Education for Madagascar tao amin'ny serasera 3 min

2016-10-19 @ 22:24 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Nanam-bahiny aho tao amin'ny serasera 3 min androany, izany rahateo moa ny serasera 3 minitra, resadresaka mikasika ny zavatra mahaliana ahy sy tiako zaraina amin'ny hafa amin'ny video. Naseho tao izany Ramatoa Jackie Randriantsoa filohan'ny fikambanana Education for Madagascar.

Ny Education for Madagascar dia fikambanana mikarakara mikasika indrindra ny fanabeazana. Eny Ambohibe ilafy eny no foibeny. Tamin’ny 2010 izy ireo no nanomboka ary ankizy 20 no nobeaziny tamin’izany, amin’izao dia efa mahatratra 50 izany ary tsy mitsahatra mitombo ireo mangataka hiditra. Efa mahatratra 750 any. Dia izany indrindra no nahatonga andry zareo hanorina ity fikambanana ity mba hahafahana mandritra ny fitantanana sy mangataka ihany koa fanampiana avy amin’ny malala-tanana.
Marihina fa tsy miankina sy tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ity fikambanana ity fa dia miantehitra tanteraka amin’ny fanampian’ny malala-tanana sy ireo tsara sitra-po izay manampy rehefa misy ny ilàna azy.
Araka izany dia ny fanabeazana ny ankizy, izay eo amin’ny 13 taona eo ny salan-taonany, no tena sahanin’ity Fikambanana ity. Eo amin’ny taona maha-sarotra ny fanabeazana indrindra. Ka ezahina ny hanome azy ireo araka izay tratra, ny karazam-panabeazana sy fampianarana mba tsy hampibirioka azy. Anisan’izany ohatra ny fampianarana teny vahiny amin’ny alalan’ny internet. Ny fampianarana mamaky teny ihany koa. Ary tsy very lanja ihany koa ny zava-kanto toa ny fampianarana hosodoko, mozika, dihy ary fikarakarana zaridaina.
Ny andinindininy rehetra moa araka ny voalaza teo dia ao amin’ny takelaka educationsformadagascar.org no hahitantsika azy.

 

Indro ny fandaharana:

Nahoana no dorana ny JIRAMA

2016-10-17 @ 07:55 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Mampalahelo ihany ny vaovao niseho androany hoe nodoran'ny vahoaka ny JIRAMA ao Farafangana. Mila vahaolana malaky ny tahaka izao mba tsy hiparitaka ho zary vahaolana ho an'ny rehetra. 

Voalohany indrindra aloha dia hatezerana fa tsy fisainana no nentin'ny olona nandoro JIRAMA tao Farafangana. Rehefa mafy loatra tokoa ny fijaliana manjo ny olona iray dia mahavita zavatra tsy am-pisainana izy. Ny mahatonga ny olona ho tezitra dia ny tsy fisian'ny fangaraharana sy fifampiresahana. Azo atao tsara ny manazava ny sain'ny olona amin'ny mangarahara hoe inona ny olana ary rahoviana no hivaha. Ahoana tokoa moa no hinoana hoe misy ny olana raha ohatra ka ny sasany ihany no mijaly fa ny hafa miha manana foana? 

Indro velabelariko mandritra ny 3 minitra amin'ity vlog ity izany.

Delestazy sy ampoule

2016-10-15 @ 07:26 in Fiaraha-monina

Nanapa-kevitra aho hoe atao 3 minitra ny vlog fanaoko isanandro. Tena ezahina fa tsy atao tahaka any an'ilay rangahy iray iry nanao fampanantenan'ny mpisotro toaka hoe 3 volana nefa hatramin'izao tsy hita ihany... resaka delestazy io :-)

Fa miresaka delestazy ihany. Mijaly tokoa ny olona hatramin'izay efa firy taona izao nefa mbola tsisy varany ihany ity delestazy ity. Isaorana aloha ireo mitady vahaolana n'aiza n'aiza atolotra ny Gasy. Saingy misy ihany koa ireo mpanararaotra. Vao hita tsy ela tamin'ny Facebook izao ilay ampoule lazaina fa tsofina dia mandeha, tsy mila angovo intsony. Dia misy koa hoe mandeha amin'ny rano. Dia izay no velabelariko amin'ity video ity.

Arolozan'ny fifamoivoizana - Inona no hatao

2016-04-29 @ 19:31 in Fiaraha-monina

Vao hitako nanoratra atsy ambadika atsy i Jentilisa mikasika ny mety hatao mikasika ity lozam-pifamoivoizana mitranga matetika ao Madagasikara ity. Tohina mihitsy moa ny fo tamin'ny zavatra niseho androany fa toa efa halohalika ny ranom-bary. Tsy afaka hiandry fanjakana isika, be izay efa tsy nataony izay koa samia mitady hevitra hiarovana ny aina. Sosokevitra iray izay ampiharin'ny olona amin'ny firenena sasany no arosoko. Fehezina amin'ny hoe "ny mpandeha" (ny mpanjifa) no tokony ho tompom-pahefana.

Ny mpandeha dia mandoa vola fa tsy entina maimaim-poana. Ary efa vidina lafo mihitsy ny fitaterana amin'izao fotoana izao raha miohatra amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay. Koa tahaka ny varotra rehetra dia izay tsara sy  hitanao mahasoa no vidina. Inona no mifandrindra amin'izany resaka tolotra sy tinady izany eo amin'ny fitaterana:

- Anontaniana mialoha ilay mpamily raha handeha mafy izy na tsia, indrindra ho an'ny taxi-brousse mandeha lavitra. Azavaina aminy mihitsy fa raha handeha mafy izy dia aleo hifidy taxi-brousse iray hafa izay vonona hanaja lalàna. Tokony ho azo atao izany satria ifandrotehana ny mpandeha rehefa eo amin'ny Stationnement.

- Raha vao manomboka mandeha mafimafy mihoatra ny tokony ho izy ny mpamily dia tenenina avy hatrany. Afaka mangataka ny hijanona mihitsy na miantso zandary amin'ny antso an-taroby. Fa tsy hoe faly rehefa mandeha mafimafy ny mpamily. 

- Tsy avelavela fotsiny amin'izao raha nisy ny tsy fanarahan-dalàna teny an-dalana (mpamily nandeha mafy sns) fa resahina avy hatrany amin'ny mpitandro filaminana rehefa tonga.

- Ampitampitaina amin'ny hafa amin'ny fomba samihafa (groupe F.E.M eo amin'ny facebook na fitaovana hafa) ireo fiara, mpamily, kaoperativa izay tsy manara-dalàna toy ny mpamily mifoka sigara, mandeha mafy, sns.

Inoako fa raha samy mandray ny andraikiny ny mpandeha tsirairay dia mety hisy ihany ny aina ho voavonjy. Dia andao hiara-mitady vahaolana mandra-pahatongan'ny fitondrana saina.

 

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina

2015-06-19 @ 08:07 in Politika, Fiaraha-monina

N'aiza n'aiza, amin'ny firenena misy demokrasia dia manana zo hitokona ny mpiasa. Ny mifanohitra amin'izany dia fambara ho an'ny firenena misy jadona. Eken'ny lalàna soa amantsara ny fitokonana manara-pitsipika. Eny, hatramin'ny fitokonana heverina ho tsy manara-dalàna aza dia toa mbola eken'ny lalàna ihany. Anisan'izany ny fitokonana tsy misy ilay fetran'ny asa farafahakeliny (service minimun), ny fitokonana tsy misy daty fiafarany. Ny mpanamory tao amin'ny Air France, ohatra, dia nanao fitokonana tsy misy fetra mandra-pahazony izay notadiaviny.

Amin'izao fotoana fitokanan'ny mpiasan'ny Air Madagascar izao dia tena ao anaty fitsipika sy zo mifehy ny mpiasa tokoa ry zareo. Zo fototra ho an'ireo sindikan'ny mpiasa izay mahatsapa ny tsy mety ny migrevy ary tsy voatery hisy fetrany izany satria miankina tanteraka amin'ny feon'ny fieritreretany ny hanaovany ny asa farafahakeliny na ny halavan'ny fitokonana. Saingy... saingy... saingy...

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina. Izany hoe misaina ny mpitokona ary misaina koa ny olona itakiana ny zavatra, izany hoe ny fanjakana izany amin'ity trangan'ny Air Madagascar ity. Ny mpitokona misaina dia mahita hoe hatraiza no fetran'ny tokony hitokonana ka hanimba ny hoaviny... satria fijerena ny hoavy no antony hitokonana. Ary ny fanjakana koa raha misaina dia mahita hoe hatraiza no tokony mila mandray andraikitra sao hanimba ny hoaviny. Fa amin'izao fotoana izao dia vondrona roa samy tsy misaina no idiran'ny fitokonana ka ny azo antoka dia samy ho very fihinanana ireo.

Ny mpitokona ao amin'ny Air Madagascar dia mahatsapa fa raha tsy mihodina tanteraka ny orinasa dia ho fatiantoka tanteraka. Ka na tsy amin'izao fotoana izao aza dia hisy fiantraikany (amin'ny fomba ara-dalàna) ho an'ny mpiasa tsirairay. Tsy ho gaga mihitsy isika raha hisy ny fandroahana teknika rehefa milamindamina ny raharaha, tahaka izay nahazo ny tany Ambatovy farany teo. Fandroahana ara-dalàna satria misy antony voaporofo. Tsy adalan'ny mpitokona amin'ny toerana hafa ny manao izay sady hampiodina kely ihany ny orinasa tsy ho faty antoka. Mahatsapa izany izy ireo raha misaina.

Ny mpitondra koa dia tsy mahatsapa hoe mampidina be ny sary asehony ny fisian'ny fitokonana lavareny. Midika ho tsy fahafahana mamaha olana izany, ary midika indrindra indrindra tsy fahaiza-mitantana. Ankoatr'ireo olona voakasiky ny vokatry ny fitokonana mivantana, dia misy koa ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola izay miandry kendry tohana amin'izay hetsika hatao na tsy hataon'ny fanjakana hanalàna ny fitokisana aminy. Tsy adalan'ny fitondrana hafa ny manao famoizana tombotsoa sasany (sacrifice) mba hamahàna fitokonana lava reny... na dia hisy talé sy sekretera tsy maintsy hoesorina amin'ny toerany aza. Mahatsapa izany izy raha misaina.

Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vokany sisa isika. Tsy vokatra fohiezaka izay mety hamaha olana vetivety fotsiny fa ny fiantraikan'izao krizy izao lavitrezaka eo amin'ny toekarena, ny fizahan-tany, ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry