Izany ny olona rehefa sady miasa no milalao :-)

2014-10-10 @ 09:24 in Ankapobeny, Eritreritra mandalo

Mpanaraka an'ity sary ahetsika (animations) ity aho, efa nahita ny 1 sy ny 2 (ny 3 tsy tadidiko). Fa androany aho dia tonga saina hoe tena sady milalao izany ilay bandy ity no miasa. Araka ny nolazainy dia 11 volana izy no nanao an'ilay sary ahetsika, teo amin'ny 700 ora mahery teo. Ary tena ataony matihanina daholo ny zavatra atao fa tsy mba kitoatoa (jereo ilay video faharoa mikasika ny nanaovany azy. Marina fa manana fitaovana sy fahaizana izy saingy ny tena ananany araka ny fahitako azy dia ilay fitiavana an'ilay zavatra ataony ka mahatonga azy hanana faharetana.

Animator

Tsy tazomiko ela ianareo fa ankafizo ny vokatry ny asany. Dia jereo ery ambany ny famintinany ny nanaovany azy. Kopa-tsatroka.

 

Toa izao kosa ny fitantarany ny nanaovany azy.

Sambatra izy na izany na tsy izany :-)

 

Tsy vinavina 2014

2014-01-07 @ 15:29 in Ankapobeny, Eritreritra mandalo

Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona 2014 izao indray. Navalon'iny 2013 iny ny lasa fa tsy maintsy hiatrika ho avy indray koa dia mirary soa ho an'ny tsirairay.

2014
Mandeha ny fotoana, mandeha ny taona. Rehefa voalohan'ny taona tahaka izao dia betsaka ny mandray fanapahan-kevitra goavana sy salatsalany. Ao ny tsy mandray fanapahan-kevitra mihitsy. Izaho indray aloha dia hanohy ny fomba fanaoko tamin'ny voalohan'ny taona 2013 hoe tsy mametraka vinavina fa rehefa vita ny taona dia miezaka mandresy lahatra ny tena hoe nahavita zavatra betsaka nandritra ny taona. 

Na izany aza misy zavatra vitsivitsy azo atao ihany. Tsy hantsoina hoe vinavina na fanamby na faniriana akory aza na "résolutions" fa eritreritra sendra mandalo fotsiny mba tsy hohadinoina.

  • Hasiana fiheverana manokana ny momba ny blaogy.com sy blaogy.org. Hatambatra ho tokana? Platforme vaovao sa ny fitaovana efa nampiasaina ihany? Miha vitsy mantsy ny mampiasa ny blaogy (noho na tsy noho ny facebook), ka manjary fandaniana resources fotsiny ny famelàna azy roa ho misokatra nefa tsy misy fanavaozana. Mamono antoka koa ny hanavaozana ny toerana roa samihafa mampiasa haitao roa samihafa nefa vitsy ny mampiasa. Ka mila dinihina na hampiasa Wordpress (blaogy.org) na hampiasa LifeType (blaogy.com) na zava-baovao mihitsy.
  • Hasiana fiheverana manokana ny momba ny fikarakarana ny serasera.org. Betsaka ny zavatra azo atao sy ny tokony natao ka ho hita eo.
  • Aza avela ny fialam-boly. Ny hira sy ny spaoro, ny zavatra tsy dia matotra loatra fanao tena ilaina eo amin'ny fiainana. Na dia ireny video ratsiratsy ao amin'ny youtube ireny fotsiny aza dia efa manala azy tokoa :-)
  • Ary ity facebook ity atao ahoana? Ry DotMG hono toa niala FB sy twitter sy ny sisa? Tsy mi-social network intsony? Efa nandalo tamin'izany aho fa hitako hoe very be ny kil. Aleo amin'izao ihany, manjary tsy hisy handefasana pub serasera sns lol

Koa dia mirary soa daholo e.

Vinavina Coupe du monde Brésil 2014

2013-12-06 @ 18:33 in Ankapobeny

Vita io hariva io ny atsapaka tamin'ireo ekipa hiray vondrona sy hilalao amin'ny fifanintsanana any Bresil amin'ny 2014. Raha ny vinavinako, ka apetrako eto, dia ireto ekipa ireo no ho tafakatra eo amin'ny fahavalon-dalana izany hoe ho tafita amin'ny fifanintsanana.

Brésil, Mexique, Espagne, Hollande, Colombie, Cote d'Ivoire, Angleterre, Italie, Equateur, France, Argentine, Nigeria, Allemagne, Portugal, Belgique, Algerie.

Ny mahafinaritra aloha dia mety ho moramora ny hahatafakatra an'ireo ekipa afrikana telo ireo. Ny ekipa afrikana mety hampalahelo dia i Ghana izay tafiditra ao anatin'ny vondrona samy rezatra. Ho hita eo ihany anefa fa ny baolina boribory.

Ny fahalanian'i Obama tsy mitondra soa ho an'i #Madagasikara

2012-11-07 @ 08:13 in Ankapobeny, Politika

Satria efa tsy nitondra soa nandritra izay 4 taona nisian'ny krizy politika teto Madagasikara izay.... Io ny valiny mivantana (noho ity lahatsoratra ity miseho any amin'ny twitter) fa velabelariko eto ambany ny fanazavana.

Obama dia avy ao amin'ny antoko demokraty... azo raisina hoe antoko havia. Izany hoe mitady ny tombontsoa tanteraka ho an'ny madinika, ary tsy dia miraharaha loatra ireo izay efa manana. Nandritra iny efa-taona iny ohatra dia nimasoany ny resaka fahasalamana, ny fanomezana asa ireo madinika, ny famelomana indray ireo orinasa izay maty na niha nalemy (mba hitsiinjovana ireo madinika hatrany). Vokany dia nitombo ny fitiavan'ny sarambabem-bahoaka Amerikana azy satria tena nitsinjo ny Amerikana maro an'isa tokoa izy. Dia efa azo antsaina ihany fa tsy maintsy ho lany indray Obama satria mbola ireo olona notohanany ka afa-nitraka ara-pivelomana ireo no maro an'isa nifidy azy.

Ny vokany anakiray anefa dia tsy dia nidiran'i Obama lalina ireo fahasahiranan'ny firenena hafa. Nahena be ny teti-bola miasa ho an'ireo firenena izay idiran'i Amerika lalina (Irak sy Afghanistan) ka nahena ny isan'ny miaramila Amerikana any. Nitombo be koa ny tsy firaharahian'ny Amerikana ireo firenena izay tsy ahitan'i Amerika tombontsoa manokana. Rariny izany satria tsy ampy amin'izany intsony ny teti-bola izay efa bahanan'ny raharaha anatiny toa ny fahasalamana sy fanabeazana ary ny ekonomia. Dia tafiditra ao anatin'io i Madagasikara.

Ny vaindohan-draharahan'ny antoko havia (toa ny demokraty Amerikana sy ny sosialista Frantsay) izany dia ny resaka ara-tsosialy ao amin'ny fireneny aloha vao ny resaka ara-tsosialy any amin'ny firenena hafa. Koa tsy dia manana fananenana firy aho ny mbola handraisan'i Amerika anjara mivatana kokoa amin'ny famahana ny krizy ao Madagasikara. Koa mifalia indray ry TGV fa mbola manana fotoana lavalava hijanona eo amin'ny tetezamita(tra) ianareo... noho i Obama. Ary ianareo zanak'i Dada indray dia mitadiava lalana hafa fa tsy atakalon'i Obama ireo Amerikana sahirana maro mbola tsy maintsy avotany ny Malagasy.

 

Natahotra ny HAT nosakanana i Ravalo

2011-02-19 @ 08:24 in Ankapobeny

Mahagaga ihany fa teo aloha dia nangataka ny hanagadràna
an-dRavalomanana ny HAT... kanefa nony hody izy ity dia tsy navela
indray. Izany ve tsy manamafy hoe tsy misy dikany izany ny fitsarana
malagasy amin'izao fotoana izao? I Christine ao efa falifaly mihitsy
hoe hiampy iray indray ny client eny Tsiafahy kanefa toa matahotra
indray i Rajoelina sy i Camille ka vao roa andro mialoha dia efa
nalefa daholo na NOTAM na famporisihana ny olona hibahana ny aeroport.
I Ravalo nefa amin'io ho tonga tahaka ny mpandeha rehetra ary tsy nisy
mercenaires nanaraka akory araka izay novoizina tetsy sy teroa.

I Ravalo anie hono efa tsy mamim-bahoaka e. Koa maninona no sakanana
fa tsy avela ho menatra eo? Ary raha hoe hanakorontana indray no
hahatongavany, dia haharesy andry zalahy efa nanakorotana tamin'ny 26
janvier 2009 ireny ve izay olona karamainy hanakorontana? Sady izao
mbola niampy ny AV7 indray ka tokony tsy hahavanona mihtsy i Ravalo fa
hatahotra aza.

Koa maninoa ary izany izy no nosakanana fa tsy notsenaina fotsiny
tamin'ny polisy teny Ivato dia samy nilamina :-) Hay matahotra ihany
ny HAT rehefa tena tonga tokoa ny tokoa.

Eto amin'ny sary dia Ravalomanana sy ny fianakaviany alohan'ny
hidirany ao amin'ny fiaramanidina.

244132988.jpg

Raha hody Ravalo

2011-02-17 @ 06:14 in Ankapobeny


IZay izany no vaovao farany tamin'ity herinandro ity dia ny hoe hody amin'ny asabotsy i Ravalomanana rehefa nivahiny tany Afrika Atsimo nandritra ny roa taona. Zavatra vitsivitsy no mety hitranga fa amin'io kosa, raha tena tonga tokoa izy, no hahitana hoe iza no tena politisiana ary iza no jiolahim-boto. Fa inona tokoa no manentana an-dRavalo hody?

Voalohany indrindra aloha dia inoana marimarina tokoa fa efa misy tetika politika goavana nomanina hatry ny ela io daty hiverenany io. Tsy hoe vao nifoha dia hoe, izaho andeha hody.

Faharoa dia efa mitady hilamin-damina manana aretina ny Malagasy ka mila action kely... Ary fanararaotana azy izao Afrika mafampana izao (Tonizia, Ejipta, Libia)

Fahatelo dia efa manomboka arahin'ny Vondrona Iraisam-pirenena maso akaiky ny HAT taorian'ny fansalovan'ny (cyclone) Simao aniny SADC. Ka raha vao manao fihetsika hafahafa tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy dia ho voa.

Fahaefatra dia tsy eken'ny sain-dRavalo raha ny mpanaradia azy (fetison) indray no lasa hEros satria nigadra sns, ka mety ho lasa vedety kokoa. Ka dia izy mihitsy no hitarika ny tolona.

Fahadimy dia efaniandry ela loatra ny Magro. Efa saika niova hoe "Andraso eo i dada" ilay hoe "Andraso eo i Paoly". Ka raha ela loatra ilay fihaonana dia lasa "lavitry ny maso, lavitry ny fo"... Tahaka ny mpifankatia virtoaly eto amin'ny internet ihany.

Farany dia hitan-dRavalo fa azo atao tsara, raha sendra tsy tafaverina eo amin'ny fitondrana, ny mialokaloka eto Madagasikara ihany fa tsy voatery ho any Afrika Atsimo. Nahita ny nataon'i Moubarak nandeha any Charm-El-Sheik mantsy izy.

Amin'izao ary aloha dia samy manao taim-bava na i Ravalo na i Christine Minisitry ny fitsarana. Fa ho hita izay tena hitranga amin'ny asabotsy.

Inviato con Windows Mobile®.

Izany St Valentin

2011-02-15 @ 10:00 in Ankapobeny


<p>Omaly hono ny st Valentin... Dia feno hafatra etsy sy eroa. Tadidiko fony tany Nairobi dia manao akanjo mena daholo ny vehivavy na madio na maloto. Ny manamanana moa miaraka amin'ny fiara mena. Dia rehefa hariva dia mitondra raozy mena ny lehilahy. Ny teto Roma aloha tsy dia hitako nisy fiavahana be loatra raha tsy tao amin'ny tele no efa io foana ny resaka hatry ny tamin'ny asabotsy.


Fa ny an'ireo ray amandreny taloha toa andry papa sy mama ohatry ny tsy mba nila St Valentin e? Isanandro izao dia mifaneho fitiavana foana. Tamin'ny farany teo aza, izahay no natao Mariazy dia ry zareo no nanararaotra indray nanao volan-tantely :-) (eo amin'ny sary tany Toamasina)


Ah, tadidiko tampoka. Nandritra ny mariazy tokoa dia mompera hafa, fa tsy ilay nanome fiofanana sns, no nanao ny lamesa. Asa izay nanjo azy tao fa ny anaran'i papa sy i mama indray no naverimberiny isaky ny tokony hanonona ny anaranay. "Tonga eto isika hanatrika ny fanamasinana ny fanambadian'i Eugene sy Emma"... Dia gaga ny olona hoe hay manana anaram-bazaha hoe Emma koa ny vavy? Ry papa sy mama amin'izany nitsiky fotsiny fa angamba nahatsiaro ny tttamin'ny 34 taona lasa. Notenenina mihitsy ilay mompera hoe diso olona ange nareo izany e... Zay vao niova.


Inviato con Windows Mobile®.</p>


DSCF2843.JPG

Afaka i Ejipta, Gasikara sisa

2011-02-12 @ 07:54 in Ankapobeny

Anisan'ny nanamboarana an'ilay MailToBlog (jereo ny lahatsoratra afak'omaly) dia ny mba hahafahana indrindra manoratra ao amin'ny blaogy na dia aty anaty metro aza... Izay rehetra mahalasa ny saina sy eritreritra mandalo dia azo soratana avy hatrany fa tsy miandry any an-trano indray satria mety ho lany morsa.
Fa hiditra amin'ny tena resaka aho. Manoloana ny zava-mitranga ao Ejipta amin'izao fotoana izao dia mieritreritra ny tokony ho nitranga tao Madagasikara tamin'ny fotoan'androny aho, na ny marina kokoa ny zavatra noeritreretin-dRavalo ho natao nefa tsy tanteraka tamin'izy nanolotra ny fahefana. Tahaka an'i Moubarak dia tratran'ny ankamehana izy, ary tahaka an'i Moubarak dia tsy nanome ny fahefana ho an'ny Filohan'ny Antenimiera izy, araka ny tokony ho izy ao amin'ny lalam-panorenana. Io mantsy no karazana vice-president. Fa ny miaramila, tahaka ny nataon'i Moubarak, no nomeny azy. Hatreo ihany no nitovy ny tantara, satria ny an'ny Gasy dia tsy nanam-potoana hisaorana sy hiderana ny fahendren'ilay filoha nametra-pialana akory izao tontolo izao, toa ny ataony amin'i Moubarak... dia efa nisy nandrombaka ilay fahefana. Dia nivadika ny tantara satria nanjary nitaky ny hamerenana an-dRavalo indray ny firenena hafa.
Inona ny zava-nitranga? Tsy niray ve ny miaramila ka tsy afaka hitantana fienena? Tsy mahay an'izany mitantana directoire militaire izany ve ny miaramila gasy, tsy toy ny tamin'ny andron'i Gal. Ramanantsoa intsony? Nahazo vola ve ny miaramila ka nanipy ny adidy "ho an'ny tanindrazana" nomena azy? Nandrahona sy natanjaka ve ny mpaka Fanjakana?
Inoako anefa fa raha nisy directoire militaire tao Madagasikara, na dia iray volana monja aza, dia avy eo nomeny ny teteza-mita, na dia tarihan'i Andry Rajoelina aza, ny fahefana dia tena ho hafa be ny fandehan'ny tantara ary tsy ho nisy izao krizy izao... Ary mety ho noderain'ny twitter sy facebook koa ny tgv hoe nanafaka an'i Madagasikara.
Fa tsy nitovy ilay tantara e... ny aza jiolahim-boto ihany...

Inviato con Windows Mobile�.

Andrana mail to blaogy

2011-02-10 @ 15:40 in Ankapobeny

Somary nanahirana kely teo satria tsy nivoaka ny zavatra nosoratan'i kdaombaramita. Hay samihafa koa ny formats ampiasain'ny phones samihafa.
Tokony efa nmandeha amin'izao fotoana izao. Andramo ihany.

Inviato con Windows Mobile®.

Fandefasana lahatsoratra amin'ny email

2011-02-10 @ 14:47 in Ankapobeny

Manomboka izao dia azo atao ny mandefa lahatsoratra amin'ny alalan'ny email hiseho eto amin'ny blaogy. Izany hoe alefanao mailaka amin'ny adiresy izay anao manokana, tsy asehosehonao olona, ny lahatsoratra sy ny sary dia mitranga avy hatrany ao amin'ny blaoginao.

Ahoana no fanao izany?
Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao ianao dia mandehana ao amin'ny "Momba ny blaogy" dia tsindrio ilay hoe Mailaka alefa blaogy. Ao amin'io no hahitanao ny adiresy manokana izay handefasanao ny lahatsoratra. Ny lahatsoratra alefanao dia miseho ao amin'ny blaogy afaka 5 minitra raha ela indrindra.

Raha toa ka tianao hovaina ny adiresy manokana dia misy fomba koa ao hanovana azy.
Ny lahatsoratra dia azonao asiana endrika (gras, italique, loko sns)
Inona ny fepetra?
Amin'izao aloha dia sary iray ihany isaky ny lahatsoratra no azonao alefa. Mbola hihatsara tsikelikely io arakaraka ny fotoana.

Ity hafatra ity izao dia nalefa avy tamin'ny email... miaraka amin'ny sary.




mailtoblog.JPG

Fandefasana lahatsoratra amin'ny email

2011-02-10 @ 01:50 in Ankapobeny

Manomboka izao dia azo atao ny mandefa lahatsoratra amin'ny alalan'ny email hiseho eto amin'ny blaogy. Izany hoe alefanao mailaka amin'ny adiresy izay anao manokana, tsy asehosehonao olona, ny lahatsoratra sy ny sary dia mitranga avy hatrany ao amin'ny blaoginao.

Ahoana no fanao izany?
Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao ianao dia mandehana ao amin'ny "Momba ny blaogy" dia tsindrio ilay hoe Mailaka alefa blaogy. Ao amin'io no hahitanao ny adiresy manokana izay handefasanao ny lahatsoratra. Ny lahatsoratra alefanao dia miseho ao amin'ny blaogy afaka 5 minitra raha ela indrindra.

Raha toa ka tianao hovaina ny adiresy manokana dia misy fomba koa ao hanovana azy.
Ny lahatsoratra dia azonao asiana endrika (gras, italique, loko sns)
Inona ny fepetra?
Amin'izao aloha dia sary iray ihany isaky ny lahatsoratra no azonao alefa. Mbola hihatsara tsikelikely io arakaraka ny fotoana.

Ity hafatra ity izao dia nalefa avy tamin'ny email... miaraka amin'ny sary.




mailtoblog.JPG

Inona foana ity perquisitions ity?

2010-01-14 @ 08:11 in Ankapobeny

Elaela indray izay tsy nanaovako resaka politika izay. Ka hofohazina kely sao matoritory.

Araka ireny hita tamin'ny vaovao antsary ireny dia nosavaina koa ny teny amin'ny trano fonenan'i Ravalomanana omaly. Miaramila amin'ny kamiao mihitsy no tonga teny. Tamin'ny voalohany dia saika tonga dia hiditra tsy nisy mandat, fa nony tonga ny mpisolo vava ny tompon-trano vao lasa indray aloha naka mandat... dia nolazaina hoe ao no miafina izany Radio pirate izany ka hisava.

Ny vokany moa dia tsy nisy na inona na inona (indray) tao, ary niaiky mihitsy ilay minisitra Nathalie Rabe hoe tsy nisy zavatra hita tao dia notohizany hoe ... angamba efa nalaindry zareo tamin'ilay fotoana nandehanana naka mandat (lolll) dia hoe misy lala-miafina ao ka mety nivoaka tany amin'ilay lala-miafina ny olona nitondra an'ilay emetteur.

Zavatra roa ihany no azo lazaina.

Na dia tena "donto" mihitsy ny mpitondra (mety ho izany tokoa aloha), na nisy fikafika maizimaizina tao fa mody notakonana tamin'ny hoe perquisitions.

- Tena donto ve ny HAT?

Raha tadidintsika dia tsy voalohany no misy fahadontoana (absurdité na stupidité) tahaka izao rehefa misy resaka perquisitions. Imbetsaka ny FIS no nanao perquisitions fa naheno hoe misy fitaovam-piadiana etsy na aroa (tadidy ilay teny Ivato? teny @ magazay TIKO?) Ny olona donto ihany no mino hoe raha hanao trafika-na fitaovam-piadiana dia ao amin'ny magazain'ny TIKO no hametrahana azy. Toa izany koa, ny donto ihany no mino hoe mpanohitra HAT manao radio piraty dia ao Faravohitra ao amin'ny tranon-dRavalomanana no hanaovany azy. Satria fantatra fa raha misy ny oaraoara dia ao no hosavaina voalohany. Ka mety hoe donto tokoa ve ny HAT?

- Sao dia fikafika maizina kosa?

Ny ahiahy tsy ihavanana. Raha toa ka tsy donto ary ny HAT nisava tao dia inona no mety ho antony? Sao dia mba...? Sao dia mba...? Ny krizy hono mahalava tanana (ohabolana nandritra ny fotoan'ny HAT io), ka mety hoe fomba iray handrobàna tranon'olona indray ve? Akaiky ny fifidianana, ka mety hoe fomba iray hijerena indray hoe misy osy mainty (sisa nanamborana) indray ve tao? Sa ve efa ho tapitra ny HAT ka jerena ihany sao dia tokony mamono trasy aloha mba tsy handehanana eny Tsiafahy raha sendra mivadika ny kodiarantsarety? Sa ve hoe sao niverina tsimoramora tao Ravalo? lolll

Dia tsy haiko ry zareo fa raha olona normal dia tsy tokony ho nisy akory iny perquisition iny raha toa ka ilay hoe "Hijery fa sao dia ao ilay Radio pirate" no tanjona.Saingy tsy hay intsony moa fa efa krizy izao ka rehefa tsy voa ny kibo dia voa ny saina...

Handeha ve ity milina fanasan-damba ity?

2010-01-07 @ 15:43 in Ankapobeny

Rana any amin'ny toerana tsy misy rano kanefa misy jiro no ametrahana ireny milina fanasan-damba ireny dia mety handeha ve raha toa izao no atao?

Mazava ho azy, ny barika no ampiasaina atao ambony toerana, mety ho ampy ilay tosika ilaina. 

Sambatra izay noana

2009-11-17 @ 09:58 in Ankapobeny, Izaho sy ny ahy

Nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon'ny FAO izay vondron'ny firenena mikambana miahy ny ara-tsakafo. Efa hita tselika sahady fa tsy dia hisy vokany loatra ho an'izay tena miandrandra zavatra azo tsapain-tanana ny fivoriana. Betsaka aza moa ireo filoham-pirenena goavana tsy tonga fa angamba nihevitra izany fivoriana izany ho toy ny fandaniana andro ihany. 

Maherin'ny iray lavitrisa hono ny olona noana eran-tany. Izany hoe ny 1/6-n'ny mponina eran-tany... izany hoe raha mahita olona enina ianao amin'ny ankapobeny dia ny iray amin'ireo mijalin'ny hanoanana. Mazava ho azy, tsy hitanao mivantana izay satria tsy mitsinjara akory ilay hanoanana. (Ahitsiko, raha toa ka mahita olona 6 ianao ka tsy mahita olona 1 mijalin'ny hanoanana dia eritrereto hoe any ambadika any izany misy mahita olona 2 mijalin'ny hanoanana ao anatin'ny 6.)

Ny antso avo azo atao ho an'ny tsirairay amin'izao fotoana izao angamba dia ny hoe, rehefa mba tsy noana dia aza manary sakafo. Aza mandanilany foana fa misy olona noana antapitrisany any maniry ny hihinana ny latsaka ao ambany latabatrao.

Fa iverenako ny lohateny hoe "Sambatra izay noana" izay ao amin'ny baiboly (Mt. 5,6) izay raisin'ny mpitory teny anjambany fotsiny vokatry ny fitsimponana andininy ka mampitombo ny fandrebirebena fanahy sy tsy mampitroatra ny voan'ny tsindry hazo lena. Voalohany aloha dia tsy hoe "sambatra izay tsy ampy sakafo" no tiany lazaina satria izy aza nalahelo tamin'ny nahita ny olona noana ka nanjary nanao fahagagana nampitombo ny mofo mihitsy mba hamokisana azy. Fa hoy izy hoe "Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana"... dia ny tohiny hoe "fa ho voky izy". Faharoa, raha ampifandraisina amin'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy" dia tsy midika tsy fahampiana fotsiny ilay hanoanana eto, ka mahatonga fahakiviana sy fiononana, fa midika fitadiavana mitarika fanantenana sy fahafaham-po. Farany, ny olona noana no mahita tsirony rehefa misakafo :-)

Hisy tantara izany androany... efa henoko :-p

2009-11-04 @ 09:13 in Ankapobeny, Serasera.org

Hanomboka androany alina amin'ny 20h30 ny tantara ao amin'ny Radiovazogasy.com. Vao fanombohana io ary vao fanombohana ny amin'ity roa volana faran'ny 2009 ity. Noho izany dia indroa isambolana ihany no mbola hisy tantara ary tantara iray ihany no averina henoina amin'ny alarobia fahatelon'ny volana. 

Manana tantara "ordinera" betsaka ny Radiovazogasy, tantara nandeha t@ radio hafa taloha, ary efa saika resy lahatra aho hoe ireny tantara ireny no hamenoana ny banga, kanefa toa mahafinaritra koa ilay "ekstraordinera". Ny maha-hafa kely ny tantara tiana havoaka ato ho ato dia satria "isika" ihany no milalao azy. Izany hoe tsy matihanina fa dia namana mitovy amin'ny tena. Ny tantara holalaovina moa dia izay atolotry ny mpanoratra fantatra na ny namana ihany koa.

Androany hariva ary dia ilay tantara hoe "Antso diso" nosoratan'i FX Manah no handeha. Rehefa henoina dia mahafehy tsara ireo nolazaiko eoambony ireo. Dia mampiteny hoe "Alefaso koa ny manaraka eeee...".

Aza adino ary (tsy maninona na adino aza fa mbola misy @ tapabolana), androany alina amin'ny 20h30 dia averina indray amin'ny tapabolana amin'ny 20h30.

Ny sosokevitra alefaso ihany rehefa avy mihaino :-) 

Gmail undo send

2009-10-16 @ 09:07 in Ankapobeny

Tsara kosa ilay undo send ao amin'ny GMail. Rehefa mampiasa GMail (na @serasera.org) ka mampiditra an'ilay "Undo message" avy ao amin'ny labs dia afaka sintomina tampoka ny hafatra lasa. Izany hoe raha tapa-kevitra tampoka hoe aza alefa indray dia misy rohy milaza hoe "Undo send"... Misy fotoana manko manoratra ianao sady manao zavatra hafa dia voatsindry tampoka ilay hoe Alefaso... kanefa mbola tsy vita akory ilay hafatra.

 

Serasera: Ao Paris indray amin'ny 15 novambra 2008

2008-10-29 @ 22:11 in Ankapobeny, Serasera.org

Dia raikitra izany fa ao Paris indray no hihaona ny Namana Serasera Eoropa amin'ny  15 novambra 2008. Koràna no hatao amin'io. Jereo eto ny filazana ofisialy izay napetraky ny namana mpikarakara.

Mahafinaritra foana ny mihaona amin'ny namana serasera ivelan'ny virtualy. Manjary misy fifankahazoana am-po sy lasa tena mpinamana. Efa imbetsaka ihany no nisy fihaonana toa izao tao Paris, telo no efa natrehako fa ny hafa tsy tratra. Nisy koa tany Nice fa tsy tratrako. Nisy indroa koa teto Roma. Ary ny any Madagasikara dia matetika mihitsy. 

Raha toa ka mahaliana dia azo jerena eto ny sary sy ny ambiansy tamin'ny herintaona.

Dia any indray izany mihaona e.

Baiboly andro aman'alina

2008-10-05 @ 22:08 in Ankapobeny

Misy zavatra mampientam-po eto Roma amin'ity herinandro ity. Nanomboka androany tamin'ny 7 ora hariva teo dia vakiana tsy ankijanona hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ao amin'ny fiangonana iray ny Baiboly. Ao amin'ilay Bazilika "Santa Croce in Gerusalemme" no anaovana an'izany ary olona avy amin'ny firenena samihafa, finoana samihafa, sokajy samihafa, no mifandimby mamaky ao.

 (tohiny)

Plugoo sao dia mahasoa

2007-05-10 @ 08:54 in Ankapobeny

Efa manomboka miely ny fitaovana fametrahana hafatra mivantana izay karazana chat fa apetraka amin'ny site. Fa ity anakiray ity no hitako mahafinaritra indrindra amin'izao fotoana izao... ny anarany dia Plugoo ary ny misy azy dia ao amin'ny Plugoo.com. (tohiny)

Lahatsoratra miafina

2007-04-18 @ 16:39 in Ankapobeny

Mba hahafahana mamaky ity lahatsoratra ity dia ampiasao ny tenimiafina test

 (tohiny)

Fety be eto Italia

2006-07-09 @ 22:39 in Ankapobeny

Araka ny efa noteneniko ihany moa tatsy ambadika tatsy dia hoe raha i Frantsa sy Italia no hifanandrina amin'ny Finale dia handresy Italia. Satria hoy aho ny Frantsay dia manao filalao mandamina sy miandry occasion parfaite vao mitifitra... fa ny Italiana kosa dia maika ny hamono foana na ho any na tsy ho any. 

 (tohiny)

Nandresy hono Italie

2006-06-12 @ 21:59 in Ankapobeny

Na mipetraka eto Italia aza aho dia tsy dia maka italiana loatra rehefa manao baolina ry zalahy. Indrindra moa raha mifanandrina amin'ny Afrikana izy. Teo am-pijerena baolina izahay dia mbola naverimberiko hoe na ny ekipan'i FCB (Footbal Club-n'i Besarety ) aza no mihaona amin'i Italia dia mbola tsy haka Italia ihany aho.
 (tohiny)

Fanorona: Andrana voalohany

2006-06-06 @ 06:47 in Ankapobeny

Vita aloha ny dingana voalohany ao amin'ilay tetikasa fanorona. Ity dingana ity dia nanamboarana ny vatabe-n'ny kilasy izay entina hampiditra ny fanorona amin'ny takelaka.
 (tohiny)

Aniverseran'i Neny Vitinia

2006-06-04 @ 00:20 in Ankapobeny

Malaza mpanao fety mihitsy izahay eto Roma eto , ny weekend tonga no ela dia tsy maintsy misy mahita fety hoforonina foana. Fa ny fety tamin'ny zoma kosa aloha dia fety ofisialy. Fetim-pirenena Italiana sady aniverseran'i neny eny Vitinia.
 (tohiny)

Tetikasa fanorona - teti-panorona

2006-05-24 @ 23:10 in Ankapobeny

Angamba dia misy gaga mihitsy hoe inona daholo ity tetikasa etsy sy eroa ity... toa ny etsy tsy vita kanefa ny etsy manomboka ihany. Efa mahazatra ahy anefa ilay manao zavatra be dia be indray miaraka :-) - ny olona rehetra ve moa tsy toa izany daholo - dia ho hita eo izay hihafarany e.
 (tohiny)

Da Vinci Code, hijery sa tsia?

2006-05-20 @ 20:11 in Ankapobeny

Nivoaka teto Italie nanomboka tamin'ny zoma teto ny Codice Da Vinci, izay film anisan'ny be mpiresaka indrindra amin'izao fotoana izao. Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.
 (tohiny)

Je ne t'ai pas pardonnée

2006-05-17 @ 11:59 in Ankapobeny

Il m'arrive de relire ma vie... de me souvenir de certains moments que j'avais souvent envie d'oublier, d'analyser plus profondément mes échecs et mes réussites, et surtout de scrutiner mes relations anciennes et actuelles. Et dans mes lectures, je te vois, encore avec tes insultes. Des informations sur moi dont je ne sais pas d'où tu les as trouvées mais que tu as utilisées pour troubler ma vie, mon émotion, voire mes projets de vie. Des calomnies que tu as essayé de propager autour de toi et qui ont atteint mes amis. De tout ca.. oui. Et maintenant, tu te pointes comme ça en "amoureuse", avec tes "kikoo" et tes "bizz", tes "loll" et tes "kiss", comme si rien n'était. Ca va, tu as le droit de revenir, mais au moins tu dois reconnaitre que tu as blessé plus d'une personne, par tes paroles et par tes actes. Je ne te demande pas de me demander pardon, mais de plutot de respecter ces coeurs offensés... et de te souvenir que nous n'avons rien oublié.

Godaddy accepts at last the * wildcard

2006-05-13 @ 13:37 in Ankapobeny

I really jumped out of the bed (it's past midnight) when I discovered that godaddy, finally, accepts the * wildcard in its DNS manager. I did wait for it for a very very long time and because of that, I had to register some domains elsewhere. It is to be reminded that namecheap.com has that included in its package.

Now then I can start some of my left over projects which were leaning on this feature. Wait and see. 

Sary vitsivitsy 7 mai 2006

2006-05-07 @ 13:28 in Ankapobeny

Koa satria tsy raikitra tamin'ny fotoana farany ny fetin'ny katolika teto Roma dia lasa nirohitra tany Appia Antica indray.

 (tohiny)

Malagasy: foko roa?

2006-05-03 @ 07:07 in Ankapobeny

Namaky ilay lazain'i jentilisa ao amin'ny blaoginy aho dia tena gaga mihitsy amin'ity resaka merina vs. tsy merina ity. Ohatran'ny hoe foko roa fotsiny i Madagasikara, ny andaniny Merina dia ny ankilany Tsy Merina.

Fa maninona no tsy mba mialona sy miady amin'ny Anteisaka ny Sakalava, na mifanenjika amin'ny Mahafaly ny Betsimisaraka? Aza miteny hoe mainty sy fotsy fa misy foko fotsy kokoa noho ny Merina. Tanavo sy tanindrana ve? Fa aiza no misy ny tendrombohitra avo indrindra? Dia tsy haiko ry zareo a. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho rava ihany io fokofoko io... efa mifanambady daholo izao ny boay kely sy ny sipakely Malagasy samihafa foko. Izay no hitako vahaolana haingana. Afangaroy zalahy a...

Blog Crossing Day

2006-04-30 @ 06:35 in Ankapobeny

Hello all! Today is as promised the blog-crossing day. Therefore I am writing in Hery's blog and someone else would hopefully lol write in mine. Before I start writing I just want to warn you that the following is not Hery's opinion it is mine I am just taking this opportunity to inform you and show my opinion because I am sure Hery's blog is largely visited. So have you heard the news lately?
 (tohiny)

Tonga soa... cousine :-)

2006-04-25 @ 22:07 in Ankapobeny

Gaga be aho androany fa nahazo email izay tsy nampoizina mihitsy. Email tany amin'izay cousine kelinay izay. Tena mbola kely izy tamin'izaho tany Madagasikara fa ny taona moa mandroso ary ny ankizy koa maroroka ka inoako fa efa lehibe tokoa izy izao nanoratra tamiko izao.
 (tohiny)

Module ohabolana ho an'ny Joomla

2006-04-20 @ 23:50 in Ankapobeny

Ho an'ireo mampiasa Joomla dia namoaka module vaovao aho. Module ohabolana izay maka ohabolana iray isanandro ao amin'ny webservice serasera.org. Azonao ampiasaina ny sivana ahafahana mifidy ny ohabolana tianao hiseho (Ohatra: ohabolana misy hoe Andriamanitra ihany sns.)

Beta release io amin'izao fotoana izao satria tsy maintsy mbola hohatsaraina kanefa efa mandeha tsara mihitsy.

Azonao alaina eto ambany ny module ohabolana
mod_ohabolana 

Rohy mety mahaliana 

Raha toa ka mampiasa io module io ianao dia andefaso email aho ([email protected])

My first Joomla extension

2006-04-18 @ 04:51 in Ankapobeny

I have just submitted my very first public Joomla extension which was requested by Renzki and also something that I would need for other projects. It is MysqlAuth and information about it can be found at the Joomla extension repository

This extension has a component and a module which allow joomla to share, and synchronize, users with another site. The idea is from the drupal mysqlauth. So if you have already with another site (mysql based) then you can install joomla in another place and have the users of that other site listed as joomla users.

What I mean by synchronization is that if your users change their password, from your official site, they will still be recognized in your Joomla site.

What is required is that you should not allow registration with joomla. All password reminder links also should be redirected to where your users are stored, not with joomla. 

Here is the extension 

Paka an-tsary

2006-04-17 @ 22:30 in Ankapobeny

Rehefa avy nihaino ny "Arahaba tratry ny Paka" notenenin'i Papa Benoa 16 izahay dia nandeha kely nivoaka ny tanàna toa ny mahazatra. Fa tsy lavitra loatra tamin'ity satria natahotra sao dia alavitra ny fitsangatsanganana ny ampitson'io. Lavitra be ny Papa fa izany hoe hita tamin'ny écran géant ihany

IMGP5156 IMGP5157

Albano, Rocca di Papa... tsy ratsy io toerana io. Blaogiko ity dia ny sariko ihany no asehoko (Hihihi hanta)

IMGP5167 IMGP5166

Ny alatsinain'ny Paka? Niaraka tamin'ny gasy. Tena reraka tanteraka. Iny angamba no fotoana nanaovako salegy lava indrindra... dia salegy mipetraka koa Samy nanovokovoka daholo fa rehefa tonga tany an-trano vao nitaraina hoe narary ny fe. Sitra-po manahirana e. Efa somary vizana ihany aho tamin'ito sary eto ambany ito ka tsy nisitrika intsony ny akanjo... Rehefa tonga taty an-trano anefa dia tsy maintsy mbola namita an'ilay com_lisitra (Component vaovao nataoko ho an'ny Joomla grrr.)

 

Roadmap

2006-04-13 @ 22:22 in Ankapobeny

Io fiteny io indray izao no malaza... mitovy dika amin'ny hoe todo list ihany. Koa apetrako eto aloha ny roadmap à long sy à court terme


 (tohiny)

Alahelon'ny faha 86 taona

2006-04-06 @ 22:23 in Ankapobeny

Feno 86 androany i Nonno. Lehilahy tsotra (toy ny voromailala) kanefa fetsy (toa ny menarana) mova tsy tahaka ny voalazan'ny Baiboly :-). Niarahaba azy vao maraina aho androany, nieritreritra fa hisaotra an'Andriamanitra izy amin'izao faha-86 taonany izao. Tsy izany anefa no niseho... nalahelo izy. Dia mbola niseho indray ny fahatsorany.

Ny alahelony? Mbola velona eto amin'ity tany feno haratsiana ity (sic!). Hatramin'izay, hoy izy, tsy mbola nisy an'izany mifamono ao antrano izany (vaovao nivoaka tamin'ny gazety vao hitany indray angamba io). Miha-rava izao tontolo izao, ny laingan'ny mpanao politika no heno etsy sy eroa. "Ireo olona rehetra manao fampanantenana ireo (satria mandeha be ny propagandy eto Italia) dia fantatro daholo ny nataony sy ny nataon'ireo tahafiny... kanefa amin'izao izy ireo miseho hitondra soa ho an'ny firenena". Dia lasa indray aloha ny resa-be nandritra ny minitra maromaro nanaporofoiny fa tena tsy mandeha mihitsy ny fiainana eto amin'ity tany ity. Noho izany tokony efa ho faty izy... "Matahotra aho, hoy ihany izy, kanefa ilay mandalo ny fahafatesana no atahorako fa tsy ny ao ambadiky ny fahafatesana".

Ny hany navaliko an'i Nonno dia hoe misy olona maro maniry ny mbola ho ela velona. Misy ireo mararin'ny aretina tsy mety sitrana intsony, ka efa voafetra ny andro iainany... ary maniry mafy ny mbola hiaina maharitra. Misy ireo isaky ny alina dia manahy sao dia tsy hifoha. Misy ireo isaky ny mivoaka ny trano dia matahotra sao dia tsy ho tafaverina velona ao antrano intsony. Misy ireo maniry mafy ny mbola hiaina eto amin'ity tany ity... koa misaora an'Andriamanitra raha mbola nomeny tombon'andro. Matoa ianao mbola velona dia ao raha... koa mifalia amin'izay mbola segondra omeny anao. Sady tsy izao tontolo izao no ratsy... fa ny olona sasany eo amin'izao tontolo izao. Any ho any, misy toerana, mbola miaina ao anaty filaminantsaina ny olona, mbola miadana ny mifankatia ny olona.

Comunque, buon compleanno e tanti auguri. 

Zenit.org un budget de 1.240.000 euros pour 2006

2006-04-06 @ 09:13 in Ankapobeny

Pour ceux qui ne connaissent pas, Zenit est une Agence internationale d'information. Sa mission est de fournir, pour un public international, et en particulier les media, une couverture objective et professionnelle des événements, des questions, des documents touchant l'actualité de l'Eglise catholique et du monde vus de Rome (www.zenit.org). J'ai connu Zenit, il y a cinque ans. C'est pour moi parmi les grandes sources d'information sur l'Eglise Catholique. Tous les jours, on peut recevoir des nouvelles fraîches et des documents venant directement de Rome... Un email quotidien avec le fameux sujet : "Le monde vu de Rome".

Chaque année, je suis étonné par les lettres de demandes de dons que Zenit fait. Des lettres n'hésitant pas à insister pour avoir quelques euros... pour le service. Au début, j'étais un peu gêné, bien que j'apprécie les services de Zenit. Savoir qu'ils reçoivent pendant la campagne d'une année environ 1 million d'euros suscite des questions.

Mais aujourd'hui, je viens de recevoir un email montrant le budget de Zenit pour 2006. Un budget détaillé de 1.240.000 Euros, stupéfiant non! Mais c'est réel. Zenit emploie plus de 50 collaborateurs (allant de journalistes, traducteurs, aux techniciens). Ils dépensent 50.000 euros seulement pour le serveur et les matériels informatiques). Et avec tout ça, ils comptent surtout sur l'aide des abonnées et des dons divers (75% des entrées). Le budget complet peut se voir sur ce lien.

Qu'est-ce que je peux en tirer?

Il y a des services qui vivent surtout des dons des utilisateurs. Les gens qui font cela ne sont pas des "quémandeurs". Ce n'est pas comme la réaction de certains gasy qui pense que demander des donations pareilles sur ses projets veut dire "Mangataka etsy sy eroa"... et qu'afficher un bouton paypal pour donation provoque une grand polémique. Le resultat, les projets gasy deviennent affiliés à des sociétés qui les accablent avec des publicités... ou vivent par le seul volonté et capacité économique de ceux qui les ont initiés. Des projets non stables.

Ok; sans dodute, diriez-vous, on ne peut pas les comparer. En tout cas, les projets gasy ne sont pas autant sérieux. 

He may have walked on ice?

2006-04-04 @ 22:16 in Ankapobeny

I have just read how Reuters.com reported Professor Doron Nof's theory on that miracle when Jesus walked on the water. According to Nof, Jesus may have walked on a floating piece of ice... since there could be some combination of water and atmospheric conditions that would led to ice formation on the Sea of Galilee.

My first (and not very deep) reaction to such affirmation is that here, Prof. Nof just took out of the context this miracle. When this story happened (Mk. 6. 47-51), Jesus had just fed a multitude (I don't want to say any number here) of people. And after that, there were many people who came to him to be cured. So this event cannot be separated from all those series of miracles. If we have to justify, scientifically how Jesus walked on the water, then we would need to justify all the miracles before and after it.

Then, we can maybe put some questions linked to Nof's affirmation. For instance if such combination of water and atmospheric conditions would form some blocks of ice or just one, upon which Jesus could stand. How big would that block be? And how could he get that? In the Gospel, there was a tempest; how could he stay on that block of ice? How long would he be there, considering the wind and his clothes? etc...

Third, as I said in the first part, this miracle is not the biggest one that Jesus did. There is especially the resurrection. All the miracles in the Bible are there to show the glory of the risen Christ. Jesus did them to lead us slowly to accept his death and resurrection. So any theory treating any miracle Jesus did would not be very useful it isn't able to reply to the resurrection...

Herintaona toa izao... teto Roma

2006-04-02 @ 12:43 in Ankapobeny

Vao avy tany Vatican izahay nanatrika ny fahatsiarovana ny herintaona nahafatesan'i Papa Joany Paoly II. Feno indray ny Place St Pierre... dia nampatsiahy ahy ilay tamin'ny herintaona toa izao. Ny nampiavaka azy fotsiny dia tamin'ny herintaona, ilay alina nahafaty ny Papa dia haizina sy tomany no tao. Androany alina kosa dia hazavana sy tsiky.

Toa izao no nolazaiko tao amin'ny blaogiko tamin'ny herintaona toa izao.

Dia niamboho izany ny Papa. Hoy ny fiteny malagasy hoe tsy misy manampo fahafatesana ka na olona marary mafy aza dia mbola mafy ihany ny fisarahana. Teny Vatican izahay tamin'ny fotoana nilazana fa maty ny Papa. "... alle ore 21:37, il Papa ? tornato nella casa del Padre..." hoy ny teny taorian'ny Raozery... tamin'ny folo latsaka kely. Nitehaka ny olona... sady latsa-dranomaso. Nifamihina mafy no azo natao... dia notohizana ny vavaka.

Dia nametraka sary iray aho tamin'izay fotoana izay. Ity ambany ity.

 

Toa izao kosa ny teny tamin'ity taona ity. (ny sary lehibe dia mety tsy ho hitanao raha tsy manana kaonty Flickr ianao. Raha manana kaonty flickr dia omeo ahy mangingina ny kaonty dia apetrako ho afaka mijery ny sary lehibe)

  IMGP5131 IMGP5130 IMGP5129 IMGP5126 IMGP5122 IMGP5120 IMGP5119 IMGP5117 IMGP5116 IMGP5115 IMGP5114

Trondro aprily

2006-04-01 @ 10:45 in Ankapobeny

Ny zavatra rehetra nitranga androany maraina dia tsy ninoako daholo... hadalan'izay nilaza ny marina androany maraina aloha fa na marina aza dia tsy ninoako. Tsy fantatro intsony tsinona hoe inona no marina.
Ny zavatra inoako fa lainga aloha dia ireto:
- Hanao fanamboarana hono ny Redbus, dia ho tapaka mandritra ny 15 andro ny epiknet.org. Ilay hoe Redbus hanao fanamboarana aloha dia azo inoana tanteraka satria nisy olana ihany ry zareo teo aloha teo (nahatapaka nandritra ny ora vitsivitsy sites internet maro)... fa hoe izay no hampikatona orinasa lehibe maro dia tsy possible.
- Nanao coco rasé hono i Mirana (vanilla ao amin'ny vanilla.blaogy.com). Raha hanapaka volo aloha dia inoako fa ho nataony fa raha hoe coco rasé dia inoako fa lainga . Sady tsy amin'izao mahasahirana azy amin'ny exam izao mihitsy i Mirana no hilingilingy hanova look tanteraka toa izany... indrindra raha jerena fotsiny ny effet psychologique sns...
- Novidian'ny Kraftfoods.com hono i NearlyFreeSpeech (izay mampiantrano mirroirs vitsivitsy an'ny serasera.org). Ilay filazandry zalahy azy ao amin'ilay vaovao no exagéré loatra ka tsy mampino... sady midedaka ery ry zalahy hoe izy no tsara indrindrindra... kanefa mpivarotra céréales no nividy azy.

Ireo aloha no hitako... sy "saika" ninoako.
Fa ny nampihomehy dia i lanto nikoropaka hoe tapaka izany ny chat-n'ny serasera mandritra ny 15 andro... dia angamba toa efa niantso fivoriana hoe hafindra maimaika aloha. Ssss... aza mifandrebireby wah fa zah zao weekend.

Ma première eclipse

2006-03-29 @ 11:35 in Ankapobeny

J'ai déjà l'âge de Jésus (qui ne le sais pas :-)), et c'est seulement aujourd'hui que j'ai vu ma première eclipse... et encore partielle. J'ai d'ailleurs failli la manquer. C'est vrai je ne l'ai pas remarquée, alors que presque un tiers du soleil a été caché par la lune. Il faisait toujours jour... et même quand je regardais le soleil (à l'oeil nu en quelques secodes - quelles bêtises) je ne voyais rien. J'ai eu enfin l'idée de prendre un CD et voilà... j'ai vu le soleil d'une forme étrange. C'était un événement.

EclipseJe ne voyais pas le soleil... dans sa forme manquée qu'à l'aide de ce CD. Et après avoir vu... j'ai eu une petite reflexion (Oui... ça m'arrive de penser :-) ). Comme nous avons tous nos défauts... une partie de nous-mêmes est cachée, entachée. Moi-même, je ne sais plus si je suis en éclipse partielle de 50 ou de 70% (pas en éclipse totale quand même). Mais c'est surtout ces 50 - 70% que l'on voit. Et moi, de même. C'est très facile de voir le petit defaut de l'autre... que d'apprécier sa grande qualité. "Fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka".

Et... si notre vie était une éclipse... que cette face caché de 30 - 50 - 70% ne sombrirait pas notre lumière.

Todo: ny voalohany no ambony

2006-03-28 @ 22:35 in Ankapobeny

Amin'izao fotoana izao ao amin'ny blaogy.com dia ny lahatsoratra
farany nampidirina no miseho voalohany. Izay aloha no tokony ho izy
amin'ny blaogy rehetra.
Fa amin'izao dia hitako misy mampiditra tantara. Ka asa mety ho
tsaratsara raha ohatra ka asiana safidy hoe ny lahatsoratra voalohany
ampidirina no miseho voalohany dia mitohy hatrany. Lojika kokoa io ho
an'ny tantara izay tohizana hatrany... Izany hoe rehefa vita ilay izy
dia mamaky eo amin'ny voalohany ny olona dia avy eo mamaky ny tohiny.
Raha mahaliana io dia hojerevana ny hanaovana azy.

Manina anao...

2006-03-28 @ 04:21 in Ankapobeny

Nanoratra ho ahy i Kolonjy avy any Ostia sady nandefa sary... Izy mianakavy.

Any Hery (Nanadino...snif)

Voaterin'ny fahanginan'ny maro antrano aho ka nanoratra ity silabato ity ho anao. Asa na fantatrao fa hatramin'izay naha ririnina ny andro izay dia tena fahanginana tanteraka no manjo anay aty. Nisy ihany ireo mbola sahisahy nirobo-drano fa tsy ela dia tratry ny gripa mahery. Ny ranon'erika nifafy tsy nisy toa izany. I Karangana rahavaviko io (ndlr. satria vehivavy i Kilonjy) loadoaky ny havandra... tsy nanan-kialofana. Ny loza koa dia na ny huitres izay hany namanay aza dia nendahina taminay indray tamin'ny desambra teo. Hanao noely hono ianareo...
Dia izahay mianakavy kely sisa no eto. Mijery faravodilanitra... mivangongo fa mangatsiaka.
Iny alefako aminao iny ny sarinay, ahitanao fa manirery tokoa e. Mbola io ilay toerana fakànareo aina... rehefa ianao ilay miankina amiko iny. Mbola io ny fasika filalaovantsika baolina... euh. Na dia natao tsatokazo fotsiny aza aho. Mbola ireny ny singako fanaonao tanisa... tsy nokasihako mihitsy. Sao mandalo tampoka ianao. Dia tadidinao koa ato anelakelako ato? Ilay fitehirizanao ny enta-tsarobidinao rehefa ianao handeha hilomano? Nodioviko ny bozaka izay nitady haniry. Noroahiko ny foza saika hialokaloka. Anao ho'aho io... dia anao irery.
Oviana ianao no tonga? Hiandry ny été sa ho tonga alohaloha toa ilay fanao taloha? Na tsy hilomano aza fa mba hiankinankina amiko? Tongava moa malaky... fa miandry anao zahay. Ento le scoubidou.

Novaliako fotsiny hoe...
"Tsy ho ela... mbola miandry an'ilay masoandro aho."

CSS Overwrite Plugin

2006-03-26 @ 22:20 in Ankapobeny

I have just released CSS Overwrite Plugin. This is the first plugin I
created for lifetype.

It is in fact an alternative for the TemplateEditor plugin. This
allows blogger to overwrite an existing CSS in a template or
create/import CSS in a completely blank template.

To use it. Just paste de code below in the header.template of the
template that should be overwritten. You can put it just after



{if $cssoverwrite->isEnabled()}

{$cssoverwrite->getCSS()}

{/if}



It can be downloaded here below
Cssoverwrite.zip

Fregene

2006-03-26 @ 05:55 in Ankapobeny


Image(9).jpgAry mety tsara izany ilay blaog'imailaka alefa mms. Avy any Fregene aho no nandefa ny sary tamin'ny findain'i Hanta.

Mbola nangatsiaka be tany Fregene androany. Efa nitsapa hoe aiza no tokony haleha rehefa manomboka misy masoandro. herinandro tsy mijanona misy masoandro dia tonga aho dia milomano indray fa tena manina be mihitsy. Androany aza efa tena te-hiroboka mihitsy fa menatr'olona.

Hatao mandritra ny weekend

2006-03-25 @ 02:30 in Ankapobeny

Ohatran'ny vao maika miangona daholo wah ny zavatra rehetra rehefa
weekend. Nefa tokony mba miala sasatra.
Apetrako eto daholo sao adino:
- Mampiditra TinyMCE ao amin'ny tahiry.serasera.org
- Manamboatra ny summary theme blaogy.com
- Mampiditra themes vaovao farafaharatsiny 3 ao amin'ny blaogy.com
- Manamboatra ny plugin CSS overwrite ao amin'ny blaogy.com (io no
important @ plugins rehetra tokony hamboarina)
- Afindra ny doka.serasera.org sao dia tratran'ny Bandwidth limit koa.

Dia ho hita eo hoe inona no vita.
Oups... kay mbola hamonjy fety, hanapaka volo, de radem hivoaka :-D
Tsy ho vita indray zany reo???

V per Vendetta

2006-03-23 @ 15:23 in Ankapobeny

Nijery an'ilay Film V per Vendetta izahay androany hariva. Tsy ratsy. 

"People should not be afraid of their governments. Governments should be afraid of their people."

Tsy ratsy ilay hevitra tamin'ity Film iray ity. Raha nandresy tamin'ny Ady lehibe faharoa hono ny Alemana dia ho tahatahaka izay nasehon'ny film ny zavaniseho amin'ny taona 2025.

Misy resaka politika ambadika ihany koa ilay izy, manohitra ireo izay mpitondra matanjaka etsy sy eroa ka manambany sy manindry ny sasany. Azo jerena tsara ilay izy fa mampirisika aho.

Ohatra blaogy

2006-03-21 @ 23:56 in Ankapobeny

Hapetrako eto tsikelikely ireo blaogy hafa tsy ato anatin'ny blaogy.com izay nahaliana ahy... arakarak'izay tratra eny miaraka amin'ny hevitro kely isaky ny blaogy.
Ny antony dia mba ahafahana mampiseho hoe inona avy no ataon'ny olona amin'ny blaogy.  (tohiny)

Hadisoana vitsivitsy

2006-03-21 @ 09:05 in Ankapobeny

Nisy hadisoana vitsivitsy nalefan'i fraz izany dia nahitsiko. Miampy
fanitsiana vitsivitsy ihany koa:

Tsy mitranga ilay adiresy imailaka hahafahana mahazo ny
valin'ireo commentaires (sady toa tsy azo ovaina ?)

Efa nahitsy fa angamba ok amin'izao.
Ny email dia tsy azo ovaina satria any amin'ny serasera no manova azy.

- Nanona teny miafina tao @ serasera.org dia niditra tao @ blaogy.com, dia
tsy mihatra fa ilay taloha ihany no nekeny ? sa miandry kelikely
?
Efa mety izy amin'izao fa nisy hadisoana koa teo

Fanampiny
Matetika rehefa manoratra dia misy hadisoana foana satria adino ny mifidy
sokajy. Amin'izao dia izay sokajy voalhany eo no voaray raha manadino
mifidy.

Na google aza mivika

2006-03-20 @ 08:06 in Ankapobeny

Saika hikredy be aho androany nahita fa nisy outages vitsivitsy tao amin'ny serveur misy ny blaogy.com... dia nangina tampoka rehefa nahita hoe na ny google aza nivika kely tao anatin'ny 10 minitra (16h59 - 17h10) Efa milamina tsara izao ny serveur...

Senza Parole... Vasco Rossi

2006-03-15 @ 12:52 in Ankapobeny

Vasco RossiHira anakiray anisan'ny malaza eto Italie... hirain'i Vasco Rossi.
Noezahiko nadika tamin'ny teny gasy fa toa tsy misy heviny tsara :-)
 (tohiny)

Andrana voaaro

2006-03-13 @ 03:40 in Ankapobeny

Ity izao ohatra dia mampiasa ilay hoe Enable pasword protection...

mila mampiditra mot de passe hoe test vao afaka mahita azy.

 (tohiny)

8 mars... et inégalités

2006-03-08 @ 02:57 in Ankapobeny

Je ne sais pas pourquoi les femmes sont fières de maintenir ce jour de 8 mars une journée pour les femmes. Ne sont-elles pas conscientes qu'en célébrant cette journée comme journée particulière, elles s'éloignent de plus en plus de leur idéal sur l'égalité de sexe... l'égalité au travail, l'égalité pour l'engagement des femmes en politique etc? Je préfèrerais qu'elles disent qu'elles n'ont pas besoin d'une journée particulière pour lutter. Qu'elles doivent lutter 365jours/ an... et que comme les hommes, elles ont droit au repos journalier, au repas quotidien, au travail... et tout cela tous les jours.

Using geshi

2006-03-04 @ 18:52 in Ankapobeny

I will put slowly codes here since this accept geshi

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry