Namana.serasera.org - Dimy taona izay

2007-09-28 @ 14:50 in Serasera.org

Raha tamin'ny 3 oktobra 1999 no nanombohan'ny serasera dia telo taona taty aoriana (ny 19 oktobra 2002) vao tafatsangana ny takelaka namana.serasera.org izay natao indrindra hifandefasana hafatra sy hitadiavana namana. Nandritra ny telo taona voalohany nisian'ny serasera dia mbola resaka email no nifandraisana. Ny takelaka tononkira koa no vita aloha sy nahamaika.

Tamin'io 19 Oktobra io ary dia navoaka ho hitam-bahoaka ny takelaka namana.serasera.org. Mazava ho azy fa izaho no nisoratra anarana voalohany :-) dia nisy ankizy vitsivitsy akaiky ahy koa (izay niala dia avy eo niditra dia tsy voatahiry ny momba azy taloha). Tapa-bolana taty aoriana dia 55 no isan'ny namana (aza mihomehy). Dia noezahina nohatsaraina teny foana.

Amin'izao fotoana izao dia mahatratra 22.000 eo ho eo ny namana ary mitombo hatrany.

Misaotra anao nanaiky ho namana... dia maniry ny hitohizan'izany hatrany.

Tsy tokony mba hisy hetsika vitsivitsy ve amin'io volana oktobra io ? Haninona anefa :-)

Toa izao ny fitantarana ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany.

 

19-Oct-2002 Nampidirina androany tamin'ny lohamilina ny namana.serasera.org
Hita anefa fa mbola misy olana be dia be... ezahina amboarina ao anaty fotoana fohy...
Tsy mitovy ny configuration'ny windows-ko localhost sy ny an'ny ovh ka io!!
  Amin'ny 22:12 izao kanefa mbola tsy activé ihany ilay sous-domaine. Mbola tsy mandeha izany ilay http://namana.serasera.org fa ny mandeha dia http://www.serasera.org/namana ...
Mila fanandramana
Mila fanandramana
20-Oct-2002 Efa opérationnel angamba ity site ity amin'izao fotoana izao an.
Mitady soso-kevitra hatrany (jereo etsy ankavia hoe sosokevitra).
Dia mitady namana koa :-)
21-Oct-2002 Nampidirina ny compteur avy amin'ny thecounter.com
Nasiana Stat avy amin'ny eStat ihany koa...
12 ny manandrana misoratra anarana fa tsy nanao an'ilay hoe ataovy ho azo tadiavina...

angamba tokony atao checked par défaut iny
  <b>Valim-panontaniana manitikitika</b>
Raha toa ka tianao ho hitan'ny olona ny anaranao sy ny mombamomba anao dia tsy maintsy fenoina ilay tapany faharoa amin'ny Ny momba ahy.
Mandehana etsy ampita amin'ilay hoe Ny momba ahy...
  Ok. Mandeha amin'izao ny sous-domaine namana.serasera.org
Azontsika andramana amin'izay...

Misaotra

22-Oct-2002Raha misy olana hitanareo anie ry 'reto dia alefaso etsy amin'ny soso-kevitra a!
Mba mitarainà moa e!

Heriniaina
23-Oct-2002 Hitako fa misy erreur kely rehefa manokatra ny page... javascript error io. avy amin'ilay compteur.
Hovaiko rehefa rahalina fa mbola vao reraka avy niasa aho izao.

25-Oct-2002 Nisy tsy nety kely teo... rehefa tsy misy votoatiny ny hafatra dia tsy azo nosokafana mihitsy...
Amin'izao dia efa mety, soloina hoe --- tsy misy --- rehefa tsy misy hafatra

Ianareo ho'aho mba milazà raha misy zavatra tsy mety... alefaso etsy amin'ilay hoe soso-kevitra.

Misaotra betsaka


  Efa azo atao amin'izao ny mamaky ny hafatra nalefanao tamin'ny olona... [Ny hafatra lasa]

  Amin'ny lisitry ny namana rehetra (na ny vokatry ny fitadiavana namana) dia mitranga koa ny solon'anarana. Raha tsindrina ny solon'anarana dia tonga dia mitranga ny fanoratana hafatra ho an'ilay namana...

Mety tsara kah

-
31-Oct-2002 Manahoana,

Mitombo ihany ny namana.
Eto Toliara aho izao ary mandeha tsara ny namana.serasera.org avy eto.
Misy hevitra vitsivitsy hotanterahina rehefa tafaverina any Tanà...

Ok

 Hafanana izany mba marina mafy :-(

Hitako fa maro ireo namana voasoratra anarana (55 androany) kanefa ny 15 tsy nanaiky ho namana.

Azo atao foana ny manaiky ho namana rehefa avy eo... jereo ilay hoe [Ny momba ahy] dia jereo ao hoe asehoy anatin'ny lisitry ny namana.

Ao koa no azonao hanitsiana ny mombamomba anao.

Mazotoa indray.

Hery
04-Nov-2002 Mbola mihitsoka aty Toliara ny oebimasitera ka rehefa tonga any Tanà amboarina izay mbola tsy metimety tsara.

Ary 'nareo moa r'ireto mba mametraha sary a! Misaotra an'izay efa sahy

 

 

Governora mpandika lalàna eto ItaliAfrika

2007-09-21 @ 07:58 in ItaliAfrika

 

<B>Burlando contromano in autostrada<br>"Sono deputato", niente multa</B>
Claudio Burlando
Vaovao nanaitra indray ity nitranga omaly ity. Governoran'i Liguria izay sady minisitry ny fitaterana teo aloha no efa solombavam-bahoaka ihany koa. Atoa. Burlando dia nandeha tamin'ny zotra mifanohitra amin'ny tokony ho izy tamin'ny lalambe Autoroute. Ilay antsoina foana hoe "à contre sens" amin'ny teny frantsay na "contromano" amin'ny teny Italiana. Efa maherin'ny 1 km izy no nanao izany, nifanena tamin'ny fiara vitsivitsy, vao nijanona. Soa ihany fa tsy niteraka loza. Ireo fiara izay nifanena taminy moa dia niantso ny polisy avy hatrany. Nony tonga anefa ny polisy dia nasehony ny karatra maha solombavam-bahoaka azy, karatra efa lany daty, dia navelan'ny polisy nandeha fotsiny izy.

 

Ny eto Italia, amin'ny maha firenena Afrikana azy, dia mbola manaja tsara ireny filoha na mpitondra na solombavam-bahoaka taloha ireny. Firifiry tokoa moa ny mpitondra taloha aty amin'ny tany afrikana no miliba fotsiny na dia be aza ny zavatra tsy nety nataony sy nanenjehana azy nandritra ny fotoana nitondrany. Fitandroana ny "Fihavanana" daholo izany.

Loharano Katolika

2007-09-17 @ 12:07 in Eritreritra mandalo

 Betsaka ireo foto-pinoan'ny Fiangonana Katolika (Doctrines) no sarotra azo hany ka tsy hain'ny Katolika sasany akory ny manazava azy amin'ireo izay manontany izany. Ekena fa tsy ilàna fanazavana lalina izany, ary tsy voatery koa ny Katolika hanazava izany amin'ireo izay fantatra avy hatrany fa tsy hihaino akory ny voalaza. Na izany aza dia mahafaly ahy ihany ny manolotra anareo ireo toerana fanovozako hevitra. Takelaka vitsivitsy manazava bebe kokoa ireo zavatra tsy mazava momba ny finoana katolika. (tohiny)

Chapelle Militaire Ste. Croix

2007-09-16 @ 07:52 in Tsiaro

Fankalazana ny fetin'ny Chapelle Ste. Croix tamin'ny Zoma teo fa androany no tena anaovana ny fetim-piangonana. Ny Chapelle Militaire Ste Croix dia chapelle misy ny Aumônerie Militaire teny Ampahibe, izany hoe natao ho an'ny miaramila. Tao no fiangonanay amin'ny maha-zanaka miaramila anay. Ny mampiavaka an'io fiangonana io dia sady an'ny Katolika no an'ny Protestanta... satria misy Protestanta koa ny miaramila :-)  (tohiny)

Novonoiko Imioly

2007-09-13 @ 23:45 in Informatika

Misy mampiasa emule kalazalahy ao am-piasana dia mihitsoka daholo ny mpijery internet. Raha ny tokony ho izy dia azo ferana ny hafainganan'ny eMule mba hahafahan'ny rehetra samy mahazo ny anjarany. Androany ary dia nanapa-kevitra izahay hamono an'Imioly. Nosakanana tsy hahazo handeha intsony ny eMule mivoaka sy miditra ny tambazotra.  (tohiny)

Lahatsoratra miafina.

2007-09-11 @ 10:12 in Blaogy Dev

Namboarina kely ny momba ny lahatsoratra miafina. Mba hahafahanao mamaky ity lahatsoratra ity dia ampidiro ny tenimiafina hoe andrana

 (tohiny)

Hanova DVD ho AVI

2007-09-07 @ 16:09 in Informatika, Fampianarana

Ity dia fomba iray izay hanovana ny kapila DVD ho fichier AVI, mba hahafahana mitahiry azy ao anaty CD, na koa mamoaka azy amin'ny Internet, na mandritra azy ho sarimihetsika vaovao indray (manao montage). Ny fichiers ao anaty DVD mantsy dia tsy voavakin'ny fitaovana rehetra.  (tohiny)

Ciao Pavarotti

2007-09-07 @ 07:00 in Vaovao

Dia nindaosin'ny fahafatesana ihany koa i Pavarotti omaly maraina teo amin'ny faha 71 taonany. "Tenor" malaza eran-tany efa efa-polo taona mahery izao. Tamin'ny taona 1961 tokoa mantsy no nanomboka nalaza ny fahaizany mihira amin'ny Opera. Niitatra era-tany izany lazany izany ka noho izy dia betsaka ny olona no nanjary tia sy nahalala ny momba ny Opera. (tohiny)

P. Paul-Louis: ilo tsy very

2007-09-06 @ 11:40 in Vaovao

P. Paul LouisTontosa ny fandevenana an'i P. Paul-Louis. Napetraka ao amin'ny fasan'ny Zezoita ao Tiburtina izy. Nisy maromaro ihany izahay Malagasy teto Roma no tany, ary nisy vazaha vitsivitsy koa. Koa satria toerana tsy azon'ny fiarakodia tsotra naleha ny toerana namoahana azy dia nakan'ny Zezoita fiarabe iray izay Malagasy te handeha handevina.  Nohiraina teny an-dalana ny hira sasany izay tena nahafantarana azy "Ahiratray ny masonay", "Jesoa Kristy" (Nanjohy iny lalana iny). Tsy afaka tao antsaina ny teny nambarany, indrindra ireo hafatra izay toa efa napetrapetrany tamin'ny lamesa farany niarahana tamin'ny tamin'ny volana jiona. Mandalo tokoa ny olombelona.

Betsaka ny mamy navelan'i P. Paul-Louis. Samy mahatsapa an'izany izay nifanerasera taminy. Ny anisan'ny tsapako dia ny nahatafatsangana ny Aumonerie Malagasy eto Italia izay izy no Aumonier voalohany. Dia ny toriteniny manaitra ny ati-fanahy ihany koa.

Ilo tsy very ao amin'ny tsirairay izany. Mba ho maty namela mamy tokoa izy. Hoy ilay mompera namaly ny teny fampiononana hoe "Nozarazarainy tamintsika tsirairay ny fony... ny fitiavany, mitoetra ao am-pontsika ny zavatra nataony... koa ny fampiroboroboana izany no fahatsiarovana lehibe mendrika azy."

Mandria am-piadanana. 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Septambra 2007 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Rohy
  • Blogroll
Tahiry