Fiomanana noely 2020

2020-12-12 @ 10:00 in Izaho sy ny ahy, Fiaraha-monina

Ny firariana dia hoe hijanona ho fahatsiarovana ity taona 2020 anisan'ny nanahirana an'izao tontolo izao ity. Tamin'ny herintaona tahaka izao tokoa dia tsy nisy nieritreritra hoe ho tahaka izao ny fiafaran'ity taona 2020 izay nolazaina hoe 20/20 ity. Ravan'ny COVID19 ny ankamaroan'ny tetikasa rehetra. Betsaka ny lasa tsy an'asa. Fa anisan'ny mampalahelo dia tsy voafehy ilay fiparitahan'ny valan'aretina ka na ny fetin'ny faran'ny taona aza dia tsizarizary.

Tsy dia tena ifanomezantsiny nefa na izany aza dia tsara ihany tsiahivina ho anatra ho an'ny sisa (sy ho an'ny hafa) fa ny tsy fitandremantenan'ny tsirairay no mahatonga an'izao fitarazohan'ny valan'aretina izao. Ady be mihitsy vao mahavita mandresy lahatra ny tsirairay hoe mampiasà masques, tandremo ny fifaneraserana, manasà tanana matetika sns. Nandritra ny vakansy jolay sy aogositra dia tahaka ny hoe tsy nisy valan'aretina atahorana na dia naverimberina foana aza hoe tsy mbola tapitra ny fifindran'ny aretina. Toa izay miteny foana no diso. Tsy eo no ho eo koa moa ilay fahavoazana dia tsy tsapan'ny tsy tonga saina. Raha ohatra ka hoe vao tsy mitandrina tonga dia mikohaka, mety ho betsaka ihany no nitandrina.

Jereo anefa ny any Chine amin'izao, tany no nipoiran'ny aretina kanefa amin'izao tsy nisy deuxième vague tany. Satria mafy be mihitsy ny fepetra noraisin'izy ireo tamin'ny fiarovana.

Ny hany azo atao dia ny manaiky izay fepetra mitranga eo. Misy fanantenana kely koa noho ny fisian'ny vakisiny kanefa izao dia efa betsaka sahady indray no miezaka manohitra. Fikafika fotsiny hono ny vaksiny e, resaka politika e. Ny sasany aza moa dia mieritreritra hoe misy fifandraisany ny 5G sy ny vakisiny.

Ny fepetra noraisin'ny fanjakana frantsay izany amin'izao noely izao dia ny couvre-feu manomboka amin'ny 20h hatramin'ny 6h, ka tsy hisy indra fo ho an'izay tratra. Mbola betsaka koa ny toerana mihidy ho fitsinjovana ny fivezivezena sy fifampikasohana. Dia miandry ny fivorany.

 

Fanabeazana diso tarigetra

2019-04-13 @ 12:38 in Fiaraha-monina

Sary roa nanamarika iny herinandro iny eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina teto Madagasikara ireo napetrako ireo. Ny sary voalohany dia mametraka ny hevitra niseho tao amin’ny rindrin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, izay toa efa nofafainy taorian’ny resaky ny olona, mikasika indrindra ny fomba fitafy ho an’ny vehivavy. Ny sary faharoa kosa dia mikasika tovovavy kely iray vao 9 taona monja nisy nanolana. Araka ny resaka dia hoe nandeha nandihy alina niaraka tamin’ny namany izy izao nisy nanolana izao.

Ny fifandraisan’ireo sary roa ireo dia ny fahitana amin’ny ankapobeny ny toe-tsaina manomboka voizina na efa mipaka anaty mihitsy aza ao Madagasikara. Tsy ny tompon-keloka intsony no melohina fa ny nahatonga ny tompon-keloka nanao ny heloka. Ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazana dia manainga ny raiamandrenin’ny tovovavy hanabe azy ireo hitondra fitafy maotina satria hono izany no hampihena ny filan-dratsin’ny lehilahy. Hadisoan’ny ray amandreny na ny tovovavy indray izany raha toa ka iharan’ny filan-dratsin’ny lehilahy izy ireo. Toa alàna tsiny avy hatrany ny filan-dratsy. Toa tafapaka avy hatrany amin’ny toe-tsain’ny ankamaroan’ireo nanome hevitra mikasika ilay tovovavy kely nisy nanolana sahady izany. Ny renin’ity tovovavy kely ity indray no tena nahazo tsiny satria toa noho ny nataony no naha voaolana ny zanany. Zazavavy kely vao 9 taona ve dia alefa handiny amin’ny alina. Toa alàna tsiny ilay lehilahy nanolana.

Diso lasibatra tanteraka ny toe-tsaina tahaka izany raha tohizana. Marina fa amporisihina ny olona hanao fitafy maotina, tsara, ary tenenina ny ray aman-dreny hitaiza tsara ny zanany, fa tsy tokony hanala tsiny ireo mpanao ratsy izany. Raha misy ny tokony mila fanabeazana na famaizana dia ireo mpanao ratsy na ireo mirona tsikelikely amin’ny fanaovan-dratsy.

Diso foana ny lehilahy mpanolana, ka tokony hofaizina, na inona na inona ny akanjo anaovan’ny vehivavy.

 

Ny hevitro momba ity Francophonie ity

2016-11-16 @ 10:53 in Fiaraha-monina

Nohazavaiko nandritra ny 3 minitra tao amin'ity video ity ny hevitro momba ny Francophonie izay hatao ato ho ato. Betsaka tsinona ireo hevitra misavorovoro mikasika azy ity, misy ny mankasitraka, misy ny  mitsipaka sy mitady hisakana mihitsy.

Tokony hararaotina ihany ny fanamboarana sy fanadiovana ary fanatsaràna tahaka izao dieny mbola manao ny fanjakàna. Satria raha mbola izao politika izao dia tsy hisy intsony indray ny fanamboarana raha tsy any aoriana be any. 

Araka ny vaovao voaray, ny antony tsy hianaran'ny mpianatra dia ny mba hahafahan'ny  mpampianatra azy ireo mitsidika eny amin'ny tananan'ny Francophonie ihany koa.

 

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus

Nisy fampirantiana ara-tsary nokararakarain’ny Maison des Enfants teto Roma tamin’ny sabotsy 22 oktobra teo no sady fihaonana fanaon’ny Fikambanana isan-taona amin’ireo mpanohana azy ireo
hiresadresahana ny zavabitan’ny fikambanana hatramizao sy ny tetikasa miandry azy ireo amin’ny taona ho avy io.

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus, araka ny anarany, dia mikarakara ireo zaza anaty fahasahiranana tanteraka ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika. Ramatoa italianina efa niasa an-tsitrapo an-taonany maro tamin’ireny fikambanana mpanao asa soa ireny no nanangana azy tamin’ny 2007.

Ankehitriny dia efa manana fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Mponina ny Fikambanana.
Miompana indrindra amin’ny zon’ny ankizy ny filamatra entiny : zo hotiavina, zo hovelomina, zo hianatra, zo hotsaboina.

Ny ankizy no raisiny an-tànana, hoy ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanana tanaty tamin’ny resaka nataony teo (anaty video), satria ny antsasaky ny mponina ao Madagasikara dia ankizy latsaka ny 18 taona (10 tapitrisa eo ho eo, raha 20 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina) ary marobe ny zaza velombelom-poana noho ny fahantrana, tsy manan-kohanina, tsy manan-trano ialofana , tsy afaka miditra am-pianarana, tsy manana fahafahana mitsabo tena, sns.

Ankehitriny dia tetikasa roa no tena iompanan’ny andraikitr’izy ireo :

- Ny voalohany dia ny Centre Mère-Enfant, satria tsy afaka sarahana ireo rehefa miresaka zaza.
Mikendry ny hampihena ny zaza avelavela fotsiny eny an-dalambe sy voatery ampiasaina mba hitondra vola hivelomana izy ity. Manomboka amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny Centre. Ka ankoatra ny fandefasana any am-pianarana ireo ankizy efa amin’ny taonan’ny miditra an-tsekoly dia eo koa ny fanaraha-maso sy fanampiana manokana ny fianarana ho an’izay somary

tratra aoriana. Eo anilan’izany dia misy ny trano fisakafoanana izay azo lazaina fa sandan’ny fankanesana any an-tsekoly kosa anefa satria tsy ny zaza rehetra no mazoto mianatra. Izany hoe izay mandeha mianatra dia mahazo anjara sakafo izay mody ny hariva. Fa ao koa ny drafitrasa ho an’ireo zaza tena mila fanampin-tsakafo manokana. Ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.

- Ny faharoa dia ny Maison de Famille izay mifantoka indrindra amin’ireo zaza menavava sy zaza madinika indrindra. Azo lazaina hoe ankohonana kely ho an’ireo zaza nariana na navelavela fotsiny
teny izy ity. Misy 15 mianadahy izy ireo izao.

Satria tsy ho vita anaty Telo Minitra ny miresaka ny antsipirihan’ny momba ny fikambanana dia azonareo atao tsara ny mitsidika ny tranokalany : www.mademada.org na ny pejy facebook “Maison des Enfants Onlus” (https://www.facebook.com/maisonsdesenfantsonlus/?fref=ts)

Marihina fa ireo sary nampirantiana tao dia sangan’asan’i Ny Aina (Ny Aina Andriamampianina)

 

 

Ny hevitro momba ny fiaraha-miasa Sinoa ao Madagasikara

2016-10-23 @ 05:46 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Hita amin'ny vaovao sy amin'ny statistika isan-karazany fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana firenena maro any Afrika ny Sinoa. Manao foto-drafit'asa maro goavana toa ny lalana, tetezana, fa mampiasa vola hatramin'ny fambolena sy fiompiana koa.

Ao Madagasikara koa nandritra ny taona nifamdimby dia nandray anjara tamin’ireo tetikasa goavana notantanan’ny fanjakana ny sinoa. Na ara-pitaterana tahaka ny lalam-pirenena faharoa izany na ara-panatanjahan-tena tahaka ny nanamboarana ny lapan’ny fanatanjahan-tena ao Mahamasina, sns.

Tsy maimaim-poana daholo ireny tetikasa goavana ireny fa nisy tambiny. Ary na dia tsy fanta-tsika vahoaka loatra aza dia nahafa-po antsika ny asa ka matetika tsy nojerena hoe inona no tambiny notakian’ny sinoa tamin’ireny asa ireny. Ka ny mampa-metra-panontaniana amin’izao fotoana izao dia hoe nahoana no manjary misy kely amin’ny fiarahamiasantsika amin’ny sinoa? Toa ny ao Soamahamanina sy ireto tany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hafa. Toa ny lalan’ny frankofonia izay toa tsy maharitra tahaka ny mahazatra?

Hatramin’izao aloha dia tsy misy afatsy ny hoe “sao dia” no azo lazaina.

  • Sao dia mba tsy tena sinoa fa sinoa foza no niditra antsehatra?
  • Sao dia niova fiasa tokoa ny sinoa?
  • Sao dia Mba nanome tambiny betsaka ny sinoa fa nisy nikepoka?
  • Sao dia tsy misy harena akory ao Soamahamanina?

Anjarantsika izay voakasika mivantana no manao fanadihadiana fa làlana fotsiny ihany ireo. Araka ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy fomban’ny fiaraha-miasan’ny sinoa amin’izay toerana andehanany izao fa misy antony ao. Io na ireo antony ireo no ahitsy dia mino aho fa hiravona io ary hisy fandrosoana tokoa avy amin’ity fiaraha-miasa amin’ny sinoa ity.

 

Indro ny horonantsary 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry