Ny seraserako maraina
Angamba tsy dia mahaliana anareo fa toa izao ny zavatra ataoko isaky ny manokatra ordi maraina aho. Mazava ho azy vao misokatra ny ordinatera-ko dia ny site serasera.org no jereko voalohany. Tsy nataoko tonga dia misokatra satria matetika ato ampiasana aho no manokatra internet vao maraina, ka soratana mihitsy. Amin'izao moa efa natambatra ao amin'ny http://serasera.org ny famintinana ny zavatra vaovao rehetra ao amin'ny serasera ka manao jery tamba-be azy rehetra hatrany ambony ka hatrany ambany aho aloha. Fa anisan'ny jereko sy manintona ahy ilay hoe "Tononkalo vaovao" ery ambany havanana ery, izay misy ny tononkalo vao tonga. Tsy maintsy voasintona hamaky tononkalo eo foana aho. Manokatra tononkalo anakiray dia avy eo miverina mamaky ny tononkalo hafa. Indraindray mahavita mamaky tononkalo hatramin'ny 10 aho (ilay hoe tononkalo be mpitia eo amin'ny http://vetso.serasera.org) vao mijanona.
Eritreritra nandalo fotsiny... hilazako hoe mamaky tononkalo aho :-p
Tsy hoe mirehareha amin'ny taingim-be any Madagasikara akory fa rehefa samy hifanesika ihany dia aleoko indray ilay mikiraviravy amin'ny bus toa izay tahaka ny omby ohatr'itony aty Italiafrika itony. Ny nahatonga ity gidragidra ity dia satria nofoanandry zareo ny train anakiroa teo aloha (noho ny toetr'andro hono) dia voatery misisika toa izao ny olona.