Tsy hoe avy akory ny orana nefa misy masoandro. Io mantsy no famantarana tamin'izahay mbola kely rehefa misy mpamosavy maty. Fa raha ny fahitako azy dia nanjavona tsikelikely ny SPAM (na PAM'S gasy) tato ho ato. Angamba vokatry ny nanovana ny fond-n'ilay sary kely. Nasiako soratsoratra hafa mantsy ilay sary ka nanjary nifangaro tamin'ilay isa eo amboniny. Raha ny tokony ho izy dia tsy voavakin'ny milina intsony io fa tsy maintsy olombelona mihitsy vao mahita tsara ilay isa... asa anefa fa ny mpam's moa mpam's eny ihany. Fa saika hiteny aho hoe mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valinkitsaka.
Raha toa moa ka mbola velona ihany dia ho avy ny fitaovana lafatra kokoa...
Namboarina kely ny momba ny lahatsoratra miafina. Mba hahafahanao mamaky ity lahatsoratra ity dia ampidiro ny tenimiafina hoe andrana
(tohiny)
Andro vitsivitsy izay no nikotranako tanteraka ny blaogy.com mba hanavaozana azy araka ny tokony ho izy. Efa vita daholo amin'ny ankapobeny ny tena votoatiny fa mbola misy ihany ireo zavatra tsy vita... anisan'izany ny famerenana amin'ny laoniny ireo Endrika isankarazany izay efa nampiasain'ny namana. Ny anisan'ny mahafaly aloha dia nivoatra be mihitsy ny moteran'ny lifetype ka moramora kokoa ny manampy ny zavatra tadiavina. Tsy voatery mikitika ny "core" intsony aho fa misikotra amin'ny sisiny dia ampy. Ho mora koa noho izany ny mamaly ny hetahetan'ny namana mpampiasa ny blaogy.com.
Angamba raha be indrindra dia 3 andro sisa dia ho tafaverina daholo ny endrika rehetra sy ny plugins rehetra.