Ny fikambanana Maison des Enfants onlus

Nisy fampirantiana ara-tsary nokararakarain’ny Maison des Enfants teto Roma tamin’ny sabotsy 22 oktobra teo no sady fihaonana fanaon’ny Fikambanana isan-taona amin’ireo mpanohana azy ireo
hiresadresahana ny zavabitan’ny fikambanana hatramizao sy ny tetikasa miandry azy ireo amin’ny taona ho avy io.

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus, araka ny anarany, dia mikarakara ireo zaza anaty fahasahiranana tanteraka ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika. Ramatoa italianina efa niasa an-tsitrapo an-taonany maro tamin’ireny fikambanana mpanao asa soa ireny no nanangana azy tamin’ny 2007.

Ankehitriny dia efa manana fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Mponina ny Fikambanana.
Miompana indrindra amin’ny zon’ny ankizy ny filamatra entiny : zo hotiavina, zo hovelomina, zo hianatra, zo hotsaboina.

Ny ankizy no raisiny an-tànana, hoy ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanana tanaty tamin’ny resaka nataony teo (anaty video), satria ny antsasaky ny mponina ao Madagasikara dia ankizy latsaka ny 18 taona (10 tapitrisa eo ho eo, raha 20 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina) ary marobe ny zaza velombelom-poana noho ny fahantrana, tsy manan-kohanina, tsy manan-trano ialofana , tsy afaka miditra am-pianarana, tsy manana fahafahana mitsabo tena, sns.

Ankehitriny dia tetikasa roa no tena iompanan’ny andraikitr’izy ireo :

- Ny voalohany dia ny Centre Mère-Enfant, satria tsy afaka sarahana ireo rehefa miresaka zaza.
Mikendry ny hampihena ny zaza avelavela fotsiny eny an-dalambe sy voatery ampiasaina mba hitondra vola hivelomana izy ity. Manomboka amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny Centre. Ka ankoatra ny fandefasana any am-pianarana ireo ankizy efa amin’ny taonan’ny miditra an-tsekoly dia eo koa ny fanaraha-maso sy fanampiana manokana ny fianarana ho an’izay somary

tratra aoriana. Eo anilan’izany dia misy ny trano fisakafoanana izay azo lazaina fa sandan’ny fankanesana any an-tsekoly kosa anefa satria tsy ny zaza rehetra no mazoto mianatra. Izany hoe izay mandeha mianatra dia mahazo anjara sakafo izay mody ny hariva. Fa ao koa ny drafitrasa ho an’ireo zaza tena mila fanampin-tsakafo manokana. Ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.

- Ny faharoa dia ny Maison de Famille izay mifantoka indrindra amin’ireo zaza menavava sy zaza madinika indrindra. Azo lazaina hoe ankohonana kely ho an’ireo zaza nariana na navelavela fotsiny
teny izy ity. Misy 15 mianadahy izy ireo izao.

Satria tsy ho vita anaty Telo Minitra ny miresaka ny antsipirihan’ny momba ny fikambanana dia azonareo atao tsara ny mitsidika ny tranokalany : www.mademada.org na ny pejy facebook “Maison des Enfants Onlus” (https://www.facebook.com/maisonsdesenfantsonlus/?fref=ts)

Marihina fa ireo sary nampirantiana tao dia sangan’asan’i Ny Aina (Ny Aina Andriamampianina)

 

 

Ny hevitro momba ny fiaraha-miasa Sinoa ao Madagasikara

2016-10-23 @ 05:46 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Hita amin'ny vaovao sy amin'ny statistika isan-karazany fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana firenena maro any Afrika ny Sinoa. Manao foto-drafit'asa maro goavana toa ny lalana, tetezana, fa mampiasa vola hatramin'ny fambolena sy fiompiana koa.

Ao Madagasikara koa nandritra ny taona nifamdimby dia nandray anjara tamin’ireo tetikasa goavana notantanan’ny fanjakana ny sinoa. Na ara-pitaterana tahaka ny lalam-pirenena faharoa izany na ara-panatanjahan-tena tahaka ny nanamboarana ny lapan’ny fanatanjahan-tena ao Mahamasina, sns.

Tsy maimaim-poana daholo ireny tetikasa goavana ireny fa nisy tambiny. Ary na dia tsy fanta-tsika vahoaka loatra aza dia nahafa-po antsika ny asa ka matetika tsy nojerena hoe inona no tambiny notakian’ny sinoa tamin’ireny asa ireny. Ka ny mampa-metra-panontaniana amin’izao fotoana izao dia hoe nahoana no manjary misy kely amin’ny fiarahamiasantsika amin’ny sinoa? Toa ny ao Soamahamanina sy ireto tany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hafa. Toa ny lalan’ny frankofonia izay toa tsy maharitra tahaka ny mahazatra?

Hatramin’izao aloha dia tsy misy afatsy ny hoe “sao dia” no azo lazaina.

  • Sao dia mba tsy tena sinoa fa sinoa foza no niditra antsehatra?
  • Sao dia niova fiasa tokoa ny sinoa?
  • Sao dia Mba nanome tambiny betsaka ny sinoa fa nisy nikepoka?
  • Sao dia tsy misy harena akory ao Soamahamanina?

Anjarantsika izay voakasika mivantana no manao fanadihadiana fa làlana fotsiny ihany ireo. Araka ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy fomban’ny fiaraha-miasan’ny sinoa amin’izay toerana andehanany izao fa misy antony ao. Io na ireo antony ireo no ahitsy dia mino aho fa hiravona io ary hisy fandrosoana tokoa avy amin’ity fiaraha-miasa amin’ny sinoa ity.

 

Indro ny horonantsary 

Education for Madagascar tao amin'ny serasera 3 min

2016-10-19 @ 22:24 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Nanam-bahiny aho tao amin'ny serasera 3 min androany, izany rahateo moa ny serasera 3 minitra, resadresaka mikasika ny zavatra mahaliana ahy sy tiako zaraina amin'ny hafa amin'ny video. Naseho tao izany Ramatoa Jackie Randriantsoa filohan'ny fikambanana Education for Madagascar.

Ny Education for Madagascar dia fikambanana mikarakara mikasika indrindra ny fanabeazana. Eny Ambohibe ilafy eny no foibeny. Tamin’ny 2010 izy ireo no nanomboka ary ankizy 20 no nobeaziny tamin’izany, amin’izao dia efa mahatratra 50 izany ary tsy mitsahatra mitombo ireo mangataka hiditra. Efa mahatratra 750 any. Dia izany indrindra no nahatonga andry zareo hanorina ity fikambanana ity mba hahafahana mandritra ny fitantanana sy mangataka ihany koa fanampiana avy amin’ny malala-tanana.
Marihina fa tsy miankina sy tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ity fikambanana ity fa dia miantehitra tanteraka amin’ny fanampian’ny malala-tanana sy ireo tsara sitra-po izay manampy rehefa misy ny ilàna azy.
Araka izany dia ny fanabeazana ny ankizy, izay eo amin’ny 13 taona eo ny salan-taonany, no tena sahanin’ity Fikambanana ity. Eo amin’ny taona maha-sarotra ny fanabeazana indrindra. Ka ezahina ny hanome azy ireo araka izay tratra, ny karazam-panabeazana sy fampianarana mba tsy hampibirioka azy. Anisan’izany ohatra ny fampianarana teny vahiny amin’ny alalan’ny internet. Ny fampianarana mamaky teny ihany koa. Ary tsy very lanja ihany koa ny zava-kanto toa ny fampianarana hosodoko, mozika, dihy ary fikarakarana zaridaina.
Ny andinindininy rehetra moa araka ny voalaza teo dia ao amin’ny takelaka educationsformadagascar.org no hahitantsika azy.

 

Indro ny fandaharana:

Nahoana no dorana ny JIRAMA

2016-10-17 @ 07:55 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Mampalahelo ihany ny vaovao niseho androany hoe nodoran'ny vahoaka ny JIRAMA ao Farafangana. Mila vahaolana malaky ny tahaka izao mba tsy hiparitaka ho zary vahaolana ho an'ny rehetra. 

Voalohany indrindra aloha dia hatezerana fa tsy fisainana no nentin'ny olona nandoro JIRAMA tao Farafangana. Rehefa mafy loatra tokoa ny fijaliana manjo ny olona iray dia mahavita zavatra tsy am-pisainana izy. Ny mahatonga ny olona ho tezitra dia ny tsy fisian'ny fangaraharana sy fifampiresahana. Azo atao tsara ny manazava ny sain'ny olona amin'ny mangarahara hoe inona ny olana ary rahoviana no hivaha. Ahoana tokoa moa no hinoana hoe misy ny olana raha ohatra ka ny sasany ihany no mijaly fa ny hafa miha manana foana? 

Indro velabelariko mandritra ny 3 minitra amin'ity vlog ity izany.

Ankaherezo i Awa

2016-10-16 @ 07:41 in Serasera 3 minitra

Nomeko anarana androany ny vlog fanaoko. Tsy dia hoe ho isanandro akory fa tsy hajanona ela fotsiny.

Ny nolazaiko ao dia mikasika an'i Awa izay "efa miezaka" mihitsy mihiray saingy betsaka ny tsy tia azy noho ny feony sy ny paoziny. Misy mihitsy aza no miteny hoe tsy tokony hihira akory izy. Amiko indray kosa dia tsy tokony omena tsiny avy hatrany izy ireny satria endriky ny ezaka lehibe izay ataony ireny. Tsy ny olona manan-talenta ihany no manao zavatra iray fa ny olona vonona hianatra ihany koa.

Jereo ato ara ny famelabelarako izay hevitro izay

 

 

Delestazy sy ampoule

2016-10-15 @ 07:26 in Fiaraha-monina

Nanapa-kevitra aho hoe atao 3 minitra ny vlog fanaoko isanandro. Tena ezahina fa tsy atao tahaka any an'ilay rangahy iray iry nanao fampanantenan'ny mpisotro toaka hoe 3 volana nefa hatramin'izao tsy hita ihany... resaka delestazy io :-)

Fa miresaka delestazy ihany. Mijaly tokoa ny olona hatramin'izay efa firy taona izao nefa mbola tsisy varany ihany ity delestazy ity. Isaorana aloha ireo mitady vahaolana n'aiza n'aiza atolotra ny Gasy. Saingy misy ihany koa ireo mpanararaotra. Vao hita tsy ela tamin'ny Facebook izao ilay ampoule lazaina fa tsofina dia mandeha, tsy mila angovo intsony. Dia misy koa hoe mandeha amin'ny rano. Dia izay no velabelariko amin'ity video ity.

Nanomboka vlog - Video Log

2016-10-14 @ 07:27 in Izaho sy ny ahy

Nanomboka nanao vlog aho androany. Ny vlog na video log dia fanangonangonana resaka izay mahakasika lohahevitra maro ao anaty video. Mitovy amin'ny blaogy ihany izany saingy antsary fotsiny. Ny zavatra hotantaraina ao anatin'ity vlog ity dia ny hevitro mikasika ny zavatra mitranga sy ny zavatra iainako na ny zavatra reko sy ny zavatra hitako. Hoezahina hatao tsotra sy fohy ary amin'ny teny malagasy manontolo ny vlog. Atao 3 minitra raha ela indrindra. Ary sady hisy ao amin'ny Youtube (Jereo eto) no hisy ao amin'ny Facebook (jereo eto). Noeritreretiko hoe moramora kokoa ho ahy ny mamelabelatra hevitra raha mivantana amin'ny resaka. Fa hotohizako ihany koa anefa ny blaogy.

Indro ara ny teny fanolorana sy fiarahabana.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2016 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry