L'amour est un contrat

2006-03-30 @ 01:58 in Blaogy Dev

Nisy namako izay nitaraina taty amiko momba ny fifankatiavan'izy roa kely. Indraindray aho, hoy izy, te hijanona tanteraka, ho vitaina tsotr'izao... indrindra rehefa sendra mahita azy (mahita ilay lehilahy) toa ny olona tsy responsable, tsy te hiatrika fiainana.

Dia izao ny sombiny tamin'ny navaliko azy :

Je ne suis jamais pour une séparation... je t'encourage de mettre les cartes sur table. De lui montrer tout ce que tu as à offrir et de
présenter tout ce que tu demandes. C'est ça, d'ailleurs l'amour. Ce n'est pas les sentiments habituels des "je t'aime" et des baisers...
C'est un marché, c'est un contrat, c'est une responsabilité. C'est du type "Je peux t'offrir ça, qu'est-ce que tu peux me donner?"... et comme dans tout marché, quand il n'y a pas d'accord, on s'arrete. Mais l'accord se fait au debut. C'est difficile d'avoir un remboursement.
Alors maintenant, tu n'es qu'au debut. Présente-lui ta règle du jeu... et écoute la sienne. Peut-etre que tu trouveras un consensus.



Ma première eclipse

2006-03-29 @ 11:35 in Ankapobeny

J'ai déjà l'âge de Jésus (qui ne le sais pas :-)), et c'est seulement aujourd'hui que j'ai vu ma première eclipse... et encore partielle. J'ai d'ailleurs failli la manquer. C'est vrai je ne l'ai pas remarquée, alors que presque un tiers du soleil a été caché par la lune. Il faisait toujours jour... et même quand je regardais le soleil (à l'oeil nu en quelques secodes - quelles bêtises) je ne voyais rien. J'ai eu enfin l'idée de prendre un CD et voilà... j'ai vu le soleil d'une forme étrange. C'était un événement.

EclipseJe ne voyais pas le soleil... dans sa forme manquée qu'à l'aide de ce CD. Et après avoir vu... j'ai eu une petite reflexion (Oui... ça m'arrive de penser :-) ). Comme nous avons tous nos défauts... une partie de nous-mêmes est cachée, entachée. Moi-même, je ne sais plus si je suis en éclipse partielle de 50 ou de 70% (pas en éclipse totale quand même). Mais c'est surtout ces 50 - 70% que l'on voit. Et moi, de même. C'est très facile de voir le petit defaut de l'autre... que d'apprécier sa grande qualité. "Fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka".

Et... si notre vie était une éclipse... que cette face caché de 30 - 50 - 70% ne sombrirait pas notre lumière.

Todo: ny voalohany no ambony

2006-03-28 @ 22:35 in Ankapobeny

Amin'izao fotoana izao ao amin'ny blaogy.com dia ny lahatsoratra
farany nampidirina no miseho voalohany. Izay aloha no tokony ho izy
amin'ny blaogy rehetra.
Fa amin'izao dia hitako misy mampiditra tantara. Ka asa mety ho
tsaratsara raha ohatra ka asiana safidy hoe ny lahatsoratra voalohany
ampidirina no miseho voalohany dia mitohy hatrany. Lojika kokoa io ho
an'ny tantara izay tohizana hatrany... Izany hoe rehefa vita ilay izy
dia mamaky eo amin'ny voalohany ny olona dia avy eo mamaky ny tohiny.
Raha mahaliana io dia hojerevana ny hanaovana azy.

Manina anao...

2006-03-28 @ 04:21 in Ankapobeny

Nanoratra ho ahy i Kolonjy avy any Ostia sady nandefa sary... Izy mianakavy.

Any Hery (Nanadino...snif)

Voaterin'ny fahanginan'ny maro antrano aho ka nanoratra ity silabato ity ho anao. Asa na fantatrao fa hatramin'izay naha ririnina ny andro izay dia tena fahanginana tanteraka no manjo anay aty. Nisy ihany ireo mbola sahisahy nirobo-drano fa tsy ela dia tratry ny gripa mahery. Ny ranon'erika nifafy tsy nisy toa izany. I Karangana rahavaviko io (ndlr. satria vehivavy i Kilonjy) loadoaky ny havandra... tsy nanan-kialofana. Ny loza koa dia na ny huitres izay hany namanay aza dia nendahina taminay indray tamin'ny desambra teo. Hanao noely hono ianareo...
Dia izahay mianakavy kely sisa no eto. Mijery faravodilanitra... mivangongo fa mangatsiaka.
Iny alefako aminao iny ny sarinay, ahitanao fa manirery tokoa e. Mbola io ilay toerana fakànareo aina... rehefa ianao ilay miankina amiko iny. Mbola io ny fasika filalaovantsika baolina... euh. Na dia natao tsatokazo fotsiny aza aho. Mbola ireny ny singako fanaonao tanisa... tsy nokasihako mihitsy. Sao mandalo tampoka ianao. Dia tadidinao koa ato anelakelako ato? Ilay fitehirizanao ny enta-tsarobidinao rehefa ianao handeha hilomano? Nodioviko ny bozaka izay nitady haniry. Noroahiko ny foza saika hialokaloka. Anao ho'aho io... dia anao irery.
Oviana ianao no tonga? Hiandry ny été sa ho tonga alohaloha toa ilay fanao taloha? Na tsy hilomano aza fa mba hiankinankina amiko? Tongava moa malaky... fa miandry anao zahay. Ento le scoubidou.

Novaliako fotsiny hoe...
"Tsy ho ela... mbola miandry an'ilay masoandro aho."

My version of moblog for lifetype

2006-03-26 @ 22:26 in Blaogy Dev

Ok I admit it is not too clean and needs some more efforts to refine it. But it is here and it works with blaogy.com

 What I did is to create a domain mail forwarding. You have to be sure that everything mailed to your domain (eg. [email protected]) is forwarded to an email address to be parsed (I use gmail :-) )

Then in the moblog configuration you put gmail's config (In my case since gmail use SSL, don't forget to put ssl://pop.gmail.com)

 And that's all.

If you find some improvements, please let me know

moblog.zip 

 

CSS Overwrite Plugin

2006-03-26 @ 22:20 in Ankapobeny

I have just released CSS Overwrite Plugin. This is the first plugin I
created for lifetype.

It is in fact an alternative for the TemplateEditor plugin. This
allows blogger to overwrite an existing CSS in a template or
create/import CSS in a completely blank template.

To use it. Just paste de code below in the header.template of the
template that should be overwritten. You can put it just after



{if $cssoverwrite->isEnabled()}

{$cssoverwrite->getCSS()}

{/if}



It can be downloaded here below
Cssoverwrite.zip

Fregene

2006-03-26 @ 05:55 in Ankapobeny


Image(9).jpgAry mety tsara izany ilay blaog'imailaka alefa mms. Avy any Fregene aho no nandefa ny sary tamin'ny findain'i Hanta.

Mbola nangatsiaka be tany Fregene androany. Efa nitsapa hoe aiza no tokony haleha rehefa manomboka misy masoandro. herinandro tsy mijanona misy masoandro dia tonga aho dia milomano indray fa tena manina be mihitsy. Androany aza efa tena te-hiroboka mihitsy fa menatr'olona.

Reportage administratif

2006-03-26 @ 01:00 in Blaogy Dev

Ce matin, quand j'ai lu le reportage administratif   de tattum je ne pouvais pas m'empêcher de comparer avec notre ambassade ici en Italie. Qu'est-ce que je peux aussi en ecrire, tout en restant objectif? C'est sûr, elle s'est arretée aux apparences, sans vraiment nous dire si le coté administratif faisait aussi defaut (a-t-elle été satisfaite, n'avait-elle aucun problème pour son papier etc.), mais c'est surtout à ces apparences-là, à ces images, que nous, Malgaches, tenons beaucoup. "Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka"

J'encourage tous ceux qui "osent" dévoiler tout ce qui ne va pas (comme il le faut) de le faire. Ecrivez dans vos blogs, dans les forums, (sur les murs si personne ne vous écoute ). Réveiller votre esprit critique...

Oui... écrivez vous-mêmes, avant que les vazaha vous le fassent. 

Hatao mandritra ny weekend

2006-03-25 @ 02:30 in Ankapobeny

Ohatran'ny vao maika miangona daholo wah ny zavatra rehetra rehefa
weekend. Nefa tokony mba miala sasatra.
Apetrako eto daholo sao adino:
- Mampiditra TinyMCE ao amin'ny tahiry.serasera.org
- Manamboatra ny summary theme blaogy.com
- Mampiditra themes vaovao farafaharatsiny 3 ao amin'ny blaogy.com
- Manamboatra ny plugin CSS overwrite ao amin'ny blaogy.com (io no
important @ plugins rehetra tokony hamboarina)
- Afindra ny doka.serasera.org sao dia tratran'ny Bandwidth limit koa.

Dia ho hita eo hoe inona no vita.
Oups... kay mbola hamonjy fety, hanapaka volo, de radem hivoaka :-D
Tsy ho vita indray zany reo???

Ampahatelon'ny androko

2006-03-24 @ 14:08 in Serasera.org


IMGP5069
Nampidirin'i heriniaina.
Eto no andaniako ny ampahatelon'ny adroko isanandro. Raha 24 ora ny andro iray dia ny 8 ora amin'izay (na mihoatra aza rehefa tsy manao pause fa manao serasera) dia laniko ato amin'ity birao ity daholo.
Ordinateur anakiroa miampy serveur Windows Server 2003 1GB Ram sy HDD 2 x 250 GB (somary miafina io ambany io dia ilay monitor io ny monitor-ny). Windows daholo :-). Ery amin'iry ordi anakiray iry daholo ny backup serasera ankoatran'ny any amin'ny dedicated server. Io koa no manao ny test rehetra. Ny ordi anakiray tsy hita eto amin'ny sary kosa anaovana ny kandra tsy azo asiana zavatra hafa :-)
Oups, adinoko teo ambonin'ny birao ny rano... mahalany rano 1,5 litatra isanandro :-) (plus si affinité).

Nihoatra ny Bandwidth Radiovazogasy.com

2006-03-24 @ 08:40 in Serasera.org

Dépassée par son propre succès :-)

Izay no azo iantsoana ny radiovazogasy.com androany. Notsinotsinoavina loatra ny resaka bandwidth satria site kelikely ihany kinanjo tapaka rehefa niverimberina ny 800 visites isanandro.

Naka toerana hafa tampotampoka aloha hametrahana azy. Sady mijery koa ny tanjaky NFS.

Ela be vao miparitaka ny dns.

Ny mivantana aloha dia http://radiovazogasy.nfshost.com

Plugins tokony hamboarina

2006-03-24 @ 01:36 in Blaogy Dev

Misy plugins vitsivitsy eritreretiko hamboarina amin'ity blaogy.com ity fa tsy ampy ny fotoana.

Apetrako eto aloha dieny tsy adino.

  • Blogger import : izay mampiditra hafatra avy any amin'ny blogger.com. mampiasa method momba ny XMLRPC
  • Send to mail : izay mandefa amin'ny adiresy email anakiray ny hafatra alefa ao amin'ny blaogy (cf. blogger.com)
  • CSS overwrite : Izay ahafahana mametraka CSS style afaka manova na mamafa tanteraka ny CSS amin'ny template anakiray. Tsara io raha ohatra ka hanova ny sary eo amin'ny header sns... Amin'izay aho tsy voatery hi-activer an'ilay template edit izay hitako fa tsy voafehy tsara.

V per Vendetta

2006-03-23 @ 15:23 in Ankapobeny

Nijery an'ilay Film V per Vendetta izahay androany hariva. Tsy ratsy. 

"People should not be afraid of their governments. Governments should be afraid of their people."

Tsy ratsy ilay hevitra tamin'ity Film iray ity. Raha nandresy tamin'ny Ady lehibe faharoa hono ny Alemana dia ho tahatahaka izay nasehon'ny film ny zavaniseho amin'ny taona 2025.

Misy resaka politika ambadika ihany koa ilay izy, manohitra ireo izay mpitondra matanjaka etsy sy eroa ka manambany sy manindry ny sasany. Azo jerena tsara ilay izy fa mampirisika aho.

Takelaka sy thumbshots

2006-03-23 @ 02:51 in Serasera.org

Nahita hevitra vaovao aho omaly nametrahana thumbshot ao amin'ny takelaka.org. Mampiasa ny WebService-n'ny blogmarks.net ilay izy.

Amin'izao fotoana izao izany, ny takelaka rehetra apetraka ao amin'ny takelaka.org dia manomboka misy thumbshots daholo. Fanampin'izany ihany koa dia tonga dia référenciés any amin'ny blogmarks.net miaraka amin'ny tag hoe takelaka (ankoatran'ny tags izay napetraky ny nampiditra azy ao amin'ny takelaka.org).

Raha maharitra io blogmarks.net io dia mety ho tsara... fa ahiako ihany sahady satria imbetsaka no ahitana olana ny serveur-ndry zalahy.

Jereo eto ohatra ny fivoakany ao amin'ny takelaka.org

Ohatra blaogy

2006-03-21 @ 23:56 in Ankapobeny

Hapetrako eto tsikelikely ireo blaogy hafa tsy ato anatin'ny blaogy.com izay nahaliana ahy... arakarak'izay tratra eny miaraka amin'ny hevitro kely isaky ny blaogy.
Ny antony dia mba ahafahana mampiseho hoe inona avy no ataon'ny olona amin'ny blaogy.  (tohiny)

Hadisoana vitsivitsy

2006-03-21 @ 09:05 in Ankapobeny

Nisy hadisoana vitsivitsy nalefan'i fraz izany dia nahitsiko. Miampy
fanitsiana vitsivitsy ihany koa:

Tsy mitranga ilay adiresy imailaka hahafahana mahazo ny
valin'ireo commentaires (sady toa tsy azo ovaina ?)

Efa nahitsy fa angamba ok amin'izao.
Ny email dia tsy azo ovaina satria any amin'ny serasera no manova azy.

- Nanona teny miafina tao @ serasera.org dia niditra tao @ blaogy.com, dia
tsy mihatra fa ilay taloha ihany no nekeny ? sa miandry kelikely
?
Efa mety izy amin'izao fa nisy hadisoana koa teo

Fanampiny
Matetika rehefa manoratra dia misy hadisoana foana satria adino ny mifidy
sokajy. Amin'izao dia izay sokajy voalhany eo no voaray raha manadino
mifidy.

Ny fandraisana amin'izay

2006-03-21 @ 05:24 in Blaogy Dev

Ok Hiditra amin'ny fanatsarana tsikelikely ny pejy fandraisana amin'izay fa toa iny no ahafahana mitarika olona mialoha.  (tohiny)

7777

2006-03-20 @ 21:53 in Serasera.org

Mba nanaitra ahy fotsiny ny nahita an'ilay 7777 tao amin'ny namana omaly. Isan'ny namana ao amin'ny serasera.org. Raha ny tena izy dia efa nihoatra be noho io (efa ela no ni-dépasser ny 10.000) fa noho ilay hoevoafafa izay tsy mamangy ao anatin'ny 4-bolana dia io sisa.

 

Haparitaka

2006-03-20 @ 15:26 in Blaogy Dev

Ezahina haparitaka tsikelikely amin'izay ny blaogy.com na dia mbola tsy vita tsara aza ny endrika fandraisana. Atao tsikelikelly eo ihany

Inoana fa hanampy amin'ny fanaparitahana sy fampitampitana ny blaogy.com koa izay efa mampiasa :) 

Na google aza mivika

2006-03-20 @ 08:06 in Ankapobeny

Saika hikredy be aho androany nahita fa nisy outages vitsivitsy tao amin'ny serveur misy ny blaogy.com... dia nangina tampoka rehefa nahita hoe na ny google aza nivika kely tao anatin'ny 10 minitra (16h59 - 17h10) Efa milamina tsara izao ny serveur...

Endrika isan-karazany

2006-03-19 @ 00:31 in Blaogy Dev

Araka ny programa dia mitady endrika isan-karazany ho an'ny blaogy.com aho amin'izao fotoana izao. Ny toerana ahitana an'izany dia tao amin'ny Wordpress ihany. Apetrako eto ambany daholo izay hitako koa raha misy mahaliana anareo amin'ireo endrika ireo dia ilazao aho fa hamboarina ho azo ampiasaina eto amin'ny blaogy.com  (tohiny)

Haka aina kely

2006-03-18 @ 13:05 in Blaogy Dev

Be be ihany ny zavatra vita tamin'ity herinandro ity momba ny blaogy.com. Mbola betsaka koa ireo tetik'asa mbola hatao. Koa aleo aloha haka aina kely indray fa tsy hiari-tory androany alina.
Ireo zavatra tokony mbola hatao ao amin'ny blaogy.com :
 (tohiny)

More text...

2006-03-17 @ 07:47 in Blaogy Dev

I have just discovered that the more tag in blaogy.com to be used with the metaWeblogapi is [@more@]  (tohiny)

Solonanarna misy teboka

2006-03-17 @ 07:16 in Blaogy Dev

Noho ny solonanaran'i ari.malala misy teboka dia voatery nanova zavatra vitsivitsy tao amin'ny scripts indray.  (tohiny)

Hanno censoriato "Roma"

2006-03-17 @ 02:52 in Italiano

Aspettavo veramente questa fiction che parla della "Roma". Ho sentito molto su comè gli americani vedono, almeno, la regista e Hbo, la storia di Roma. Ma oggi, ho letto nel giornale che alla fine, "Roma" non sarà piu intera. La Rai ha deciso di tagliare alcune scene giudicate violente, oppure immorale. Infatti nel'originale, c'è, ho sentito, una scena incestuosa di sesso fra i due fratelli Ottaviano e Ottavia... e alcuni apparizioni delle schiave nude.
Così, la prima puntata che vedremo stassera sarà una versione soft :-(
Per informazioni su questo film http://www.roma.rai.it

Senza Parole... Vasco Rossi

2006-03-15 @ 12:52 in Ankapobeny

Vasco RossiHira anakiray anisan'ny malaza eto Italie... hirain'i Vasco Rossi.
Noezahiko nadika tamin'ny teny gasy fa toa tsy misy heviny tsara :-)
 (tohiny)

Ilay izahay mianaka

2006-03-14 @ 15:45 in Blaogy Dev

Nahafinaritra ahy ny akon'ny nametrahako ity sary ity tao amin'ny namana. Nanakoako hatraty Italie ny lazany :-).
Minou no anaran'io zaza io. Mitovy be izahay mianaka. Azo atao hoe zanako ihany izy satria zanaky ny cousin-ko... ka tsy maninona na antsoina hoe izahay mianaka aza ny sary.
Tamin'ny aniverseran'i Minou io. :-)

hery

Andrana voaaro

2006-03-13 @ 03:40 in Ankapobeny

Ity izao ohatra dia mampiasa ilay hoe Enable pasword protection...

mila mampiditra mot de passe hoe test vao afaka mahita azy.

 (tohiny)

Show albums on summary

2006-03-10 @ 17:50 in Blaogy Dev

Ok I made the code to show album in summary if anybody needs it

The aim of this is that people in my blogs post more albums than texts so I needed to show on the summary page that the blog is really active by the posted albums.

 (tohiny)

Bugs while deleting user

2006-03-10 @ 17:44 in Blaogy Dev

I have already created a hack on removing completely a username and his blog. And I've just realised that I needed to remove the blog first before deleting it's owner... otherwise the summary will be mixed up with smarty errors etc.

So to remove a user, remove blogs first.

TODO:

  • There should be two steps when deleting. Disactivating first, and then Deleting.
  • When deleting the user, create another method to remove the subdomain. 

 

8 mars... et inégalités

2006-03-08 @ 02:57 in Ankapobeny

Je ne sais pas pourquoi les femmes sont fières de maintenir ce jour de 8 mars une journée pour les femmes. Ne sont-elles pas conscientes qu'en célébrant cette journée comme journée particulière, elles s'éloignent de plus en plus de leur idéal sur l'égalité de sexe... l'égalité au travail, l'égalité pour l'engagement des femmes en politique etc? Je préfèrerais qu'elles disent qu'elles n'ont pas besoin d'une journée particulière pour lutter. Qu'elles doivent lutter 365jours/ an... et que comme les hommes, elles ont droit au repos journalier, au repas quotidien, au travail... et tout cela tous les jours.

Using geshi

2006-03-04 @ 18:52 in Ankapobeny

I will put slowly codes here since this accept geshi

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Martsa 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry