« | »

Ity ady ity

2022-03-01 @ 18:17 in Tsy aritra

Mifangaroharo loatra sy mibosesika hevitra ny ao antsaina manaraka an'ity vaovao momba ny ady ao Ukraina ity. Io resaka io foana koa moa ny vaovao heno n'aiza n'aiza ka tototra mihitsy raha vao mpanaraka radiom-baovao tahaka ahy. Mino aho fa betsaka koa ireo hafa manara-baovao ka rariny raha samy manana ny zavatra henony ny tsirairay. Dia rehefa ady tahaka izao dia matetika misy ny manome rariny ny andaniny sy manome tsiny ny ankilany... dia misy koa ny mahasahy (satria amiko izany fahasahiana ihany) tsy maneho hevitra, na mody sarontsaromana amin'ny hoe "tsy momba ny atsy na ny aroa". 

Araka ny heno izany dia nanapa-kevitra ny tsy hanameloka n'iza n'iza ny fitondrana malagasy. Manahy sao ho very ny fihinanana amin'ny Rosiana (sy ny Sinoa?) raha ohatra ka manameloka ny fananiham-bohitra ataon'izy ireo, nefa tsy sahy mijoro koa hoe manohana tanteraka an'i Rosiana satria mba menatra ihany. Dia aleo mialokaloka ao ambanin'ny hoe mifandray amin'ny firenena rehetra i Madagasikara. Fa angaha ny fanamelohana ny tsy rariny (satria mandika ny lalàna sy ny zo iraisam-pirenena) dia midika hoe tsy hifandray intsony mandrakizay? Ny firenena Eoropeana sy Amerikana izay manameloka ity fanafihana firenena manana ny fiandrianany ity dia mametraka fepetra foana hoe mandra-piovan'ny Rosiana hevitra ka hanajanonany ny fananiham-bohitra. Rehefa vita izany ny ady dia hilamina indray ny fifandraisana.

Na izany na tsy izany dia manana zo hiaro ny tombontsoany ireo mpitondra malagasy, efa izany rahateo no nataony hatramin'izay. Fa ny manorisory indraindray dia ireo mpanarak'efa sy mpisolelaka be fahatany. Izay tenenin'ny mpitondra dia tonga dia sori-dalan-kitan-kisoa avy hatrany ka hanina am-bolony. Tsy maneho hevitra mihitsy aloha - satria tsy manan-kevitra - fa miandry hoe ahoana ny hevitry ny volomboasary, dia rehefa mivoaka iny dia tsy misy fandinihana intsony. Dia avy eo lasa anisan'ireo manam-pahaizana momba ny ady iraisam-pirenena eo amin'ny Facebook. 

Ho hita eo ihany ny tohiny e.

Photo by Dominik Sostmann on Unsplash

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry