« | »

Teny Vatican, ny tao ambadiky ny ridao

2014-04-28 @ 19:37 in Izaho sy ny ahy, Finoana sy Fivavahana

Ity blaogy ity no mba fitantarako ny zava-mitranga izay vakin'ny fianakaviana any an-tanàna ka matetika dia izay zavatra iainako no tantaraiko. Amin'ny maha blaogy azy dia tsy lahatsoratry ny mpanao gazety ka aza gaga loatra rahefa mamaky azy. Tamin'ny alahady no nanandratana ho olomasina an'i Papa Joany XXIII sy i Papa Joany Paoly II teny amin'ny tany malalak'i Md. Piera teny Vatikana. Anisan'ny mba afaka nanatrika izany indray aho satria dia efa elaela tsy nanatrika zavatra tahaka ireny na dia mipetraka eto Roma aza. Tamin'ny herintaona aho izao no namonjy farany, tamin'ny nifidianana an'i Papa Fransoà.

Raha fintinina amin'ny teny fohy hoe nahafinaritra ve sa tsia? Dia azo valiana hoe arakaraka ny tanjona. Raha ohatra ka ny hijery sy hanaraka ny zava-misy amin'ny antsipirihany no tanjona dia aleo mijanona any an-trano mijery fahitalavitra satria iny sady mazava tsara ny haino no tsy misy takona ny jery. Fa ny tanjona tamin'iny dia ny anisan'ny handray anjara mivantana mihitsy ka tsy nanenina na tsy dia nahita tsara sy tsy naheno tsara aza. Fa inona tokoa no tena mba hitanay teny? :-)

Asabotsy tolakandro izahay dia efa teny, ny ankizy aza asabotsy maraina dia efa fantatro fa tonga teny. Ny fandaharam-potoana dia hoe hiandry eny mandra-maraina satria raha tsy izany tsy tafiditra. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany hoe nisy mpanao gazetin'ny TVM izay naniry ny haka sary sy feon'ireo Malagasy izay tonga eny, ka nilazana izy ireo ho tonga amin'io asabotsy tolakandro io. Niantso indray nefa ry zareo hoe tsy afaka raha tsy any amin'ny amin'ny 7 sasany hariva fa mbola sahirana. Dia efa nafoy izany iny fandaharam-potoana iny satria fantatra fa tsy ho afaka hifanatona mihitsy izahay raha amin'izany ora izany noho ny hamaroan'ny olona. 

Araka ny fandaminan'ny tao Vatikana dia tsy tokony  hisy olona mihitsy ny toerana manodidina ny hanaovana ny lamesa aorian'ny amin'ny 11 ora alina. Izany dia mba hahafahan'izy ireo maka antoka ny filaminana anatiny. Koa nasaina nivoaka alavitra avokoa ny olona izay mbola nivorivory tao anatin'ny tany malalaka. Izahay Malagasy vitsivitsy rehefa avy nifindrafindra nitady izay hitobiana dia niezaka ny namonjy ny toerana fidirana izay noheverina ho akaiky indrindra mba ho anisan'ireo tafiditra voalohany. Teny amin'ny fiantombohan'ny Via della Conciliazione ary izahay no nitoby. Efa feno olona tanteraka ny arabe ka tsy afaka nandalo intsony ny fiara mpanao vonjy aina. Tamin'ny 7 ora hariva teo dia efa tafapetraka tanteraka tamin'ny tany sy namelatra ny tsihy isan-karazany izahay. Tsy ela taorian'ny nahatongavanay teny dia avy ny orana izay soa ihany fa naharitra minitra vitsivitsy monja. Saingy nandena ihany. Nanomboka ny hira vitsivitsy... nisy ihany koa ny resaka ara-pinoana. Nisy pretra roa, masera sy frera vitsivitsy ary lahika maromaro izahay no Malagasy niara-nipetraka teo. Efa hipoka tanteraka ny toerana ka na ireo namana izay tsy maintsy namonjy toeram-pivoahana aza dia sahirana be vao tafavoaka ary saika tsy tafaverina. Nandritra izany fotoana izany, tamin'ny 8 ora alina latsaka, no heno fa tonga ao ambadika ao ny mpiasan'ny TVM saingy fantatra fa sarotra dia sarotra ny hanatonany anay sy ny hivoahanay any. Koa dia nifampitazan-davitra fotsiny izahay.

Ny anisan'ny nahafinaritra koa dia ny fiombonam-bavaka tamin'ireo Poloney maro nanodidina anay. Nisy ny hira "Ave Maria" izay niarahana nanao satria mitovy ny fiverenany fa ny andininy samihafa no nifandimbiasana. Nisy koa ny toko sapile izay niarahana nanao ka notaritina tamin'ny teny poloney, anglisy, malagasy ary frantsay. Ny valiny moa dia samy amin'ny tenin'ny tsirairay. 

Samy efa niomana ny hiari-tory eny izahay saingy vitsy no nieritreritra hoe ho tahaka izao ny zava-mitranga. Tena feno olona loatra. Nony tonga ara ny fotoana hisakafoanana fa efa noana ihany, dia samy namoaka izay zavatra azony nentina izay nahagaga fa ampy ho an'ny rehetra :-). 

Nanomboka teo dia niandry amin'izay. Saika mba nilamina ihany satria samy efa nipetraka tsara daholo, fa nisy fanairana nony tany amin'ny 11 alina tany dia nitsangana daholo. Tahaka ireny hoe hisy hamoha ireny ny sakana. Kay fanairana fotsiny fa ny nahatonga ny olona akaikin'ny sakana nitsangana dia satria nodiovina ny arabe teo akaikin'izy ireo. Nanomboka teo dia nikorontana ny fitoerana satria niha-tery ka tsy afaka tena nivalampatra natory toa ny teo intsony. Tamin'ny 12 ora sy sasany alina vao tena nisy fanairana fanindroany indray satria dia hoe nesorina tokoa ny sakana. Nitsangana daholo ny rehetra ary tsy nisy toerana azo nipetrahana intsony satria nisisika ny avy any aoriana. Nisokatra tokoa ny sakana ka nisisika tsimoramora niditra nanaraka ny lalambe-n'ny via Conciliazione izahay. Ny tena mahagaga dia tsy nitohy tanteraka ny fikisahana fa nitsitapitapy. Hay heno taty aoriana fa vaky koa ny sakana amin'ny sisiny roa ka niditra avy any ihany koa ny olona. Azonay antsaina amin'izay fa tsy hahazo ny toerana voalohany tahaka izay noeritreretina izahay. Nandritra ny adin'ny roa teo no nanaovanay ny lalana 200 metatra, nisasaka ny lalana Via della Conciliazione dia tsy nihetsika intsony izahay. Tsy fantatra hoe nahoana. Nanomboka nivezivezy ny mpamonjy aina satria nisy olona vitsivitsy latsaka tsy nahatanty fitsanganana. Ny mpizara rano koa nandalo matetitetika. Nisy koa tamin'io fotoana io ny fizaràna gazety "Il Messagero" izay tsy dia tena hita izay nilàna azy ka nanjary nandoto tanteraka ny làlana nony maraina. Teo no fiandrasana ela indrindra. Tsy nisy nipetrahana fa ny tongotra no nafandimby natsangana mba tsy hiara-vizana izy roa. Tsy nikisaka teo izahay raha tsy efa nazava ny andro, tamin'ny 5 sy sasany maraina tany. Zara raha mikisaka 10 metatra nefa raha be indrindra dia mijanona indray. Toa izany foana. Imbetsaka no nifanome tsiny tamin'ireo mpitandro filaminana nandalo teo, nisy fotoana nifamaliana mihitsy aza moa izay ifonana amin'Andriamanitra satria fotoam-pivavahana no novonjena. Ny heno matetika dia ny fialantsinin'ireo mpitandro filaminana izay milaza fa tsy nirindra ny baiko avy any ambony. Raha tsy nisokatra tokoa mantsy ny sakana teo amin'ny lafy roa dia ho nirindra ny fidiran'ny olona.

Tamin'ny 8 sy sasany maraina izahay no tonga teo amin'ny 100 metatra tsy ho tafiditra ny tany malalak'i Md. Piera. Teo no nitohana farany. Efa hita ihany anefa fa efa feno ny toerana ka eo amin'ny 50 metatra miala ny tany malalaka eo sisa izahay no ho afaka mijanona. Tamin'ny 9 izahay vao afaka teo amin'ny tohana farany ka niezaka nameno ny toerana malalaka akaiky indrindra. Tonga teo amin'ny faran'ny Via della Conciliazione ihany izahay fa tsy tafiditra tao anatin'ilay faribolan'ny kianja Md. Piera.

Feno olona tanteraka teo amin'ny toerana nijoroanay, ny lamesa efa hanomboka. Izahay tsy hahita na inona na inona. Dia nanapa-kevitra izahay fa hamonjy sisiny sitrany ahay mba afaka mipetraka satria reraka tanteraka. Dia nahita fitoerana tokoa izahay, tsy dia lavitra loatra, afaka nipetraka sy nitsotra mandrapaha fenony ihany koa... nahita tsara ny otely satria tsisy nanakona saingy kely dia kely (200 metatra miala ny otely no fahitako azy amin'ny google map) noho izany tsy nahita n'inona n'inona ihany. Na izany aza anefa dia afaka nanaraka tsara ny feo izahay ary mba nanana boky nanarahana ny lamesa.

Nony tonga ny fotoan'ny komonio vao tena henjana satria tsy nisasaka akory ny làlana nandehananay ho eny amin'ny toerana akaiky indrindra nisy ny elo mavo sy fotsy nisy ny mpampandray dia efa tapitra ny lamesa :-) Tsy afaka tody teny mihitsy izahay na dia efa nanatona akaiky aza ry zareo. Nony vita ny lamesa dia mbola fisisihana ihany koa satria izahay namonjy hivoaka ny kianja nefa teo koa ireo niezaka ny hiditra. Hany herinay dia nijanona namonjy kihon-dalana niandry malalaka hijerena ny Papa mandalo.

Nony efa lasa ny Papa izay vao nifamory kely izahay, nandray tsakitsaky izay tokony ho nohanina ny maraina saingy tsy vita noho ny zava-nisy. Dia nivezivezy naka sary amin'izay nony avy eo.

Nony nirava dia heno fa tsy ho azo atao ny handray bus akaikikaiky eo ka dia nanapakevitra ny handeha hamonjy metro izahay. Teny andalana nefa dia heno fa mihidy koa ny fiantsonan'ny metro akaiky indrindra (Ottaviano) ka tsy maintsy mamonjy ny fiantsonana manaraka (Cipro) dia nandeha an-tongotra tany. Feno olona tanteraka koa teo efa niandry ny handeha metro. Dia teo izahay no nisara-dalana.

Na dia efa nanombana aza ny orana dia tsy avy mihitsy tamin'iny maraina iny fa niandry ny andro ho hariva vao nisy oram-baratra. 

Ny fotoana tsy raikitra tamin'ny TVM fotsiny no marihiko kely. Samy manana ny fomba fiasany aloha fa fony izahay nanandrakandrana izany fanaovan-gazety izany, rehefa misy événement andehanana tahaka ireny dia iny événement iny no laharam-pahamehana. Ary dia nataonay mihitsy izay hahatonga anay eny sy hanarahanay ilay zava-misy eny antoerana mialoha, mandritra ary aorianan'ny zava-mitranga. Efa fantatry ny mpanao gazetin'ny TVM fa ny asabotsy maraina izahay dia efa eny, ary be dia be tokoa ny mpanao gazetin'ny firenena hafa izay hitanay teny ny asabotsy, ny antsika kosa mbola nanao asa hafa izay tsy hanomezan-tsiny azy satria samy manana ny laharam-pahamehany. Nisy tsara ihany koa ny fotoana nahafahana nifandray taorian'ny lamesa satria izahay mbola nivezivezy naka sary. Fa dia tsy nifankahita fotsiny. Ny irariana dia hoe na tsy nifankahita tamin'ny Katolika Malagasy teto Roma aza ry zareo dia mba afaka nitantara ihany kosa ny nikasika iny zava-dehibe ho an'ny finoana Katolika iny. 

Ny fitantarana ofisialy kokoa: Jereo eto

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry