Alasarona kely aloha. Tany Italia dia in-telo isanandro farafahakeliny no miditra "bar". Saingy ny "bar" any Italie dia tsy fisotroana toaka loatra, na dia mivarotra toaka koa aza, fa fisotroana kafé. Efa ho isaky ny 100 metatra dia misy "bar" ary tsy mahamenatra mihitsy ny mipetraka maharitra ao anatiny. Misy sakafo koa aza izy indraindray. Ny aty Frantsa indray ny "bar" toa tena fisotroana mihitsy, na dia mivarotra kafé koa aza izy indraindray.
Amin'izao fotoanan'ny COVID izao dia mihidy ny bar aty, efa ho am-bolana izao. Any anefa no toerana tena fihaonan'ny ankamaroan'ny olona. Ny mpiara-miasa rehefa avy miasa dia any no manala havizanana kely amin'ny resaka ivelan'ny asa tanteraka. Ny tanora vao mifankahalala dia any no mifanasa amin'ilay teny malaza hoe "je t'offre un verre?". Ny andian-jatovo mpinamana dia mbola any koa no "mandamina" fandaharam-potoana ho an'ny lahy sy "mifosa" ho an'ny vavy. Ireo efa zokinjokiny sy misotro ronono koa dia any no mifampiresadresaka ny "fiainana taloha" na dia tsy ronono akory aza no sotroiny any.
Fa ny tena nahatonga ahy nanoratra ity lahatsoratra ity dia ny hampahafantatra anareo ny site iray nanaitra ahy "I miss my bar" izany hoe manina ny bar-ko aho. Takelaka iray hihainoana ny feo mitranga ao anaty "bar". Mandritra izao fotoana fikatonan'y "bar" izao dia mety misy ireo te hihaino ny feo fandre anatin'ireny "bar" ireny. Ka nisy nanana hevitra nametraka anatin'io site io izany feo izany. Ho henonao ao ny feon'ny mpikarakara cocktail, ny fampidinana zava-pisotro anaty vera, ny feon'ny olona manodidina sns.
Koa raha manimanina ny "bar" ianao amin'izao fotoan-tsarotra izao dia aza misalasala mandeha ao amin'ny http://www.imissmybar.com/
Ny firariana dia hoe hijanona ho fahatsiarovana ity taona 2020 anisan'ny nanahirana an'izao tontolo izao ity. Tamin'ny herintaona tahaka izao tokoa dia tsy nisy nieritreritra hoe ho tahaka izao ny fiafaran'ity taona 2020 izay nolazaina hoe 20/20 ity. Ravan'ny COVID19 ny ankamaroan'ny tetikasa rehetra. Betsaka ny lasa tsy an'asa. Fa anisan'ny mampalahelo dia tsy voafehy ilay fiparitahan'ny valan'aretina ka na ny fetin'ny faran'ny taona aza dia tsizarizary.
Tsy dia tena ifanomezantsiny nefa na izany aza dia tsara ihany tsiahivina ho anatra ho an'ny sisa (sy ho an'ny hafa) fa ny tsy fitandremantenan'ny tsirairay no mahatonga an'izao fitarazohan'ny valan'aretina izao. Ady be mihitsy vao mahavita mandresy lahatra ny tsirairay hoe mampiasà masques, tandremo ny fifaneraserana, manasà tanana matetika sns. Nandritra ny vakansy jolay sy aogositra dia tahaka ny hoe tsy nisy valan'aretina atahorana na dia naverimberina foana aza hoe tsy mbola tapitra ny fifindran'ny aretina. Toa izay miteny foana no diso. Tsy eo no ho eo koa moa ilay fahavoazana dia tsy tsapan'ny tsy tonga saina. Raha ohatra ka hoe vao tsy mitandrina tonga dia mikohaka, mety ho betsaka ihany no nitandrina.
Jereo anefa ny any Chine amin'izao, tany no nipoiran'ny aretina kanefa amin'izao tsy nisy deuxième vague tany. Satria mafy be mihitsy ny fepetra noraisin'izy ireo tamin'ny fiarovana.
Ny hany azo atao dia ny manaiky izay fepetra mitranga eo. Misy fanantenana kely koa noho ny fisian'ny vakisiny kanefa izao dia efa betsaka sahady indray no miezaka manohitra. Fikafika fotsiny hono ny vaksiny e, resaka politika e. Ny sasany aza moa dia mieritreritra hoe misy fifandraisany ny 5G sy ny vakisiny.
Ny fepetra noraisin'ny fanjakana frantsay izany amin'izao noely izao dia ny couvre-feu manomboka amin'ny 20h hatramin'ny 6h, ka tsy hisy indra fo ho an'izay tratra. Mbola betsaka koa ny toerana mihidy ho fitsinjovana ny fivezivezena sy fifampikasohana. Dia miandry ny fivorany.
Lahatsoratro farany tao amin'ny [email protected]
---------
Miarahaba antsika rehetra
Araka ny vaovao izany dia mifarana amin'ity faha 15 ny volana désambra 2020 ity ny Yahoo Groups izay nampiantrano ny dinidinika teto amin'ny Serasera nandritra izay 20 taona mahery kely izay. Nanomboka tamin'ny taona 1999 tany tokoa no nanombohan'ity toerana fifanakalozana ity. Ary ity fifandraisana antsoratra ity no niantombohan'ny hevitra rehetra ao amin'ny
serasera.org Nisy ny fotoana tena nilàna izany teo amin'ny fiainan'ny diaspora. Fotoana nahafinaritra ireny ka isaorana antsika rehetra.
Amin'izao fotoanan'ny tambazotram-piaraha-monina izao dia tsy dia misy manoratra eto firy intsony isika na dia mbola mandray hafatra daholo ihany aza. Amin'izao dia misy 1000 mahery ny mpikambana mbola mandray hafatra. Ka angamba hivalona ho tantara amin'izay izany ny Serasera. Raha misy soso-kevitra hafa moa dia raisina ihany.
Koa mamerina ny fisaorana antsika rehetra indrindra ireo izay teto hatramin'ny voalohany, niatrika ny resaka rehetra teto. Angamba nisy vokany tamin'ny fiainantsika, na ny fiainan'ny Malagasy hafa ihany ireny resaka rehetra nandalo teto ireny. Ho ahy manokana dia nampivoatra ny fomba fisainako sy ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena ny fiseraserana teto amin'ny serasera ary nandray anjara tamin'izany avokoa ianareo rehetra.
Ny takelaka
serasera.org sy ireo sampana rehetra avy aminy dia ezahiko tohizana ihany.
Soava dia daholo
Hery
Notezaina tao anaty boky romans aho fony kely. Tsy dia hoe notaizana ahoana fa i mama no tena mpamaky an'ireny collections "Fleuve Noir" sy "Série noire" ireny. Mpanakalo an'ireny boky ireny teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona mihitsy. Nisy SAS maromaro koa tsikaritro fa tsy dia voavakiko firy satria sarotra azo . Tom Clancy koa tena nahaliana ahy, na dia ny fonony fotsiny aza dia efa waow.
Angamba noho izany no nahatonga ahy tia films policiers fony kely ary nigorisa tsimoramora tamin'ny films espionnages izany taty aoriana. Vokany, James Bond rehetra efa saika hitako avokoa indrindra ireo nisian'i Sean Connery, Roger Moore (tiako kokoa), Thimoty Dalton, Pierce Brosnan (tsy haiko tamin'izany hoe naninona no nampanaovina James Bond) ary i Daniel Craig (nahafahako namaly hoe naninona no nampanaovina James Bond i Pierce Brosnan). Tsy aritro mihitsy rehefa misy resaka CIA, KGB ny film iray.
Amin'izao firongatry ny Video streaming izao, Netflix sy Amazon prime sy ny afa, dia ireo karazan-tsarimihetsika ireo no trandrahako voalohany, na nalaina tamin'ny tantara tena nisy na tantara noforonina.
Hapetrako tsikelikely eto ary ireo lohateny efa nojereko taloha sy vao nojereko mba ho tadidy hoe efa hita.
Raha misy hafa tokony ho hitako dia teneno ihany :-)
Anisan'ny vitako tato ho ato:
-----
*
Nafana be indray ny vaovao androany hoe nahanton'ny FIFA mandritra ny 5 taona be izao andriamatoa Ahmad Ahmad iza filohan'ny CAF na ny federaziona afrikana momba ny baolina kitra. Izy ihany no Malagasy mba tonga teo amin'izany toerana izany hatramin'izao aloha. Resaka kolikoly, araka ny vaovao, no nahatonga izao fampiatoana azy amin'ny asany izao, satria tsy amin'ny maha filohan'ny CAF fotsiny, izay efa mamarana mandat rahateo izy, fa amin'ny resaka baolina kitra rehetra mihitsy.
Toa ny mahazatra dia miakatr'afo ireo "tia tanindrazana" ka miantsoantso hoe tsy rariny izao fa fanenjehana ny Malagasy. Misy aza moa no mieritreritra fa fanembatsembanana ny fandroson'ny BAREA izao ataon'ny FIFA izao. Mahagaga tokoa fa isaky ny mba nandroso kely ny BAREA dia misy misompatra foana.
Fa ny manahirana an'ity resaka Ahmad ity dia ilay raharaha tsy vao izao. Iza tokoa moa no tsy nahatadidy fa voatonontonona tao anatin'ilay fanadihadiana nataon'ny Canal+ ny anaran'ny filohan'ny Federasiona malagasy momba ny baolina kitra fahizany, Atoa Ahmad Ahmad. Na dia tsy izy irery aza fa ireo filohan'ny federasiona amin'ny firenena hafa koa, dia anisan'ireo nangataka vola sy nomen'ny Qatari vola izy. Mety hoe tsy misy ifandraisany amin'ny nahazoan'i Qatar ny fampiantranoana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra amin'ny 2022. Mety hoe nomeny manontolo ho an'ny federasiona ny vola noraisiny... Fa misy fofompofona kolikoly hatrany ny zavatra tahaka izany.
Tsy nisakana azy tsy ho lany filohan'ny CAF anefa izany, saingy nipoaka indray ny raharaha tamin'ny 2019 mbola mikasika kolikoly ihany. Resaka fampiasana vola tsy araka ny tokony ho izy. Nilaza fa nandeha nanao iraka tany Rosia nefa toa tsy tany akory araka ny filazan'ny BBC. Sy ny maro hafa. Ary dia izao niafara tamin'ny fampiatoana azy amin'ny maha filohan'ny CAF izao.
Le président sortant de la Confédération africaine de football a été condamné à l’interdiction d’exercer toute activité relative au football pour cinq ans par la chambre de jugement de la Commission d’éthique indépendante de la Fifa. Ahmad Ahmad est notamment accusé de détournements de fonds.
La décision est tombée sous la forme d’un communiqué publié sur le site de la Fédération internationale de football association (Fifa). Le Malgache Ahmad Ahmad, président sortant de la Confédération africaine de football (CAF) et vice-président de la Fifa, est suspendu pour une période de cinq ans de toute activité liée au football professionnel.
Aleo ny fanadihadiana sy ny fitsaràna no hanambara na meloka na tsia Ahmad Ahmad, fa raha mbola ampidirana resaka politika foana ny resaka fanatanjahan-tena dia tsy maintsy hitranga ny resaka tahaka izao. Aleo ny resaka fanatanjahan-tena hahaleotena.
Na dia tsy mpanaraka baolina kitra malagasy loatra aza ny tenanay, na dia tsy mbola nino hoe mety ho an'ny Malagasy ny baolina kitra, dia mirary tokoa mba tsy hisakantsakana ny BAREA amin'ny lalana lalovany izao zava-mitranga izao.