GasyKaManja et Tononkira

2022-12-27 @ 23:15 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Nampihomehy ahy ny zavatra nitranga androany. Efa hitako matetika fa ny ankamaroan'ny tononkira mitranga ao amin'ny GasyKaManja dia notrohana avy ao amin'ny tononkira.serasera.org avokoa. Tsy tompon'ny hira aho ka nikimpiako. Ny nanaitra dia mahasahy mampidi-bola betsaka ry zareo amin'ny resaka tononkira (misy publicités Google betsaka sy manelingelina), nefa na izaho aza tsy dia tena mahasahy manararaotra manao azy io ho fivelomana. Fa ny mampihomehy ahy sy mahakamo ahy dia ny ahita hoe dika-petaka be fahatany ilay izy, ka voadika hatramin'ny zavatra diso. Raha mba mitady tononkira izany ny olona, dia tononkira diso no hitany amin'ny site roa satria ilay efa diso taty amin'ny tononkira.serasera.org no notrohina nentina tatsy ampita.

Nitranga izao izany androany tamin'ny hiran'i Ndondolah sy Tahiry hoe Tojo namana. Nampidirina tamin'ny taona 2009 tao amin'ny tononkira.serasera.org nisy diso.

Dia iny koa no mipetraka ao amin'ny GasyKaManja.

Dia raha mijery ny hira maro ao dia tahaka izany daholo. Tsy miova hatramin'ny faingo, elanelana, teboka. Satria angamba tsy dika petaka fotsiny fa tena notrohana ara-teknika mihitsy.

Dia izay ry zalahy no mahatonga ahy tsy mizara firy satria manjary ataonareo fitadiavam-bola indray ilay izy avy eo.

NB. Efa nahitsy ilay Tojo Namana an'i Ndondolah sy Tahiry fa ovay koa ny any aminareo ry GKM :-)

 

Moderna en poche, daozy fahatelo

2022-01-07 @ 18:28 in Eritreritra mandalo

Izaho dia resy lahatra sy mankasitraka ny vaksiny raha toa mbola maimaim-poana foana izy. Satria matoky ireo olona izay miezaka mafy mitady vahaolana ho an'ny hafa, ny mpikaroka, ny mpitsabo sy ireo mpanampy azy. Koa nanao vaksiny daozy fahatelo aho androany ary raha mbola ilaina koa ny daozy manaraka dia mbola vonona hatrany.

 

Avy niasa dia nandalo centre vaccinal. Tsy dia be olona teo ivelany, dia nanandrana niditra.
Tonga teo am-baravarana:
- Amin'ny firy ny rendez-vous-nao?
- Tena tsy manana rendez-vous aho fa sendra nandalo dia nahita hoe vitsy olona dia nijery sao dia afaka miditra.
Olona telo no teo alohako teo ivelany (couple iray sy tanora iray)
- Manam-bintana ianao fa raha nisy olona maromaro eto ivelany eto dia tsy noraisiko ianao satria tsisy rendez-vous. Mandrosoa.
Tonga tao amin'ny fandraisana anarana nanoloana an'ilay rangaha iray miaraka amin'ny taratasy misy lisitra lava be.
- Ny anaranao hoe azafady? Ny Carte d'identité-nao?
- Tsy manana rendez-vous aho ka.
- Hay, omeo ahy ny mombamomba anao dia mandehana mipetraka etsy amin'ny seza fiandrasana etsy.
Mbola teo koa izy roa kely teo alohako fa ilay tanora efa niditra any.
Misy boxes folo hitako tao anatin'ilay centre kely. Samy efa misy olona daholo, eo ivelan'ny box tsirairay misy seza iray, dia samy misy olona daholo koa. Dia izay vao miditra izany miandry ety amin'ny efitra fiandrasana. Hitako niditra tsikelikely koa ny olona avy ao ivelany.
Tsy ampy 3 minitra dia niara-nivoaka ny olona vitsivitsy tao anaty boxes vitsivitsy, dia niara-niditra ny olona niandry teo amin'ny seza fiandry. Nasaina namonjy ny seza teo amin'ny box faha-5 aho.
Tsy ampy 10 minitra akory dia tonga ny anjarako. Toa ny mahazatra, dia dokotera iray sy mpanampy azy no tao. Mahagaga fa tsara fanahy be foana ny dokotera mpanao vakisiny. Tsy nanadihady be intsony toa ny tamin'ny doses roa voalohany fa tonga dia niomana ny hanindrona.
Nanaka-dresaka aho:
- Moderna moa izany iny?
- Eny, fa tsy maninona io fa mitovy ihany. Ny olona mihoatra ny 30 taona amin'izao dia afaka atao Moderna daholo.
Nampiomana izy nony tena hanindrona... nitsaingoka kely... dia vita.
- Tsy nisy olana ianao tamin'ny tsindrona roa voalohany?
-Tsy nisy, hoy aho.
- Afaka tonga dia mody izany fa tsy voatery miandry 15 minitra intsony.
Navesabesatra ny tanana tonga taty an-trano fa tsy mbola naninona. Afaka 24 ora mantsy vao tena heno ny vaikany... soa ihany fa asabotsy rahampitso. 🙂
(Manaova vakisiny fa mahafinaritra any 😛 )
(Sary: Diverse Stock Photos)

 

Hetsika hanampiana ny any atsimo

2021-07-01 @ 20:47 in Eritreritra mandalo

Nampihetsi-po ny takarivanay omaly. Takarivam-piraisan-kina, takarivam-pifanampiana. Raha mifanasa vangy ny andaniny sy ankilany mikasika ny namoahan'ilay mpanao gazety Gaelle Borgia ny zava-misy any atsimo mikasika ny kere, nefa ny olona miha matin'ny hanohanana ihany, dia nisy kosa taty aminay ny takariva fiaraha-mientana ho an'ireo iharan'ny kere ireo indrindra. Amin'izao hamehana amin'ny hanoanana vokatry ny haintany any atsimo izao tokoa mantsy dia nanana hevitra ny handefa izay voatsirambin'ny tanana sy voaangona avy amin'ireo malala-tanana ny mompera sy masera malagasy vitsivitsy aty aminay. Takariva tsotsotra nefa natao am-pitiavana nanehoana hira sy dihy ka nahavoriana olona maromaro ihany.

Horonantsary iray mampiseho ny zava-misy any atsimon'i Madagasikara no nisantarana azy, horonantsary novokarin'i Gaelle Borgia indrindra. Nampihetsi-po ny maro, izay tsy dia mbola tena nahalala ny zava-mitranga any amin'ireo toerana isian'ny hain-tany, ilay horonantsary. Hitao eo amin'ny tambazotra tokoa fa betsaka ny manome tsiny an'ilay mpanao gazety mikasika iny fanadihadiana nataony iny, hatrany amin'ireo mpitondra fanjakana aza. Tongo-bakivaky tokoa izy iny, sady maharary no mahamenatra, kanefa zava-misy iainan'ny olona any an-toerana. Tsy ny henatra sy ny hambom-po mihitsy hanaronana ny zava-misy, indrindra raha izay no anisan'ny fomba hitadiavana vahaolana. Hoy ny fiteny malagasy hoe "Ny olon-kandrandrana tsy hanafenana loha sola". Izany hoe tsy ny olona hanome vahaolana ho anao no hanafenanao ny olana misy. Sady na hafenina tahaka ny inona ara io dia tsy maintsy hiseho ihany. Izay koa mantsy ilay lazain'ny Ntaolo hoe manafin-tay an-tsalaka. Koa aleo ho vaky ny vay hitsaboana azy.Ny irariana dia hisy maromaro ireo hetsika ataon'ireo Malagasy na ao an-toerana na aty ivelany hitadiavana vahaolana hanampiana ireo mpiray tanindrazana aminy. Vahaolana vonjy maika fohy ezaka aloha, ary koa ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin'ny vahaolana lavitr'ezaka.

Ireo tsy mankalaza asaramanitra

2021-06-26 @ 11:14 in Eritreritra mandalo, Politika, Tsy aritra

Mahagaga fa eto Madagasikara, andao atao hoe tato ho ato, dia misy hatrany ireo olona mieritreritra hoe tsy tokony hanao fankalazàna amin'ny 26 jiona, fetim-pirenena. Vao manomboka ny volana jiona dia efa misy ny adihevitra amin'ny tokony na tsia hametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano. Ny antony apoitran'ireo izay manao izany matetika dia ny hoe tsy mbola mahaleo tena akory i Madagasikara. Mbola misy ireo sotrobe lava tango avy ataon'ireo mpanjanaka fahiny misalovana ny fanjakana.

Ny olana tokoa angamba dia tsy nampidirina na tsy tafiditra tsara ao antsain'ny Malagasy maro izany hevitry ny 26 jiona. Ny antsika tokoa mantsy, ny 26 jiona dia fankalazàna ny nahazoana fahaleovan-tena. Tsy hoe azo tamin-kery sy ady be anefa izany, tahaka ny hoe tsy mba nisasarana, satria nomena. Marina fa nisy ireo Malagasy niady mafy ho an'izany fahaleovan-tena izany tamin'ny 1947, fa tsy mba izy ireny no nankalazaina tamin'ny fanomezana ny fahaleovan-tena. Tsy nolazaina mihitsy hoe vokatry ny adin'izy ireny dia nahazo fahaleovan-tena isika... fa fanomezana tsotra izao. Ary fanomezana avy amin'ireo mpanjanaka ihany. Vokatr'izany dia saritsarim-pahaleovan-tena no niainana nandritra ny taona maro. Tsy nanamarika ny hambom-pon'ny Malagasy izany ilay andro nanomezana fahaleovan-tena, tsy tena midika fandresena.

Ny an'ny hafa mantsy, ohatra fotsiny ho an'ny Frantsay, ny andro 14 jolay ny azy dia tena vokatry ny ady mihitsy. Fankalazana ny nakàna ny Bastille. Izany hoe nisy zavatra niadiana dia azo. Tahaka izany koa ny an'ny Etazonia, fanambarana ny fahaleovan-tena taorian'ny ady natao... sy ireo firenena hafa maro.Koa angamba tsy omena tsiny ny Malagasy sasany raha toa ka tsy manaitra azy ity andro iray ity. Inona nefa ny andro mety azo hasolo azy? Andro nanamarika fahafahana? Sa mbola tsy afaka mihitsy ny Malagasy?

Na izany na tsy izany dia mirary fety mahafinaritra eo anivon'ny fianakaviana ho an'ireo izay manamarika izany. Indrindra mila manararaotra fety amin'izao fotoanan'ny krizy vokatry ny valan'aretina izao.

Tsy hatao vakisiny mihitsy

2021-06-25 @ 19:07 in Eritreritra mandalo

Matetika dia tsy olana ho an'ny olona tena matanjaka sy ampy sakafo tsara ary tsy taizan'aretina ny Covid. Tsy tsapan'izy ireny akory hoe efa voa izy satria indraindray tsy misy soritr'aretina akory.

Tsy mahagaga noho izany raha tsy marisika amin'ny fiarovana ny ankamaroan'ireo sokajin'olona ireo. Anatin'izany ireo filoham-pirenena tanora sy matanjaka. Tsy mila atao vakisiny izany izy ireny raha resaka fiarovan-tena fotsiny no jerena.

Ny olana fotsiny izao dia tsy resaka olon-tokana izy ity fa resaka itambarana. Raha tsy tiana hiparitaka sy hiverimberina ny aretina dia mila miaro tena daholo ny rehetra na dia ireo dfq matoky fa tsy ho lavon'ilay aretina aza. Raha sendra mitondra ny tsimok'aretina mantsy ianao nefa tsy misy fiantraikany eo aminao ilay izy nefa ianao tsy miaro tena dia ho voa daholo ireo mifandray aminao... ary izy ireo mety marefo, be taona, taizan'aretina, sns.

Io fitsinjovana ny hafa io angamba no tsy tsapan'ny sasany miteny hoe tsy hanao vakisiny mihitsy. Sarotra be nefa ny hifandresy lahatra raha ohatra ka efa tsy mba zatra mitsinjo ireo marefo hatramin'izay ianao na tsy nobeazina tamin'izany.

Ny hany azo atao angamba dia ny maniry hoe raha tsy hatao vakisiny ihany dia tokony ho voa malaky satria araka ny fikarohana dia mitovy amin'ny vita daozy iray amin'ny vakisiny ny olona efa voan'ilay aretina.

 

Ranomafana gratuit

2021-05-12 @ 23:49 in Eritreritra mandalo

Nanohina ahy fotsiny ity sary ity dia tehiriziko ato. 

Tsy misy mpanao pôlitika mangalatra izany

2020-11-23 @ 17:55 in Eritreritra mandalo, Fanatanjahan-tena

Nafana be indray ny vaovao androany hoe nahanton'ny FIFA mandritra ny 5 taona be izao andriamatoa Ahmad Ahmad iza filohan'ny CAF na ny federaziona afrikana momba ny baolina kitra. Izy ihany no Malagasy mba tonga teo amin'izany toerana izany hatramin'izao aloha. Resaka kolikoly, araka ny vaovao, no nahatonga izao fampiatoana azy amin'ny asany izao, satria tsy amin'ny maha filohan'ny CAF fotsiny, izay efa mamarana mandat rahateo izy, fa amin'ny resaka baolina kitra rehetra mihitsy. 

Toa ny mahazatra dia miakatr'afo ireo "tia tanindrazana" ka miantsoantso hoe tsy rariny izao fa fanenjehana ny Malagasy. Misy aza moa no mieritreritra fa fanembatsembanana ny fandroson'ny BAREA izao ataon'ny FIFA izao. Mahagaga tokoa fa isaky ny mba nandroso kely ny BAREA dia misy misompatra foana.

Fa ny manahirana an'ity resaka Ahmad ity dia ilay raharaha tsy vao izao. Iza tokoa moa no tsy nahatadidy fa voatonontonona tao anatin'ilay fanadihadiana nataon'ny Canal+ ny anaran'ny filohan'ny Federasiona malagasy momba ny baolina kitra fahizany, Atoa Ahmad Ahmad. Na dia tsy izy irery aza fa ireo filohan'ny federasiona amin'ny firenena hafa koa, dia anisan'ireo nangataka vola sy nomen'ny Qatari vola izy. Mety hoe tsy misy ifandraisany amin'ny nahazoan'i Qatar ny fampiantranoana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra amin'ny 2022. Mety hoe nomeny manontolo ho an'ny federasiona ny vola noraisiny... Fa misy fofompofona kolikoly hatrany ny zavatra tahaka izany.

 

Tsy nisakana azy tsy ho lany filohan'ny CAF anefa izany, saingy nipoaka indray ny raharaha tamin'ny 2019 mbola mikasika kolikoly ihany. Resaka fampiasana vola tsy araka ny tokony ho izy. Nilaza fa nandeha nanao iraka tany Rosia nefa toa tsy tany akory araka ny filazan'ny BBC. Sy ny maro hafa. Ary dia izao niafara tamin'ny fampiatoana azy amin'ny maha filohan'ny CAF izao.

Le président sortant de la Confédération africaine de football a été condamné à l’interdiction d’exercer toute activité relative au football pour cinq ans par la chambre de jugement de la Commission d’éthique indépendante de la Fifa. Ahmad Ahmad est notamment accusé de détournements de fonds.

La décision est tombée sous la forme d’un communiqué publié sur le site de la Fédération internationale de football association (Fifa). Le Malgache Ahmad Ahmad, président sortant de la Confédération africaine de football (CAF) et vice-président de la Fifa, est suspendu pour une période de cinq ans de toute activité liée au football professionnel.

Aleo ny fanadihadiana sy ny fitsaràna no hanambara na meloka na tsia Ahmad Ahmad, fa raha mbola ampidirana resaka politika foana ny resaka fanatanjahan-tena dia tsy maintsy hitranga ny resaka tahaka izao. Aleo ny resaka fanatanjahan-tena hahaleotena.

Na dia tsy mpanaraka baolina kitra malagasy loatra aza ny tenanay, na dia tsy mbola nino hoe mety ho an'ny Malagasy ny baolina kitra, dia mirary tokoa mba tsy hisakantsakana ny BAREA amin'ny lalana lalovany izao zava-mitranga izao.

Ny sarimihetsika malagasy sy Netflix

Tato ho ato dia mahazo vahana ao amin’ny Netflix ny sarimihetsika afrikana. Tantara vokarina na tohanan’ny Netflix manokana. Angamba vokatry ny valanaretina COVID19 satria vitsy kokoa amin’izao ny horonantsary amerikana sy eoropeana noho ny fitandremana tsy ho voan’ny aretina. Misy rahateo ireo mpamokatra sarimihetsika no minia tsy mamoaka ny horonantsariny mba hialàna amin’ny fatiantoka.

Fa ny manaitra dia tantara tsotra, fiainana an-davanandron’ny afrikana no tantarain’ireo sarimihetsika ireo. Mikasika ny kolikoly, ny tsy fandriam-pahalemana, hasin’ny vehivavy. Tsy dia noraisin’ny Netflix ireo horonan-tsary mampalaza ny afrikana mitantara famosaviana izay mampalaza ny mamokatra sarimihetsika Nizériana sy Gahaniana. Toa te haneho hoe miaina fiainana eo anivon’ny fotoana iainany koa ny Afrikana fa tsy voatery hiresaka mikasika ny fomban-drazana sy “folklore” foana.

Dia mampametra-panontaniana hoe hatraiza tokoa ny fivoaran’ny sarimihetsika malagasy amin’izao fotoana izao? Misy vokatra mivoaka foana nefa toa tsy dia tena lalina loatra. Fampihomehezana matetika no votoatiny. Misy ihany ny tsy dia natao hihomehezana saingy tsy mampitaintaina sy tsy manaitra loatra. Angamba tokony hiova lohahevitra amin’izay. Atao mitovitovy amin’ny tantara henoina. Tadidiko ireny tantara taloha nampalaza andry Vahandanitra, Solofo José, Clara, Gégé, Clotilde sns ireny. Mitangorona eo ambody vata fandraisam-peo avokoa ny rehetra. Sarotra be ve ny manatontosa ny toa azy ireny ho tonga sarimihetsika indray? 

Mino aho fa raha manana votoatiny mafonja sy tsara rindra ny sarimihetsika malagasy mety mba ho tafakatra tsikelikely… ary nahoana moa no tsy ho tonga any amin’ny Netflix koa?

Ireto ireo films afrikana vitsivitsy ao amin’ny Netflix mety mahaliana, Adù, La convocation, Azali, Resgate...

 

Famadihana, sisan-taolana, inona no ifandraisan'ireto fomba ireto?

Vao avy nitsidika (na natsidika arakaraka izay tiana handraisana azy) an'i Madagasikara ny sisan-taolana (fa tsy razana na taolam-balo) an'i Mb Therese-n'i Jesoa Zazakely sy ny Ray amandreniny tamin'iny volana lasa iny. Nitety fiangonana sy faritra maro manerana an'i Madagasikara. Fotoam-pialan-tsasatra rahateo ny andro ka maro ireo mpino Katolika no afaka nanararaotra sy nahita izany fandalovany izany na dia tany amin'ny fiangonana kely any ambanivohitra aza. Fotoanan'ny ririnina no nandalovan'izy telo mianaka ka nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanaovana famadihana amin'ny toerana maro manao izany (ny ao afovoan-tany indrindra indrindra). Dia mipetraka ny fanontanian'ny sasany hoe inona no ifandraisany na maha samihafa ireto fomba roa ireto? Zavatra mitovy ihany ve? Mety tsy dia hahavaly tanteraka aho fa hitondra fanazavana sasantsasany fotsiny ihany.

Ny olona mijery ivelany aloha avy hatrany dia manao hitsin-dalana hoe mitovy. Razam-bazaha sy razan-gasy. Samy milanja razana. Tsy lavina avy hatrany izany satria samy milanja raiamandreny be tokoa. Amin'ny famadihana dia avoaka avy ao am-pasana ny razana, olona efa maty tany aloha be tany, karakaraina, fonosana, mba hampidirina ao am-pasana indray. Ny antony namoahana azy avy ao dia ny fahafahana mandamina ny ao am-pasana, mamono lamba mba tsy hiparitaka. Misy avy eo ho an'ny sasany ny fombafomba manaraka ny famadihana. Lanjalanjaina entina mandihy, , fiaraha-milanonana, fivoriam-pianakaviana. Samy manana ny fomba fanaony, notohizany na navelany ny tsirairay. Ho an'ny sasany dia mitahy izy ireo ka misy koa ny fangatahan-tso-drano sy fangataham-pitahiana. Ireto sisan-taolan'izy telomianaka koa dia olona efa maty tany aloha be tany, navoaka tao amin'ny toerana nametrahana azy, dia lanjalanjaina sy entina mitety faritra. Fifaliana sy fandihizana ihany koa na amin'ny fomba maotina kokoa aza. Ary satria ho an'ny sasany dia olomasina, akaikin'Andriamanitra izy ireto, dia misy koa ny fangataham-pivavahana, fangatahana fahasoavana avy amin'Andriamanitra. 

Raha ireo izany no jerena dia misy itovizany be dia be ireto fomba ireto. Tsy mahagaga anefa izany satria misy azo raisina tsara hifanaraka amin'ny foto-pinoana katolika ny fomba malagasy ao anatin'ny famadihana. Ny Katolika, ohatra, dia mino fa tsy maty ny fanahy... ny Malagasy koa dia manaiky fa ny fanahy no maha olona. Ho an'ny Katolika dia akaiky an'Andriamanitra ny olona izay nanana fiainana mendrika sy azo alain-tahaka. Afaka manampy ny olombelona hitondra ny fivavahan'izy ireo eo anatrehan'i Jesoa izy ireny. I Jesoa irery no mpanalalana, ny fiombonan'ny olona masina kosa izay akaiky ny olombelona ara-tantara, dia afaka mitondra ny vavak'izy ireo sy miara-mivavaka amin'izy ireo. Tsy mahasolo an'i Jesoa ny olomasina ho an'ny Katolika fa tombony ho azy ireo kosa. Satria sady afaka mivavaka mivantana amin'i Jesoa ny mpino no afaka mangataka ny olomasina hanohana sy hanampy izany vavaka ataony izany. Ny olona rehetra tsara sitra-po efa maty izany, na Malagasy na vazaha, izay azo heverina fa efa eo anilan'Andriamanitra, olona masina azon'ny tsirairay angatahana hitondra vavaka. Tafiditra amin'io sokajy io ny Razana izay nanana ny maha izy azy fony fahavelony. Ny mampiavaka ireo razana ireo amin'ireo olomasina ao anaty kalendrie dia ilay habe-n'ny olona voakasiny. Ny Razana dia olona vitsy no nahalala azy, olona vitsy raha misy no afaka manaporofo na mahatadidy fa nanana toetra modely tokoa izy. Mijanona ho mpitondra vavaka sy modelin'ireo olona vitsy (matetika taranany) izay mahatoky izany toetra nananan'ilay Razana izany fotsiny ihany izany izy. Azo ekena ho olona masina izy saingy tsy ambara am-pahibe-maso satria tsy nisy fanadihadiana nahafahana nanamarina ny fiainany. Ny olomasina kosa dia niainga tahaka izany ihany. Ny taranany, na ny olona nahafantatra azy dia niezaka nanaporofo fa tena olona nanana ny maha izy azy sy azo alain-tahaka tokoa ilay razam-beny. Nisy ireo vavolom-belona nijoro, nisy ireo tantara nipetraka. Nisy mihitsy aza ireo sahy milaza sy mijoro vavolombelona fa nahazo fahasoavana noho ny vavaka nataon'ilay razana. Rehefa atao ny fanadihadiana ka mitombona daholo ny fijoroana vavolombelona dia eken'ny Fiangonana fa olona nanana ny lazany tokoa ilay Razana ka ambarany fa olomasina ka azon'ny katolika rehetra hangataham-bavaka sy atao ho fakan-tahaka tamin'ny toetra niainany. Izay maha manokana (ho an'ny Razana) sy maha iraisan'ny rehetra (ho an'ny olomasina) izay izany no tena mampiavaka ny Razana sy Olomasina ho an'ny Katolika. Andriamanitra irery no mahalala ny maha masina na tsia ny tsirairay. Ny velona kosa dia miantehitra amin'izay fijoroana vavolombelon'ireo izay nahalala azy manambara ny toetra tsara niainany. 

Raha toa ary ka mijanona fotsiny amin'ny fanajana ny razana, sy fangataham-bavaka na fiaraha-mivavaka aminy, toa ny atao amin'ny olomasina no atao mandritra ny famadihana dia tsy manohitra izany ny Katolika ary tsy miantso izany ho fanompoan-tsampy. Mazava ho azy, miankina amin'ny tsirairay tanteraka eo imason'Andriamanitra izany. Toa izany koa, raha tsy mijanona fotsiny amin'ny fangataham-bavaka sy fiaraha-mivavaka aminy ny fitodihana amin'ny olomasina ataon'ny mpino katolika, dia efa mivoana ho fanompoan-tsampy indray izany ka ilàna fitandremana. Miankina amin'ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay koa anefa no hahafantarana izany.

Koa mitovy ary ve ireo sary ireo? Miankina amin'ny fo sy toe-panahy entin'ny tsirairay tanteraka eo ampanaovana ireo fihetsika ireo izany.
Raha mahaliana anao ny fiheveran'ny Katolika lalindalina kokoa ny famadihana dia azonao vakiana eto ambany.

Mompera Francois de Paule Randriamanalina sj. dia nanoratra ny thèse-ny mikasika ny famadihana sy ny finoana kristianinaESSAI SUR L'INCULTURATION DE L'ÉVANGILE À MADAGASCAR DU FAMADIHANA A LA CHRISTOLOGIE PASCALE http://www.collectionscanada.gc.ca/obj/s4/f2/dsk1/tape10/PQDD_0019/NQ48113.pdf

(Ny sary dia tao amin'ny kaonty facebook-n'i Alisoa)

Fitehirizana ny rano amin'ny farihy, soa fianatra

2015-08-13 @ 11:04 in Eritreritra mandalo

Nanaitra ahy ny nataon'ny amerikana tany Los Angeles (California) tamin'ity herinandro ity mba hitehirizana ny rano amin'ny tohodrano lehibe iray mamelona ny tanàna. Maina tokoa ny andro amin'izao aty amin'ny ila-bolantany avaratra. Ary ho an'ny tanan-dehibe tahaka an'i Los Angeles dia mitombo ny fandaniana nefa ny loharano tsy misy na kely dia kely. Nahita hevitra ary ry zareo mba hamehezana ny fihenan'ny rano, indrindra vokatry ny fientonan'ny rano noho ny masoandro.

Nasiany baolina plastika mainty kely be dia be, miisa 96 tapitrisa, mitsingevana eo ambonin'ilay rano. Ny tombony lehibe izany dia tsy mientona vokatry ny masoandro intsony ny rano. Eo koa ny fialàna amin'ny loto mety ateraky ny vorona manidina sns. Rehefa natao ny kajy dia betsaka lavitra noho ny tombony ho azo amin'ny rano voatsisy ny vola lany nanamboarana ireo baolina kely be dia be ireo.

Mazava ho azy fa mbola tsy laharam-pahamehana any amin'ny tany mahantra ny toa izao na dia eo aza ny tombony mety ho azo. Mila averina indray ny kajy. Raha ao Antananarivo, ohatra, dia eny Mandroseza no farihy hakàna ny rano hosotroina. Mila kajiana hoe firy ny rano miditra sy ny rano mivoaka, ary firy ny rano mientona am-pitoerana. Dia izay vao afaka mahafantatra hoe ohatrinona isan-taona ny rano very mba hahafahana maminavina hoe lafo sa mora ny manao toa izao amin'ny velaran'ny rano toa an'i Mandroseza.

Fa ny hevitra dia efa hita io.

Mba tsy hitady ny very

Rehefa tsy mifanerasera amin'ny ankizy miteny malagasy ny zaza malagasy fa ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe manodidina azy ihany no miteny malagasy miaraka aminy dia mihena be dia be ny voambolana ananany. Hafa mihitsy mantsy hoe samy ankizy dia voambolan'ny ankizy no henony dia mitombo tsikelikely izy. Mba tsy ho very izany ny teny malagasy ao amin'ny ankizy teraka taty an-dafy dia mila ampilomanosina ao anaty tontolon'ny ankizy malagasy izy. Tokony hisy fotoana maharitra hampiainana azy ny tontolon'ny ankizy malagasy ka na ny ray aman-dreny no midina ho ankizy mandritra io fotoana io na izy asaina mijery na mihaino sarimihetsika na feo misy resaky ny ankizy tena malagasy.

Ilay hoe ny ray amandreny no midina ho ankizy malagasy dia tsy midika akory hoe manao fibadabada rehefa miteny (izay miteraka fifangaroana voambolana indray) fa miezaka kosa maka sary antsaina hoe raha ankizy malagasy daholo no manodidina ny zaza iray dia inona no mba vetin-dresaky ry zareo, inona ny kilalao lalaoviny, inona no manaitaitra azy sns. Ny teny malagasy mantsy dia tsy voambolana sy fanabeazam-bohon-teny ihany fa kolontsaina manontolo mihitsy. 

Ny antony hiantsoana ny Colas hanapoaka ilay vato be

2015-03-11 @ 08:04 in Vaovao, Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka. Misy vato mandondona (fa tsy mandondòna) be iray izay any Myanmar, hita eto amin'ny sary, an-tampon'ny tendrombohitra iray ao Kyaiktiyo. Antsoina hoe Vato volamena izy io satria lasa toerana fanaovan'ny mpino Bodista fivahinianana masinia ka izay mamangy mivavaka eo dia mametaka felam-bolamena. Ilay vato be, izay mirefy 7m ny hahavony ary 15m ny savaivony, dia zara raha mipetraka amin'ilay vato eo ambaniny... nefa tsy mikodiadia any ambany. Tsara tombina.

Fa ny tena resaka dia mikasika ihany ilay vatobe eny Avaratr'Ankatso izay mahabe resaka any amin'ny tambazotra sosialy. Araka ny re dia 57.000.000 ar no hanesoran'ny Colas azy nefa ny Malagasy mpiasa vato eny Ambatonapoaka nangataka 6.000.000 hanalàny azy. Betsaka, avy hatrany, ny entim-po, indrindra mahita ny elanelan'ny sarany, hoe resaka fanandevozan'ny Frantsay indray io, satria an'ny Frantsay ny Colas. Ireto anefa misy eritreritra kely mandalo ilàna fanadihadiana... izay mazava loatra fa ny tompon'andraikitra no afaka mamaly azy.

- Nisy ve "appel d'offres" natao tamin'ny fanesorana ilay vato? Raha nisy mantsy ny "appel d'offres" ka raha hita fa ny Colas no nahazo ny varotra dia ara-dalàna tsara ilay "procédure". Miseho any rehetra any rahateo ny sarany fa 57.000.000 ariary, ka raha nisy mpifaninana tamin'ny Colas nanolotra latsak'io nefa tsy nahazo ilay varotra dia tokony izy ireo no hiantsoantso.

- Raha nisy ny "appel d'offres", nahoana no tsy afaka nanolotra ny vinavinany ireo "mpamaky vato"? Tsy nampahafantarina ve izy ireo? Tsy afaka mandray anjara amin'ilay "appel d'offres" ve izy ireo?

- Iza tokoa ilay hoe "mpamaky vato" nanolotra vinavina 6.000.000 ar? Fikambanana ve izy ireo sa "Entreprise"? Afaka manome faktiora sy mandoa haba ve izy ireo? Sao dia tsy mitsinjara amin'ny mpiasa tsara ny vola azo? Ara-dalàna avokoa ve ireo mpiasa sa mety hisy fitsentsefana raha omena azy ireo ny vola? Misy "assurances" ve ny mpamaky vato raha sanatria ka misy loza mitranga mandritra ny fanesorana ilay vato be. Misy antoka (garanti) ve omen'izy ireo amin'ny asa ataony? Ahoana ny fomba hanaovana ny "contrat" amin'izy ireo? Misy "assurance" ve raha sanatria ka miteraka loza hafa (amin'ny manodidina) ny asa ataony?

Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka miteny tsara hoe nahoana tokoa no ny "Colas" no manala ilay vato na dia 57.000.000 aza ny vola takiany.

 

Andevoizin'ny salady? :-)

2015-02-19 @ 14:44 in Eritreritra mandalo, Sakafo, Tsy aritra

Asa tokoa hoe manao ahoana ny any #Madagasikara any amin'ny resaka fihinanana sakafo. Indrindra eo amin'ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina mba ho ara-pahasalamana. Nanomezana tsiny betsaka ny aty Eoropa sy any Amerika mantsy io fihinanana sakafo mahasalama io teo aloha. Ary noderaina ery ny Afrikanina satria misy ny rehetra sady azo ampifandimbiasina no ara-pahasalamana fa mbola tsy indostrialy. Fa amin'izao dia hitako miova ny famindran'ny olona aty. Angamba manomboka tonga saina daholo vokatry ny aretina sy ny fiovam-batana vokatry ny sakafo. Ny salady tokoa mantsy, noho ny anti-oxydant sy ny fibres ao anatiny dia manadio sy manampy ny any anaty rehetra any. Vavony, aty, tsinay... ary mahatsara fo sy mampihena ny tavy ihany koa.

Na izany asa dia somary hitako mivoana ihany ilay izy ho an'ny olona sasany satria dia lasa salady no foto-tsakafo nefa tsy dia tena hoe matavy akory. Amin'izao, ny toerana andehanako aloha, dia malaza ny menu hoe "Insalatone". Izany hoe portion ngeza amin'ny salady... tena salady iray baolina mihitsy. Mahagaga fa ifandrombahana io menu io ka manjary manao an'io daholo ny bar rehetra raha te hahazo kil hihinan-kanina antoandro.

Ankoatra izany dia tsy atokisana kokoa ny fahadiovan'ny salady noho ny fahadiovan'ny hanina nandrahoina. Ny salady araka ny novakiako tato dia mety hiteraka aretina bebe kokoa noho ny hamburger noho ny fahasarotan'ny fanasana azy. Tsy ampy ny fanasana azy amin'ny rano be fa tokony hisy fanafody sady mamono ny bakteria aminy. Voalaza ao anefa aloha fa tsy ny salady rehetra no misy bakteria mampidi-doza, saingy tsy hay na ilay salady hohaninao iny no ilay misy bakteria tsy mety afa-drano.

Any Madagasikara moa, ankoatra izany bakteria izany, dia anisan'ny loharanon'ny cysticercose koa ny fihinana salady tsy fatam-piaviana. Mbola zezi-kisoa no ampiasain'ny olona sasany mpamboly salady. Misy atodin-kakana sakoitra ilay zezika ka mipetaka amin'ny salady. Raha tsy voasasa tsara sy maharitra izany ny salady dia mahavoan'ny cysticercose.

Ngah hita e. Mila mitandrina bebe kokoa fotsiny fa izay hohanina rehetra toa ahitana tsininy daholo. Mazotoa homana.

Ah, saika adinoko. Misy siten'ankizy vao nivoaka izay, misy resaka sakafo fotsiny ao anatiny www.mamina.org sao mahaliana

Ambony noho ny finoana ny fitiavana

2015-02-14 @ 10:01 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Androany hono, araka ny efa nampiomanako anareo omaly (yes) ny Saint Val. Ary na dia ireo izay tsy mino an'izany resaka olomasina izany aza dia miteny hoe "Saint Valentin"... farafaharatsiny amin'ny frantsay. Ny an'ny anglisy mantsy tonga dia nataony hoe "Valentine's day" (raha tsy diso aho). Fa nanaitra ahy ny captcha (ilay teny fanamarinana etsy ambany etsy) rehefa mampiditra commentaires eto amin'ny blaogy koa dia manana endrikendrika Saint Val. Ireto amin'ny sary ireo ohatra ny hitako.

Ny fitiavana hono no lehibe indrindra hoy ny kristianina (1Kor 13, 13)... nohamafisiny tsara hoe lehibe indrindra amin'ireo zavatra telo izay mitoetra ankehitriny dia ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Raha raisina ara-bakiteny io dia tokony hahatonga saina satria ambonin'ny finoana koa izany ny fitiavana. Tsy tokony hisakana amin'ny fitiavana ny finoana. Raha finoana tsy mitondra amin'ny fitiavana dia finoana tsy misy dikany. Raha finoana mifanohitra amin'ny fitiavana moa dia tsy azo lazaina ho finoana akory. Satria ilay inoana dia fitiavana.

Koa dia mirary antsika rehetra hiaina ao anaty fitiavana daholo.

Vous souvenez-vous de Berenice et de son cover? :-p

2015-02-10 @ 21:56 in Eritreritra mandalo

Tsetsatsetsa tsy aritra ity dia lazaiko ato amin'ny blaogy ato. Fa mialoha an'izany aloha, resaka misy ifandraisany amin'izay holazaiko rehefa avy eo, dia angamba efa samy nahita an'i Berenice avokoa isika mpikirakira tambazotra sosialy, ary mety efa samy naheno ny feony na dia tsy hatramin'ny farany aza :-). I Berenice dia ilay tovovavy Nigeriana manao ny cover-n'i John Legend hoe "All of me". Nataony amin'ny feony izay tena mivalana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany... saingy voatanany hatramin'ny farany ilay mivalana. Mila fahaizana be amiko ny olona mahavita tahaka izany. Jereo ery ambany ilay video raha hihaino... dia mba henoy anie ny famaranany azy e :-)

Fa ny tena resaka dia mifandray amin'ny fanaovana "cover" ihany. Nahazo hafatra matotra be aho androany, tsy holazaiko hoe avy amin'iza, nilaza hoe "mba miangavy, ajanony ny hira Ankalazao ny Tompo ataonao fa sady be diso, tsy mitovy amin'ny tena izy no tsy niera akory ianao." Efa hatramin'ny 2010 tokoa aho izay no nanomboka nanao "cover masina" izay azo jerena ato ny sasany.  Izany hoe hira katolika tao amin'ny fihirana dia mba tendritendrena tahaka ny ataon'ny rehetra dia alaina Video dia apetraka amin'ny youtube. Lazaiko hatrany isaky ny manao aho hoe ny hira dia tao anaty fihirana katolika. Hira hiraiko araka izay fahaizako sy izay tratrako satria ny tena sady tsy manam-peo no tsy dia mahay mitendry mozika. Ary tsy natao ho an'izay tsy faly mihaino azy fa natao hozaraina amin'ireo namana. Ny dikan'izany dia tsy hira ofisialy... fa tahaka ny olona mihira ao antrano sns... indrindra moa fa hiram-pivavahana.

Koa gaga ihany aho tamin'ilay email feno fanajana mandrara ahy tsy hanao hiran'ny "Ankalazao ny Tompo" intsony. Mino aho fa olona mbola tototry ny zava-baovaon'ny internet ilay olona ka izay no fiheverana voalohany tao an-tsainy. Tsy mbola tsapany hoe ny fanaovan'ny olona "cover" dia manome lanja ny hira iray. Satria voalohany indrindra dia tsy mahasolo ny hira fototra ireny "cover" ireny. Ary faharoa dia manentana ny olona hijery ilay hira fototra ilay izy... fahatelo farany, raha toa misy manao "cover" ny hiranao dia tian'ny olona sy malaza izay.

Koa raha izany no mitohy, tsy ho azo hiraina any am-piangonana intsony koa ve izany ny "Ankalazao ny Tompo" ? Eny e, raha ny tompon'ny hira na ny tompon'ny "zon'ny mpamorona" no miteny amiko hoe ajanony ny ataonao, dia tena hajanoko tokoa raha tsy azony ireo zavatra nolazaiko teo ambony ireo. Fa raha tsy izany dia hotohizana ihany araka izay tratra... sao manjary mihira koa ny vato mantsy.

Misy hira hafa koa efa ataony: Jereo eto https://www.youtube.com/watch?v=UAJVFGmMesk

Mes voeux les plus sincères

2015-02-04 @ 09:32 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Fantatro fa efa febroary izao, ary efa tara tanteraka raha ohatra ka izao vao hiarahaba tratry ny taona... sady efa nanao an'izany koa aho amin'ny ankapobeny e. Fa nisy zavatra hitako tany ho any tsy tanako dia nozaraiko. Tsy ilay sary voninkazo fa ilay firariantsoa etsy ambany :-) Mivoatra tokoa ny taona.

Cher ami,

Je vous prie d'accepter,  (tohiny)

I noticed that #viagra mails now disappeared from my spam box. Where did they go? #wondering

2015-01-29 @ 09:17 in Eritreritra mandalo

Miala tsiny fa natao teny angilisy ny lohateny. Saika nametraka an'io fehezan-teny io tao amin'ny Twitter mantsy aho dia napetrako eto indray fa nataoko lohateny fotsiny ilay fehezan-teny. Rehefa avy eo io tsy maintsy hitranga any amin'ny Twitter ihany dia avy eo aparitak'i Twitter any amin'ny Facebook ka mitovy ihany na soratana eto na any. Ny tombony eto izany dia mba misy fanazavana :-)

Fa taloha tokoa aho mantsy dia resaka Viagra sy Cialis (moa?) no mameno ny email izay  nivantana avy  hatrany tany amin'ny spam. Nataondry zareo daholo izao fomba isan-karazany hahazoana mpividy izao. Dokam-barotra izay matetika manapempo ny fahavitan-tenanao (ara-javatra Tongue out). Tato aoriana anefa dia ohatra ny tsy hitahita intsony tany amin'ny spam ny viagra. (Eny mamaky tsindraindray ny emails voalaza ho spam aho satria misy tsy spam akory nefa mitontona any) Nanomboka tonga saina angamba ny mpividy hoe tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroan'ireny fanafody amidy amin'ny internet ireny ka nihena ny mpanjifa. Na koa efa tsy saro-tadiavina firy intsony ny viagra ka sarotra amidy lafo. Toa efa azo vidina malalaka any amin'ny fivarotam-panafody mahazatra mantsy ireny fanafody ireny, fa izany hoe mila taratasim-panafody ara-dalàna avy any amin'ny dokotera. Dia inona fa rava izany ny bizna.

Viagra

Ny mameno spam amin'izao (sisa) dia filazàna hoe nahazo loka volabe aman-tapitrisany aho. Ao koa ny hoe ovay ny tenimiafina facebook fa nisy ni-piraty ka mandehana eto manova azy, miaraka amin'ilay site mitovy be amin'i facebook. Misy vitsivitsy somary vetaveta. Ny sasany moa dia hafatra mitsotra hoe "Tsy mahasambatra anao ny vady tokana" lol.

28 janoary 1958 nahaterahan'ny Lego

2015-01-28 @ 22:02 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Marina fa tiako i Lego sy ny angorodaony saingy tsy mikasika azy mihitsy ity lahatsoratra ity... asa nefa sao dia avy amin'ny Lego tokoa no nakan'ny ray amandrenin'i Lego ny anarana hoe Lego :-).

Sary Lego

Lego hafa mihitsy no tiako holazaina mantsy, dia ilay kilalao plastika atambatambatra, miloko maromaro, hahafahana mamorona zavatra maro. Androany 28 janoary hono no tsingerin-taona tena niforonany ara-dalàna... izany hoe nanoratana azy ara-panjakàna. Ho ahy dia anisan'ny nofinofy fahakely adino ilay izy ka nipongatra indray nony nanan-janaka. Dia nanomboka nividianako potipotika Lego ny boay kely ka dia rafitra mandrava sy manorina tokoa. Ny tena lafy tsaran'ilay Lego dia tsy manam-petra ny famoronana. Ny fetrany, mazava ho azy, dia rehefa tsy ampy intsony ny biriky kely. Manitatra tsara ny sain'ny ankizy kely ilay izy, noho izany, ary mandany andro azy ihany koa. Mihena ny fotoana laniny amin'ny kilalao elektronika na ny fahitalavitra. Ny mahasosotra fotsiny dia tsy maintsy ravaina izay vita. Indraindray teneniko mihitsy izy hoe antsoy aho rehefa mahavita zavatra tsara dia alaina sary alohan'ny handravàna azy... saingy tsy vatra.

Indro sombintsombiny amin'ny Lego nataon'i Aina.

 

Na izany aza dia apetrako eto ihany ity hiran'i Lego (mpihira malagasy) ity... dadilahy (Ny daddi dia kodiakely amin'ny teny italiana... mbola kilalao koa :-) )

Google aloha anontaniana :-)

2015-01-27 @ 11:44 in Eritreritra mandalo

Alohan'ny tena resaka, toa nafàna amboalohany toa t*in-kisoa fotsiny ilay resaka politika 2015. Noheverina hoe hamiratra amin'izay nony novaina ny praiminisitra fa toa praiminisitra tsy afaka tena namorona ekipa ilay izy. Raha tsy izany ve dia ho minisitra valo fotsiny no vaovao? Raha ny tena izy mantsy dia ny praiminisitra no mamorona ekipa matotra dia mampiseho ilay ekipa amin'ny filoham-pirenena... saingy indrisy e. Kotozafy ihany no Leksisy.

Izay no momba an'iny fa hiditra amin'ny resaka noeritreretiko hosoratana. Anisan'ny fanontaniana miverimberina isan'andro any anatin'ny hafatra voaraiko ny hoe "inona ny tenimiafina amin'ilay Tononkira Malagasy amin'ny Android". Rehefa mampiasa ilay application tononkira (tsy  mila internet) amin'ny android  mantsy dia mitaky tenimiafina isambolana ilay izy. Mba hialàna amin'ny fanontaniana imbetsaka dia napetrako ao amin'ny site tononkira.serasera.org izany tenimiafina izany. Misy anefa ny malaky fanontaniana ka tsy hahita an'ilay tenimiafina eo amin'ny pejy voalohan'ny site mihitsy.

Ny hevitra mora angamba dia hoe tadiavo malaky ao amin'ny Google ny hoe "tenimiafina tononkira android". Rehefa anontaniana mantsy i Google dia manome avy hatrany. Ka mba tsy hiandry valiny ela avy aty amiko dia i Google anontaniana mialoha... ary tsy mikasika an'io ihany fa mikasika zavatra maro. Izany akory tsy misakana ny fifandraisana amin'ny email, afaka mbola manoratra ihany rehefa mahita valiny :-) fa raha mitady valiny maika fotsiny dia ampiasao i Google.

 

Izany ny olona rehefa sady miasa no milalao :-)

2014-10-10 @ 09:24 in Ankapobeny, Eritreritra mandalo

Mpanaraka an'ity sary ahetsika (animations) ity aho, efa nahita ny 1 sy ny 2 (ny 3 tsy tadidiko). Fa androany aho dia tonga saina hoe tena sady milalao izany ilay bandy ity no miasa. Araka ny nolazainy dia 11 volana izy no nanao an'ilay sary ahetsika, teo amin'ny 700 ora mahery teo. Ary tena ataony matihanina daholo ny zavatra atao fa tsy mba kitoatoa (jereo ilay video faharoa mikasika ny nanaovany azy. Marina fa manana fitaovana sy fahaizana izy saingy ny tena ananany araka ny fahitako azy dia ilay fitiavana an'ilay zavatra ataony ka mahatonga azy hanana faharetana.

Animator

Tsy tazomiko ela ianareo fa ankafizo ny vokatry ny asany. Dia jereo ery ambany ny famintinany ny nanaovany azy. Kopa-tsatroka.

 

Toa izao kosa ny fitantarany ny nanaovany azy.

Sambatra izy na izany na tsy izany :-)

 

Antitra ihany isika ity...

2014-07-18 @ 07:53 in Eritreritra mandalo

Nahafinaritra sy nampieritreritra ahy ity tantara ity ka hozaraiko ato amin'ny blaogiko. Angamba fifanandrifian-javatra fa sendra nijerijery tao amin'ny FB aho dia nahita namana vehivavy taloha iray elaela tsy tazana. Eny e, tsy namako izy ka izay angamba no tsy nahitako azy fa sendra tsikaritro nametraka hevitra tamin'ny sarin'ny namana iray. Dia maika aho hijery ny sariny sy ny mombamomba azy "hitilitily vaovao". Dia hitako nanjary nangingina izy, nimpirimpirina tsy toa ny taloha. Taloha mantsy izy naka sary tetsy sy teroa tamin'ny fitafy isan-karazany, paozy isan-karazany, fiara, sambo, fety... fa ilay vao hitako ao toa takelaka mendrimendrika. Dia hoy aho tany an-tsaiko hoe "eeeeh, antitra ihany isika ity..."

Dia toa fifanandrifian-javatra fa hitako tampoka ity lahatsoratra iray eto ambany nosoratan'i Robin Korth eto ambany ity. Tamin'ny teny anglisy no nahitako azy fa hitako koa fa efa voadika amin'ny teny frantsay. Ny votoatiny dia ilay teny any amin'ny faramparany hoe "io ny vatako..." toa miteny hoe "rehefa tsy faly mibontsina :-)" Manaiky ny fotoana rehetra, izay tsy midika hoe milavo lefona na resin'ny fotoana, fa mandray ihany koa ny fotoana rehetra ho toa ny fanomezana sarobidy. Mampalahelo ny mieritreritra ny olona tsy mba nandalo ny fahazazana fa tonga dia lehibe (ireo terena hanambady dieny mbola kely), ireo tsy mba nandalo fahatanorana (rehefa lehibe vao te ho tanora), dia toa izany koa hampalahelo ireo izay tsy mba vonona handalo fahanterana ka tsy mba higoka am-pifaliana ilay rononon'ny fialan-tsasatra fa mbola te ho tanora foana ihany.

---

Robin Korth

"Ma vérité toute nue" de Robin Korth

Me voilà, nue devant le miroir, toutes les lumières allumées, et je me prépare mentalement. Je respire profondément et me positionne, ainsi que les miroirs, afin d'être bien certaine que je peux me voir en entier. Je me déleste, d'un effort conscient, de l'image que je me fais de moi-même. J'ouvre les yeux et j'observe attentivement mon propre corps. Mon coeur a été chambardé par la vérité: je ne suis plus une jeune femme. Je suis une femme qui a du vécu, et mon corps est le témoin de toutes ces années passées à être le vaisseau qui a porté mon âme à travers la vie.

Je suis une femme de 59 ans et excellente santé et en très bonne forme physique. Je fais 1 m 75 et je pèse 50 kilos. Je porte des jeans et des sous-vêtements de taille 38, et mes seins sont encore bien loin de toucher à mon nombril. En fait, encore aujourd'hui, ils peinent à remplir un soutien-gorge avec un bonnet de taille B. Mes cuisses ne sont plus douces comme du velours, et mes fesses sont légèrement ridées. Mes bras sont un peu flasques et ma peau affiche les effets du soleil. Mon tour de taille est un peu mou et mon ventre tombe légèrement, héritage d'une césarienne qui lui a dérobé sa planéité, mais qui m'a donné un fils.

Pourquoi cet examen approfondi de mon propre corps? Parce qu'il était temps pour moi de réparer les dommages causés par notre culture et par ma propre crainte face à celui-ci. Il était temps de remettre un peu d'amour dans mon âme blessée. Le temps était venu de reprendre possession de chacune de ces marques et de chacun des centimètres carrés de ce corps imparfait, ce corps récemment qualifié de "trop ridé" par un homme qui était attiré par mon énergie vitale et mon esprit, mais un homme qui n'avait pas aimé ma vérité toute nue. Il se nommait Dave, et il avait 55 ans.

Nous nous étions connus via un site de rencontres. Dave était un homme intéressant, un vrai gentleman, et très intelligent. Nous nous tenions par la main et nous aimions faire de longues randonnées à vélo. Il devait parcourir de grandes distances pour me rendre visite. Il nous cuisinait d'excellents repas et adorait mon chien. J'étais très attirée par lui et j'avais très hâte de le connaître intimement. De fil en aiguille, nous avons planifié un week-end d'amoureux. Et c'est là que les choses sont devenues confuses, inexprimées et pas tout à fait claires. Nous avons partagé un lit comme le font tous les couples, nus et en contact rapproché. Nous avons partagé de nombreux baisers et nous nous endormions dans les bras l'un de l'autre. J'ai bien tenté de provoquer une intimité encore plus grande tout au long de ce week-end, mais il m'en a dissuadé à chaque fois.

Le lundi suivant, lors d'un appel téléphonique, j'ai demandé à cet homme qui avait partagé ce lit avec moi pendant trois nuits consécutives pourquoi nous n'avions pas fait l'amour. "Ton corps est trop ridé", m'a-t-il répondu du tac au tac. "Depuis des années, je me gâte avec des femmes plus jeunes. Tu ne m'excites tout simplement pas. J'aime ton énergie et ton humour. J'aime ton esprit et ton coeur. Je n'arrive simplement pas à aimer ton corps."

J'étais abasourdie. La douleur viendrait plus tard. Je lui ai demandé calmement et clairement s'il trouvait dur de regarder mon corps. Il m'a répondu oui. "Donc, ce que tu me dis c'est que de me voir nue t'est pénible?", lui ai-je donc demandé. Il m'a répondu qu'il avait simplement détourné le regard. Puis, lorsque les lumières étaient éteintes, il s'imaginait que mon corps était celui d'une femme plus jeune, que j'étais plus jeune. J'ai eu le souffle coupé et j'ai pris quelques instants pour digérer ces informations. J'ai senti mon visage s'enflammer de gêne et de honte d'avoir eu tant de facilité à me montrer nue devant lui durant notre week-end.

Nous avons continué notre discussion, mais j'étais toujours sous le choc de la nature de cette conversation. Il me parlait de bas-culottes et autres vêtements spéciaux conçus pour «masquer» mon âge. Il m'expliquait avec insouciance à quel point il aime les "petites robes noires" et les talons à minces lanières. Il m'a dit que mes cheveux n'étaient pas longs et dans le vent, comme il le préfère, mais que ça n'était pas si grave, car il trouvait mes cheveux courts "cool". Je me sentais comme une Barbie dans un "trip" de LSD pendant que j'écoutais cet homme. Il était complètement inconscient de la brutalité de ses propos. Il m'avait transformé en un objet que l'on habille et dont on dispose à sa guise pour sa propre satisfaction afin de correspondre à ses critères très spécifiques de ce que devrait être la perfection sexuelle féminine.

Il a conclu en affirmant que maintenant que je savais ce qu'il attendait de moi, nous pourrions avoir beaucoup de plaisir dans la chambre à coucher. Je lui ai dit non. Il était hors de question que je fasse abstraction de mon propre corps. Je refusais de porter des vêtements qui rendraient mon corps plus "tolérable" à ses yeux. Je n'allais pas commencer à me déshabiller dans le noir ou à prendre ma douche avec la porte de la salle de bain close. Je refusais de me diminuer pour lui, ou pour qui que ce soit, d'ailleurs. Mon corps est magnifique et il est le complément inséparable de mon esprit et de mon coeur.

Lorsque j'ai dit à Dave que je ne voulais plus le voir ni entendre parler de lui, il s'est dit confus. Selon lui, je faisais tout un plat de quelque chose d'anodin. Il se lamentait que je mettais trop d'emphase sur un tout petit élément de notre relation et que je le montais en épingle. Je n'avais même pas envie de tenter de lui expliquer la douleur et l'horreur qu'il venait de m'infliger. Je ressentais même une certaine pitié nauséeuse pour lui lorsque j'ai coupé la communication. C'est à ce moment que je me suis rendue dans ma chambre à coucher et que je me suis tranquillement déshabillée.

Pendant que je m'observais dans le miroir, avec lucidité et courage, je me suis réapproprié chaque centimètre de mon corps avec amour, honneur et tendresse. Ce corps, c'est moi. Ce corps est le vaisseau de mon âme et de tout ce que je suis depuis ma naissance. Chaque ride et chacune de ses imperfections sont une médaille qui témoigne de ma vie et de fait que j'ai donné la vie. En larmes, je me suis embrassée moi-même. J'ai remercié Dieu de ce cadeau que sont ce corps et ma vie. Et j'ai également remercié ce triste individu nommé Dave de m'avoir fait réaliser à quel point tout cela est précieux.

Robin Korth enjoys interactions with her readers. Feel free to contact her at[email protected] or on Facebook.

To learn about her new book, "Soul on the Run," go to: www.SoulOnTheRun.com
You can also download her "Robin In Your Face" free daily motivational app by going to www.robininyourface.com/whats-new/

 

Ny fetim-pirenena Malagasy eto Roma Italia

Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho. 

Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )

Fetim-pirenena Malagasy eto Italia

(Misokatra ny fonon-teny) (tohiny)

Te hanambady vazaha

2014-05-15 @ 12:15 in Eritreritra mandalo

Zaraiko aminareo fandaharana iray milaza ny zava-misy any amin'ireo firenena maro any Afrika (Cameroun no tena lazainy). Ahitana ireo vehivavy maro izay te hanambady vazaha mba hahazoana taratasy handehanana aty Eoropa. Voalazany ao fa efa ho atsasaky ny mariazy ao Suisse, ohatra, dia mariazy mifangaro, izany hoe vahiny ny iray. Inoako fa efa miroborobo koa io bizna iray io any Madagasikara, izay tsy zavatra ratsy loatra akory, saingy mila samy mitandrina na ny Malagasy na ny Vazaha. Ny Malagasy moa mila mitandrina sao dia tratran'ny mpanadala fotsiny, ataony fialam-boly mandritra ny fotoana fialan-tsasatra ka tsy miafara amin'ny mariazy akory, na koa lasa andevo sy mpivaro-tena aty antanin'olona aty fotsiny. Ny vazaha koa mila mitandrina sao tratran'ny Malagasy tsy tokan-tena akory ka tsy raikitra ny mariazy rehefa tafavoaka.

Entina am-bavaka ireo tovovavy Nizeriana #BringBackOurGirls

2014-05-09 @ 07:48 in Eritreritra mandalo

Matetika dia tsy ny finoana no ratsy fa ny olona ao anatiny. Efa niseho izany tamin'ny finoana Katolika mikasika an'ireo pretra tena vitsy izay lavo tamin'ny fikasihana zaza tsy ampy taona, tamin'ireo pasitera izay manolana ny mpivavaka ao aminy, tamin'ireo silamo mahery fihetsika mamono ny zanany vavy mitady hanambady tsy mitovy finoana aminy. Dia izao fa miseho indray amin'ity fakàna an-keriny tovovavy maherin'ny 200 tany Nizeria nataon'ity ranamana miseho azy ho silamo ity. 

Bring Back Our Girls

Miantsoantso izao tontolo izao hoe avereno izy ireo saingy hatramin'izao aloha dia tsy misy akony. Angamba mila asa mivaingana kokoa noho ny antso amin'ny twitter sy facebook fotsiny? Inona tokoa moa no misakana ny firenena matanjaka tsy hampiasa ny fahaizana sy ny teknolojia eo am-pelatanany hanafay ny mahery fihetsika tahaka itony? 

Ho antsika izay tsy afaka manao na inona na inona dia tsy misy atao afatsy ny mitondra am-bavaka ireo tovovavy ireo. Mba hosakanan'Andriamanitra ny habibiana mety hitranga. 

Silvia ilay mpitandro filaminana

2014-04-09 @ 08:58 in Eritreritra mandalo

Tadidinareo angamba ilay nitranga tamin'ny volana janoary lasa teo tetsy Vatican taorian'ny vavaka "angelus" nataon'ny Papa. Rehefa vita ny vavaka dia nandefa voromailala fotsy anakiroa ny Papa. Vao niainga anefa ilay voromailala dia notafihan'ny vorona roa lehibe. Niteraka resa-be sy fanitarana ary fihomehezana ilay izy. Nisy koa ireo niezaka nitady ny hevitry ny zava-niseho ka niteny hoe (tohiny)

Kilalao lany manja

2014-04-01 @ 12:57 in Eritreritra mandalo

Hitako hoe tsy dia namely intsony ny andron'ny lainga, na ny trondron'ny aprily, tamin'ity taona 2014 ity. Miha lefy tsikelikely hatrany ilay izy satria vao 31 marsa ny olona dia efa miomana ary tsy misy manadino firy tahaka ny taloha intsony. Efa mahita internet daholo ihany koa ny ankamaroan'ny olona ka tsy misy voafitapitaka intsony. Ny manome vaovao rahateo moa dia vaovao tonga dia tsy mampino na vaovao hita hoe marivo tototra hehezin'ny akoho tokan'anaka no alefany. Tsy trondro intsony fa tsiboboka e :-)

tsiboboka - Trondro tsy trondro
Tsiboboka: sahona fa tsy trondro

 (tohiny)

Quand un malgache mange une pomme

2014-03-26 @ 14:53 in Eritreritra mandalo, Sakafo

Vous n'avez pas tort, vous vous y attendiez à voir une recette pour les pommes et ce n'est pas totalement faux. Mais c'est plutôt une mode de manger les pommes que chaque malgache a fait au moins une fois dans sa vie, bien sûr s'il ou elle a au moins vécu à Madagascar. C'est ce que nous appelons "Paoma sy sira" (Pomme au sel) et pour les plus courageux "Paoma sy sira sy sakay" (Pomme au sel et piment). Je viens de l'essayer et ça marche encore.

Donc vous aurez besoin d'une pomme, bien lavée avec de la bicarbonate, par exemple, parce qu'avec vos pesticides et insecticides l'eau n'est plus suffisante. Oui, la peau aussi ça se mange. A Madagascar on avait seulement l'habitude de bien la nettoyer avec nos vêtements en pur cotton. Vous aurez aussi besoin d'une ou deux pincées de sel fin, ou plus selon le goût de chacun, chez nous on utilisait même des gros sel, c'était plus facile à trouver. De vos propres mains et de vos propres dents... je n'ai pas essayé mais je doute bien que ça marche avec de la prothèse pour ceux qui n'ont plus de dents.

Commencez à prendre une petite bouchée pour créer un petit trou qui servira de premier appui pour le sel... eh oui, le sel ne collera pas sur la peau de la pomme. Une petite bouchée, parce que si vous en prenez une grande, vous devez le recracher pour y mettre du sel. Vous n'allez pas quand même manger une bouchée sans sel... Maintenant que vous avez un trou sur la peau, vous pouvez y mettre du sel et ainsi de suite. 

Maintenant, si vous voulez plus d'info sur la pomme: C'est ici sur wikipedia

Pour d'autres recettes de pomme, je donne la parole à ma femme :-)

Video hafa Sr. Cristina Scuccia

Nalaza be ity Maseran'ny fikambanana Orsolina ity tamin'ity volana marsa ity satria nandray anjara tao amin'ny "The Voice Of Italy" ary nihira ny hiran'i Alicia Keys hoe "No one". Nanaitra ny mpitsara ny feony ka nitodika avokoa naniry ny hahita sy hitantana azy ireo mpitsara efatra. Fa iza marina moa i Masera Cristina Scuccia? 

Tamin'ny volana novambra 2013 dia niresadresaka ny momba azy tao amin'ny TV2000 izy, apetrako eto ambany ny video, ka toa izao ny resa-dresaka raha fintinina.

Avy any Sicile eto Italie izy, 25 taona. Nianatra momba ny fitantanana, niasa tetsy sy teroa toa ny tanora italiana rehetra, tao amin'ny call center anakiray, nianatra tany amin'ny oniversité, nanana namana. Fony kely izy dia efa naniry hatrany ny ho mpihira, ary nony tanora dia nanana tarika mpihira kely nanafàna fety tetsy teroa. Tao anatin'izany anefa izy dia nahatsapa hatrany fa nisy zavatra tsy ampy ka toa nitady an'izany ny fiainany. "Isaky ny miverina avy mihira aho, hoy izy, dia nahatsapa hatrany fa nisy zavatra tsy ampy ny fiainako. Tsy ampy an'ilay fitiavana, tsy ampy an'ilay fitiavana tena marina. Ka nony hitako izany dia noraisiko." 

Nandritra ny filalaovana tantara an-dapihazo iray izay mitantara ny asan'ireo masera Orsolina dia izy no nilalao ilay masera mpanorina. Nandritra izany indrindra izy no nilalao ny tantaran'ity Masera izay nanorina ny fikambanana. "Nametraka fanontaniana be dia be tamin'ny fiainako, hoy izy, ny fiainan'i Masera Rose izay nolalaoviko". Teo izy no nanomboka nandinika ny hoe hanao inona tokoa ny fiainany? Ka nitarika azy tsikelikely hiditra ao amin'ny fiainana relijiozy.

Tsy olona vaovao amin'ny resaka hira izany i Masera Cristina fa efa namorona sy nandrindra hira mihitsy aza izy. Koa mino aho fa fantany tsara ny ataony amin'izao niditra "The Voice" izao ary mazava ho azy moa fa mankahery azy amin'izany ny lehibeny.

Ity ohatra dia hira nosoratany, noforoniny sy nohirainy.

Indro averina eto iny fandraisany anjara voalohany tamin'ny The Voice of Italy.

Nahazo mpijery nihoatra ny 20 tapitrisa io video io ary na dia i Alicia Keys ara mba tonga saina tamin'ilay resaka :-)

 

 

Mirary soa azy amin'ny fitoriana ataony

 

Bref, je l'ai relancée

<= Relancée avec "e" :-) Inona no antony handehanan'ny olona any am-piangonana? Anaty fonosana, karemy ny andro, ary amin'ny alakamisy dia antsoina hoe "mi-carême" izany hoe fotoana mampisasaka ny karemy. Koa mbola tsy tara raha toa ka tsy nanao ezaka :-) 

Fa mety daholo ny zavatra rehetra entina hanatonana an'Andriamanitra... tena marina io. Ary hanaporofoina izany ilay video kely etsy ambany. Aza manome tsiny be fahatany raha toa ka hihirahira, na hiakanjo tsara, na hampiseho paozy sy fiara, na hanenjika sipa no andehanan'ny olona (ny tanora indrindra indrindra) any am-piangonana. Mety fitaovana entin'Andriamanitra hitondrana azy ho ao antranony fotsiny ireny zavatra ivelany ireny. Sady na dia tsy tena hiangona aza izy dia mbola tsy misy maha faty antoka.


(dikanteny: Aza miandry hoentin'ny olona amin'ny lamesa fa tongava)

Fa mafimafy mihitsy ny tenin'ilay Mompera iray taty Italia izay (Don Mimmo Parlavecchia), tao amin'ny fiangonana iray ao San Rocco ao Bari, tamin'iny herinandro lasa iny momba ity fidirana am-piangonana ity. Rehefa mbola velona, hoy izy, no ento aty am-piangonana ny olona fa tsy rehefa maty. Tongava aty am-piangonana dieny velona. Ny eto tokoa mantsy, ny ankamaroany, dia entina any ampiangonana foana ny razana... nefa indraindra efa firy taona tsy nandingana fiangonana. Koa raha hitondra azy any am-piangonana ihany tokoa maninona no tsy dieny mbola velona izy dia resena lahatra? 

Ity ary ilay video misy tantarana fandresen-dahatra iray :-) Bref j'ai relancé ma vie spirituelle, oui je l'ai relancée

 

Sambatra aho #happyday2014

2014-03-20 @ 09:59 in Eritreritra mandalo

Andro natokan'ny Firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasambarana androany (ie izaho koa nanamarina tato aloha vao niteny). Ny fivoriam-ben'ny firenena mikambana tamin'ny 28 jiona 2012 no nanapaka azy. Dia ny malaza amin'izao dia ny manao video miaraka amin'ilay hiran'i Pharell Williams hoe Happy. Be dia be no efa manao avy amin'ny firenena hafa, ary misy koa ny avy eto Madagasikara Antananarivo (jereo eto) na dia tamin'ny desambra aza no efa natao sy Sainte Marie (jereo eto).

Update: Toliara koa namoaka ny azy (Jereo eto)

Happy Day

Fa inona tokoa no mahasambatra? 

Ity hira hirahirain'i Aina ity no mahasambatra ahy :-). Efa nalaiko video ihany i Aina nihira azy fa tsy nety tsara fa rahalina averina dia hapetrako eto ihany.

Jereo koa:

Tsy mahasambatra tokoa ny harena 

Sambatra izay noana

 

Iny hono izy ravorona

2014-03-19 @ 14:18 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Te hizara ity kanto ity aho androany. Fijery avy eny ambony, eny amin'ny habakabaka, rehefa baben'ny voromahery ianao. Amin'ny tantara an-tsary no mahita izany fa lasa zava-misy tokoa ilay izy rehefa nasiana fakantsary tao amin'ny lamosin'ny voromahery iray. Ny maha samihafa azy amin'ny "drone" fampiasan'ny olona dia satria ilay voromahery tsy misy mibaiko-lavitra avy ety ambany fa izay tiany aleha no aleha... afaka mandeha lavitra, fa izany hoe mila voromahery efa mahalala tompo.

Indro ary ny horonantsary mirakitra izany. Araka ny filazan'ny naka azy dia tany Chamonix (France) no nalaina ny sary.

 

Fahafinaretan'ny fitiavana

2014-03-15 @ 17:50 in Eritreritra mandalo

Eh oui (hoy ny Frantsay) - Misokatra ny fonosana - Fa ny Frantsay tokoa aloha misy fihetseham-po bebe kokoa noho ny Italiana e. Raha tsy izany koa ve moa hisy ny oroka frantsay nefa tsy misy ny oroka italiana - Mihidy ny fonosana - Sendra mba lasalasam-borona androany dia nitendritendry ilay hoe "Plaisirs d'amour" izay midika amin'ny teny malagasy hoe "Fahafinaretan'ny fitiavana". Hira frantsay izy ity izay nantsoina koa hoe "La Romance du Chevrier" (Jereo eto ny fanazavana misimisy). Kay rehefa tena dinihina ny ao anatiny dia (tohiny)

Herin-taona naha Papa an'i Fransoà

Herin-taona androany tokoa izay no naha-Papa an'i Papa Fransoà. Tamin'ny herintaona tahaka izao, raha teny Vatican teo amin'ny tany malalak'i St. Pierre aho, dia nahatsapa teny amin'ny endriky ny olona fanontaniana be dia be nony voatonona tamin'ny "Habemus Papam" ny anaran'i Bergoglio. Ny teo amin'ny manodidina anay aloha tsy nisy nahazo antsaina fa niezaka nifanontany. Ary nony nahafantatra hoe kardinaly avy any Argentine ilay Papa vao lany dia sady nitaintaina no nanantena. Ho toa inona ity Papa ity. (tohiny)

Yanukovych sy #Ravalomanana

2014-03-05 @ 01:40 in Eritreritra mandalo, Politika

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny mampitaha ny nanjo an'i Yanukovych sy Ravalomanana amin'izao zava-mitranga any Ukraine izao.

Ny zava-nisy: 

Samy nitsoaka vokatry ny hetsi-bahoaka izy roalahy. Ravalomanana dia  (tohiny)

Manaraka akaiky ny momba an'i #Pistorius... tantara mampalahelo

2014-03-03 @ 08:42 in Eritreritra mandalo

Androany no manomboka ny fitsaràna an'i Pistorius... raha toa ka voamarina fa nomanina mialoha ilay famonoany ny fofom-badiny dia ho voaheloka am-ponja mandrapahafatiny izy.

Carinoooo :-)

2014-02-13 @ 08:31 in Eritreritra mandalo

Ny azo andikana teny hoe "carino" amin'ny teny italiana dia hoe mahafatifaty. Ilazàna rehefa misy zavatra mahafinaritra sy mampihetsipo... nefa tsy voatery ho zazakely na momba ny zazakely ihany. Dia io angamba no hamintinako ity raim-pianakaviana iray ity. Fred Giovannitti no tena anarany fa Tastputin no solonanarana entiny amin'ny internet. Nandritra ny taona maro izy rehefa mandeha miasa na manao iraka lavitra dia mandoko ny sary ataon'ny zanany no andaniany fotoana mandritra ny làlana. Tamin'ny voalohany, hoy izy, dia pensilihazo miloko no nampiasainy, fa taty aoriana izy dia nampiasa iPad.

Ity ny sary voalohany nolokoiny.

Azonao jerena eto ambany ireo sary hafa nolokoiny... soa fianatra e :-)

Tsy vinavina 2014

2014-01-07 @ 15:29 in Ankapobeny, Eritreritra mandalo

Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona 2014 izao indray. Navalon'iny 2013 iny ny lasa fa tsy maintsy hiatrika ho avy indray koa dia mirary soa ho an'ny tsirairay.

2014
Mandeha ny fotoana, mandeha ny taona. Rehefa voalohan'ny taona tahaka izao dia betsaka ny mandray fanapahan-kevitra goavana sy salatsalany. Ao ny tsy mandray fanapahan-kevitra mihitsy. Izaho indray aloha dia hanohy ny fomba fanaoko tamin'ny voalohan'ny taona 2013 hoe tsy mametraka vinavina fa rehefa vita ny taona dia miezaka mandresy lahatra ny tena hoe nahavita zavatra betsaka nandritra ny taona. 

Na izany aza misy zavatra vitsivitsy azo atao ihany. Tsy hantsoina hoe vinavina na fanamby na faniriana akory aza na "résolutions" fa eritreritra sendra mandalo fotsiny mba tsy hohadinoina.

  • Hasiana fiheverana manokana ny momba ny blaogy.com sy blaogy.org. Hatambatra ho tokana? Platforme vaovao sa ny fitaovana efa nampiasaina ihany? Miha vitsy mantsy ny mampiasa ny blaogy (noho na tsy noho ny facebook), ka manjary fandaniana resources fotsiny ny famelàna azy roa ho misokatra nefa tsy misy fanavaozana. Mamono antoka koa ny hanavaozana ny toerana roa samihafa mampiasa haitao roa samihafa nefa vitsy ny mampiasa. Ka mila dinihina na hampiasa Wordpress (blaogy.org) na hampiasa LifeType (blaogy.com) na zava-baovao mihitsy.
  • Hasiana fiheverana manokana ny momba ny fikarakarana ny serasera.org. Betsaka ny zavatra azo atao sy ny tokony natao ka ho hita eo.
  • Aza avela ny fialam-boly. Ny hira sy ny spaoro, ny zavatra tsy dia matotra loatra fanao tena ilaina eo amin'ny fiainana. Na dia ireny video ratsiratsy ao amin'ny youtube ireny fotsiny aza dia efa manala azy tokoa :-)
  • Ary ity facebook ity atao ahoana? Ry DotMG hono toa niala FB sy twitter sy ny sisa? Tsy mi-social network intsony? Efa nandalo tamin'izany aho fa hitako hoe very be ny kil. Aleo amin'izao ihany, manjary tsy hisy handefasana pub serasera sns lol

Koa dia mirary soa daholo e.

Youtube n'aiza n'aiza :-)

2013-10-04 @ 07:45 in Eritreritra mandalo

Henonareo ilay vaovao? Nisy an'ilay vehivavy izay nahatsapa fa tena tsy araka ny tokony ho izy intsony ny tao am-piasany dia avy eo nametra-pialàna... fa izany hoe tamin'ny alalan'ny video napetraka tao amin'ny youtube no nanaovany azy. Jereo eto ambany :-)

Raha fintinina dia hoe miasa mafy izy, manao fihafiana be hatramin'ny tsy fahafahana mifandray amin'ny namany mba hahatsara ny asany, kanefa tsy afa-po ihany ny mpampiasa azy. Tsy mijery ny votoatiny fa mijery fotsiny hoe firy ny mpijery ny vokatra ataon'izy ireo. Ka nanapa-kevitra izy ny hiala. Nahazo mpijery 12.000.000 (12 tapitrisa) hatramin'izao io video napetrany io, zavatra tsy mateti-pitranga izany eo amin'ny Youtube. 

Telo andro taty aoriana dia nametraka valiny ilay mpampiasa azy taloha... narahan'ny mpiara-miasa rehetra. Izay nanatsikafona amin'ny fomba hafa kely ny zavatra tsy nety nataony sy nilaza hoe efa banga izao ny toerana ka mampiditra mpiasa izahay. Nataon'izy ireo video koa ilay valiny jereo eto ambany

Ary dia nahazo mpijery 3.000.000 koa io video io amin'izao. Inoana samy hahazo tombony ny andaniny sy ankilany. Samy hahazo vola amin'i Google aloha izy ireo vokatry ny publicité azo amin'ny Youtube. Ilay mpiasa niala dia azo inoana fa hisy handray satria hita hoe nanana hevitra tsara. Ilay toeram-piasana koa dia nalaza tampoka vokatry ny dokam-barotra maimaim-poana nataon'ilay mpiasa taloha.

Ny lesona azo tsoahina?

  • Matanjaka kokoa ny hafatra arahin-tsary sary noho ny hafatra antsoratra fotsiny
  • Aza matahotra ny mametraka hafatra antsary rehefa mahita hevitra mamiratra
  • Fantatrao amin'izao hoe inona no mahaliana ny olona ao amin'ny youtube :-)

Mazotoa daholo

Ary naka... atero ny eto!

2013-08-07 @ 21:07 in Eritreritra mandalo

Resaka hafa tena tsy misy idirany mihitsy aloha. Ny ahy ho'aho rehefa fotoana fialantsasatra tahaka izao ny tena (ie, fialantsasatra aho io lol) no tena reraka kokoa. Ny antony dia araraotina atao daholo babay sy lohavohitra. Izay faniriana nipetrapetraka nandritra ny andro fiasana rehetra dia mandritra ny fialantsasatra no anaovana azy. Be kokoa izany ny atao amin'ny fotoam-pialantsasatra noho ny amin'ny fotoana fiasàna. Hany ka rehefa miditra miasa dia reraka beeee... dia any am-piasàna vao tena miala sasatra. Angamba tahaka izany koa ianareo :-) koa mazotoa mandrera-tena amin'ny fialan-tsasatra ary.

Fiara mora be :-)

Fa ny tena resaka dia ity fitapitaka ataondry zalahy (tohiny)

Aide-semeur (ou le parabole du semeur positivé)

2013-07-09 @ 09:23 in Eritreritra mandalo

Voninkazo adaladala

Lasa saina kely nieritreritra ilay mpamafy "adaladala" ao amin'ny Baiboly (Jereo eto) aho io maraina io. Ilay mpamafy izay nandeha namafy fotsiny n'aiza n'aiza. Ny sasany latsaka teny amoron-dalana, ny sasany latsaka tanaty tany be vato, ny sasany latsaka tanaty tsilo, ary ny sasany latsaka tamin'ny tany lonaka. Samy nanana ny niafarany ireo voa nafafy ireo fa izay nilatsaka tamin'ny tany lonaka no nahafa-po indrindra. Ny tena mpamafy tokoa aloha tsy mamafy voa eny amorondalana sy amin'ny tany tsy hahavokatra loatra...  (tohiny)

Handa ny visa ho any Frantsa... ho vitan'ny Gasy?

2013-06-21 @ 07:18 in Eritreritra mandalo

Tantara nanaitra ahy no holazaiko eto, tantarana vehivavy senegalezy iray. Fa mialoha an'izany aloha, tsy misy idirany mihitsy, kay androany ny 21 jiona izay araka ny mahazatra hoe ny andro lava indrindra aty amin'ny ila-bolantany avaratra. Manomboka androany koa izany ny fahavaratra, izay tsy midika hoe manorana aty fa vao maika aza mafana. Toa ity ny sary napetrak'i Google ho fanamarihana izany :-)

Fa ny tena resaka hoy aho teo dia (tohiny)

Sigaretta Elettronica

2013-04-15 @ 17:54 in Eritreritra mandalo, Fiaraha-monina

Fampidirana kely tsy misy idirany mihitsy. Samy naheno ny vaovao politika omaly hariva avy any Afrika Atsimo ny ankamaroan'ny Malagasy. Nipoaka be ilay vaovao ho an'ny sasany, tsy nampoizina ho an'ny hafa, fa maro koa no efa nanampo. Lalao Ravalomanana izany no natolotry ny vadiny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka izay mbola tsy tena fantatra hoe rahoviana. Politika avo lenta indray io ka tsy idirako lalina fa na izany na tsy izany dia mahafaly ahy rehefa vehivavy na iza na iza no sahy mijoro. Miandry mafy an'i Onitiana Realy koa ny tenanay ankoatra an'i Brigitte Rasamoelina sy SGR dia ho hita izay tena vehivavy nosoran-dreniny menaka. Maninona moa raha tonga dia hoe amin'ny fifidianana manaraka tsy mahazo milatsaka hofidina ny lehilahy e? :-)

 (tohiny)

Distance de sécurité

Fampidirana lava be :-) Ohatry ny efa mahazatra ahy ilay manao fampidirana lavalava alohan'ny tena resaka. Sady coup de gueule ihany koa indraindray. Ka alohan'ny hilazako ny tena foto-dresaky ny distance de sécurité tiako lazaina dia hiresaka ny tena distance de sécurité aho Tongue out. Misoratra tsara ao anaty lalàm-pifamoivoizana ny fanajàna ny distance de sécurité, izay fitazomana ny elanelana misy eo aminao sy ny fiara eo alohanao mba tsy hisy ny loza raha sendra mijanona na tafajanona tampoka izy. Ny formula ampiasaina dia ilay atao hoe "5/9". Izany hoe ny hafainganam-pandehanao ampitomboina 5/9 no tokony ho elanelana eo aminao sy ny fiara eo aloha. Raha mandeha 100km/h ianao dia tokony ho 100 x 5 / 9 = 55,5m eo ny elanelana. Ny olana sady faran'izay mandreraka eto Italia dia raha vao manaja an'io elanelana io ianao dia mety tsy hihetsika intsony mihitsy ny fiara. Satria tonga dia songonan'ny olona avy hatrany, dia voatery mihemotra ianao hanaja ny elanelanao amin'ilay vao nisongona, dia misy misongona hafa indray. Raha vao misy elanelana kely hidiran'ny fiara fotsiny eo alohanao dia tonga ny mpisongona na dia samy mandeha mafy izao ihany aza.  (tohiny)

Paka, i Jesoa no nitsangana (fa tsy bitro na atody)

 

Paka indray ny andro, fety sy fifaliana no mameno ny fo taorian'iny karemy, 40 andro, izay nandinihana ny fijalian'i Kristy iny. Alohan'ny resa-bitro dia tantaraiko kely ny fety taty. Nanomboka tamin'ny 11 alina ny lamesa. Na dia avy be aza ny orana alina dia feno ihany ny fiangonana ka tsy afaka nipetraka ny lehibe... raha tsy faram-parany. Nitontona tsara tamin'ny 12 alina ny hira voninahitra izay nampanenoana ny lakolosy lava reny. Tomombana ny feo ka nazava tsara daholo ny vakiteny 8 nitantara ny tantaram-pamonjena sy evanjely. Ny toritenin'ilay mompera koa nanentanentana na dia efa dilan'ny sasakalina aza. Fa ny tena nanoratako dia momba ity resa-bitro mandritra ny Paka ity. (tohiny)

Saint Valentin hono

2013-02-14 @ 12:50 in Eritreritra mandalo


Tsaroako hoe efa imbetsaka ihany aho no nandalo St Valentin, raha hoe misy isan-taona, nisy ny nankalazaina kely, misy ny adino, misy ny niniana tsy ankalazaina mihitsy. Androany aho dia tsy hankalaza manokana nefa koa tsy hanadino. Hiezaka handalina hoe maninona no nasiana St Valentin?  (tohiny)

Bizna mety hamokatra ny ebay...

2013-01-28 @ 19:24 in Eritreritra mandalo

Hatramin'izay aho dia manome tsiny ny vehivavy rehefa mandeha miantsena miaraka. Ny zavatra tena mahafinaritra ny vehivavy indrindra mantsy dia ny mijery vitrine fa tsy ny miantsena loatra. Matetika rehefa miaraka amin'ny vehivavy miantsena dia lany amin'ny fijerevana ny zavatra tsy hovidina avy hatrany ny 80%-n'ny fotoana, ny 15% kosa lany amin'ny filaharana eo amin'ny caisse ary ny 5% sisa (miaraka amin'ny hazakazaka) no natokana ho an'ilay zavatra tena hovidina. Mazava ho azy fa 50% ny fahafaham-po ary 50% kosa ny nenina rehefa tonga any an-trano. Soso-kevitra mandalo ihany ity ho an'ny vehivavy hoe mba asio "feuille de route" rehefa miantsena :-) fa tsy hoe "ho hita eo".

Fa nanomboka tamin'ity taona 2013 ity aho dia tsy dia manome tsiny ny vehivavy loatra... rehefa variana tao amin'nyebay. Efa ela aho no nanana kaonty ebay sy paypal, efa ela no nividividy zavatra, ary efa nisy fotoana aza nanandrana nivarotra... fa vokatry ny fijerena akaiky ny zavatra ao amin'ny ebay (tsy hadisoako loatra fa vokatr'ireo namana mangataka hijerevana zavatra hovidina) dia hitako ho bizna mahafinaritra ihany ny ao.

Tamin'ny septambra 2012 aho dia efa namoaka lahatsoratra milaza ny "Fikafika rehefa mampiasa ebay" izay tokony harahin'ny mpividy zavatra... raha mividy. Ary raha tsy mividy dia manao toy ny vehivavy miantsena. Jerena avokoa ny sokajy rehetra misy sy izay mahaliana anao, telefonina, ordinatera, fakan-tsary, fahitalavitra, fitaovana fampiasa ao antrano hatramin'ny fanaka. Ny mahasamihafa azy amin'ny ataon'ny vehivavy fotsiny dia sady afaka miasa, mijery film, mamaky no mijery ny entana amidin'ny sasany. Ny tena mahaliana koa dia ny manaraka ny lavanty. Satria misy lavanty tokoa ary izay mahay milalao no mahazo. Samy manana ny stratejiany, misy ireo mametraka tolo-bidy dieny vao manomboka ny lavanty, misy kosa ireo mijery aloha dia miandry farany vao mametraka tolo-bidy. Mahafinaritra ny mahita ny fifaninanana "masina" sy ny mahita hoe ohatrinona no niafarany. Ary misy dia mahaliana tokoa ny vidiny, mora dia mora, na dia hoe fampitahana vidin-javatra fotsiny aza.

Fa ny mahaliana koa dia ny mivarotra. Azo amidy daholo izay rehetra tianao amidy... ary amin'izao fotoana izao dia maimaim-poana ny mivarotra. Apetraka fotsiny izay zavatra amidy, asiana vidiny, dia miandry ny hampakaran'ny olona hividy azy. Mahazo fahafaham-po kely rehefa mba mihoatra noho ny nieritreretana azy no ividianan'ny mpanjifa ny entana... raha mahalafo dia manome 35%-n'ny vola azo ho an'ny ebay, ary raha tsy mahalafo dia tsy mandoa na inona na inona.

Misy torohevitra vitsivitsy ato raha toa ka liana ny hanomboka bizna vaovao: Jereo eto

 

 

Dahalo, foko any Kenya

2012-10-08 @ 22:24 in Eritreritra mandalo

Izay aho vao nahalala hoe foko anisan'ny  kely indrindra any Kenya ny Dahalo. Sao dia tokony fongorana any am-potony? :-p 

Fikafika amin'ny ebay

2012-09-30 @ 15:06 in Eritreritra mandalo

Adinoko foana fa aleo soratana eto ny fikafika rehefa hividy zavatra amin'ny ebay. Ny fika madio daholo ireto fa ny fika maloto any amin'ny sisiny :-). Misy manao fika maloto koa mantsy ny ao amin'ny ebay dia indraindray mila valiana fika maloto.ebay

 (tohiny)

Tsy mety afaka ao antsaina

2011-12-08 @ 07:04 in Eritreritra mandalo

Amin'ny alina kosa ve no misy "Tara-pahazavana" dia ho afaka ao antsaina? 

Nahafinaritra ahy ny revy (nofy) niaraka tamin'i Arison Jaha tao amin'ny Espace Kiron tao Paris tamin'ilay takarivan'ny 2 desambra lasa teo. Manana revy manokana ry zalahy. Arison Jaha, Olombelo Ricky, Milon Kazar no tao nampian'ireo namany vitsivitsy nasaina. Lafatra be ny rindram-peo. Gitara gasigasy, tsotsotra, manjary misy feony daholo hatramin'ny kibon'i Ricky rehefa kapohana. Afa-po tanteraka ny kil. Santionany fotsiny ity video hany mba nalaiko ity :-p (Tany wa zah lol)

 

alt

 

Tapitra tarangana

2011-11-16 @ 18:26 in Eritreritra mandalo

altMisy hetsika goavana sy fanentanana maharitra amin'izao fotoana izao momba ny hiaroovana ireo karazam-biby izay efa miha vitsy isa amin'izao fotooana izao.

Voalaza fa ny 40%-n'ireo "reptiles" dia ahiana ho lany taranaka. Ny antony voalohany moa dia ny fanimban'ny olombelona nyu tontolo manodidina azy. Ny fandoroana tanety, ny fambolena, ny fanajariana ny tany sns.

Fa misy antony faharoa kosa izay antony natoraly. Miha tsy zakan'izy ireo intsony ny vanim-ptoana amin'izao fotoana izao. Tsy noho ny fanimbana ataon'ny olona loatra fa vokatry ny fivooatry ny tontolo mihitsy. Lany, ohatra, na nihavitsy ny sakafo fihinan'ireny biby ireny. Miha-tery tsy azony onenana intsony ny toerana misy azy noho ny fitombon'ny biby hafa izay miroborobo kokoa. Raha fintinina dia efa tsy vanim-potoana tokony hahavelomany intsony izao.

Eo indrindra no mampisalasala ahy hanao ny fanentanana sanatria sao dia mitazona ny efa tokony ho lany tarangana. Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Misy ny taranaka mandalo eto antany. Ny dinozoro ohatra dia efa nahavita ny anjarany. Marina fa rava'ny meteorita nilatsaka teto an-tany, hono, no naha-fongana azy, saingy lalana natoraly ihany. Angamba ho sahirana ihany nyolombelona raha mbola nisy dinozaoro nandehandeha sy velona amin'izao fotoana izao. Misy koa ny taranaka voatery nivoatra sy nihavao. Ny olom-belona, ohatra, dia anisan'ireo karazana izay nivoatra miandalana nanaraka ny toetr'andro.

Koa angamba tsara ihany raha avela hidina ny natiora. Ireo karazan-java-boahary izay efa tsy afaka hiaina intsony dia avela handeha amin-kalalahana. Hain'ny biby, raha mbola tokony ho velona izy, ny maka volontany. Izany hoe miezaka miaina amin'ny zava-misy manodidina azy (toe-tany, toetr'andro) fa matoa ny biby tsy afaka mivelona intsony dia tsy zakany. Fitiavan-tenan'ny olombelona, fifalian'ny maso sa inona, fotsiny ny fanerena azy ireo hiaina amin'ny toerana tsy zakany.


Inviato con Windows Mobile�.

Arthur: tsy mahasambatra tokoa ny harena

2011-09-23 @ 10:31 in Eritreritra mandalo

Arthur Billboard 6647 Sari-mihetsika ratsiratsy nojereko tamin'ity herinandro ity ilay hoe Arthur (2011). Tantarana mpandova iray, zanaka mpanan-karena tsy manan-katao afatsy ny mandany ny fananany tsy mety lany. Tsy mianatra, tsy miasa, misotro, ary ny vehivavy amin'io tsy lazaina intsony. Tena fiainana "hono". Fa any anatiny any dia hita ihany izy hoe tsy sambatra.

Nasaina nanambady vehivavy iray tsy tiany akory izy nefa vao nahita ny tena fitiavana tao amin'ny vehivavy iray hafa. Fitiavana tsy mbola niainany mihitsy. Izay izy vao tonga saina hoe kay tena nahantra satria nisy zavatra banga teo amin'ny fiainany.

Tsy hotantaraiko eto ny tantara satria vao tamin'ity 2011 ity io ka mety mbola nisy tsy nahita fa lesona azo tsoahina fotsiny, izay tsy vaovao fa efa fantatry ny rehetra ihany. Dia hoe "tsy ny vola aman-karena no tena mahasambatra"... fa ny fitiavana :-)

Tsy diso raha miteny hoe "Katsaho aloha ny fitiavana dia hanampy ho azonao ny zavatra rehetra"... (Ao amin'ny baiboly koa misy teny mitovitovy amin'io)

Ary raha tsy diso aho dia izany no mahatonga ny olona tsy dia manana loatra maro anaka. Satria be fitiavana... matetika manao fitiavana.

Novonoina ho faty alina i Troy Davis

2011-09-22 @ 08:16 in Eritreritra mandalo

Na dia teo aza ny fanentanana, maneran-tany mihitsy, hanavotana ny ain'i Troy Davis dia novonoina ho faty tamin'ny tsindrona ihany izy alina. Tsy nihemotra, noho izany, ny daty farany novinavinaina namonoana azy. Efa in'efatra izy no saika hovonoina fa nisy hatrany ny sakana vokatry ny sakana noho ny fangatahan'ny mpiaro azy sy ny fisehoan'ny porofo vaovao. (tohiny)

I'd rather be a blogger (Aleoko ihany blogger)

2011-04-29 @ 20:24 in Eritreritra mandalo

Tamin'ny fotoana nianarana teny amin'ny oniversité (mba teny hono) dia nisy teny anakiray izay nolazain'ilay vazaha mpampianatra niraikitra lalina tao antsaiko nandritra ny taona maro. Raha te ho tafita ianareo, hoy izy, dia mamakia boky, mamakia boky, dia rehefa avy mamaky boky ka tsy te hamaky boky intsony dia mamakia boky amin'izay. Dia toa nandaitra tokoa io teo amin'ny fianarana. Ny olana fotsiny dia feno ny disque dur ka matetika tsy voatahiry izany novakiana.

Taty aoriana dia hitako hoe ho an'ny kelikely disque dur dia ny mifanohitra amin'izay no tena tokony hatao. Manoratra, manoratra, manoratra, dia rehefa avy manoratra ka tsy te hanoratra intsony dia manoratra amin'izay. Io angamba no antoka hahatadidiavana izay mandalo... ary indrindra indrindra antoka iray hahaela velona ny blaogy.

Amin'izao tokoa mantsy dia be dia be loatra ny zavatra mitranga etsy sy eroa, kanefa tsy voatantara amin'ny blaogy intsony ny hevitry ny tena mikasika azy ireny. Misy izany micro-blogging izany, toa ny twitter sy identi.ca. Misy izany social network izany toa ny diaspora sy ny myspace, ny hi5 sy ny facebook sy ny namana.serasera.org sns. Mahita sary anakiray mahaliana aho dia mametraka hevitra, indraindray hevi-dalina. Maheno vaovao anakiray apetraky ny namana aho dia mametraka hevitra izay indraindray mafonja satria entin'ny aingam-panahy eo no ho eo, vokatry ny zavatra iainana amin'io fotoana io. Vokany dia mahasoratra hevitra be dia be tokoa ary mafonja ny ankamaroany saingy miparitaka any rehetra any dia miha manjavona tsy hita. Aty aoriana ianao rehefa mieritreritra hoe toa efa nanoratra zavatra toa izany aho, dia tsisy hita ilay hevitra. Tsy fantatra hoe taiza no nosoratana, tamin'ny sarin'iza, tamin'ny eritreritra mandalon'iza... ary indraindray tsisy fomba hitadiavana azy intsony. Ianao ve ohatra mahalala hoe tsisy fomba hikarohana ny  hevitra (mety mahaliana be sy ilainao aty aoriana) napetrakao tamin'ny status-n'ny namana iray ao amin'ny Facebook? Ary raha sanatria aza ka misy io fomba hitadiavana azy io dia mety efa nofafan'ilay namana ilay hevitra satria ao amin'ny status-ny izany hoe lasa azy manontolo... dia tsy hitanao ihany ilay hevitra. Sa ny zavatra soratanao ao dia tena fantatrao hoe tsy ilainao intsony? Dia manohitra ilay lazainao matetika ianao izany hoe zavatra serieux koa ny ao amin'ny FB.

Ka hoy aho hoe aleo ihany aho hi-blaogy. Na misy hevitra manan-danja amiko soratako aza sendra mandalo any amin'ny mombamomba ny hafa any dia iverenako soratana eto amin'ny blaogiko (na any amin'izay blaogiko hafa) satria ao aho no mahazo antoka fa ho hitako ny zavatra soratako rehefa ilaiko. Ary na tsy mandeha araka ny ilako azy aza ny fomba fikarohana ao amin'ilay blaogy dia manome toky ny google.

Aleo aho hi-blaogy ihany satria tsy mivelona fotsiny amin'ny ankehitriny.

 

Italia sy ny fandraisana vahiny

2011-04-06 @ 23:28 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Efa firesako eto amin'ny blaogy matetika ny teny hoe Italiafrika izay iantsoako an'ity firenena ipetrahako ity. Italiafrika satria na dia aty Europa aza izy dia mbola toe-tsaina Afrikana ihany no ao anatiny. Ary tena Afrikana tokoa na amin'ny ratsy na amin'ny tsara. (tohiny)

Herinandron'ny Teny malagasy : Fandraisana anjara

2011-03-23 @ 14:55 in Eritreritra mandalo

Tsy fantatro tsara na oviana na oviana ilay herinandro, ary tsy haiko na ofisialy na any amin'ny FB ihany, fa rehefa henoko teto ilay izy dia mba iny koa aho hiteny kely. Tsy zoivina amintsika intsony angamba (rehefa midoka tena kely) fa anisan'ny loha laharana amin'ny teny malagasy eto amin'ny internet ny takelaka serasera.org. Ny toe-tsaina, toe-po, sy toe-panahy malagasy no nentina teto nandritra izay 11 taona izay ka na dia tsy vita aza ny nandika teny malagasy ara-teny (mot-à-mot) ny zavatra rehetra dia ao anaty ao hatrany ireo toetra malagasy ireo. (tohiny)

Nandritra ny tsy nahateo anao

2010-11-02 @ 09:13 in Eritreritra mandalo

Mbola tsy tafiditra ao anaty youtube ny video tamin'iny weekend iny fa variana nampiditra video-n'olon-kafa sendra tao anaty tahiry ka dia aleo hanoratsoratra eto aloha.

Androany maraina aho nanokatra ordi tato am-piasana... dia nisokatra avy any ilay fitaovana fampiasako fijereko ny zavatra rehetra (filazana momba ny email, twitter, serasera sns) dia hoe "While you were away..." na hoe nandritra ny tsy naha-teo anao dia ireto ny zavatra nitranga. Email xxx, twitter xxx sns.

Dia tsaroako tampoka ilay nolazain'i Simp mikasika ny zava-mitranga isa-tsegondra. Sady kivy ihany aho amin'ny lafiny iray hoe inona re ity nampidirin'i Simp tao anaty conscience-ko grrr. Hoe isa-maraina manjary tsaroako fa nandritra ny tsy naha-teto ahy dia be dia be ny zavatra nitranga. Betsaka ny zavatra tsy arako. Etsy an-daniny anefa manentana ihany ilay izy hoe aza mitaredretra ary. Mifohaza malaky dia manenjeha indray.

Ny hira hitranga eto rahariva dia "Tompo o izany hafaliako"... fa nisy zavatra nahafaly be ahy tamin'iny herinandro lasa iny. 

Nankaiza ny olona tsara tety?

2010-10-14 @ 22:10 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Omaly dia niseho tamin'ny gazety ary nalaza be tamin'ny vaovao hatramin'ny androany ny momba ilay vehivavy romena iray nasian'ny bandy iray totohondry teo amin'ny tavany tamin'ny zoma teo ka tonga dia latsaka en coma ary mbola miady aina amintsika miteny izao. Marina fa mety nisy ny ady am-bava teo amin'izy ireo nivoaka avy ao amin'ny metro fa maika loatra ny tanan'ilay ranamana ka izao nandratra olona izao. Miala tsiny nanoratra sy nangata-pamelàna izy rehefa avy eo hoe tsy nampoiziny ny zavatra nitranga saingy efa tara loatra hoy ny fianakaviana.

Zavatra vitsivitsy no nifangaro tao amin'ilay tantàra ka nahatonga io lohateny io. Ankoatry ny adin'izy roa, izay ilazàna foana hoe izay mikasi-tànana dia diso sy azo torìna hatrany, dia nisy zavatra hafa nitranga. Rehefa latsaka tamin'ny tany taorian'ny totohondry ravehivavy dia nijanona minitra maro teo amin'ny tany, nojeren'ny mpandalo fotsiny, vao nisy nanavotra. Raha nisy namonjy avy hatrany angamba izy mety tsy dia ho lalina loatra ny fahavoazana. Fa dia naninona loatra? Tahotra ve? Sa dia efa tsy nisy fo intsony izay nandalo? Mora tokoa aloha no mifanome tsiny fa raha toa ka teo amin'ny toeran'ireo mpandalo ny tena dia inona no ho natao? Impiry tokoa no misy olona mitsiràra eny Analakely, eny Behoririka, eny Besarety, kanefa dia dinganina fotsiny? Mety hoe mamo, matory, sns. fa raha sanatria ka mila vonjy?

Araka ny nolazain'ny lehiben'ny commune eto Roma dia hohenjehina araka ny lalàna manasazy ny "tsy famonjena olona tra-doza" ireo rehetra nandalo fotsiny tamin'iny fotoana iny.

Un cornetto e un latte bianco... per favore

2009-10-21 @ 08:45 in Eritreritra mandalo

Efa nolazaiko moa? Rehefa miditra ery ambaravaran'ny bar aho amin'izao -- eny, miditra bar daholo ny olona aty fa ankoatry ny toaka dia misy zavatra hafa koa ny bar. Dité, café, mofo, sigara, siligaoma, lotto... tonga de eritrereto otran'ny episerian'i Ra-betsy ao Ampandrana antsinanana misy soratra hoe 3é catégorie 3é classe -- dia tonga dia miantsoantso ilay sipakely mpivarotra hoe "Latte bianco e un cornetto". Satria lasa kil mafana fo ao aho fa etsy ampitan'ny birao ilay izy. Mba zavatra tsara hitako tsy matetika io (tsy ilay Latte bianco e un cornetto fa ilay fandraisana) satria tsy dia betsaka ny italiana no tsara fandray vahiny miloko.

Mambra amin'ny cornetto (= croissant) sy latte bianco (=ronono tsotra tsisy nin nin) aho izany amin'izao... 

Izay folo taona izay

2009-10-08 @ 20:49 in Serasera.org, Eritreritra mandalo

Dia naverimberina tetsy sy teroa fa feno 10 taona ny serasera. Dia nanao hetsika be na ny taty Eoropa na ny tany Dago tamin'ny 2 sy 3 oktobra teo ho fanombohana ny fankalazana. Nahafinaritra daholo ny fankalazana. Ambondrona no tao Parisy, Vontovorona ny tany Madagasikara. Fa tsy ho hay ny tsy hanao jery todika fohy dia fohy... tsy dia mpijery todika tokoa aho fa mpibanjina ny eo anoloana.

 (tohiny)

Ravalo - Zafy - Ratsiraka - Andry TGV

2009-08-04 @ 15:18 in Eritreritra mandalo, Politika

Raha tena raikitra ny fihaonana any Maputo rahampitso, fa tsy hanao tahaka ny tany Antanimena indray i Andry TGV sy Ratsirahonana, dia mety ho betsaka ny surprise. Ny atahorana dia efa mitondra ny heviny tsy azo ovaina ny tsirairay dia tsy hanaiky izay zavatra mety hivoaka avy ao mihitsy ka tsy mifanaraka amin'ny heviny. Na izany aza anefa dia azo atao ihany ny tombatombana, ka izao no eritreretiko. Raha tena misy ny dinika dia tsy maintsy hiafara amin'ny zava-baovao. Teteza-mita vaovao mantsy no hany eken'ny vondrona iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao. Koa raha manaiky ny HAT sy Ravalo dia mety ho tonga ny teteza-mita iarahamitondra. Eo indrindra anefa no olana satria tsy maintsy hampidirina antsehatra i Zafy sy i Ratsiraka. I Ratsiraka moa mety tsy hiady ny hitondra intsony fa hangataka ny aministie (ho azy sy ho an'ireo namany) no tena ho tanjony mba hahafahany maka aina any Madagasikara. I Zafy indray dia manana ny atout rehetra hiverenany eo amin'ny fitondrana satria izy no tsy mba voarohirohy tamin'ny resaka vono olona sy gadra politika. Resaka tsy fahaiza-mitantana izay azo arenina tsara no nahavoa azy. Ny mety ho zava-baovao izany dia ny fisian'ny HAE vaovao izay i Zafy no hitondra azy. Amin'izay fotoana izay dia samy miomana amin'ny fifidianana ho avy i Rajoelina na izay tohanany sy i Ravalo ary ireo kandidà hafa, i Ratsiraka kosa afaka hody sy hanomana ny kandidà-ny.

Vinavina ihany izany fa dia aleo ny rahampitso no hanambara azy.

Ny seraserako maraina

2009-07-27 @ 08:45 in Serasera.org, Eritreritra mandalo

Angamba tsy dia mahaliana anareo fa toa izao ny zavatra ataoko isaky ny manokatra ordi maraina aho. Mazava ho azy vao misokatra ny ordinatera-ko dia ny site serasera.org no jereko voalohany. Tsy nataoko tonga dia misokatra satria matetika ato ampiasana aho no manokatra internet vao maraina, ka soratana mihitsy. Amin'izao moa efa natambatra ao amin'ny http://serasera.org ny famintinana ny zavatra vaovao rehetra ao amin'ny serasera ka manao jery tamba-be azy rehetra hatrany ambony ka hatrany ambany aho aloha. Fa anisan'ny jereko sy manintona ahy ilay hoe "Tononkalo vaovao" ery ambany havanana ery, izay misy ny tononkalo vao tonga. Tsy maintsy voasintona hamaky tononkalo eo foana aho. Manokatra tononkalo anakiray dia avy eo miverina mamaky ny tononkalo hafa. Indraindray mahavita mamaky tononkalo hatramin'ny 10 aho (ilay hoe tononkalo be mpitia eo amin'ny http://vetso.serasera.org) vao mijanona.

Eritreritra nandalo fotsiny... hilazako hoe mamaky tononkalo aho :-p

 

Milamina sa haolo ny tanàna?

2009-07-13 @ 08:05 in Eritreritra mandalo, Politika

Ny teny voalohany saika hanombohako an'ity lahatsoratra ity dia hoe "Mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara"... kanefa tsy izay indray no ampiasaiko satria manjary lasa fihetseham-po fotsiny ilay izy. Satria toa tsy mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara... tsy misy olona mampalahelo tsy miantso vonjy izany mantsy. Ka andao atao hoe milamina ny tanàna... na farafaharatsiny mandrimandry manan-draharaha.

 (tohiny)

Lasa ilay mpanjakan'ny "Pop"

2009-06-26 @ 09:22 in Eritreritra mandalo

Omaly alina dia efa niparitaka tao amin'ny twitter ny honohono hoe nodimandry i Michael Jackson. Betsaka ny mbola tsy nino satria tsy mbola tena nivoaka ofisialy ilay vaovao. Heno fotsiny hoe tratran'ny arrêt cardiaque kanefa mbola notsaboina sy nafindra hopitaly mihitsy... mbola nialàna nenina. Ora vitsivitsy taty aoriana anefa dia nambara ofisialy fa maty tokoa izy.  (tohiny)

Valin'ny Fanontaniana ho an'ny Kristianina?

2009-06-16 @ 09:45 in Eritreritra mandalo

Tsy miambo hamaly azy rehetra aho, tsy miambo hisolo tena ny kristianina rehetra ihany koa fa valiny tsotsotra no omeko.

http://voromailala.blaogy.com/post/12/6542

 1°/  Avant la création de l’univers (terre et cieux, galaxies….), Le Christ et le Saint-Esprit avaient ils une existence avec Dieu,  ont-ils participé à la création de l’univers ?

C'est la même question que "Qu'y avait-il avant l'existence de Dieu?". Le Christ et le Saint-Esprit ont la même nature que Dieu le Père. Ils font partie des trois personnes mais UN Dieu. Bien sûr, il faudrait accepter le fait que Dieu est Trinité pour pouvoir accepter cette co-existence. 

Ensuite, dans l'Evangile de Jean Chap. 1. 1Au commencement était la Parole, et la Parole était avec Dieu, et la Parole était Dieu.

Encore, il faudrait accepter que la Bible soit Parole de Dieu pour pouvoir accepter cette co-existence.

 

2°/  Pourquoi il n'y aucun passage ou Jésus dit "je suis votre Dieu adorez moi" , alors que c'est le dogme principal chez les chrétiens aujourd'hui ?

Il n'y a non plus aucun passage ou Jésus dit "Je ne suis pas votre Dieu, ne m'adorez pas." Alors pourquoi vous ne l'adorez pas?

 

3°/    Pourquoi les autres nations ( ceux qui sont venu avant le christ et dont les prophètes ) ne croyaient pas à la trinité , seraient il envoyé en enfer pour cela?

Parce que c'est le Christ qui a révélé la Trinité. Ils ne seront pas envoyé en enfer pour cela. De même, ceux qui sont nés dans la jungle, et meurent dans la jungle, sans avoir entendu parler du Christ, n'iront pas en enfer pour cela.

4°/   Si Jésus est Venu pour délivrer l'humanité du péché original commis par Adam, pourquoi ne l'a t il jamais dis ? vu que la bible ne contient aucune parole du christ parlant du péché originel , on signale la que cette doctrine a été développée bien après au début du V e  siècle par un prêtre nommé augustin.

Et de quel péché parle la bible? Et de quel péché Jésus veut-il délivrer l'humanité?

5°/    pourquoi Dieu le tout puissant devrait il faire descendre son prétendu fils pour pardonner aux gens leurs péchés , ne pouvait il pas simplement pardonner ces pèches?

Si, il pouvait tout... Depuis le debut, il envoyait les rois, les juges, les prophètes, mais cela ne l'empêche pas d'envoyer aussi son Fils, comme c'est pour lui le plus grand signe de son amour envers nous. Et ne sois meme pas surpris s'il continue à envoyer des messagers comme Mahomet, des gens simples comme vous et moi, toujours pour aider les autres à cheminer vers lui.

 

6°/    Comment Dieu peut il être trois en 1 et un en trois (sans donner l'exemple de l'œuf ou celui de la pomme qui n'y correspondent pas) ?

Quand on commence à posser la question "Comment", on devient Chrétien parce que la foi subsiste seulement quand on n'arrive pas encore à comprendre.

 7°/   Si le christ est Dieu pourquoi le christ affirmait que c'est Dieu qui l 'a envoyé ?

Et quand il a envoyé les apôtres, des hommes, cela veut-il dire qu'il n'est pas homme?

8°/    Si le christ était d'accord sur ce qui lui arrivait et qu'il était Dieu pourquoi prierait il sur la croix "eli eli lama chabaktani": mon Dieu , mon Dieu pourquoi tu m 'as abandonné ?

Donc, vous croyez ce qui est écrit dans la bible, c'est déjà un grand pas en avant. Plusieurs paroles de Jésus citées dans le nouveau testament (ici Selon Matthieu 27, 46) sont des prières de l'ancien testament, surtout des Psaumes (ici Ps 22(21)). Ce Psaume évoque la prière du juste souffrant. Jésus, évoquant ce psaume, ne mettais en doute l'amour de Dieu, mais répète la prière du Juste qui souffre... et rend grace (Comme dans le Ps 22)

 

9°/    Quand Dieu , le créateur était sur la croix ( gloire a lui de ce qu'il prétendent) , qui c'est qui s'occupait de la terre et des sept cieux, qui répondait aux prières de gens , qui.... ?

Là vous êtes seulement dans la confusion humaine. Il faudrait d'abord accepter que Jésus est "Pleinement" Dieu et "Pleinement" homme pour pouvoir accepter que Jésus Fils de Dieu a accepté d'être traité comme humain par les humains. Et puis, ce n'était pas Dieu le Père qui était sur la Croix.

 

10°/   pourquoi la libération des péchés n a pas été faite au temps d'Adam?

Et comme on est là, pourquoi Dieu n'a pas tout de suite créer 6 milliards d'humains au lieu d'en créer seulement deux? 

Mbola any anie i Kamba

2009-01-23 @ 08:10 in Eritreritra mandalo

Natao nalaza be sy natao hankalazana olona vitsivitsy sy takelaka vitsivitsy mihitsy ny tantaran'i Kamba kely. Vita ny fandidiana, dia nalefa nody ilay zaza... dia adino teo. Olona vitsivitsy sisa no manara-maso ny fahasalamany. Amin'izao dia re fa mbola tsy salama i Kamba. Mbola mila fanafody isanandro. Mbola mahantra ny reniny. Mbola mila fanampiana be dia be. Ary mbola mahafantatra izany daholo ireo rehetra nankalaza iny raharaha iny. Mbola nandefasana email matetika... Fa angamba efa samy nieritreritra hoe ampy izay? Tsy efa be tokoa ve moa izay vitanareo izay.

Kanefa... mbola marary i Kamba. Isaorana fa mbola misy ny fikambanana miasa mangina manampy azy.

Raha toa moa ka mbola vonona ny handray anjara momba an'i Kamba dia manorata amin'ny [email protected] na [email protected]

Mbola mila anao i Kamba

Omeo an'i Sezara...

2008-10-19 @ 05:04 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Somary nanindrona ahy ny teny voalaza ao amin'ny baiboly izay hovakiana ho an'ny katolika eran-tany androany. Ah, mety misy tokoa ny tsy mahalala fa ho an'ny katolika Romana dia fombam-pivavahana iray ihany no iraisana eran-tany. Izany hoe mitovy avokoa ny teny ao amin'ny baiboly izay re eran'ny fiangonana androany. Ka androany dia ilay hoe "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara" (Jereo eto) no ho heno.  (tohiny)

Fahotàna ve ny mi-emule?

2008-10-17 @ 08:01 in Eritreritra mandalo

Raha mbola tsy hitanao ilay soratro hoe Getting personal dia jereo aloha alohan'ny hilazàna hoe "izany koa dia tantaraina amin'ny blaogy"... satria tafiditra ao anatin'io ity resaka ity. Fahotana ve ny mampiasa emule? ENY. Fa izany hoe amin'ny lafiny hafa mihitsy ny maha fahotana azy.  (tohiny)

Is it worth continuing?

2008-08-11 @ 08:56 in Eritreritra mandalo

After what happened last week when I lost a server, I really didn't sleep the following night thinking if I should continue offering services to people keeping their data etc. (tohiny)

Blaogy, flickr, facebook, twitter... hatraiza ny fetra?

2008-08-07 @ 13:40 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Manomboka betsaka ny misalasala eo anatrehan'ireo fitaovana isan-karazany atolotry ny internet. Fitaovana maro izay miezaka mampivoitra ny atao hoe "Social network" na azo adika tsotsotra hoe fiaraha-monina virtoaly. Hatraiza ny fetra?  (tohiny)

Resa-baolina Euro2008 faram-parany

2008-06-16 @ 16:22 in Eritreritra mandalo

Koa satria mety ho raraka ny Italiana dia ity angama no resaka Euro 2008 faram-parany hosoratako. Raha tafakatra tampoka dia mbola hanoratra ihany aho :-)

Ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao dia miandry famindram-po farafahakeliny roa ny Italiana vao tafakatra amin'ny dingana manaraka.

Avy any amin'ny Pays-bas aloha... Naverimberin'ny Italiana matetika mihitsy hoe tokony mba hilalao tsara ry zareo mandritra ny fihaonany amin'i Roumanie rahampitso. Fantatra mantsy fa raha vao resin'i Roumanie fotsiny ry zareo dia miara-mody Italia sy i Frantsa... Manan-jo tsara mihitsy anefa i Hollande mba hampilalao an'ireo mpilalao mpiandry, izany hoe mety tsy dia hahay loatra, satria ny mpilalao tena izy dia tehirizina hiatrehina ny dingan'ny ampahefa-dalana.

Avy amin'i La Frantsa indray... mila mandresy an'i La Frantsa koa i Italia raha te hanana fahafahana be be kokoa ho tafakatra. Ezahina voizina be mihitsy hoe resy ireo tamin'ny Mondial ka tokony ho resy koa amin'ity fihaonana ity.

Fa maniona moa nefa Italia raha tsy tafakatra e? Raha tena nahay dia tsy nila notsotsofina tahaka izao akory... Wait and see

Nandresy ny antoko havanana?

2008-04-16 @ 06:04 in Eritreritra mandalo

Vao tapabolana fotsiny aho no tsy teto Italia dia navelandry zareo  handresy ny antoko havanana tssss. :-)

 (tohiny)

Vehivavy: Tsy zo ny manala zaza

2008-03-11 @ 07:36 in Eritreritra mandalo

(vokatry ny tsy fisian'ny internet ara-dalàna ao antrano dia izao ity vao lasa)

Miarahaba ny vehivavy rehetra aloha :-) ary mirary soa... mifalia sy manararaota tokoa rehefa mba omena andro iray ao anatin'ny taona. Fa amin'izao andron'ny vehivavy izao indrindra dia misy resaka mandeha mafy mihitsy eto Italia amin'ity resaka fanalan-jaza ity. Zon'ny vehivavy hono izany. Tenan'ny vehivavy io ka anjarany no mieritreritra izay hataony. Tokony ho avela malalaka tsy misy olana hono ny fanalan-jaza. Ny nahatonga ny olana mantsy dia ny nisian'ny fidiran'ny polisy, efa elaela izay, tamin'ny hopitaly iray nisy fanalan-jaza "ara-dalàna". Taorian'izay dia tonga dia nidina an-dalam-be ny vehivavy sasany nilaza fa tsy tokony hokitikitihana ny zony.

 (tohiny)

Ariary zato am-pandriana

2008-03-07 @ 07:58 in Eritreritra mandalo

Vao alina mihitsy aho no niresaka tao an-trano ny nofinofy hoe misy olona ve sady tsy miasa nefa mandray vola fotsiny? Dia inona ny zavatra ataony? Dia androany nitranga tao amin'ny gazety Corriere della Sera ny momba an'i Yde Van Deutelkom izay bandy kely Holandezy 22 taona monja. Matory fotsiny i leiry dia mahazo vola :-)  (tohiny)

Na saka... na torimaso

2007-12-04 @ 12:22 in Eritreritra mandalo

Tsy ho indray azo ny fandriana mafana sy ny "saka manatody" :-) 

Mametraha kely...

2007-11-28 @ 16:48 in Eritreritra mandalo

Tsy misy ifandraisany amin'io teny io mihitsy ity sary apetrako eto ity. Ny sary dia mampiseho Raozy dia izay hita teny andalana ho any Ranomafana.  (tohiny)

Fako: ento any an-trano

2007-10-24 @ 12:50 in Eritreritra mandalo

Eto Antananarivo. Nitady aho fa tsy nahita fanariam-pako eny an-dalana eny. Raha sendra misy zavatra hariana eny an-tànanao ka manontany ianao hoe aiza no hariana ity... dia hoy ny olona hoe ento any an-trano. (tohiny)

Gidragidran'ny "A la seconde"

2007-10-22 @ 09:20 in Eritreritra mandalo

Betsaka ny zavatra azo tantaraina amin'ny fiainana eto Madagasikara eto fa ny fotoana no tsy misy ka izay sendra manaitaitra no soratana. Zavatra anakiray mahatsikaiky ahy ilay resaka hoe "A la seconde"...  (tohiny)

Amanda Beard hono no Godaddy Girl

2007-10-12 @ 09:54 in Eritreritra mandalo

Tsetsatsetsa sendra mba tsy aritra fotsiny fa anisan'ny mba mpanaraka ireny "fifidianana vehivavy" ireny aho mantsy. Dia voalaza indray izao fa i Amanda Beard indray no nofidiani Godaddy ho Godaddy Girl.  (tohiny)

Loharano Katolika

2007-09-17 @ 12:07 in Eritreritra mandalo

 Betsaka ireo foto-pinoan'ny Fiangonana Katolika (Doctrines) no sarotra azo hany ka tsy hain'ny Katolika sasany akory ny manazava azy amin'ireo izay manontany izany. Ekena fa tsy ilàna fanazavana lalina izany, ary tsy voatery koa ny Katolika hanazava izany amin'ireo izay fantatra avy hatrany fa tsy hihaino akory ny voalaza. Na izany aza dia mahafaly ahy ihany ny manolotra anareo ireo toerana fanovozako hevitra. Takelaka vitsivitsy manazava bebe kokoa ireo zavatra tsy mazava momba ny finoana katolika. (tohiny)

Ny vehivavy ho'aho :-)

2007-08-28 @ 08:00 in Eritreritra mandalo

Tsy hoe fankahalana vehivavy akory fa mba resaka:

 (tohiny)

Ny "Jesoa" dia DIEM fa tsy Katolika

2007-08-02 @ 13:10 in Eritreritra mandalo

Mamita ilay takelaka baiboly aho amin'izao fotoana izao (isaorana be dia be i belle nanome sy nanitsy ny andininy manontolo). Dia hitako ao fa "Jeso" no fanoratra ny anaran'i Jesoa ao anatin'io baiboly io. Amin'ny boky fivavahana tranainy indray dia "Iezo" no fampiasa. (tohiny)

Voadonam-piainana

2007-07-31 @ 09:30 in Eritreritra mandalo

Resaka fivavahana. Ho an'izay Zezoita dia fety fahatsiarovana ny nahafatesan'i Ignace de Loyola, maty tamin'ny taona 1556, androany. Izy io no namorona ny fikambanan-dRelijiozy anisan'ny malaza lehibe indrindra. Na ireo tsy katolika aza ao Madagasikara dia mahalala ny lazan'ny sekoly tantanan'ny Zezoita toy ny St Michel ao Antananarivo, ny St. François Xavier ao Fianarantsoa sns. (tohiny)

Hampaka-bady

2007-07-23 @ 10:34 in Eritreritra mandalo

Titre mitady mpitsidika fotsiny io :-). Eritreritra mandalo avy namonjy mariazy tamin'ny asabotsy sy mikarakara ity mariazin'ny sasany ato ho ato ity. Fomba fiteny tsy dia azoazoko loatra ilay hoe "Mampaka-bady". Ampiakarina ny vehivavy. Izany hoe ambany ve ny vehivavy rehefa mbola tsy manambady dia ampiakarina hitovy lanja amin'ny lehilahy? Ny lehilahy no mpampakatra... ny lehilahy izany no ambony? Dia mbola resa-be avy teny amin'ny mariazy koa hoe ny lehilahy no tokony handray fitenenana, mikabary sy mamaly kabary... vehivavy daholo ry zareo nidohika momba izany. Raha vehivavy mandray fitenenana hono dia akohovavy maneno. Fa angaha tsy tokony mba efa hitovitovy zo amin'izay ny lehilahy sy ny vehivavy? Zavatra azon'ny vehivavy atao tsara mihitsy izany satria betsaka ireo nianatra sy hendry ary matotra kokoa aza. Atahorako ho lasa opportunistes ny vehivavy. Rehefa misy tombontsoa dia mitaky ny zo, fa rehefa adidy dia atsipy ho an'ny lehilahy.

Sady "tsotra" no "simple"

2007-07-21 @ 07:16 in Eritreritra mandalo

Mihomankomana hamonjy mariazy izahay izao. Mariazin'ankizy namana eto Roma. Dia hitako sahirana be mihitsy ny sasany efa ho herinandro izao mifidy mividy akanjo hoentina any. Dia rehefa mba miteny aho hoe aleo tsotsotra ihany dia izaho indray no tsy ohatry ny hoe tsy manaja an'ilay mba andro iray toa zaton'ny olona.  (tohiny)

Bien ou rien

2007-06-29 @ 08:01 in Eritreritra mandalo

"Bien ou rien..." soratra hitako nipetraka tao antrano io tamin'izaho mbola kely. Ny tohiny tadidiko dia hoe "... c'est la dévise de notre maison..." dia misy tohiny lava fa tsy tadidiko. Fa ny nahatsiarovako azy androany dia ny nahenoako ilay ohabolan'ny romana (teny latina) hoe "In medium stat virtus" izay azo adika tsotsotra hoe ny eo amin'ny antonony no misy ny hatsarana. (tohiny)

Ny mpampiasa mpampiasa ihany

2007-06-22 @ 08:02 in Eritreritra mandalo

Eritreritra sendra mandalo fotsiny momba ny zavatra mitranga anakiray. Nisy bandy iray nahavita nifamaly mafy tamin'ny lehibe tao ambadika tao omaly. Tena tabataba mihitsy ary nakaratok'i leiry imbetsaka ny varavarana. Niondrika fotsiny aho tato amin'ny biraoko naheno azy. Tonga moa i leiry dia lasa nody ary hatramin'izao androany maraina izao dia mbola tsy niverina niasa. (tohiny)

31 taona izay

2007-05-29 @ 16:03 in Eritreritra mandalo

Feno 31 taona androany ny nanaovana batemy ahy. 31 taona izany izay no naha kristianina... na anarany fotsiny na tena izy... fa dia kristianina aloha. Isaorako ny ray aman-dreniko izay nisolo tena ahy tamin'izany fotoana izany ka nampiditra ahy tao amin'ny làla-marina. Vita ny adidiny dia ny mametraka ahy ao amin'ny lalana izay nahitany soa - izay rahateo no maha-Ray amandrReny azy - mandra-pahalehibeko. Nony lehibe aho dia anjarako indray ny miaina izany araka izay tratrako. Izay no fahazoako ny batemy atao amin'ny Zaza na dia mbola tsy misaina aza izy.

Ny momba an'i P. Sylvain Urfer

2007-05-15 @ 14:04 in Eritreritra mandalo

Noroahin'ny fanjakana hiala tao Madagasikara tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny ny P. Sylvain Urfer sj. Efa talata izao kanefa sady tsy misy filazana ny antony avy amin'ny fanjakana no tsy misy fanoherana mivantana avy tamin'i P. Urfer na dia efa any andafy aza izy. Izao fahanginan'ny roa tonta izao dia midika zavatra goavana izay azo fintinina hoe izay mangina volamena. (tohiny)

Ny internet... resa-trondro

2007-05-07 @ 11:11 in Eritreritra mandalo

Androany maraina aho dia very minitra maromaro teto amin'ny internet. Ny antony dia nisy zavatra iray maika izay notadiaviko tao amin'ny internet (mikasika ny SSO & Authentication) ary nahita be dia be tokoa... saingy tsy nisy azo noraisina. Tsy ao amin'ny ilako azy daholo. Dia izany tokoa matetika ny internet. Raha tany amin'ny bibliothèque aho dia fantatro hoe aiza no hahitana ny zavatra iray dia tsy maintsy misy vokany ny zavatra azoko avy ao satria voafintina kokoa ny sehatra  hikarohana. Dia mitovy amin'ny manarato ihany. (tohiny)

Tsy hifamela?

2007-05-04 @ 15:44 in Eritreritra mandalo

Misy zavatra toa izao eto Roma eto amin'izao fotoana izao. Tamin'iny herinandro lasa iny, ny Zoma no marimarina kokoa, dia nisy ramatoa Italiana iray (23 taona izy fa efa mananjanaka dia ataoko hoe tanora) izay toa hoe nifamaly tamina Roumaines roa 20 taona sy 17 taona (ie, aty koa ry zareo) tao anaty Metro. Dia nony raikitra ny fifamaliana dia notsindromin'ilay Roumaine lehibe tamin'ny elo ny mason'ilay Italiana. Voakasika ny tao amin'ny lohany ka na dia nentina teny amin'ny hopitaly aza dia tsy avotra intsony fa maty. (tohiny)

Fisaorana an'i S.E. Paraina

2007-04-16 @ 13:23 in Eritreritra mandalo

Eto amin'ity blaogiko ity no hanehoako ihany koa ny fisaorako an'i Paraina Auguste izay ambassadeur (t)eto Italie nandritra izay efa-taona izay. Amin'ny maha mpiasam-panjaka azy moa, araka ny nolazainy, dia voatendry hiasa any amin'ny toeran-kafa indray izy. Tamin'ny fihaonana tamin'ny asabotsy teo, izay nankalazanay indrindra ny tsingerintaona nahaterahany, no nilazany izany vaovao izany. (tohiny)

Les Confessions: St Augustin

2007-03-28 @ 07:20 in Eritreritra mandalo

Raha nisy ordinatera sy internet tamin'ny taonjato faha 4 dia angamba i St. Augustin no nahavita blaogy voalohany. I St. Augustin tokoa mantsy, ao amin'ilay boky hoe Les Confessions no anisan'ny nanao Auto-biographie voalohany indrindra. Boky mahaliana io Les Confessions io satria ahitana ny làlana izay nizoran'i St Augustin teo amin'ny fitadiavana an'Andriamanitra, jery todiky ny fiainany na ratsy na tsara, ary fiderana an'Andriamanitra noho ny zavatra niainany rehetra.
 (tohiny)

Mamakia... rehefa tsy hanoratra

2007-03-27 @ 09:31 in Eritreritra mandalo

Anisan'ny tia mamaky boky tantara ireny aho. I Mama aloha no tena mpamaky boky, nahavatra nividy sy nanakalo teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona mihitsy (SAS, Fleuve Noir, Series Noires, Agatha Christie sns.) dia gaga aho fa nisy fotoana izay nahavitany mamaky boky iray ao anatin'ny telo na roa andro. Nanontaniako azy hoe ahoana no fomba hitiavana mamaky boky tahaka izany... dia nasainy nanomboka tamin'ny boky teny gasy aloha aho. Ireny boky manify ireny aloha. Tsy tadidiko daholo ny ankamaroan'ny boky nanombohako fa anisan'izany ry "Lozoka HV" sns. Taty aoriana dia nisy series gasy izay efa nanomboka matevina izay (oadray izany fanadinoana) izay naharevo ahy. Boky maromaro izy fa olona iray ihany no tena acteur principal. Raha tsy diso aho dia misy an'izay Inspecteur Andry izay ary ny lehibeny dia antsoiny hoe Ingahirainy. Ny tena nahafinaritra ahy dia ilay tantara miseho amin'ny tanàna fantatro ao Antananarivo.

 (tohiny)

Già primavera...

2007-03-05 @ 08:36 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Mi-ril be ny fotoana tamin'ity taona ity. Efa ho tapitra sahady ny telovolana voalohany. Ny nokasaina hatao 2007 nefa tsy mbola nanomboka akory. Efa mafana sahady ny andro. Izahay aza efa nihinana glasy sahady omaly (izaho no marimarina kokoa fa ny sasany efa henoko hoe naka avansy daholo).

 (tohiny)

Tsy hiady hevitra aminy

2007-03-01 @ 08:47 in Eritreritra mandalo

Manomboka mafanafana indray ny resaka Fivavahana sy Finoana ao amin'ny forum-n'ny serasera. Efa mifankahafantatra ihany ny mpi-forum hatramin'izay hoe iza no mino ary iza no tsy mino fa rehefa misy vaovao vao tonga dia avy hatrany dia tohina mahita fa misy mpikambana ao amin'ny serasera mahavita miteny hoe tsy mino an'Andriamanitra.
 (tohiny)

Avelao hono hiteny...

2007-02-13 @ 08:52 in Eritreritra mandalo

Tononkalo anakiray napetrak'i Pissoa nampieritreritra ahy ilay hoe Aleo hiteny fa.... Ny votoatiny aloha dia fiteny efa mahazatra ihany. Avelao hifosa, avelao hiteny, avelao handatsa, avelao hanenjika sns... fa ilay famaranany azy no nanaitra ahy. 

Aleo hiteny fa...
"Ny lasa tsy azo ovaina
Fa mipetraka ho tantara !
Fa ny ho avy indray kojaina
Mba ho hafa fiafara."

Rehefa namaky ny andininy maro teo ambony aho dia nieritreritra hoe tsy nisy na azo leferina ireo "tranga" izay lazain'ny olona fa karazana fialonana sy fanenjehana fotsiny ("Ny tsisy aza hoforoniny"). Misy mantsy zavatra ataonao izay tsy azon'ny olona dia mahatonga azy hanenjika.

Fa rehefa namaky ilay andalana farany ireo aho vao nieritreritra hoe toa zavatra hafa no tanjon'ilay tononkalo. Toa miteny hoe... "Nanao ny tsy mety ianao, tsy maninona izany, ny lasa aleo homba ny lasa, ny ho avy amin'izay banjinina... ka ireo rehetra mbola manenjika anao tamin'ny lasa izay nataonao dia aza jerena intsony." Ny ho avy indray banjinina.

Fomba iray hijerena ireo mpanenjika tokoa izany. Satria tsy manipy ankitsirano izay fanenjehana ataon'ny olona, fa mandini-tena aloha, manatsara izay tsy nety, izay vao tsy miraharaha ny mpitsikera.

Misaotra an'i pissoa :-) 

Fitaovana manakely sy manamboatra sary

2007-01-30 @ 23:19 in Eritreritra mandalo, Informatika

Anisan'ny zavatra mety mahaliana antsika angamba ity, indrindra isika izay zatra mpampiasa sary na amin'ny blaogy izany na amin'ny toeran-kafa. Indraindray mantsy sahirana tokoa fa lasa ngeza noho izay niheverana azy ny sary ka tsy omby eo amin'ny toerana tokony hametrahana azy.
 (tohiny)

Izay tsy miady olom-bodo

2006-11-28 @ 20:48 in Eritreritra mandalo

Ohabolana malagasy ny hoe "Izay tsy miady, olom-bodo fa ny to fo mamosavy". Fa mbola fomba fitenenana malagasy koa ny hoe "Manao vazaha mody miady". Ilay voalohany milaza hoe olona adala izay tsy miady fa ilay mitana an-dolom-po no tsy mety. Ilay faharoa kosa dia ny mifanohitra tanteraka amin'izay: rehefa miady dia miady fa tsy toa ny vazaha (hita amin'ny télé matetika... ohabolana vaovao io izany?) hoe milaza fa miady kanefa mifandray tanana ihany.
 (tohiny)

Blaogin'i Soanja

2006-11-01 @ 23:35 in Eritreritra mandalo

Somary gaga ihany aho amin'ny toe-javatra izay mitranga ao amin'ny blaogin'i Soanja amin'izao fotoana izao. Fantatro aloha fa blaogy mitantara ny tantaram-piainany ny an'i Soanja, mety hisy fiainan'olona hafa voasingotra, kanefa betsaka ny tantara izay nalaina tamin'ny tantara marina toa izany no mivoaka etsy sy eroa izay tsy voatery nakàna fahazoan-dalana tamin'ireo fiainan'olona mety ho voateny ao anatiny... indrindra raha lazaina fa efa novaina ny anarana rehetra.
 (tohiny)

Ny ratsy sy ny sitrapon'Andriamanitra

2006-10-07 @ 10:00 in Eritreritra mandalo

Resaka lavabe nifanaovanay ary tiako hotehirizina ato amin'ity blaogy ity, mety hahasoa na tsy hahasoa ny hafa, araka ny fandraisana azy ihany. Ny niatombohan'ny resaka dia hoe: iny no lalana nomen'Andriamanitra azy, làlana niantsoan'Andriamanitra azy. "Andriamanitra no mandahatra"... (tohiny)

Sokafy ny fo

2006-10-04 @ 13:42 in Eritreritra mandalo

Anisan'ny hevi-dehibe tamin'ny alahady teo tany am-piangonana ilay hoe "Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika". Dia toa izao tsara ny tenin'ilay mpitoriteny hoe : "Mivavaha isika mba hanana fo misokatra amin'ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, amin'ireo rahalahy tsy mitovy finoana amintsika."
Dia lasa ny saiko matetika hoe maro ve ny finoana hafa, na ny antokom-piangonana hafa, mivavaka tahaka izany? Tsy hoe mivavaka ho an'ireo tsy miaraka aminy hiova finoana, na ho resy lahatra akory... fa mivavaka ho an'ny tenany mba hahay hanaiky sy hahita izay tsara ao amin'ny hafa? Io fisokafana io no hitako ho harena lehibe indrindra izay tsy hain'ny mpino ny mitrandraka azy. Raha vao mahita olona, na antoko'olona iray hafa finoana amin'ny tena dia ny fiarovan-tena no alefa mialoha. Tsy heno intsony avy eo izay lazain'ny ankilany fa avy hatrany dia diso daholo.
Ny sasany moa dia natao ho iraka (avy amin'Andriamanitra) mihitsy ny "mampibebaka" ireo olona tsy mitovy finoana aminy. Ny iantsoany ireny olona ireny matetika dia "infidèles", "apostats", "excommuniés"... na tsorina fotsiny amin'izao hoe "Tsy mpino". Amin'ny finoana sasany dia manan-jo mihitsy hanilika, tsy hifandray... hatramin'ny hamono mihitsy aza, ny olona izay heveriny ho "Tsy mpino" ny olona iray. Ary ny tsirairay ao amin'ny isam-pinoana na isam-piangonana dia samy mahazo antoka fa marina ny finoany.
Koa angamba io vavaka ho an'ny fisokafana io tokoa no tsy ampy eo amin'ny tsirairay. Aza mivavaka ho an'ny fibebahan'ny hafa aloha... fa mibebaha ho an'ny fisokafan'ny fo. Rehefa misokatra sy mazava tsara ny fo dia ho hita hoe iza no mbola mila mibebaka.

Ravalomanana or not Ravalomanana... that's the question

2006-09-29 @ 13:31 in Eritreritra mandalo

Ny fifidianana ao Madagasikara dia tsy mba tahaka ny an'ny firenena hafa hoe misy maromaro ny favoris. Marina fa misy mpifanandrina maro, samy malaza... fa tsy mbola nisy mihitsy hoe tsy nandray anjara amin'ny fifidianana ny mpitondra... tahaka izay miseho any Etazonia rehefa lany ny mandat-n'ny filoha amperinasa, na ny ao Frantsa amin'izao fotoana izao - Tsy kaotiana eto ny tamin'ny andron'ny tetezamitan-dRatsirahonana. Noho izany tsy maintsy hoe ny filoha amperinasa no mifaninana amin'izay kandidà iray tafita indrindra. (tohiny)

L'Etat de Grace

2006-09-28 @ 16:30 in Eritreritra mandalo

"L'Etat de Grace" dia Fiction iray nandeha tao amin'ny France 2 omaly alina ary mbola hitohy mandritra ny 3 herinandro. Na dia tena fiction tanteraka tokoa aza dia ahitana taratra ny zavatra mety hiainan'ireo mpanao politika na ireo efa matihanina na ireo vao miana-draharaha. Anne Consigny (Jereo eto) no mpilalao an'i Grace izay vehivavy voalohany voafidy ho filohan'i Frantsa. (tohiny)

Moines amin'ny endriny vaovao?

2006-07-03 @ 22:20 in Eritreritra mandalo

Zavatra iray tsikaritro eto Roma, eto amin'ity tanàna azo lazaina hoe Masina ity, no nahatonga saina ahy omaly teo am-piandrasana bus. Eto Roma dia betsaka ny mpangataka amoron-dalana. Izy aloha tsy mandrebireby anao fa mijanona fotsiny eo amin'ny sisin-dalana, mandohalika, dia asiany kapoaka eo anoloany.

 (tohiny)

Raha tany Dago aho...

2006-06-25 @ 22:03 in Eritreritra mandalo

Mandeha ao amin'ny forum serasera.org ao hoe ny gasy miasa aty ivelany dia manompo vazaha... (Tsy hainy aloha ny dikan'ny hoe miasa :-)), ka raha hanompo ihany ve hono tsy aleo manompo gasy?
 (tohiny)

Soratra miteny

2006-06-14 @ 22:26 in Eritreritra mandalo

Amin'ny ankapobeny, rehefa mamaky taratasy avy any amin'ny olona akaiky, na pistily izany na avy amin'ny ray amandreny... dia tena ohatra ny hoe misy aina mihitsy ilay soratra. Tahaka ny hoe miteny aminao mihitsy ilay olona. Indrindra moa rehefa asiany soratra avy amin'ny feo (oh. "ha, ha, ha". Dia toa izany koa rehefa manoratra. Apetrakao ao anatin'ilay taratasy daholo ny fihetsem-ponao rehetra dia eritreretinao hoe hitan'ilay mamaky ny taratasy rehefa avy eo... ary dia mandaitra tokoa.
 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry