Mamita ilay takelaka baiboly aho amin'izao fotoana izao (isaorana be dia be i belle nanome sy nanitsy ny andininy manontolo). Dia hitako ao fa "Jeso" no fanoratra ny anaran'i Jesoa ao anatin'io baiboly io. Amin'ny boky fivavahana tranainy indray dia "Iezo" no fampiasa. (tohiny)
Resaka fivavahana. Ho an'izay Zezoita dia fety fahatsiarovana ny nahafatesan'i Ignace de Loyola, maty tamin'ny taona 1556, androany. Izy io no namorona ny fikambanan-dRelijiozy anisan'ny malaza lehibe indrindra. Na ireo tsy katolika aza ao Madagasikara dia mahalala ny lazan'ny sekoly tantanan'ny Zezoita toy ny St Michel ao Antananarivo, ny St. François Xavier ao Fianarantsoa sns. (tohiny)
Titre mitady mpitsidika fotsiny io :-). Eritreritra mandalo avy namonjy mariazy tamin'ny asabotsy sy mikarakara ity mariazin'ny sasany ato ho ato ity. Fomba fiteny tsy dia azoazoko loatra ilay hoe "Mampaka-bady". Ampiakarina ny vehivavy. Izany hoe ambany ve ny vehivavy rehefa mbola tsy manambady dia ampiakarina hitovy lanja amin'ny lehilahy? Ny lehilahy no mpampakatra... ny lehilahy izany no ambony? Dia mbola resa-be avy teny amin'ny mariazy koa hoe ny lehilahy no tokony handray fitenenana, mikabary sy mamaly kabary... vehivavy daholo ry zareo nidohika momba izany. Raha vehivavy mandray fitenenana hono dia akohovavy maneno. Fa angaha tsy tokony mba efa hitovitovy zo amin'izay ny lehilahy sy ny vehivavy? Zavatra azon'ny vehivavy atao tsara mihitsy izany satria betsaka ireo nianatra sy hendry ary matotra kokoa aza. Atahorako ho lasa opportunistes ny vehivavy. Rehefa misy tombontsoa dia mitaky ny zo, fa rehefa adidy dia atsipy ho an'ny lehilahy.
Mihomankomana hamonjy mariazy izahay izao. Mariazin'ankizy namana eto Roma. Dia hitako sahirana be mihitsy ny sasany efa ho herinandro izao mifidy mividy akanjo hoentina any. Dia rehefa mba miteny aho hoe aleo tsotsotra ihany dia izaho indray no tsy ohatry ny hoe tsy manaja an'ilay mba andro iray toa zaton'ny olona. (tohiny)
"Bien ou rien..." soratra hitako nipetraka tao antrano io tamin'izaho mbola kely. Ny tohiny tadidiko dia hoe "... c'est la dévise de notre maison..." dia misy tohiny lava fa tsy tadidiko. Fa ny nahatsiarovako azy androany dia ny nahenoako ilay ohabolan'ny romana (teny latina) hoe "In medium stat virtus" izay azo adika tsotsotra hoe ny eo amin'ny antonony no misy ny hatsarana. (tohiny)