« | »

Ciao Pavarotti

2007-09-07 @ 07:00 in Vaovao

Dia nindaosin'ny fahafatesana ihany koa i Pavarotti omaly maraina teo amin'ny faha 71 taonany. "Tenor" malaza eran-tany efa efa-polo taona mahery izao. Tamin'ny taona 1961 tokoa mantsy no nanomboka nalaza ny fahaizany mihira amin'ny Opera. Niitatra era-tany izany lazany izany ka noho izy dia betsaka ny olona no nanjary tia sy nahalala ny momba ny Opera.

Ny tena nitiavako an'i Pavarotti dia izy nahasahy nanaparitaka ny Opera tamin'ny fomba tsotra. Tsy natokana ho an'ny nobles sy ny "snoby" intsony izany fa hatramin'ny rappers aza dia afaka mankafy. Niara-nihira tamin'ny mpihira maro izy, ry Giovanotti, ry Eros Ramazzotti sy mpihira vahiny hafa koa, ry Mariah Carey, Ricky Martin, U2 sns. Be ireo nitsikera azy tamin'io fanomezana ny Opera ho an'ny daholobe io fa tsy nisakana azy izany nanangana ny Pavarotti & Friends, izay vondrona mpihira mirona indrindra amin'ilay hoe fanaparitahana ny Opera ho an'ny rehetra.

Ho fahatsiarovana azy dia apetrako eto ity hiran'i Celine Dion anisan'ny tiako indrindra ity.

I hate you then I love you.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry