« | »

Milamina sa haolo ny tanàna?

2009-07-13 @ 08:05 in Eritreritra mandalo, Politika

Ny teny voalohany saika hanombohako an'ity lahatsoratra ity dia hoe "Mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara"... kanefa tsy izay indray no ampiasaiko satria manjary lasa fihetseham-po fotsiny ilay izy. Satria toa tsy mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara... tsy misy olona mampalahelo tsy miantso vonjy izany mantsy. Ka andao atao hoe milamina ny tanàna... na farafaharatsiny mandrimandry manan-draharaha.

Andao atao hoe efa tafita mihitsy e. Efa tsy mandry andriran'antsy intsony fa efa eo tsara ny fandriam-pahalemana. Mazava ho azy, rehefa mahantra ny olona dia mangalatra sy manendaka. Fa amin'izao efa tsy mahantra intsony ny olona. Manana ny ampy daholo ka na mandeha manamorona ny tetezan'i Bekiraro aza ianao no mitondra Gourmet Ngenjy dia tsy hisy hikasika... hidera anao aza angamba ny sasany hoe "Mba tsara koa izany gourmet-nareo zany an"...

Efa niverina ho mora daholo indray ny sakafo sy ny zavatra tena ilain'ny be sy ny bobaka andavanandro. Nisy tokoa mantsy teo aloha ny fanaovana ampihi-mamba an'ireny PPN ireny. Ka nony nesorina ny mpanao ampihimamba dia tokony ho betsaka amin'izay ny vary, menaka, ronono sns... satria efa afaka manamboatra menaka sy ronono daholo izay te hanamboatra. Sady tokony ho mora amin'izay fa efa mandeha tsara ny fifaninanana.

Efa malalaka daholo amin'izay ny fanehoan-kevitra satria nesorina teo amin'ny toerany ilay jadona. N'iza n'iza te hiteny ao amin'ny radio sy fahitalavitra dia afaka miteny. Ny TVM sy ny RNM efa mandefa ny feon'ny vahoaka rehetra fa tsy ny an'ny mpitondra fotsiny intsony.

Efa nofy sisa izany resaka mivarotra tanindrazana izany. Ilay rangahy nitondra teo aloha mantsy saika nivarotra an'i Madagasikara ambongadiny. Amin'izao efa filamatra ny hoe "Madagasikara an'ny Malagasy" ka tsy amidy na tany na rano na ala. Mpanenjika fitondrana izany nilaza hoe mivarotra rano izany. Asa fanasoavana no atao.

sns...

Angamba efa ireo no mitranga matoa tsy misy mihetsika firy ny olona afats'izay pro-zao sy pro-zao. Toa tsy fantany ilay hoe "Manaiky matoa tsy miteny". Ny sasany dia manao hoe "Olona leo politika"... ka aleo hihinan'ny tadiny ao i Madagasikara. Ny Fiangonana aza, ilay mpiahy ny madinika sy ory, toa tsy heno... angamba tsy ory sy madinika intsony ny olony. Raha taloha mantsy ny Fiangonana dia miteny avy hatrany rehefa misy voakitikitika ny rariny sy ny hitsiny. Impiry ireny i Mgr. Odon sy ny FFKM koa no niaka-peo rehefa nisy ny tsy nety teo amin'ny fitondrana. Ka angamba matoa izy ireo tsy miaka-peo dia milamina ny tanàna.

Koa inona intsony no holazaina raha efa milamina daholo ny tanàna? Tsy izay ve no ilaina?... asa anefa

Hevitra

hay kosa izany efa milamina ny tanana ka dia tafandriamandry daholo e !

Nampidirin'i ikalamako @ 08:51, 2009-07-13 [Valio]

Tsy tonga ny hafatra lolll

Nampidirin'i Hery @ 10:07, 2009-07-13 [Valio]

mouhahahahaha. Misy hafatra angaha ?

Nampidirin'i ikalamako @ 10:31, 2009-07-13 [Valio]

Tena marina

Misaotra an'i Hery nanaiky fa milamina ny tanana! Asa anefa fa fihatsarambaletsihy moa ny fiainana, fa ho ahy dia milamina ny tanana.

Nampidirin'i naritsimba @ 10:38, 2009-07-13 [Valio]

saika adino

Ho an'izay mino ny tsaho miely any ivelany no milaza tsy manatri-maso fa tsy milamina ny tanana, fa ho anay monina eto Madagasikara ka afa-patorana t@ Ra8(dada rabe osy) aloha dia mahatsiaro milamin-tsaina satria dia tsy misy ahiana intsony eo @ fanaparam-pahefana, ny tany tsy atahorana hisy haka, ny fahalalahana maneho hevitra dia malalaka tsara, ary efa maromaro ihany izay fanehoan-kevitra natao izay raha ho an'ny tenako manokana, izay manana andraikitra eo @ resaka asa. Ny fanenjehana ireo mpitondra fiangonana na mpiasam-piangonana ao @ FJKM izay nanohatra an'i Ra8 no mbola miseho @ lafiny hafa indray, ary atao mangingina any ambadika any, ary ny mampalahelo dia alahelom-bola ilay izy, satria izay no atao hoe very fihinanana angamba. Ny mba azoko atao ho an'ireo namana iharan'izany dia hoe: Misy farany ny zavatra rehetra, tsy sanatria akory maniry ratsy raha miteny izany, fa kosa @ maha mpino FJKM ny tena dia tsy gaga intsony raha mbola hizara indray ny FJKM atsy ho atsy raha tsy mitandrina. Ny EKAR moa dia mangina ihany koa ary inoako fa noho ny fitsipi-pifehezana hifampifehezana no mahatonga izay, asa anefa fa i Hery dia any Italie no mipetraka ka asa raha mba afaka hitondra fanazavana @ izay @ maha tompon'andraikitra azy tao @ Fiangonana Katolika Romana.
Amin'ny ankapobeny dia milamina tanteraka aty Madagasikara amin'izao fotoana hanoratana izao indrindra fa hatramin'ny nahatratrarana ireo mpampihorohoro izay nanapoaka baomba. Enga anie tsy ho marina fa ianareo GTT no mpamatsy vola an'izy ireo.

Nampidirin'i naritsimba @ 10:49, 2009-07-13 [Valio]

naritsimba> Tsara mihitsy izany. Efa miha-manankarena izany izao ny gasy? Momba ny PPN tsy efa OK daholo?

Nampidirin'i Hery @ 11:44, 2009-07-13 [Valio]

Saika namerina be fahatany ilay fehezan-teny ankafizin'ny mpanohana taloha za hoe "Avelao aloha izy hiasa e !" ... fa hay niova ny lahatsoratra dia ovaiko izany hoe "Misaotra antsika isika e ! " hi hi hi

Nampidirin'i pissoa @ 12:10, 2009-07-13 [Valio]

moa ka tsy izany va?

Nampidirin'i ravakamalala @ 12:41, 2009-07-13 [Valio]

Ka rahoviana no hisy ny fifidianana moa ?

Nampidirin'i malagasyzen @ 13:11, 2009-07-13 [Valio]

Ireo izay manaiky izay mitranga ankehitriny ka "milamina" dia tsy tokony ho gaga rahampitso rehefa tonga ny henjana ka hilaza hoe tsy nampoiziko !

Nampidirin'i DadaRabe @ 18:53, 2009-07-13 [Valio]

Izay mangina.....

Tombatombana daholo ny antsika aty ivelany...tsy misy mahalala marina izay tena miseho afa-tsy ny ao an-toerana.
Misy ihany ny feo re etsy sy eroa , feon'ankizy kamboty mitady ny rainy...
Eo ampahanginana ny olona , mampihatra an'ilay anatra malaza
hoe :"izay mangina volamena"
Lasa nangirana sy mamiratra daholo ny ankamaroan'ny olona?

Nampidirin'i malagasycool @ 21:51, 2009-07-13 [Valio]

Eny, efa manana ny ampy isika Malagasy. Tsy vitan'ny hoe vokatra ihany no amidy any ivelany, fa ny RANO eny an-drenirano koa.
Ny olona mitondra gourmet ngenjy eny Bekiraro kosa moa dia andeha ataontsika hoe mpanao asa fanasoavana, mizara fananana ho an'ny sahirana...

Nampidirin'i LeRastah @ 00:58, 2009-07-14 [Valio]

manankarena

hery> raha ilay fiheverana fa manankarena ny gasy, tsy dia haiko aloha hoe tahaka ny ahoana ny atao hoe manankarena, raha araka ny fitenin'ilay filoha teo aloha atao hoe Ra8 aloha dia toy izao: "Tsy manankarena ny olona iray raha mbola voaisany ny volany", hatramin'izao aloha raha ny hitako dia samy mahaisa ny volany avokoa izay olona fantatro, ary anisany ny tenako izay mbola manisa ny miditra sy mivoaka fa tsy tahaka an'ilay niteny an'io. Dikan'izany amiko tsy mbola manankarena ny malagasy fa kosa malalaka @ fandraharahana, ary hadalan'izay tsy te hiasa @ izao fotoana. Raha hamboly dia malalaka ny fangatahana tanim-panjakana ankehitriny, ary tsy atahorana halain'ny mpitondra akory, ary efa maro ireo izay nahavita SN, sy ireo nahatontosa ny raharaha miaramila no manana zo hahazo tanim-panjakana 5ha, ary azo ampiana 5ha raha toa hita fa tsy ampy ilay azo teo aloha. Tsy toy ny fahiny ihany koa izany fa dia tonga dia azonao angatahana tanteraka ho anao avy hatrany fa tsy miandry 30 taona toy ny teo aloha.

Nampidirin'i naritsimba @ 05:06, 2009-07-14 [Valio]

finoanaranoray

TVM aloha dia nahafinaritra HONO ny nijery an'i Kaleta sy ny depioten'ny SAVA niady hevitra be indray alakamisy alina izay(vao haingana)...Fandaharana TAHALA no lohateniny...ary dia face à face ny mpanohana sy mpanohitra no alefa ao matetika...

Toa tsy nisalasala koa hono ny TVM namaoka ny hevitr'olona sasany sosotsosotra tamin'ny assise...

Fandriam-pahalemana hono mitovitovy ny any Amerika ihany...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 07:51, 2009-07-14 [Valio]

HONO

finoanaranoiray> tsy HONO araka ny filazanao fa tena izay no marina, malalaka ny fanehoan-kevitra, toy izay nitranga teo @ mpanao gazety Davidson(MaTV), Johary (TVM), Onitiana(TVPlus), iarahantsika mahalala fa ny MaTV ankehitriny dia manana fironana any @ Ingahy Ra8, fa samy namoaka ny heviny ary samy nametraka fanontaniana t@ izay zavatra tsy nazava taminy ny tsirairay.
Noho ireo dia tsy HONOHONO araka ny fiheveran'ny sasany azy ny fahalalahana maneho hevitra fa tena malalaka.

Nampidirin'i naritsimba @ 05:07, 2009-07-15 [Valio]

ppn

Ary ilay resaka PPN tsy valian'i naritsimba mihitsy. Izahay tokoa mantsy tsy any ka sao dia mandainga ny fianakavianay hoe tena sarotra be ny PPN (menaka, savony, ronono, siramamy sns).

Sa efa revin'ny samy manisa vola tokoa izao? Ny sasany mantsy tsy afaka manisa vola intsony satria tsy misy ho isaina.

Nampidirin'i Hery @ 11:19, 2009-07-15 [Valio]

HOY IANAO?

Marina tokoa fa mitombo ilay mivarotra ronono amin'ny sinibe ireny: 1000 Ar ny litatra, 500 izany dia mahazo 1/2l ianao raha toa ka 1600Ar izany amin'ny mpivarotra anaty trano ( toa an'ny La hutte can..), ary 1900 Ar any amin'ny grande surface( jumbo, shoprite,...)
2 herinandro teo izay nisondrotra ny vidin'ny carburants, tsy misy mikredy.
Manjary misy tsaky pop Ar100 dia mahazo...
Asa raha milamina izany ny tanana na tsia fa eo ambany fahefan'i Belzeboba angaha no azo ilazana azy.
Ovako ny lalàna dia ampihariko, izay tiako ihany io, rehefa tsy faly ianona andefasako an'i cdt Ch. na Gl Al. R.

Tena indrisy mihitsy ry taniko......

Nampidirin'i nysa @ 13:13, 2009-07-15 [Valio]

maeva74

Ny firariana dia ny filaminana sy ny fifankatiavana.

Nampidirin'i maeva74 @ 14:08, 2009-07-15 [Valio]

Azoko ny tianao lazaina, fa mety ny misy handray mivilana !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:23, 2009-07-15 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aogositra 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry