Ny vodisobika sy ny tandrifiny

2014-06-09 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Nijery ity clip-n'i Syril sy Melky eto ambany ity aho dia mahatsiaro ilay lazain'ny Ntaolo hoe aza kivy fa ny vodisobika aza manan-tandrify... saingy aza misavi-tsaranga :-) Mahavariana tokoa ny mahita fa tena misy karazany ny olona, isaky ny faritra, isaky ny firenena, isaky ny firazanana, isaky ny fahefa-mividy. Ary samy mahazo ny anjarany daholo raha eo amin'ny fitiavana no resahina... satria samy manana ny anjara tsara ao aminy izay hitan'izay tia izany anjara izany. Ny olana matetika dia ny be fitetika tahaka andry Syril ka tsy afaka mamoaka ilay tena tsara ao aminy ho hitan'izay mety ho tandrify azy fa misavika ny tsy anjaran'ny tena. Tsy ratsy ny manandrana sao dia raikitra tampoka (mi-tanté sansa) fa tsy atao am-po mety hankarary satria manjary mitomany randrana manendrika ny hafa. Aleo avoaka araka izay tratra fotsiny ny kanto indrindra dia mionona amin'izay mankafy.

Syril sy Melky

Fa na izany na tsy izany dia misaotra an'i Syril sy Melky namoaka tokoa ny fiainana an-davan'andron'ny olona.

Tsarà herinandro daholo.

 

RadioVazoGasy amin'ny Android

2014-05-31 @ 21:24 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Dieny mazotozoto dia navoaka indray koa ny RadioVazoGasy amin'ny Android. Ny player dia izay efa nataon'i SetraR ihany fa nahitsy kely fotsiny. Ny fandrindrana ny fandaharana hira kosa no namboarina tanteraka. 

Ity App Radiovazogasy ity dia natao indrindra hihainoana ny RadioVazoGasy, handaharana hira handeha ao amin'ny RadioVazoGasy, ary hametrahana hafatra amin'ireo hira izay mandeha.

Mazava ho azy, mila internet izy vao mandeha.

Azonao alaina ao amin'ny: http://goo.gl/y5Ek7d

Na koa ao amin'ny Google Play : https://play.google.com/...?id=com.radiovazogasy.app (manomboka rahampitso)

Toa izao ny endriny:

Babo

2014-05-21 @ 09:07 in Mozika, Finoana sy Fivavahana

Vitsivitsy ihany ny hira vahiny mahazo avara-patana ato amin'ity blaogiko ity ka ity anakiray ity anisan'izany. Hira evanjelika, izany hoe tena fanaon'ny fiangonana evanjelika, kanefa hiraina matetika amin'ny fotoan-dehibe any amin'ny fiangonana katolika eto Italia ihany koa amin'ny teny italiana. 

Shout to the Lord

 (tohiny)

Lasa mpivavaka be hono dia...

2013-05-21 @ 21:34 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Tsy misy resaka fitsarana olona mihitsy fa mba manimanina ny taloha aho dia nandefa soratra niakatra. Sendra nisy resaka mantsy hoe nilay ihany ny hiran'i Rija Rasolondraibe taloha ireny. Ry "Miandry anao" sy ry "Anjara tandrify". Fa amin'izao, ary efa ela mihitsy, no tsy nohirainy intsony ankalamanjàna (na mety hoe antsokosoko koa). Hira nitaiza ny tena tamin'ny fahatanorana ary anisan'ny nikolokolo ara-pitiavana. Azy ny hira ka anjarany sy safidiny ny mihira na tsy mihira azy fa ny akon'izany sy ny fiezahana hitady ny antony no mahalasa saina. Fa naninona tokoa no tsy nohiraina intsony? Tsapa taty aoriana ve hoe ratsy? Vokatry ny fandresen-dahatra hita tamin'ny resaka finoana ve? Ary raha misy olona vonona hamelona ny hira (cover na tsia) indray ve dia tsy maninona?

Fa ny atahorako dia toa hoe mitady hanao toa izany koa i Poopy. Rehefa resy lahatra amin'izay mandresy lahatra azy izy dia tsy hohirainy intsony ny hira taloha. Dia tsaroako ilay resaka nolazain'i Dama izay ny hira rehefa malaza, tafiditra am-pon'ny olona, dia tsy an'ny artista irery intsony na dia izy aza no tena tompony. Misy ireo olona izay mandray ilay hira ho ampaham-piainany mihitsy. Ka raha manapa-kevitra ny mphira hoe hanova ny tonony, ny gadona, ny mpihira azy, dia misy akony kely eo amin'ny mpakafy izany.

Ny hafatro ho an'ny artista mbola tsy lasa mpivavaka be dia hoe na "mibebaka" aza ianareo any aoriana any dia mba tsarovy ihany ny laka-nitàna. Aza ariana miaraka amin'ny koveta nampandroana azy ny zazakely... satria izaho dia mino fa nisy zavatra tsara azo raisina ihany ireny hiranareo ireny.

Ary raha i Samoela tokoa no lasa mpivavaka be? Aza hitako ka ho "Rava tanteraka tokoa" ny momba anay roalahy.

Fanafody kohaka: tantely, sakamalaho, atody manta, voasary makirana

2013-02-12 @ 18:40 in Mozika

Efa be mpahay fa tsy haiko fotsiny na amin'ny koha-maina na amin'ny koha-mando :-p no tokony hampiasana azy.

- Tantely iray sotro

- voasary makirana iray

- sakamalaho raper-na

- tamenak'atody manta iray

Toa tsy maninona koa na tsy asiana atody aza satria indraindray tsy dia azo antoka loatra hono ny atody.

Afangaro dia atao bain marie... 

Toa mahomby ihany aloha hatramin'izao. 

Fony i papa toa ahy

2012-12-31 @ 11:38 in Mozika


Anisan'ny tena nahalasa eritreritra ahy tamin'ity vanin'andro androany ity hoe tamin'i papanay nanana izao taonako izao dia inona avy no efa vitany taminay zanany?

Efa teraka daholo izahay 6 mianadahy. Ny faravavy efa 5 taona tamin'izany ary ny lahimatoa efa hifindra kilasy famaranana. Mbola erotrerony tamin'ny asa izy.

Efa betsaka koa ny fandraisana anjara nataonay teo anivon'ny fiaraha-monina... izay namolavolany anay. Ny chorale, ny skoty, ny fikambanana teny am-piangonana, ny lomano, ny judo, ets.

Nahavita zavatra goavana sahady izy, indrindra ho an'ny zanany, efa azo lazaina mihitsy hoe nahalehibe satria kely sisa aho tamin'izany dia afaka bacc. 

Dia mieritreritra ny mba vitako amin'izay aho vao tonga saina hoe nahavita be ny ray amandreny taloha. Zaza iray ara ny anay no velomina, mbola tsy firy taona akory dia efa miha fotsy ny volo ary miha sola ny loha. Marina fa sarotra ny fiainana, nefa na izany aza.

Koa natokako indray ity andro androany ity hisaorana ireo ray aman-dreniko tamin'ny zavatra efa vitany sy mbola ataony amin'izao fotoana izao. Misaotra fa nahavita ny adidinareo ianareo... dia tsofy rano tsara izahay mba hahavita mihoatra izay vitanareo ihany koa amin'ny taranaka amam-para.




Ny tany karakaina omeo orana (video)

2011-07-11 @ 00:22 in Mozika

Androany teto Roma no faran'izay nafana indrindra, misy alerte rouge amin'ny toerana sasany eto afovoany atsimon'i Italia. Antampon'ny hafanana tsara izany amin'izao fotoana izao... dia ny tsaroana dia ireo olona any Toliara izay miaina izany hafanana izany mandavan-taona. Andro vitsivitsy monja ao anatin'ny taona no mba misy orana. Ary ny orana sendra milatsaka dia eken'izy ireo va avy amin'-Ndragnahare. Marina fa misy ny fomba maromaro ataon'izy ireo hangatahana orana kanefa tsy mbola naheno mihitsy aho, hoe ny orana dia andriamanitra (toa ny an'ny Grika sy ny kolotsaina hafa). Andriamanitra ihany no mpanome orana, ka raha tsy ampy na tsy misy orana dia any amin'Andriamanitra izy ireo no manao fombafomba.

Ny tsikaritra dia indraindray ny Kristianina indray no tsy mahasahy mivavaka mangataka orana, menatra angamba na tsy mino. Ka ity hira iray misy hoe "Ny tany karakaina omeo orana, ny foko mitaraina fa te hahita anao". (Andraso kely raha mbola tsy miseho)

Ry Fanahy nomena anay (Video)

2011-06-20 @ 03:33 in Mozika

Ny teny hoe "Pentecôte" dia avy amin'ny grika hoe πεντήκοντα izay midika hoe faha dimampolo. Ny Pantekoty dia andro faha 50 aorian'ny Paka. Fety nodimbiasana avy amin'ny fety jiosy antsoina hoe Chavouot na hoe fetin'ny herinandro, izay nankalazaina ihany koa 50 andro taorian'ny Pessah (Paka jody). Araka ny fitantaran'ny Asan'ny Apostoly Toko 2 dia nandritra ny andron'ny Pantekoty no nidina tamin'ny mpianatra ny Fanahy Masina ka nampivaha ny lelan'izy ireo ho afaka niteny ny fiteny azon'ny rehetra. Nisy fotoana tokoa nanjary tsy nifankahazo fiteny intsony ny olona satria saika hiakatra ho any amin'Andriamanitra ka namorona ny tilikambon'i Babela, fa tamin'ity kosa dia Andriamanitra Fanahy no nidina ka nampifankahazo teny azy ireo indray. (tohiny)

Video: Fantatrao ry Reny

2011-06-05 @ 07:12 in Mozika

Tamin'ny telo herinandro lasa no nanombohako ity hira ity dia omaly vao vita... kanefa mitovy ihany ny vokany. Samy ratsiratsy ihany. Tsy mitombona ihany izany ilay eritreritro tato hoe rehefa vitaina ao anaty roa andro ilay hira dia tandrametaka... fa tena ilay fahaizana mihitsy no tsy ao :-).

 (tohiny)

Nandresy ny Tompontsika

2011-04-24 @ 22:58 in Mozika

Niezaka namoaka ity hira iray tsy dia mora loatra ity aho androany. Nandresy ny Tompontsika. Hatramin'izay dia ohatry ny maivana be foana ny fetin'ny Paka rehefa tsy mihira ity hira ity. Hany ka na dia amin'ny toerana tsy miteny malagasy aza dia manezakezana rehefa any antrano. Tamin'ity taona ity izany dia niavaka mihitsy ilay hira satria efa hatry ny omaly alina no nibahana sy niverimberina tao an-dohako tao. Ny mahagaga kely fotsiny dia tsy misy teny hoe Aleloia mihitsy ao anatin'ity hira ity.

 (tohiny)

Stella Maris

2011-04-17 @ 23:27 in Mozika

Nandalo tany Toamasina izahay tamin'ny volana janoary 2011 teo, dia nandalo an'izany Stella Maris... dia nanandrana nihira an'ity hira iray ity. Kintan'ny ranomasina, na Stella maris, no lohaneniny.  (tohiny)

Video Miverena ianao

2011-04-11 @ 22:32 in Mozika

Elaela ihany izay tsy nanao ilay video kely fanaoko isan-kerinandro koa dia nanomboka indray aho tamin'iny faran'ny herinandro iny. Ny olana tamin'ireny video ireny dia fohy loatra ny fotoana nanaovana azy (2 andro raha misy) ka manjary lasa tandra metaka ihany. Misy anefa ireo olona mampiasa azy ireny amin'ny zavatra matotra kokoa (hianarana hira any am-piangonana aty andafy sns). Koa amin'ny manaraka aho dia hiezaka hanao azy tsaratsara kokoa, na ny fandrindrana ny mozika izany na ny feo. Tamin'ny voalohany mantsy ny tanjona dia hoe hihirahira fotsiny dia haka sary... fa raha vao manomboka misy mampiasa toa izany ilay izy dia mila zavatra matomatotra kokoa. Koa ho hita eo ny amin'ny manaraka.

 (tohiny)

Video: Mamiko indrindra

2010-11-22 @ 22:11 in Mozika

Izao vao miseho ato amin'ny blaogy ny video natao tamin'ny faran'ny herinandro lasa. Raha ny tena izy dia hira fotsiny no tena natao fa ny sary nalaina tao amin'ny tahiry. Sary tamin'ny nandehandeha tany Rimini sy Firenze. Avy mantsy ny orana tamin'iny weekend iny dia tsy tafavoaka mihitsy. (tohiny)

Video: ... Ampionony ny fon'ny vahoaka

2010-11-14 @ 23:00 in Mozika

Mbola misy roa herinandro vao tena hiraina ao am-piangonana ity hira ity. Hanomboka mantsy ny fotoanan'ny fiomanana (avent) handraisana ny fetin'ny Noely. Matetika dia hira atao mandritra ny fitsenana ny Evanjely miaraka amin'ny dihy izy ity. Filazàna fa efa akaiky ny Tompo ka amboary ny làlany.

Ny toerana nakàna ny sary dia teny amin'ny Rovan'i Subiaco.

Ny lohatenin'ny hira Ny Tenin'ny Tompo ao amin'n Fihirana Hasina 58

(Manala azy tanteraka)

Video: Maria o henoy ny feo

2010-11-08 @ 00:31 in Mozika

Tsy tao anaty lisitry ny hira tokony hatao ity hira ity fa noho ny namako iray namoy ny rainy dia natao mba hiarahana mivavaka aminy. Mirary fiononana feno. (tohiny)

Video: Tompo o zany hafaliako tany Dago

2010-11-02 @ 23:35 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Telo taona toa izao no nakàna ny sary. Nandritra ny dianay avy ao Fianarantsoa ho any Ranomafàna. Tsy tena tao anaty programa ilay Ranomafàna fa tsy nisy taxi-brousse avy tao Fianarantsoa mandeha any Toliara raha tsy ny alina dia nanapa-kevitra kely hikodia any Ranomafàna. Nandeha maraina izahay dia niverina ny hariva. Naka tomobil drokadroka izay fa mbolamitàna tsara. Alohan'ny hiainga dia notrohan'ilay saofera aloha ny lasantsy (io ilay atao hoe amorcer-na) dia atao anaty carburateur satria tsy mahasintona intsony ny paompy. Nony niverina dia vaky ny kodiarana. Efa hitako sola dia sola ihany ilay izy talohan'ny  handeha fa ny anay koa moa fanalàna azy rahateo dia lasa zao.

Tonga tany Ranomafana izahay dia nihidy ny piscine (tsss) kanefa saika hiboridandridana tao.

Anisan'ny resakay tamin'izany satria feno pub-n'ny Tiko ny tanàna tamin'izany dia hozy ilay bandy akama hoe mora hono ny fiainana tamin'ny andron-dRatsiraka. Feno Magasin M ny tanàna kanefa ny Magazin M mora kokoa noho ny an'ny Tiko. Amin'izao angamba i leiry faly kokoa satria misy Tsena Mora mihitsy amin'izao.

Izany eo ihany fa telo taona androany izany izay no niraisanay tao amin'ny firaisana (sarotra ihany ilay teny gasy. niraisana = s'unir, firaisana = commune) Arivonimamo.

Video: Tsy ny ahiahy

2010-10-25 @ 04:32 in Mozika

Tamin'ity indray mitoraka ity vao hitako ny fanovana ny positions (x,y,z) tsirairay ao amin'ilay Cinelerra rehefa. Natao anjoanjo fotsiny mantsy izy tamin'ny taloha. Fa na izany aza dia mbola hita ihany fa tsy tena precis ilay nanaovako azy. Nisy olana ohatra ny soratra mihetsika satria indraindra dia diso ny toerana nanapaingorana ny keyframe voalohany.

Mbola tsy ao tsara koa ilay mask fa indraindra miseho tampoka. Tsy nojereko intsony koa moa talohan'ny namaranana azy kay nisy tsy nety.

Zavatra saika natao ihany koa ny pseudo camera-motion. Izany hoe ny camera fixe tsy mihetsika fa ny sary no ahetsika dia mba tahaka ny hoe misy olona maka ilay sary. Mba hampety azy anefa dia mila marge lehibebe kokoa hahafahana manakisaka ny sary. Hatsaraina amin'ny manaraka fa tsy hita tsara.

Farany ny hira tamin'ity dia tsy nampiasana afatsy piano. Mazava ho azy fa teo no tena nahitana hoe mbola tsy lasa lavitra ny fahaizana satria tsy nanampy intsony ny teknolojia-n'ny Cubase. Ohatry ny niadana loatra koa ilay izy, angamba amin'izay mba haihay kokoa.

Ihafio ao e.

(NB. Ny soratra tonga dia nataoko fa mbola ela be vao tafiditra ao amin'ny Youtube ilay izy. Rahampitso maraina vao ho hita ny sary.)

Video: Atolotro anao

2010-10-19 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika, Mozika

Sady mi-blaogy ihany aho no mametraka ny video weekend. Androany vao nivoaka ny video weekend tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy tratra :-) Angaha rahateo moa nisy mahatsikaritra hoe tara :-p.  (tohiny)

Video: O ry Jesoa...

2010-10-11 @ 00:36 in Mozika

Taratara androany vao nivoaka ny video satria mbola nandehandeha nandritra ny weekend. Variana any Tivoli any tokoa amin'izao.

Ny hira amin'ity weekend ity dia tsy misy mozika. Hira anakiray mahafinaritra ahy izay mamehy ny fitsipi-piainana evanjelika telo dia ny fahantrana, fahadiovana ary ny fanekena. Io dia tsy voady telo natao ho an'ny relijiozy katolika irery fa natao ho an'ny olona rehetra. Miaina ny fahantrana arak'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy", miaina ny fahadiovana araka ilay hoe "Sambatra izay madio fo", ary miaina ny fanekena arak'ilay hoe "Tsy hotompoina fa hanompo".

 (tohiny)

Video: Reny mpitari-dalana

2010-10-03 @ 22:55 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Hira fihiranay sy i Papanay ity rehefa ilay "mikandra" iny izahay. Olona tena manam-pinoana i papa ary mino fa misy ny fahagagana. Izahay moa tsy misy azo atao afatsy ny migoka ny vokatry ny fivavahany. Mba mivavaka ihany izahay fa ny azy dia mahavariana mihitsy fa imbetsaka no tanteraka izay zavatra angatahany. Betsaka no tena tadidiko fa ny anakiray izay dia tena niteny mihitsy izy taorian'ny "neuvaine" izay nataonay hoe "Miandry ny valiny sisa isika"... dia tsy ampy herinandro taorian'izay dia nisy zavatra tsy noeritreretina nitranga tokoa. Rehefa mbola tsy ny tena no miaina azy dia sarotra inoana :-)

Ny hira dia ao amin'ny Fihirana Katolika, Hasina pejy 84. (tohiny)

Video: Sarotra be

2010-09-27 @ 07:19 in Mozika

Tsy hoe titre-na hira akory ilay sarotra be :-). Hitako mbola misy olana be amin'ilay fampiasana ny effets amin'ilay manamboatra video. Miankina amin'ny fitaovana rahateo moa ilay izy. Isaky ny manao preview dia tafakatra 100% ny fampiasana ny cpu amin'ilay ordinatera. Sarotra be, noho izany, ny mampifanandrify tsara ny feo sy ny sary. Ny fond nampiasaina koa dia rindrina fa tsy tabilao maitso ka dia noezahina nesorina aza ilay fond dia tsy tafa... Teo koa moa ny tsy fitandremana ka tsy hitako akory hoe tsy nisy effets ilay beso farany :-) (tohiny)

Video: Mahaiza misaotra [UPDATED]

2010-09-19 @ 22:25 in Mozika

[Ratsy be ny feo dia namboarina]

Toa ny mametraka video indray no vitako matetika kokoa noho ny manoratra lahatsoratra ho an'ny blaogy... tsy rariny. Niezaka aho mantsy hanao hira iray isan-kerinandro dia toa vita ihany aloha hatramin'izao.

Raha liana dia misorata anarana ao amin'ny canal-ko ao amin'ny youtube http://www.youtube.com/heriniaina

Ity ary hira anakiray izay ahatsiarovako an'ilay boay kely mpitendry tao am-piangonana izay. Efa tsy boay kely intsony izy aloha amin'izao fa tena nampihaiky ahy ny fitendriny. Taminy no nahenoako an'io intro io fa ny improv teny antenantenany indray feeling sendra niakatra. (tohiny)

Video: Ianao ilay nirahina

2010-09-13 @ 04:30 in Mozika

Hira iray indray, mbola hiram-pivavahana ihany. Ianao ilay nirahina hanasitrana ny fo mivalo. Mbola ny fitaovana rehetra teo aloha ihany no nanaovana azy. Ny sary dia sary tahiry mampiseho ny sombin-dàlana Antananarivo - Arivonimamo.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry