Petitions: araraoty fa mamaky Rajao

2015-08-07 @ 17:50 in Politika

Koa satria nitohy be ny resaka momba ny JIOI izay efa natsidiko tato omaly dia heno androany fa niantso ny mpifaninana rehetra hampitsahatra ny fandraisany anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indiana andiany faha-9 ny ao amin'ny Fiadidian'ny Filohan'ny Repoblika. Izany hoe ajanona daholo ny lalao dia manomboka miomana ny hody... fa tsy mody avy hatrany toa ny nataon'ny Comores. Mety hoe rehefa vita ny lalao rahafakampitso vao hotanteraka ilay fodiana... fa efa mba niantso aloha. Ny faniriana no tena zava-dehibe :-)

Fa manara-baovao ihany izany ny ao ambony ao koa araraoty ampitaina daholo izay vaovao manahirana rehetra. Anaovy petitions isan-karazany. Itaraino mihitsy.

Ireto aloha hatreto no tena mampimenomenona ny olona tao anatin'ny herinandro fa betsaka ny tahaka ireto:

  • Jiro tapaka efa ho intelo isanandro. 
  • Voka-pifidianana ben'ny tanana teo voahodinkodina
  • Ny resaka SECES eny amin'ny oniversità sy ny Bacc
  • Ny grevy etsy sy eroa.
  • ....

Araraoty ny mampakatra feo rehefa mihaino kely ilay mpanao be marenina.

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina

2015-06-19 @ 08:07 in Politika, Fiaraha-monina

N'aiza n'aiza, amin'ny firenena misy demokrasia dia manana zo hitokona ny mpiasa. Ny mifanohitra amin'izany dia fambara ho an'ny firenena misy jadona. Eken'ny lalàna soa amantsara ny fitokonana manara-pitsipika. Eny, hatramin'ny fitokonana heverina ho tsy manara-dalàna aza dia toa mbola eken'ny lalàna ihany. Anisan'izany ny fitokonana tsy misy ilay fetran'ny asa farafahakeliny (service minimun), ny fitokonana tsy misy daty fiafarany. Ny mpanamory tao amin'ny Air France, ohatra, dia nanao fitokonana tsy misy fetra mandra-pahazony izay notadiaviny.

Amin'izao fotoana fitokanan'ny mpiasan'ny Air Madagascar izao dia tena ao anaty fitsipika sy zo mifehy ny mpiasa tokoa ry zareo. Zo fototra ho an'ireo sindikan'ny mpiasa izay mahatsapa ny tsy mety ny migrevy ary tsy voatery hisy fetrany izany satria miankina tanteraka amin'ny feon'ny fieritreretany ny hanaovany ny asa farafahakeliny na ny halavan'ny fitokonana. Saingy... saingy... saingy...

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina. Izany hoe misaina ny mpitokona ary misaina koa ny olona itakiana ny zavatra, izany hoe ny fanjakana izany amin'ity trangan'ny Air Madagascar ity. Ny mpitokona misaina dia mahita hoe hatraiza no fetran'ny tokony hitokonana ka hanimba ny hoaviny... satria fijerena ny hoavy no antony hitokonana. Ary ny fanjakana koa raha misaina dia mahita hoe hatraiza no tokony mila mandray andraikitra sao hanimba ny hoaviny. Fa amin'izao fotoana izao dia vondrona roa samy tsy misaina no idiran'ny fitokonana ka ny azo antoka dia samy ho very fihinanana ireo.

Ny mpitokona ao amin'ny Air Madagascar dia mahatsapa fa raha tsy mihodina tanteraka ny orinasa dia ho fatiantoka tanteraka. Ka na tsy amin'izao fotoana izao aza dia hisy fiantraikany (amin'ny fomba ara-dalàna) ho an'ny mpiasa tsirairay. Tsy ho gaga mihitsy isika raha hisy ny fandroahana teknika rehefa milamindamina ny raharaha, tahaka izay nahazo ny tany Ambatovy farany teo. Fandroahana ara-dalàna satria misy antony voaporofo. Tsy adalan'ny mpitokona amin'ny toerana hafa ny manao izay sady hampiodina kely ihany ny orinasa tsy ho faty antoka. Mahatsapa izany izy ireo raha misaina.

Ny mpitondra koa dia tsy mahatsapa hoe mampidina be ny sary asehony ny fisian'ny fitokonana lavareny. Midika ho tsy fahafahana mamaha olana izany, ary midika indrindra indrindra tsy fahaiza-mitantana. Ankoatr'ireo olona voakasiky ny vokatry ny fitokonana mivantana, dia misy koa ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola izay miandry kendry tohana amin'izay hetsika hatao na tsy hataon'ny fanjakana hanalàna ny fitokisana aminy. Tsy adalan'ny fitondrana hafa ny manao famoizana tombotsoa sasany (sacrifice) mba hamahàna fitokonana lava reny... na dia hisy talé sy sekretera tsy maintsy hoesorina amin'ny toerany aza. Mahatsapa izany izy raha misaina.

Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vokany sisa isika. Tsy vokatra fohiezaka izay mety hamaha olana vetivety fotsiny fa ny fiantraikan'izao krizy izao lavitrezaka eo amin'ny toekarena, ny fizahan-tany, ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.

 

TIM Mena

2015-05-22 @ 10:44 in Politika

Oviana no niova ho mena ny lokon'ny TIM? Sa efa hatramin'izay? Raha izaho ry zareo dia ilay loko maitso tamin'ny loko TIM (manga sy maitso) taloha no nalaina. 

Sary nalaina tao amin'ny pejin'i Guy Rivo

 

 

Inona indray ity nataon'i #Ravalomanana sy #Rajaonarimampianina

2014-10-14 @ 17:04 in Politika

Ny vaovao farany momba an-dRavalomanana dia ho hitanareo ery ambany amin'ny faran'ity lahatsoratra ity. Fa alohan'izany dia eritreritra kely mikasika indrindra ny zava-nitranga hatry ny omaly izay efa iaraha-mahalala ihany no tehiriziko eto amin'ity blaogy ity.

Nalaky dia nalaky ny fivoaran'ny toe-draharaha politika teto Madagasikara omaly rehefa tonga tampoka, mba tsy hilazàna hoe antsokosoko, ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nikorontana na dia ny resaka serasera teo amin'ny fiandidiana ny repoblika aza satria ny kaontin'ny Prezidansa tao amin'ny facebook ohatra dia nampiseho sary tànana hifandray sy niresaka fifampihavanana. Atoa Rajoelina Patrick izay mpanohana akaiky an'i Rajaonarimampianina koa dia nilaza fa mety hihaona Ravalo sy Rajao mandritra ny takariva. Ny DirCab-n'ny fiadidiana ny repoblika anefa dia nilaza fa tsy nahalala na inona na inona momba ny fahatongavan-dRavalo ka hampihatra ny lalàna satria "tany tan-dalàna loatra i Madagasikara" (Amin'ny teny gasy, ny dikan'ny loatra dia hoe tafahoatra ny mety). Nisalasala ny rehetra hoe iza amin'ireo hevitra samy nipoitra avy any amin'ny ankolafin-dRajao ireo no hisy tohiny? Dia iny nitranga iny fa nosamborina i Ravalo ary natao tany amin'ny toerana tsy fantatra mba hiarovana ny ainy. (Toa misy film efa nandeha tahaka izany, ry Monja Jaona sy ry Bao Andriamanjato toa efa natao tahaka izany fa toa tsy dia niadana loatra ka asa Ravalo raha hahazo hotely kintana dimy)

hifandray?

Ka ireto vitsivitsy ireto ny eritreritra nandalo tato amiko.

Ny voalohany dia eritreritra momba ny tranga nahatongavany. Ny mazava aloha dia nisy lavaka be tamin'ny fiarovana sisin-tany manokana voalohany indrindra, sy teo amin'ny fanaraha-maso an-dRavalo ihany koa ka nahatonga azy tafaverina. Misy sampam-pitsikilovana ihany ao Madagasikara ary amin'ny zavatra tahaka itony no tokony hahitàna izany. Vao niteny Ravalo fa ho avy indray (na mety efa tonga izy tamin'iny) dia tokony nihetsika ny sampam-pitsikilovana nijery hoe aiza ho aiza izy, ahoana no eritreretiny hahatongavana sns. Nahazo isa Ravalo tamin'iny ankiafina iny ka na ny AV7 aza tonga saina. Tadidiko tamin'ilay fotoana saika hahatongavan-dRavalo voasakan'ny NOTAM dia efa tonga teny Ivato koa ny AV7, fa tamin'izy ry zareo niesona.

Fihavanam-pirenena

Faharoa eritreritra momba an-dRavalo sy ny manodidina. Nisy lavaka be koa teo amin'ny mpanolontsain-dRavalo, zavatra efa mahazatra ihany. Raha nisy tena mpanao politika ny manodidina an-dRavalo dia ho nanoro azy ny zavatra tokony ho nataony tamin'iny fidirany teto Madagasikara iny. Toy ny hoe niketrika irery indray Ravalo, mety hoe nampian'ny vazaha, fa tsy nisy mpanolontsaina tena niara-niketrika taminy. Nisy tetikady na stratejia maro tokony ho natao ka anisan'izany ny fiambenana ny tenany sy ny toerana misy azy... indrindra raha hiseho (show up) sy hiteny (speak out) izy. Mba tsy horaisim-potsiny tahaka an'ireny. Azony natao ihany koa ny tsy nanao filazàna ampahibemaso fa nitsapa rano aloha sy nanivana ireo manodidina mpiara-miasa. Hoe iza tokoa ny mpanao politika mbola azo ianteherana sa hitady mpikatroka vaovao.

Fahatelo, eritreritra momba ny fanjakàna. Misy lavaka be koa ny fanjakàna tamin'ny fifehezana an'iny raharaha iny. Ny filazàna ampahibemaso fa tsy naharaka na inona na inona dia sady fisehoana ho tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana sy ny fiandrianan'ny firenena no fanamelohana ireo izay heverina ho nampiditra antsokosoko an-dRavalo teto an-toerana. Ary dia mbola tsy fahaizana mifehy ny toe-draharaha ihany koa ny nisamborana (na nakàna) an-dRavalo sy namindràna azy tamin'ny toerana hafa. Tsy zavatra vaovao ny toe-draharaha tahaka ireny fa zavatra efa nitranga eran-tany. Azo atao tsara ny mijery hoe ahoana ny fanaon'ny olona amin'ny tranga toa ireny. Afaka nanao récupération politique tsara mihitsy Rajao ary mety nanarona ilay lavaka amin'ny fiarovam-pirenena izany. Inona tokoa moa no nisakana azy tsy hanao dingana voalohany amin'ny fihavanam-pirenena? Ny tsy miady hono olom-bodo. Na dia hoe nanao fihantsiana aza i Ravalo, raha tsy novaliany tamin'ny fihantsiana mafimafy kokoa izany dia nahazo ny fon'ny olona izy. Rehefa nisambotra indray izy dia tokony nanao stratejia hafa kokoa. Raha toa ka fiarovana (sécurisation) araka ny nolazainy mantsy dia tokony hisy hatrany ny fifanarahana sy fifandraisany amin'ny fianakaviana. Ny fanokàna-monina (isolation) an-dRavalo toa izao anefa dia tsy hahafahan'ny fanjakana milaza mihitsy hoe voaaro izy.

Fahaefatra, eritreritra momba ny vahoaka. Efa niova tokoa ny Malagasy. Tsy anomezan-tsiny azy izany satria mafy loatra ny vokatry ny tetezamita. Nandritra ny tetezamita dia fanasàna atidoha ho leo fitakiana no natao. Naverimberina foana hoe tsy hisy mpanao politika ho tsara izany fa na iza na iza eo dia mitovy ihany. Natao naharitra mihitsy ny tetezamita mba hahafahan'ny rehetra nanaiky izany hevitra izany. Na ny tetezamita 5 taona aza moa dia nanjary nekena. Tsy nijery lavitra intsony, noho izany, tamin'ny fifidianana fa izay nanome sakafo eo no ho eo no nofidina. Nisy dia nisy ireo kandidà sady tsy nanohana ny tetezamita no tsy nanohitra ny tetezamita fa hery tena vaovao... saingy ny zava-nitranga dia naleon'ny Malagasy nanohy ny tetezamita. Diso tanteraka izany amin'izao fotoana izao ny mpanao politika miandry fihetsehan'ny Malagasy. Ary ho diso fanantenana Ravalo raha toa manantena hanainga vahoaka. Efa antitra avokoa ireo nitolona tamin'ny 1972, ary ireo nitolona taty aoriana dia tsy manana faharesen-dahatra tahaka ny taloha intsony noho ny fahantrana sy ny hanohanana. Koa tsy hisy vahoaka maro hitroatra izany intsony eo. Raha ny tokony ho izy dia rehefa noana ny vahoaka dia mitroatra. Saingy tsy mihatra amin'ny Malagasy intsony izany, tahaka ireo any Korea tavaratra sy any Cuba izay tsy mitroatra intsony na dia mahantra sy noana aza... diniho hoe nahoana.

Koa dia miandry ny tohiny isika hoe iza no hiova voalohany: Rajao sa Ravalo sa ny Vahoaka.

Tapitra

 

Ny fetim-pirenena Malagasy eto Roma Italia

Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho. 

Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )

Fetim-pirenena Malagasy eto Italia

(Misokatra ny fonon-teny) (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry