Nahita ny nataon'i Moubarak nandeha any Charm-El-Sheik mantsy izy.
Amin'izao ary aloha dia samy manao taim-bava na i Ravalo na i Christine Minisitry ny fitsarana. Fa ho hita izay tena hitranga amin'ny asabotsy.
<p>Omaly hono ny st Valentin... Dia feno hafatra etsy sy eroa. Tadidiko fony tany Nairobi dia manao akanjo mena daholo ny vehivavy na madio na maloto. Ny manamanana moa miaraka amin'ny fiara mena. Dia rehefa hariva dia mitondra raozy mena ny lehilahy. Ny teto Roma aloha tsy dia hitako nisy fiavahana be loatra raha tsy tao amin'ny tele no efa io foana ny resaka hatry ny tamin'ny asabotsy.
Fa ny an'ireo ray amandreny taloha toa andry papa sy mama ohatry ny tsy mba nila St Valentin e? Isanandro izao dia mifaneho fitiavana foana. Tamin'ny farany teo aza, izahay no natao Mariazy dia ry zareo no nanararaotra indray nanao volan-tantely :-) (eo amin'ny sary tany Toamasina)
Ah, tadidiko tampoka. Nandritra ny mariazy tokoa dia mompera hafa, fa tsy ilay nanome fiofanana sns, no nanao ny lamesa. Asa izay nanjo azy tao fa ny anaran'i papa sy i mama indray no naverimberiny isaky ny tokony hanonona ny anaranay. "Tonga eto isika hanatrika ny fanamasinana ny fanambadian'i Eugene sy Emma"... Dia gaga ny olona hoe hay manana anaram-bazaha hoe Emma koa ny vavy? Ry papa sy mama amin'izany nitsiky fotsiny fa angamba nahatsiaro ny tttamin'ny 34 taona lasa. Notenenina mihitsy ilay mompera hoe diso olona ange nareo izany e... Zay vao niova.
Anisan'ny nanamboarana an'ilay MailToBlog (jereo ny lahatsoratra afak'omaly) dia ny mba hahafahana indrindra manoratra ao amin'ny blaogy na dia aty anaty metro aza... Izay rehetra mahalasa ny saina sy eritreritra mandalo dia azo soratana avy hatrany fa tsy miandry any an-trano indray satria mety ho lany morsa. Fa hiditra amin'ny tena resaka aho. Manoloana ny zava-mitranga ao Ejipta amin'izao fotoana izao dia mieritreritra ny tokony ho nitranga tao Madagasikara tamin'ny fotoan'androny aho, na ny marina kokoa ny zavatra noeritreretin-dRavalo ho natao nefa tsy tanteraka tamin'izy nanolotra ny fahefana. Tahaka an'i Moubarak dia tratran'ny ankamehana izy, ary tahaka an'i Moubarak dia tsy nanome ny fahefana ho an'ny Filohan'ny Antenimiera izy, araka ny tokony ho izy ao amin'ny lalam-panorenana. Io mantsy no karazana vice-president. Fa ny miaramila, tahaka ny nataon'i Moubarak, no nomeny azy. Hatreo ihany no nitovy ny tantara, satria ny an'ny Gasy dia tsy nanam-potoana hisaorana sy hiderana ny fahendren'ilay filoha nametra-pialana akory izao tontolo izao, toa ny ataony amin'i Moubarak... dia efa nisy nandrombaka ilay fahefana. Dia nivadika ny tantara satria nanjary nitaky ny hamerenana an-dRavalo indray ny firenena hafa. Inona ny zava-nitranga? Tsy niray ve ny miaramila ka tsy afaka hitantana fienena? Tsy mahay an'izany mitantana directoire militaire izany ve ny miaramila gasy, tsy toy ny tamin'ny andron'i Gal. Ramanantsoa intsony? Nahazo vola ve ny miaramila ka nanipy ny adidy "ho an'ny tanindrazana" nomena azy? Nandrahona sy natanjaka ve ny mpaka Fanjakana? Inoako anefa fa raha nisy directoire militaire tao Madagasikara, na dia iray volana monja aza, dia avy eo nomeny ny teteza-mita, na dia tarihan'i Andry Rajoelina aza, ny fahefana dia tena ho hafa be ny fandehan'ny tantara ary tsy ho nisy izao krizy izao... Ary mety ho noderain'ny twitter sy facebook koa ny tgv hoe nanafaka an'i Madagasikara. Fa tsy nitovy ilay tantara e... ny aza jiolahim-boto ihany...
Manomboka izao dia azo atao ny mandefa lahatsoratra amin'ny alalan'ny email hiseho eto amin'ny blaogy. Izany hoe alefanao mailaka amin'ny adiresy izay anao manokana, tsy asehosehonao olona, ny lahatsoratra sy ny sary dia mitranga avy hatrany ao amin'ny blaoginao.
Ahoana no fanao izany? Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao ianao dia mandehana ao amin'ny "Momba ny blaogy" dia tsindrio ilay hoe Mailaka alefa blaogy. Ao amin'io no hahitanao ny adiresy manokana izay handefasanao ny lahatsoratra. Ny lahatsoratra alefanao dia miseho ao amin'ny blaogy afaka 5 minitra raha ela indrindra.
Raha toa ka tianao hovaina ny adiresy manokana dia misy fomba koa ao hanovana azy. Ny lahatsoratra dia azonao asiana endrika (gras, italique, loko sns) Inona ny fepetra? Amin'izao aloha dia sary iray ihany isaky ny lahatsoratra no azonao alefa. Mbola hihatsara tsikelikely io arakaraka ny fotoana.
Manomboka izao dia azo atao ny mandefa lahatsoratra amin'ny alalan'ny email hiseho eto amin'ny blaogy. Izany hoe alefanao mailaka amin'ny adiresy izay anao manokana, tsy asehosehonao olona, ny lahatsoratra sy ny sary dia mitranga avy hatrany ao amin'ny blaoginao.
Ahoana no fanao izany? Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao ianao dia mandehana ao amin'ny "Momba ny blaogy" dia tsindrio ilay hoe Mailaka alefa blaogy. Ao amin'io no hahitanao ny adiresy manokana izay handefasanao ny lahatsoratra. Ny lahatsoratra alefanao dia miseho ao amin'ny blaogy afaka 5 minitra raha ela indrindra.
Raha toa ka tianao hovaina ny adiresy manokana dia misy fomba koa ao hanovana azy. Ny lahatsoratra dia azonao asiana endrika (gras, italique, loko sns) Inona ny fepetra? Amin'izao aloha dia sary iray ihany isaky ny lahatsoratra no azonao alefa. Mbola hihatsara tsikelikely io arakaraka ny fotoana.
Sao mbola nisy tsy nahalala :-) Izany tokoa mantsy no fanao, rehefa ho any Dago dia tsy miteniteny fa rehefa avy any dia atao fantatry ny rehetra any amin'ny fb sy bf (vakio hoe béfé) rehetra any. Sary etsy sy eroa, ary matetika atao karazan-toerana maro mba hitenenana hoe voatetiko i Madagasikara (yes, ho avy tokoa ny sary lol). Etsy Ampefy no maka sary, atao angles maromaro dia toa ny hoe tany Nosy Be sy Sainte Marie... (azo atao tsara) (tohiny)
Efa ela mihitsy izay tsy nanaovana noely teto Dago izay. Hatramin'izay mantsy dia mandritra ny vakansy lehibe ihany no tonga eto. Efa tsy dia zatra intsony mihitsy... ka ireto ny zavatra tena naitra ahy. Ny zava-mitranga moa indraindray tantaraiko ao amin'ny twitter-ko ao amin'ny http://twitter.com/hery
Tany Arivonimamo aho no nipetraka nandritra iny Herinandro iny. Tamin'ny faran'ny herinandro teo izahay dia teny Miarinarivo sy Ampefy. Tsy dia tena nisy inona loatra tany amin'ireo tanàna ireo fa mba nandalo fotsiny.
Ny famantarana fa hoe fety na manakaiky fety hono eto Iarivo dia ny fitohanan'ny fiarakodia. Raha mandeha tongotra matetika no tonga aloha. Ny antony tsy handehanana tongotra sisa dia ny hoe sao ho reraka (indrindra ho anay zokinjokiny), na sao vetivety dia lany ny kiraro (ny arabe eto Iarivo rahateo mikiky kiraro be), na sao avy ny orana (mamely koa io amin'izao), na rehefa mampiaraka (ka tsy te hojerijerendry zalahy eny an-dalana), na rehefa sady mi-telefona (raha matahotra mpisam... kanefa tandremo manamorona varavarankely fa lasa sélémém indray)... na rehefa mitondra vola be (rehefa avy nanakalo euros tetsy antaninarenina... indrindra rehefa eny amin'ny sisiny ka tsy maintsy voatery manisa :-))
Dia ny famantarana fa akaiky koa ny fety dia ny fisian'ny kilalao be dia be. Feno olona ohatra iny petite vitesse sy iny behoririka iny... sarotra mihitsy na dia mandeha an-tongotra aza. Ny kilalao hitanao eny ny ankamaroany dia vita sinoa... amin'ny karazany avy. Sarotra ny mahita kilalao ho an'ny ankizy latsaky ny 2 taona (soa ihany i Aina fa efa nitondrana kilalao mahazatra azy)
Fa hatramin'izao aloha dia tsy mbola misy loatra ny fanaingoana tanàna... afatsy ny hoe saina maitso fotsy mena teo amin'ny Hotel de Ville vao notokanana angaha. Tsy dia be koa ny hira krismasy toy ny taloha hoe mandeha mafy be eny antranon'olona eny. Efa tsy dia mahazatra ny olona intsony angamba ny manana mp3 na CD krismasy toy ny nanananay K7 krismasy taloha.
Famantarana iray koa dia miha lafo ny vorona sy ny akoho. Mahakivy mihitsy fa odiana fanina fotsiny. Aleo ny vehivavy no asaina miantsena dia tsy anontaniana hoe ohatrinona ny laniny amin'izay tsy marary fo. Moa raha tena miteny ny vidiny izy dia avadika euro malaky dia mba tsy mavesatra loatra... fa na izany aza *%$£#£ù*
Na izany na tsy izany dia milay ihany ilay manao krismasy aty Dago...
Izao vao miseho ato amin'ny blaogy ny video natao tamin'ny faran'ny herinandro lasa. Raha ny tena izy dia hira fotsiny no tena natao fa ny sary nalaina tao amin'ny tahiry. Sary tamin'ny nandehandeha tany Rimini sy Firenze. Avy mantsy ny orana tamin'iny weekend iny dia tsy tafavoaka mihitsy. (tohiny)
Mbola misy roa herinandro vao tena hiraina ao am-piangonana ity hira ity. Hanomboka mantsy ny fotoanan'ny fiomanana (avent) handraisana ny fetin'ny Noely. Matetika dia hira atao mandritra ny fitsenana ny Evanjely miaraka amin'ny dihy izy ity. Filazàna fa efa akaiky ny Tompo ka amboary ny làlany.
Ny toerana nakàna ny sary dia teny amin'ny Rovan'i Subiaco.
Ny lohatenin'ny hira Ny Tenin'ny Tompo ao amin'n Fihirana Hasina 58
Betsaka tokoa ny resaka momba ny fitsapan-kevi-bahoaka ho avy ity ka mba arosoko ihany koa ny ahy. Mizara efatra izao mantsy ny firehana. Ireo mampanao Eny, ireo mampanao Tsia, ireo mamporisika tsy hifidy ary ireo izay tsy mahalala n'inona n'inona ka mifidifidy na tsy mifidifidy (firehana koa ireo). Hoy i Simp tatsy ambadika hoe "Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe tsy misy dikany ilay
fifidianana satria na eny na tsia no lany dia tsy mampiova inona izany"... dia izay no manentana ny olona tsy hifidy. Raha ny fahalalako azy anefa, ny manentana ny olona tsy hifidy dia ilay fiarovana ny safidiny. Eritrereto tokoa moa fa raha TSIA no alatsakao kanefa miova ho ENY tampoka rehefa avy eo... dia aleo tokoa tsy mifidy. Amin'iny mantsy ny safidinao mba tsy azo angalarina. (tohiny)
Tsy tao anaty lisitry ny hira tokony hatao ity hira ity fa noho ny namako iray namoy ny rainy dia natao mba hiarahana mivavaka aminy. Mirary fiononana feno. (tohiny)
Tsy hoe avy akory ny orana nefa misy masoandro. Io mantsy no famantarana tamin'izahay mbola kely rehefa misy mpamosavy maty. Fa raha ny fahitako azy dia nanjavona tsikelikely ny SPAM (na PAM'S gasy) tato ho ato. Angamba vokatry ny nanovana ny fond-n'ilay sary kely. Nasiako soratsoratra hafa mantsy ilay sary ka nanjary nifangaro tamin'ilay isa eo amboniny. Raha ny tokony ho izy dia tsy voavakin'ny milina intsony io fa tsy maintsy olombelona mihitsy vao mahita tsara ilay isa... asa anefa fa ny mpam's moa mpam's eny ihany. Fa saika hiteny aho hoe mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valinkitsaka.
Telo taona toa izao no nakàna ny sary. Nandritra ny dianay avy ao Fianarantsoa ho any Ranomafàna. Tsy tena tao anaty programa ilay Ranomafàna fa tsy nisy taxi-brousse avy tao Fianarantsoa mandeha any Toliara raha tsy ny alina dia nanapa-kevitra kely hikodia any Ranomafàna. Nandeha maraina izahay dia niverina ny hariva. Naka tomobil drokadroka izay fa mbolamitàna tsara. Alohan'ny hiainga dia notrohan'ilay saofera aloha ny lasantsy (io ilay atao hoe amorcer-na) dia atao anaty carburateur satria tsy mahasintona intsony ny paompy. Nony niverina dia vaky ny kodiarana. Efa hitako sola dia sola ihany ilay izy talohan'ny handeha fa ny anay koa moa fanalàna azy rahateo dia lasa zao.
Tonga tany Ranomafana izahay dia nihidy ny piscine (tsss) kanefa saika hiboridandridana tao.
Anisan'ny resakay tamin'izany satria feno pub-n'ny Tiko ny tanàna tamin'izany dia hozy ilay bandy akama hoe mora hono ny fiainana tamin'ny andron-dRatsiraka. Feno Magasin M ny tanàna kanefa ny Magazin M mora kokoa noho ny an'ny Tiko. Amin'izao angamba i leiry faly kokoa satria misy Tsena Mora mihitsy amin'izao.
Izany eo ihany fa telo taona androany izany izay no niraisanay tao amin'ny firaisana (sarotra ihany ilay teny gasy. niraisana = s'unir, firaisana = commune) Arivonimamo.
Mbola tsy tafiditra ao anaty youtube ny video tamin'iny weekend iny fa variana nampiditra video-n'olon-kafa sendra tao anaty tahiry ka dia aleo hanoratsoratra eto aloha.
Androany maraina aho nanokatra ordi tato am-piasana... dia nisokatra avy any ilay fitaovana fampiasako fijereko ny zavatra rehetra (filazana momba ny email, twitter, serasera sns) dia hoe "While you were away..." na hoe nandritra ny tsy naha-teo anao dia ireto ny zavatra nitranga. Email xxx, twitter xxx sns.
Dia tsaroako tampoka ilay nolazain'i Simp mikasika ny zava-mitranga isa-tsegondra. Sady kivy ihany aho amin'ny lafiny iray hoe inona re ity nampidirin'i Simp tao anaty conscience-ko grrr. Hoe isa-maraina manjary tsaroako fa nandritra ny tsy naha-teto ahy dia be dia be ny zavatra nitranga. Betsaka ny zavatra tsy arako. Etsy an-daniny anefa manentana ihany ilay izy hoe aza mitaredretra ary. Mifohaza malaky dia manenjeha indray.
Ny hira hitranga eto rahariva dia "Tompo o izany hafaliako"... fa nisy zavatra nahafaly be ahy tamin'iny herinandro lasa iny.
Vokatry ny nanaovan'ny TIM ahy tamin'iny volana lasa iny dia nanapakevitra aho nanomboka omaly fa hiala TIM. Nokapohin'ny TIM antsokosoko mantsy aho rehefa tena dinihina. Toa izao ny tantara. (tohiny)
Tamin'ity indray mitoraka ity vao hitako ny fanovana ny positions (x,y,z) tsirairay ao amin'ilay Cinelerra rehefa. Natao anjoanjo fotsiny mantsy izy tamin'ny taloha. Fa na izany aza dia mbola hita ihany fa tsy tena precis ilay nanaovako azy. Nisy olana ohatra ny soratra mihetsika satria indraindra dia diso ny toerana nanapaingorana ny keyframe voalohany.
Mbola tsy ao tsara koa ilay mask fa indraindra miseho tampoka. Tsy nojereko intsony koa moa talohan'ny namaranana azy kay nisy tsy nety.
Zavatra saika natao ihany koa ny pseudo camera-motion. Izany hoe ny camera fixe tsy mihetsika fa ny sary no ahetsika dia mba tahaka ny hoe misy olona maka ilay sary. Mba hampety azy anefa dia mila marge lehibebe kokoa hahafahana manakisaka ny sary. Hatsaraina amin'ny manaraka fa tsy hita tsara.
Farany ny hira tamin'ity dia tsy nampiasana afatsy piano. Mazava ho azy fa teo no tena nahitana hoe mbola tsy lasa lavitra ny fahaizana satria tsy nanampy intsony ny teknolojia-n'ny Cubase. Ohatry ny niadana loatra koa ilay izy, angamba amin'izay mba haihay kokoa.
Ihafio ao e.
(NB. Ny soratra tonga dia nataoko fa mbola ela be vao tafiditra ao amin'ny Youtube ilay izy. Rahampitso maraina vao ho hita ny sary.)
Omaly dia niseho tamin'ny gazety ary nalaza be tamin'ny vaovao hatramin'ny androany ny momba ilay vehivavy romena iray nasian'ny bandy iray totohondry teo amin'ny tavany tamin'ny zoma teo ka tonga dia latsaka en coma ary mbola miady aina amintsika miteny izao. Marina fa mety nisy ny ady am-bava teo amin'izy ireo nivoaka avy ao amin'ny metro fa maika loatra ny tanan'ilay ranamana ka izao nandratra olona izao. Miala tsiny nanoratra sy nangata-pamelàna izy rehefa avy eo hoe tsy nampoiziny ny zavatra nitranga saingy efa tara loatra hoy ny fianakaviana.
Zavatra vitsivitsy no nifangaro tao amin'ilay tantàra ka nahatonga io lohateny io. Ankoatry ny adin'izy roa, izay ilazàna foana hoe izay mikasi-tànana dia diso sy azo torìna hatrany, dia nisy zavatra hafa nitranga. Rehefa latsaka tamin'ny tany taorian'ny totohondry ravehivavy dia nijanona minitra maro teo amin'ny tany, nojeren'ny mpandalo fotsiny, vao nisy nanavotra. Raha nisy namonjy avy hatrany angamba izy mety tsy dia ho lalina loatra ny fahavoazana. Fa dia naninona loatra? Tahotra ve? Sa dia efa tsy nisy fo intsony izay nandalo? Mora tokoa aloha no mifanome tsiny fa raha toa ka teo amin'ny toeran'ireo mpandalo ny tena dia inona no ho natao? Impiry tokoa no misy olona mitsiràra eny Analakely, eny Behoririka, eny Besarety, kanefa dia dinganina fotsiny? Mety hoe mamo, matory, sns. fa raha sanatria ka mila vonjy?
Araka ny nolazain'ny lehiben'ny commune eto Roma dia hohenjehina araka ny lalàna manasazy ny "tsy famonjena olona tra-doza" ireo rehetra nandalo fotsiny tamin'iny fotoana iny.
Tao anatin'ny iray volana latsaka dia finday roa azo heverina hoe lafo vidy ihany no simba tampoka :-). Natontan'i Aina tamin'ny tany dia simba ny ecran. Ny iray dia I-Mate PDA2K mbola mijajika tsara, ary ny iray Nokia 95 8Gb. Sendra mipetrapetraka eny ilay izy dia alainy dia rehefa hitany hoe bloqué ka tsy hitany izay azo atao dia tonga dia atontany amin'ny tany amin-kery lehibe. Malaky kokoa ny filatsak'iny avy eny an-tanany noho ny fihazakazako avy ery ambony seza hamonjy an'ilay izy. Rehefa miparitaka vao tonga saina.
Koa satria lafolafo daholo ireo telephone ireo fa tsy tahaka ny mahazatra ahy (Any izay ilay motorola mitovy amin'ny kobandravina), dia naleo nitady ecran tao amin'ny ebay dia nosoloina. Ny ecran iray dia manodidina ny 25 Euros eo. Tonga dia miaraka amin'ny tourne-vis, fa mila mividy hafa satria karazany telo ny vis ao anatin'ny tel.
Dia lasa mpanamboatra finday tampoka indray izany tsss.
P.S. Momba ilay facebook nolazaiko tamin'ny post teo aloha. Aza omena tsiny raha tsy voavaly na voavaky ny commentaire alefanareo fa mbola tsy mijery facebook ihany aho :-). Misy nuance ny hoe miditra facebook indray sy ny hoe mandray anjara facebook.
Tamin'ny volana desambra 2009 aho no tena ni-facebook farany. Nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian'io dia nandalo ni-desactiver ny emails sns fotsiny. Ary nanomboka tamin'ny Janvier 2010 tany dia tsy niditra facebook tanteraka intsony. Nazava tsara moa ny tanjona tamin'ireny dia ilay hoe handany andro hanao ny serasera.org tanteraka ary azo lazaina hoe tratra araka izay niheverana azy tamin'iny été iny. Tsy dia misy tena antony manokana hiverenako facebook amin'izao fotoana izao fa mahafinaritra fotsiny ilay hoe hiditra facebook indray. Fantatro rahateo fa tsy hisy hivaky loha na miditra aho na tsia lolll.
Inona izany ny tanjona?
- Mila manana "amis" mihoatra ny 5000 aho alohan'ny Paka 2011. Ampidiro amis-ko daholo ze bodo sy adala hitanareo rehetra fa tonga dia accepter-ko. - Hasehoko an'i anona sy anona hoe tsy misakana hiserasera ny mampiasa facebook à fond lolll (Aza tezitra wa toi fa 100% io) - Hasehoko an'i anona sy i anona ary i anona fa na dia namako ao amin'ny facebook aza izy dia tsy namako tena izy :-) (Sao de hoe bizou bizou eo fa rehefa gline de gline) - Hitady kil amina produits vitsivitsy no tena tanjona kanefa tsisy hoe "Ajouter un client" ao ka dia tsy maintsy mody atao "amis" daholo ny bodo sy adala (Donc ami = client) - Hahazo kil ve aho? Vitsy ny hamaky ity lahatsoratry ny blaogiko ity ka ny ankamaroany dia hieritreritra hoe tena akama daholo :-) (Zay le hoe tsy aferanao eo am titre) - Ho an'ny namana tena namana :-). Aza miantehitra ny hifandray amiko ao amin'ny FB satria tsy ho hitako akory ny fifandraisana apetrakao ao. Ny email-ko sy ny tel-ko ihany ianteherana.
Taratara androany vao nivoaka ny video satria mbola nandehandeha nandritra ny weekend. Variana any Tivoli any tokoa amin'izao.
Ny hira amin'ity weekend ity dia tsy misy mozika. Hira anakiray mahafinaritra ahy izay mamehy ny fitsipi-piainana evanjelika telo dia ny fahantrana, fahadiovana ary ny fanekena. Io dia tsy voady telo natao ho an'ny relijiozy katolika irery fa natao ho an'ny olona rehetra. Miaina ny fahantrana arak'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy", miaina ny fahadiovana araka ilay hoe "Sambatra izay madio fo", ary miaina ny fanekena arak'ilay hoe "Tsy hotompoina fa hanompo".
Hira fihiranay sy i Papanay ity rehefa ilay "mikandra" iny izahay. Olona tena manam-pinoana i papa ary mino fa misy ny fahagagana. Izahay moa tsy misy azo atao afatsy ny migoka ny vokatry ny fivavahany. Mba mivavaka ihany izahay fa ny azy dia mahavariana mihitsy fa imbetsaka no tanteraka izay zavatra angatahany. Betsaka no tena tadidiko fa ny anakiray izay dia tena niteny mihitsy izy taorian'ny "neuvaine" izay nataonay hoe "Miandry ny valiny sisa isika"... dia tsy ampy herinandro taorian'izay dia nisy zavatra tsy noeritreretina nitranga tokoa. Rehefa mbola tsy ny tena no miaina azy dia sarotra inoana :-)
Ny hira dia ao amin'ny Fihirana Katolika, Hasina pejy 84. (tohiny)
Nanandrana nianatra blender tao anatin'ny ora maromaro aho tamin'ity herinandro ity. Tsy dia ratsy ilay blender raha hanaovana endrika 3D fotsiny. Ny blender dia fitaovana iray fanamboarana endrika 3D. Maimaim-poana izy io ary betsaka ny efa matihanina no mampiasa azy. Ny olana fotsiny dia raha vao manomboka mikitikitika animation dia ela be ny mamoaka azy avy eo.
Nandritra ny roa andro dia Linux (Ubuntu) fotsiny no nampiasaiko. Ary miditra amin'ny andro fahatelo aho izao. Amin'ny ankapobeny dia mandeha tsara daholo. Ny asa tato am-piasana, ohatra, izay tsy maintsy nampiasàna Internet Explorer (tsy ekeny akory ny Firefox) dia azo nihafiana ihany rehefa mampiasa Google Chrome. Ny documents fijery amin'ny WinWord rehetra dia jerena amin'ny OpenOffice. Rehefa any an-trano koa, ny fichier pdf tany amin'i Rondro novaina ho jpg dia natao tamin'ny Gimp. Amin'izany aho sady afaka mianatra Blender fa mila mahay resaka 3D kely ihany koa.
Androany no mety hisy olana satria misy resaka OCR ny asa atao. Manova texte amin'ny boky ho lasa document azo ahitsy. Izany hoe hampiasa scanner. Raha asa maika dia tsy maintsy hiova windows kely, fa satria tsy asa maika dia vao hojerena sy hianarana indray hoe inona no hanaovana azy.
Hitako izany amin'ny linux hoe raha manao zavatra standard ianao dia mety tsara daholo, fa raha vao manao zavatra manokana kely dia mitady vahaolana. Izany hoe mila mikarokaroka sy mikirakira. Izay no valin'ilay fanontaniana hoe "Maninona no tsy mampiasa linux daholo raha izany?"
Tsy hoe titre-na hira akory ilay sarotra be :-). Hitako mbola misy olana be amin'ilay fampiasana ny effets amin'ilay manamboatra video. Miankina amin'ny fitaovana rahateo moa ilay izy. Isaky ny manao preview dia tafakatra 100% ny fampiasana ny cpu amin'ilay ordinatera. Sarotra be, noho izany, ny mampifanandrify tsara ny feo sy ny sary. Ny fond nampiasaina koa dia rindrina fa tsy tabilao maitso ka dia noezahina nesorina aza ilay fond dia tsy tafa... Teo koa moa ny tsy fitandremana ka tsy hitako akory hoe tsy nisy effets ilay beso farany :-) (tohiny)
Toa ny mametraka video indray no vitako matetika kokoa noho ny manoratra lahatsoratra ho an'ny blaogy... tsy rariny. Niezaka aho mantsy hanao hira iray isan-kerinandro dia toa vita ihany aloha hatramin'izao.
Raha liana dia misorata anarana ao amin'ny canal-ko ao amin'ny youtube http://www.youtube.com/heriniaina
Ity ary hira anakiray izay ahatsiarovako an'ilay boay kely mpitendry tao am-piangonana izay. Efa tsy boay kely intsony izy aloha amin'izao fa tena nampihaiky ahy ny fitendriny. Taminy no nahenoako an'io intro io fa ny improv teny antenantenany indray feeling sendra niakatra. (tohiny)
Hira iray indray, mbola hiram-pivavahana ihany. Ianao ilay nirahina hanasitrana ny fo mivalo. Mbola ny fitaovana rehetra teo aloha ihany no nanaovana azy. Ny sary dia sary tahiry mampiseho ny sombin-dàlana Antananarivo - Arivonimamo.
Tena tiako ilay hira dia nataoko na dia tsy ampy fitaovana sy ratsy feo aza. Nandany fotoana ihany ny nanao azy fa vao fanandramana voalohany.
Hira nalaina tao amin'ny Fihirana Hasina P. 595 Ny video dia nalaina tamin'ny fakan-tsary finepix s1000 (Fujifilm), tsotra kokoa Ny mozika dia notendrena manontolo tamin'ny Behringer UMA25S. Ilay Yamaha PSR E323 nanarahana ny playback fotsiny. Ny feo dia narindra tamin'ny Cubase 5 (Nampiasa Halione1 sy Groove tamin'ny drums) Ny sary dia narindra tamin'ny KDEnlive 0.7.7.1 (tao anaty Linux ubuntu studio).
Ny micro izany no hitako tsy mamely... rehefa mba ratsy ny feo tokony azo amboamboarina amin'ny micro tsss.
Tonga teto an-tany tamin'ny alahady teo hono i Tsiky. Zazakely tahaka ny zaza rehetra. Ny nanaitra ahy fotsiny, ankoatr'ilay anarana nomen-dray sy reniny (akama) azy dia ny zokin'i Tsiky dia mitovy taona amin'i Aina, izany hoe 19 volana izao.
Mirary soa ho an'izy roa Ray aman-dRenin'i Tsiky Soary sy ny zokin'i Tsiky izay hendry be fa tsy mba mialona an-jandriny... Falifaly indray aza hono izy mahita an'ilay zazakely. Fa mba eritrereto hoe i Aina anie no manan-jandry sahady e? Toa ohatra ny mampalahelo izany ho hahita azy.
Izahay koa aloha ohatra an'izany e. Ny elanelan-taonako amin'ny zandriko dia 18 volana. Dia ny elanelan'io zandriko io amin'ny zandriny dia 12 volana katroka... ka angamba tsy maninona ihany. Matotra ny zaza rehefa misy zandriny (Jereo fotsiny aho lolll)
Fantatrareo ihany moa fa efa am-bolana maro aho izay no tsy mampiasa facebook. Tamin'ny volana febroary tany ho any dia resiko lahatra koa ny tato am-piasana hisakanana ny facebook ato am-piasana. Nojerena mantsy ny statistika tao amin'ny routers ka ny 80%-n'ny sites mandalo ao dia facebook daholo. Ary ny fotoana ampiasana ilay facebook dia amin'ny fotoana fiasàna ny ankamaroany. (tohiny)
Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.
Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.
Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.
Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.
Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.
Efa manomboka miverina mijery film indray izao. Film telo na efatra isankerinandro aloha no tratra. Tamin'iny herinandro lasa iny dia nahafinaritra ilay Green Zone (trailler etsy ambany). Ohatry ny te handresy lahatra hoe tsy nisy fitaovam-piadiana simika izany tany Irak fa fikafika fotsiny iny mba hanesorana an'i Saddam Hussein teo amin'ny fitondrana. Dia terena be fotsiny hoe hisy ary izay mitady hahafantatra ny marina dia faizina.
Hitako tamin'iny herinandro iny koa Micmacs
à tire-larigot (2008) miaraka amin'i Dany Boon. Film nahafinaritra na dia efa tranainy sy kidaladala ihany aza. Ary farany ilay film nampihomehy anakiray koa hoe Protéger et servir (2009) miaraka amin'i Kad Merad. Ie, mpilalao mahafinaritra ahy koa rangahy io fa betsaka ny film-ny efa hitako (Bienvenue chez les Ch'tis sy Le petit Nicolas no tena nilay). Amin'ity herinandro ity dia Agora, Prince of Persia, The book of Eli, dia mba asiana fihomehezana kely amin'ilay She's out of my league.
Tamin'ny voalohan'ny volana avrily aho no nieritreritra hamoaka ilay module vaovao ao amin'ny namana. Resaka group le izy. [ Hozy indray zao nareo hoe mitovitovy amin'ny FB izany. Ka ny FB aza nanao mitovitovy amin'ny serasera koa :-) fa tsy any ny olana ] Hatramin'izao tsy mety vita kanefa kay efa misasaka mahery ny volana may. Ka ezahina hovitaina amin'ity faran'ny volana ity dia avoaka amin'ny jiona raha mety. Mandeha be ihany ny fotoana an.
Ka i Aina aza moa efa mandeha be... efa miakatra tohatra i leiry raha vao tsy hitahita. Efa mihoatra ny vala e. Tenenina foana fa e e e. Nasiana (nividianana mihitsy) an'irony karipetra matevina irony ny trano, fa aleony indray mandeha manara-tsisiny eny amin'ilay tsy misy karipetra (tapis no dikan'ny karipetra). Mahafinaritra ny mahita azy rehefa mianjera sy mitsangana malaky. Raha toa izany daholo moa ny fiainana. Tsy menatra mihitsy izy na mitaredretra eo rehefa mianjera fa tonga dia miezaka mitsangana malaky dia mamindra indray na dia fantany aza fa mbola hianjera rehefa kelikely. Rehefa lehibe mantsy no potraka toa malaina hitraka... mora kivy hoe tsy hahatratra ilay toerana haleha.
Mandeha be ny fotoana fa 6 taona omaly izay mbola toy ny vao omaly :-) Tadidiko na ny akanjo na ny ora na ny volon-danitra... ary ilay andry vato moa fahafiry?
Rehefa mipetraka aty lavidavitry ny tanandehibe aty vao mahita hoe mbola mivavaka ihany ny Italiana. Ny fiangonana aty isaky ny alahady misy lamesa impiry, ary amin'izany feno hatrany. Fa ny tena nanaitra ahy dia ny Zoma Masina omaly. Ohatry ny hoe Katolika daholo ny olona manerana ny tanàna. Vao andro vitsivitsy mialoha aloha dia efa ny fetin'ny Paka foana no resaka. Ary tsy mba toy ny firesaky ny tsy mpino fa resaka mikasika ny fomba hankalazana amim-pinoana ny Paka. Na any amin'ny bar aza (toerana fisotroana kafé ny bar aty fa tsy dia fisotroan-toaka loatra) dia mbola ny pitsopitsony amin'ny fanorohana ny Lakroa Masina, ny processions, ny veillée de prières no heno.
Averimberin'ny HAT foana fa mandeha tsara daholo ny zvatra rehetra ao Madagasikara ao. Na ny fitantanan-draharahan'ny ministera isankarazany, na ny resaka sosialy, na ny resaka fandriam-pahalemana, ny fampianarana sns. Toa hoe manaiky izay lazainy daholo ny "vahoaka" ka hiditra amin'ny fitantanana samy irery ny fifidianana izy ireo.
Odiany fanina ny ultimatum-n'ny mpianatra eny ankatso. Odiany fanina ny grevin'ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy. Odiany fanina ny fitotongan'ny Ariary mihoatra amin'ny Euro sy ny Dollar. Odiany fanina ny fitaintainan'ny olona amin'ny vono olona sy fandrobàna miaraka amin'ny basim-panjakana. Odiany fanina ireo nafana fo TGV teo aloha manomboka tonga saina saingy tsy afa-miteny intsony. Odiany fanina ny fikorontanana anatiny ao amin'ny tafika.
Dia hoy aho hoe odio fanina ao ihany. Marivo fitadidy angamba ka tsy mahatsiaro intsony fa io mody fanina io no anisan'ny nampiongana an-dRavalo. Variana misahana loatra ny fampandrosoana ankapobeny (làlana, varotra, fifandraisana amin'ny firenen-kafa) ka tsy nahita fa tsy araky ny sasany intsony ny rythme.
Ka tohizo ihany ny mody fanina fa dia hanenina eo.
Tsy haritro ny tsy hitantara ny zava-nisy tamin'iny weekend iny. Tany Paris sy Rouen dia hitako hoe nifangaro ny vahona sy ny tantely, ny fahanginana sy ny kotaba, ny tomany sy ny tsiky, ny fahakiviana sy ny fanantenana... fa nandresy hatrany iretsy faharoa. (tohiny)
Taorian'ilay takariva ho an'i Shoan tany Paris tamin'ny zoma teo sy ny dianay tany antranon'i Shoan tany Rouen tamin'ny asabotsy dia fantatro fa tsy maintsy ho ao amin'ny FB no hahitana ny sary voalohany. Tsy nahita sary tamin'ny sisiny mihitsy aho toy ny Flickr, Picasa sns... na dia ireny aza no toerana tena fitehirizana sary :-)
Dia voatery nandalo kely tao aho io atoandro io... fa mbola tsy hitako daholo akory ny sary dia efa maika aho ny nanidy azy. Tena tsy resaka tsy fitiavana FB fa mikorontana be fotsiny ny saiko amin'ilay izy :-) Sady ohatran'ny niova be izany.
Koa mba ampitampitao ny sary fa tsy poinsa le miditra ao e... tena mitalaho :-p
Zavatra tsy fahita firy eto Roma itony ka mila tehirizina. Tamin'ny 2003 no nahatsiarovako hoe nisy lanezy nanify dia nanify izay tonga dia levona. Dia androany indray vao mba nisy an'izany lanezy izany teto Roma. Ary tena be dia be mihitsy. Misy kotroka koa aza. Ireto ny sary vitsivitsy fanombohany fa halaiko tsikelikely avy eto am-piasana eto ihany ny fivoarany.
Tsy tadidiko intsony ny tena sora-tanako... kanefa hoe ny soratra mitoetra. Zatra mitapy loatra (manoratra amin'ny milina no atao hoe mitapy)... ka tsy zatra manoratra intsony. Kivy be mihitsy aho mieritreritra hoe ahoana marina no tena endriky ny soratro ... (tohiny)
Tsy nandeha nanatrika ny fifampiarahabana tratry ny taonan'ny Malasy eto Roma aho androany dia aleo mba hi-blaogy aloha. Isan-taona tokoa dia mifamotoana ny Malagasy eto Roma sy ny manodidina dia miara-mivavaka sy mikoràna kely. Tamin'ity taona ity aho vao mba tsy nandeha hatramin'izay 6 taona nipetrahana teto Italia izay. Tsy afaka mankaiza tokoa fa mitaiza :-) Mbola tsy matiko lolo ilay Aina voan'ny sery taorian'ny nandehananay nanatrika Krismasy ka dia aleo mipirina aloha. Amin'ny herintaona indray mandeha fa mbola hisy foana isantaona.
Elaela indray izay tsy nanaovako resaka politika izay. Ka hofohazina kely sao matoritory.
Araka ireny hita tamin'ny vaovao antsary ireny dia nosavaina koa ny teny amin'ny trano fonenan'i Ravalomanana omaly. Miaramila amin'ny kamiao mihitsy no tonga teny. Tamin'ny voalohany dia saika tonga dia hiditra tsy nisy mandat, fa nony tonga ny mpisolo vava ny tompon-trano vao lasa indray aloha naka mandat... dia nolazaina hoe ao no miafina izany Radio pirate izany ka hisava.
Ny vokany moa dia tsy nisy na inona na inona (indray) tao, ary niaiky mihitsy ilay minisitra Nathalie Rabe hoe tsy nisy zavatra hita tao dia notohizany hoe ... angamba efa nalaindry zareo tamin'ilay fotoana nandehanana naka mandat (lolll) dia hoe misy lala-miafina ao ka mety nivoaka tany amin'ilay lala-miafina ny olona nitondra an'ilay emetteur.
Zavatra roa ihany no azo lazaina.
Na dia tena "donto" mihitsy ny mpitondra (mety ho izany tokoa aloha), na nisy fikafika maizimaizina tao fa mody notakonana tamin'ny hoe perquisitions.
- Tena donto ve ny HAT?
Raha tadidintsika dia tsy voalohany no misy fahadontoana (absurdité na stupidité) tahaka izao rehefa misy resaka perquisitions. Imbetsaka ny FIS no nanao perquisitions fa naheno hoe misy fitaovam-piadiana etsy na aroa (tadidy ilay teny Ivato? teny @ magazay TIKO?) Ny olona donto ihany no mino hoe raha hanao trafika-na fitaovam-piadiana dia ao amin'ny magazain'ny TIKO no hametrahana azy. Toa izany koa, ny donto ihany no mino hoe mpanohitra HAT manao radio piraty dia ao Faravohitra ao amin'ny tranon-dRavalomanana no hanaovany azy. Satria fantatra fa raha misy ny oaraoara dia ao no hosavaina voalohany. Ka mety hoe donto tokoa ve ny HAT?
- Sao dia fikafika maizina kosa?
Ny ahiahy tsy ihavanana. Raha toa ka tsy donto ary ny HAT nisava tao dia inona no mety ho antony? Sao dia mba...? Sao dia mba...? Ny krizy hono mahalava tanana (ohabolana nandritra ny fotoan'ny HAT io), ka mety hoe fomba iray handrobàna tranon'olona indray ve? Akaiky ny fifidianana, ka mety hoe fomba iray hijerena indray hoe misy osy mainty (sisa nanamborana) indray ve tao? Sa ve efa ho tapitra ny HAT ka jerena ihany sao dia tokony mamono trasy aloha mba tsy handehanana eny Tsiafahy raha sendra mivadika ny kodiarantsarety? Sa ve hoe sao niverina tsimoramora tao Ravalo? lolll
Dia tsy haiko ry zareo fa raha olona normal dia tsy tokony ho nisy akory iny perquisition iny raha toa ka ilay hoe "Hijery fa sao dia ao ilay Radio pirate" no tanjona.Saingy tsy hay intsony moa fa efa krizy izao ka rehefa tsy voa ny kibo dia voa ny saina...
Anisan'ny risika goavana izay nataoko tamin'iny faramparan'ny taona lasa iny ny nanaovako veloma ny Facebook ka tsy nidirako tany intsony. Araka ny nolazaiko moa dia tsy nanenenako mihitsy iny fihetsika nataoko iny na dia tsikaritro fa betsaka aza ireo namana (lavitra sy akaiky) izay nanjary tsy hitako hifaneraserana intsony. Izay no maha fanamby azy. Nasiako hafatra rahateo any ho an'ireo izay mbola te hifandray amiko. Ny fanamby faharoa ataoko dia ny hampiasana teny Malagasy ao amin'ny Twitter. (tohiny)
Ity sarimihetsika kely ity no entinay telo mianaka miarahaba anao sy ny ankohonanao amin'izao fahatongavan'ny Noely 2009 izao. Efa reradreraka ihany i Aina vao vita ilay video ka somary nitomany izy amin'ny farany. Mirary soa sahady ihany koa amin'io taombaovao 2010 io. Samy hoambinin-java-manasatra, hahita ny soa sy ny mamy daholo.
Mbola resin'ny Italiana ny Malagasy raha resaka fotoana... ilay hoe fotoan-gasy. Resaka fitaterana izay hitako isanandro isanandro dia ny 80% n'ny fiaran-dalamby raisiko no tara mihoatra ny 5 minitra. Omaly ohatra dia tara 15 minitra ny fiara tokony ho nandehanako nody omaly hariva avy niasa. Dia teo ampiandrasana nivezivezy tao anaty gara tao aho no gaga tampoka nahita fa nisy fiara hafa koa tara 175 minitra be izao. Tsy naharitra aho dia naka sary mihitsy.
Ny tena mandreraka dia tsy mba misy mimenomenona izany mihitsy ny olona aty rehefa tara... kanefa raha himenomenona amin'ny zavatra hafa tsy dia misy dikany tahaka ny inona. Asa, mety hakamoana ny hiasa sns angamba. Nisy fotoana aza, tamin'iny vakansy lehibe iny, nandeha tany Torino izahay dia tara 45 minitra, dia nandeha nanao fitarainana sy naka remboursement, dia gaga daholo ny olona hoe azo atao kay izany. Tsy vakiny akory ny filazana ao anatin'ny tapakila hoe raha vao tara mihoatra ny 30 minitra ny fiara dia afaka mamerina ny ampahany amin'ny saran-dalana ny tomponandrikitra.
Paozy maro be an'i Aina miomankomana amin'ny fankalazana ny Noely. Nanatrika ny fety niraisan'ny Malagasy teto Italia izahay androany dia nanomana ny akanjo hoentin'i Aina. Nanendrika azy ilay dadabe noely kely :-)
Folo andro mahery aho izay no nanao veloma ny FB (FB sisa no iantsoako an'io loll). Nisy ihany ny namako gaga sy nalahelo :-)... ahoana koa hono izany hoe mafana fo be izany dia avy eo tonga dia miaps'. Ny sasany tsy mino, tsy vitako hono izany. Ny sasany niahiahy, fa nisy inona hono... afera privée sa nanao fika maizina. Fa be dia be koa no tsy niraharaha sy tsy nivakl... soa ihany fa misy ireo :-) (tohiny)
Na teo aza ny krizy ekonomika iraisam-pirenena, na teo aza ny black monday sy ny "Phénomène" Rajoel, na dia teo aza ny horohorontany mafy tao L'Aquila teto Italie, na dia teo aza ny fahafatesan'i Michael Jackson, na dia tsy lany tamin'ny "Grande Fratello 9" aza i Christina Del Basso (sipa be entana), sns sns. Dia mbola azoko lazaina hoe namokatra ihany ity taona 2009 ity.
Tamin'ity 2009 ity tokoa no nisy olom-pantatro be indrindra bevohoka sy teraka. Tao amin'ny fianakaviana akaiky (izahay mianadahy iray tam-po) fotsiny dia efa nisy zaza 3 teraka. Ankoatry ny cousines sy ny tantines sns (2 no fantatro). Toa izany koa ny avy amin'ny fianakavian'ny vadiko, cousines maromaro samy niteraka tamin'ity taona ity (3 no fantatro). Dia eo koa ny namana akaiky na any Dago (2 no fantatro) na ny aty andafy (2 no fantatro teraka ary ny 1 mbola ho avy atsy ho atsy). Na ny mpiara-monina eto Italia (3 no henoko hatramin'izao)... na ny eo amin'ny serasera (misimisy ihany).
Raha atotaly dia any amin'ny 20 any ny zaza teraka misy ifandraisana mivantana na ankolaka amiko... ka tsy izany ve no tena mamokatra? :-)
Dia irariana mba hihoatra an'io amin'ny taona ho avy :-) Mazotoa mamokatra.
Hitako nisy tsy nety kely ny fitadiavana namana teo aloha teo. Raha vao miteny hoe lahy na vavy dia tonga dia tsy misy na inona na inona hita. Amin'izao dia efa mirindra tsara izany. Ahoana ny fomba fitadiavana namana?
Fety taty Italia androany, andro tsy fiasana. Ny maro moa efa nanalava ny weekend hatry ny asabotsy. Betsaka no tsy mahalala akory ny dikan'ilay fety. Nisy resaka henoko aza androany, naka an-keviny an'ilay hoe Immaculée conception, dia hoe androany no fahatsiarovana ny nitorotoronina an'i Jesoa... dia nisy namaly hoe fa angaha tsy 9 volana alohan'ny 25 desambra no tokony ho izy sns.
Na dia azo tadiavina amin'ny toerana maro tahaka ny ato amin'ny Wikipedia aza ny tena dikany dia lazaiko fohifohy eto fotsiny.
Ny fety androany izany dia fety katolika fahatsiarovana ny nilazana fa foto-pinoan'ny Fiangonana Katolika ny filazàna an'i Maria renin'i Jesoa ho Madio tsy azon'ny fahotàna tamin'ny fototra. Tamin'nuy taona 1854 ny 8 desambra no nanambaran'i Papa Pio IX izany foto-pinoana izany.
Araka ny finoan'ny Fiangonana Katolika dia voaloton'ny fahotàn'i Adama sy Eva avokoa ny olona rehetra na dia vao teraka aza. Io ilay hoe Fahotana tamin'ny fototra na péché originel. I Maria renin'i Jesoa kosa amin'ny maha-Andriamanitra an'i Jesoa zanany, Andriamanitra tsy voakasiky ny fahotana mihitsy, dia tsy maintsy tsy voakasiky ny fahotana ihany koa... raha tsy izany dia voakasiky ny fahotana i Jesoa. Ny andalan-tsoratra masina isintomana izany, tahaka ny lahatsoratra fototra isintomana ny foto-pinoana mikasika an'i Maria rehetra dia ilay hoe "Feno hasoavana" Lk. 1, 28
Ny fety androany izany, alohan'ny maha fety fankalazana an'i Maria azy dia fety fankalazana an'i Jesoa amin'ny maha Andriamanitra azy. Ny maha-"Immaculée" an'i Maria dia noho izy Renin'Andriamanitra. Fanomezam-pahasoavana ho azy vokatry ny maha renin'Andriamanitra azy ihany izany ka izay fahasoavana azony izay no hankalazàna azy.
Bonne fête... dia tratry ny tsingerintaona nahaterahany koa ilay namako izay raha hitany ity (inoako fa mahoraka be any @ Facebook any fa izaho moa efa tsy any :-) )
Mbola tsy fotoana fanaovana ny résolutions amin'ny taombaovao izao kanefa alefako mialoha sahady ny ahy. Anisan'ny zavatra kasaiko hatao amin'io taona vaovao io ny tsy hiditra isanandro intsony ao amin'ny Facebook. Tsy hofafaiko ny kaontiko ka :-) mbola azo "atao fitaovana" tsara hanapariahana hevitra io.
Tsy hahazo notification amin'ny facebook intsony aho na misy hafatra tonga na misy mangataka ho namana sns. Koa raha misy hafatra tiana ho tonga aty amiko dia tsy azo ianteherana intsony ny facebook. Ny fomba hafa toy ny namana.serasera.org sy ny email indray andramana.
Handalo ao indray mandeha isambolana ihany aho hanaiky (ekeko daholo) an'ireo mangataka ho namana fa tsy hamaky hafatra.
Ny sary rehetra ao dia tsy hoesoriko fa tsy hametraka sary vaovao ao intsony fotsiny aho.
Marihina fa ny status-ko dia miova ho azy mifanaraka amin'izay zavatra apetrako ao amin'ny twitter.
Indraindray rehefa mandahatra hira ao amin'ny Radiovazogasy.com dia manao anjambany fotsiny fa tsy fantatra na tena ilay hira noeritreretina no angatahina na tsia. Rehefa tena tonga ilay fotoana hihainoana an'ilay hira, minitra maromaro aty aoriana, dia indraindray diso fanantenana satria hay lohateny mitovitovy fotsiny ilay izy. Manomboka izao ary dia (tohiny)
Manomboka amin'ny alakamisy izao dia hiverina indray ny fandaharana Rock Metal ao amin'ny RadioVazoGasy.com. Isaky ny alakamisy amin'ny 8 ora sy sasany alina (Ora Paris) dia hanainga antsika amin'ny mavesatra indray Riffeur izay efa nanao izany teto amin'ny RadioVazoGasy hatramin'ny volana vitsivitsy lasa izay.
Amin'ity indray mitoraka ity dia mbola tsy be teny i leiry fa amin'ny fandaharana ho avy dia hisy toy ny mahazatra ny fampahafantarana ny tontolon'ny Rock Mavesatra, ny vaovao momba ny hira sy ny mpihira.
Eo am-pampidirana tsikelikely ny Eritreritra mandalo ao amin'ny namana.serasera.org aho amin'izao. Efa nandeha nanomboka omaly izany. Ny Eritreritra mandalo dia toerana hampidiranao izay zavatra tianao hozaraina amin'ny olona fotsiny tsotra izao.
Raha efa nampiasa valam-piarahamonina hafa ianao (myspace, facebook, orkut, hi5, buddypress) dia io no ilay antsoindry zareo hoe "status", na "fil d'idées", na "wall" na "wire"... Dia nisalasala aho hoe inona no hiantsoana azy eto amin'ny serasera? Saika natao hoe "Indraim-bava" fa tsy dia niraikitra loatra na dia fohy aza. Koa dia eritreritra mandalo no hita fa mety.
Azo zaraina daholo izay mandalo fa aza ratsy eritreritra fotsiny.
Efa henonareo ve io fomba fiteny io? "Inona no idiran'i Kotity amin'izany?" Matetika rehefa miresaka miaraka iny dia misy mitsatsaingoka tampoka hoe "Inona no idiran'i kotity amin'izany?"... tsy nisy resaka Kotity mihitsy teo ary tsy misy idiran'ilay fanontaniana akory. Ny niandohany angamba dia satria angamba mafy loatra tamin'ny olona ny nataon'i Kotity ka dia nafatratra tany amin'i Kotity daholo ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainany. Na dia ny akoho matin'ny barika aza dia i Kotity no omena tsiny. Taty aoriana moa dia navoakan'i Andry Rajoelina avy any Tsiafahy i Kotity satria resy lahatra izy fa tsy namono olona izany ilay rangaha io fa gadra politika fotsiny. (tohiny)
Nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon'ny FAO izay vondron'ny firenena mikambana miahy ny ara-tsakafo. Efa hita tselika sahady fa tsy dia hisy vokany loatra ho an'izay tena miandrandra zavatra azo tsapain-tanana ny fivoriana. Betsaka aza moa ireo filoham-pirenena goavana tsy tonga fa angamba nihevitra izany fivoriana izany ho toy ny fandaniana andro ihany.
Maherin'ny iray lavitrisa hono ny olona noana eran-tany. Izany hoe ny 1/6-n'ny mponina eran-tany... izany hoe raha mahita olona enina ianao amin'ny ankapobeny dia ny iray amin'ireo mijalin'ny hanoanana. Mazava ho azy, tsy hitanao mivantana izay satria tsy mitsinjara akory ilay hanoanana. (Ahitsiko, raha toa ka mahita olona 6 ianao ka tsy mahita olona 1 mijalin'ny hanoanana dia eritrereto hoe any ambadika any izany misy mahita olona 2 mijalin'ny hanoanana ao anatin'ny 6.)
Ny antso avo azo atao ho an'ny tsirairay amin'izao fotoana izao angamba dia ny hoe, rehefa mba tsy noana dia aza manary sakafo. Aza mandanilany foana fa misy olona noana antapitrisany any maniry ny hihinana ny latsaka ao ambany latabatrao.
Fa iverenako ny lohateny hoe "Sambatra izay noana" izay ao amin'ny baiboly (Mt. 5,6) izay raisin'ny mpitory teny anjambany fotsiny vokatry ny fitsimponana andininy ka mampitombo ny fandrebirebena fanahy sy tsy mampitroatra ny voan'ny tsindry hazo lena. Voalohany aloha dia tsy hoe "sambatra izay tsy ampy sakafo" no tiany lazaina satria izy aza nalahelo tamin'ny nahita ny olona noana ka nanjary nanao fahagagana nampitombo ny mofo mihitsy mba hamokisana azy. Fa hoy izy hoe "Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana"... dia ny tohiny hoe "fa ho voky izy". Faharoa, raha ampifandraisina amin'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy" dia tsy midika tsy fahampiana fotsiny ilay hanoanana eto, ka mahatonga fahakiviana sy fiononana, fa midika fitadiavana mitarika fanantenana sy fahafaham-po. Farany, ny olona noana no mahita tsirony rehefa misakafo :-)
Androany vao voavahako ny olan'ireo izay manana adiresy @serasera.org sy @namana.serasera.org, izaho anisany. Tsy maharay ny email rehetra miainga avy ao amin'ny serveur-n'ny serasera.org mihitsy izahay hatramin'izay. Na fanovana tenimiafina izany, na filazana hoe misy hafatra voaray sns. Ny antony dia satria tsy alefan'ny serveur mivoaka mihitsy ny email fa heveriny hoe "local delivery" dia nefa tsy hitany ao amin'ny "local" ilay adiresy dia mi-bounce fotsiny dia very any.
Sendra hitako t@ internet ary hoe mila asiana MX entry ao amin'ny local zone-n'ny DNS. Dia atontona any amin'ny mx-n'ny google izany dia nety ilay izy. Toa izao izany no nampidirina tao.
serasera.org. IN MX 10 aspmx.l.google.com. serasera.org. IN MX 20 alt1.aspmx.l.google.com.
Anisan'ny tsy (n)itiavan'ny olona an-dRavalomanana mihitsy ilay fizahozahoany etsy sy eroa. Ny teny an'avona fanaony. Marina fa nahavita zavatra maro izy ary tena nampandroso tokoa ny firenena fa ilay mizahozaho dia mahabe fahavalo. Misy ny miteny hoe tsy mba manaja olona izy, ilay fomba fiteniny mihitsy no tonga dia mahadikidiky.
Fa rehefa dinihina ity dia toa izany koa no ataon'i Rajoelina. Zara raha vao tonga teo amin'ny toeran'ny filohan'ny tetezamita izy dia efa niala any ny hoe "Vous pouvez m'appeler président"... ohatra ny hoe izany no tena manan-danja. Noezahina mafy mihitsy ny nitazona io hoe "Président" io hatramin'ny nipetrahany teo. Ary izao izy niverina avy any Addis-Abeba izao indray moa dia ny nahafaly sy nampirehareha azy voalohany dia ilay hoe nandresy hono izy fa "Mbola izy ihany no prezidà"... Toa mampite hiteny hoe "Raha izay no nilainy, omeo azy any fa andao isika hanatsara ny firenena". Izay mihitsy aza angamba no tao antsain'ireo nivory tany hoe aleo izy hilingilingy eo amin'ny "Prezidà" eo fa izay hanarenana ny firenena jerena.
Ny mampanahy ahy dia ny momba ny fifidianana ho avy. Raha olona te ho Prezidà mafy toa izany ve dia tsy hilatsaka hofidiana? Ary raha milatsaka ka resy ve dia hahatanty resy? Tsy hisy fanonganam-panjakana vaovao indray raha sendra resy eo?... Ho hita eo ihany
Hanomboka androany alina amin'ny 20h30 ny tantara ao amin'ny Radiovazogasy.com. Vao fanombohana io ary vao fanombohana ny amin'ity roa volana faran'ny 2009 ity. Noho izany dia indroa isambolana ihany no mbola hisy tantara ary tantara iray ihany no averina henoina amin'ny alarobia fahatelon'ny volana.
Manana tantara "ordinera" betsaka ny Radiovazogasy, tantara nandeha t@ radio hafa taloha, ary efa saika resy lahatra aho hoe ireny tantara ireny no hamenoana ny banga, kanefa toa mahafinaritra koa ilay "ekstraordinera". Ny maha-hafa kely ny tantara tiana havoaka ato ho ato dia satria "isika" ihany no milalao azy. Izany hoe tsy matihanina fa dia namana mitovy amin'ny tena. Ny tantara holalaovina moa dia izay atolotry ny mpanoratra fantatra na ny namana ihany koa.
Androany hariva ary dia ilay tantara hoe "Antso diso" nosoratan'i FX Manah no handeha. Rehefa henoina dia mahafehy tsara ireo nolazaiko eoambony ireo. Dia mampiteny hoe "Alefaso koa ny manaraka eeee...".
Aza adino ary (tsy maninona na adino aza fa mbola misy @ tapabolana), androany alina amin'ny 20h30 dia averina indray amin'ny tapabolana amin'ny 20h30.
Ny sosokevitra alefaso ihany rehefa avy mihaino :-)
Taorian'ny namindrana ny serveur-n'ny radiovazogasy.com dia nisy vitsivitsy ireo nitaraina fa tapatapaka foana ilay radio. Koa amin'izao dia nohavaozina sy nohatsaraina ny toerana mamoaka feo ao amin'ny Radiovazogasy.com, na ilay antsoina hoe Streaming server.
Tokony handeha malaky kokoa amin'izay ilay toerana fihainoana ny Radiovazogasy mivantana tahaka ity eto ambany eto ity.
Marihina fa raha sendra voasakana tsy afaka mihaino Radiovazogasy ianao any amin'izay misy anao any dia azonao sokafana amin'izay fihainoana mozika (Player) anananao ny adiresy http://stream.radiovazogasy.com (mampiasa port 80)
Tany ampiandohan'ny volana oktobra, nandritra ny fanandramana ny http://namana.serasera.org dia nisy resaka mivantana tao. Izany hoe rehefa misy an'ilay eo alohan'ny solonanarana dia io no tsindrina mba hahafahana mifanoratra mivantana amin'ilay namana.
Vao nanomboka napetraka ofisialy anefa ilay izy dia nivika tanteraka ny serveur fa tsy nahazaka koa voatery najanona aloha nitadiavana vahaolana maharitra.
Amin'izao dia azo atao hoe nohafainganina kokoa ny serveur ka azo andramana mandritra ny herinandro eo indray aloha ilay resaka mivantana mandra-pitady teknolojia hafa izay maharitra kokoa.
Amin'izao dia ny namana nifidy anao ho namana manokana ihany no afaka iresahanao mivantana. Tsy ireo namana nofidinao ho namana fa ireo namana nifidy anao ho namana (marihina tsara). Matoa izany ianao mahita an'ilay sary kely eo alohan'ilay solonanarana dia efa nifidy anao ho namana iny olona iny ka azonao iresahana mivantana.
Hitako koa fa mampiasa ajax-chat koa ny RTA.mg :-) Mitovitovy ihany ny teknika ka ho hitako eo koa ny havesany.
Andro maromaro izay no nampiasako Google Chrome, izay fitaovana efa navoakan'i Google efa elaela ihany izay, hijerena ny takelaka amin'ny internet. Ka mba hitondra teny kely momba ity "navigateur" ity aho. Ny tombony sy ny maharatsy azy.
Ny tombony lehibe amin'ny fampiasana Google Chrome dia noho ny hafainganany. Vetivety dia misokatra ny takelaka, ary izy koa vetivety dia voasokatra. Anisan'ny antony mampalaky be azy aloha dia azo lazaina hoe tsotra be izy. Tsy dia be filirony loatra. Nefa koa ny rindra anatiny dia tsy mitovy amin'ny fanaon'ny hafa tahaka ny Firefox ohatra. Ny an'ny Google Chrome, ohatra, isaky ny "Tab" (onglets) tsirairay dia manokatra "process" iray izy, izany hoe mibahana memoires roa samihafa ary rehefa mihidy iny dia tapitra koa ilay "process". Ny an'ny Firefox mantsy dia process iray ihany no miasa amin'ny fenetre iray na firy na firy ny "tabs" misokatra. Misy fotoana mahatratra hatramin'ny 500MB mihitsy ny memoire lanin'ny Firefox fotsiny. Dia manjary miadana be ny ordinatera.
Ny maharatsy ny Google Chrome indray dia noho ilay izy tsotra loatra. Betsaka ny zavatra tsy tonga dia mandeha ara-dalàna. Ohatra fotsiny hoe manoratra an'ity lahatsoratra ity aho dia tsy afaka mi-selectionner an'io sary eto ambany io mba hanakelezana na hanalehibeazana azy. Ankoatra an'izay dia tsy mbola afaka mampiditra fanampiny hafa (add-ons) tahaka ny Firefox ka tsy maintsy miverina mampiasa Firefox ihany rehefa mila zavatra manokana.
Araka ny fandaharana ao amin'ny Radiovazogasy.com dia hisy tantara isaky ny alarobia voalohan'ny volana sy fahatelon'ny volana amin'ny 8 ora sy sasany alina. Ny mampiavaka kely ity indray mitoraka ity dia namana vitsivitsy ao amin'ny serasera ihany no hamelona ny tantara. Izay voaantso aloha no efa mikofokofoka ao fa mbola maro ireo nanolo-tena no mbola vao hifandaminana ho amin'ny volana manaraka. Raha ohatra moa ka mbola manam-paniriana ny hanatevin-daharana ianao dia azo atao ny mifandray amin'ny [email protected] mampindrana ny feonao.
Ao Paris ao amin'ny StudioDiffusion.com no anaovana ny fakàna feo ho an'izay mazoto sy afaka amin'izany.
Raha toa koa ka manana tantara voasoratra ianao, na tantara efa voarindra dia vao mainka tsara fa mifandraisa hatrany amin'ny [email protected]
Miala tsiny amin'ny mety ho fifangaroan'ny lohateny fa tena mitady Solika aho. Tsy hoe solika fiarakodia akory na dia hoe rehefa zoma aza dia lany ny solika ka mila tohatohanana... fa ilay Solika, tarika mpihira kalokalon'ny fahiny.
Simba daholo ny Solika ao amin'ny Radiovazogasy.com. Angamba tsy nahazaka ilay copier-coller be dia be rehefa afindrafindra... na hatrany ampotony mihitsy. Ny fotony aloha toa tetsy ampita tetsy ihany, tany amin'i Rondro mantsy ireo :-)
Koa raha mba misy manana Solika CD na K7 dia mba alefaso e... na mp3 vao mainka tsara. Ao fa rembourser-na ny saran'ny nandefasana azy (raha latsaky ny 10 euros :-p)
Marihina fa tsy manana olana eo amin'ny lalàna mihitsy ianao raha manome copie ny Radiovazogasy.com satria ao anatin'ny OMDA ny Radiovazogasy.com ka mandrotsaka ampahany amin'ny artista.
Efa nolazaiko moa? Rehefa miditra ery ambaravaran'ny bar aho amin'izao -- eny, miditra bar daholo ny olona aty fa ankoatry ny toaka dia misy zavatra hafa koa ny bar. Dité, café, mofo, sigara, siligaoma, lotto... tonga de eritrereto otran'ny episerian'i Ra-betsy ao Ampandrana antsinanana misy soratra hoe 3é catégorie 3é classe -- dia tonga dia miantsoantso ilay sipakely mpivarotra hoe "Latte bianco e un cornetto". Satria lasa kil mafana fo ao aho fa etsy ampitan'ny birao ilay izy. Mba zavatra tsara hitako tsy matetika io (tsy ilay Latte bianco e un cornetto fa ilay fandraisana) satria tsy dia betsaka ny italiana no tsara fandray vahiny miloko.
Mambra amin'ny cornetto (= croissant) sy latte bianco (=ronono tsotra tsisy nin nin) aho izany amin'izao...
Last Saturday, I had some talk about new technologies with some sisters with whom I'm working. Then we talked about Facebook and Twitter. Then came out the usual reserve about privacy etc... up to "Why should you write on Facebook or Twitter about what you just had for lunch". That reminds me of some posts about "Things not to tweet about" or "10 things you should stop tweeting about" that jogany (The Purple) put anyway in her status.
So what I say is resumed in the title of this post "I do tweet whatever I want to" :-) if it follows Twitter's TOS
My twitter is my own space offered by Twitter.com (to not to say my private space). So I write about whatever I want... what I have for breakfast, how's going my social network, when I had *** the last time, to whom I wrote to, about my dog (if I had one) etc... and my followers follow only what I have to say if they want to. Take it as a painting or a board where I take my notes but I make available for all to read. That's how I use twitter... exactly like how I use my blog :-)
Dia naverimberina tetsy sy teroa fa feno 10 taona ny serasera. Dia nanao hetsika be na ny taty Eoropa na ny tany Dago tamin'ny 2 sy 3 oktobra teo ho fanombohana ny fankalazana. Nahafinaritra daholo ny fankalazana. Ambondrona no tao Parisy, Vontovorona ny tany Madagasikara. Fa tsy ho hay ny tsy hanao jery todika fohy dia fohy... tsy dia mpijery todika tokoa aho fa mpibanjina ny eo anoloana.
Lavalava iny fialan-tsasatra iny. Naka aina kely mihitsy aloha fa mafotaka daholo na ny politika na ny serasera na ny asa na ny fitaizana. Lasa lavidavitra ihany nandritra ny 1 volana latsaka. Ireto ny sombitsombintsary (tohiny)
I'm in "mitaiza" mood and enjoying it. :-) Tamin'ny 3 volana voalohany ihany no tena olana tamin'ilay mitaiza, tena tsy afaka nanao zavatra hafa mihitsy satria tena reraky ny niari-tory. Fa amin'izao lasa mahafinaritra ilay izy. Lasa tsy afaka manao zavatra hafa mihitsy fa variana eo. Androany maraina aho izao tara niasa satria nifoha maraina i leiry dia satry foana hitositosy eo am-pandriana. Mihantona na misosa miadana daholo aloha ny kandra rehetra na dia efa manao izay azo atao ihany aza aho rehefa mba matory iny izy mianaka. (tohiny)
Raha tena raikitra ny fihaonana any Maputo rahampitso, fa tsy hanao tahaka ny tany Antanimena indray i Andry TGV sy Ratsirahonana, dia mety ho betsaka ny surprise. Ny atahorana dia efa mitondra ny heviny tsy azo ovaina ny tsirairay dia tsy hanaiky izay zavatra mety hivoaka avy ao mihitsy ka tsy mifanaraka amin'ny heviny. Na izany aza anefa dia azo atao ihany ny tombatombana, ka izao no eritreretiko. Raha tena misy ny dinika dia tsy maintsy hiafara amin'ny zava-baovao. Teteza-mita vaovao mantsy no hany eken'ny vondrona iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao. Koa raha manaiky ny HAT sy Ravalo dia mety ho tonga ny teteza-mita iarahamitondra. Eo indrindra anefa no olana satria tsy maintsy hampidirina antsehatra i Zafy sy i Ratsiraka. I Ratsiraka moa mety tsy hiady ny hitondra intsony fa hangataka ny aministie (ho azy sy ho an'ireo namany) no tena ho tanjony mba hahafahany maka aina any Madagasikara. I Zafy indray dia manana ny atout rehetra hiverenany eo amin'ny fitondrana satria izy no tsy mba voarohirohy tamin'ny resaka vono olona sy gadra politika. Resaka tsy fahaiza-mitantana izay azo arenina tsara no nahavoa azy. Ny mety ho zava-baovao izany dia ny fisian'ny HAE vaovao izay i Zafy no hitondra azy. Amin'izay fotoana izay dia samy miomana amin'ny fifidianana ho avy i Rajoelina na izay tohanany sy i Ravalo ary ireo kandidà hafa, i Ratsiraka kosa afaka hody sy hanomana ny kandidà-ny.
Vinavina ihany izany fa dia aleo ny rahampitso no hanambara azy.
Angamba tsy dia mahaliana anareo fa toa izao ny zavatra ataoko isaky ny manokatra ordi maraina aho. Mazava ho azy vao misokatra ny ordinatera-ko dia ny site serasera.org no jereko voalohany. Tsy nataoko tonga dia misokatra satria matetika ato ampiasana aho no manokatra internet vao maraina, ka soratana mihitsy. Amin'izao moa efa natambatra ao amin'ny http://serasera.org ny famintinana ny zavatra vaovao rehetra ao amin'ny serasera ka manao jery tamba-be azy rehetra hatrany ambony ka hatrany ambany aho aloha. Fa anisan'ny jereko sy manintona ahy ilay hoe "Tononkalo vaovao" ery ambany havanana ery, izay misy ny tononkalo vao tonga. Tsy maintsy voasintona hamaky tononkalo eo foana aho. Manokatra tononkalo anakiray dia avy eo miverina mamaky ny tononkalo hafa. Indraindray mahavita mamaky tononkalo hatramin'ny 10 aho (ilay hoe tononkalo be mpitia eo amin'ny http://vetso.serasera.org) vao mijanona.
Tsy hoe mirehareha amin'ny taingim-be any Madagasikara akory fa rehefa samy hifanesika ihany dia aleoko indray ilay mikiraviravy amin'ny bus toa izay tahaka ny omby ohatr'itony aty Italiafrika itony. Ny nahatonga ity gidragidra ity dia satria nofoanandry zareo ny train anakiroa teo aloha (noho ny toetr'andro hono) dia voatery misisika toa izao ny olona.
Manomboka manangasanga any koa ny fiandaniana amin'ny vondrona
politika eto Roma. Misy roa moa etsy andaniny ny fizarana politika
amin'izao fotoana izao dia ny mpomba ny HAT sy ny mitsipaka ny HAT
(izay mbola mizara roa ihany koa, hamerina an'i Ravalo na manohatra ny
HAT fotsiny). Fa etsy ankilany ihany koa dia misy ny tsy te hiditra
amin'ny resaka politika fotsiny tsotra izao. Ireo izay mieritreritra
hoe mampisaraka ny politika ka raha ny Gasy izay efa vitsy kely eto
Roma no mbola zarazarain'ny firehan-kevitra politika. Ireto farany dia
miteny mihtisy hoe OLP na olona leo politika. (tohiny)
Re fa betsaka ny olona tsy manangan-tsaina ao Antananarivo (ao aloha no hita). Mahagaga ihany raha ankatoky ny 26 jiona toa izao no vitsy saina mihofahofa eran'ny lavarangana... Fa fantatrao ve hoe nahoana no tsy manangan-tsaina ny olona?
Tsy miambo hamaly azy rehetra aho, tsy miambo hisolo tena ny kristianina rehetra ihany koa fa valiny tsotsotra no omeko.
http://voromailala.blaogy.com/post/12/6542
1°/ Avant la création de l’univers (terre et cieux, galaxies….),
Le Christ et le Saint-Esprit avaient ils une existence avec Dieu,
ont-ils participé à la création de l’univers ?
C'est la même question que "Qu'y avait-il avant l'existence de Dieu?". Le Christ et le Saint-Esprit ont la même nature que Dieu le Père. Ils font partie des trois personnes mais UN Dieu. Bien sûr, il faudrait accepter le fait que Dieu est Trinité pour pouvoir accepter cette co-existence.
Ensuite, dans l'Evangile de Jean Chap. 1. 1Au commencement était la Parole, et la Parole était avec Dieu, et la Parole était Dieu.
Encore, il faudrait accepter que la Bible soit Parole de Dieu pour pouvoir accepter cette co-existence.
2°/ Pourquoi
il n'y aucun passage ou Jésus dit "je suis votre Dieu adorez moi" ,
alors que c'est le dogme principal chez les chrétiens aujourd'hui ?
Il n'y a non plus aucun passage ou Jésus dit "Je ne suis pas votre Dieu, ne m'adorez pas." Alors pourquoi vous ne l'adorez pas?
3°/ Pourquoi les
autres nations ( ceux qui sont venu avant le christ et dont les
prophètes ) ne croyaient pas à la trinité , seraient il envoyé en enfer
pour cela?
Parce que c'est le Christ qui a révélé la Trinité. Ils ne seront pas envoyé en enfer pour cela. De même, ceux qui sont nés dans la jungle, et meurent dans la jungle, sans avoir entendu parler du Christ, n'iront pas en enfer pour cela.
4°/ Si Jésus est Venu pour délivrer l'humanité du
péché original commis par Adam, pourquoi ne l'a t il jamais dis ? vu
que la bible ne contient aucune parole du christ parlant du péché
originel , on signale la que cette doctrine a été développée bien après
au début du V e siècle par un prêtre nommé augustin.
Et de quel péché parle la bible? Et de quel péché Jésus veut-il délivrer l'humanité?
5°/
pourquoi Dieu le tout puissant devrait il faire descendre son prétendu
fils pour pardonner aux gens leurs péchés , ne pouvait il pas
simplement pardonner ces pèches?
Si, il pouvait tout... Depuis le debut, il envoyait les rois, les juges, les prophètes, mais cela ne l'empêche pas d'envoyer aussi son Fils, comme c'est pour lui le plus grand signe de son amour envers nous. Et ne sois meme pas surpris s'il continue à envoyer des messagers comme Mahomet, des gens simples comme vous et moi, toujours pour aider les autres à cheminer vers lui.
6°/ Comment Dieu peut il
être trois en 1 et un en trois (sans donner l'exemple de l'œuf ou celui
de la pomme qui n'y correspondent pas) ?
Quand on commence à posser la question "Comment", on devient Chrétien parce que la foi subsiste seulement quand on n'arrive pas encore à comprendre.
7°/ Si le christ est Dieu pourquoi le christ affirmait que c'est Dieu qui l 'a envoyé ?
Et quand il a envoyé les apôtres, des hommes, cela veut-il dire qu'il n'est pas homme?
8°/
Si le christ était d'accord sur ce qui lui arrivait et qu'il était
Dieu pourquoi prierait il sur la croix "eli eli lama chabaktani": mon
Dieu , mon Dieu pourquoi tu m 'as abandonné ?
Donc, vous croyez ce qui est écrit dans la bible, c'est déjà un grand pas en avant. Plusieurs paroles de Jésus citées dans le nouveau testament (ici Selon Matthieu 27, 46) sont des prières de l'ancien testament, surtout des Psaumes (ici Ps 22(21)). Ce Psaume évoque la prière du juste souffrant. Jésus, évoquant ce psaume, ne mettais en doute l'amour de Dieu, mais répète la prière du Juste qui souffre... et rend grace (Comme dans le Ps 22)
9°/ Quand
Dieu , le créateur était sur la croix ( gloire a lui de ce qu'il
prétendent) , qui c'est qui s'occupait de la terre et des sept cieux,
qui répondait aux prières de gens , qui.... ?
Là vous êtes seulement dans la confusion humaine. Il faudrait d'abord accepter que Jésus est "Pleinement" Dieu et "Pleinement" homme pour pouvoir accepter que Jésus Fils de Dieu a accepté d'être traité comme humain par les humains. Et puis, ce n'était pas Dieu le Père qui était sur la Croix.
10°/ pourquoi la libération des péchés n a pas été faite au temps d'Adam?
Et comme on est là, pourquoi Dieu n'a pas tout de suite créer 6 milliards d'humains au lieu d'en créer seulement deux?
Efa nampoiziko ihany hoe hivika ny serveur vokatry ny avatar satria isaky ny mitranga ny sary anakiray dia misy query mysql vitsivitsy. Mandalo controller sy model normal mantsy ilay avatar dia miantso queries amin'ny database na dia tsy ilainy akory aza. Tsy ilainy satria efa en cache daholo ny sary aorian'ny nanamboarana azy. (tohiny)
Raha mandeha tongotra dia mahavita 10km eo ho eo ny olona ao anatin'ny adin'ny roa. Mandeha normal io fa tsy mihazakazaka. Fa izaho amin'ny maraina ho aty am-piasana, raha vao tara kely fotsiny no miala ao antrano, izany hoe variana eto amin'ny ordinatera ka manjary miala amin'ny 7ora sy sasany, dia adin'ny roa be izao no anaovana ny làlana avy aty antrano mandeha miasa. Nefa dia 16km fotsiny... sady amin'izay mandeha bus sy metro fa tsy mandeha tongotra. Tompondakan'ny amboteiazy iny lalana mandeha eny aminay iny, tsy misy izay tsy mikolay manomboka amin'ny 7 sy sasany ka hatramin'ny 9 maraina. (tohiny)
Misy ordi tonga hoe amboarina ato amiko. Omaly hono izy mbola nandeha fa vao velomina dia maty afaka segondra vitsivitsy. Nony tonga tato amiko izy dia tsy nandeha intsony mihitsy. Dia lany andro nijery hoe inona no tena olana. Tsy nisy courant tonga intsony t@ carte mère ka dia voatery nosoloina ny Power Supply (23 Euro). Rehefa nosoloina ny power supply dia tonga ny courant fa avy hatrany dia misy soratra hoe "USB Over Current Status Detected, Computer will shut down in 15 seconds". Io izany ilay olana hitan'ilay nampiasa ny ordi. Afaka 15 segondra tokoa dia maty ilay ordi. Tonga dia novonoiko avy hatrany satria karazana Court circuit ihany izany Over Current izany (surcharge). Nandramana nohamarinina ny ports USB rehetra na ny tao anatiny na ny tao ivelany, ary dia indro tokoa fa hay niforitra ny port USB anakiray latéral (Front Panel) dia nikasoka t@ boaty ivelany. Io izany no nitarika ny court circuit ka nahamay ilay Power Supply teo aloha.
Ekeko fa ny zavatra rehetra mafy nitranga ara-politika tao Madagasikara, toy ny fandrobana, ny faty olona, ny ady mivantana, dia mitarika hatrany ho amin'ny fanatisme, izay fitiavana tafahoatra ny olona tohanana na tsy fitiavana tafahoatra ny olona tsy tohanana. Dia arakaraka ny fitomboan'ny fanatisme ataon'ireo fanatiques-ny amin'ilay olona tsy tiana no hitomboan'ny fanatisme ataon'izay fanatique amin'ny olona tiany ihany koa. Izany hoe mitombo hatrany ny elanelana misy eo amin'ireo vondrona samy fanatiques mifanohitra. Ary rehefa lavitra loatra dia sarotra be ny hifanatonana.
Amin'izao mantsy ny TGV dia miha TGV be be kokoa hatrany. Izay naha TGV kely tao anatiny tao no nampitomboiny mafy ary raha teo aloha mba nihaino kely ny tsy TGV izy dia amin'izao nihena izany fahafaha-mihaino nananany izany. Toa izany koa ny TIM-ndRavalo izay mba nanaiky sosokevitra ihany teo aloha. Amin'izao dia mitombo be indray ny fitakiana dia mitady hiafara amin'ny hoe tsy hanaiky izahay raha tsy anay daholo ny hena REHETRA.
Eo anivon'ireo toe-javatra roa ireo dia TSY HITA INTSONY ilay mpanohitra "modérés" sy ilay mpanaraka "modérés". Takona tanteraka ireo izay nitaky ny hialan'i Ravalomanana amin'ny fomba demokratika. Ireo izay nieritreritra hoe tokony nosakanana tahaka an'i Zafy Albert izy, na nesorina tamin'ny alalan'ny fitsapan-kevi-bahoaka, na fifidianana mihitsy. Raha vao miteny ianao hoe esory Ravalomanana dia tonga dia voasokajy ho ao anatin'ny TGV izay. Toa izany koa, voasaron'ny safobe-mantsina hoe "mpitaky ny ara-dalàna sy famerenana an'i dada" ireo izay nieritreritra hoe avelao aloha Ravalomanana hamita ny mandat-ny dia esorina amin'ny alalan'ny fifidianana rehefa tsy tiana. Sy ireo nieritreritra hoe nisy ny tsy nety nataon-dRavalomanana kanefa nisy ihany koa ny zavatra tena niova nandritra ny fitondrany. Tsy afaka mieritreritra toa izany intsony ny olona fa tonga dia voasokajy ho TIM sy kamboty dada avy hatrany.
Ka hoy aho hoe, angamba tonga kosa ny fotoana tokony hihainoana an'ireo tsy be fiavy. Ny "majorité silencieuse" azo eritreretina hoe mizara roa, dia ireo izay tsy voatery ho TGV na dia tsy mila ny hiverenan-dRavalo aza, sy ireo izay tsy voatery ho TIM na dia manohana ny asa nataon-dRavalo aza. Asa nefa hoe amin'ny fomba ahoana.
Mitsingerina androany indray ny andro nankalazana ny mariazin'i Papa sy Mama... 33 taona lasa izay. Dia nanaovana batemy anay ihany koa. Mbola kely dia kely aho tamin'izany fa misy sary iray hany mba tadidiko dia i Mama somebiseby tamin'ny fiomana tao antrano, tadidiko tsara tamin'izany fa tao antrano i mompera itompokolahy Benoit Tsangambelo... dia izay ihany. Tsy nisy tadidiko izay izahay naka sary, na dia hitako aza ny sary taty aoriana, tsy tadidiko ny tao ampiangonana sns. Na izahay natao batemy aza tsy tadidiko mihitsy.
Aleo aloha havalona any ny resaka politika fa tsy miady ny lalao. Zahay tsy hanao raha vao mifampitifitifitra, hery no miady fa tsy ny saina ka aleo hijanona. Fa nahita fika fampatoriana zaza aho androany. :-) (tohiny)
Nihovitra ny tany teto amin'ny faritra afovoan'Italia tamin'ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy tamin'ny 3 sy sasany. Tsy tena natory izahay satria mbola tratran'ny mifoha isaky ny mitomany ny zazakely.
Amin'izao anoratako izao dia heno mihovitra kely indray ny tany (11:27). Maka toerana ny ao ambany ao.
tohizako...
Ny misy anay dia tanàna iray amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Roma. Any amin'ny rihana fahafito ka heno mafy mihitsy ny fihonjony. Naharitra 20 segondra teo ilay izy ka nianjerazera daholo ny zavatra ratsy petraka. Izahay rahateo vao tsy ela no nifindra trano. Noraisina ny zazakely dia nojerena hoe inona no tokony hatao. Nitazana teny ambaravarankely raha misy olona mivoaka ny trano dia mba hivoaka koa. Sarotra ihany anefa ny hidina tohatra rihana fito amin'ny andro amin'ny telo maraina...koa dia niandry aloha. Novelomiko ny ordinatera dia nametraka hafatra tao amin'ny twitter, noho ny mbola fangovitana angamba dia lasa "tramblement" no voasoratra fa tsy tremblement. Nalefa ny radio dia mba nahazo fankaherezana kely tao nilazan'ny mpanao gazety hoe avy aiza ilay izy ary inona no tokony hatao. Heno ary fa any akaikin'i L'Aquila no foibeny. Izany hoe 70 km eo ho eo miala eto aminay.
Nony elaela moa dia niverina teny am-pandriana ihany, dia nivavaka fa hoe hatory. Mbola teo am-pivavahana teo izahay no nihetsika indray ny tany. Tsy dia mafy loatra ity indray mitoraka ity, fa na izany aza dia nitsangana indray nijery hoe nivoaka ve ny olona sa tsia. Fa toa tsy nisy nivoaka ny olona. Olona roa no hitanay nivoaka sy nihainohaino teny amin'ny arabe dia niditra niandry tao anaty fiarany.
Izaho avy teo tsy niverina natory intsony fa nanomboka niasa. Efa maraina rahateo ny andro...
Nony maraina vao heno fa hay tena nandrava an'i L'Aquila ilay izy, nahatratra maherin'ny 150 no maty ary mbola misy ireo tototry ny tany.
Anisan'ny nahafinaritra ahy ilay débats izay nifanaovan'i Vony Rambolamanana sy Philippe Rajaona tao amin'ny France 24 tamin'ny herinandro lasa. Na dia tsy dia mitovy hevitra aza ry zareo dia nisy niraisana ihany tao... dia ny hisian'ny filaminana. Hoy tsara Vony hoe raha ny hanala an-dRavalomanana ny tanjona dia misy fomba demokratika ao anatin'ny lalam-panorenana hanaovana izany. Ary Ravalomanana rahateo dia nanolotra hevitra hirosoana amin'izany dia ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Azo natao tsara mihitsy io mba hahafahana maka ny fon'ny vahoaka rehetra eran'i Madagasikara sy ny Firenena vahiny... saingy ny haka fanjakana moa no nahamaika ny TGV. (tohiny)
Miala any ny fanoherana ny fanjakana nangalarina. Manomboka ary hitohy eo amin'ny kianjan'ny demokrasia :-) eo Ambohijatovo ny tolon'ny vahoaka ianjadian'ny tsy rariny. Vahoaka mpandala fifidianana. Nohosihosena mantsy ny vokatry ny safidiny ka na ny Solombavam-bahoaka na ny Filoham-pirenena izay nofidiny dia nesorin'ireo be sandry ary nosoloiny olona tsy nofidiny akory. (tohiny)
Taorian'ireny hotakotaka ireny dia toa be dia be ny mangina, indrindra ny TIM. Ny solombavam-bahoakan'ny TIM, ny loholon'ny TIM, ny birao-n'ny TIM, ny radio sy télé TIM moa efa nampanginin'ny be sandry. Dia gaga ny tena hoe matahotra ve sa nialokaloka fotsiny fa tsy nanohana an-dRavalo? (tohiny)
Hotehiriziko eto fotsiny aloha ity mba hotadidiana rehefa any aoriana kely any... tsy ho ela :-p
Rahalina aho mbola hiaritory hiarahaba ny internet tonga ao antrano indray (lasa Ravalo vao nandeha ilaikary tsss). Koa rahampitso dia hitohy indray ny dinidinika politika eto amin'ity blaogy ity.
Ny lalao mbola ho ela.
----------
L'arrivée au pouvoir de Andry Rajoelina aura été une succession de retournements et de coups de théâtre. Récit.
Premier acte : le
président Ravalomanana signe une ordonnance qui transfère tous ses
pouvoirs à un directoire militaire. Le vice-amiral Philibert Ramaroson,
qui doit en prendre la tête, finit par se laisser convaincre avec deux
autres généraux qui figurent parmi les plus hauts gradés de l’armée.
Selon nos sources, les trois hommes acceptent la formule, non pas pour
exercer le pouvoir, mais parce qu’elle permet d’obtenir l’éviction du
président. Leur plan est de définir, avec les officiers de l’état-major
général, le cadre de la transition et de passer immédiatement le
flambeau aux responsables politiques. Mais petit contretemps, le
directoire militaire et le chef d’état-major, convoqués à une réunion
de la médiation des églises, n’ont pas le temps de se voir et de
s’expliquer.
Le deuxième acte se déroule
alors à l’épiscopat où la réunion démarre en présence des émissaires de
l’ONU et de l’UA, et de plusieurs ambassadeurs. Les officiers de
l’état-major et Andry Rajoelina, sont-ils déjà au courant de
l’instauration de ce directoire ? Difficile de savoir, mais Andry TGV,
furieux, n’attend pas les explications et quitte la salle. Dehors, les
militaires qui l’escortent sont informés. Des soldats arment leur fusil
mitrailleur, pénètrent dans la pièce et hurlent qu’ils n’accepteront
jamais de directoire militaire. Les trois généraux sont embarqués sans
ménagement vers le camp CAPSAT (Corps d'administration des personnels
et services de l'armée de terre), d’où est partie la mutinerie il y a
quinze jours. La fin de ce deuxième acte se termine par une scène
saisissante de diplomates s’engouffrant dans leur voiture pour échapper
à la furie et de militaires surexcités hurlant dans la cour de
l’épiscopat.
Le troisième acte se déroule donc
au camp militaire du CAPSAT. C’est là où s’est préparé le dénouement.
Les trois généraux installés dans une pièce reçoivent enfin le chef
d’état-major. Décision est prise de transférer les pouvoirs qu’ils ont
reçus quelques heures plus tôt du chef de l’Etat à Andry Rajoelina. Il
faut rédiger une nouvelle ordonnance. Selon nos informations, Norbert
Ratsirahonana, l’ancien Premier ministre et surtout ancien président de
la Haute Cour constitutionnelle, est à la manœuvre. Il a formé les
actuels juges du HCC et dispose d’un réel ascendant sur la Cour. Il
faudra plusieurs heures pour peaufiner la formule du transfert des
pouvoirs du directoire à Andry Rajoelina. A 21h30, les trois généraux
très détendus lisent leur ordonnance aux journalistes qui patientent
depuis des heures dans le mess du CAPSAT.
Fin du troisième acte :
Le héros du jour Andry TGV est nommé président de la Haute autorité de
transition avec de fait les pouvoirs d’un président de la République.
Tsy resy lahatra aho amin'ny hilaminan'ny politika ao Madagasikara ao anatin'ny 2 taona farafahakeliny raha mandray fitondrana ny TGV. Tadidinareo ve hoe naninona ny MFM no tsy nahazo fitondrana mihitsy hatramin'izay niforonany izay? NY MFM/MFT an'i Manandafy Rakotonirina hatramin'izay no nitarika tolona teto Madagasikara. Hatramin'ny 1972, 1991 sns. Mitarika foana ry zalahy fa tsy tonga hatramin'ny farany satria matetika dia loham-boto izay afenina ao anatin'ilay teny hoe "Tolom-bahoaka" no ataony. (tohiny)
Raha ohatra hono ka mametra-pialàna i Ravalomanana, izay mazava ho azy fa demission forcée ambava-basy tahaka ny nanaovana ny minisitry ny Fiarovana teny Ampahibe. Dia hiakatra eo amin'ny fitondrana ny ekipan'i TGV, hifandrombaka hiakatra satria samy nitolona dia samy mba te hahazo kely. Te haka ny anjarany daholo ry Zafy, Rolland Ratsiraka, Ratsiraka koa mazava ho azy, Pierrot Rajaonarivelo. Dia efa hikorontana aloha ry zalahy ireo. Rolland Ratsiraka aza moa ilay vao nisy fanendrena minisitra dia efa nampiaka-peo hoe tsy mba ao ny ekipany. Dia tsy maintsy hozarazaraina izany ny mofomamy ary izay tsy mahazo dia hampiaka-peo. (tohiny)
Iray volana sy tapany izay dia nanao antso ho an'izay mitondra aho, na iza izy na iza, hoe gadrao i Andry Rajoelina. Tamin'ireny fotoana ireny dia nanana rariny tsara mihitsy raha nanagadra an'i AndryTGV satria nazava be ny antony dia ny tsy fanarahan-dalàna izay nataony. Noheveriko fa fetsy i Ravalomanana ka niandry kendry tohana toy ny fanaony. Izay mantsy no tena fomba fanao hatramin'izay ary tsy hita izay maharatsy azy. Fanaon'ny demokraty rehetra ihany koa. Rehefa misy fahavalo politika dia arahi-maso akaiky, ka raha vao misy tsy fanarahan-dalàna ataony dia paingorina. (tohiny)
Resaka isan'ny nanaitra ahy tatsy amin'ny serasera indray. Averiko eto ihany fa tsy hevitro ity fa hevitr'i Andrianarivo Robson. Tsy maninona raha mamaly eto ambany eto ianareo kanefa mety tsy ho hitany akory izany. Raha mazoto moa dia jereo eto ny toerana tena hamaliana azy.
---------------
Atao resaka be ankehitriny fa misy « mercenaires » teo
@ place 13 mai nibaiko ny miaramila Malagasy. Dia nataontsika sasany ho olana
be izany. Dia izaho no mba hevitro.
Nodidiana I Mahalatsa sy Mahagaga tsy vita tao Dago fa nalefa
taty Farantsa. Tsy nisy niteny isika fa samy faly satria vita soa aman-tsara ny
fandidiana. Spécialiste ireo ary azo lazaina koa hoe “mercenaries” fa ao amin’ny
sehatra Fahasalamana.
Vao afak’omaly ny tao @ MAEP no nanao fiaraha-midinika momba ny
fambolena vary ary dia nanafatra expert tany ivelany nanome toro-marika. Azo
lazaina ho “mercenaire” koa io fa ao @ sehatra fambolena.
Ny sehatra Fizahan-tany eto amintsika dia anjakan’ny teratany
vahiny ny fitrandrahana azy. Tsy misy miteny isika kanefa “mercenaries” koa
ireo fa ao amin’ny lafiny “tourisme”.
Maro tsy ho tambo isaina ny ohatra.
Ny fanontaniana dia ny hoe nahoana no asiana resaka be raha vao
ny ao @ miaramila no manafatra “expert en mouvement de masse”? Dia gaga
amintsika aho. Amiko sehatra tahaka ny sehatra rehetra io, rehefa ilaintsika ny
fanampiana avy any ivelany na inona na inona ka mahasoa antsika tsy hitako ny
olana. Famerenana ny filaminana ao anatin’ny fotoana fohy no tanjona, izay
fomba rehetra hahatratrarany izay no jerentsika.
Voalohany indrindra aloha dia averimberiko ihany ny fireha-kevitro. Tsy mpanohana be fahatany an-dRavalomanana aho. Ny antony mbola anekeko an'izao fitondrana izao dia satria tsy mbola misy foana mpanohitra matotra ho afaka hisolo an-dRavalo na dia noeritreretina ny ho teteza-mita ho amin'ny fitondrana tsaratsara kokoa fotsiny aza Ravalo tamin'ny 2002. Tamin'ny fifidianana 2007 iny dia nijery aho raha misy olona vaovao hitondra saingy toa mbola tian'ny olona loatra Ravalo dia miandry amin'ny 2012 indray izany. Ho hita eo raha misy hafa tsaratsara kokoa indray. (tohiny)
(Ny fiainana mandeha ihany) Toa hoe ho avy any Madagasikara hono i Rossy? Hanimba carrière any indray dia rehefa halan'ny olona vao hoe "Mbola tsy mety tafody foana leisy aho" :-) (tohiny)
Dia tonga ihany i Aina rehefa nandrasana nandritra ny 38 herinandro. Lahy kely tahaka an-drainy... Teraka tamin'ny 5 febroary 2009 tamin'ny 12 ora sy 9 minitra teto Roma.
Nisy nahazo basy tampoka... raha toa ka lasa fitaovana hiambenana fotsiny aloha tsy dia maninona loatra satria mba "voaaramaso"... fa ny basy sasany lasa aiza?
Un message envoyé par DotMG que j'ai le plaisir de diffuser sur mon blog.
===============
A qui profite la casse?
A Andry Rajoelina?
Avantages à gagner:
- Accuser l'autre partie d'avoir orchestré ces casses afin de tuer la
lutte qui devient trop incontrôlable pour le régime
(http://twitter.com/barijaona/status/1151158998)
- Eviter une grève générale qui dure trop. Une autre grêve de plus de
2 mois n'est pas concevable actuellement.
Inconvénients:
- Perte de crédibilité et de poids politique. Comment croire qu'un
jeune puisse prendre la tête d'une transition alors qu'il ne maitrise
même pas la foule qui le soutient?
- Perte d'une grande partie des manifestants pacifiques qui ne
voudront pas être complices d'un mal quelque part.
- Perte du contrôle de la lutte qui démarre pourtant en trombe.
A Marc Ravalomanana?
Avantages à gagner:
- Légitimer un dédommagement par l'Etat des biens détruits, une fois
la crise passée, puisque d'autres "innocents" ont aussi été victimes.
(En mettant entre parenthèses le mot innocents, je veux mettre
l'accent sur le fait que je ne sous-entend pas par ces mots que le
propriétaire de Magro ne soit pas innocent. Lire plutôt dans le sens :
il y a eu d'autres innocentes victimes que le propriétaire de Magro.)
- Tuer toute volonté future éventuelle du peuple de révolter, par
crainte de nouvelles casses. Une fois la crise passée, les forces de
l'ordre auront même tout le droit légitime d'user de la force pour
anéantir toute forme de mouvement, et ce, surtout quand il sera au
stade embryonnaire.
- Noyer la masse populaire acquise à la cause de Andry TGV. En effet,
la masse populaire acclamant le retour du Président n'a pas été trop
convaincante car des gens auraient été payés, ramassée des quatres coins de
la capitale. Depuis les casses en effet, on ne parle plus de lutte, du
nombre de gens sur la place du 13 mai, on parle de casses, de casses.
- Accuser l'autre partie d'avoir orchestré ces casses afin d'avoir la
légitimité et les lattitudes pour arrêter les malfaiteurs?
Inconvénients:
- Risque de coup d'Etat de la part de l'Armée.
A une autre force du mal qui agit dans l'ombre?
Avantages à gagner:
- Faire régner la confusion, pour fragiliser les deux protagonistes
et ou les anéantir
A Dieu Tout Puissant (attention blasphème)
Avantages:
- Faire payer aux Malgaches leurs erreurs. Montrer aux réligieux que
quand on instrumentalise la religion, il n'y aura pas de Raiamandreny
qui peut aider à surmonter une crise qui arrive à l'improviste, et
c'est le chaos.
Inconvénients:
- Les Malgaches n'admettent pas que c'est l'erreur de chacun: c'est
toujours la faute de l'autre. Et ils continuent de renier Dieu et son
existence, et ils continuent la religion ... vavaka mihambahamba,
vavaka mihatsaravelatsihy.
Efa niaiky i Andry Rajoelina fa olony no nandeha teny amin'ny MBS.
Nolazainy ho fatam-poko ho fanta-pirenena, hatr@ mpanao gazety vahiny
fa mpitolona tao aminy ilay maty voatifitra teny @ MBS. Nanome baiko izy hanakatonan'ny vahoaka ny MBS ka ny olona nirahina no nandeha koa hanakatona ny RNM. Satria an'ny fanjakana ny RNM ka noho izany dia an-dRavalomanana koa. Dia nodorana toy ny tany amin'ny MBS koa ny RNM izay fananam-panjakana.
Noho izany dia Andry Rajoelina, izay niantso désobéissance civile, no
tomponandraikitra voalohany tamin'ny zavaniseho teto Antananarivo
hatramin'ny alatsinainy. Miantso ny vahoaka hikomy izy kanefa mbola tsy
eo am-pelatanany akory ny fahefana. Mbola tsy nanana drafitra akory izy
hiarovana ny vahoaka sy ny fananam-panjakana raha sendra misy ny
mihoa-pefy. Koa tompon'andraikitra voalohany amin'izany fikomiana
nitranga izany Andry Rajoelina ka tokony hotsaraina sy hogadraina.
Matoa ry Zafy sy ny mpanohitra tsy nahasahy nanetsika vahoaka dia fantatr'izy ireo fa rehefa vahoaka noana sy mahantra no hetsehina dia tsy ho voafehy. Ary satria tsy mbola nahazo ny fon'ny mpitandro ny filaminana ry Zafy dia naleony tsy nihetsika. I Andry Rajoelina kosa nahita fa misy vahoaka manaraka azy dia nanome baiko tsy ampieritreretana. Nanaraka azy tokoa ny vahoaka noana ka tsy voafehiny intsony.
Raha niantso désobéissance Ravalomanana tamin'ny 2002 vokatry ny tsy
nanekena ny fanaovana fampitahana ny PV tamin'ny fifidianana dia satria
fantany fa voafehiny tsara ny vahoaka raha sendra mikomy. Tsy nihetsika
tanteraka izy raha tsy efa azony antoka fa hisy avy amin'ny tafika
hiaro ny vahoaka.
Na dia nataon'ny mpanohitra fitaovana aza i Andry Rajoelina dia
tompon'andraikitra voalohany satria avy aminy ny baiko hisian'ny
fikomiana. Koa ny vahoaka izay very fanantenana amin'izao fotoana izao, ny vahoaka izay nantsoina hikorontana nefa tsy narovana, ny vahoaka izay leo fitondrana nefa tsy misy mpiaro dia miantso an'izay mbola manana fahefana na iza na iza mba hisambotra izay mpanakorontana. Miantso hanagadra an'i Andry Rajoelina izay atidoha nikotrika izao korontana izao. Ary miantso ny hisian'ny fifampidinihana ho an'ireo izay vonona hanarina an'Antananarivo sy Madagsikara.
Rava ny tanàna. Nandry tsy lavo loha ny olona. Izao daholo ry Andry
Rajoelina sy ny tariny vao manomboka manenina sy miantso
fandriam-pahalemana. Toa efa tara loatra ihany. Tsy noheverina angaha
fa izao no hitranga rehefa vahoaka noana sy mahantra no asaina manao
désobéissance civile?
Nirehareha ianao fa afaka mitondra firenena kanefa ny vondron'olona
kely taritinao aza tsy voafehinao rehefa tena tsy mandray andraikitra
ny miaramila.
Fa nankaiza daholo ireny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo
nahavita nisakana ny arabe sy nandamina ny olona ireny? Lasa jiolahy?
Fa nankaiza daholo ireo nantsoina hoe Andrimasom-pokonolona izay
nolazaina fa "vahoaka" mpanohana an'i Andry? Nivadika ho mpandroba?
Izao aho vao tsy gaga koa raha nieritreritra hoe nanaiky natao
fitaovana ireo olona teny Ambohijatovo. Kay izao no nokoboniny tao.
Main'ny afo natsangany izao i Andry. Dia samy hotsarain'ny tantara eny daholo.
Natao nalaza be sy natao hankalazana olona vitsivitsy sy takelaka vitsivitsy mihitsy ny tantaran'i Kamba kely. Vita ny fandidiana, dia nalefa nody ilay zaza... dia adino teo. Olona vitsivitsy sisa no manara-maso ny fahasalamany. Amin'izao dia re fa mbola tsy salama i Kamba. Mbola mila fanafody isanandro. Mbola mahantra ny reniny. Mbola mila fanampiana be dia be. Ary mbola mahafantatra izany daholo ireo rehetra nankalaza iny raharaha iny. Mbola nandefasana email matetika... Fa angamba efa samy nieritreritra hoe ampy izay? Tsy efa be tokoa ve moa izay vitanareo izay.
Kanefa... mbola marary i Kamba. Isaorana fa mbola misy ny fikambanana miasa mangina manampy azy.
Nahazo hafatra avy any amin'i zandrinay faravavy aho fa tsy nahandry ny andro zoma i Idealy fa te hikorana sahady hiaraka amin'ny olona ety ambany masoandro. Androany maraina tamin'ny 4 sy sasany izy no tonga tety an-tany. Tsy mba niandry ilay cousin-ny akory. Dia nomen'Andriamanitra ny fara r'ise a.
Raha namako ianao
Ka sendra nahalala
na nahita tany ho any
fa fetiko ny androany
Dia aoka kely aloha
Aza maika akory
Handany ron-doha
Hitady fanomezana
Ka handefa tsiaro
Voninkazo iray fehezana
Na taratasy maro.
Fa tsiky kely iray
Dia efa ampy ahy.
Na fetiko aza androany
Zavatra tsy haiko
Sady koa tsy tiako
Ny hangataka aminao
Harena mora lany
Fa ny hany ilaiko
Sy ampy hifaliako
Dia ny tsikinao
hameno ny androany
Tsiky iray omena
ireo izay mifanena
sy olon-tsendra anao.
Na fantatra na tsia, tia na mankahala
Sakaiza, mpiara-dia, fahavalo na malala
Tsiky ho an'ny olona izay hitanao rehetra
Akama vaovao, olom-patatra etsetra
Ary na irery tsy misy izay mijery
Dia mitrakà mangina
Asio fitsikiana
Izay!
Tsikinao dia ampy
Fa mahasolo hira
Tsikinao dia ampy
Hataoko sovenira
Efa taona maro nifanesy izay dia tsy mba mandefa fiarahabana noely amin'ny alalan'ny email tahaka ny ankamaroan'ny olona aho. Ny fialàna tsiny tamin'izany dia hoe satria ny ankamaroan'ny mpandefa ireny email ireny dia tsy mahalala akory hoe iza no handray azy... satria alainy daholo ny adiresy ao amin'ny lisitra ananany dia andefasany firariantsoa dika mitovy. Nony nolazaina anefa aho hoe mandefasa aza firariantsoa vitsivitsy dia mbola tsy vitako ihany... dia eto amin'ny blaogy no miala vonkona.
Amin'ny maha-kristianina ahy dia mankalaza ny noely amin'ny maha fahaterahan'i Kristy azy aho. Fa mahatsiaro manokana ireo izay tsy kristianina sy tsy mivavaka ihany koa indrindra indrindra. Noely toa inona no ankalazain'ny tsirairay? Tsy fifaliana ve? Tsy fanantenana ny hisian'ny fiadanana ve? Tsy ny fiandrasana ny maraina vaovao ve? Tsy ny fifankatiavana ve? Tsy ny fitiavana ve? Koa na kristianina na tsia dia toa mitovy ihany ilay fety nandrasana. Fifaliana fa nisy zava-baovao tonga indray.
Koa dia mirary soa sy fanambinana ho antsika
rehetra izay sendra mamaky ity blaogy ity. Na ny mpino na ny tsy mpino.
Na izay niandry noely na izay tsy niandry. Samy hahazo ny anjara
fiadanana sy fifaliana tadiaviny avokoa.
Misy fotoana roa tena ahatsiarovana an'Andriamanitra... rehefa tena latsaka iny sy ilay rehefa tena mahita fahagagana. Ny fotoana eo antenantenany ohatra ny tsy dia mahatsiaro loatra. Rehefa sendra voakapoka mafy ny olona ka mitady izay hianteherana etsy sy eroa, (amin'ny film aloha no tena hitako :-)) dia farany miteny hoe "Mbola tsy nivavaka mihitsy aho, Tompo, fa androany aho mitodika aminao"... Tahaka izany koa, rehefa tena misy zavatra tsara, tsy hay izay antony, mitranga eo amin'ny fiainana dia tonga saina tampoka "misaotra an'Andriamanitra"...
Fa ankoatra an'izay dia nandalo tany Paris indray dia nihaona t@ ekipan'ny telomiova.org tany. Tattum, Fafa, Haja. Nahafinaritra ny dinika na dia avy aza ny orana. Tsy ho any Paris intsony indray aloha ato ho ato fa efa be ihany izay :-)