Ny antony hiantsoana ny Colas hanapoaka ilay vato be

2015-03-11 @ 08:04 in Vaovao, Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka. Misy vato mandondona (fa tsy mandondòna) be iray izay any Myanmar, hita eto amin'ny sary, an-tampon'ny tendrombohitra iray ao Kyaiktiyo. Antsoina hoe Vato volamena izy io satria lasa toerana fanaovan'ny mpino Bodista fivahinianana masinia ka izay mamangy mivavaka eo dia mametaka felam-bolamena. Ilay vato be, izay mirefy 7m ny hahavony ary 15m ny savaivony, dia zara raha mipetraka amin'ilay vato eo ambaniny... nefa tsy mikodiadia any ambany. Tsara tombina.

Fa ny tena resaka dia mikasika ihany ilay vatobe eny Avaratr'Ankatso izay mahabe resaka any amin'ny tambazotra sosialy. Araka ny re dia 57.000.000 ar no hanesoran'ny Colas azy nefa ny Malagasy mpiasa vato eny Ambatonapoaka nangataka 6.000.000 hanalàny azy. Betsaka, avy hatrany, ny entim-po, indrindra mahita ny elanelan'ny sarany, hoe resaka fanandevozan'ny Frantsay indray io, satria an'ny Frantsay ny Colas. Ireto anefa misy eritreritra kely mandalo ilàna fanadihadiana... izay mazava loatra fa ny tompon'andraikitra no afaka mamaly azy.

- Nisy ve "appel d'offres" natao tamin'ny fanesorana ilay vato? Raha nisy mantsy ny "appel d'offres" ka raha hita fa ny Colas no nahazo ny varotra dia ara-dalàna tsara ilay "procédure". Miseho any rehetra any rahateo ny sarany fa 57.000.000 ariary, ka raha nisy mpifaninana tamin'ny Colas nanolotra latsak'io nefa tsy nahazo ilay varotra dia tokony izy ireo no hiantsoantso.

- Raha nisy ny "appel d'offres", nahoana no tsy afaka nanolotra ny vinavinany ireo "mpamaky vato"? Tsy nampahafantarina ve izy ireo? Tsy afaka mandray anjara amin'ilay "appel d'offres" ve izy ireo?

- Iza tokoa ilay hoe "mpamaky vato" nanolotra vinavina 6.000.000 ar? Fikambanana ve izy ireo sa "Entreprise"? Afaka manome faktiora sy mandoa haba ve izy ireo? Sao dia tsy mitsinjara amin'ny mpiasa tsara ny vola azo? Ara-dalàna avokoa ve ireo mpiasa sa mety hisy fitsentsefana raha omena azy ireo ny vola? Misy "assurances" ve ny mpamaky vato raha sanatria ka misy loza mitranga mandritra ny fanesorana ilay vato be. Misy antoka (garanti) ve omen'izy ireo amin'ny asa ataony? Ahoana ny fomba hanaovana ny "contrat" amin'izy ireo? Misy "assurance" ve raha sanatria ka miteraka loza hafa (amin'ny manodidina) ny asa ataony?

Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka miteny tsara hoe nahoana tokoa no ny "Colas" no manala ilay vato na dia 57.000.000 aza ny vola takiany.

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry