Fandraisana anjara amin'ny "Aza ampijaliana ny tenintsika".
Sarotra ihany ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy ny mamantatra hoe misy "h" ve ny teny iray sa tsy misy satria amin'ny ankapobeny ny "h" dia tsy tononina. Ho an'ny faritra sasany toa ny any Betsileo aloha tsy dia manana olana satria tononina tsara mihitsy ny "h". Koa ireto ary misy fomba vitsivitsy hahalalàna hoe tokony hisy "h" sa tsy tokony ny teny iray. (tohiny)
Nangingina kely ity Paka ity tamin'ity taona ity. Ratsy be ny andro fa avy be loatra ny orana efa ho 3 taona izao. Lasa aloha be mihitsy mantsy ny Paka tamin'ity ka mbola misy sombintsombin'ny ririnina. Tsy nisy fiara koa tamin'iny herinandro masina iny ka tena sahirana be mihitsy. Androany aza mbola oram-be mihitsy fa soa ihany mba efa nisy fiara. (tohiny)
(Ny lohateny fotsiny no teny frantsay) :-)
Tao amin'ny trano nahatsiarovako tena voalohany indrindra dia ambonimbony ihany ny fanapihana jiro ("interrupteurs"). Natao tsy ho takatry ny ankizy mihitsy. Mitsambikina aho izany rehefa handrehitra jiro. Dia tadidiko tsara fa rehefa handrehitra jiro dia midina ambany hatrany ilay fandrehetana azy. Moramora ho ahy kokoa izany ny mandrehitra jiro noho ny mamono.
(tohiny)
Dia hivoaka amin'ny faran'ity taona ity indray izany ny "Madagascar, The Great Escape" (aka. Madagascar 2). Miala ao Madagasikara ry zareo amin'ity film ity ary dia mitontona indray any Afrika. (tohiny)
Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka hatrany ireo takelaka mahaliana, indrindra fa takelaka malagasy sy blaogy. Tsy araka anefa, na koa tsy tadidy, ny mijery azy ireny tsirairay. Ary misy koa tsy voatery jerena isanandro satria tsy miova isanandro. Koa fomba iray hahafahana mijery ny zava-baovao amin'ireny takelaka ireny dia azo ampiasaina ilay atao hoe Fahana RSS. (tohiny)