Ampahatelon'ny androko

2006-03-24 @ 14:08 in Serasera.org


IMGP5069
Nampidirin'i heriniaina.
Eto no andaniako ny ampahatelon'ny adroko isanandro. Raha 24 ora ny andro iray dia ny 8 ora amin'izay (na mihoatra aza rehefa tsy manao pause fa manao serasera) dia laniko ato amin'ity birao ity daholo.
Ordinateur anakiroa miampy serveur Windows Server 2003 1GB Ram sy HDD 2 x 250 GB (somary miafina io ambany io dia ilay monitor io ny monitor-ny). Windows daholo :-). Ery amin'iry ordi anakiray iry daholo ny backup serasera ankoatran'ny any amin'ny dedicated server. Io koa no manao ny test rehetra. Ny ordi anakiray tsy hita eto amin'ny sary kosa anaovana ny kandra tsy azo asiana zavatra hafa :-)
Oups, adinoko teo ambonin'ny birao ny rano... mahalany rano 1,5 litatra isanandro :-) (plus si affinité).

Nihoatra ny Bandwidth Radiovazogasy.com

2006-03-24 @ 08:40 in Serasera.org

Dépassée par son propre succès :-)

Izay no azo iantsoana ny radiovazogasy.com androany. Notsinotsinoavina loatra ny resaka bandwidth satria site kelikely ihany kinanjo tapaka rehefa niverimberina ny 800 visites isanandro.

Naka toerana hafa tampotampoka aloha hametrahana azy. Sady mijery koa ny tanjaky NFS.

Ela be vao miparitaka ny dns.

Ny mivantana aloha dia http://radiovazogasy.nfshost.com

Plugins tokony hamboarina

2006-03-24 @ 01:36 in Blaogy Dev

Misy plugins vitsivitsy eritreretiko hamboarina amin'ity blaogy.com ity fa tsy ampy ny fotoana.

Apetrako eto aloha dieny tsy adino.

  • Blogger import : izay mampiditra hafatra avy any amin'ny blogger.com. mampiasa method momba ny XMLRPC
  • Send to mail : izay mandefa amin'ny adiresy email anakiray ny hafatra alefa ao amin'ny blaogy (cf. blogger.com)
  • CSS overwrite : Izay ahafahana mametraka CSS style afaka manova na mamafa tanteraka ny CSS amin'ny template anakiray. Tsara io raha ohatra ka hanova ny sary eo amin'ny header sns... Amin'izay aho tsy voatery hi-activer an'ilay template edit izay hitako fa tsy voafehy tsara.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Martsa 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry