Angamba tsy eto Italia ihany no krizy amin'izao fotoana izao... fa ny eto kosa dia efa tsy rariny mihisy. Taorian'ny nanesorana an'i Berlusconi (tsy tamin'ny coup d'état fa hitany hoe tsy nanana majorité intsony izy dia niala), dia niditra teo amin'ny fitantanana ny governemanta i Mario Monti. Governemanta teknisianina avokoa (tsisy an'ireny sipasipa kely 30 taona tahaka ny tamin'i Berlusk ireny
) Dia anisan'ny vahaolana narosony ho an'ny krizy ny libéralisation...
Raha ny tokony ho izy izany dia tokony tsy hidina be intsony ny faripiainana.
Amin'izao anefa dia tsy faly amin'ilay libéralisation ny olona izay mitantana ny harena, toy ny mpivarotra, ny mpitatitra, ny mpitantana ny solika sns... dia migrevy indray. Dia mihitsoka tanteraka. Miditra any an-tsena any amin'ny supermarché dia betsaka ny toerana foana, tsy misy entana satria migrevy ny fiarabe mpitatitra entana. Mitombo ny vidin'ny solika satria tsisy mpitatitra solika. Misondrotra ny vidin-tsakafo eny antsena, nitombo avo roa heny ohatra ny vidin'ny legumes.
Ary androany dia nanampy trotraka koa ny fitateram-bahoaka (bus, metro, tram, train) tamin'ny fitokonana 24 ora izay nataony. Izany hoe tsy misy ny fitateram-bahoaka kanefa ny vidin'ny lasantsy niakatra be... vokany tsy miasa ny ankamroan'ny olona.
(Tehiriziko ato ity hovakiana any aoriana)
(grrr. lahatsoratra tsy vita ity, nosoratana tamin'ny zoma, fa milona
ao amin'ny vakiraoka ao dia aleo alefa ihany)
Henjikenjika be ity herinandro ity ka tsy nisy fotoana nanoratana
mihitsy. Ny trains sy bus izay nanome ny fotoanany hanoratana hatrizay
resin'ny torimaso tsy nahazo toerana nandritra ny alina. Manjary
misavorovoro ao antsaina fotsiny ny hevitra... Mitady fifandraisana.
Tsy hitako mihitsy izao, ohatra, ny ifandraisan'i Berlusconi amin'ny
omby vavy (na dia hoe lasa lavitra aza i leiry) kanefa mifandrirotra
ao antsaina satria lohahevira samy tokony navoaka tamin'ity herinandro
ity fa tsy tafavoaka. I Berlusconi moa iny hametra-pialana amin'ny
herinandro ambony iny. Maka tsirony faram-parany amin'ny Bunga-bunga.
Nilokaloka mihitsy i leiry fony voafidy hooe tsisy miala eo, saingy
tsisy fika. Ilay resaka omby vavy indray dia ilay pub humour malaza
hoe "Keleri-lait". Tsy tantaraiko fa jerijereo any, dia apondra ny azy
fa tsy omby, ary Gigi ny azy fa tsy i Zizi. :-)
Fa tsy ireo resaka roa ireo no tena horesahiko eto fa zavatra roa
samihafa. Ny iray nanaitra, ny iray tsia.
Nanohina ahy ilay film hoe "Omar ma tuer" (2011), mitantara zavatra
tena nisy. Ny nanentana ahy hijery azy aloha dia sendra nataon-dry
zalahy fomba fiteny ilay izy taorian'ny fanendrena an'i Omer Beriziky
ho praiminisitra. Fa ny votoatiny tsy misy ifandraisany mihitsy.
Tantara tena marina ny tantaran'i Omar. Mahaliana indrindra ho anay
izay mivahiny aty an-tanin'olona aty. Voalohany aloha hita hoe vokatry
ny maha vahiny azy fotsiny dia ny fanamelohana no mandeha alohan'ny
fanadihadiana ataon'ny polisy. Ny olona rehetra alohan'ny hanontany
azy dia efa samy resy lahatra fa izy no meloka... Na dia tsy nahalala
azy sy ny fomba fiainany akory aza. Faharoa dia nanana olana lehibe
izy vokatr'ilay tsy mbola mahay miteny frantsay. Tsy afaka nanazava sy
niaro tena. Vokany, 18 taona an-tranomaizina. Rehefa tena nohalalinina
anefa, na ny olontsotra fotsiny aza dia mahita hoe misy zavatra tsy
mitombona. Hatramin'izao moa izy dia mbola mitady ny marina ihany.
Ny zavatra iray tsy nanaitra ahy dia ilay 1111111111 tamin'ity taona
ity. Marina fa nahaliana ilay isa 1 be dia be tamin'ny 11 novambra
2011 tamin'ny 11 ora sy 11... fa dia ny nandreraka dia 1 minitra monja
io :-). Firy andro mialoha no niresahana azy. Hatramin'ny "illuminati"
avy no nanao vinavina. Kanefa tamin'ny 11ora sy 12mn dia efa tsy tafa
intsony. Ilay 11:11 aza moa dia efa samy nanana ny azy isaky ny
firenena, mbola vao tamin'ny 9 sy folo taty dia efa nisy niteny hoe am
11:11 izao eto Madagasikara... dia maninona?
Ny zavatra maivana sasany:
- Lasa praiminisitra i Beriziky
- M...
Inviato con Windows Mobile®.
Ce n'es pas une blague... Je viens de recevoir 120 euros de telecom Italia... Et je suis content... Miala tsiny fa teny gasigasy ny tohiny fa natao hisintomana kil fotsiny ilay mody natao teny frantsay eo ambony... litera 140 mandeha any amin'ny twitter sy facebook.
Fa tena marina. Nahazo verim-bola 120 euros tamin'ny telecom Italia aho. Aza miteny hoe izay vola kely izany ve, satria sarotra dia sarotra vao mahazo vola kely amin'ireo entreprises italiana ireo. Ny mifanohitra amin'izany aza mantsy no mateti-pitranga. Tamin'ny herintaona, ohatra, dia nandritra ny herintaona aho mbola nahazo faktioran'ny ligne telefonina tsy nampiasaiko akory na 1 segondra aza. Nefa isam-bolana dia tonga hatrany ilay faktiora. Ny ligne ampiasaiko amin'io efa fournisseur hafa mihitsy. Tato ho ato aho vao tsy nahare tohiny intsony fa angamba tonga saina, na reraka, na humm.
Ka ahoana ary ny momba ity 120 euros ity. Nanomboka tamin'ny faran'ny janoary teo dia tapatapaka ny internet tao antrano. Ny telefona mandeha tsara fa juste ny internet. Dia isaky ny tapaka dia miantso ny support avy hatrany aho. Dia amboarindry zareo ao anatin'ny 48 heures... dia avy eo tapaka indray dia toa izany foana. Misy fotoana izany rehefa tsy tapaka izy dia miari-tory bebe kokoa aho mba hahafahana manao zavatra dia rehefa tapaka izy dia matory aloha. Fa tsy tapaka mihitsy aho ny miantso ny support isaky ny tapaka. Farany dia niantso ny support commercial telecom aho nametraka fitarainana... notehiriziny tany ny fitarainana fa omaly kosa izy vao niantso dia nilaza fa averiny ny 120 euros.
Tsy mahasolo ny ora very isaky ny tsy misy internet io... fa mahafaly rehefa mba manao toa izany ny Telecom.
Efa firesako eto amin'ny blaogy matetika ny teny hoe Italiafrika izay iantsoako an'ity firenena ipetrahako ity. Italiafrika satria na dia aty Europa aza izy dia mbola toe-tsaina Afrikana ihany no ao anatiny. Ary tena Afrikana tokoa na amin'ny ratsy na amin'ny tsara. (tohiny)
Sady mi-blaogy ihany aho no mametraka ny video weekend. Androany vao nivoaka ny video weekend tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy tratra :-) Angaha rahateo moa nisy mahatsikaritra hoe tara :-p. (tohiny)
Omaly dia niseho tamin'ny gazety ary nalaza be tamin'ny vaovao hatramin'ny androany ny momba ilay vehivavy romena iray nasian'ny bandy iray totohondry teo amin'ny tavany tamin'ny zoma teo ka tonga dia latsaka en coma ary mbola miady aina amintsika miteny izao. Marina fa mety nisy ny ady am-bava teo amin'izy ireo nivoaka avy ao amin'ny metro fa maika loatra ny tanan'ilay ranamana ka izao nandratra olona izao. Miala tsiny nanoratra sy nangata-pamelàna izy rehefa avy eo hoe tsy nampoiziny ny zavatra nitranga saingy efa tara loatra hoy ny fianakaviana.
Zavatra vitsivitsy no nifangaro tao amin'ilay tantàra ka nahatonga io lohateny io. Ankoatry ny adin'izy roa, izay ilazàna foana hoe izay mikasi-tànana dia diso sy azo torìna hatrany, dia nisy zavatra hafa nitranga. Rehefa latsaka tamin'ny tany taorian'ny totohondry ravehivavy dia nijanona minitra maro teo amin'ny tany, nojeren'ny mpandalo fotsiny, vao nisy nanavotra. Raha nisy namonjy avy hatrany angamba izy mety tsy dia ho lalina loatra ny fahavoazana. Fa dia naninona loatra? Tahotra ve? Sa dia efa tsy nisy fo intsony izay nandalo? Mora tokoa aloha no mifanome tsiny fa raha toa ka teo amin'ny toeran'ireo mpandalo ny tena dia inona no ho natao? Impiry tokoa no misy olona mitsiràra eny Analakely, eny Behoririka, eny Besarety, kanefa dia dinganina fotsiny? Mety hoe mamo, matory, sns. fa raha sanatria ka mila vonjy?
Araka ny nolazain'ny lehiben'ny commune eto Roma dia hohenjehina araka ny lalàna manasazy ny "tsy famonjena olona tra-doza" ireo rehetra nandalo fotsiny tamin'iny fotoana iny.
Tsy hoe mirehareha amin'ny taingim-be any Madagasikara akory fa rehefa samy hifanesika ihany dia aleoko indray ilay mikiraviravy amin'ny bus toa izay tahaka ny omby ohatr'itony aty Italiafrika itony. Ny nahatonga ity gidragidra ity dia satria nofoanandry zareo ny train anakiroa teo aloha (noho ny toetr'andro hono) dia voatery misisika toa izao ny olona.
Ny fofona amin'io an grrr :-)
Somary nanindrona ahy ny teny voalaza ao amin'ny baiboly izay hovakiana ho an'ny katolika eran-tany androany. Ah, mety misy tokoa ny tsy mahalala fa ho an'ny katolika Romana dia fombam-pivavahana iray ihany no iraisana eran-tany. Izany hoe mitovy avokoa ny teny ao amin'ny baiboly izay re eran'ny fiangonana androany. Ka androany dia ilay hoe "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara" (Jereo eto) no ho heno. (tohiny)
Efa ela mihitsy aho no te-hizara aminareo ny fitaterana eto ItaliAfrika fa izao vao vitako... sady nisy sary nahafahana nanohana ny fitarainana 
(tohiny)
Eritreritra fohifohy sendra taorian'ny naharesen'i Italia alina.
Azo atao hoe tsy ao intsony ireo mpilalao italiana ireo fa tsy tahaka ny tamin'ny mondialy farany teo. Io no tena hadisoan'ny mpanazatra... satria izy no mpifidy mpilalao. Kanefa iza moa no mpilalao hofidina eo raha tsy misy? (tohiny)
Resin'i Holandy 3-0 (telo sy donga) i Italia omaly. Tahaka ny lehilahy rehetra dia mba tia mijery baolika kitra koa aho... ary manaraka sy tsy azo tabatabaina mihitsy rehefa fifanitsanana lehibe toy ny CAN, Euro, Mondial. Omaly ary dia ny ekipa Holandezy sy ny Italiana no nihaona. Fidirana voalohan'ny Italiana tamin'ity Euro 2008 ity. Fantatsika ny vokatra, resy 3-0 i Italia.
Fa ny tena nahagaga ahy, isaky ny misy baolina miditra dia misy mihoraka be foana. Kanefa tsisy Holandé mipetraka akory eny aminay eny. Dia rehefa nalefa ny eritreritra dia hoe misy tsy maka Italiana maro ny mpjery eny amin'ny manodidina anay eny... ary tsy matahotra atao hoe tsy maka ekipa Italiana. Toerana be vahiny mantsy eny, ka amin'izao mampafanafana ny resaka vahiny eto Italia izao dia atao daholo koa izay fomba rehetra hampisehoana ny fankahalàna ny governemanta. Dia afangarondry zalahy indray izany ny resaka politika sy ny resaka sport. Halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao.
Anisan'ny fomba fiteny malagasy ilay hoe manao sahobakaka ambodiriana (ny tohiny dia be dia be :-)). Ny sahobakaka ambodiriana dia ireny sahobakaka miezaka mitsambikina hihoatra riana ireny kanefa tsy afaka. Ny eritreritra be dia be fa ny hoza-pe no tsy maharaka. (tohiny)
Ity sarimihetsika kely ity dia namboarin'i Bruno Bozzetto izay Italiana. Mampiseho ny mahasamihafa ny Italiana amin'ny Eoropeana hafa... na ny marimarina kokoa, ny mampitovy ny Italiana amin'ny Afrikana :-)
(tohiny)
Mbola tsy tonga ny lohataona (printemps, primavera) aty Italie kanefa efa manomboka miposaka sahady ny masoandro... nangina ny tontolo nandritra ny fotoana vitsivitsin'ny ririnina... dia nangina koa ny blaogiko. Nifoha kely izy izao... fa nisy masoandro kely indrindra vokatry ny tel voaray vao teo. (tohiny)
Claudio BurlandoVaovao nanaitra indray ity nitranga omaly ity. Governoran'i Liguria izay sady minisitry ny fitaterana teo aloha no efa solombavam-bahoaka ihany koa. Atoa. Burlando dia nandeha tamin'ny zotra mifanohitra amin'ny tokony ho izy tamin'ny lalambe Autoroute. Ilay antsoina foana hoe "à contre sens" amin'ny teny frantsay na "contromano" amin'ny teny Italiana. Efa maherin'ny 1 km izy no nanao izany, nifanena tamin'ny fiara vitsivitsy, vao nijanona. Soa ihany fa tsy niteraka loza. Ireo fiara izay nifanena taminy moa dia niantso ny polisy avy hatrany. Nony tonga anefa ny polisy dia nasehony ny karatra maha solombavam-bahoaka azy, karatra efa lany daty, dia navelan'ny polisy nandeha fotsiny izy.
Ny eto Italia, amin'ny maha firenena Afrikana azy, dia mbola manaja tsara ireny filoha na mpitondra na solombavam-bahoaka taloha ireny. Firifiry tokoa moa ny mpitondra taloha aty amin'ny tany afrikana no miliba fotsiny na dia be aza ny zavatra tsy nety nataony sy nanenjehana azy nandritra ny fotoana nitondrany. Fitandroana ny "Fihavanana" daholo izany.
Efa nolazaiko ihany tatsy aloha tatsy ny fahitako an'i Venise, tananam-pitiavana. Aiza tokoa re ny tananam-pitiavana any Dago... Anjely Mainty eny Anosy? Eny Ambatofotsy? Eny Imeritsiatosika? Eny Ambohijanahary? Eny Tsimbazaza? Ireo aloha no tadidiko fampiarahan'ny olona taloha. (tohiny)