Rehefa avy namaky lahatsoratra vitsivitsy momba ny AJAX aho dia nanapakevitra ny hanandrana azy amin'ny site. Dia tao amin'ny radiovazogasy no nametrahana azy. Io izany ny Ajax voalohany natao :-)
Ny hira mandeha sy ny hira handeha no nampiasana azy. Miova ho azy isaky ny iray minitra izy io. Noho ny mety hisian'ny tsy mampiasa javascript dia napetrako ao anaty <noscript> ihany ny zavatra mpitranga mahazatra.
Après quelques temps, vancleef a recommencé ses scripts pour flood-er serasera.org. Par respect je ne voulais pas dire son nom dans le premier post à propos de ce sujet. Mais je sais qu'il sait ce qu'il fait et il en a ses raisons... donc maintenant ce n'est plus grave si on le dit tout haut et tout fort pour qu'il s'en explique. (tohiny)
Aty Strasbourg indray no fitobiana manaraka amin'ity vakansy efa hifarana ity. Aty amin'i lanto sy jm izay miandraikitra manokana ny radiovazogasy.com. Ny fandaharam-potoana? Hanao re-install-n'ny serveur-n'ny radio. Mise à jour-n'ny fitaovana fandefasana azy. Fanatsarana ny resaka fangatahana hira. Fanamboarana ny resaka dedicaces... oups, dia milomano sy mijery tanàna sy ny sisa koa tsy adino :-) (tohiny)
Vokatry ny fifankatiavana misy ao amin'ny serasera.org
dia aty avaratr'i Lafrantsa indray izahay amin'izao fotoana izao. Tsy nisalasala nandray anay i sipagasy namana maharitra sy mpiara-mandrindra ao amin'ny serasera.org ihany koa.
(tohiny)
Marina fa tsy voalohany nandalovako teto Frantsa tamin'ity indray mitoraka ity fa niova mihitsy ny fomba fijeriko sy ny fihevitro momba an'i Frantsa sy ny Frantsay taorian'iny lalàna Sarkouzy iny. Na eny andalana rehetra eny aho dia toa tsy mijery tanàna intsony fa manjary miezaka mijery ny tebiteby eny amin'ny endriky ny olona. Rehefa mandeha metro dia toa hitako izany ny tahotra ao ambadiky ny tsikin'ireo olona hafa loko... indrindra rehefa ilay hivoaka misy polisy iny. Tsy milamina intsony e. (tohiny)
Tsy andry mihitsy ny nahatongavan'ny fotoana fialantsasatra ka ny ampitso ihany dia efa nisidina niala an'i Roma sy ny hafanany. Adin'ny roa no halaviran'ny dia. Notsenaindry Lalaina sy Eric zahay fa ry zareo no akaiky indrindra ny seranana. Nahafinaritra ny andro voalohany, nifampiresahana ny ankehitriny sy nahatsiarovana ny lasa. (tohiny)
Araka ny efa noteneniko ihany moa tatsy ambadika tatsy dia hoe raha i Frantsa sy Italia no hifanandrina amin'ny Finale dia handresy Italia. Satria hoy aho ny Frantsay dia manao filalao mandamina sy miandry occasion parfaite vao mitifitra... fa ny Italiana kosa dia maika ny hamono foana na ho any na tsy ho any.
(tohiny)
Androany aho vao nahita fitaovana mahafa-po amin'ny fanaovana backup-n'ny serveur. Ity fitaovana ity angamba no hitako hoe feno indrindra raha toa ka te hitahiry ny serveur web sy mysql amin'ny toerana iray hafa (remote) mampiasa ftp.
(tohiny)
Tsy dia betsaka ny nampiditra ny Italiana ho ao anatin'ny pronostika. Bresil, Allemagne, France, Angleterre sns... Nony tafiakatra 1/2 finale ny Italiana vao niteny i Platini hoe France-Italie no hanao ny finale.
(tohiny)
Zavatra iray tsikaritro eto Roma, eto amin'ity tanàna azo lazaina hoe Masina ity, no nahatonga saina ahy omaly teo am-piandrasana bus. Eto Roma dia betsaka ny mpangataka amoron-dalana. Izy aloha tsy mandrebireby anao fa mijanona fotsiny eo amin'ny sisin-dalana, mandohalika, dia asiany kapoaka eo anoloany.
(tohiny)
Efa manomboka moa ny été eto Roma, dia manomboka koa ny fandehanana any an-dranomasina sy ny fitsidihantanàna ataonay
. Ie, be loatra mihitsy ny zavatra eto Roma sy Italia ka raha tsy mitsidika tsikelikely dia angamba ho toy ny tany Nairobi hoe tsy nahita liona kanefa efa-taona tany Kenya.
(tohiny)