Nofy fahavaratra

2021-06-23 @ 05:38 in Izaho sy ny ahy

Zavatra tsapako tato ho ato hoe lasa tsotra be ny nofiko. Angamba hoe efa miha be taona. Tsy misy suspens mampitaintaina intsony. Izany nofy ratsy izany moa dia efa ela tsy hita. Ny nofy faran'izay ratsy nitranga angamba dia ilay nanofy hoe mamo. Tamin'izay ara mbola izaho ihany no nanamboatra ny scenario satria tsy sensation mbola niainako mihitsy ilay mamo. Fa ohat'izany daholo ny nofiko amin'izao. Ohatry ny hoe fiainana hafa en parallèle fotsiny ny nofy, zavatra azo tanterahina daholo... nefa hono mba nofy 😊

Taloha nefa misy nofy tena hoe nofinofy. Rehdfa taitra ianao dia mbola miezaka mitady torimaso hanohizana azy. Na foronina eo am-pandriana mihitsy ny épisodes sasany. Dia manofinofy eo. Izany manofy manidina izany tena fahasambarana. Nisy an'izay nofiko manidina niverimberina izay. Tao anatina tunnels maromaro misesy hono... toa lalan'ny fiaran-dalamby mandeha any Ambatolampy. Dia miditra anatin'ny tunnel iray. Rehefa ao anatiny nefa no tonga ny fiara dia manidina aho mba tsy ho tratrany. Im-betsaka mihitsy izay nofy iray izay no niverina. Karazana superman kely izany tamin'izany. Fa izao tsy nisy intsony.

Angamba misy dikany ara-pahasalamana koa izany. Matetika mantsy ny nofy ratsy dia misy dikany ara-pahasalamana, aretim-po na aty na saina sns. Ka angamba ny manofy tsara na tsy manofy be koa misy dikany hafa.

Podcast

2021-06-03 @ 20:29 in Izaho sy ny ahy

Mpihaino radio mavitrika aho, ary hitako hoe raha eto Frantsa dia mbola manan-danja ihany ny radio na dia eo aza ny firongatry ny internet sy ny fahitalavitra. Ny anisan'ny itiavako ny radio dia noho izy tsy mibahana ny asan'ny maso. Na dia mandeha aza ny radio dia mbola afaka manao ny asa fanaoko ihany ny masoko... na dia hoe marina fa mihena kely aza ny fifantohan'ny saina. Ny radio tena henoiko matetika dia ny France Inter, FM 95,70 izy raha avy eto amin'ny toerana misy anay. Efa mila ho haiko tsianjery avokoa ireo fandaharana sy ny mpanolotra azy. Azo atao hoe radiom-panjakana, ilay antsoin-dry zareo Frantsay hoe  "service public" ny France Inter ka matotra kokoa ny fandaharana vokariny. Misy izany ny fandaharana ankafiziko manokana fa misy koa ny tonga dia dinganiko avy hatrany. Resaka safidy ilay izy ka tsy dia tena hoe hovelabelarina.

Fa ny antony nanoratako ity dia te hizara aminareo mpamaky aho hoe ankoatra ny radio mivantana dia miha-malaza koa amin'izao ny resaka podcast. Izany hoe karazana radio tsy mivantana. Azo eritreretina hoe mitovy amin'ireny youtube ireny izy saingy tsy sary fa feo kosa. Izany hoe karazana fandaharana mpandeha amin'ny radio no henoinao fa tsy mivantana. Afaka misafidy izany ianao araka izay tianao. Ankoatra ny fandaharana mpandeha ao amin'ny radio France Inter ary dia nanintona ahy tato ho ato ny tantara vokarin'izy ireo izay mivoaka ao amin'ny Les fictions de France culture... satria tena izany koa ny podcast... misy tantara izay azonao henoina. Tantara foronina tahaka ireny mpandeha amin'ny radio tany Madagasikara ireny, saingy amin'ny teny frantsay mazava ho azy. Raha hihaino sombin'ny zavatra nahaliana ahy ianareo dia afaka mihaino avy hatrany eto ambany eto. Misy tantara fohy tahaka izao koa mantsy ao.

Dia lasa mitombo kely ny eritreritro hoe tsy tokony ho azo atao ve ny zavatra toa izany amin'ny teny malagasy? Tena mahaliana ahy raha mba misy toerana fitehirizana tantara na fandaharana maro amin'ny teny malagasy. Raha misy ny mpanohana dia vonona ny hanomboka izany ao amin'ny RadioVazoGasy aho...

 

Manina ny bar aho izany

2021-02-27 @ 09:22 in Izaho sy ny ahy

Alasarona kely aloha. Tany Italia dia in-telo isanandro farafahakeliny no miditra "bar". Saingy ny "bar" any Italie dia tsy fisotroana toaka loatra, na dia mivarotra toaka koa aza, fa fisotroana kafé. Efa ho isaky ny 100 metatra dia misy "bar" ary tsy mahamenatra mihitsy ny mipetraka maharitra ao anatiny. Misy sakafo koa aza izy indraindray. Ny aty Frantsa indray ny "bar" toa tena fisotroana mihitsy, na dia mivarotra kafé koa aza izy indraindray.

Amin'izao fotoanan'ny COVID izao dia mihidy ny bar aty, efa ho am-bolana izao. Any anefa no toerana tena fihaonan'ny ankamaroan'ny olona. Ny mpiara-miasa rehefa avy miasa dia any no manala havizanana kely amin'ny resaka ivelan'ny asa tanteraka. Ny tanora vao mifankahalala dia any no mifanasa amin'ilay teny malaza hoe "je t'offre un verre?". Ny andian-jatovo mpinamana dia mbola any koa no "mandamina" fandaharam-potoana ho an'ny lahy sy "mifosa" ho an'ny vavy. Ireo efa zokinjokiny sy misotro ronono koa dia any no mifampiresadresaka ny "fiainana taloha" na dia tsy ronono akory aza no sotroiny any.

Fa ny tena nahatonga ahy nanoratra ity lahatsoratra ity dia ny hampahafantatra anareo ny site iray nanaitra ahy "I miss my bar" izany hoe manina ny bar-ko aho. Takelaka iray hihainoana ny feo mitranga ao anaty "bar". Mandritra izao fotoana fikatonan'y "bar" izao dia mety misy ireo te hihaino ny feo fandre anatin'ireny "bar" ireny. Ka nisy nanana hevitra nametraka anatin'io site io izany feo izany. Ho henonao ao ny feon'ny mpikarakara cocktail, ny fampidinana zava-pisotro anaty vera, ny feon'ny olona manodidina sns.

Koa raha manimanina ny "bar" ianao amin'izao fotoan-tsarotra izao dia aza misalasala mandeha ao amin'ny http://www.imissmybar.com/

Fiomanana noely 2020

2020-12-12 @ 10:00 in Izaho sy ny ahy, Fiaraha-monina

Ny firariana dia hoe hijanona ho fahatsiarovana ity taona 2020 anisan'ny nanahirana an'izao tontolo izao ity. Tamin'ny herintaona tahaka izao tokoa dia tsy nisy nieritreritra hoe ho tahaka izao ny fiafaran'ity taona 2020 izay nolazaina hoe 20/20 ity. Ravan'ny COVID19 ny ankamaroan'ny tetikasa rehetra. Betsaka ny lasa tsy an'asa. Fa anisan'ny mampalahelo dia tsy voafehy ilay fiparitahan'ny valan'aretina ka na ny fetin'ny faran'ny taona aza dia tsizarizary.

Tsy dia tena ifanomezantsiny nefa na izany aza dia tsara ihany tsiahivina ho anatra ho an'ny sisa (sy ho an'ny hafa) fa ny tsy fitandremantenan'ny tsirairay no mahatonga an'izao fitarazohan'ny valan'aretina izao. Ady be mihitsy vao mahavita mandresy lahatra ny tsirairay hoe mampiasà masques, tandremo ny fifaneraserana, manasà tanana matetika sns. Nandritra ny vakansy jolay sy aogositra dia tahaka ny hoe tsy nisy valan'aretina atahorana na dia naverimberina foana aza hoe tsy mbola tapitra ny fifindran'ny aretina. Toa izay miteny foana no diso. Tsy eo no ho eo koa moa ilay fahavoazana dia tsy tsapan'ny tsy tonga saina. Raha ohatra ka hoe vao tsy mitandrina tonga dia mikohaka, mety ho betsaka ihany no nitandrina.

Jereo anefa ny any Chine amin'izao, tany no nipoiran'ny aretina kanefa amin'izao tsy nisy deuxième vague tany. Satria mafy be mihitsy ny fepetra noraisin'izy ireo tamin'ny fiarovana.

Ny hany azo atao dia ny manaiky izay fepetra mitranga eo. Misy fanantenana kely koa noho ny fisian'ny vakisiny kanefa izao dia efa betsaka sahady indray no miezaka manohitra. Fikafika fotsiny hono ny vaksiny e, resaka politika e. Ny sasany aza moa dia mieritreritra hoe misy fifandraisany ny 5G sy ny vakisiny.

Ny fepetra noraisin'ny fanjakana frantsay izany amin'izao noely izao dia ny couvre-feu manomboka amin'ny 20h hatramin'ny 6h, ka tsy hisy indra fo ho an'izay tratra. Mbola betsaka koa ny toerana mihidy ho fitsinjovana ny fivezivezena sy fifampikasohana. Dia miandry ny fivorany.

 

Bye bye serasera yahoogroups

2020-12-06 @ 17:43 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Lahatsoratro farany tao amin'ny [email protected] 

---------

Miarahaba antsika rehetra

 

Araka ny vaovao izany dia mifarana amin'ity faha 15 ny volana désambra 2020 ity ny Yahoo Groups izay nampiantrano ny dinidinika teto amin'ny Serasera nandritra izay 20 taona mahery kely izay. Nanomboka tamin'ny taona 1999 tany tokoa no nanombohan'ity toerana fifanakalozana ity. Ary ity fifandraisana antsoratra ity no niantombohan'ny hevitra rehetra ao amin'ny serasera.org Nisy ny fotoana tena nilàna izany teo amin'ny fiainan'ny diaspora. Fotoana nahafinaritra ireny ka isaorana antsika rehetra.
Amin'izao fotoanan'ny tambazotram-piaraha-monina izao dia tsy dia misy manoratra eto firy intsony isika na dia mbola mandray hafatra daholo ihany aza. Amin'izao dia misy 1000 mahery ny mpikambana mbola mandray hafatra. Ka angamba hivalona ho tantara amin'izay izany ny Serasera. Raha misy soso-kevitra hafa moa dia raisina ihany.
Koa mamerina ny fisaorana antsika rehetra indrindra ireo izay teto hatramin'ny voalohany, niatrika ny resaka rehetra teto. Angamba nisy vokany tamin'ny fiainantsika, na ny fiainan'ny Malagasy hafa ihany ireny resaka rehetra nandalo teto ireny. Ho ahy manokana dia nampivoatra ny fomba fisainako sy ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena ny fiseraserana teto amin'ny serasera ary nandray anjara tamin'izany avokoa ianareo rehetra.
Ny takelaka serasera.org sy ireo sampana rehetra avy aminy dia ezahiko tohizana ihany.
Soava dia daholo
Hery

 

Que des idées f(x)

2020-05-03 @ 12:14 in Izaho sy ny ahy, Dev

Sketch

Je comprends maintenant pourquoi certaines personnes laissent tout pour leurs idéaux. Ils se concentrent à un but final et évitent tout autre chose qui pourrait les empêcher d’y arriver. 

Parce que ces jours-ci, j’ai beaucoup d’idées, beaucoup de réalisations en tête. Mais c’est impossible de les accomplir. J’ai juste pas assez de temps. Il me faut aussi occuper de beaucoup d’autres choses, ma famille entre autres. Je ne peux donc pas prendre toute ma concentration pour ces réalisations sauf si elles arrivent à me remplacer dans mes devoirs économiques… 

Si à travers ce que je fais, j’arrivais à compenser mon équivalent de salaire, je consacrerais mon temps de travail entier à le faire. C’est mathématique.

Mais en attendant, je ne peux que lui donner des miettes de temps, ceux dont je n’ai pas besoin, pas importants.

 

Nanomboka vlog - Video Log

2016-10-14 @ 07:27 in Izaho sy ny ahy

Nanomboka nanao vlog aho androany. Ny vlog na video log dia fanangonangonana resaka izay mahakasika lohahevitra maro ao anaty video. Mitovy amin'ny blaogy ihany izany saingy antsary fotsiny. Ny zavatra hotantaraina ao anatin'ity vlog ity dia ny hevitro mikasika ny zavatra mitranga sy ny zavatra iainako na ny zavatra reko sy ny zavatra hitako. Hoezahina hatao tsotra sy fohy ary amin'ny teny malagasy manontolo ny vlog. Atao 3 minitra raha ela indrindra. Ary sady hisy ao amin'ny Youtube (Jereo eto) no hisy ao amin'ny Facebook (jereo eto). Noeritreretiko hoe moramora kokoa ho ahy ny mamelabelatra hevitra raha mivantana amin'ny resaka. Fa hotohizako ihany koa anefa ny blaogy.

Indro ara ny teny fanolorana sy fiarahabana.

Fony aho 7 taona

2016-07-01 @ 11:09 in Izaho sy ny ahy

Tsy dia tena ilay hiran’i Lukas Graham hoe “7 years” loatra na dia hoe iny ihany aza no nahatonga ny aingam-panahy hanoratra lahatsoratra eto amin’ny blaogy indray rehefa kivin’ny zava-miseho eo amin’ny facebook. Tsy nanoratra momba an’i OmGui tokoa aho, tsy niresaka fetin’ny 26 jiona, tsy nanoratra momba ny bomba mipoaka, tsy nanoratra momba ny mananasy, ny trano may tetsy sy teroa sns. Nefa taloha anisan’ny soratako ato daholo ireny :-) Fa mbola ho avy ka… mbola ho avy. Fa androany aloha.

Mbola tanora be tokoa angamba i Lukas Graham, na tsy mitovy generation amintsika (isika), satria raha marina io tantarainy amin’ny hirany io, hoe fony izy 7 taona dia nolazain’ny mamany hoe mitadiava namana sao ho tokan-tena, dia tena hafa mihitsy ny zavatra nanahirantsaina ny reniny tamin’izany. Tsy izany ny zavatra nanahirantsaina ny reninay fony izahay 7 taona.

Fony aho 7 taona dia niaina tao anaty fahadiovan’ny ankizy tanteraka. Tsy tadidiko ny ankamaroan’ny zavatra niainana, mazava ho azy, satria tsy dia nisy zavatra nanamarika ahy loatra ankoatry ny fiainan’ankizy. Namana avokoa na iza na iza, tsy nisy hoe foko avy aiza. Nisy ihany ireo ankizy nalaza hoe maditra teo amin’ny tanàna tsy dia navela nifaneraseràna loatra… saingy tsy voasakan’izany rehefa tena miara-milalao. Tadidiko ry Fifi, Vévé, ry Zozé, ry Nônô kely, tafiditra tao anatin’ny lisitra mainty, tsy tokony hifaneraserana, nefa toa namana tsara ihany tsy nisy fanavahana.

Fony aho 7 taona, toa navela nalalaka, mivoaka irery eny an-tokontany. Mino aho fa nataon’ny ray aman-dreny tazan-davitra ihany fa tsy nosemban-tsembanina kosa.

Fony aho 7 taona dia efa nahavita irakiraka mividy zavatra teo amin’ny tsenakely tsy dia lavitra. Nividy mofo maraina, nividy sigara tsindraindray.

Fony aho 7 taona, ny tena nahaliana ahy dia ny any an-tokontany, miaraka amin’ny namana. Tsy variana milalao irery na mijery fahitalavitra. Vao vita ny sakafo dia efa rifatra hivoaka. “Ho aiza? Handeha hilalao.” Hilalao fotsiny tsy misy tohiny fa rehefa any an-tokontany vao fantatra hoe hanao inona.

Fa amin’izao fotoana izao, 7 taona ny zanako, hafa be mihitsy ny fitaizana raha miohatra amin’ny anay. Miaraka aminay ny ankamaroan’ny fotoanany rehefa tsy mianatra. Rehefa milalao miaraka amin’ny ankizy ao antokotany izay mifefy sy mihidy vavahady izy dia tsy maintsy eo ny iray aminay, tsy izahay irery fa ny ray amandrenin’ny ankizy miaraka milalao aminy koa.

Na amin’ny fihaonana amin’ny malagasy hafa aza, hahitàny namana Gasy hilalaovana, dia tsy maintsy voajery isa-minitra. Voafehy, tandremana. Sao dia…

Vokany, tsy manana fahalalahana tsara intsony… dia avy eo ho tapa-kofehy rehefa votsotra. Mila torohevitra na dia efa fantatra ihany hoe inona no tokony hatao.

Famaranana: Noho ny vinavinan’ny solombavam-bahoaka handany ilay lalàna mikasika ny serasera izay ahitàna fanampenam-bava dia angamba ho resaka tahaka izao sisa no amin’ny blaogiko. Tsy hisy politika intsony, tsy hisy tsikera fitondrana na olom-pitondrana intsony. Fa tsy maninona izany. Izany no vokany rehefa te hifidy depioté tsy mahalala akory ny lalàna hofidiny. Tapitra



 

 

Tetik'asa Arduino I - Fiara kely

2016-01-24 @ 00:38 in Izaho sy ny ahy, Informatika, Teknolojia

Koa satria ito no tetik'asa voalohany amin'ny Arduino ataoko dia tsara ihany angamba hazavaina fohifohy ny momba ny Arduino ho an'izay tsy mahalala. Raha handalina bebe kokoa dia afaka mandeha ao amin'ny site officiel-n'ny arduino ao amin'ny http://www.arduino.cc. NyArduino dia azo lazaina hoe fitaovana iray (noforonina ekipa italiana) izay tsotra sy misokatra hahafahana manao tetikasa elektronika. Alaivo sary antsaina fotsiny ohatra hoe ny fanokafana vavahady, ny fampandehanana jiro maintso, ny jiro krismasy mifandimbindimby sns. dia azo atao amin'ny arduino avokoa. Ny olona rehetra manana finiavana hikirakira elektronika sy programmation tsotra dia afaka mitrandraka arduino. Betsaka ny fampianarana ao amin'ny youtube izay mikasika azy ka tsy dia manahirana loatra.

Izay no ela fa tamin'ny novambra aho no tena nanomboka nihaona tamin'ny Arduino ka nanana tetikasa voalohany hoe hampandeha ilay fiarakelin'i Aina aminy. 

Fiara efa téléguidé saingy very ny télécommande dia tsy nandeha intsony. Dia nesorina tanteraka ny circuit-ny ka hosoloina Arduino.
Arduino Nano V3 no nojerena tao amin'ny Ebay ka teo amin'ny 6 Euros teo ny vidiny. Ny Arduino nano dia tableau arduino kely. Misy ny zavatra rehetra ao amin'ny Arduino izy saingy kely fotsiny ka mety tsara amin'ity tetikasa ity satria tafiditra ao anatin'ilay fiara. 
Kely dia kely tokoa ny Arduino Nano V3 kanefa mora dia mora tokoa ny vidiny, indrindra raha vidiana ao amin'ny Aliexpress na ao amin'ny Banggood satria mahatratra 2 Euros mihitsy izy any. Ity novidiko ity dia tsy soudé, izany hoe misaraka aminy ny broche ka raha ilainao dia ianao ihany no mi-souder azy. Ny ahy moa no-souder-ko satria hapetraka amin'ny platine d'expérimentation (na breadboard) ary betsaka ny bokotra (pins) ilaiko. 
Ankoatra an'io Arduino io dia nila zavatra roa hafa ihany koa. Ny voalohany dia module Bluetooth HC-06 hibaikoana an'ilay fiara avy amin'ny alalan'ny smartphone. Nisy ny niteny hoe tsy mahazaka 5v io module io na dia betsaka aza ireo ao amin'ny youtube tonga dia mametaka azy amin'ny 5v, koa dia voatery nampandalovina mpampihena courant ilay izy (jereo ilay resistances roa R1 sy R2 eo amin'ny schema) hahazoana 3,3v eo ho eo.  Ary ny faharoa dia ny module Pilote de moteur L9110 izay hibaikoan'ny arduino ny motera anakiroa ao amin'ilay fiara. Misy motera roa tokoa mantsy ilay fiara, ny iray ao aoriana izay manosika sy mampihemotra azy ary ny iray kosa ao aloha miandraikitra ny fiviliana havia sy havanana. 
Ankoatr'ireo dia tena nilaina koa ny tariby isan-karazany izay mampifandray ny Arduino amin'ireocomposants na modules hafa. Tao anatin'ilay fiara indray dia efa nisy fitoerana piles efatra izay 6 volts no fitambarany ka mety amin'ny Arduino tsara. 
Tamin'ny voalohany aho dia nisalasala na Bluetooth no hampiasaina hibaikoina azy na WiFi. Fa hitako hoe Bluetooth no mety kokoa satria afaka ampiasaina na aiza na aiza... 
Eo amin'ny lafiny software indray dia tena mahaliana ny Arduino satria misy ny atao hoe Arduino IDEizay ampidirina amin'ny ordinatera dia afaka mifandray avy hatrany amin'ny Arduino board (tahaka nyArduino Nano). Raha ny tena izy dia mampiasa "language C" amin'ny programmation ny Arduino, ho an'izay tsy dia tia programmation kosa dia efa misy ny fanamboarana tetikasa amin'ny arduino amin'ny alalan'ny kisarisary, azonao jerena eto ny mBlock momba izany.
Toa izao izany ny schema kely mikasika ny branchement. Ialana tsiny fa tsy nianatra electronique aho fa dia izay fahaizako azy tao no natao. Mino aho fa mahita zavatra betsaka hotsikeraina ry zalahy ingénieurtahaka an'i zandrinay :-p  (Sary no-imprimer-na avy ato)
Koa satria matanjaka be ireo moteurs dia tsy zakan'ny Arduino (tonga dia maty ny bluetooth raha vao mihodina ela ny moteur) dia nalaina mivantana avy amin'ny alimentation 6v ny courant mampihodina azy. 
Ny télécommande izay mampandeha azy dia avy ao amin'ny PlayStore antsoina hoe Arduino Bluetooth Car. Efa asehony ao anatin'io fitaovana io ny commandes rehetra ampitainy any amin'ny arduino dia iny fotsiny no ampidirina amin'ny script izay hampiasaina.
Ny zavatra fanampiny dia ny jiro sy ny buzzer (solona klaxon). Tsy eo amin'ny schema eo ambony fa jiro roa sy resistors fotsiny ary haut parleur kely iray nalaina avy amin'ny casque no natsatoka amin'ny broches iray amin'ny arduino.
Ireto ambany ireto ary ny sary sy ny script hanaingo ity resaka ity.

Ny code dia ao amin'ny GitHub : https://gist.github.com/heriniaina/1f8523167df40dbb8c87

Mes deux mois de Netflix

2016-01-12 @ 12:40 in Izaho sy ny ahy

Nalaina tao amin'ny internet

Roa volana izay no nitsapako ny netflix. Ny iray volana maimaim-poana, dia avy eo mbola nampiasa iray volana 8 Eur. Nanaitra ihany aloha tamin'ny voalohany hoe tonga eto Italia (sy toa eran-tany koa) ny Netflix izay heno be avy any amin'ny bekintana USA ny lazany. Maimaim-poana rahateo ny iray volana, ary afaka mijanona avy hatrany na oviana na oviana ka tsy te hijery intsony. Dia nanandrana tokoa. Tao anatin'ny iray volana dia lany tao nijerena serie iray misy 7 saisons izay manana episodes 12 amin'ny 45 minitra ny fotoana. Raha atao kajikajy dia any amin'ny 65 ora any. Zavatra roa no azo tsoahina: matoa zavatra nandaniako 65 ora izany dia mahaliana ahy tokoa :-) (izaho tsy miteny hoe tsara), ary faharoa tena betsaka ihany izany 65 ora izany ao anatin'ny iray volana. Ka hotohizana sa hajanona?

Anisan'ny mahafinaritra ny Netflix dia mandefa hafatra izy rehefa ho tapitra ny volana hoe mbola hanohy hijery ve ianao amin'ny volana manaraka? Raha tsy hanohy hijery dia mila tapahina ny famandrihana, raha tsy izany dia alainy tsikelikely ao amin'ny kaontinao ny sarany. Ny Gasy moa tsy mety afa-po ary mila mahazo tombony foana, dia notadiavina izay tsy hahafaty antoka raha toa ka mandoa ilay 8 Euros isam-bolana... na dia kely aza izany. Hita ary aloha izao fa ahazoana fahafinaretana ilay izy dia notohizana... holazaiko eo ihany rehef manamorida (teny vaovao io) toa ny nataon'ny sky izay voatery notapahina teo.

(Sary nindramina tao amin'ny internet)

Misy inona eto Vatican?

2015-11-03 @ 20:37 in Izaho sy ny ahy

Haheno resa-be momba an'i Vatican indray isika ato ho ato noho ny fivoahan'ny boky anakiroa izay milaza kolikoly eo anivon'ny mpiasa ambony ao Vatican. Ny votoatin'ireo boky ireo dia manambara ireo fanodikodinam-bola sy fiainan'ny mpanan-karena ataon'ireo olona vitsivitsy ao amin'ny governemantan'i Vatican. 


sary afp

Araka ny re dia tsy mandà ny zava-mitranga ny Papa saingy tony kosa izy satria ady efa natombony hatramin'ny nitondrany ny Fiangonana ny ady amin'ny kolikoly sy ny fahalovana. Mbola misy ireo resin'ny fakam-panahin-dravola ao Vatican tsy maharitra ny mena miraviravy ka mbola manao ny fomban'izao tontolo izao amin'ny figalabonana amin'ny zava-mandalon'ny tany. Vao tonga teo amin'ny toerany ny Papa François dia nahatsikaritra fa misy olana ihany amin'ny fiainana ataon'ireo olona sasany ao Vatican. Nambarany ombieny ombieny fa tokony hiaina ny fahantrana, araka izay lazain'ny Baiboly tokoa, ny Fiangonana indrindra ireo izay eo amin'ny fitondrana. Tamin'ny 22 desambra 2014 ary ny Papa, dia nanao kabary izay nitsikera lalina tokoa ny toe-piainana anaty harena ilomanosan'ny mpitondra sasany. Nantsoina hoe "Kabary mikasika ireo aretina 15" izany kabary izany (jereo eto). Nisy tamin'ireo izay voatsindrona mivantana no nahasahy nijoro ho vavolombelona fa tsy nety tokoa ny fomba niainany ka hanitsy izany. Nisy kosa vitsivitsy izay tsy faly tamin'ny kabarin'ny Papa.

Tsy zava-miafin'i Vatican araka izay lohatenin-gazety natao hanaitra izany ny zava-misy amin'izao fotoana izao fa toe-draharaha efa fantatra sy efa ilofosan'ny Papa hiadiana amin'izao fotoana izao. Ny inoana fotsiny dia hisy andinindininy (détails) betsaka kokoa ao anatin'ireo boky ka izay indrindra no mahatonga ny fanadihadiana isan-karazany satria avy amin'ny andinindininy izay nivoaka dia inoana fa nisy ireo namoaka tsiambaratelom-panjakàna. Amin'ny maha fanjakàna (Etat) mahaleotena an'i Vatican, dia misy tokoa ny atao hoe "secret d'état" ka tsy maintsy misy ny fanadihadiana rehefa mivoaka ireny hahitana hoe iza no namadika. Izany "délits administratifs" izany dia tsy misy ifandraisany amin'ny resaka fahamarinana na tsy fahamarinana ao anatin'ny dossiers navoaka izay "délits moraux". Ny fanjakàna dia manasazy izay namoaka tsiambaratelo araka izay nifanarahana. Anjaran'ny lehiben'ny Fiangonana dia ny Papa kosa ny mandray ny andraikiny vokatry ny fanadihadiana anatiny mikasika an'ireo olona voalaza ao amin'ny boky.

Dia miandry ny tohiny isika amin'izao fotoana izao. 

Toerana fianarana fiteny

2015-10-30 @ 09:19 in Izaho sy ny ahy

Fianarana hatrany ny fiainana. Rehefa misy fotoana na toerana hahafahana mianatra dia mianatra zavatra vaovao. Tsy voatery ilaina eo no ho eo... mety tsy ho ilaina mihitsy... nefa mety ho ilaina tampoka koa any aoriana any. Efa malalaka sy feno fitaovana amin'ny internet mikasika zavatra maro azo ianarana dia aleo araraotina. Mianatra mahandro, manjaitra, manamboatra fiarakodia, mandrafitra, informatika, fiteny vaovao. Ny youtube.com no toerana voalohany hahitako fianarana an'ireo rehetra ireo... hatramin'ny mianatra manotra :-)

Fa ny hitako tamin'ity herinandro ity dia ity takelaka iray ity duolingo.com izay fianarana fiteny (langue). Hitako fa tsotra sy manintona ny fomba fampianarany. Tsy mandreraka loatra nefa miditra tsikelikely ao anaty saina sy fitadidiana ny lesona. Ianao ihany no mamaritra ny fatran'ny fianarana tokony hatao isan'andro araka izay fotoana ananana.

Nifidy ny hianatra fiteny alemana aho na dia tsy manana namana alemana sy tsy mieritreritra ny hipetraka any aza :-) Nanandrana sy nanao fanamby fotsiny hoe raha tena mahomby io takelaka io dia tokony hahay teny alemana aho, izay teny anisan'ny sarotra indrindra. Telo andro izao aloha dia nolazainy fa efa 9% no vita... hiezaka hanaraka ny rindra atolony tanteraka aho dia ho hita eo ihany rehefa 100% na nahay fiteny tokoa aho na tsia...

Misy fianarana fiteny italiana, anglisy sns koa ao raha hanandrana

Mugabe sy ny pelaka ary ny tandrefana

2015-09-30 @ 09:18 in Izaho sy ny ahy

Miala tsiny avy hatrany raha tsy hitako ny dikan-teny hilazàna ny "homosexuel" amin'ny teny malagasy. Mety hoe tsy fomba malagasy mihitsy angamba izany ka tsy namoronany teny. Ny fivarotan-tena mantsy izao, na dia fomba tsy dia mahomby loatra aza dia misy dikanteny amin'ny teny malagasy. Koa ialan-tsiny fa dia io "pelaka" io aloha no teny ampiasaina. Raha toa moa ianareo izay "homosexuels" sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity manana teny malagasy hafa tokony hiantsoana anareo dia afaka milaza izany eto.

Fa ny tena resaka dia ny kabarin'i Mugabe tao amin'iny fihaonamben'ny firenena mikambana tamin'ity septambra 2015 ity iny. Nanitrikitrika izy fa i Zimbabwe dia tsy hanaiky ny "homosexualité" izay toetra tian'ny tandrefana hapetraka fotsiny tsotra izao. Efa naverimberiny tamin'ny kabary fanaony tao an-tanindrazany ny resaka tahaka izao fa tsy nisy nanam-po hoe holazainy eo amin'ny pilpitran'ny Firenena Mikambana. Betsaka ny nihomehy, nisy koa ny nitehaka tsy sazoka ireo filoham-panjakana izay nanatrika.

Izaho na dia tsy mankasitraka ny didy jadona aza dia manome rariny an'i Mugabe ihany, indrindra eo amin'ilay fihizingizinany. Saro-piaro amin'ny kolotsainy sy ny fomban-taniny izy, ka anjarany no mijery izay tokony hitehirizana izany. Ary tsy tokony hidiran'ny tandrefana izany. Eo amin'io fidiran'ny tandrefana io mihitsy no manahirana indraindray satria resaka fomban-tany, kolotsaina izy ity, mitovy tsy misy valaka amin'ny hoe resaka finoana. Raha manapa-kevitra ny ho silamo ny firenena iray, tahaka ireo repoblika islamika maro, dia sarotra be ho an'ny kristianina ny mivelona any. Misy ny fanenjehana, sarotra na tsy azo atao mihitsy ny manangana fiangonana... kanefa tsy miditra ny tandrefana. Toa izay hahitany tombony ihany no idirany. Koa aleo tsy asiana tombo sy hala. Avelao i Mugabe hanao izay heveriny fa mety ao amin'ny fireneny... rehefa tsy misy herisetra. Na ny any amin'ny firenena tandrefana koa aza dia misy lalàna moraly maromaro, toa ny lalàna manafay ireo izay mamoafady (na ny Outrage public à la pudeur), izay misy tsy mifanaraka amin'ny fisainana afrikana kanefa tsy idirany. Koa amiko dia tsy tokony hisy ny fanaovana bambaray resaka kolotsaina sy moraly. 

Ary ny ao Madagasikara tokoa ve milamina ny pelaka?

 

 

 

Pourquoi j’ai 4999 amis sur facebook

2015-08-16 @ 11:59 in Izaho sy ny ahy

Efa elaela ihany izay nanaovako facebook izay. Ary nisy fotoana ara tamin’ny taona 2009 nanaovako veloma kely azy mihitsy nakana aina sy nieritreretana (Jereo eto). Nony niverina aho 9 volana taty aoriana dia nazava tsara tao an-tsaiko ny tanjona hanaovana facebook. Nazavaiko kely tato tamin’ilay fiverenako.

Amin’izao aho izany dia manana namana 5000 latsaka kely. Tsy azo fenoina 5000 na dia efa betsaka aza ny lisitry ny mpangataka ao satria manjary tsy afaka mampiditra intsony. Fa nahoana? atao inona daholo? Indrindra raha tsy miresaka, tsy mi-commenter, tsy mi-j’aime, atao inona fotsiny ao?

Amin’izao  ny facebook-ko dia raisiko ho mitovy amin’ny carnet d’adresses na contacts amin’ny finday. Rehefa tadiavina tampoka ilay olona, tiana handefasana hafatra tampoka, dia mety ho hitako ao amin’ny facebook izy izay. Ny tanjoko izany tsy hijery tsirairay azy 5000 isaky ny mihetsika satria dia tsy ho araka tokoa, na hi-j’aime izay lazainy sns… tahaka ny hoe tsy hiantso ny contacts ao amin’ny finday isaky ny mihetsika aho na hijery ny laharany isaky ny mihetsika, fa rehefa ilaina izy dia tadiavina dia antsoina na resahana.

Koa aza omenareo tsiny mihitsy aho raha tsy mijery ny momba anareo akory… fa voatahiry ho anisan’ny namako ihany ianareo. Raha tsy mety aminareo moa izany dia azonareo esorina. Raha fantatrareo fa tsy mety hifandray amiko mihitsy ianareo any aoriana any na tsy hisy fotoana mety hifandraisako aminareo mihitsy dia tena marina hoe tsy tokony ho ao anaty lisitra ao akory aho. Tahaka ny hoe numero telephone fantatrareo fa tsy hifandraisanareo intsony mandrakizay ve moa hotehirizina ao anaty contacts ao?

Izany anefa tsy midika hoe tsy mijerijery eny ihany aho indraindray :-)


 

 

Madagasikara sy ny Jeux des Iles (éparses)

2015-08-06 @ 14:18 in Izaho sy ny ahy

Efa natsidiko tao amin'ny facebook-ko ihany ny hevitro mikasika ilay resaka sainam-pirenena malagasy sy Catherine Paoli fa averiko kely eto. Ny Facebook mantsy mandalo (malaky be ny fanjavonany) fa ny eto mitoetra.

Izaho aloha hatramin'izay tsy dia tena mpanaraka an'ity lalaon'ny nosy ity firy. Tamin'ny taona 1990 no nalaza tamiko ny Lalaon'ny Nosy satria tany Madagasikara no toerana nanaovana azy. Lalaon'ny Nosy faha-telo tamin'izay. Raha ny tokony ho izy dia tamin'ny 1989 no tokony natao tao Madagasikara ny andiany faha-telo. Tsy vonona anefa ny fanjakàna izay teo ambany fitarihan'ny filoha Ratsiraka tamin'izany dia nahemotra ny 1990 ilay izy. Nisy rahateo ny famangian'ny Papa Joany Paoly II tamin'ny taona 1989 ka angamba tsy zakan'ny firenena miaraka.

Tamin'ity taona 2015 ity indray aho izany vao naharaka tsy fidiny ny JIOI (Jeux des Iles de l'Océan Indien) rehefa nisy korotandrotana ny fanomanana sy fanatanterahana azy. Araka ny hita tamin'ny filazam-baovao samihafa dia talohan'ny nanombohana dia efa nisy ny fifankahazoan-kevitra politika ka ny disadisa dia teo amin'i La Frantsa (La Réunion) sy i Comores mikasika indrindra an'i Mayotte. Noho ny fitsapakevi-bahoaka izay nataon'ny vahoakan'i Mayotte tamin'ny 2009 dia lasa departemanta manana zo feno ao anatin'i La Frantsa izy. Nanomboka ny 1 janoary 2014 no nihatra tanteraka izany ka lasa sainam-pirenena Frantsay ny sainy ary fitantanana Frantsay no ao aminy. Tsy nanaiky an'izany anefa ny Komorianina fa nihevitra ny Frantsay ho toa ny mpanjana-tany. Mihenjan-droa izany ny tady mikasika an'i Mayotte. Nandritra ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy ary dia nisy ny fanontaniana momba ny endriky ny ho fandraisan'i Mayotte. Ho eo ambany fanevan'i La Frantsa ve izy, izay nanohina ny Komorianina, sa ho toa ny teo aloha izay nananany faneva manokana. Nisy ihany anefa ny marimaritra iraisana nony farany dia ny hoe tsy hitondra saina mihitsy ny Mahorais (mponina avy any Mayotte) fa ho eo ambany fanevan'ny JIOI hatrany izy. 

Nony nanomboka anefa ny lalao, nandritra ny filaharana tamin'ny lanonana fanokafana dia nilahatra taorian'ny sainam-pirenena Frantsay i Mayotte. Ny azo inoana dia ireo mpilalao no naniry ny hitondra ny fanevan'i Frantsa satria efa  departemanta frantsay ry zareo. Tsy nankasitrahan'ny delegasiona komorianina izany fihetsika izany ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny tsy handray anjara intsony amin'ny lalao 2015. Nomelohiny ny tsy fandraisan'ny komity mpikarakara fepetra hentitra hampanaja izay nifanarahana dia ilay hoe tsy mitondra sainam-pirenena i Mayotte. Dia tena tsy nandray anjara tokoa ry zareo fa dia nody. Araka ny heno anefa dia nisy Komorianina vitsivitsy tsy nandray ilay fiaramanidina tokony hitondra ny delegasiona nody. Angamba mba nanao vakansy kely. Nalahelo noho io fanapahan-kevitry ny Komorianina io ny komity mpikarakara ka nanapa-kevitra niaraka tamin'ireo firenena mpandray anjara sisa fa tsy hasiana saina intsony mandritra ny fandraisana ny medaly ho an'ny mpandresy, ary tsy hohiraina intsony ny hiram-pirenen'ny voalohany. Izany no natao dia mba ho fanehoana fa marina tokoa ny nataon'ny Komorianina, ary koa fisakanana ny Mayorais tsy hampiasa ny saina frantsay mandritra ny fotoana fifaninanana. 

Teo amin'izay no nanomboka ny tantara nidiran'ny Malagasy. Araka ny video efa miparitaka. Raha handray ny medaly volamena ramatoakely Marthe Ralisirina izay nisalotra ny sainam-pirenena malagasy dia niantsoantso ilay ramatoa antsoina hoe Cathérine Paoli hoe "non, pas le drapeau". Dia nanatona izy ary nanala ny saina teny amin'i Marthe. Araka ilay nifanarahana tsinona dia tokony tsy mitondra saina rehefa miakatra maka medaly ary tsy misy hiram-pirenena.

Ny tena nahakivy ny maro dia ilay fomba natao ho fampiharana ny fitsipika fa tsy ny fitsipika velively. Izany hoe ilay ramatoa nentanim-po be loatra hanatanteraka ny asany no olana. Azo natao tsara ny nilaza mialoha an'ilay mpihazakazaka, ary azo natao tsara koa ny niteny moramora azy hanome ny sainam-pirenena na niantso ny mpanazatra azy hitazona ny sainam-pirenena aloha. Fa ilay fisintonana no tsy nety.

Taty aoriana moa dia nitombo tsikelikely ilay resaka nisy ny fanangonan-tsonia, nisy ny fangatahana fifonana am-pahibe-maso, nisy hatramin'ny hoe asaivo mody tahaka ny an'ny Comores ny ankizy... nefa ny antony dia mifanohitra tanteraka amin'ny nataon'ny Comores. Ny Komorianina nasainy nody ny ankizy satria tsy narahina tsara ilay fifanarahana hoe tokony tsy mitondra saina ny Mayotte. Dia ny Malagasy indray izany hody satria nasaina nanaraka ilay fifanarahana.

Taorian'iny tranga tamin'ny ekipa malagasy iny dia nifamahofaho ny resaka fitondrana saina. Nisy ny nanaparitaka ny sary niseho taty aoriana izay nisian'ireo Mahorais (izany hoe ny ekipan'i Mayotte) nisalotra sainam-pirenena teny ambony podium. Sary tsy misy idirany mihitsy satria mandritra ny fametrahana ny medaly sy fanaovana ny hira no tsy afaka mitazona saina. Sady mety efa nanenina tamin'ny fihetsika nataony ilay Catherine Paoli ka tsy niakatra intsony. Nisy kosa anefa avy eo ny nataon'ny filohan'ny departemanta La Réunion izay nitondra ny saina Frantsay sy nametraka izany teo antongotry ny mpilalaony mialoha ny hanomezany medaly azy. Ka tsy fantatra intsony hoe hifanarahana ve sa tsia.

Na izany na tsy izany dia namoaka fianalntsiny ho an'ny vahoaka malagasy ho valin'ny fangatahan'ny minisitry ny fanatanjahan-tena malagasy ny komity mpikarakara. Irariana mba hilamina izany ny momba an'iny ka tsy antsoina hody izany ny ekipa malagasy izay efa manao izay ho afany.

Raha ny fanjakana indray no andrasana hanao hetsika eo dia hiandry an'i Paoli indray. Ny "Iles éparses" izay tokony hahazoany tombony ara-toekarena maro aza tsy nasiany maso noho ny tahotra ny Frantsay, vao maika fa izay "Jeux des iles" any La Réunion no hanoherany an'i Lafrantsa? Manofinofy.

Mba tsy hitady ny very

Rehefa tsy mifanerasera amin'ny ankizy miteny malagasy ny zaza malagasy fa ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe manodidina azy ihany no miteny malagasy miaraka aminy dia mihena be dia be ny voambolana ananany. Hafa mihitsy mantsy hoe samy ankizy dia voambolan'ny ankizy no henony dia mitombo tsikelikely izy. Mba tsy ho very izany ny teny malagasy ao amin'ny ankizy teraka taty an-dafy dia mila ampilomanosina ao anaty tontolon'ny ankizy malagasy izy. Tokony hisy fotoana maharitra hampiainana azy ny tontolon'ny ankizy malagasy ka na ny ray aman-dreny no midina ho ankizy mandritra io fotoana io na izy asaina mijery na mihaino sarimihetsika na feo misy resaky ny ankizy tena malagasy.

Ilay hoe ny ray amandreny no midina ho ankizy malagasy dia tsy midika akory hoe manao fibadabada rehefa miteny (izay miteraka fifangaroana voambolana indray) fa miezaka kosa maka sary antsaina hoe raha ankizy malagasy daholo no manodidina ny zaza iray dia inona no mba vetin-dresaky ry zareo, inona ny kilalao lalaoviny, inona no manaitaitra azy sns. Ny teny malagasy mantsy dia tsy voambolana sy fanabeazam-bohon-teny ihany fa kolontsaina manontolo mihitsy. 

28 janoary 1958 nahaterahan'ny Lego

2015-01-28 @ 22:02 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Marina fa tiako i Lego sy ny angorodaony saingy tsy mikasika azy mihitsy ity lahatsoratra ity... asa nefa sao dia avy amin'ny Lego tokoa no nakan'ny ray amandrenin'i Lego ny anarana hoe Lego :-).

Sary Lego

Lego hafa mihitsy no tiako holazaina mantsy, dia ilay kilalao plastika atambatambatra, miloko maromaro, hahafahana mamorona zavatra maro. Androany 28 janoary hono no tsingerin-taona tena niforonany ara-dalàna... izany hoe nanoratana azy ara-panjakàna. Ho ahy dia anisan'ny nofinofy fahakely adino ilay izy ka nipongatra indray nony nanan-janaka. Dia nanomboka nividianako potipotika Lego ny boay kely ka dia rafitra mandrava sy manorina tokoa. Ny tena lafy tsaran'ilay Lego dia tsy manam-petra ny famoronana. Ny fetrany, mazava ho azy, dia rehefa tsy ampy intsony ny biriky kely. Manitatra tsara ny sain'ny ankizy kely ilay izy, noho izany, ary mandany andro azy ihany koa. Mihena ny fotoana laniny amin'ny kilalao elektronika na ny fahitalavitra. Ny mahasosotra fotsiny dia tsy maintsy ravaina izay vita. Indraindray teneniko mihitsy izy hoe antsoy aho rehefa mahavita zavatra tsara dia alaina sary alohan'ny handravàna azy... saingy tsy vatra.

Indro sombintsombiny amin'ny Lego nataon'i Aina.

 

Na izany aza dia apetrako eto ihany ity hiran'i Lego (mpihira malagasy) ity... dadilahy (Ny daddi dia kodiakely amin'ny teny italiana... mbola kilalao koa :-) )

Ny vodisobika sy ny tandrifiny

2014-06-09 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Nijery ity clip-n'i Syril sy Melky eto ambany ity aho dia mahatsiaro ilay lazain'ny Ntaolo hoe aza kivy fa ny vodisobika aza manan-tandrify... saingy aza misavi-tsaranga :-) Mahavariana tokoa ny mahita fa tena misy karazany ny olona, isaky ny faritra, isaky ny firenena, isaky ny firazanana, isaky ny fahefa-mividy. Ary samy mahazo ny anjarany daholo raha eo amin'ny fitiavana no resahina... satria samy manana ny anjara tsara ao aminy izay hitan'izay tia izany anjara izany. Ny olana matetika dia ny be fitetika tahaka andry Syril ka tsy afaka mamoaka ilay tena tsara ao aminy ho hitan'izay mety ho tandrify azy fa misavika ny tsy anjaran'ny tena. Tsy ratsy ny manandrana sao dia raikitra tampoka (mi-tanté sansa) fa tsy atao am-po mety hankarary satria manjary mitomany randrana manendrika ny hafa. Aleo avoaka araka izay tratra fotsiny ny kanto indrindra dia mionona amin'izay mankafy.

Syril sy Melky

Fa na izany na tsy izany dia misaotra an'i Syril sy Melky namoaka tokoa ny fiainana an-davan'andron'ny olona.

Tsarà herinandro daholo.

 

Herinandro sisa! Hody alina indray?

2014-06-06 @ 08:04 in Izaho sy ny ahy, Fanatanjahan-tena

Resaka fampidirana tsy misy idirany mihitsy. Nitady lahatsoratra vitsivitsy momba ny mondial nosoratako tato amin'ny blaogy aho dia gaga fa hay tena nanoratra be tokoa aho taloha. Ary tamin'izany tsy voatery nasiana sary sy rindra fa izay tonga tao ambava sy tao antsaina ary tao am-po dia nosoratana. Tiako haverina indray izany fomba fanoratra eto amin'ny blaogy izany. Tamin'izany aho mantsy resy lahatra foana hoe valako ity aloha voalohany indrindra... dia izay tiako hosoratana ho ahy. Ny mpamaky manaraka ny onjany eo. Matetika ny mpanoratra blaogy mieritreritra be loatra ny mpamaky azy dia lasa mpanao gazety tsy fidiny :-). Nefa amiko dia fizaràna sy fifampizaràna aloha no atao. Mandray izay raisiny eny ihany ny mpamaky.

Fa izany eo ihany fa herinandro sisa dia baolina :-)

Toa ny lehilahy rehetra maro dia mba tia baolina koa aho. Any Brazily nefa ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ity taona ity. Izany hoe tsy mitovy ora amin'ny aty Eoropa sy Madagasikara. Nojerena ny fandaharana dia misy manomboka sasak'alina sy manomboka amin'ny 3 maraina, izany hoe tapitra amin'ny 5 maraina any ho any. Aleo apetraka mihitsy ho hita sy hotadidiana fa raha izao no mitohy dia haka congé :-) 

Programa mondialy

 

RadioVazoGasy amin'ny Android

2014-05-31 @ 21:24 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Dieny mazotozoto dia navoaka indray koa ny RadioVazoGasy amin'ny Android. Ny player dia izay efa nataon'i SetraR ihany fa nahitsy kely fotsiny. Ny fandrindrana ny fandaharana hira kosa no namboarina tanteraka. 

Ity App Radiovazogasy ity dia natao indrindra hihainoana ny RadioVazoGasy, handaharana hira handeha ao amin'ny RadioVazoGasy, ary hametrahana hafatra amin'ireo hira izay mandeha.

Mazava ho azy, mila internet izy vao mandeha.

Azonao alaina ao amin'ny: http://goo.gl/y5Ek7d

Na koa ao amin'ny Google Play : https://play.google.com/...?id=com.radiovazogasy.app (manomboka rahampitso)

Toa izao ny endriny:

Fohy ezaka sy lavitr'ezaka

2014-05-14 @ 12:36 in Izaho sy ny ahy

Tsy misy ifandraisany amin'ny lohahevitra mihitsy aloha, nahavariana ahy ny nahita an'ireto robot manidina izay baikoina ka lasa mahavita mitendry zava-maneno maromaro ireto. Tena izy fa tsy ilay animation tahaka ilay indray mandeha iry :-). Ito ny sary, sy ny video.

 (tohiny)

Teny Vatican, ny tao ambadiky ny ridao

2014-04-28 @ 19:37 in Izaho sy ny ahy, Finoana sy Fivavahana

Ity blaogy ity no mba fitantarako ny zava-mitranga izay vakin'ny fianakaviana any an-tanàna ka matetika dia izay zavatra iainako no tantaraiko. Amin'ny maha blaogy azy dia tsy lahatsoratry ny mpanao gazety ka aza gaga loatra rahefa mamaky azy. Tamin'ny alahady no nanandratana ho olomasina an'i Papa Joany XXIII sy i Papa Joany Paoly II teny amin'ny tany malalak'i Md. Piera teny Vatikana. Anisan'ny mba afaka nanatrika izany indray aho satria dia efa elaela tsy nanatrika zavatra tahaka ireny na dia mipetraka eto Roma aza. Tamin'ny herintaona aho izao no namonjy farany, tamin'ny nifidianana an'i Papa Fransoà.

Raha fintinina amin'ny teny fohy hoe  (tohiny)

Lasa mpivavaka be hono dia...

2013-05-21 @ 21:34 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Tsy misy resaka fitsarana olona mihitsy fa mba manimanina ny taloha aho dia nandefa soratra niakatra. Sendra nisy resaka mantsy hoe nilay ihany ny hiran'i Rija Rasolondraibe taloha ireny. Ry "Miandry anao" sy ry "Anjara tandrify". Fa amin'izao, ary efa ela mihitsy, no tsy nohirainy intsony ankalamanjàna (na mety hoe antsokosoko koa). Hira nitaiza ny tena tamin'ny fahatanorana ary anisan'ny nikolokolo ara-pitiavana. Azy ny hira ka anjarany sy safidiny ny mihira na tsy mihira azy fa ny akon'izany sy ny fiezahana hitady ny antony no mahalasa saina. Fa naninona tokoa no tsy nohiraina intsony? Tsapa taty aoriana ve hoe ratsy? Vokatry ny fandresen-dahatra hita tamin'ny resaka finoana ve? Ary raha misy olona vonona hamelona ny hira (cover na tsia) indray ve dia tsy maninona?

Fa ny atahorako dia toa hoe mitady hanao toa izany koa i Poopy. Rehefa resy lahatra amin'izay mandresy lahatra azy izy dia tsy hohirainy intsony ny hira taloha. Dia tsaroako ilay resaka nolazain'i Dama izay ny hira rehefa malaza, tafiditra am-pon'ny olona, dia tsy an'ny artista irery intsony na dia izy aza no tena tompony. Misy ireo olona izay mandray ilay hira ho ampaham-piainany mihitsy. Ka raha manapa-kevitra ny mphira hoe hanova ny tonony, ny gadona, ny mpihira azy, dia misy akony kely eo amin'ny mpakafy izany.

Ny hafatro ho an'ny artista mbola tsy lasa mpivavaka be dia hoe na "mibebaka" aza ianareo any aoriana any dia mba tsarovy ihany ny laka-nitàna. Aza ariana miaraka amin'ny koveta nampandroana azy ny zazakely... satria izaho dia mino fa nisy zavatra tsara azo raisina ihany ireny hiranareo ireny.

Ary raha i Samoela tokoa no lasa mpivavaka be? Aza hitako ka ho "Rava tanteraka tokoa" ny momba anay roalahy.

Hafatra misy kintana

2013-04-22 @ 18:18 in Izaho sy ny ahy, Fampianarana

Fampidirana hafa. Andro iraisam-pirenena ho an'ny tany androany. Raha ny tokony ho izy izany, tahaka ny an'ny vehivavy (andro iraisam-pirenena no lazaiko) dia tokony tsy hiasa koa ny tany, na farafaharatsiny haka aina tapak'andro. Rehefa dinihina tokoa dia tena miha antitra ny tany, ny endriny aza niova raha taloha izy fisaka (afatsy ny rediredin'i Galilea), izao izy efa lasa boribory (tanteraka ihany ny rediredin'i Galilea). Manontany tena aho hoe inona tokony hanamarihako ity andron'ny tany ity. Ny an'ny sasany manadio tany, tsinjaraina ny fako mba tsy ho verivery etsy sy eroa. Ny an'ny hafa mitsitsy tany, tsy mampiasa fiara sy fiaramanidina firy androany (fa rahampitso vao manao double). Ny hafa koa manao sesi-tany (tsy fidiny ho any ny any Afrika Atsimo). Izaho mbola variana manontany... manon-tany. Tratry ny fety tany - sa hoe joyeux anniver-terre?

Fa tsy izay mihitsy ny resaka androany fa (tohiny)

Il était une fois une princesse... et son chat

2013-04-13 @ 05:12 in Izaho sy ny ahy, Kolotsaina, Fanabeazana

Ny zanakavavin'ny mpanjaka sy ny sakany

FK [*]: Aza omena tsiny aho raha tsy tia saka na alika ao antrano fa fitiavako azy ireo mihitsy no tsy hiompiako azy. Amiko ireny biby ireny dia tokony hapetraka amin'ny toerana maha biby azy. Raha toa mantsy ka raisina toy ny olona izy dia manjary misy trouble d'identité ao aminy (loll) ary mety hiteraka complexe psychologique goavana ho azy hoe maninona aho no misy rambo nefa mitovy ihany izahay sy i lita. Adidy goavana ho ahy, raha mitaiza biby aho, io mametraka ny biby amin'ny toerany io ka aleo milamina. Tsy maintsy hampatsiahivina foana mantsy ny biby hoe "biby ity!" hahatsapàny fa tsy olona izy :-)

 (tohiny)

Distance de sécurité

Fampidirana lava be :-) Ohatry ny efa mahazatra ahy ilay manao fampidirana lavalava alohan'ny tena resaka. Sady coup de gueule ihany koa indraindray. Ka alohan'ny hilazako ny tena foto-dresaky ny distance de sécurité tiako lazaina dia hiresaka ny tena distance de sécurité aho Tongue out. Misoratra tsara ao anaty lalàm-pifamoivoizana ny fanajàna ny distance de sécurité, izay fitazomana ny elanelana misy eo aminao sy ny fiara eo alohanao mba tsy hisy ny loza raha sendra mijanona na tafajanona tampoka izy. Ny formula ampiasaina dia ilay atao hoe "5/9". Izany hoe ny hafainganam-pandehanao ampitomboina 5/9 no tokony ho elanelana eo aminao sy ny fiara eo aloha. Raha mandeha 100km/h ianao dia tokony ho 100 x 5 / 9 = 55,5m eo ny elanelana. Ny olana sady faran'izay mandreraka eto Italia dia raha vao manaja an'io elanelana io ianao dia mety tsy hihetsika intsony mihitsy ny fiara. Satria tonga dia songonan'ny olona avy hatrany, dia voatery mihemotra ianao hanaja ny elanelanao amin'ilay vao nisongona, dia misy misongona hafa indray. Raha vao misy elanelana kely hidiran'ny fiara fotsiny eo alohanao dia tonga ny mpisongona na dia samy mandeha mafy izao ihany aza.  (tohiny)

Biby miam miam

2013-04-10 @ 08:15 in Tsiaro, Izaho sy ny ahy

Fampidirana lava be aloha lol. Mahaliana mihitsy ho'aho ny zavatra avoakan'ny olona amin'ny Google+ noho ny avoakany amin'ny Facebook. Tsy laviko fa arakaraka ny olona. Fa amin'ny Facebook matetika dia somary maivamaivana saingy matetika ny fifampizarana. Ao amin'ny Google+ koa dia misy fifampizarana somary mahalana fa betsaka ny mavesa-danja. Ao amin'ny fb ohatra dia fiarahabana ny maraina miaraka amin'ny andininy ao amin'ny baiboly, ao no ahitana hoe tena lasa mpivavaka be daholo ny Malagasy. Dia rehefa atoandrotoandro iny dia resaka hoe noana sns, fa mbola misy andininy ao amin'ny baiboly koa, ilay misy sarisary ao ambadiky ny soratra. Ilay sary amin'io hitanao intelo na in'efatra, raha manana namana maro toa ahy. Ny sary mety efa hitanao afak'omaly tamin'ny olona iray no hitanao amin'ny namana vaovao hafa indray satria nanaitaitra azy dia nozarainy. (Misy an'ilay sarina henan'alika iny izao efa hita izao fa fopla mbola afindrafindra etsy sy eroa ihany grrr). Dia amin'ny hariva indray resaka bonne nuit sy jiro tapaka. Eny antsefatsefany eny moa misy ny lagy amin'ny connexion, ny ilaozan'ny sipany dia tiany ho fantatry ny olona rehetra... na tia loatra ny sipany saingy tsy hainy hoe misy message privé koa ao amin'ny fb. :-) Ny ao amin'ny Google+ aloha hatramin'izao mbola tsy tena toa izany. (tohiny)

Ny alatsinainin'ny Paka 2013

2013-04-03 @ 12:45 in Izaho sy ny ahy, Sary

Tany Monte Cassino izahay (Mont Cassin) no nitsangatsangana tamin'ity taona ity. Niaraka tamin'ny tao am-piangonana. Làlana mandeha any Naples, eo amin'ny adin'ny iray sy sasany teo. Adino koa ny  nandrefy làlana satria tonga dia ambiance be ny teny ambony bus. Efa  nandeha tany ihany ny tao am-piangonana tamin'ny roa taona lasa fa tamin'izany hono teny an-tampon-tendrombohitra. Tamin'ity kosa tety ambany ka nalalaka tsara ny fotoana na dia tsy nahita natiora tsara aza.

 (tohiny)

Paka, i Jesoa no nitsangana (fa tsy bitro na atody)

 

Paka indray ny andro, fety sy fifaliana no mameno ny fo taorian'iny karemy, 40 andro, izay nandinihana ny fijalian'i Kristy iny. Alohan'ny resa-bitro dia tantaraiko kely ny fety taty. Nanomboka tamin'ny 11 alina ny lamesa. Na dia avy be aza ny orana alina dia feno ihany ny fiangonana ka tsy afaka nipetraka ny lehibe... raha tsy faram-parany. Nitontona tsara tamin'ny 12 alina ny hira voninahitra izay nampanenoana ny lakolosy lava reny. Tomombana ny feo ka nazava tsara daholo ny vakiteny 8 nitantara ny tantaram-pamonjena sy evanjely. Ny toritenin'ilay mompera koa nanentanentana na dia efa dilan'ny sasakalina aza. Fa ny tena nanoratako dia momba ity resa-bitro mandritra ny Paka ity. (tohiny)

Ton amour, mon péché

2013-03-29 @ 14:20 in Tsiaro, Izaho sy ny ahy

ton amour, mon péché

Sary hitako tatsy amin'ny tavamboky tatsy ito fa tsy aritro satria mampatsiahy zavatra anisan'ny tsaroako tany amin'ny faha 3 na 4-taonako tany. Tadidiko tsara ny sekoly nianarana ary taona iray ihany aho nianatra tao ka tsy maintsy marina io 3 na 4 taona io. Tsy nisy olona hafa nitantara azy tamiko koa ka izay no hahazoako antoka fa tena ny fitadidiako no nahatsiarovako azy.  (tohiny)

Objectif Zoom Hanimex 70-210 mm

2013-03-23 @ 21:23 in Izaho sy ny ahy, Sary

Tsy nisy objectif lava ny fakantsary reflex digital ampiasaiko (mbola EOS 350D). Tsara foana ny sary saingy vokatr'izay tsy dia afaka manalehibe zavatra lavitra. Mba hahafahana maka sary lavidavitra dia mila manana objectif mahataka-davitra kokoa, izany hoe lehibe kokoa ny Distance focale. Dia nitady tamin'ny internet fa hitako lafolafo daholo ilay izy raha vao mihoatra ny 200mm. Ny hevitra hita dia hoe hanandrana hampiasa an'ireo objectifs fampiasa amin'ny fakantsary Canon analogiques, izay mora kokoa, kanefa rehefa avy eo dia mila mividy adaptateur (fa tsy adapteur no fiteny) hahafahana mampiasa azy amin'ny EOS. Dia teo no nifanenako tamin'ity Hanimex 70-210mm ity izay novidina 30 Euros tao amin'ny Ebay.

 (tohiny)

Fandraisana ny Papa Fransoà

2013-03-13 @ 23:31 in Izaho sy ny ahy, Finoana sy Fivavahana

Dia isaorana an'Andriamanitra fa mbola teny amin'ny Bazilikan'i Md Piera teny Vatican indray koa aho tamin'ny nandraisana an'i Papa Fransoà, toy ny tamin'ny andron'i Benoà XVI.... efa nampoizipoiziko ihany, na dia be aza ireo mpanakivy, fa androany no ho voatendry ny Papa vaovao. Ny tany am-piasàna dia gaga hoe tena ho eny ve aho satria vatrako ny naka congé tapakandro hariva kanefa mety tsy hisy Papa mbola hivoaka akory. Zoma avokoa no noeritreretin'ny olona. Fa izaho nanantena ihany hoe tsy hiandry ela izany ny Kardinaly.

 (tohiny)

Android mora nefa tsy foza

2013-03-13 @ 10:02 in Izaho sy ny ahy

Alcatel OT 903D

Nahita ilay resak'i DotMG momba ilay Tecno T3 tato aho dia nitady hoe aiza no mety hahitana, raha avy aty, finday mahazaka Android tsaratsara faran'izay mora nefa tsy dia foza[*]. Hitako ihany nisy Huwaei latsaky ny 60 Euros fa Android 2.1. Farany dia nahita Alcatel OT 903D aho. Novidiako tamin'ny site Amazon avy eto Italia  (Eto raha any Frantsa). Tao amin'ny amazon.it izy dia 67 Euros fotsiny tonga any antrano, fa ao amin'ny amazon.fr mbola 80 Euros mahery. 

 (tohiny)

Weekend tany Borgosesia

2013-02-25 @ 10:00 in Izaho sy ny ahy

Nahafaly ahy ny dia farany tany Milan tamin'ny weekend teo. Tsy dia tena ilay nahita tany hafa loatra fa ny votoatin-dia mihitsy. Toerana mbola tsy hita tokoa aloha ilay nandehanana na dia nandalovana matetika aza rehefa mandeha any Torino. Tao amin'izany Novara izany aho no nijanona tamin'ny fiaran-dalamby dia niaraka kely tamin'ilay namana izay tonga nitsena sy niantsena. Fa ny toerana tena nitodiana dia any amin'ilay Borgosesia. Nanatrika ny nankalazan'ny fikambanana Gasy Tsy Manavaka (GTM) ny andro natokana ho an'ny tenin-dreny no tena naleha tany. Ny GTM dia fikambanan iray ivondronan'ny Malagasy any Italia avaratra any, Torino, Milano sy ny manodidina. Manao hetsika matetitetika ry zareo mba hihaonana sy hampivondronana ny samy Malagasy. Volana vitsivitsy lasa, ohatra, dia efa nisy ny fifaninanana fitafy malagasy, ny alim-pandihizana malagasy, ary izao indray dia nanao fifaninanana rindran-teny ry zareo ho fanamarihana ny andro ho an'ny tenin-dreny.

                  

 (tohiny)

Ny fahotana sy ny fatiantoka

2012-05-24 @ 16:52 in Izaho sy ny ahy

Nisy fomba fiteny iray nanaitra ahy androany nahatonga ahy hampitaha ireo teny roa ireo. Cout d'opportunité no iantsoan'ny frantsay azy ary amin'ny resaka toe-karena no ahitana azy.


Hatramin'izay, ny famaritana ny fatiantoka dia hoe "ny masonkarena analàna ny vidy ivarotana". Mahazo tombony ny mpivarotra iray raha toa ka betsaka noho ny masonkarena ny vidy ivarotana. Maty antoka kosa izy raha mifanohitra amin'izay. Raha miverina fotsiny ny masonkarena dia azo heverina hoe tsy nahazo tombony izy no sady tsy maty antoka ihany koa. Eto indrindra no miseho ilay "coût d'opportunité". Raha toa ka nisy toombom-barotra tokony ho azo nefa tsy nalaina dia midika ho fatiantoka. Efa tokony ho anisan'ny nampitombo ny masonkarena nampiasaina tsinona iny saingy tsy niditra.

Dia toa izany koa ny resaka fahotana. Ny olona manao ratsy dia manota. Tsy ampy nefa ny tsy manao ratsy hahafahana miteny hoe tsy nanota. Fa manota koa ny olona tsy manao ny tsara tokony ho nataony. Io karazana fahotana io no antsoina hoe "péché par omission" boriborian'ny gasy hoe "adidy tsy vita".

Ny "péché par omission" izany dia fatiantoka vokatry ny "coût d'opportunité"

Nampahantrain'ny facebook ny internet

2012-03-19 @ 08:32 in Izaho sy ny ahy

Nampahandrain'ny FB ny internet

Taona maromaro lasa izay, rehefa nanazava tamin'olona vitsivitsy ny atao hoe internet aho, fony mbola vitsy dia vitsy ny Malagasy nampiasa azy, dia nohariko tamin'ny tranomboky (bibliothèque) lehibe izy. Rehefa miditra ao anaty Internet ianao dia miditra ao anaty tranomboky iray lehibe. Rehefa miditra amin'io tranomboky io ianao dia sady mpanjifa no mpanome. Izany hoe sady afaka mitady sy mamaky ny boky ao ianao no afaka mampiditra boky vaovao ihany koa. Izay indrindra no  (tohiny)

Ny hadisoan'i Dan

2012-03-05 @ 09:24 in Izaho sy ny ahy

(eritreritra mandalo) Misy tantara anakiray mahafinaritra izay ao amin'ny baiboly ao. Ny baiboly moa, ho an'izay mbola tsy mahay na mbola tsy nahita, dia boky lehibe iray misy lahatsoratra maro, izay eken'ny Kristianina (Mpanaraka an'i Kristy avy any Nazareta), ho Tenin'Andriamanitra. Misy tantara sy oha-pitenenana, hatramin'ny tononkira ao amin'izany baiboly izany. Koa misy tantara iray izay hitako mahafinaritra raha mahaliana anareo.

 (tohiny)

Miomana ianao ry Titih

2012-02-21 @ 16:00 in Izaho sy ny ahy

Tsy tokony ho eto no nametrahako ity lahatsoratra ity satria manana ny blaoginy izy. Fa nataoko ato ihany satria mahaliana ahy. Alarobian'ny lavenona rahampitso. Manomboka rahampitso ny fotoanan'ny karemy ho an'ny Katolika. Fotoana fampihavanana, fifandraisan-tanana sns.  (tohiny)

She spent it with me

2012-02-13 @ 18:50 in Izaho sy ny ahy

Whitney Houston no mpihira vavy tiako indrindra. Ary mino aho fa betsaka ny toa ahy. Ny hira isan'ny tsaroako indrindra sy miverina ao a-bavako dia ilay hoe "My love is your love". Nohenoina en boucle fony tany tamin'ny 2001 tany ho any. Misy toa izao ny tonony rehefa adika tsotsotra amin'ny teny gasy. Tsy ny tonony manontolo no apetrako

 (tohiny)

Janoary krizy

2012-01-27 @ 07:31 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika

Fitokonan'ny fiarabe Angamba tsy eto Italia ihany no krizy amin'izao fotoana izao... fa ny eto kosa dia efa tsy rariny mihisy. Taorian'ny nanesorana an'i Berlusconi (tsy tamin'ny coup d'état fa hitany hoe tsy nanana majorité intsony izy dia niala), dia niditra teo amin'ny fitantanana ny governemanta i Mario Monti. Governemanta teknisianina avokoa (tsisy an'ireny sipasipa kely 30 taona tahaka ny tamin'i Berlusk ireny Frown) Dia anisan'ny vahaolana narosony ho an'ny krizy ny libéralisation...

Raha ny tokony ho izy izany dia tokony tsy hidina be intsony ny faripiainana. 

Amin'izao anefa dia tsy faly amin'ilay libéralisation ny olona izay mitantana ny harena, toy ny mpivarotra, ny mpitatitra, ny mpitantana ny solika sns... dia migrevy indray. Dia mihitsoka tanteraka. Miditra any an-tsena any amin'ny supermarché dia betsaka ny toerana foana, tsy misy entana satria migrevy ny fiarabe mpitatitra entana. Mitombo ny vidin'ny solika satria tsisy mpitatitra solika. Misondrotra ny vidin-tsakafo eny antsena, nitombo avo roa heny ohatra ny vidin'ny legumes.

Ary androany dia nanampy trotraka koa ny fitateram-bahoaka (bus, metro, tram, train) tamin'ny fitokonana 24 ora izay nataony. Izany hoe tsy misy ny fitateram-bahoaka kanefa ny vidin'ny lasantsy niakatra be... vokany tsy miasa ny ankamroan'ny olona.

(Tehiriziko ato ity hovakiana any aoriana)

Aok'izay ny tsy rariny

2012-01-19 @ 10:51 in Izaho sy ny ahy

Izaho dia anisan'ireo mandray anjara amin'ny hetsika "Aok'izay".

Nandritra ny taona mifandimby ny Malagasy dia tsy mba nahita fitsaharana mihitsy fa nohitsahin'ireo mpanao politika, na iza na iza. Mihitsoka tsy mety tafavoaka ao anaty lavaka ny Malagasy.

Koa izay no iantsoako hoe "Aok'izay"

Tsy maintsy hisy ny hiteny hoe araraotin'ny GTT sy Ravalo ny "Aok'izay", tsy olana izany. Hahazo ny "Aok'izay" koa izy rehefa tonga eo satria samy manana ny hadisoany.

Fa amin'izao aloha:

Aok'izay ny fampihorohoroana
Aok'izay ny fanenjehana
Aok'izay ny fisamborana
Aok'izay ny fanagadrana
Aok'izay ny fanampenam-bava

 

Andro faharoa

2012-01-17 @ 07:53 in Izaho sy ny ahy

Nanomboka tamin'ny herintaona aho no tsy naka resolutions intsony rehefa voalohan'ny taona. Nahomby satria tsara foana ny vokatry ny jery todika tamin'ny faran'ny taona. Toa betsaka kokoa ny zavatra vita satria tSy nisy fetra tsy maintsy notratrarina. HatrAmin'izay mantsy voafetra sy voaterin'ny lisitra maty paika nodinihina sy nandaniana fotoana maharitra kanefa tsy tanteraka akory amin'ny farany. Dia miteraka fanamelohan-tena sy fananjehan'ny eritreritra fotsiny. Nisy koa ny zavatra tsara tokony ho vita fa tsy tafiditra tao anaty liSitra dia tsy naha rototra loatra. Tamin'iny 2011 iny kosa dia maro ny zavatra izay tsy ho natao anatY lisitra mihitsy kanefa natao sy vita satria tonga tampoka tao an-tsaina dia hita hoe mety ho tsara.

Dia izay koa no atao amin'ity taona vaovao ity. Manao izay tratra dia mifaly amin'izay vita.

Mamerina ny firariantsoa.


Androany no taom-baovao :-)

2012-01-14 @ 23:54 in Izaho sy ny ahy

Nanomboka tamin'ny herintaona dia isaky ny 15 janoary ny taombaovaonay :-)

Tratry ny taona daholo dia mirary soa sy fanambinana...

Sary tamin'ny 15 janoary 2011

Manomboka ny ririnina

2011-10-18 @ 04:36 in Izaho sy ny ahy

Raha ohatra izany ka manaraka am-bokony ny zavatra nolazaiko tatsy aloha momba ny hoe ny microblogging (twitter) no entina mamelona ny blaogy dia anisa'izany ity lahatsoratra ity.

Nidina ho 2°C ny maripana aty Subiaco hatry ny omaly maraina. Mety efa tato ho ato fa omaly indray aho vao niala maraina be tao an-trano. Dia gaga aho fa nisy filazana teo amin'ny fiara hoe mandehana mora fa mety halama ny lalana satria 2°C ao ivelany ao. Fampitandremana fa toa tsy nalama akory ny lalana. Dia tahaka ny tsy ampy hery izany koa ilay fiara. Gasoil tsinona ka angamba mila hafanaina elaela.

Izahay ao antrano efa nanomboka nandrehitra kitay. Tsy mbola isanandro aloha. Fa alina heno nangatsiakka loatra talohan'ny hatory, nanondro 18°C ny fandrefesana ka dia nalefa nandriitra ny 4 ora ny chauffage. Izay no mahatsara ny chauffage autonome.

Ho avy indray izany ny tahaka izao sary izao...

alt

Aleo ihany marina andro mafana ka.

Inviato con Windows Mobile�.

Antsika ny tontolo

2011-10-05 @ 08:22 in Izaho sy ny ahy

(Le monde nous appartient) Mbola mahagaga ahy ihany ny mahita ny olona sasany manangana rindrina avo dia avo manodidina azy amin'izao fotoanan'ny fanatontoloana izao. Tsy hainy fa arakaraka ny haavo sy hatevin'ny rindrina ajorony no mahatonga azy tsy hahita ihany koa ny aty ivelany. Tsy mampaninona izany, hidio ao fa ho lasanay ny tontolo manodidina rehetra. Hoy aza ilay fiteninay fony kely izay hoe "Efa eny amin'ny volana izahay izao". Ny nantsoinay hoe volana tamin'izany dia ilay toerana iray tanaty alaala fipetrapetrahana, mahatazana nefa tsy tazana... Rehefa mba mandrevirevy iny dia any amin'ny volana no fotoana, mitantara ny zava-misy sy ny zavatra tsy hisy. Koa hidio ao ny rindrinao fa izahay aza efa eny amin'ny volana.

Jimmy Rivière
Ampifandraisiko amin'ny sarimihetsika roa hitako tamin'ity herinandro ity. Tomboy (2011) sy Jimmy Riviere (2011). Tantana milaza indrindra an'io mivoaka ny rindrina io. I Laure na dia 12 taona monja aza ao amin'ilay "Tomboy" dia nhatsapa fa tsy ampy azy ny maha vehivavy azy ka niseho ho lehilahy izy hifandraisany amin'ireo boay kely eo an-tanana. Nivoaka ny tontolo. I Jimmy indray na dia nieritreritra hoe hampivelatra azy aza ny fifampitondrana tao amin'ny ankohonana Gitane nisy azy dia mbola nahita zavatra hafa fanampiny izy nivoaka n tontolo. Satria tsy mandao na manary ny tontolo tokoa akory no dikan'ny hoe mivoaka ny tontolo fa mandrava ilay rindrina manasaraka fotsiny hahafahana mifandray amin'ny tontolo hafa.


Izany eo ihany fa vita ihany ny installation'nilay router/firewall nitenenako sinoa tatsy ambadika. Mampiditra ny fitsipika rehetra indray aho io izao. Indro ny sary.
Inviato con Windows Mobile�.


image_00138.jpg

Famintinana ny vakansy 2011

2011-08-26 @ 07:32 in Izaho sy ny ahy

 

Vita indray iny ny fotoam-pialan-tsasatra. Tamin'ity taona ity aho no tena tsy nahavita n'inona n'inona indrindra. Isan-taona mantsy dia misy zavatra mivaingana kely foana mba ataoko, fa vokatry ny tsy fanomanana angamba dia aotra tamin'ity. Zara raha nanitsy kely ny rakibolana.org sy nanavao ny takelaka.org fotsiny.

altNisy rahateo ny Fihaonana serasera Roma III ka somary nibahana ny fandaharam-potoana. Tsy dia tamin'ny fanomanana loatra, satria ankoatry ny emails maro be nifanakalozana tamin'i Rondro sy Andry, dia tsy hitako loatra izayy nataoko, fa tamin'ny fanatrehana azy mihitsy. Nitontona tao anelanelan'ny congé-ko koa ilay izy (izaho no adala) dia tsy afaka nankaiza na taloha na taoriany. Afa-po tamin'ilay fihaonana kosa nefa aho. Tsy araka ny ahiahiko tam-boalohany. Efa any amin'ny antsary.com any ny sary. Misy video koa ao amin'ny http://roma3.divers.serasera.org koa dia mbola mamerina ny fisaorana ho an'ny nikarakara rehetra sy ireo tonga koa.

Nandritra iny fialan-tsasatra iny izany dia niezaka nitrandraka sy nizaha ireo toerana manodidina ny toerana misy anay no tena natao. Tsy dia tany an-dranomasina loatra satria amin'izao, hatramin'izay nialana tany Roma izay, dia mandeha 100km vao mahita ranomasina... Ny gasoil efa lafo. Misy toerana vitsivitsy mahaliana rahateo eto an-toerana.

Tany an-tendrombohitr'i Monte Livata, ohatra, dia tsara rehefa ilay mafana iny ny andro. 15km miala ao an-trano fa fiakaram-be Misy tany malalaka be, misy hazo koa, dia tonga dia misy fatana ho an'izay te hitono hena... 

Farihin'i Turano (eny, misy "rano" ilay anaran-tany) izay 50km fotsiny. Farihy artifisialy lehibe. Azo ilomanosana tsara. Tsy dia be olona toy ny any Bracciano, ilay niarahana tamin'ny serasera. Efa nifaramparana ny vakansy vao hita ilay izy, tamin'ny google maps. Afa-po tsara tany tamin'ny lomano. Ny tora-pasika any fotsiny no feno vatokely ka mila mitondra kapa... ary tsy afaka tena manao ladina an-tany rehefa mitsilailay... raha tsy hoe mitondra kidoro :-)

altNy toeram-pilalaovana naleha dia tao Guidonia, ilay hoe Aquapiper, izay 50 km miala ao antrano. Toeram-pilalaovana rano, misy dobo filomanosana enina, amin'ny halaliny avy, misy figorisana amin'ny heriny avy. Misy ilay figorisana antsoiny hoe Kamikaze... izay mitsotsorika, angamba 75°... fa tsy nidirako lalina :-). Ilay anakiray somary mandrimandry kokoa aza efa saika tsy vitako. Ela be mihitsy ny 5 segondra nigorisana tamin'ilay izy, izaho amin'izany nihidy vazana mafy. Tokony niverenana imbetsaka amin'izay zatra, 20 euros ny fidirana. Tany amin'ny Zoomarine 145km, izay nandehananay talohan'ny vakansy, dia 25 euros ny fidirana. Misy hafa koa hono any Valmontone 35km, fa toa 35 euros ny fidirana.

Ny teo an-tanàna moa dia fety isan-kariva. Izay no mahafinaritra ahy mipetraka any am-banivohitra. Rehefa fotoam-pialantsasatra dia misy fety foana, ary maharitra hatramin'ny aorian'ny misasakalina. Karazam-pety, ao ny hirahira, ao ny tsena, ao ny fisakafoanana, ao ny fetim-piangonana. Dia faranany amin'ny afomanga hatrany.
Nahafinaritra iny 3 herinandro iny. Raha atambatra tamin'ny fotoana azoko tamin'ny desambra izay nandehanana tany Madagasikara izany dia nahatratra 10 herinandro ny fotoana fialantsasatra tamin'ity taona ity :-). Aleo tsy mimenomenona...

 

Io famadihana io

2011-07-26 @ 07:04 in Izaho sy ny ahy

Zavatra iray izay iainan'ny tena mivantana mikasika ity resaka famadihana ity no nanosika ahy hanoratra sy hamerina handinika indray hoe inona marina no mbola mahatonga ny Malagasy hamadika. (tohiny)

Hitan'i Google+ ny fika

2011-07-23 @ 15:02 in Izaho sy ny ahy

Ity angamba ny lahatsoratra voalohany amin'ny teny malagasy mikasika ny Google+ izay nisokatra ny 28 jiona lasa teo. Mbola vaovao ho an'ny maro tokoa ity G+ ity na dia efa ela aza no niketrehan'i Google azy, ary efa fantatra fa tsy maintsy ho avy masiaka(1).
 (tohiny)

Veloma ianao ra-Catherine

2011-07-18 @ 08:56 in Izaho sy ny ahy

Mino aho fa efa betsaka ny olona voan'izany hoe nisy olona nitokisanao dia voatery nilaozana. Indrindra moa raha olona nianteherana hitari-dalana sy hiaraka aminao amin'ny sarotra... rehefa maizina iny ny andro. Izaho voa tamin'ny asabotsy. Tamin'ny asabotsy alina, efa hadiva hisasak'alina aho dia nanapa-kevitra fa tsy hiaraka intsony amin'i ra-Catherine. (tohiny)

Mody fanina

2011-07-07 @ 05:56 in Izaho sy ny ahy

Efa ela aho no tsy niresaka politika, ary mbola tsy hiresaka politika koa androany. Ahoana tokoa moa no hiresahana politika raha toa ka vao miteny fotsiny ianao hoe resaka politiika ity dia tsy misy mamaky avy hatrany? Ny sasany aza vao hanomboka hifandray fotsiny ianao dia avy hatrany dia misakana hoe aza asiana resaka politika mihitsy an. Ilay bandy akamako mpanoratra lahatsoratra an-gazety mba nasaiko nitantara ny zava-misy sy ny toe-draharaha any Madagasikara dia nanda avy hatrany hoe "Izaho aloha tsy hanoratra mikasika politika mihitsy". Ry Ikalamako izany tsy te hiherika mihintsy raha vao misy hoe Rav... na Raj... (tsy hosoratako manontolo sao tsy mamaky eo koa izy) any anaty lahatsoratra.

Fa dia naninona loatra ny politika?

Ny politika no zavatra anisan'ny nahaliana ahy indrindra tamin'ny taona vitsivitsy nanaovako Filozofia. Io ihany tsinona no taranja hitako hoe mahakasika mivantana ny fiainako sy ny manodidina ahy. Resaka momba izany rahateo ny tena politika. Fitantanana tanàna (Polis), fandrindrana ny fiaraha-monina. Ny hoe mandrindra dia mandamina izay mikorontana sy tsy marina. Izany hoe hamarinina ho tsy misy avo sy iva, tsy hisy tombo sy hala. Izay no nitiavako politika.

Toa ny manao fanorona dia mahafinaritra ilay politika. Raha hijery sy handamina ny "avo sy iva" izany mantsy dia mila manana fijery ankapobeny aloha, izany hoe mahita ny rehetra, diia avy eo mahalala ny antsipirihany. Eo no mampiasa ilay teti-panorona isan-karazany hoe ahoana no hampakarana ny "iva" ka tsy hisian'ny elanelana be loatra eo amin'ny "avo sy iva". Resaka tena mikasika ny andavanandro izany ny politika fa tsy resaka maha monaina.

Ny olana angamba dia satria tsy manao politika akory ireo mpanao politika. Toa manao izay ham-panankarena ny tenany fotsiny ka manitsaka ny ambany sy "iva" mba hiakarana ambony amin'ny "avo". Mifanohitra tanteraka amin'ilay mandamina. Dia izay mahery sy be vola no lasa filoha.

Tonga amin'ny tanjony izao ny mpanao poltika sandoka. Tsy misy miresaka politika intsony. Tsy misy mitsikera ny "avo" sy miantra ny "iva" intsony. Lasa samy maka ho azy sisa. Mirehareha ery hoe tsy manao politika kanefa latsaka ao am-bovon'ny be polifika. Manjary mankaksitraka ilay tsy firindrana.

Tsy maninona, aleo samy mody fanina. Tsy maintsy hikorontana ihany rehefa lasa avo loatra ny "avo" ka lasa iva loatra ny "iva". Hiseho amin'izay ny tena mpanao politika "mpandrindra" sy "mpanamarina"

 

Fantatrao fa tiako ianao

2011-06-09 @ 23:22 in Izaho sy ny ahy

Raha mamonjy lamesa katolika ianao androany dia io no votoatin'ny Vaovao mahafaly na filazan-tsara androany zoma. Azonao jerena eto ny lahatsoratra manontolo. Anisan'ny teny mahafinaritra indrindra ao amin'ny baiboly io teny io. Fahatsiarovana kely fa tsy hanao toriteny, tsaroako tamin'ny mbola kelikely (4eme tamin'izay mbola 12 taona), mbola tsy dia nahay teny anglisy firy, sady tamin'izany mbola tsy nisy internet hanaovana traduction avy hatrany, dia notadiaviko tamin'izay filazantsara anglisy kely izay ny dikan'io teny io dia anisan'ny fampiasa matetika tamin'izany fotoana izany :-)... "You know that I love you"... na dia tsy dia tena tamin'ny heviny araka ny baiboly aza no nakàna azy.

Amin'izao efa misy ny google ka afaka adika na dia amin'ny teny Rosiana aza

Вы знаете, что я люблю тебя

 

Enregistrer-na ny feo avoakann'ny ordi

2011-06-07 @ 21:22 in Izaho sy ny ahy


Tamin'ny nametraka Windows 7 tamin'ilayyy matosy aho roa taona lasa izay dia falifaly hoe tonga dia hitann'ny windows7 daholo ny pilotes-n'ny peripheriques rehetra (Audio, Video, sns). Nandeha tsara tokoa ilay izy, tsy nisy olana mihitsy. Fa afak'omaly nisy hira tiako no-enregistrer-na mivanntana tamin'ny internet dia tsy hitako ny fanaovana azy. Gaga aho fa tsy nisy capteur-na feo avy amin'ny carte son intsony ny windows7. Rehefa nijerijery tamin'ny google dia nahita soso-kevitra maromaro. Nisy niteny hatramin'ny hoe mampiasa fiche jack mivoaka amin'ilay sortie carte son dia averina amin'ilay entree carte son ihany, karazana loop izany.

Fa ny nahavaha ny olana dia nitady pilote compatible windows 7. Tadidididiko hoe Realtek ilay carte son dia nahita pilote version farany aho dia avy hatrany dia nety. Amin'izao dia hitako ao amin'ny lisitry ny feo azo raisina ny fe avy amin'ny carte son. Ho afaaka haka feo maromaro amin'izay.

Asa koa na mety hisy fiantraikany amin'ny hatsaran'ny feo rehefa manao hira ny fisian'io pilote original io.


Resa-tserveur

2011-06-02 @ 10:02 in Izaho sy ny ahy

Tsy nohavaoziko ny licence windows fandoako isam-bolana ao amin'ny Ovh.com ndroany. Isambolana, ho an'ny serveur kimsufi iray dia nandoa 36 eur HT aho efa ho telo taona izay nametrahana ny DJ radiovazogasyy. Tsy maintsy windows ilay izy satria mbola tsisy equivaalent amin'ny Linux... Sady novidina 240 eur ilay logiciel DJ tamin'izany ka mbola tsyy azo ariana. Fa androany dia tsy nohavaoziko intsony ilay windows serveur satria nety ihany ny fikafika gasy.
Tamin'ny roa volana lasa aho dia nisy niteny hoe afaka manome licence-na windows serveur 2008 MLA amin'ny vidiny mirary. Tsy mamela ny hametraka licence toa izany amin'ny serveur-ny nefa ny kimsufi ao amin'ny OVH. Ny fika izany dia mamorona virtual machine iray ao amin'ny serveur foibe, dia atao Kvm dia iny no asiana windows server 2008 hahafahana mametraka an'ilay licence. Natao ny andrana dia nety tsara nandritra ny iray volana. Nisy fotoana fotsiny ni-crash ilay VM ka nila intervention ni-redemarrer azy. Nesoriko ary ilay license tamin'ilay serveur kimsufi dia nasiana Proxmox dia nampidirina ho node-n'ilay serveur foibe. Nandramana nafindra tao amin'ilay node ny windows 7 tao amin'ilay foibe. Adin'ny 3 no namindrana azy fa tafafindra ihany, niaraka tamin'ny disk roa. Nisy olana kely ny reseau satria kay niova maaachine ilay VM dia niova IP ihany koa. Rehefa nalefa dia nety tsara ary io izy misy ny #scrabl ho an'ny karajia.org io.
Hitako tapatapaka matetika ny rvg vokatr'ilay ao amin'ny VM kanefa aleo amin'izao fa mitady fika hi-gerer-na ny fahatapahana.

Inviato con Windows Mobile�.

Olana eto amin'ny serasera

2011-05-18 @ 18:32 in Izaho sy ny ahy

Misy olana kely ny serasera amin'izao fotoan izao. Eo am-panamboarana azy aho amin'izao.

Inona ilay olana?

Efa nalefako ihany hoe manamboatra ny API ho a'ny serasera aho amin'izao. Eo amin'ny resaka authorization indrindra aho no nahita fa hay tranainy ilay fitaovana ao amin'ny vavahady login.serasera.org
Dia nohavaozina iny fa tsy afaka niandry. Rehefa nohavaozina nefa iny dia tsy nifandray tamin'ny vavahady intsony ny sites rehetra. Vokany, tsy afaka mampiasa solonanarana na aiza na aiza.

Amin'izao dia efa manimboka mivha ny olan amin'ny sites sasany. Afaka 1/2 ora eo dia mety hivaha tanteraka.

Ialana tsiny.

Matoa aho nijaly sy maty sy nasandratra ho olontsambatra i JPII...

2011-05-08 @ 19:45 in Izaho sy ny ahy

Hira anakiray azo atao amin'ny Karemy sy fiandrasana ny  Paka ity anakiray ity. Matoa aho nijaly sy maty. Mampiseho ny anton'ny fanoloran-tenan'i Jesoa sy ny fandreseny. Nahafinaritra ahy ny nilalao "effets" vitsivitsy tamin'ilay video, mety tsy nivoaka tsara fa rehefa manana ordinatera matanjaka aho mety hilay ihany. Ity ary ilay Video...

 (tohiny)

Getting it out : manala azy

2011-05-01 @ 21:00 in Izaho sy ny ahy

Nampidiriko tato amin'ny blaogy ity video ity fa nijanona ela tato anaty ordi tato. Tamin'ny telo taona lasa izy izay, raha tsy diso aho, no nanaovako azy ity. Nisy bandy izay niara-nipetraka taminay dia tsy mahay mahandro vary hono izy. Dia nanao ity video ity aho, izay tsy hitany akory, nanandrana izany hoe fomba fandrahoana vary araka ny maha Malagasy :-)

Aza mieritreritra hoe "tutorial" fandrahoana vary io... fa mba manala azy fotsiny. Ialana tsiny ny korontana mety ho hitanareo ao anatiny ao. Ataovy mahafa-po fotsiny ny mieritreritra hoe efa 3 taona lasa io farafaha haingany... izany hoe efa mba nivoatra nahavidy fihogo, sy nahabango volo aho.

Farany, ilay mozika dia nampidirina taty aoriana. Hitako nitendritendry piano teto i Aina dia nalaiko feo... dia nampidiriko niaraka tamin'ilay video. Aza omena tsiny fa efa kely sisa i leiry dia hahay lol. 

Ity ilay video fa lava loatra... hamoaka video clip hiram-pivavahana ihany aho rehefa avy eo ka.

Surprise, un don de 120 Euros

2011-04-08 @ 14:55 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika

Ce n'es pas une blague... Je viens de recevoir 120 euros de telecom Italia... Et je suis content... Miala tsiny fa teny gasigasy ny tohiny fa natao hisintomana kil fotsiny ilay mody natao teny frantsay eo ambony... litera 140 mandeha any amin'ny twitter sy facebook.

Fa tena marina. Nahazo verim-bola 120 euros tamin'ny telecom Italia aho. Aza miteny hoe izay vola kely izany ve, satria sarotra dia sarotra vao mahazo vola kely amin'ireo entreprises italiana ireo. Ny mifanohitra amin'izany aza mantsy no mateti-pitranga. Tamin'ny herintaona, ohatra, dia nandritra ny herintaona aho mbola nahazo faktioran'ny ligne telefonina tsy nampiasaiko akory na 1 segondra aza. Nefa isam-bolana dia tonga hatrany ilay faktiora. Ny ligne ampiasaiko amin'io efa fournisseur hafa mihitsy. Tato ho ato aho vao tsy nahare tohiny intsony fa angamba tonga saina, na reraka, na humm.

Ka ahoana ary ny momba ity 120 euros ity. Nanomboka tamin'ny faran'ny janoary teo dia tapatapaka ny internet tao antrano. Ny telefona mandeha tsara fa juste ny internet. Dia isaky ny tapaka dia miantso ny support avy hatrany aho. Dia amboarindry zareo ao anatin'ny 48 heures... dia avy eo tapaka indray dia toa izany foana. Misy fotoana izany rehefa tsy tapaka izy dia miari-tory bebe kokoa aho mba hahafahana manao zavatra dia rehefa tapaka izy dia matory aloha. Fa tsy tapaka mihitsy aho ny miantso ny support isaky ny tapaka. Farany dia niantso ny support commercial telecom aho nametraka fitarainana... notehiriziny tany ny fitarainana fa omaly kosa izy vao niantso dia nilaza fa averiny ny 120 euros.

Tsy mahasolo ny ora very isaky ny tsy misy internet io... fa mahafaly rehefa mba manao toa izany ny Telecom.

 

Fantatrao ve ny Gcompris

2011-02-26 @ 18:25 in Izaho sy ny ahy

Ho an'ireo manana zazakely dia misy programa kely mahafinaritra izay natao indrindra hizarana ny ankizy amin'ny ordinatera atao hoe GCompris. Ho an'ny zaza mihoatra ny 2 taona izy io... ahafahana mamantatra zavatra maro ihany koa.

Raha te haka an'ilay GCompris dia ao amin'ny http://gcompris.net

Nanomboka feno roa taona tamin'ity volana ity i Aina dia tonga dia lasa izao :-)

Manandrana sary sy emoticon

2011-01-26 @ 16:43 in Izaho sy ny ahy

Lahatsoratra mandalo kely fotsiny ity manandrana ilay sarintsiky sy fampidirana sary avy amin'ny sites hafa araka ny nolazain'i mimisimply

Emoticon: Wink

Sary hafa:

 

Tany Dago aho, milamina any :-)

2011-01-25 @ 08:07 in Izaho sy ny ahy, Politika

Sao mbola nisy tsy nahalala :-) Izany tokoa mantsy no fanao, rehefa ho any Dago dia tsy miteniteny fa rehefa avy any dia atao fantatry ny rehetra any amin'ny fb sy bf (vakio hoe béfé) rehetra any. Sary etsy sy eroa, ary matetika atao karazan-toerana maro mba hitenenana hoe voatetiko i Madagasikara (yes, ho avy tokoa ny sary lol). Etsy Ampefy no maka sary, atao angles maromaro dia toa ny hoe tany Nosy Be sy Sainte Marie... (azo atao tsara) (tohiny)

Hanao Noely eto Dago ihany

2010-12-20 @ 10:10 in Izaho sy ny ahy

Efa ela mihitsy izay tsy nanaovana noely teto Dago izay. Hatramin'izay mantsy dia mandritra ny vakansy lehibe ihany no tonga eto. Efa tsy dia zatra intsony mihitsy... ka ireto ny zavatra tena naitra ahy. Ny zava-mitranga moa indraindray tantaraiko ao amin'ny twitter-ko ao amin'ny http://twitter.com/hery

Tany Arivonimamo aho no nipetraka nandritra iny Herinandro iny. Tamin'ny faran'ny herinandro teo izahay dia teny Miarinarivo sy Ampefy. Tsy dia tena nisy inona loatra tany amin'ireo tanàna ireo fa mba nandalo fotsiny.

Ny famantarana fa hoe fety na manakaiky fety hono eto Iarivo dia ny fitohanan'ny fiarakodia. Raha mandeha tongotra matetika no tonga aloha. Ny antony tsy handehanana tongotra sisa dia ny hoe sao ho reraka (indrindra ho anay zokinjokiny), na sao vetivety dia lany ny kiraro (ny arabe eto Iarivo rahateo mikiky kiraro be), na sao avy ny orana (mamely koa io amin'izao), na rehefa mampiaraka (ka tsy te hojerijerendry zalahy eny an-dalana), na rehefa sady mi-telefona (raha matahotra mpisam... kanefa tandremo manamorona varavarankely fa lasa sélémém indray)... na rehefa mitondra vola be (rehefa avy nanakalo euros tetsy antaninarenina... indrindra rehefa eny amin'ny sisiny ka tsy maintsy voatery manisa :-))

Dia ny famantarana fa akaiky koa ny fety dia ny fisian'ny kilalao be dia be. Feno olona ohatra iny petite vitesse sy iny behoririka iny... sarotra mihitsy na dia mandeha an-tongotra aza. Ny kilalao hitanao eny ny ankamaroany dia vita sinoa... amin'ny karazany avy. Sarotra ny mahita kilalao ho an'ny ankizy latsaky ny 2 taona (soa ihany i Aina fa efa nitondrana kilalao mahazatra azy)

Fa hatramin'izao aloha dia tsy mbola misy loatra ny fanaingoana tanàna... afatsy ny hoe saina maitso fotsy mena teo amin'ny Hotel de Ville vao notokanana angaha. Tsy dia be koa ny hira krismasy toy ny taloha hoe mandeha mafy be eny antranon'olona eny. Efa tsy dia mahazatra ny olona intsony angamba ny manana mp3 na CD krismasy toy ny nanananay K7 krismasy taloha.

Famantarana iray koa dia miha lafo ny vorona sy ny akoho. Mahakivy mihitsy fa odiana fanina fotsiny. Aleo ny vehivavy no asaina miantsena dia tsy anontaniana hoe ohatrinona ny laniny amin'izay tsy marary fo. Moa raha tena miteny ny vidiny izy dia avadika euro malaky dia mba tsy mavesatra loatra... fa na izany aza *%$£#£ù*

Na izany na tsy izany dia milay ihany ilay manao krismasy aty Dago... 

Herinandro teto Dago sahady

2010-12-07 @ 09:00 in Izaho sy ny ahy

Tsy mbola afaka miblaogy tsara aloha amin'izao sady tsy afaka manao clip koa fa mbola manao vakansy...

Video: Tompo o zany hafaliako tany Dago

2010-11-02 @ 23:35 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Telo taona toa izao no nakàna ny sary. Nandritra ny dianay avy ao Fianarantsoa ho any Ranomafàna. Tsy tena tao anaty programa ilay Ranomafàna fa tsy nisy taxi-brousse avy tao Fianarantsoa mandeha any Toliara raha tsy ny alina dia nanapa-kevitra kely hikodia any Ranomafàna. Nandeha maraina izahay dia niverina ny hariva. Naka tomobil drokadroka izay fa mbolamitàna tsara. Alohan'ny hiainga dia notrohan'ilay saofera aloha ny lasantsy (io ilay atao hoe amorcer-na) dia atao anaty carburateur satria tsy mahasintona intsony ny paompy. Nony niverina dia vaky ny kodiarana. Efa hitako sola dia sola ihany ilay izy talohan'ny  handeha fa ny anay koa moa fanalàna azy rahateo dia lasa zao.

Tonga tany Ranomafana izahay dia nihidy ny piscine (tsss) kanefa saika hiboridandridana tao.

Anisan'ny resakay tamin'izany satria feno pub-n'ny Tiko ny tanàna tamin'izany dia hozy ilay bandy akama hoe mora hono ny fiainana tamin'ny andron-dRatsiraka. Feno Magasin M ny tanàna kanefa ny Magazin M mora kokoa noho ny an'ny Tiko. Amin'izao angamba i leiry faly kokoa satria misy Tsena Mora mihitsy amin'izao.

Izany eo ihany fa telo taona androany izany izay no niraisanay tao amin'ny firaisana (sarotra ihany ilay teny gasy. niraisana = s'unir, firaisana = commune) Arivonimamo.

Niala TIM aho nanomboka omaly satria...

2010-10-29 @ 07:29 in Izaho sy ny ahy

Vokatry ny nanaovan'ny TIM ahy tamin'iny volana lasa iny dia nanapakevitra aho nanomboka omaly fa hiala TIM. Nokapohin'ny TIM antsokosoko mantsy aho rehefa tena dinihina. Toa izao ny tantara. (tohiny)

Video: Atolotro anao

2010-10-19 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika, Mozika

Sady mi-blaogy ihany aho no mametraka ny video weekend. Androany vao nivoaka ny video weekend tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy tratra :-) Angaha rahateo moa nisy mahatsikaritra hoe tara :-p.  (tohiny)

Lasa mpanamboatra finday tsy satry

2010-10-12 @ 22:59 in Izaho sy ny ahy

Tao anatin'ny iray volana latsaka dia finday roa azo heverina hoe lafo vidy ihany no simba tampoka :-). Natontan'i Aina tamin'ny tany dia simba ny ecran. Ny iray dia I-Mate PDA2K mbola mijajika tsara, ary ny iray Nokia 95 8Gb. Sendra mipetrapetraka eny ilay izy dia alainy dia rehefa hitany hoe bloqué ka tsy hitany izay azo atao dia tonga dia atontany amin'ny tany amin-kery lehibe. Malaky kokoa ny filatsak'iny avy eny an-tanany noho ny fihazakazako avy ery ambony seza hamonjy an'ilay izy. Rehefa miparitaka vao tonga saina.

Koa satria lafolafo daholo ireo telephone ireo fa tsy tahaka ny mahazatra ahy (Any izay ilay motorola mitovy amin'ny kobandravina), dia naleo nitady ecran tao amin'ny ebay dia nosoloina. Ny ecran iray dia manodidina ny 25 Euros eo. Tonga dia miaraka amin'ny tourne-vis, fa mila mividy hafa satria karazany telo ny vis ao anatin'ny tel.

Dia lasa mpanamboatra finday tampoka indray izany tsss.

My PDA2K 6

P.S. Momba ilay facebook nolazaiko tamin'ny post teo aloha. Aza omena tsiny raha tsy voavaly na voavaky ny commentaire alefanareo fa mbola tsy mijery facebook ihany aho :-). Misy nuance ny hoe miditra facebook indray sy ny hoe mandray anjara facebook.

Hiverina ni-facebook aho (tsy aferanao)

2010-10-12 @ 06:29 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny volana desambra 2009 aho no tena ni-facebook farany. Nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian'io dia nandalo ni-desactiver ny emails sns fotsiny. Ary nanomboka tamin'ny Janvier 2010 tany dia tsy niditra facebook tanteraka intsony. Nazava tsara moa ny tanjona tamin'ireny dia ilay hoe handany andro hanao ny serasera.org tanteraka ary azo lazaina hoe tratra araka izay niheverana azy tamin'iny été iny. Tsy dia misy tena antony manokana hiverenako facebook amin'izao fotoana izao fa mahafinaritra fotsiny ilay hoe hiditra facebook indray. Fantatro rahateo fa tsy hisy hivaky loha na miditra aho na tsia lolll.

Inona izany ny tanjona?

- Mila manana "amis" mihoatra ny 5000 aho alohan'ny Paka 2011. Ampidiro amis-ko daholo ze bodo sy adala hitanareo rehetra fa tonga dia accepter-ko.
- Hasehoko an'i anona sy anona hoe tsy misakana hiserasera ny mampiasa facebook à fond lolll (Aza tezitra wa toi fa 100% io)
- Hasehoko an'i anona sy i anona ary i anona fa na dia namako ao amin'ny facebook aza izy dia tsy namako tena izy :-) (Sao de hoe bizou bizou eo fa rehefa gline de gline)
- Hitady kil amina produits vitsivitsy no tena tanjona kanefa tsisy hoe "Ajouter un client" ao ka dia tsy maintsy mody atao "amis" daholo ny bodo sy adala (Donc ami = client)
- Hahazo kil ve aho? Vitsy ny hamaky ity lahatsoratry ny blaogiko ity ka ny ankamaroany dia hieritreritra hoe tena akama daholo :-) (Zay le hoe tsy aferanao eo am titre)
- Ho an'ny namana tena namana :-). Aza miantehitra ny hifandray amiko ao amin'ny FB satria tsy ho hitako akory ny fifandraisana apetrakao ao. Ny email-ko sy ny tel-ko ihany ianteherana.

Zay izany fa dia hanomboka ny aventures.

Aparitaho ary ny anarako lolll Hery Serasera http://www.facebook.com/heriniaina

 

Video: Reny mpitari-dalana

2010-10-03 @ 22:55 in Izaho sy ny ahy, Mozika

Hira fihiranay sy i Papanay ity rehefa ilay "mikandra" iny izahay. Olona tena manam-pinoana i papa ary mino fa misy ny fahagagana. Izahay moa tsy misy azo atao afatsy ny migoka ny vokatry ny fivavahany. Mba mivavaka ihany izahay fa ny azy dia mahavariana mihitsy fa imbetsaka no tanteraka izay zavatra angatahany. Betsaka no tena tadidiko fa ny anakiray izay dia tena niteny mihitsy izy taorian'ny "neuvaine" izay nataonay hoe "Miandry ny valiny sisa isika"... dia tsy ampy herinandro taorian'izay dia nisy zavatra tsy noeritreretina nitranga tokoa. Rehefa mbola tsy ny tena no miaina azy dia sarotra inoana :-)

Ny hira dia ao amin'ny Fihirana Katolika, Hasina pejy 84. (tohiny)

Andro fahatelo tsisy Windows

2010-09-29 @ 06:52 in Izaho sy ny ahy, Informatika

Nandritra ny roa andro dia Linux (Ubuntu) fotsiny no nampiasaiko. Ary miditra amin'ny andro fahatelo aho izao. Amin'ny ankapobeny dia mandeha tsara daholo. Ny asa tato am-piasana, ohatra, izay tsy maintsy nampiasàna Internet Explorer (tsy ekeny akory ny Firefox) dia azo nihafiana ihany rehefa mampiasa Google Chrome. Ny documents fijery amin'ny WinWord rehetra dia jerena amin'ny OpenOffice. Rehefa any an-trano koa, ny fichier pdf tany amin'i Rondro novaina ho jpg dia natao tamin'ny Gimp. Amin'izany aho sady afaka mianatra Blender fa mila mahay resaka 3D kely ihany koa.

Androany no mety hisy olana satria misy resaka OCR ny asa atao. Manova texte amin'ny boky ho lasa document azo ahitsy. Izany hoe hampiasa scanner. Raha asa maika dia tsy maintsy hiova windows kely, fa satria tsy asa maika dia vao hojerena sy hianarana indray hoe inona no hanaovana azy.

Hitako izany amin'ny linux hoe raha manao zavatra standard ianao dia mety tsara daholo, fa raha vao manao zavatra manokana kely dia mitady vahaolana. Izany hoe mila mikarokaroka sy mikirakira. Izay no valin'ilay fanontaniana hoe "Maninona no tsy mampiasa linux daholo raha izany?"

Video: Injany fa miantso ahy

2010-09-08 @ 00:11 in Izaho sy ny ahy

Tena tiako ilay hira dia nataoko na dia tsy ampy fitaovana sy ratsy feo aza. Nandany fotoana ihany ny nanao azy fa vao fanandramana voalohany.

Hira nalaina tao amin'ny Fihirana Hasina P. 595
Ny video dia nalaina tamin'ny fakan-tsary finepix s1000 (Fujifilm), tsotra kokoa
Ny mozika dia notendrena manontolo tamin'ny Behringer UMA25S. Ilay Yamaha PSR E323 nanarahana ny playback fotsiny.
Ny feo dia narindra tamin'ny Cubase 5 (Nampiasa Halione1 sy Groove tamin'ny drums)
Ny sary dia narindra tamin'ny KDEnlive 0.7.7.1 (tao anaty Linux ubuntu studio).

Ny micro izany no hitako tsy mamely... rehefa mba ratsy ny feo tokony azo amboamboarina amin'ny micro tsss.

 

 

Arahabaina nahita masoandro i Tsiky

2010-09-07 @ 10:36 in Izaho sy ny ahy

Tonga teto an-tany tamin'ny alahady teo hono i Tsiky. Zazakely tahaka ny zaza rehetra. Ny nanaitra ahy fotsiny, ankoatr'ilay anarana nomen-dray sy reniny (akama) azy dia ny zokin'i Tsiky dia mitovy taona amin'i Aina, izany hoe 19 volana izao.

Mirary soa ho an'izy roa Ray aman-dRenin'i Tsiky Soary sy ny zokin'i Tsiky izay hendry be fa tsy mba mialona an-jandriny... Falifaly indray aza hono izy mahita an'ilay zazakely. Fa mba eritrereto hoe i Aina anie no manan-jandry sahady e? Toa ohatra ny mampalahelo izany ho hahita azy.

Izahay koa aloha ohatra an'izany e. Ny elanelan-taonako amin'ny zandriko dia 18 volana. Dia ny elanelan'io zandriko io amin'ny zandriny dia 12 volana katroka... ka angamba tsy maninona ihany. Matotra ny zaza rehefa misy zandriny (Jereo fotsiny aho lolll)

Mamerina ny firariantsoa eee

 

Facebook ato am-piasana, tsy tafa ny sakana

2010-08-31 @ 07:07 in Izaho sy ny ahy

Fantatrareo ihany moa fa efa am-bolana maro aho izay no tsy mampiasa facebook. Tamin'ny volana febroary tany ho any dia resiko lahatra koa ny tato am-piasana hisakanana ny facebook ato am-piasana. Nojerena mantsy ny statistika tao amin'ny routers ka ny 80%-n'ny sites mandalo ao dia facebook daholo. Ary ny fotoana ampiasana ilay facebook dia amin'ny fotoana fiasàna ny ankamaroany.  (tohiny)

Tahotry ny zazakely

2010-08-25 @ 12:58 in Izaho sy ny ahy

Nisy fotoana elaela izahay tsy nandefa tele satria tsy tongan'ny satellite eny aminay fa ao ambadiky ny tendrombohitra. Nahafinaritra ery ny fiainana tsy nisy télé zany :-) (tohiny)

Andrana sary

2010-06-21 @ 13:10 in Izaho sy ny ahy

Mety ny fampidirana sary ka

Mandeha ihany ilay fotoana kle

2010-05-18 @ 07:00 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny voalohan'ny volana avrily aho no nieritreritra hamoaka ilay module vaovao ao amin'ny namana. Resaka group le izy. [ Hozy indray zao nareo hoe mitovitovy amin'ny FB izany. Ka ny FB aza nanao mitovitovy amin'ny serasera koa :-) fa tsy any ny olana ] Hatramin'izao tsy mety vita kanefa kay efa misasaka mahery ny volana may. Ka ezahina hovitaina amin'ity faran'ny volana ity dia avoaka amin'ny jiona raha mety. Mandeha be ihany ny fotoana an.

Ka i Aina aza moa efa mandeha be... efa miakatra tohatra i leiry raha vao tsy hitahita. Efa mihoatra ny vala e. Tenenina foana fa e e e. Nasiana (nividianana mihitsy) an'irony karipetra matevina irony ny trano, fa aleony indray mandeha manara-tsisiny eny amin'ilay tsy misy karipetra (tapis no dikan'ny karipetra). Mahafinaritra ny mahita azy rehefa mianjera sy mitsangana malaky. Raha toa izany daholo moa ny fiainana. Tsy menatra mihitsy izy na mitaredretra eo rehefa mianjera fa tonga dia miezaka mitsangana malaky dia mamindra indray na dia fantany aza fa mbola hianjera rehefa kelikely. Rehefa lehibe mantsy no potraka toa malaina hitraka... mora kivy hoe tsy hahatratra ilay toerana haleha.

Mandeha be ny fotoana fa 6 taona omaly izay mbola toy ny vao omaly :-) Tadidiko na ny akanjo na ny ora na ny volon-danitra... ary ilay andry vato moa fahafiry?

 

Zoma Masina Subiaco

2010-04-03 @ 05:49 in Izaho sy ny ahy

Rehefa mipetraka aty lavidavitry ny tanandehibe aty vao mahita hoe mbola mivavaka ihany ny Italiana. Ny fiangonana aty isaky ny alahady misy lamesa impiry, ary amin'izany feno hatrany. Fa ny tena nanaitra ahy dia ny Zoma Masina omaly. Ohatry ny hoe Katolika daholo ny olona manerana ny tanàna. Vao andro vitsivitsy mialoha aloha dia efa ny fetin'ny Paka foana no resaka. Ary tsy mba toy ny firesaky ny tsy mpino fa resaka mikasika ny fomba hankalazana amim-pinoana ny Paka. Na any amin'ny bar aza (toerana fisotroana kafé ny bar aty fa tsy dia fisotroan-toaka loatra) dia mbola ny pitsopitsony amin'ny fanorohana ny Lakroa Masina, ny processions, ny veillée de prières no heno. 

 (tohiny)

Iny weekend iny... #Shoan

2010-02-23 @ 01:47 in Izaho sy ny ahy

Tsy haritro ny tsy hitantara ny zava-nisy tamin'iny weekend iny. Tany Paris sy Rouen dia hitako hoe nifangaro ny vahona sy ny tantely, ny fahanginana sy ny kotaba, ny tomany sy ny tsiky, ny fahakiviana sy ny fanantenana... fa nandresy hatrany iretsy faharoa.  (tohiny)

Nandalo FB fa mbola Aoka ihany... indray

2010-02-22 @ 12:42 in Izaho sy ny ahy

Taorian'ilay takariva ho an'i Shoan tany Paris tamin'ny zoma teo sy ny dianay tany antranon'i Shoan tany Rouen tamin'ny asabotsy dia fantatro fa tsy maintsy ho ao amin'ny FB no hahitana ny sary voalohany. Tsy nahita sary tamin'ny sisiny mihitsy aho toy ny Flickr, Picasa sns... na dia ireny aza no toerana tena fitehirizana sary :-) 

Dia voatery nandalo kely tao aho io atoandro io... fa mbola tsy hitako daholo akory ny sary dia efa maika aho ny nanidy azy. Tena tsy resaka tsy fitiavana FB fa mikorontana be fotsiny ny saiko amin'ilay izy :-) Sady ohatran'ny niova be izany.

Koa mba ampitampitao ny sary fa tsy poinsa le miditra ao e... tena mitalaho :-p 

Sambasamba misy lanezy eto Roma

2010-02-12 @ 09:37 in Izaho sy ny ahy

Zavatra tsy fahita firy eto Roma itony ka mila tehirizina. Tamin'ny 2003 no nahatsiarovako hoe nisy lanezy nanify dia nanify izay tonga dia levona. Dia androany indray vao mba nisy an'izany lanezy izany teto Roma. Ary tena be dia be mihitsy. Misy kotroka koa aza. Ireto ny sary vitsivitsy fanombohany fa halaiko tsikelikely avy eto am-piasana eto ihany ny fivoarany.

image_00013 by hery_album_1 

image_00014 by hery_album_1

 

image_00015 by hery_album_1

 

image_00016 by hery_album_1 

Ny soratra mitoetra...

2010-01-18 @ 15:02 in Izaho sy ny ahy

Tsy tadidiko intsony ny tena sora-tanako... kanefa hoe ny soratra mitoetra. Zatra mitapy loatra (manoratra amin'ny milina no atao hoe mitapy)... ka tsy zatra manoratra intsony. Kivy be mihitsy aho mieritreritra hoe ahoana marina no tena endriky ny soratro ... (tohiny)

Tsy ampy divay izy ireo

2010-01-17 @ 15:43 in Izaho sy ny ahy

Tsy nandeha nanatrika ny fifampiarahabana tratry ny taonan'ny Malasy eto Roma aho androany dia aleo mba hi-blaogy aloha. Isan-taona tokoa dia  mifamotoana ny Malagasy eto Roma sy ny manodidina dia miara-mivavaka sy mikoràna kely. Tamin'ity taona ity aho vao mba tsy  nandeha hatramin'izay 6 taona nipetrahana teto Italia izay. Tsy afaka mankaiza tokoa fa mitaiza :-) Mbola tsy matiko lolo ilay Aina voan'ny sery taorian'ny nandehananay nanatrika Krismasy ka dia aleo mipirina aloha. Amin'ny herintaona indray mandeha fa mbola hisy foana isantaona.

Tsy ampy divay izy ireo :-)

Risika faharoa: twitter miteny gasy

2010-01-05 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Anisan'ny risika goavana izay nataoko tamin'iny faramparan'ny taona lasa iny ny nanaovako veloma ny Facebook ka tsy nidirako tany intsony. Araka ny nolazaiko moa dia tsy nanenenako mihitsy iny fihetsika nataoko iny na dia tsikaritro fa betsaka aza ireo namana (lavitra sy akaiky) izay nanjary tsy hitako hifaneraserana intsony. Izay no maha fanamby azy. Nasiako hafatra rahateo any ho an'ireo izay mbola te hifandray amiko. Ny fanamby faharoa ataoko dia ny hampiasana teny Malagasy ao amin'ny Twitter. (tohiny)

Aaaah dada

2010-01-03 @ 13:38 in Izaho sy ny ahy

Video firariantsoa avy aminay

2009-12-24 @ 21:37 in Izaho sy ny ahy

Ity sarimihetsika kely ity no entinay telo mianaka miarahaba anao sy ny ankohonanao amin'izao fahatongavan'ny Noely 2009 izao. Efa reradreraka ihany i Aina vao vita ilay video ka somary nitomany izy amin'ny farany. Mirary soa sahady ihany koa amin'io taombaovao 2010 io. Samy hoambinin-java-manasatra, hahita ny soa sy ny mamy daholo.

Hery sy Hanta ary Aina

 

Ny fotoana italiana

2009-12-22 @ 07:57 in Izaho sy ny ahy

Mbola resin'ny Italiana ny Malagasy raha resaka fotoana... ilay hoe fotoan-gasy. Resaka fitaterana izay hitako isanandro isanandro dia ny 80% n'ny fiaran-dalamby raisiko no tara mihoatra ny 5 minitra. Omaly ohatra dia tara 15 minitra ny fiara tokony ho nandehanako nody omaly hariva avy niasa. Dia teo ampiandrasana nivezivezy tao anaty gara tao aho no gaga tampoka nahita fa nisy fiara hafa koa tara 175 minitra be izao. Tsy naharitra aho dia naka sary mihitsy.

 

Ny tena mandreraka dia tsy mba misy mimenomenona izany mihitsy ny olona aty rehefa tara... kanefa raha himenomenona amin'ny zavatra hafa tsy dia misy dikany tahaka ny inona. Asa, mety hakamoana ny hiasa sns angamba. Nisy fotoana aza, tamin'iny vakansy lehibe iny, nandeha tany Torino izahay dia tara 45 minitra, dia nandeha nanao fitarainana sy naka remboursement, dia gaga daholo ny olona hoe azo atao kay izany. Tsy vakiny akory ny filazana ao anatin'ny tapakila hoe raha vao tara mihoatra ny 30 minitra ny fiara dia afaka mamerina ny ampahany amin'ny saran-dalana ny tomponandrikitra.

Aina miomana ho amin'ny Noely

2009-12-20 @ 21:28 in Izaho sy ny ahy

Paozy maro be an'i Aina miomankomana amin'ny fankalazana ny Noely. Nanatrika ny fety niraisan'ny Malagasy teto Italia izahay androany dia nanomana ny akanjo hoentin'i Aina. Nanendrika azy ilay dadabe noely kely :-) 

                                                                                        

Namokatra ny taona 2009

2009-12-10 @ 16:54 in Izaho sy ny ahy

Na teo aza ny  krizy ekonomika iraisam-pirenena, na teo aza ny black monday sy ny "Phénomène" Rajoel, na dia teo aza ny horohorontany mafy tao L'Aquila teto Italie, na dia teo aza ny fahafatesan'i Michael Jackson, na dia tsy lany tamin'ny "Grande Fratello 9" aza i Christina Del Basso (sipa be entana), sns sns. Dia mbola azoko lazaina hoe namokatra ihany ity taona 2009 ity.

Tamin'ity 2009 ity tokoa no nisy olom-pantatro be indrindra bevohoka sy teraka. Tao amin'ny fianakaviana akaiky (izahay mianadahy iray tam-po) fotsiny dia efa nisy zaza 3 teraka. Ankoatry ny cousines sy ny tantines sns (2 no fantatro). Toa izany koa ny avy amin'ny fianakavian'ny vadiko, cousines maromaro samy niteraka tamin'ity taona ity (3 no fantatro). Dia eo koa ny namana akaiky na any Dago (2 no fantatro) na ny aty andafy (2 no fantatro teraka ary ny 1 mbola ho avy atsy ho atsy). Na ny mpiara-monina eto Italia (3 no henoko hatramin'izao)... na ny eo amin'ny serasera (misimisy ihany).

Raha atotaly dia any amin'ny 20 any ny zaza teraka misy ifandraisana mivantana na ankolaka amiko... ka tsy izany ve no tena mamokatra? :-) 

Dia irariana mba hihoatra an'io amin'ny taona ho avy :-) Mazotoa mamokatra. 

Bye bye facebook :-)

2009-12-04 @ 08:33 in Izaho sy ny ahy

Mbola tsy fotoana fanaovana ny résolutions amin'ny taombaovao izao kanefa alefako mialoha sahady ny ahy. Anisan'ny zavatra kasaiko hatao amin'io taona vaovao io ny tsy hiditra isanandro intsony ao amin'ny Facebook. Tsy hofafaiko ny kaontiko ka :-) mbola azo "atao fitaovana" tsara hanapariahana hevitra io.

Tsy hahazo notification amin'ny facebook intsony aho na misy hafatra tonga na misy mangataka ho namana sns. Koa raha misy hafatra tiana ho tonga aty amiko dia tsy azo ianteherana intsony ny facebook. Ny fomba hafa toy ny namana.serasera.org sy ny email indray andramana.

Handalo ao indray mandeha isambolana ihany aho hanaiky (ekeko daholo) an'ireo mangataka ho namana fa tsy hamaky hafatra.

Ny sary rehetra ao dia tsy hoesoriko fa tsy hametraka sary vaovao ao intsony fotsiny aho.

Marihina fa ny status-ko dia miova ho azy mifanaraka amin'izay zavatra apetrako ao amin'ny twitter.

Bye-bye facebook izany e :-) mampamangy ao.  

Sambatra izay noana

2009-11-17 @ 09:58 in Ankapobeny, Izaho sy ny ahy

Nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon'ny FAO izay vondron'ny firenena mikambana miahy ny ara-tsakafo. Efa hita tselika sahady fa tsy dia hisy vokany loatra ho an'izay tena miandrandra zavatra azo tsapain-tanana ny fivoriana. Betsaka aza moa ireo filoham-pirenena goavana tsy tonga fa angamba nihevitra izany fivoriana izany ho toy ny fandaniana andro ihany. 

Maherin'ny iray lavitrisa hono ny olona noana eran-tany. Izany hoe ny 1/6-n'ny mponina eran-tany... izany hoe raha mahita olona enina ianao amin'ny ankapobeny dia ny iray amin'ireo mijalin'ny hanoanana. Mazava ho azy, tsy hitanao mivantana izay satria tsy mitsinjara akory ilay hanoanana. (Ahitsiko, raha toa ka mahita olona 6 ianao ka tsy mahita olona 1 mijalin'ny hanoanana dia eritrereto hoe any ambadika any izany misy mahita olona 2 mijalin'ny hanoanana ao anatin'ny 6.)

Ny antso avo azo atao ho an'ny tsirairay amin'izao fotoana izao angamba dia ny hoe, rehefa mba tsy noana dia aza manary sakafo. Aza mandanilany foana fa misy olona noana antapitrisany any maniry ny hihinana ny latsaka ao ambany latabatrao.

Fa iverenako ny lohateny hoe "Sambatra izay noana" izay ao amin'ny baiboly (Mt. 5,6) izay raisin'ny mpitory teny anjambany fotsiny vokatry ny fitsimponana andininy ka mampitombo ny fandrebirebena fanahy sy tsy mampitroatra ny voan'ny tsindry hazo lena. Voalohany aloha dia tsy hoe "sambatra izay tsy ampy sakafo" no tiany lazaina satria izy aza nalahelo tamin'ny nahita ny olona noana ka nanjary nanao fahagagana nampitombo ny mofo mihitsy mba hamokisana azy. Fa hoy izy hoe "Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana"... dia ny tohiny hoe "fa ho voky izy". Faharoa, raha ampifandraisina amin'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy" dia tsy midika tsy fahampiana fotsiny ilay hanoanana eto, ka mahatonga fahakiviana sy fiononana, fa midika fitadiavana mitarika fanantenana sy fahafaham-po. Farany, ny olona noana no mahita tsirony rehefa misakafo :-)

Nivaha ny olan'ny @serasera.org

2009-11-12 @ 09:32 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Androany vao voavahako ny olan'ireo izay manana adiresy @serasera.org sy @namana.serasera.org, izaho anisany. Tsy maharay ny email rehetra miainga avy ao amin'ny serveur-n'ny serasera.org mihitsy izahay hatramin'izay. Na fanovana tenimiafina izany, na filazana hoe misy hafatra voaray sns. Ny antony dia satria tsy alefan'ny serveur mivoaka mihitsy ny email fa heveriny hoe "local delivery" dia nefa tsy hitany ao amin'ny "local" ilay adiresy dia mi-bounce fotsiny dia very any. 

Sendra hitako t@ internet ary hoe mila asiana MX entry ao amin'ny local zone-n'ny DNS. Dia atontona any amin'ny mx-n'ny google izany dia nety ilay izy. Toa izao izany no nampidirina tao.

serasera.org. IN MX 10 aspmx.l.google.com. serasera.org. IN MX 20 alt1.aspmx.l.google.com. 

  

Google Chrome indray no malaza

2009-10-29 @ 09:59 in Izaho sy ny ahy

Andro maromaro izay no nampiasako Google Chrome, izay fitaovana efa navoakan'i Google efa elaela ihany izay, hijerena ny takelaka amin'ny internet. Ka mba hitondra teny kely momba ity "navigateur" ity aho. Ny tombony sy ny maharatsy azy.

Ny tombony lehibe amin'ny fampiasana Google Chrome dia noho ny hafainganany. Vetivety dia misokatra ny takelaka, ary izy koa vetivety dia voasokatra. Anisan'ny antony mampalaky be azy aloha dia azo lazaina hoe tsotra be izy. Tsy dia be filirony loatra. Nefa koa ny rindra anatiny dia tsy mitovy amin'ny fanaon'ny hafa tahaka ny Firefox ohatra. Ny an'ny Google Chrome, ohatra, isaky ny "Tab" (onglets) tsirairay dia manokatra "process" iray izy, izany hoe mibahana memoires roa samihafa ary rehefa mihidy iny dia tapitra koa ilay "process". Ny an'ny Firefox mantsy dia process iray ihany no miasa amin'ny fenetre iray na firy na firy ny "tabs" misokatra. Misy fotoana mahatratra hatramin'ny 500MB mihitsy ny memoire lanin'ny Firefox fotsiny. Dia manjary miadana be ny ordinatera.

Ny maharatsy ny Google Chrome indray dia noho ilay izy tsotra loatra. Betsaka ny zavatra tsy tonga dia mandeha ara-dalàna. Ohatra fotsiny hoe manoratra an'ity lahatsoratra ity aho dia tsy afaka mi-selectionner an'io sary eto ambany io mba hanakelezana na hanalehibeazana azy. Ankoatra an'izay dia tsy mbola afaka mampiditra fanampiny hafa (add-ons) tahaka ny Firefox ka tsy maintsy miverina mampiasa Firefox ihany rehefa mila zavatra manokana.

Andramo alaina eto ny Google Chrome fa sao dia mety mahaliana anao. 

 

Ny namana.serasera.org dia tsy facebook

2009-10-24 @ 14:37 in Izaho sy ny ahy

Na dia toerana fifandraisana , fitadiavana namana, antsoina ihany koa amin'izao hoe "Social network" na "Réseau social" asa ny namana.serasera.org dia misy zavatra vitsivitsy izay mampiavaka azy amin'ireo social network hafa. Angamba tokoa noho ilay toe-tsaina nanamboarana azy mbola tranainy kokoa (fa tsy ratsy), sy Gasy kokoa (fa tsy ratsy) izay mbola tsy hita izay maharatsy azy amin'izao. Ireto ary ny zavatra hitako izay anisan'ny mampiavaka ny namana.serasera.org:

 (tohiny)

Mitady Solika mafy :-)

2009-10-23 @ 07:26 in Izaho sy ny ahy

Miala tsiny amin'ny mety ho fifangaroan'ny lohateny fa tena mitady Solika aho. Tsy hoe solika fiarakodia akory na dia hoe rehefa zoma aza dia lany ny solika ka mila tohatohanana... fa ilay Solika, tarika mpihira kalokalon'ny fahiny. 

Simba daholo ny Solika ao amin'ny Radiovazogasy.com. Angamba tsy nahazaka ilay copier-coller be dia be rehefa afindrafindra... na hatrany ampotony mihitsy. Ny fotony aloha toa tetsy ampita tetsy ihany, tany amin'i Rondro mantsy ireo :-)

Koa raha mba misy manana Solika CD na K7 dia mba alefaso e... na mp3 vao mainka tsara. Ao fa rembourser-na ny saran'ny nandefasana azy (raha latsaky ny 10 euros :-p)

Marihina fa tsy manana olana eo amin'ny lalàna mihitsy ianao raha manome copie ny Radiovazogasy.com satria ao anatin'ny OMDA ny Radiovazogasy.com ka mandrotsaka ampahany amin'ny artista. 

I do "tweet" whatever I want to

2009-10-19 @ 10:22 in Izaho sy ny ahy

Last Saturday, I had some talk about new technologies with some sisters with whom I'm working. Then we talked about Facebook and Twitter. Then came out the usual reserve about privacy etc... up to "Why should you write on Facebook or Twitter about what you just had for lunch". That reminds me of some posts about "Things not to tweet about" or "10 things you should stop tweeting about" that jogany (The Purple) put anyway in her status. 

So what I say is resumed in the title of this post "I do tweet whatever I want to" :-) if it follows Twitter's TOS

My twitter is my own space offered by Twitter.com (to not to say my private space). So I write about whatever I want... what I have for breakfast, how's going my social network, when I had *** the last time, to whom I wrote to, about my dog (if I had one) etc... and my followers follow only what I have to say if they want to. Take it as a painting or a board where I take my notes but I make available for all to read. That's how I use twitter... exactly like how I use my blog :-)

are you still reading? :-p 

Naka aina kely

2009-09-10 @ 07:15 in Izaho sy ny ahy

Lavalava iny fialan-tsasatra iny. Naka aina kely mihitsy aloha fa mafotaka daholo na ny politika na ny serasera na ny asa na ny fitaizana. Lasa lavidavitra ihany nandritra ny 1 volana latsaka. Ireto ny sombitsombintsary (tohiny)

Tsy afaka mankaiza fa mitaiza

2009-08-17 @ 07:46 in Izaho sy ny ahy

I'm in "mitaiza" mood and enjoying it. :-) Tamin'ny 3 volana voalohany ihany no tena olana tamin'ilay mitaiza, tena tsy afaka nanao zavatra hafa mihitsy satria tena reraky ny niari-tory. Fa amin'izao lasa mahafinaritra ilay izy. Lasa tsy afaka manao zavatra hafa mihitsy fa variana eo. Androany maraina aho izao tara niasa satria nifoha maraina i leiry dia satry foana hitositosy eo am-pandriana. Mihantona na misosa miadana daholo aloha ny kandra rehetra na dia efa manao izay azo atao ihany aza aho rehefa mba matory iny izy mianaka. (tohiny)

16km en 2heures tsy mandeha tongotra

2009-06-12 @ 07:33 in Izaho sy ny ahy

Raha mandeha tongotra dia mahavita 10km eo ho eo ny olona ao anatin'ny adin'ny roa. Mandeha normal io fa tsy mihazakazaka. Fa izaho amin'ny maraina ho aty am-piasana, raha vao tara kely fotsiny no miala ao antrano, izany hoe variana eto amin'ny ordinatera ka manjary miala amin'ny 7ora sy sasany, dia adin'ny roa be izao no anaovana ny làlana avy aty antrano mandeha miasa. Nefa dia 16km fotsiny... sady amin'izay mandeha bus sy metro fa tsy mandeha tongotra. Tompondakan'ny amboteiazy iny lalana mandeha eny aminay iny, tsy misy izay tsy mikolay manomboka amin'ny 7 sy sasany  ka hatramin'ny 9 maraina.  (tohiny)

33 taona lasa

2009-05-29 @ 09:30 in Izaho sy ny ahy

Mitsingerina androany indray ny andro nankalazana ny mariazin'i Papa sy Mama... 33 taona lasa izay. Dia nanaovana batemy anay ihany koa. Mbola kely dia kely aho tamin'izany fa misy sary iray hany mba tadidiko dia i Mama somebiseby tamin'ny fiomana tao antrano, tadidiko tsara tamin'izany fa tao antrano i mompera itompokolahy Benoit Tsangambelo... dia izay ihany. Tsy nisy tadidiko izay izahay naka sary, na dia hitako aza ny sary taty aoriana, tsy tadidiko ny tao ampiangonana sns. Na izahay natao batemy aza tsy tadidiko mihitsy.

Dia miarahaba an'ireo Ray amandreniko :-)

Fika fampatoriana zaza

2009-04-25 @ 08:12 in Izaho sy ny ahy

Aleo aloha havalona any ny resaka politika fa tsy miady ny lalao. Zahay tsy hanao raha vao mifampitifitifitra, hery no miady fa tsy ny saina ka aleo hijanona. Fa nahita fika fampatoriana zaza aho androany. :-) (tohiny)

Iny horohoron-tany iny

2009-04-07 @ 10:33 in Izaho sy ny ahy

Nihovitra ny tany teto amin'ny faritra afovoan'Italia tamin'ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy tamin'ny 3 sy sasany. Tsy tena natory izahay satria mbola tratran'ny mifoha isaky ny mitomany ny zazakely.

Amin'izao anoratako izao dia heno mihovitra kely indray ny tany (11:27). Maka toerana ny ao ambany ao.

tohizako...

Ny misy anay dia tanàna iray amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Roma. Any amin'ny rihana fahafito ka heno mafy mihitsy ny fihonjony. Naharitra 20 segondra teo ilay izy ka nianjerazera daholo ny zavatra ratsy petraka. Izahay rahateo vao tsy ela no nifindra trano. Noraisina ny zazakely dia nojerena hoe inona no tokony hatao. Nitazana teny ambaravarankely raha misy olona mivoaka ny trano dia mba hivoaka koa. Sarotra ihany anefa ny hidina tohatra rihana fito amin'ny andro amin'ny telo maraina...koa dia niandry aloha. Novelomiko ny ordinatera dia nametraka hafatra tao amin'ny twitter, noho ny mbola fangovitana angamba dia lasa "tramblement" no voasoratra fa tsy tremblement. Nalefa ny radio dia mba nahazo fankaherezana kely tao nilazan'ny mpanao gazety hoe avy aiza ilay izy ary inona no tokony hatao. Heno ary fa any akaikin'i L'Aquila no foibeny. Izany hoe 70 km eo ho eo miala eto aminay.

Nony elaela moa dia niverina teny am-pandriana ihany, dia nivavaka fa hoe hatory. Mbola teo am-pivavahana teo izahay no nihetsika indray ny tany. Tsy dia mafy loatra ity indray mitoraka ity, fa na izany aza dia nitsangana indray nijery hoe nivoaka ve ny olona sa tsia. Fa toa tsy nisy nivoaka ny olona. Olona roa no hitanay nivoaka sy nihainohaino teny amin'ny arabe dia niditra niandry tao anaty fiarany.

Izaho avy teo tsy niverina natory intsony fa nanomboka niasa. Efa maraina rahateo ny andro... 

Nony maraina vao heno fa hay tena nandrava an'i L'Aquila ilay izy, nahatratra maherin'ny 150 no maty ary mbola misy ireo tototry ny tany. 

Fanazavana fohifohy momba ny twitter

2009-02-14 @ 16:00 in Izaho sy ny ahy

 

sss

Tonga ihany i Aina :-)

2009-02-05 @ 15:42 in Izaho sy ny ahy

Dia tonga ihany i Aina rehefa nandrasana nandritra ny 38 herinandro. Lahy kely tahaka an-drainy... Teraka tamin'ny 5 febroary 2009 tamin'ny 12 ora sy 9 minitra teto Roma.

Isaorana Andriamanitra

Nomen'Andriamanitra ny fara

2009-01-22 @ 06:20 in Izaho sy ny ahy

Nahazo hafatra avy any amin'i zandrinay faravavy aho fa tsy nahandry ny andro zoma i Idealy fa te hikorana sahady hiaraka amin'ny olona ety ambany masoandro. Androany maraina tamin'ny 4 sy sasany izy no tonga tety an-tany. Tsy mba niandry ilay cousin-ny akory. Dia nomen'Andriamanitra ny fara r'ise a.

Ny tsikinao omena

2008-12-31 @ 09:26 in Tsiaro, Izaho sy ny ahy

Raha namako ianao
Ka sendra nahalala
na nahita tany ho any
fa fetiko ny androany
Dia aoka kely aloha
Aza maika akory
Handany ron-doha
Hitady fanomezana
Ka handefa tsiaro
Voninkazo iray fehezana
Na taratasy   maro.
Fa tsiky kely iray
Dia efa ampy ahy.

Na fetiko aza androany

Zavatra tsy haiko
Sady koa tsy tiako
Ny hangataka aminao
Harena mora lany
Fa ny hany ilaiko
Sy ampy hifaliako
Dia ny tsikinao
hameno ny androany

Tsiky iray omena
ireo izay mifanena
sy olon-tsendra anao.
Na fantatra na tsia, tia na mankahala
Sakaiza, mpiara-dia, fahavalo na malala
Tsiky ho an'ny olona izay hitanao rehetra
Akama vaovao, olom-patatra etsetra

Ary na irery tsy misy izay mijery
Dia mitrakà mangina
Asio fitsikiana

Izay!

Tsikinao dia ampy
Fa mahasolo hira
Tsikinao dia ampy
Hataoko sovenira

Noely toa inona?

2008-12-25 @ 20:00 in Izaho sy ny ahy

Efa taona maro nifanesy izay dia tsy mba mandefa fiarahabana noely amin'ny alalan'ny email tahaka ny ankamaroan'ny olona aho. Ny fialàna tsiny tamin'izany dia hoe satria ny ankamaroan'ny mpandefa ireny email ireny dia tsy mahalala akory hoe iza no handray azy... satria alainy daholo ny adiresy ao amin'ny lisitra ananany dia andefasany firariantsoa dika mitovy. Nony nolazaina anefa aho hoe mandefasa aza firariantsoa vitsivitsy dia mbola tsy vitako ihany... dia eto amin'ny blaogy no miala vonkona.

Amin'ny maha-kristianina ahy dia mankalaza ny noely amin'ny maha fahaterahan'i Kristy azy aho. Fa mahatsiaro manokana ireo izay tsy kristianina sy tsy mivavaka ihany koa indrindra indrindra. Noely toa inona no ankalazain'ny tsirairay? Tsy fifaliana ve? Tsy fanantenana ny hisian'ny fiadanana ve? Tsy ny fiandrasana ny maraina vaovao ve? Tsy ny fifankatiavana ve? Tsy ny fitiavana ve? Koa na kristianina na tsia dia toa mitovy ihany ilay fety nandrasana. Fifaliana fa nisy zava-baovao tonga indray.

Koa dia mirary soa sy fanambinana ho antsika rehetra izay sendra mamaky ity blaogy ity. Na ny mpino na ny tsy mpino. Na izay niandry noely na izay tsy niandry. Samy hahazo ny anjara fiadanana sy fifaliana tadiaviny avokoa.

Anniversaire-n'i papanay androany

2008-12-17 @ 09:21 in Izaho sy ny ahy

Yes :-)

Fa ankoatra an'izay dia nandalo tany Paris indray dia nihaona t@ ekipan'ny telomiova.org tany. Tattum, Fafa, Haja. Nahafinaritra ny dinika na dia avy aza ny orana. Tsy ho any Paris intsony indray aloha ato ho ato fa efa be ihany izay :-)

Fa manimba blaogy ihany ilay tweeter kle. Aleo hiverina hiblaogy ihany aho

Ofisialy ny ambasadaoro eto Roma

2008-10-18 @ 00:24 in Vaovao, Izaho sy ny ahy

Tohin'ny resaka omaly aloha :-). Tsss, gaga be izy fa hoe toa nihena hono ny tosaka tamin'ny eMule fa sao dia misy virus na misy zavatra tsy nety tao amin'ny ordinaterany (grrr). Dia tsy maintsy izaho indray no nantsoina nijery hoe inona marina no olana. Inona no holazaiko eo? Afak'omaly hono nandeha tsara fa mahatratra 100kbs ny fakàny film (ary fantany mihitsy kay hoe lasany daholo ny 100kbs)... dia maninona hono androany zara raha misy 30kb/s. Sady lagy aho no niteny moramora hoe nisy tsy nety angamba ny configuration-n'ny router fa hojereko. Tsy nanaiky ny anao lahy raha tsy niverina ny 100kbs. Tsisy fika... matevin-koditra.

Fa izany eo ihany fa "voaasa" tany amin'ny ambasady izahay androany fa izao vao tena ofisialy ny ambasadaoro vaovao . Nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin'ity herinandro ity mantsy Atoa. Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo, Ambasadaoron'i Madagasikara eto Italia. Nahafinaritra ny tany, euh... izay tratra dia nahafinaritra satria tara toy ny mahazatra indray izahay. Mahafinaritra koa ilay Rangahy, miresaka tsara. Somary vitsivitsy no tonga tao satria vitsy ihany no nantsoina. Olona 4 isaky ny vondrona na ny association. Izaho moa manana kasikety vitsivitsy ka dia izay moramora kokoa no nidirana. Dia tamin'ny anaran'ny malagasy.it no nandehanako teny.

Naka sary tao amin'ny ambassade tokoa aho androany, teo akaikin'ilay saina fa tsy nalain'ilay mpaka sary ilay saina tsss... kanefa ny azy nalaiko nisy saina. Apetrako eto ambany ihany na izay aza.

Be resaka be aho? Jereo eto ny antony raha mbola tsy nahita :-)

 

Getting more personal

2008-10-16 @ 07:33 in Izaho sy ny ahy

Ny lohateny fotsiny no teny anglisy. Miverina amin'ilay resaka hoe "Inona no misakana anao tsy hanana blaogy" aho. Hitako fa ny tena misakana ahy tsy hanoratra matetika dia tsy hoe ny hosoratana no tsy misy fa izay tiako hosoratana rehetra toa zavatra mikasika ahy manokana avokoa. Tamin'ny mbola tsy be mpamaky ny blaogy dia tsy olana firy, fa rehefa manomboka betsaka ny mpamaky, ka miparitaka amin'ny RSS etsy sy eroa, dia misalasala ihany ny tena hanoratra.

 (tohiny)

Izy no BotLives

2008-09-22 @ 08:26 in Izaho sy ny ahy

Tsy tadidiko hoe naninona no io anarana io no nofidiana tamin'ny eritreritra voalohany hampiditra bot (na robot) tao amin'ny Karajia.org. Toa saika natao hoe BotOliva dia toa io no niafarany. Fa na izany na tsy izany dia mahafaly ny mampahafantatra anao an'i BotLives.  (tohiny)

Le Bellezze Italiane

2008-09-15 @ 09:44 in Izaho sy ny ahy

Mbola eto Afrika? :-)

Mba naharaka hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny Miss Italia aho tamin'ity 2008. Tamin'ny 2004 aho no naharaka farany fa ny taona hafa taorian'izay dia mijery final fotsiny sisa.  (tohiny)

Mandroso amin'ny lalina kokoa

2008-09-01 @ 14:40 in Izaho sy ny ahy, Sarimihetsika

Tsy ilay hira malaza (manjary atao @ fiandrasam-paty foana) no tiako lazaina amin'ny lohateny fa dika tsotsotra an'ilay fiteny hoe "Keep moving forward". Omaly hariva aho vao nijery an'ilay Dessin Animé (ie, mpakafy an'ireny aho) hoe "Meet the Robinsons" satria hanomboka hiasa androany fa vita ny fialantsasatra dia hoe te hihomehy kely. Rehefa fotoana tiako hanadiovana ny atidohako hanadino vetivety ny ordinatera sy ny mombamomba azy mantsy dia mijery film-njaza toa ireny aho.  (tohiny)

Blaogy, flickr, facebook, twitter... hatraiza ny fetra?

2008-08-07 @ 13:40 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Manomboka betsaka ny misalasala eo anatrehan'ireo fitaovana isan-karazany atolotry ny internet. Fitaovana maro izay miezaka mampivoitra ny atao hoe "Social network" na azo adika tsotsotra hoe fiaraha-monina virtoaly. Hatraiza ny fetra?  (tohiny)

Vakansy ihany :-)

2008-07-25 @ 08:24 in Izaho sy ny ahy

Manomboka rahampitso aho dia vakansy mandritra ny andro maromaro. Efa tsy andry intsony ny hiravana androany (tsisy mahay teny gasy ato am-piasana). Inona ny vinavina? Hapetrako eto ihany dia hojereko amin'ny septambra rehefa miditra hoe inona no vita :-p

 (tohiny)

Ny andro androany? :-)

2008-06-13 @ 09:09 in Izaho sy ny ahy

Mahafinaritra ny andro androany ho anay mahery vintana. Teraka tamin'ny vody alakaosy (ie, nojereko tamin'ny alimanaka tamin'izany fotoana izany). Zoma faha 13.

Ny zava-misy androany izany dia:

  • Vendredi 13: Raha manao lotto aho dia mahazo... fa zah tsy hanao :-) (C'est vraiment amusant de croire d'avoir un certain pouvoir et de ne pas en profiter :-p)
  • Saint Antoine de Padou: Tsy miasa ny tapakandro hariva... donc mahita baolina indray (yess).
    Saint Antoine de Padou mantsy no mpiaro ity toeram-piasana ity. Dia fety izany androany.
  • Euro2008 Italie - Roumanie: baolina sy politika. Nisy fotoana taloha resy ny Italiana dia be dia be ny Roumains tsy ara-dalàna noroahina. Mety mbola hitranga?

Tsy afa-mamaly ny taratasy (2)

2008-06-06 @ 08:55 in Izaho sy ny ahy

Milona be ny internet ato am-piasana. Misy tsivalahara mi-telecharger mitroka ny bande rehetra. Vokany mahakamo na dia ny manokatra mailaka aza. Izay tena important ihany sisa no voavaky... ny sisa miandry any an-trano. Rehefa any antrano anefa, maika hatory (yes... zava-baovao vao hita tato ho ato hoe hay mamy ilay matory aloha lol). Dia mba mifoha maraina fa variana amin'ny zavatra hafa indray. Milamina kokoa ilay mifoha amin'ny 4 na amin'ny 5 dia mahavita zavatra be dia be dia tsy voavaky indray ilay mailaka.

Ah! fa ny chat misokatra. Indrindra ny ao amin'ny karajia.org rehefa mampiasa Pidgin. Ny hafa mitsilopilopy eo.

Angamba mila sekretera partout-coller, sy parti-couleur... avis aux âmes-à-terre.

Sao dia ato ny hafatrao? :-)

Na koa

Velona indray ny takelako

2008-05-29 @ 15:00 in Izaho sy ny ahy

Velona indray ny takelako hery.serasera.org rehefa niaraka nitsikasina tamin'ny serasera.org. Angamba mba hanana fotoana hanatsarana azy io aho amin'io été ho avy io. Io no takelaka tsy voakasika indrindra, satria ahy manokana dia tsy mahamaika foana.

Sady tsy dia misy zavatra mahaliana loatra koa ao fa nolazaiko eto fotsiny mba hampalaza azy kelikely indray. Nanjavona tao amin'ny pejy voalohan'ny google mantsy ilay izy rehefa tapaka nandritra ny andro maromaro.

Vakiraoka daholo

2008-05-19 @ 15:04 in Izaho sy ny ahy

Ny fotoana hanoratana ve no tsy ampy sa ny saina no mbola mikorontana? Misimisy ihany ny lahatsoratra tsy mety vitako hatramin'ny farany ato dia miangona ao amin'ny vakiraoka ao. Ho lany daty ny ankamaroany. Hojereko amin'ity herinandro ity.

Ricco ricordo

2008-05-16 @ 22:54 in Izaho sy ny ahy

Arivonimamo

2008-04-26 @ 07:28 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny 1983 tany ho any aho no nahita an'Arivonimamo voalohany na dia hoe avy any aza izahay. Tsy tena tao Arivonimamo fa mbola mandeha tongotra eo amin'ny 26km avy eo. Fa amin'izao dia azo atao hoe avy ao Arivonimamo izahay satria dia niorim-ponenana ao. (tohiny)

Zombie

2008-04-24 @ 05:22 in Izaho sy ny ahy

Ary hain'ny ankizy kely any Dago koa ity hira ity... nisy nihira mafy ery tany amin'ny Karaoke.

Zombie The Cranberries

Another head hangs lowly,
Child is slowly taken.
And the violence caused such silence,
Who are we mistaken?
 (tohiny)

Finday my700x

2008-04-17 @ 07:26 in Izaho sy ny ahy

Very tany Dago teo anelanelan'Analakely sy Mahamasina ny findaiko ny alakamisy 10 aprily teo... teo anelanelan'ny tamin'ny 12 ora ka hatramin'ny 2 ora tolakandro. :-) (raha sendra nisy nahita) (tohiny)

Fandalovana eto Mada - Dobla fasy

2008-04-12 @ 09:52 in Izaho sy ny ahy

Misy Face A sy Face B tahaka ny mozika koa ilay fandalovana eto Madagasikara (Efa fantatrareo ve ilay Face B de la musique malgache?)... efa herinandro mahery izay no nahatongavako teto fa ankoatry ny fahafinaretana isankarazany dia misy koa ny Face B (tohiny)

Maka hafanana... eto anilanao

2008-04-03 @ 09:25 in Izaho sy ny ahy

Na dia vao tsy ela aza aho no taty aminao dia indro indray tonga... Misy itiavako anao manokana mihitsy angamba. Tsy noraisinao avy hatrany tao am-ponao aho fa mbola navezivezinao aloha. Nisafosafo ny sofinao aho tamin'ny vao tonga... dia avy eo ny takolakao. Ny alina aho vao tena namandrosoinao tao am-ponao.  (tohiny)

Iny Paka iny

2008-03-23 @ 19:30 in Izaho sy ny ahy

Nangingina kely ity Paka ity tamin'ity taona ity. Ratsy be ny andro fa avy be loatra ny orana efa ho 3 taona izao. Lasa aloha be mihitsy mantsy ny Paka tamin'ity ka mbola misy sombintsombin'ny ririnina. Tsy nisy fiara koa tamin'iny herinandro masina iny ka tena sahirana be mihitsy. Androany aza mbola oram-be mihitsy fa soa ihany mba efa nisy fiara.  (tohiny)

Jeu des septs erreurs (aka Tags)

2008-03-13 @ 09:23 in Izaho sy ny ahy

Efa niteny moa hoe hamaly "tag" rehefa miverina ny internet ao an-trano koa dia indro ary holazaiko ny diso tsiambaratelo fito. Ity izany no valin'ny fihantsiana nataon'i ikalamako (mako tato) sy i pitou (échechiste tato) sy izay nanao daka tsy hita maso rehetra. (tohiny)

Masoandro mihiratra

2008-02-22 @ 12:29 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika

Mbola tsy tonga ny lohataona (printemps, primavera) aty Italie kanefa efa manomboka miposaka sahady ny masoandro... nangina ny tontolo nandritra ny fotoana vitsivitsin'ny ririnina... dia nangina koa ny blaogiko. Nifoha kely izy izao... fa nisy masoandro kely indrindra  vokatry ny tel voaray vao teo. (tohiny)

Alfa, Beta - Ancona, Bologna

2008-01-07 @ 10:31 in Izaho sy ny ahy

Ny anarako dia anarana gasy (izay mbola tsy mahalala), koa manahirana be ny mitonona azy amin'ny telephone rehefa mangataka service na sahala amin'izany. Ho an'izay sahirana toa ahy dia ireto ny alfabeta telefonika (phonetic alphabet) izay fampiasain'ny olona rehefa manonona ny litera tsirairay amin'ny anarana.

 (tohiny)

Ny faran'ny taona teto Roma aloha...

2008-01-01 @ 13:39 in Izaho sy ny ahy

Hotehirizina eto ity mba hojerena amin'ny herintaona hoe inona no nataonay teto Italia.

 (tohiny)

Anniversaire adino

2007-12-10 @ 10:13 in Izaho sy ny ahy

Nisy namako anakiray, tena namana tokoa, izay nankalaza ny tsingerintaonany tato ho ato. Hatramin'ny nifankahalalanay sy nahafantarako ny daty nahaterahany dia tena tsy adinoko mihitsy ny miarahaba azy. Na dia hoe antsoratra fotsiny aza rehefa tsy afaka miantso. Izy koa inoako fa tsy nanadino ny ahy mihitsy, sady tsy sarotra tadidiana rahateo.  (tohiny)

Iny delestazy iny

2007-11-26 @ 00:19 in Izaho sy ny ahy

Vao nigadona tao Madagasikara fotsiny aho tamin'iny dia iny dia efa nivonona fa tsy maintsy hisy izany fahatapahan-jiro matetitetika izany. Io no fantatry ny olona rehetra... hatramin'ny ankizy kely vao 5 taona hoe "delestazy".  (tohiny)

Andraikiba... mena masoandro (nampiana)

2007-11-23 @ 08:45 in Izaho sy ny ahy

Mamadibadika ny sary nalaina tany Madagasikara aho dia nahita hoe ity sary ity no anisan'ny tsara indrindra (ilay masoandro milentika fa tsy ny olona akory). Tao Andraikiba Antsirabe no nalaina.  (tohiny)

Any ianao izay...

2007-11-21 @ 10:48 in Izaho sy ny ahy

Vita indray ny fandalovana kely tany Madagasikara nandritra ny iray volana. Nahafinaritra ny dia amin'ny ankapobeny. Fohy loatra mihitsy aza. Hametraka sary amin'izay izany izao :-)  (tohiny)

Mada Raid

2007-11-15 @ 08:17 in Izaho sy ny ahy

Tonga hatrany Toliara sy Fianarantsoa ary Antsirabe (mody tanana maromaro kanefa lalana iray ihany) ny vakansy tamin'ity fotoana ity. Tena tsy afaka mampiditra sary mihitsy aho fa angamba rehefa tonga any Roma haseho ny sary mahaliana...

 (tohiny)

Tsy afa-mamaly ny taratasy aho e... mbola sahirana

2007-10-26 @ 06:41 in Izaho sy ny ahy

Taratasy ankapobeny ho an'ireo marobe manoratra ho ahy mandritra ity fotoam-pialantsasatra ity :-) (tohiny)

Antananarivo mi-Blaogy Faha 4

2007-10-07 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Antananarivo_miblaogy_4

Araka ny voalazan'i Tattum ao amin'ny blaoginy dia hisy indray ny fihaonan'ny mpi-blaogy malagasy ao Antananarivo. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy fantatra hoe aiza no toerana fa holazaina eto ihany sy amin'ireo blaogy malagasy mety hiresaka an'izany. Raha afaka dia aza misalasala...

Nouveau Player pour Radiovazogasy

2007-10-06 @ 23:49 in Izaho sy ny ahy

J'ai pu profiter après une élaboration d'un site en flash d'un ami (plus exactement une adaptation d'un modèle), de créer un nouveau player pour Radiovazogasy.com (tohiny)

Tonga indray o :-)

2007-08-23 @ 13:03 in Izaho sy ny ahy

Tonga eto amin'ny blaogy indray aho rehefa avy tsy ni-serasera nandritra ny andro vitsivitsy. Naharitra 120 ora tsy nanokatra serasera.org - sy ny forongony :-) - fa tsy naninona. Izay angamba aho vao voatery nanao toa izany. Ny dikan'izany dia efa azo ilaozana ny serasera (tahaka ireny zazakely hoe azo ilaozana kely ve sa tsia ireny). Azo nianteherana koa ny baby-sitter... (tohiny)

Hira sendra mandalo: J'ai faim de toi

2007-08-14 @ 16:12 in Izaho sy ny ahy


1 - Après toutes ces années
De climats tempérés
Où quelques éclaircies
Ont oublié la pluie
Après ce long désert
Traversé en hiver
Oh j'ai faim de toi
J'ai faim de ton regard
Posé sur mon regard
De cet air que tu as
Quand tu reviens à toi

{Refrain:}
J'ai faim de tout c'que tu es
Le bon, le mauvais
Tu es tout c'qui me plait
J'ai faim de tout c'que tu es
Je ne peux pas lutter
C'est tout c'que je sais
Oh j'ai faim de toi.

2 - Je veux vivre de ça
De cette boulimie là
De cette envie de toi
Qui grandit chaque fois.

{Refrain}

J'ai faim de tes "Je t'aime"
Jusque dans mon sommeil
J'ai faim que de nuits blanches
J'ai faim que de dimanches
J'ai faim d'passer ma vie
Avec toi pour la vie,
Oh j'ai faim de toi.

Final
Oui,j'ai faim de toi
Ouh j'ai faim de toi.

Tivoli

2007-08-10 @ 07:26 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny 27 jolay teo dia nandeha tany Tivoli izahay, amin'ny saha iray atao hoe "Villa d'Este". Ny tena mampalaza an'i Tivoli dia ireo "asarano" (he he... waterwork) izay tena mahavariana tokoa. Misy Centofontane (100 fontaines) sy ny sisa e :-). Sady tsy nisy guide no tsy nanam-potoana nijanonana loatra koa dia aleo ny sary no hilaza azy. (tohiny)

Baiboly katolika malagasy

2007-08-06 @ 15:27 in Izaho sy ny ahy

Azo atao hoe vita androany ny takelaka baiboly.katolika.org izay takelaka nametrahana ny baiboly katolika dika 1938. Efa ao sy azo vakiana daholo ny lahatsoratra fa mbola mikofoka ao ikalamako (Rondro Ravalson) amin'ny famakiana azy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ary manitsy izay tokony hahitsy, indrindra eo amin'ireo andininy tokony hotapahina. (tohiny)

Asa: wedding planner

2007-08-05 @ 21:01 in Izaho sy ny ahy

Ny asako hono izany dia wedding planner. Mikarakara mariazy hatramin'ny fampihaonana ny olona roa hatramin'ny fanambadiana. Tsy agence de rencontre fotsiny dia samy miala fa sady mikarakara ny mariaziny mihitsy... ary angamba koa hi-assurer azy ireo hiaina finaritra ao anatin'ny tokantranony, omban-janaka. Rehefa vita izay dia réussi ny mission. :-)

Resaka fotsiny iny... 

Buona ripresa!

2007-07-30 @ 08:15 in Izaho sy ny ahy

Manomboka miditra miasa indray androany... mitsikitsiky daholo ny olona nifanena tamiko eran'ny couloirs sy tato amin'ny etage niasako sady niteny hoe "Ben' tornato" sy "Buona ripresa". Dia mody mitsiky koa aho mamaly azy... tsy fantany anefa fa ny ato antsaiko mbola grasse matinée sy film sy mandehandeha. Omaly mantsy mbola vao nandehandeha tany Tivoli aho (Jereo etsy ambany ny Video)... ary halina mbola vao nijery an'ilay Black Dawn an'i Steven Seagal tamin'ny télé. Nony tonga tato amin'ny birao dia saika tsy tadidiko hoe iza amin'ireto lakilé be dia be ireto moa no mamoha ity birao ity. Rehefa nesorina ny lakilé rehetra ilaina any an-trano vao azoko antsaina ilay izy. Dia tahaka ireny tsy tato ela be ireny aho. Milamina be ilay birao (tsy tato marina aho). Misy affichage napetaka teo amin'ny écran-n'ny ordinateur milaza ny consigne nandritra ny mise à jour natao tamin'ny logiciel ampiasaiko... etsy ambonin'ny birao anakiray dia misy ny documents misavovona izay tokony nataoko ka tsy nisy nanao. Io izany ilay "ripresa". Dia buona ripresa tokoa!!! (tohiny)

Sprint

2007-07-23 @ 09:17 in Izaho sy ny ahy

Herinandro farany amin'ny congé ity dia manao sprint farany amin'ny asa madinidinika isankarazany. Amin'ny weekend hilomano be mihitsy. Omaly izahay efa tany Bracciano nilomano kely.

Angers :-)

2007-07-12 @ 12:40 in Izaho sy ny ahy

Ohatry ny hoe mitovitovy ny anaran'ilay tanana anakiroa soratako amin'ity blaogiko ity. Ny nosoratako farany dia Anzio izay nandehananay tamin'ny Alahady. Izao indray dia Angers izay nisy ahy efa ho andro vitsivitsy izao. Adino any Roma ny cable USB dia tsy tafiditra eto ny sary fa any indray mifampitady. Tokony mbola tsy manoratra eto koa aho izao fa izany no tena hoe tsisy tany han... (tohiny)

Anzio

2007-07-09 @ 00:05 in Izaho sy ny ahy

Sary vitsivitsy fotsiny nandritra ny nandehananay tany Anzio androany. Anzio dia tanana eo amin'ny 67 km miala an'i Roma. Amoron-dranomasina. Ny plage eo an-tanàna dia andoavam-bola daholo. Ny parking koa toa izany. Tanàna kely fa be olona. Tsy dia misy touristes... ary tsy nisy vahiny hitanay mihitsy teny an-dalana. Tsy nisy afrikana mpivarotra poketra sy solomaso na fehikibo sandoka. Izay nahita anay teny andalana dia nijerijery... angamba gaga hoe olona avy aiza koa itony. Nanaraka ny lalana mankany Latina izahay tamin'ny nandroso dia nivily teo Aprilia. Rehefa niverina kosa nanaraka ny moron-dranomasina tany Ostia. Nafana ny rano :-)
Sary azo jerena vitsivitsy...

 

Fa ity no sariko tiako indrindra :-)

 

26 jiona-n'i Roma

2007-07-01 @ 09:26 in Izaho sy ny ahy

Omaly izany no nankalazana ny 26 jiona teto Roma. Tsy maintsy ezahina ho asabotsy alina foana fa raha tsy izany tsy misy handihizana. Efa fantatra ihany fa vahoaka mpi-fety ny Gasy eto Roma ka raha tsy misy fandihizana dia karazan'ny tsy manao fety (hafatra ho an'izay Ambassadeur vaovao ho avy eto io). (tohiny)

Ranomasina 2007

2007-06-30 @ 11:14 in Izaho sy ny ahy

Tara be loatra ny fandehananay teny amin'ny ranomasina tamin'ity 2007 ity. Betsaka angamba ny zavatra nanahirana. Omaly izany ny ranomasina 2007 voalohany. Tsy niova ny ranomasin'i Ostia, be olona, mangidy sira :-), na dia hoe tsy teny amin'ny toerana mahazatra aza izahay no nandeha. Efa hariva izahay vao tonga teny fa mbola be asa... nafana ny rano saingy tsy nijanona ela tao fa toa mbola tsy tena nivonona ny hilomano. Tohizana amin'ny heriny angamba.

26 jiona-nay

2007-06-26 @ 07:21 in Izaho sy ny ahy

Omaly aho tamin'ny niresaka tamin'ny zandriko vavy dia nilazany hoe hanao harendrina ry zareo ny hariva. Dia tadidiko ny zavatra rehetra fanaonay rehefa 26 jiona izay inoako fa tsy dia niainan'ny olona sasany loatra. Tamin'izany fotoana izany, vao manomboka kely fotsiny ny volana jiona dia efa manomboka ny tsipoapoaka etsy sy eroa. Hitanao amidy eny rehetra eny ilay karazana dinamita kely misy lahiny hatramin'ny kely indrindra eo amin'ny 5cm eo izay amidy 20 ariary ka hatramin'ny lehibe tahaka ny labozia izay tsy haiko ny vidiny fa tsy mbola nividy aho. (tohiny)

You Sang To Me - Marc Anthony

2007-06-22 @ 21:54 in Izaho sy ny ahy

Hira anisan'ny tiako tamin'ny taloha... sendra nandeha tao amin'ny Runaway Bride ilay izy dia niverenana nohenoina indray dia notadiavina dia hita. (tohiny)

Venise sy Manaingazipo

2007-06-17 @ 22:01 in Izaho sy ny ahy

Nandeha kely tany Venise aho tamin'ity weekend ity (atao antso avo satria vao sambany tany :-)). Niala zoma dia tonga alahady. Nieritreritra hoe tafala teto Afrika... kay tafala tapany fotsiny. KOa satria asabotsy maraina ny fotoana novonjena tany kanefa mbola niasa zoma hariva dia voatery nandray fiaran-dalamby mandeha amin'ny alina izahay. Naharitra teo amin'ny (tohiny)

Hisesy ny anniversaire

2007-06-12 @ 10:01 in Izaho sy ny ahy

Ny volana jiona no volan'ny anniversaire ao amin'ny Fianakavianay. Aminay 6 mianadahy dia 4 no manana anniversaire volana jiona ny iray volana jolay ary izaho faran'ny taona. Efa nanomboka omaly izany Andry zandriko lahy 11 jiona, Haja 14 jiona, Fara zandriko vavy 18 jiona, Hasina zandriko lahy 22 jiona dia Vola sisa no 28 jolay. Rehefa dinihana dia voalohandohan'ny volana oktobra any izany no fotoam-pamafazana mba hahazoana vokatra volana jiona... nahoana ary?  (tohiny)

Fahatsiarovana

2007-05-16 @ 23:05 in Izaho sy ny ahy

 17 Mai 2004 - Bouguereau

baccio

Raikitra ny baolina

2007-05-15 @ 08:30 in Izaho sy ny ahy

Dia raikitra izany ny baolina izay efa nikofohana hatrizay. Mondialido no iantsoana azy ka anisan'ny mandray anjara ny Malagasy eto Roma. Ny ekipan'i Japon no nanao taminay. Resy 4-2 aloha tamin'ny alahady na dia nitarika tamin'ny isa 1-0 aza. Efa saika nandresy satria dia taimbaolina (hoy ry zalahy) ny baolina 2 maty. Nahafinaritra ny fiarahana. Ny mpitehaka koa nihoraka mafy mihitsy. Ry zareo koa moa hatramin'izay efa zatra ny mahita faharesena goavana ka mba tsy dia nampaninona azy loatra ny 4 sy 2. Tonga nitehaka sy nitondra ranomboankazo teny koa i Mme Josiane vadin'ny Ambassadeur... (izy koa tsy manque mihitsy :-))

 

Afaka tapa-bolana indray ny lalao manaraka izay hihaonanay amin'ny Ukranianina. Maozatra hono ry zalahy ireo fa dia ho hita eo. Efa be koa aminay ny tsy tanora intsony (excuse hafa koa io) koa mbola tsy tapitra akory ny vanimpotoana voalohany(45mn) dia efa mijerijery eny amin'ny mpanazatra sahady mitaky mpisolo. Amin'ny alahady anefa dia mety tsy hisy fanazaran-tena sahady satria hiara-mirona amin'ny "Festa dei Popoli" indray izahay.

Ah... nidina défense aho, sady défense gauche. Toerana mbola tsy hitako hatr'izay niainako. Fa hitako hoe tsy dia mandreraka loatra. Mba tsy voan'ny krampy (isaorana an'Andriamanitra) satria afaka maka aina tsindrainidray. Efa mihinana akondro sy kiwi isan'andro aloha dia misotro rano betsaka koa. Forza ragazzi!!!

Ny jereko ela indrindra

2007-05-09 @ 10:52 in Izaho sy ny ahy

Eto amin'ny Internet mandritra ny adin'ny 10 eo ho eo aho isanandro (tsy mitohy kosa fa mba tapatapahina isaky ny adin'ny iray sy tapaky ny sakafo ary ny fodiana any antrano). Ny adin'ny 7 amin'io dia aty ampiasana ary ny adin'ny 3 kosa any antrano. Tao anatin'ny iray volana dia nanao karazana fanadihadiana kely aho hoe inona no takelaka jereko maharitra sy matetika indrindra eto amin'ny Internet isanandro. Dia ny valiny azoko dia hoe . (tohiny)

Efa nahita kisoa?

2007-05-08 @ 08:11 in Izaho sy ny ahy

Rehefa mipetraka aty andafy aty ny olona sasany dia tsy mahita biby velona intsony (ny zanaky ry Lanto aza moa any amin'ny "parc" no mijery akoho :-))... koa ho an'izay mbola tsy nahita kisoa, na ny marimarina kokoa kisoa teraka dia misy sary iray ity.  (tohiny)

Trasy vaovao

2007-05-03 @ 07:59 in Izaho sy ny ahy

Trasy vaovao manomboka amin'ity volana mey ity... Anaty tanàna kanefa toa kalma ihany. Ny be antitra no tena hitako mameno tanàna. Toa tsy dia azo itabatabàna loatra amin'ny alina... sa ve ny olona no tsy mitabataba? Mangina loatra mantsy ka na dia miresaka tsotra aza dia efa heno be.  (tohiny)

Sombintsary "primavera"

2007-04-01 @ 22:10 in Izaho sy ny ahy

Tonga sahady ny primavera (na printemps hoy ry zareo Frantsay), dia mba naka ity sary ity teo andavarangana aho miaraka amin'ireo tavim-boninkazo ringitry ny ririnina. Tsy dia namely loatra ny ririnina tamin'ity indray mitoraka ity ka mbola nisy vaoniny ihany ilay voasary makirana.

IMGP6814

Iny herinandro iny

2007-03-18 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Herinandro fenofeno ihany iny herinandro iny. Sady tena reraka ara-batana mihitsy aho fa nanao baolina. Ie, tamin'ny herintaona aho no efa saika hanao baolina miaraka amin'ny tanora gasy eto Roma. Isantaona mantsy dia mandray anjara (fotsiny) amin'ny Mondialido (izay atao any Lido-Ostia) ny tanora Gasy vitsivitsy eto. Tiako ilay manao baolina fa mieritreritra (sy manao kajy) foana hoe "ça vaut la peine" ve. Izany hoe ny investissements rehetra hanaovana baolina ve mety ho voavalin'ny ambiances sy izay vokatsoa hafa avy eo. Dia hita hoe tsara ilay izy dia hotohizana indray androany... sady nividy fitaovana vitsivitsy mihitsy.

 (tohiny)

Già primavera...

2007-03-05 @ 08:36 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Mi-ril be ny fotoana tamin'ity taona ity. Efa ho tapitra sahady ny telovolana voalohany. Ny nokasaina hatao 2007 nefa tsy mbola nanomboka akory. Efa mafana sahady ny andro. Izahay aza efa nihinana glasy sahady omaly (izaho no marimarina kokoa fa ny sasany efa henoko hoe naka avansy daholo).

 (tohiny)

Izaho sy ny sarimihetsika

2007-02-28 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Manararaotra manoratra an'ity aho satria nametraka an'ilay resaka Cin Cin Cinema atsy amin'ny malagasy.it (takelaky ny Malagasy eto Italia). Izaho dia anisan'ny olona tia sarimihetsika hatramin'ny mbola kely... angamba azo sokajiana hoe Cinephile. Mety maro ny lafy ratsiny fa ny lafy tsara hitako dia ny fisokafana amin'ny hafa... toy ny kolotsaina hafa, fitenenana hafa, fomba amam-panao hafa. Tahaka ny hoe ianao mihitsy no mivezivezy any amin'ny fiaraha-monina samihafa.

 (tohiny)

Iris tra le tue poesie

2007-02-15 @ 13:15 in Izaho sy ny ahy

Hira efa tranainy ihany (1998) fa tiako be. Hirain'i Biagio Antonacci. 

 


 (tohiny)

Zavatra ilaiko maika

2007-01-31 @ 15:17 in Izaho sy ny ahy

Misy fiteny malagasy hoe tsy ho indray azo daholo Babay sy Ilohavohitra (ho any tokoa hono ny namana dago?)... Dia eritreretiko hoe eo anelanelan'i Babay sy Ilohavohitra sy ny fandria-mafana sy ny valala manatody aho izao. Nampiana 2 ilay options amin'izay misy tsirony tsara :-) satria dia zavatra efatra tokoa no ilaiko maika kanefa tsy maintsy ny iray ihany no tsy maintsy ho azoko.

Ireto ary izy ireo :-)

 (tohiny)

Vaovao ny taona... ny inona koa?

2007-01-02 @ 10:59 in Vaovao, Izaho sy ny ahy

Vaovao izany ny taona. Dia ny inona koa? Tsy  mbola tafatombona tsara angamba aho dia tsy mbola hitako izay tena tokony havaozina... fa inoako fa misy vitsivitsy tokony hohatsaraina. Holazaina miandalana eo ihany.

 (tohiny)

Malgachoscopie

2006-11-18 @ 23:20 in Izaho sy ny ahy

Teo ihany ny faniriako handray anjara amin'ilay Malgachoscopie izay nanentanana ny mpi-blaogy malagasy. Tsy vita anefa izany koa dia miala tsiny ho an'ireo izay sendra nanantena... ary misaotra an'ireo rehetra izay nahavita nanoratra.

Ny tanjona dia ny hilaza ny fomba fahitana ny fiainan'ny Malagasy amin'ny toerana misy azy. 

Zavatra roa no nanakana ahy tsy hahavita izany soratra izany. Teo aloha ny olana teknika tao am-piasana araka izay nolazaiko afakomaly ka nahatonga ahy hanohy ny asa rehetra serasera sy ny sisa aty antrano. Atahorana mbola hitohy amin'ny herinandro izany olana izany. Teo ihany koa ny olana ara-potokevitra. Eny, efa azo lazaina ho ela ihany aho no teto Italia saingy tsy hitako hoe inona no azo hamaritana ny fiainan'ny Malagasy eto Italia. Eo koa moa ny tontolo virtoaly izay misy ahy izay mahatonga ahy hanalavitra ny tontolo manodidina... ratsy be izany :-)

Ireto hono ireo namana izay nandray anjara tamin'ity Malgachoscopie ity.

Malagasyscopie par Aiky
Malagasy Copy par Dadee
Malgachoscopie par Elodieriana
Malagasy kôpy par Harinjaka
Lettre à un Malagasy de Madagascar par Iko
Malagasy Kopia par Jentilisa
Malgachoscopie | When you give back par Jogany
Malgachoscopie par Lilia
Malgachoscopie par Lutinewink
Malgachoscopie - Exil + Madagascarianskopia par Lova
Malagasyscopia par Malagasy any California
Malgachoscopie par Many
Malgachoscopie par Marc
Malgachoscopie par Mia
Malgachoscopie par Nivo
Malagasyscopie par Rajiosy
Malgachoscopie par Tokinao
Malgachoscopie - Fantatro izay fihaviako par Tomavana
Malgachoscopie par Vola

Lahatsoratra raha tatoy

2006-11-16 @ 13:13 in Izaho sy ny ahy

Raha tatoy (ratatouille)... na kaonkalany (coq à l'ane <= asio accent circ.) no iantsoana ity lahatsoratra ity fa tsy voakitika nandritra ny andro maromaro ny blaogy.

Nifindra fournisseur-na Internet ny ao ampiasana ka efa ho herinandro izao tsy nisy connexion. Tampoka be koa ilay fanapahan'ny Albacom azy ka tsy nisy niomanana. Mahalagy be mihitsy ilay tsy misy internet fa mihainohaino daholo ny mpiasa.

 (tohiny)

Pirati dei Caraibi

2006-09-21 @ 08:15 in Izaho sy ny ahy

Che ne so dire? 'E un film del tipo Harry Poter. Ti piacionno solo guardandoli, ti trovi bene... ma quando esci non porti nulla a casa (ecceto il piacere di stare in compania). Sì, è una bella storia di avventura. C'è un obiettivo da raggiungere, una guerra, uno che è vinto, puoi la rivincita... e alla fine, la vittoria.
Non conoscevo troppo gli attori aparte Johnny Depp (Netherland, L'isola che non c'è) e forse Orlando Bloom, che mi ha presentato Nella (Le seigneur des anneaux - Troie). La ragazza che giocca Elisabeth (Keira Knightley) non è male (non solo fisicamente)... e la sua storia d'amore è stata straordinaria: andare incontrare pericoli per un uomo che amava (che cos'è di straordinaria???).


Insomma, è un buon film. Non mi sono addormentato. Chì può dormire vedendo quella faccia schiffosa di Davy Jones (non so quando posso ricomminciare a mangiare pesce e frutti di mare. Ho già sentito che ci sarà un altro "Pirati dei Caraibi" che avrà il titolo "At Worlds End" (Forse in italiano Alla Fine del Mondo)... Lo vedrò?

Superman returns

2006-09-12 @ 07:42 in Izaho sy ny ahy

Na dia tsy tena tiako loatra aza Superman (mihoatra amin'i Batman sy Spiderman) dia nijery ihany sao dia tsy mahalala izay fantatry ny olona. Anisan'ny film malaza amin'izao fotoana izao mantsy ka ilaina ihany ny mba afaka mandray anjara rehefa mitantara ny olona. Mazava ho azy, amin'ny maha Superman azy dia zavatra tsy azo eritreretina mihitsy no mitranga... izay no itiavako an'i Batman satria farafaharatsiny hita hoe misy zavatra azo tanterahina.
Nanaitra ahy tao amin'ilay film koa ilay detail kely momba an'ilay vitesse. Satria haingana noho ny feo i Superman rehefa manidina dia mandalo an'ilay mur du son izy, tahaka an'ireny fiaramanidina mpiady mandalo mur du son ireny... dia misy an'ilay arc kely.
Nanaitra ihany koa ny tsy nisian'ny scene de sex tao anatin'ilay izy na dia indray mandeha aza. Ary tsy nifanoroka akory izy sy i Lois Lane
Amin'ny ankapobeny dia nahazo tsikera tsara io horonantsary io.
Azonao jerena eto ny mombamomba an'ilay film.

Fiaraha-miasa mampitsiriritra

2006-09-04 @ 13:49 in Izaho sy ny ahy

Androany aho dia mba liana nijery ny fomba fiasan'ny ao amin'ny meebo.com izay fitaovana ampiasaiko matetika... ka inoako fa be mpampiasa koa. Dia nahita ireo fitsinjaran'asa mirindra isaky ny fahaiza-manaon'ny tsirairay. Marina, mikarama angamba ry zareo ireo, afatsy ireo izay manao internship, fa na izany aza dia ekipa miara-mikahondoha tokoa. Manaporofo izany rahateo ny filazan'izy ireo azy ato.

Inoako fa misy gasy efa manao toa izany koa, angamba ry zalahy sites ngezangeza ireo. Fa mety ho azo atao ho an'ny serasera ve izany? Betsaka ihany mantsy ny malagasy "mivangongo" ato. Mety ho afaka hiara-miasa araka ny fahaiza-manaony. Betsaka rahateo ny zavatra azo atao. Raha misy vonona dia milazà ihany e.

Isaorana be dia be aloha ireo izay efa manampy eny antsefatsefany eny. 

Fihaonan'ny namana serasera tao Paris

2006-08-23 @ 09:26 in Izaho sy ny ahy

Dia tsy maintsy hitohy ihany ity fihaonana ity. Taorian'ny fihaonana teto Roma tamin'ny 3-6 aogositra 2006 teo dia indro indray nidodododo nandeha tany Paris fa nisy fihaonana nokarakarain'i Maina indray tany.
 (tohiny)

Nianavaratra indray

2006-07-18 @ 02:08 in Izaho sy ny ahy

Vokatry ny fifankatiavana misy ao amin'ny serasera.org dia aty avaratr'i Lafrantsa indray izahay amin'izao fotoana izao. Tsy nisalasala nandray anay i sipagasy namana maharitra sy mpiara-mandrindra ao amin'ny serasera.org ihany koa.

 (tohiny)

Ianareo ry frantsay

2006-07-16 @ 02:53 in Izaho sy ny ahy

Marina fa tsy voalohany nandalovako teto Frantsa tamin'ity indray mitoraka ity fa niova mihitsy ny fomba fijeriko sy ny fihevitro momba an'i Frantsa sy ny Frantsay taorian'iny lalàna Sarkouzy iny. Na eny andalana rehetra eny aho dia toa tsy mijery tanàna intsony fa manjary miezaka mijery ny tebiteby eny amin'ny endriky ny olona. Rehefa mandeha metro dia toa hitako izany ny tahotra ao ambadiky ny tsikin'ireo olona hafa loko... indrindra rehefa ilay hivoaka misy polisy iny. Tsy milamina intsony e. (tohiny)

Vive les vacances

2006-07-14 @ 03:12 in Izaho sy ny ahy

Tsy andry mihitsy ny nahatongavan'ny fotoana fialantsasatra ka ny ampitso ihany dia efa nisidina niala an'i Roma sy ny hafanany. Adin'ny roa no halaviran'ny dia. Notsenaindry Lalaina sy Eric zahay fa ry zareo no akaiky indrindra ny seranana. Nahafinaritra ny andro voalohany, nifampiresahana ny ankehitriny sy nahatsiarovana ny lasa. (tohiny)

Toa handresy ihany Italia

2006-07-04 @ 14:43 in Izaho sy ny ahy

Tsy dia betsaka ny nampiditra ny Italiana ho ao anatin'ny pronostika. Bresil, Allemagne, France, Angleterre sns... Nony tafiakatra 1/2 finale ny Italiana vao niteny i Platini hoe France-Italie no hanao ny finale.
 (tohiny)

Basilica San Paolo

2006-07-01 @ 01:38 in Izaho sy ny ahy

Efa manomboka moa ny été eto Roma, dia manomboka koa ny fandehanana any an-dranomasina sy ny fitsidihantanàna ataonay . Ie, be loatra mihitsy ny zavatra eto Roma sy Italia ka raha tsy mitsidika tsikelikely dia angamba ho toy ny tany Nairobi hoe tsy nahita liona kanefa efa-taona tany Kenya.
 (tohiny)

Fetin'i Faraniaina :-)

2006-06-18 @ 22:50 in Izaho sy ny ahy

Tsingerin-taona nahaterahan'ilay Faraniaina ny 18 jiona. Faraniaina, Fara, Fafah, Niaina, Pôta, Paulette, fiantsoana azy daholo... arakaraky ny taona nandalovany, arakaraky ny toerana misy azy sy ny olona ifandraisany. Ie, anisan'ny nampiavaka an'i Fara io sarotiny amin'ny anarany io. Indraindray tsy misy mahazo miantso azy hoe Paulette afatsy izaho, indraindray tsy azo antsoina hoe Fara izy rehefa eo akaikin'ny mpiara-mianatra aminy, indraindra rehefa tsy miantso azy hoe Pôta dia ohatry ny tsy olona ao antrano... taty aoriana aza, efa lehibe, rehefa manoratra aty amiko izy dia misy sonia roa ery ambany dia ilay sonia iray nokosehina... tiana ho fantatro hoe tsy io intsony indray no iantsoana ahy fa ity vaovao ity.  (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry