Video: Reny mpitari-dalana

2010-10-03 @ 22:55 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Hira fihiranay sy i Papanay ity rehefa ilay "mikandra" iny izahay. Olona tena manam-pinoana i papa ary mino fa misy ny fahagagana. Izahay moa tsy misy azo atao afatsy ny migoka ny vokatry ny fivavahany. Mba mivavaka ihany izahay fa ny azy dia mahavariana mihitsy fa imbetsaka no tanteraka izay zavatra angatahany. Betsaka no tena tadidiko fa ny anakiray izay dia tena niteny mihitsy izy taorian'ny "neuvaine" izay nataonay hoe "Miandry ny valiny sisa isika"... dia tsy ampy herinandro taorian'izay dia nisy zavatra tsy noeritreretina nitranga tokoa. Rehefa mbola tsy ny tena no miaina azy dia sarotra inoana :-)

Ny hira dia ao amin'ny Fihirana Katolika, Hasina pejy 84.

Ny fitaovana niasa dia 

Behringer UMA25S
Yamaha PSR E323
Mic. Philips
Camera Sony DVD
DAW Cubase 5
Video Editor Kdenlive 0.7.8
Video converter FFmpeg

Ny sary dia nalaina teny Tivoli tao amin'ny tranon'ny zaodahiko :-) isaorana azy 

 

Tsy ampy ny sary tamin'ny andinin faha-telo :-)

Ny zavatra tsikaritro koa dia mitotongana be ny hatsaran'ny audio rehefa ampidirina amin'ny YouTube. 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry