Mba tsy hitady ny very

Rehefa tsy mifanerasera amin'ny ankizy miteny malagasy ny zaza malagasy fa ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe manodidina azy ihany no miteny malagasy miaraka aminy dia mihena be dia be ny voambolana ananany. Hafa mihitsy mantsy hoe samy ankizy dia voambolan'ny ankizy no henony dia mitombo tsikelikely izy. Mba tsy ho very izany ny teny malagasy ao amin'ny ankizy teraka taty an-dafy dia mila ampilomanosina ao anaty tontolon'ny ankizy malagasy izy. Tokony hisy fotoana maharitra hampiainana azy ny tontolon'ny ankizy malagasy ka na ny ray aman-dreny no midina ho ankizy mandritra io fotoana io na izy asaina mijery na mihaino sarimihetsika na feo misy resaky ny ankizy tena malagasy.

Ilay hoe ny ray amandreny no midina ho ankizy malagasy dia tsy midika akory hoe manao fibadabada rehefa miteny (izay miteraka fifangaroana voambolana indray) fa miezaka kosa maka sary antsaina hoe raha ankizy malagasy daholo no manodidina ny zaza iray dia inona no mba vetin-dresaky ry zareo, inona ny kilalao lalaoviny, inona no manaitaitra azy sns. Ny teny malagasy mantsy dia tsy voambolana sy fanabeazam-bohon-teny ihany fa kolontsaina manontolo mihitsy. 

Ny antony hiantsoana ny Colas hanapoaka ilay vato be

2015-03-11 @ 08:04 in Vaovao, Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka. Misy vato mandondona (fa tsy mandondòna) be iray izay any Myanmar, hita eto amin'ny sary, an-tampon'ny tendrombohitra iray ao Kyaiktiyo. Antsoina hoe Vato volamena izy io satria lasa toerana fanaovan'ny mpino Bodista fivahinianana masinia ka izay mamangy mivavaka eo dia mametaka felam-bolamena. Ilay vato be, izay mirefy 7m ny hahavony ary 15m ny savaivony, dia zara raha mipetraka amin'ilay vato eo ambaniny... nefa tsy mikodiadia any ambany. Tsara tombina.

Fa ny tena resaka dia mikasika ihany ilay vatobe eny Avaratr'Ankatso izay mahabe resaka any amin'ny tambazotra sosialy. Araka ny re dia 57.000.000 ar no hanesoran'ny Colas azy nefa ny Malagasy mpiasa vato eny Ambatonapoaka nangataka 6.000.000 hanalàny azy. Betsaka, avy hatrany, ny entim-po, indrindra mahita ny elanelan'ny sarany, hoe resaka fanandevozan'ny Frantsay indray io, satria an'ny Frantsay ny Colas. Ireto anefa misy eritreritra kely mandalo ilàna fanadihadiana... izay mazava loatra fa ny tompon'andraikitra no afaka mamaly azy.

- Nisy ve "appel d'offres" natao tamin'ny fanesorana ilay vato? Raha nisy mantsy ny "appel d'offres" ka raha hita fa ny Colas no nahazo ny varotra dia ara-dalàna tsara ilay "procédure". Miseho any rehetra any rahateo ny sarany fa 57.000.000 ariary, ka raha nisy mpifaninana tamin'ny Colas nanolotra latsak'io nefa tsy nahazo ilay varotra dia tokony izy ireo no hiantsoantso.

- Raha nisy ny "appel d'offres", nahoana no tsy afaka nanolotra ny vinavinany ireo "mpamaky vato"? Tsy nampahafantarina ve izy ireo? Tsy afaka mandray anjara amin'ilay "appel d'offres" ve izy ireo?

- Iza tokoa ilay hoe "mpamaky vato" nanolotra vinavina 6.000.000 ar? Fikambanana ve izy ireo sa "Entreprise"? Afaka manome faktiora sy mandoa haba ve izy ireo? Sao dia tsy mitsinjara amin'ny mpiasa tsara ny vola azo? Ara-dalàna avokoa ve ireo mpiasa sa mety hisy fitsentsefana raha omena azy ireo ny vola? Misy "assurances" ve ny mpamaky vato raha sanatria ka misy loza mitranga mandritra ny fanesorana ilay vato be. Misy antoka (garanti) ve omen'izy ireo amin'ny asa ataony? Ahoana ny fomba hanaovana ny "contrat" amin'izy ireo? Misy "assurance" ve raha sanatria ka miteraka loza hafa (amin'ny manodidina) ny asa ataony?

Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka miteny tsara hoe nahoana tokoa no ny "Colas" no manala ilay vato na dia 57.000.000 aza ny vola takiany.

 

Andevoizin'ny salady? :-)

2015-02-19 @ 14:44 in Eritreritra mandalo, Sakafo, Tsy aritra

Asa tokoa hoe manao ahoana ny any #Madagasikara any amin'ny resaka fihinanana sakafo. Indrindra eo amin'ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina mba ho ara-pahasalamana. Nanomezana tsiny betsaka ny aty Eoropa sy any Amerika mantsy io fihinanana sakafo mahasalama io teo aloha. Ary noderaina ery ny Afrikanina satria misy ny rehetra sady azo ampifandimbiasina no ara-pahasalamana fa mbola tsy indostrialy. Fa amin'izao dia hitako miova ny famindran'ny olona aty. Angamba manomboka tonga saina daholo vokatry ny aretina sy ny fiovam-batana vokatry ny sakafo. Ny salady tokoa mantsy, noho ny anti-oxydant sy ny fibres ao anatiny dia manadio sy manampy ny any anaty rehetra any. Vavony, aty, tsinay... ary mahatsara fo sy mampihena ny tavy ihany koa.

Na izany asa dia somary hitako mivoana ihany ilay izy ho an'ny olona sasany satria dia lasa salady no foto-tsakafo nefa tsy dia tena hoe matavy akory. Amin'izao, ny toerana andehanako aloha, dia malaza ny menu hoe "Insalatone". Izany hoe portion ngeza amin'ny salady... tena salady iray baolina mihitsy. Mahagaga fa ifandrombahana io menu io ka manjary manao an'io daholo ny bar rehetra raha te hahazo kil hihinan-kanina antoandro.

Ankoatra izany dia tsy atokisana kokoa ny fahadiovan'ny salady noho ny fahadiovan'ny hanina nandrahoina. Ny salady araka ny novakiako tato dia mety hiteraka aretina bebe kokoa noho ny hamburger noho ny fahasarotan'ny fanasana azy. Tsy ampy ny fanasana azy amin'ny rano be fa tokony hisy fanafody sady mamono ny bakteria aminy. Voalaza ao anefa aloha fa tsy ny salady rehetra no misy bakteria mampidi-doza, saingy tsy hay na ilay salady hohaninao iny no ilay misy bakteria tsy mety afa-drano.

Any Madagasikara moa, ankoatra izany bakteria izany, dia anisan'ny loharanon'ny cysticercose koa ny fihinana salady tsy fatam-piaviana. Mbola zezi-kisoa no ampiasain'ny olona sasany mpamboly salady. Misy atodin-kakana sakoitra ilay zezika ka mipetaka amin'ny salady. Raha tsy voasasa tsara sy maharitra izany ny salady dia mahavoan'ny cysticercose.

Ngah hita e. Mila mitandrina bebe kokoa fotsiny fa izay hohanina rehetra toa ahitana tsininy daholo. Mazotoa homana.

Ah, saika adinoko. Misy siten'ankizy vao nivoaka izay, misy resaka sakafo fotsiny ao anatiny www.mamina.org sao mahaliana

Ambony noho ny finoana ny fitiavana

2015-02-14 @ 10:01 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Androany hono, araka ny efa nampiomanako anareo omaly (yes) ny Saint Val. Ary na dia ireo izay tsy mino an'izany resaka olomasina izany aza dia miteny hoe "Saint Valentin"... farafaharatsiny amin'ny frantsay. Ny an'ny anglisy mantsy tonga dia nataony hoe "Valentine's day" (raha tsy diso aho). Fa nanaitra ahy ny captcha (ilay teny fanamarinana etsy ambany etsy) rehefa mampiditra commentaires eto amin'ny blaogy koa dia manana endrikendrika Saint Val. Ireto amin'ny sary ireo ohatra ny hitako.

Ny fitiavana hono no lehibe indrindra hoy ny kristianina (1Kor 13, 13)... nohamafisiny tsara hoe lehibe indrindra amin'ireo zavatra telo izay mitoetra ankehitriny dia ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Raha raisina ara-bakiteny io dia tokony hahatonga saina satria ambonin'ny finoana koa izany ny fitiavana. Tsy tokony hisakana amin'ny fitiavana ny finoana. Raha finoana tsy mitondra amin'ny fitiavana dia finoana tsy misy dikany. Raha finoana mifanohitra amin'ny fitiavana moa dia tsy azo lazaina ho finoana akory. Satria ilay inoana dia fitiavana.

Koa dia mirary antsika rehetra hiaina ao anaty fitiavana daholo.

Vous souvenez-vous de Berenice et de son cover? :-p

2015-02-10 @ 21:56 in Eritreritra mandalo

Tsetsatsetsa tsy aritra ity dia lazaiko ato amin'ny blaogy ato. Fa mialoha an'izany aloha, resaka misy ifandraisany amin'izay holazaiko rehefa avy eo, dia angamba efa samy nahita an'i Berenice avokoa isika mpikirakira tambazotra sosialy, ary mety efa samy naheno ny feony na dia tsy hatramin'ny farany aza :-). I Berenice dia ilay tovovavy Nigeriana manao ny cover-n'i John Legend hoe "All of me". Nataony amin'ny feony izay tena mivalana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany... saingy voatanany hatramin'ny farany ilay mivalana. Mila fahaizana be amiko ny olona mahavita tahaka izany. Jereo ery ambany ilay video raha hihaino... dia mba henoy anie ny famaranany azy e :-)

Fa ny tena resaka dia mifandray amin'ny fanaovana "cover" ihany. Nahazo hafatra matotra be aho androany, tsy holazaiko hoe avy amin'iza, nilaza hoe "mba miangavy, ajanony ny hira Ankalazao ny Tompo ataonao fa sady be diso, tsy mitovy amin'ny tena izy no tsy niera akory ianao." Efa hatramin'ny 2010 tokoa aho izay no nanomboka nanao "cover masina" izay azo jerena ato ny sasany.  Izany hoe hira katolika tao amin'ny fihirana dia mba tendritendrena tahaka ny ataon'ny rehetra dia alaina Video dia apetraka amin'ny youtube. Lazaiko hatrany isaky ny manao aho hoe ny hira dia tao anaty fihirana katolika. Hira hiraiko araka izay fahaizako sy izay tratrako satria ny tena sady tsy manam-peo no tsy dia mahay mitendry mozika. Ary tsy natao ho an'izay tsy faly mihaino azy fa natao hozaraina amin'ireo namana. Ny dikan'izany dia tsy hira ofisialy... fa tahaka ny olona mihira ao antrano sns... indrindra moa fa hiram-pivavahana.

Koa gaga ihany aho tamin'ilay email feno fanajana mandrara ahy tsy hanao hiran'ny "Ankalazao ny Tompo" intsony. Mino aho fa olona mbola tototry ny zava-baovaon'ny internet ilay olona ka izay no fiheverana voalohany tao an-tsainy. Tsy mbola tsapany hoe ny fanaovan'ny olona "cover" dia manome lanja ny hira iray. Satria voalohany indrindra dia tsy mahasolo ny hira fototra ireny "cover" ireny. Ary faharoa dia manentana ny olona hijery ilay hira fototra ilay izy... fahatelo farany, raha toa misy manao "cover" ny hiranao dia tian'ny olona sy malaza izay.

Koa raha izany no mitohy, tsy ho azo hiraina any am-piangonana intsony koa ve izany ny "Ankalazao ny Tompo" ? Eny e, raha ny tompon'ny hira na ny tompon'ny "zon'ny mpamorona" no miteny amiko hoe ajanony ny ataonao, dia tena hajanoko tokoa raha tsy azony ireo zavatra nolazaiko teo ambony ireo. Fa raha tsy izany dia hotohizana ihany araka izay tratra... sao manjary mihira koa ny vato mantsy.

Misy hira hafa koa efa ataony: Jereo eto https://www.youtube.com/watch?v=UAJVFGmMesk

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry