« | »

Alahelon'ny faha 86 taona

2006-04-06 @ 22:23 in Ankapobeny

Feno 86 androany i Nonno. Lehilahy tsotra (toy ny voromailala) kanefa fetsy (toa ny menarana) mova tsy tahaka ny voalazan'ny Baiboly :-). Niarahaba azy vao maraina aho androany, nieritreritra fa hisaotra an'Andriamanitra izy amin'izao faha-86 taonany izao. Tsy izany anefa no niseho... nalahelo izy. Dia mbola niseho indray ny fahatsorany.

Ny alahelony? Mbola velona eto amin'ity tany feno haratsiana ity (sic!). Hatramin'izay, hoy izy, tsy mbola nisy an'izany mifamono ao antrano izany (vaovao nivoaka tamin'ny gazety vao hitany indray angamba io). Miha-rava izao tontolo izao, ny laingan'ny mpanao politika no heno etsy sy eroa. "Ireo olona rehetra manao fampanantenana ireo (satria mandeha be ny propagandy eto Italia) dia fantatro daholo ny nataony sy ny nataon'ireo tahafiny... kanefa amin'izao izy ireo miseho hitondra soa ho an'ny firenena". Dia lasa indray aloha ny resa-be nandritra ny minitra maromaro nanaporofoiny fa tena tsy mandeha mihitsy ny fiainana eto amin'ity tany ity. Noho izany tokony efa ho faty izy... "Matahotra aho, hoy ihany izy, kanefa ilay mandalo ny fahafatesana no atahorako fa tsy ny ao ambadiky ny fahafatesana".

Ny hany navaliko an'i Nonno dia hoe misy olona maro maniry ny mbola ho ela velona. Misy ireo mararin'ny aretina tsy mety sitrana intsony, ka efa voafetra ny andro iainany... ary maniry mafy ny mbola hiaina maharitra. Misy ireo isaky ny alina dia manahy sao dia tsy hifoha. Misy ireo isaky ny mivoaka ny trano dia matahotra sao dia tsy ho tafaverina velona ao antrano intsony. Misy ireo maniry mafy ny mbola hiaina eto amin'ity tany ity... koa misaora an'Andriamanitra raha mbola nomeny tombon'andro. Matoa ianao mbola velona dia ao raha... koa mifalia amin'izay mbola segondra omeny anao. Sady tsy izao tontolo izao no ratsy... fa ny olona sasany eo amin'izao tontolo izao. Any ho any, misy toerana, mbola miaina ao anaty filaminantsaina ny olona, mbola miadana ny mifankatia ny olona.

Comunque, buon compleanno e tanti auguri. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry