« | »

Boatin'afokasika

2007-06-27 @ 09:06 in ItaliAfrika

Efa nolazaiko ihany tatsy aloha tatsy ny fahitako an'i Venise, tananam-pitiavana. Aiza tokoa re ny tananam-pitiavana any Dago... Anjely Mainty eny Anosy? Eny Ambatofotsy? Eny Imeritsiatosika? Eny Ambohijanahary? Eny Tsimbazaza? Ireo aloha no tadidiko fampiarahan'ny olona taloha.
Fa ity indray izay tsy voatantarako tamin'io fotoana io dia zavatra iray nitranga teny andalana. Tsy hotantaraiko foana ny zavatra sasany mandoto blaogy.

Nony efa maraindraina efa akaiky mihitsy an'i Venise, toa tao Padova iny raha tsy diso aho dia tonga ny mpisava tapakila tao anaty train. Efatra moa izahay no tao anatin'ilay efitra kely. Izahay telo samy nanana ny tapakilanay avy fa ilay Bengla iray (avy any Bengladesh) dia tsy nanana fa tonga dia nanontany avy hatrany hoe "Ohatrinona ny billet fa izao aho no hividy". Samy mahalala fa azo ividianana billet tokoa any anaty Train fa misy sazy aloa miaraka aminy... raha tsy izany tsy hisy hivaky loha hividy billet mialoha. Dia nanontany teo aloha ilay mpisava hoe fa hatraiza ianao no tsy nanana tapakila. Dia hatrany Roma hoy ny andaniny. Nentin'ilay mpisava nivoaka tetsy andalantsara ranamana ary mbola henonay daholo ny resaka nataony. Ny niafaran'ny resaka teo dia nahazo tapakila kely izay izy ary ny vidiny dia atsasaky ny billet novidianay. 

Gaga daholo izahay telo niaraka taminy tao tamin'ny voalohany. Fa nony avy eo dia tonga saina hoe zavatra mitranga izany rehefa eto Afrika. Mova tsy tahaka ilay boatin'afokasika malaza any Dago. Rehefa hanao tsolotra kely ianao dia atao ao anaty boatin'afokasika ilay vola dia omena azy any. Tsy misy mahalala amin'izay hoe nisy vola any. Ny azo noeritreretina izany dia mety nataon'ilay mpisava ampaosy ny vola nalohan'ilay ranamana io.

Tandremo, tahaka ny firenena rehetra eto Afrika ihany dia mba misy koa ny mpisava manara-dalàna. Sao mantsy hanao kidaondrano foana isaky ny mandeha aty :-)

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry