Ireo tsy mankalaza asaramanitra

2021-06-26 @ 11:14 in Eritreritra mandalo, Politika, Tsy aritra

Mahagaga fa eto Madagasikara, andao atao hoe tato ho ato, dia misy hatrany ireo olona mieritreritra hoe tsy tokony hanao fankalazàna amin'ny 26 jiona, fetim-pirenena. Vao manomboka ny volana jiona dia efa misy ny adihevitra amin'ny tokony na tsia hametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano. Ny antony apoitran'ireo izay manao izany matetika dia ny hoe tsy mbola mahaleo tena akory i Madagasikara. Mbola misy ireo sotrobe lava tango avy ataon'ireo mpanjanaka fahiny misalovana ny fanjakana.

Ny olana tokoa angamba dia tsy nampidirina na tsy tafiditra tsara ao antsain'ny Malagasy maro izany hevitry ny 26 jiona. Ny antsika tokoa mantsy, ny 26 jiona dia fankalazàna ny nahazoana fahaleovan-tena. Tsy hoe azo tamin-kery sy ady be anefa izany, tahaka ny hoe tsy mba nisasarana, satria nomena. Marina fa nisy ireo Malagasy niady mafy ho an'izany fahaleovan-tena izany tamin'ny 1947, fa tsy mba izy ireny no nankalazaina tamin'ny fanomezana ny fahaleovan-tena. Tsy nolazaina mihitsy hoe vokatry ny adin'izy ireny dia nahazo fahaleovan-tena isika... fa fanomezana tsotra izao. Ary fanomezana avy amin'ireo mpanjanaka ihany. Vokatr'izany dia saritsarim-pahaleovan-tena no niainana nandritra ny taona maro. Tsy nanamarika ny hambom-pon'ny Malagasy izany ilay andro nanomezana fahaleovan-tena, tsy tena midika fandresena.

Ny an'ny hafa mantsy, ohatra fotsiny ho an'ny Frantsay, ny andro 14 jolay ny azy dia tena vokatry ny ady mihitsy. Fankalazana ny nakàna ny Bastille. Izany hoe nisy zavatra niadiana dia azo. Tahaka izany koa ny an'ny Etazonia, fanambarana ny fahaleovan-tena taorian'ny ady natao... sy ireo firenena hafa maro.Koa angamba tsy omena tsiny ny Malagasy sasany raha toa ka tsy manaitra azy ity andro iray ity. Inona nefa ny andro mety azo hasolo azy? Andro nanamarika fahafahana? Sa mbola tsy afaka mihitsy ny Malagasy?

Na izany na tsy izany dia mirary fety mahafinaritra eo anivon'ny fianakaviana ho an'ireo izay manamarika izany. Indrindra mila manararaotra fety amin'izao fotoanan'ny krizy vokatry ny valan'aretina izao.

Mbola tsy voasambotra foana ve i Tatandraza?

2018-06-03 @ 08:29 in Politika, Serasera 3 minitra

Tsy hoe tsy fitiavana manokana an'i Tatandraza akory, satria tsy dia maty antoka manokana aho raha mahazo tombony izy, fa ilay fizahozahoan'ny manam-pahefana Gasy rehefa mahatratra boay kely sendra nanao tsy mety teo amin'ny Facebook. Rehefa sendra misy mandefa vaovao tsy marina manohintohina andry zalahy dia malaky be mihitsy ilay fisamborana, miasa daholo mihitsy angamba ny teknolojia isan-karazany. Fa mahagaga i Tatandraza mampiseho video impiry tsy mety tratra. Sa mbola tsy voakasika ny fiainana manokan'ny sasany? Sa mbola mampihomehy fotsiny aloha dia varimbariana amin'iny ny vahoaka noana?

Hitsangana indray ry Rainisoazanatasy

2016-07-08 @ 18:19 in Politika

Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena alina hono ny Lalàna mifehy ny fifandraisana. Raha fintinina dia sivana sy famehezam-bava ho an'ireo mpikirakira vaovao sy ho an'ny rehetra no ao anatiny. Araka ny vaovao farany dia nitsipaka izany ny RSF sy ny UPF. Tsy vaovao intsony nefa izany ho an'ireo niaina tany amin'ny taona 80 tany. Imbetsaka no nahita gazety nisy faritra na pejy fotsy tanteraka satria nandalo sivana tamin'ny ora farany. Fa ny nahay azy dia ny Gazety Lakroa izay nisy an'i mompera Remy Ralibera sy ny ekipany. Hainy ny nihoatra ny sivana ka tafita foana ny hafatra nefa sarotra dia sarotra ny nanakana ny Gazety Lakroa hivoaka.

Tamin'izany no nahenoako andry Rainisoazanatasy.

Rainisoazanatasy dia vahoaka ao amin'ny RBDMNK (raha tadidiko) izay miaritra fijaliana sy fahoriana. Misy itovizany betsaka amin'ny an'ny Malagasy ny fiainany, fa tsy Malagasy ry zareo :-) Ka dia ny fiainan'ny Rainisoazanatasy sy ny RBDMNK no voatsikera sy toroana hevitra tao.

Izany no fomba iray nataon’ireo mpanao gazety tao amin’ny Gazety Lakroa nitsikeran’izy ireo ny fitondrana izay tsy azo notsikeraina intsony tamin’izany fotoana izany. Izany sisa no nahafahany nampita ny zava-misy ho an’ireo mpamaky. Isaky ny misy zavatra mitranga eo amin’ny firenena, na misy kabarin’ny mpitondra mila tsikeraina, dia ny mpitondran’ny Rainisoazanatasy sy ry Rainisoazanatasy no nahazo fananarana sy torohevitra.

Tamin'ny farany moa dia hoy foana ny lahatsoratra hoe "Hafa ihany ho'aho isika Malagasy e."

Koa raha izao no mitohy dia hitsangana indray ry Rainisoazanatasy sy ny fianakaviany hiseho gazety.

 

 

Politika manomana 2018

2016-04-12 @ 09:44 in Politika

Resaka hafa mihitsy aloha. Miverimberina foana ny antso hoe miverena aty an-Tsihanaka... na ilay hoe aza mimenomenona fotsiny ianareo any ivelany any fa raha tena te hampandroso firenena dia miverena aty Madagasikara. Eny, mety hadisoana ho anay ny tsy miverina hampandroso an'i Madagasikara... fa inoako fa tsy hampiova zavatra lehibe loatra akory ny fiverenana. Firifiry ireo niverina nefa tsy afaka manao na inona na inona akory... toa izany koa moa ireo efa tao foana fa tsy afa-mikofoka e. Vao maika loza aza satria tsy afaka miteny tahaka izay any ivelany akory noho ny delestazy :-) Koa aza mifampiantsoantso fa samia manao izay ho vitany amin'ny toerana misy azy.

Praiminisitra
Sary: www.iisd.ca

Ny kajikajy politika tamin'ny fanoloana praiminisitra teo dia hoe hanomanana ny fifidianana 2018. Dia be ireo tena manao kajy tokoa hoe ho hita eo fa tsy handresy ny anay io na soloina an'iza na soloina an'iza. Dia misy ireo miezaka mandresy lahatra ny vahoakaNY hoe vao maika ireo resintsika raha iny no praiminisitra. Ny sasany moa dia faly ery milaza hoe "voaporofo izao fa tsy mamely ity fitondrana ity satria intelo niova praiminisitra ka ho resintsika io amin'ny fifidianana"... dia mikajikajy politika eo. Kanefa toa ho diso kajy daholo.

Diso kajy satria tsy mitovy ny "fototra" (base) hoy ny mpanao matematika. Ny 1+1 dia mety ho mira 2 na mety ho mira 10 arakaraka ny "fototra" ampiasaina. Ka ity kajy politika ity misy "puissance" hafa mihitsy dia ny vola sy ny fahefana izany. Na tsy ho tian'ny vahoaka aza io fitondrana io, raha mbola ny vola sy ny fahefana no hiasa dia ho reraka eo fotsiny ny mpikajy madio. Ny vahoaka madinika mety tsy ho voavidy amin'ny fifidianana intsony satria efa maranitra amin'ilay hoe hano fa adala tompo. Ka tsy hifidy Herim-po Very Maina intsony na hahazo Tee-Shirt sy vary tambim-bato aza. Ny vahoaka madinika efa tsy ho resy lahatry ny kabary tsara lahatra intsony satria tadidiny ny ngidin'izay mandat voalohany izay. Saingy tsy ny vahoaka madinika intsony no hianteheran'izay manana vola sy fahefana fa ny ambaratonga ambony kokoa. Izay no atahorana amin'ilay kajy maloto. Raha voavidin'ny eo amin'ny fitondrana avokoa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hanao "halabato be vata" dia tsy hisy kajy mirindra. Ka na ho zakanao avoko aza ny vahoaka dia ho gaga ianao hahita ny voka-pifidianana hoe tsisy nifidy anao akory.

Koa raha hanao kajy dia ovay ny "fototra"... na farafaharatsiny ampitovio ny "fototra" hanaovana ny kajy.

Ny fanantenako amin'ity Praiminisitra vaovao ity dia toa Katolika hono izy... ary ho an'ny Katolika dia taonan'ny famindram-po ity taona ity.

Fanafihana VIVA, tompon'andraikitra ny VIVA

2015-08-08 @ 22:32 in Politika

Mampalahelo tokoa ny mandre ny fanafihana, fangalarana, fanapotehana ny VIVA TV tany Fianarantsoa. Tahaka izany koa nampalahelo ny fanakatonana sy fangalarana ny fitaovan'ny Radio Fahazavana, ny MBS Radio sy TV, indrindra ny fandorana ny TVM sy ny RNM tamin'ny fotoan'androny. Mampalahelo foana rehefa fitaovana mahavokatra tsara ho an'ny Malagasy, na iza tompony na iza, no simbaina sy dorana. Satria anisan'ny voakasika amin'izany koa ny Malagasy mpanjifa, mpiasa, mpamboly, mpamokatra. Ny fanimbana ny Tiko Madagasikara ohatra dia nahavery asa fianakaviana maro. Ary hatramin'izao dia mbola tsy nisy nahasolo azy ny vokatra hita eny antsena. 


Sary ao amin'ny site-n'ny viva

Rehefa dinihina anefa, amin'ny fo tsy miangatra sy tsy mandatsa, dia main'ny afo natsangany ihany ny mpiandraikitra ny VIVA. Toa ny fitaovana fanaovan-gazety rehetra dia tokony hanabe ny fiaraha-monina ny VIVA. Nivoana tamin'izany adidy masina tokony hiantsorohany izany anefa izy ka nanjary niandany tamin'ny herisetra sy fanimbàna zavatr'olona. Nisy ve, ohatra, ny fanamelohan'ny VIVA ny fandoroana ny MBS na ny RNM na ny TVM? Fanamelohana ny hetsika sy ireo izay nitarika izany? Ny fanamelohana tahaka izany mantsy dia fanabeazana ny mpihaino hahalala fa tsy fomba ny tahaka izany. Nisy ve ohatra, tamin'ny fotoanan'ny tetezamita, ny fiantsoan'ny mpanao gazety ao amin'ny VIVA ny hanokafana ireo radio sy televiziona nohidiana? Raha nisy dia mba tiako ho hita. 

Koa tompon'andraikitra, na dia tsy mivantana aza, amin'izao zava-mitranga amin'ny VIVA Fianarantsoa izao, ny fanabeazana nentin'ny VIVA hatramin'izay, indrindra nandritra ireny korotandrotana teto amin'ny firenena ireny. Anatra ho an'ireo rehetra mihambo ho mpanao gazety izay manana adidy hanabe ny mpiray firenena aminy. Beazo ao anaty fandriam-pahalemana ny vahoaka dia handry fahalemana miaraka aminy ianao.

Petitions: araraoty fa mamaky Rajao

2015-08-07 @ 17:50 in Politika

Koa satria nitohy be ny resaka momba ny JIOI izay efa natsidiko tato omaly dia heno androany fa niantso ny mpifaninana rehetra hampitsahatra ny fandraisany anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indiana andiany faha-9 ny ao amin'ny Fiadidian'ny Filohan'ny Repoblika. Izany hoe ajanona daholo ny lalao dia manomboka miomana ny hody... fa tsy mody avy hatrany toa ny nataon'ny Comores. Mety hoe rehefa vita ny lalao rahafakampitso vao hotanteraka ilay fodiana... fa efa mba niantso aloha. Ny faniriana no tena zava-dehibe :-)

Fa manara-baovao ihany izany ny ao ambony ao koa araraoty ampitaina daholo izay vaovao manahirana rehetra. Anaovy petitions isan-karazany. Itaraino mihitsy.

Ireto aloha hatreto no tena mampimenomenona ny olona tao anatin'ny herinandro fa betsaka ny tahaka ireto:

  • Jiro tapaka efa ho intelo isanandro. 
  • Voka-pifidianana ben'ny tanana teo voahodinkodina
  • Ny resaka SECES eny amin'ny oniversità sy ny Bacc
  • Ny grevy etsy sy eroa.
  • ....

Araraoty ny mampakatra feo rehefa mihaino kely ilay mpanao be marenina.

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina

2015-06-19 @ 08:07 in Politika, Fiaraha-monina

N'aiza n'aiza, amin'ny firenena misy demokrasia dia manana zo hitokona ny mpiasa. Ny mifanohitra amin'izany dia fambara ho an'ny firenena misy jadona. Eken'ny lalàna soa amantsara ny fitokonana manara-pitsipika. Eny, hatramin'ny fitokonana heverina ho tsy manara-dalàna aza dia toa mbola eken'ny lalàna ihany. Anisan'izany ny fitokonana tsy misy ilay fetran'ny asa farafahakeliny (service minimun), ny fitokonana tsy misy daty fiafarany. Ny mpanamory tao amin'ny Air France, ohatra, dia nanao fitokonana tsy misy fetra mandra-pahazony izay notadiaviny.

Amin'izao fotoana fitokanan'ny mpiasan'ny Air Madagascar izao dia tena ao anaty fitsipika sy zo mifehy ny mpiasa tokoa ry zareo. Zo fototra ho an'ireo sindikan'ny mpiasa izay mahatsapa ny tsy mety ny migrevy ary tsy voatery hisy fetrany izany satria miankina tanteraka amin'ny feon'ny fieritreretany ny hanaovany ny asa farafahakeliny na ny halavan'ny fitokonana. Saingy... saingy... saingy...

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina. Izany hoe misaina ny mpitokona ary misaina koa ny olona itakiana ny zavatra, izany hoe ny fanjakana izany amin'ity trangan'ny Air Madagascar ity. Ny mpitokona misaina dia mahita hoe hatraiza no fetran'ny tokony hitokonana ka hanimba ny hoaviny... satria fijerena ny hoavy no antony hitokonana. Ary ny fanjakana koa raha misaina dia mahita hoe hatraiza no tokony mila mandray andraikitra sao hanimba ny hoaviny. Fa amin'izao fotoana izao dia vondrona roa samy tsy misaina no idiran'ny fitokonana ka ny azo antoka dia samy ho very fihinanana ireo.

Ny mpitokona ao amin'ny Air Madagascar dia mahatsapa fa raha tsy mihodina tanteraka ny orinasa dia ho fatiantoka tanteraka. Ka na tsy amin'izao fotoana izao aza dia hisy fiantraikany (amin'ny fomba ara-dalàna) ho an'ny mpiasa tsirairay. Tsy ho gaga mihitsy isika raha hisy ny fandroahana teknika rehefa milamindamina ny raharaha, tahaka izay nahazo ny tany Ambatovy farany teo. Fandroahana ara-dalàna satria misy antony voaporofo. Tsy adalan'ny mpitokona amin'ny toerana hafa ny manao izay sady hampiodina kely ihany ny orinasa tsy ho faty antoka. Mahatsapa izany izy ireo raha misaina.

Ny mpitondra koa dia tsy mahatsapa hoe mampidina be ny sary asehony ny fisian'ny fitokonana lavareny. Midika ho tsy fahafahana mamaha olana izany, ary midika indrindra indrindra tsy fahaiza-mitantana. Ankoatr'ireo olona voakasiky ny vokatry ny fitokonana mivantana, dia misy koa ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola izay miandry kendry tohana amin'izay hetsika hatao na tsy hataon'ny fanjakana hanalàna ny fitokisana aminy. Tsy adalan'ny fitondrana hafa ny manao famoizana tombotsoa sasany (sacrifice) mba hamahàna fitokonana lava reny... na dia hisy talé sy sekretera tsy maintsy hoesorina amin'ny toerany aza. Mahatsapa izany izy raha misaina.

Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vokany sisa isika. Tsy vokatra fohiezaka izay mety hamaha olana vetivety fotsiny fa ny fiantraikan'izao krizy izao lavitrezaka eo amin'ny toekarena, ny fizahan-tany, ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.

 

TIM Mena

2015-05-22 @ 10:44 in Politika

Oviana no niova ho mena ny lokon'ny TIM? Sa efa hatramin'izay? Raha izaho ry zareo dia ilay loko maitso tamin'ny loko TIM (manga sy maitso) taloha no nalaina. 

Sary nalaina tao amin'ny pejin'i Guy Rivo

 

 

Inona indray ity nataon'i #Ravalomanana sy #Rajaonarimampianina

2014-10-14 @ 17:04 in Politika

Ny vaovao farany momba an-dRavalomanana dia ho hitanareo ery ambany amin'ny faran'ity lahatsoratra ity. Fa alohan'izany dia eritreritra kely mikasika indrindra ny zava-nitranga hatry ny omaly izay efa iaraha-mahalala ihany no tehiriziko eto amin'ity blaogy ity.

Nalaky dia nalaky ny fivoaran'ny toe-draharaha politika teto Madagasikara omaly rehefa tonga tampoka, mba tsy hilazàna hoe antsokosoko, ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nikorontana na dia ny resaka serasera teo amin'ny fiandidiana ny repoblika aza satria ny kaontin'ny Prezidansa tao amin'ny facebook ohatra dia nampiseho sary tànana hifandray sy niresaka fifampihavanana. Atoa Rajoelina Patrick izay mpanohana akaiky an'i Rajaonarimampianina koa dia nilaza fa mety hihaona Ravalo sy Rajao mandritra ny takariva. Ny DirCab-n'ny fiadidiana ny repoblika anefa dia nilaza fa tsy nahalala na inona na inona momba ny fahatongavan-dRavalo ka hampihatra ny lalàna satria "tany tan-dalàna loatra i Madagasikara" (Amin'ny teny gasy, ny dikan'ny loatra dia hoe tafahoatra ny mety). Nisalasala ny rehetra hoe iza amin'ireo hevitra samy nipoitra avy any amin'ny ankolafin-dRajao ireo no hisy tohiny? Dia iny nitranga iny fa nosamborina i Ravalo ary natao tany amin'ny toerana tsy fantatra mba hiarovana ny ainy. (Toa misy film efa nandeha tahaka izany, ry Monja Jaona sy ry Bao Andriamanjato toa efa natao tahaka izany fa toa tsy dia niadana loatra ka asa Ravalo raha hahazo hotely kintana dimy)

hifandray?

Ka ireto vitsivitsy ireto ny eritreritra nandalo tato amiko.

Ny voalohany dia eritreritra momba ny tranga nahatongavany. Ny mazava aloha dia nisy lavaka be tamin'ny fiarovana sisin-tany manokana voalohany indrindra, sy teo amin'ny fanaraha-maso an-dRavalo ihany koa ka nahatonga azy tafaverina. Misy sampam-pitsikilovana ihany ao Madagasikara ary amin'ny zavatra tahaka itony no tokony hahitàna izany. Vao niteny Ravalo fa ho avy indray (na mety efa tonga izy tamin'iny) dia tokony nihetsika ny sampam-pitsikilovana nijery hoe aiza ho aiza izy, ahoana no eritreretiny hahatongavana sns. Nahazo isa Ravalo tamin'iny ankiafina iny ka na ny AV7 aza tonga saina. Tadidiko tamin'ilay fotoana saika hahatongavan-dRavalo voasakan'ny NOTAM dia efa tonga teny Ivato koa ny AV7, fa tamin'izy ry zareo niesona.

Fihavanam-pirenena

Faharoa eritreritra momba an-dRavalo sy ny manodidina. Nisy lavaka be koa teo amin'ny mpanolontsain-dRavalo, zavatra efa mahazatra ihany. Raha nisy tena mpanao politika ny manodidina an-dRavalo dia ho nanoro azy ny zavatra tokony ho nataony tamin'iny fidirany teto Madagasikara iny. Toy ny hoe niketrika irery indray Ravalo, mety hoe nampian'ny vazaha, fa tsy nisy mpanolontsaina tena niara-niketrika taminy. Nisy tetikady na stratejia maro tokony ho natao ka anisan'izany ny fiambenana ny tenany sy ny toerana misy azy... indrindra raha hiseho (show up) sy hiteny (speak out) izy. Mba tsy horaisim-potsiny tahaka an'ireny. Azony natao ihany koa ny tsy nanao filazàna ampahibemaso fa nitsapa rano aloha sy nanivana ireo manodidina mpiara-miasa. Hoe iza tokoa ny mpanao politika mbola azo ianteherana sa hitady mpikatroka vaovao.

Fahatelo, eritreritra momba ny fanjakàna. Misy lavaka be koa ny fanjakàna tamin'ny fifehezana an'iny raharaha iny. Ny filazàna ampahibemaso fa tsy naharaka na inona na inona dia sady fisehoana ho tsy fifehezana ny fandriam-pahalemana sy ny fiandrianan'ny firenena no fanamelohana ireo izay heverina ho nampiditra antsokosoko an-dRavalo teto an-toerana. Ary dia mbola tsy fahaizana mifehy ny toe-draharaha ihany koa ny nisamborana (na nakàna) an-dRavalo sy namindràna azy tamin'ny toerana hafa. Tsy zavatra vaovao ny toe-draharaha tahaka ireny fa zavatra efa nitranga eran-tany. Azo atao tsara ny mijery hoe ahoana ny fanaon'ny olona amin'ny tranga toa ireny. Afaka nanao récupération politique tsara mihitsy Rajao ary mety nanarona ilay lavaka amin'ny fiarovam-pirenena izany. Inona tokoa moa no nisakana azy tsy hanao dingana voalohany amin'ny fihavanam-pirenena? Ny tsy miady hono olom-bodo. Na dia hoe nanao fihantsiana aza i Ravalo, raha tsy novaliany tamin'ny fihantsiana mafimafy kokoa izany dia nahazo ny fon'ny olona izy. Rehefa nisambotra indray izy dia tokony nanao stratejia hafa kokoa. Raha toa ka fiarovana (sécurisation) araka ny nolazainy mantsy dia tokony hisy hatrany ny fifanarahana sy fifandraisany amin'ny fianakaviana. Ny fanokàna-monina (isolation) an-dRavalo toa izao anefa dia tsy hahafahan'ny fanjakana milaza mihitsy hoe voaaro izy.

Fahaefatra, eritreritra momba ny vahoaka. Efa niova tokoa ny Malagasy. Tsy anomezan-tsiny azy izany satria mafy loatra ny vokatry ny tetezamita. Nandritra ny tetezamita dia fanasàna atidoha ho leo fitakiana no natao. Naverimberina foana hoe tsy hisy mpanao politika ho tsara izany fa na iza na iza eo dia mitovy ihany. Natao naharitra mihitsy ny tetezamita mba hahafahan'ny rehetra nanaiky izany hevitra izany. Na ny tetezamita 5 taona aza moa dia nanjary nekena. Tsy nijery lavitra intsony, noho izany, tamin'ny fifidianana fa izay nanome sakafo eo no ho eo no nofidina. Nisy dia nisy ireo kandidà sady tsy nanohana ny tetezamita no tsy nanohitra ny tetezamita fa hery tena vaovao... saingy ny zava-nitranga dia naleon'ny Malagasy nanohy ny tetezamita. Diso tanteraka izany amin'izao fotoana izao ny mpanao politika miandry fihetsehan'ny Malagasy. Ary ho diso fanantenana Ravalo raha toa manantena hanainga vahoaka. Efa antitra avokoa ireo nitolona tamin'ny 1972, ary ireo nitolona taty aoriana dia tsy manana faharesen-dahatra tahaka ny taloha intsony noho ny fahantrana sy ny hanohanana. Koa tsy hisy vahoaka maro hitroatra izany intsony eo. Raha ny tokony ho izy dia rehefa noana ny vahoaka dia mitroatra. Saingy tsy mihatra amin'ny Malagasy intsony izany, tahaka ireo any Korea tavaratra sy any Cuba izay tsy mitroatra intsony na dia mahantra sy noana aza... diniho hoe nahoana.

Koa dia miandry ny tohiny isika hoe iza no hiova voalohany: Rajao sa Ravalo sa ny Vahoaka.

Tapitra

 

Ny fetim-pirenena Malagasy eto Roma Italia

Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho. 

Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )

Fetim-pirenena Malagasy eto Italia

(Misokatra ny fonon-teny) (tohiny)

Yanukovych sy #Ravalomanana

2014-03-05 @ 01:40 in Eritreritra mandalo, Politika

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny mampitaha ny nanjo an'i Yanukovych sy Ravalomanana amin'izao zava-mitranga any Ukraine izao.

Ny zava-nisy: 

Samy nitsoaka vokatry ny hetsi-bahoaka izy roalahy. Ravalomanana dia  (tohiny)

Praiminisitra sisa dia vita ny lalao

2014-02-18 @ 15:43 in Politika

Atomboka amin'ny zavatra iray tsy misy idirany amin'ny lohahevitra mihitsy. Eto Italia koa dia niova nanomboka omaly ny Praiminisitra. Ingahy Matteo Renzi izay ben'ny tanànan'i Florence teo aloha sady lany sekretera jeneralin'ny antoko havia vao tsy ela no nanongana ny Praiminisitra, izay nalototry ny antoko havia ihany koa nefa. Be dia be ny fampanantenana nataony sy mbola ataony ka betsaka ny mieritreritra hoe hafana am-boalohany (tahaka ny tainkisoa) fotsiny izy. Misy aza moa ny mananihany hoe raha ataony alohan'ny volana mey daholo ny zavatra lazainy dia inona no hataony hatramin'ny 2018? Sa hiongana koa?...

Fa eto Madagasikara dia Ramatoa Christine Razanamahasoa no lany ho filohan'ny Antenimieram-pirenena. Raha araka ny lalam-panorenana (asa na efa niova tamin'ilay anakiray teo) dia izy no olona ambony faharoa aorian'ny filoham-pirenena, ary misolo avy hatrany ny filoham-pirenena raha misy ny sakana. Izay no tsy naha ara-dalàna ny nataon-dRavalo satria tokony nomeny ny filohan'ny antenimiera ny fahefana. Koa azo atao hoe prezidà (prezidanty) ihany koa izany Ramatoa Razanamahasoa. Tsiahivina fa Minisitry ny fitsarana sy mpitana ny fitombokasem-panjakana izy nandritra ny tetezamita. Toerana manana ny lanjany izany satria mitazona ny lakilen'izay tokony hidina sy hovohaina. 

Ny Praiminisitra izany sisa dia tafiditra tanteraka ao amin'ny Tetezamita ara-dalàna isika. Izany hoe ireo ekipan'ny tetezamita ihany saingy natao làlana fotsiny ny tetezana. Tsy maintsy ho olona avy ao amin'ny MAPAR (hono) no praiminisitra, ka sarotra be ny hieritreritra hoe hanolotra olona tsy MAPAR izy ireo raha tsy ilay AR ao amin'ny MAPAR mihitsy.

Tsy misy olana izany, tsy ampahafirin'ny niaretan'ny Malagasy hatramin'izay izany. Ratsiraka aza firy amby roapolo taona no teo niaretany ihany. Mahari-pery anie ny Malagasy e. Jereo anie fa amin'ny fifidianana manaraka dia 1er tour dia vita koa ireo olona eo amin'ny fitondrana ireo e.

Fanitsiana: Araka ny lalam-panorenana 2010 (izay lanin'ny 25%-n'ny manan-jo hifidy) dia ny Filohan'ny Antenimieran-doholona no misolo ny filoham-pirenena raha misy sampona mahazo azy. (and. 50)

 

 

Tsy maintsy manohy tetezamita Hery Rajao

2014-01-23 @ 13:41 in Politika

Dia i Hery Rajaonarimampianina izany no lasa filoham-pirenena ara-dalàna amin'izao Repoblika faha-4 izao. Marihina fotsiny hoe ny atsasaky ny Malagasy no tsy nifidy, ary mbola atsasaky ny Malagasy ihany noa no tsy nandàny izany Repoblika faha-4 izany. Tamin'ireo nifidy dia nolazaina fa nahazo 54% i Hery R. ary betsaka ireo nilaza hoe nangala-bato izy. Izany hoe raha tena be indrindra dia 25%-n'ny Malagasy no nifidy azy. Fa tsy maninona izany, aoka fotsiny tsy hisy hitaraina :-)

Hery Rajaonarimampianina (tohiny)

Na tsy ho lany aza

2013-10-24 @ 17:14 in Politika

Izay hofidina

Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ihany izany ny Malagasy ny zoma faha 25 oktobra 2013 ho avy izao. Fifidianana karakarain’ny fitondrana tetezamita izay andraisan’ireo minisitra sy mpitondra tetezamita teo aloha anjara.

Hatramin’ny voalohany aho dia efa tsy natoky sy tsy mino hoe ho mangarahara ny fifidianana karakarain’ny fitondrana tetezamita. Izany rahateo no tsy nivakiako loha firy tamin’ny  (tohiny)

Raha tsy nisy coup d'état

2013-05-15 @ 07:55 in Politika

Alohan'ny tena resaka aloha dia hitako hoe niova ihany ny sary ofisialin'ny kandidà Lalao Ravalomanana ka tsy ilay nolazaiko tato intsony no izy fa mba ity manjamanja ity indray. Mba mendrika sy manintona kokoa. Na ny sary aza anie dia efa misy akony lehibe e, indrindra moa fa resaka biletà tokana isika izao. 

Fa avy  namaky izay nolazain'i DotMG hoe Mora manadino aho dia (tohiny)

Rajoelina vs Ravalomanana... raikitra ihany ny PMU

2013-05-03 @ 10:43 in Politika

Tsy nisy nanampo indray iny fikafikan-dRajoelina iny kanefa mahatsara zavatra ihany koa. Nirotsaka (na narotsaka) tamin'ny minitra farany Rajoelina na dia vao omaly aza izy no nirehareha fa manaja fifanarahana. Dia azo antoka fa ny tena hifaninana dia Rajoelina sy Ravalomanana. Mahatsara zavatra ihany raha ohatra ka tena tsy misy hala-bato satria dia ho hita eo tokoa hoe iza no tena mamim-bahoaka. Ny mampalahelo fotsiny dia mbola duel ihany indray ilay fifidianana... na dia misy kandidà hafa izay mahavita azy aza. Raha vitan'i Patrick Raharimanana na ny hafa ny mandresy lahatra ny olona hoe "Ni... Ni..." dia mety ho hafa ny fivoakany.

Fa ity aloha izany ny vokany ho fahatsiarovana ny andro androany. Ny nahaliana kely dia 49 no nolazain'ny HCC nefa misy hatramin'ny 50 ny lisitra. Angamba diso tsipelina. (tohiny)

Ny fikafikan-dRatsiraka

2013-05-02 @ 17:53 in Politika

Fampidirana kely. Tsy haiko ianareo na ahoana fa ohatry ny tsy tiako be izany ilay sarin'i Lalao Ravalomanana eo amin'ilay ofisialy an. Ohatry ny terana be izany ilay izy. Aty Italie dia mahita olona maro mitovy amin'itony saingy tsy photoshop no miasa fa tena bistouri mihitsy. Ka manjary ohatra ny hoe amboarina be izany ilay sary. Tsy maninona anie izy na dia eo amin'ilay fahatsorany sy fahalehibeazany iny aza e. Fa raha tsy namboarina aloha ilay sary dia tena niova be indray izy izany.

Fa tsy izay no tena resaka fa ity fikafikan-dRatsiraka ity. (tohiny)

Ny fahalanian'i Obama tsy mitondra soa ho an'i #Madagasikara

2012-11-07 @ 08:13 in Ankapobeny, Politika

Satria efa tsy nitondra soa nandritra izay 4 taona nisian'ny krizy politika teto Madagasikara izay.... Io ny valiny mivantana (noho ity lahatsoratra ity miseho any amin'ny twitter) fa velabelariko eto ambany ny fanazavana.

Obama dia avy ao amin'ny antoko demokraty... azo raisina hoe antoko havia. Izany hoe mitady ny tombontsoa tanteraka ho an'ny madinika, ary tsy dia miraharaha loatra ireo izay efa manana. Nandritra iny efa-taona iny ohatra dia nimasoany ny resaka fahasalamana, ny fanomezana asa ireo madinika, ny famelomana indray ireo orinasa izay maty na niha nalemy (mba hitsiinjovana ireo madinika hatrany). Vokany dia nitombo ny fitiavan'ny sarambabem-bahoaka Amerikana azy satria tena nitsinjo ny Amerikana maro an'isa tokoa izy. Dia efa azo antsaina ihany fa tsy maintsy ho lany indray Obama satria mbola ireo olona notohanany ka afa-nitraka ara-pivelomana ireo no maro an'isa nifidy azy.

Ny vokany anakiray anefa dia tsy dia nidiran'i Obama lalina ireo fahasahiranan'ny firenena hafa. Nahena be ny teti-bola miasa ho an'ireo firenena izay idiran'i Amerika lalina (Irak sy Afghanistan) ka nahena ny isan'ny miaramila Amerikana any. Nitombo be koa ny tsy firaharahian'ny Amerikana ireo firenena izay tsy ahitan'i Amerika tombontsoa manokana. Rariny izany satria tsy ampy amin'izany intsony ny teti-bola izay efa bahanan'ny raharaha anatiny toa ny fahasalamana sy fanabeazana ary ny ekonomia. Dia tafiditra ao anatin'io i Madagasikara.

Ny vaindohan-draharahan'ny antoko havia (toa ny demokraty Amerikana sy ny sosialista Frantsay) izany dia ny resaka ara-tsosialy ao amin'ny fireneny aloha vao ny resaka ara-tsosialy any amin'ny firenena hafa. Koa tsy dia manana fananenana firy aho ny mbola handraisan'i Amerika anjara mivatana kokoa amin'ny famahana ny krizy ao Madagasikara. Koa mifalia indray ry TGV fa mbola manana fotoana lavalava hijanona eo amin'ny tetezamita(tra) ianareo... noho i Obama. Ary ianareo zanak'i Dada indray dia mitadiava lalana hafa fa tsy atakalon'i Obama ireo Amerikana sahirana maro mbola tsy maintsy avotany ny Malagasy.

 

Dahalo dahalo

2012-09-07 @ 19:52 in Politika, Fiaraha-monina

Samy nahita an'ireny sary mandratra maso sy fo nipaaritaka etsy sy eroa ireny Agaamba ny Gasy manana internet. Sary mampiseho olona vitsivitsy mitsirara, efa tsy misy aina intsony, novonoin'ny fokonolona satria hono dahalo. Nafatotra tamin'ny bao toa tsy misy lanjany sy tsy misy hasiny amin'ny maha olona azy.

Raha ny tena izy aloha dia tsy tokony hiseho ireny sary ireny. Rahefa mampiseho sary misy olona maty amin'ny sehatra azon'ny rehetra jerena dia tokony hafenina sy takonana hatrany ny endrika sy ny ratra mba tsy hanohina ny mpamaky sy ho fanajana ny momba ilay maty.

Voaporofo ihany taty aoriana fa tena dahalo ireo novonoina ireo araka ny fitantarana ny zava-misy nataon'i Vola Rotsy, tovovavy kely vao 14 taona monja, anisaan'ireo dahalo nanafika.

Sazy henjana indrindra no nanjo ireto dahalo satria fanamelohana ho faty avy hatrany tsy nandalo fitsarana. Tsy afaka niaro tena na farafaharatsiny nanazava ny antony akory. Fa fahavoazana ho an'ny fokonolona ihany koa satria tsy afaka nanao fanadihadiana tsara akory ny fanjakana mba hahafahana misambotra ny dahalo hafa. Ny maty hono mantsy tsy miteny. Ka mbola mety hisy dahalo hafa ho tonga hanafika azy indray. Mety hanao valifaty mahery vaika koa ny dahalo ka tsy haharo tena intsony ny Fokonolona. Fihetsika tsy voahevitra ihany izany ireny nitranga ireny ka anjaran'ny tsirairay no misoroka azy tsy hiverina intsony.

Fa ny toe-javatra toa ireny matetika dia taratry ny fanjakana tsy milamina. Tadidiko ny fotoanan'ny 1991 izay nisian'ny fitsaram-bahoaka be tao Antananarivo. Tsy azo nitokisana intsony ny polisy sy ny zandary ka raha vao misy olona tratra mangarom-paosy fotsiny dia avy hatrany dia doran'ny olona. Tsy azo natao mihitsy tamin'izany ny mihazakazaka sao misy manao antsoantso dia enjehin'ny olona. Dia izany koa no atahorana hitranga, tondro molotra dia mety hahafaty. Ka na tena dahalo na tsy dahalo fa misy mpankahala dia tsy handalo fanadihadiana sy tsy ho afaka hiaro tena akory.

Asa rahoviana vao hilamina.

Nohatsaraina ny fitadiavana tononkira

2012-08-20 @ 06:53 in Politika

Nandritra ny fandalovana tany amin'i DS tany Schiltigheim nandritra ny vakansy teo dia nihirahira izahay, nisy mpitendry nahafinaritra. Fa nony nitady tononkira tao amin'ny takelaka tononkira serasera dia hita fa tsy tena nahafa-po ny vokatry ny fikarohana. Dia anisan'ny zavatra nataoko nony tonga taty an-trano ny nanatsara ny fikarohana tononkira.

Manomboka izao ara dia antenaina fa mora kokoa ny mitady tononkira. Azo tadiavina amin'ny alalan'ny mpihira, lohatenin'ny hira na koa teny iray ao anatin'ny tononkira... Misy mantsy hira fantatra hoe misy teny iray fa tsy fantatra ny mpihira sy ny lohateny.

Raha tsy Ravalo fa tohanan-dRavalo?

2012-08-18 @ 20:19 in Politika

Araka ny heno dia mety anisan'ny fomba iray hiverenan-dRavalomanana ao Madagasikara ny tsy handraisany anjara amin'ny fifidianana ho avy manaraka io. Valin'izay koa anefa dia tsy afaka hirotsaka hofidina koa Rajoelina. Io izany no mety hitranga hoe samy tsy milatsaka hofidina Ravalo sy Rajoel. Dia iza no tena voa ary inona no mety hitranga?

 (tohiny)

Izay ilay politika

2012-01-21 @ 16:24 in Politika

Nisy sarimihetsika "The ides of March" izay vao nivoaka tamin'iny 2011 iny izay resaka politika avo lenta no tena ao anatiny. Na dia fitapitaka maloto sy mahafanina aza ilay izy dia mahaliana satria tena ady sy kajy politika. Fa nony nahita ity zava-niseho androany ity aho dia niaiky fa efa manomboka mahay politika ny HAT. Mino aho aloha fa misy mpanolotsaina matevina ao ambadik'i Rajoelina satria tsy eritreretiko ho izy no hahay zavatra toa izay nitranga androany.

Voafitak'i Rajoelina daholo androany na ny Communauté Internationale, SADC, na Ravalomanana mianakavy, na ny Mouvances Ravalomanana izay niandry tao amin'ny salon d'honneur, na ny governemanta Beriziky, na ny mpitandro ny filaminana (afats'i Gal Ravalomanana sy izay niaraka taminy).

Nesoriny hatry ny ela ny NOTAM satria tsy ara-dalàna ny fisian'ny NOTAM lava reny, na dia hoe efa nohavaozina kely aza. Fantany fa raha mamoaka NOTAM mialoha izy dia hosakanan'ny Governemanta sy hofaizin'ny SADC. Tsy mety aminy mihitsy anefa ny hiverenan-dRavalo dia navelany ihany hiainga ny fiaramanidina. Rehefa teny am-panidinana dia nohidiany ny seranana teny Ivato. Torohevitra avy aminy manokana mihitsy ilay NOTAM fa tsy tamin'ny Governemanta akory (Misy soratra mazava hoe PHAT INSTRUCTION). Natao haharitra adin'ny telo fotsiny izany NOTAM izany ary nolazaina tamin'ny fiaramanidina nitondra an-dRavalo hoe aiza izy no afaka mipetraka. Ny antony dia mba hanatanterahana ny fisamborana (Hoy ny minisitry ny serasera). Mazava ho azy fa niverin-dalana ny fiaramanidina nony nahita ilay NOTAM.

Ny zavatra nahaliana dia efa nisodisody teny Arivonimamo nandritra iny  herinandro iny ny mpitandro ny filaminana. Ny sasany nihevitra hoe mety Ravalomanana no hidina tampoka eny Arivonimamo dia nojerena ny fahafahan'ny fiaramanidina midina eny. Kay ry zalahy mihitsy no nanomana an'ilay hoe havily any ny fiaramanidinay.

Ny zavatra nahaliana anakiray koa dia ny Jeneraly Ravalomanana niteny hoe hitsena an-dRavalomanana kanefa izy tsy teny Ivato. Mazava izany fa toerana hafa no saika hitsenany an-dRavalomanana.

Dia inona no mety ho tohiny?

Henjan-droa ny tady. Efa miely be amin'izao fa tsy navelan'ny FT (tsy FAT intsony hono) higadona ao Madagasikara ny fiaramanidina. Ry zareo ao amin'ny mpitatitra an'habakabaka SAA - Airlink dia nanao filazana hoe nohidiana ny habakabaka Malagasy, ary tsy nolazaina azy hoe inona ny antony. Tsy hijanona amin'izany fotsiny izy ireo fa tsy maintsy hisy vokany izany. Efa miakapeo i Fransman fa hampiakarina eo anivon'ny UA na ny vondrona afrikanina ny resaka. Hitohy izany ny dinidinika saingy efa hita ihany koa ny fahefan'ny Tetezamita tsy hanaiky ny hidiran-dRavalo ka tsy maintsy hotohizany izany.

Ny hany herin-dRavalo?

Mody antsokosoko sisa no azon-dRavalo atao. Raha mody amin'ny zotra ara-dalàna tahaka ny androany izy dia tsy maintsy hisy NOTAM hisakana foana. Raha mody amin'ny fiaramanidina manokana indray izy ka fantatra mialoha dia mety vao maika hosamborina na ho zavatra hafa ny hanjo. Koa tsy maintsy tahaka izay fomba nialany tao Madagasikara ihany sisa no hidirany ao. Tsy nisy nahalala ny nialany tao Madagasikara sy ny nikarakara izany, ka azony atao koa ny tsy mampahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenany. 

Miditra mandritra ny prolongation

2011-11-24 @ 23:37 in Politika

Ho an'ny mpijery baolina dia mahita fa misy fomban'ny mpanazatra rehefa te handany fotoana izy dia ilay mampiditra mpilalao vaovao mandritra ny minitra farany, na mandritra ny fanalavam-potoana mihitsy aza. Matetika ireny mpilalao ireny dia zara raha mikasika baolina fa mihazakazaka kely fotsiny dia voatsoka indray ny kiririoka mamarana ny lalao. 

Toa ireny mpilalao ireny no fahitako ireto minisitra vaovao ao amin'ny governemanta Beriziky ireo. Ampidirina amin'ny governemanta izay tsy fantatra na haharitra oviana. Governemanta hita hoe marefo noho ny an'i Camille izy ity satria ny azy dia avy amin'i Andry Rajoelina irery, nananany fahefana feno. Fa ity an'i Beriziky ity dia sadasada ihany. Ireo avy amin'ny mpanohitra dia nolavin'ny mpanohitra ka manjary miady irery, ireo avy amin'i Rajoelina moa dia tsy afaka hanjaka tokana satria misy ihany iretsy mpanohitra.

Nisy kosa aloha ireo fetsy tsy nanaiky niditra tamin'izany governemanta izany. Anisan'ireny ry Ruffine TSiranana. Ireny no azo antoka fa hahazo toerana maharitra kokoa amin'ny governemanta tena firaisam-pirenena rehefa mitsangana izany.

Na izany na tsy izany dia mikaonty ireny lalao nataon'ireny mpilalao ireny na dia minitra vitsy monja aza. Izay angamba no mba tombony ho azon'ireo minisitra vaovao ireo. Anisan'ny voasoratra ao anatin'ny CV-ny hoe efa minisitra izy.

Aleo inona?

2011-10-31 @ 19:58 in Politika

aleo inona?

Halloween hono ny azy ny fety rahampitso. Ity no fety vazaha faran'izay tsy tiako indrindra. Tsy mba mamolavola amin'ny zavatra mahafinaritra fa amin'ny zavatra mampatahotra. Tsy azoko mihitsy ny anton'ilay manao arotava mampatahotra isan-karazany, vampira, angatra, matoatoa, faty mitsangana sns. Izany ve tsy mamelombelna ny toetra minomino foana?

Tsy aleo, rehefa samy hankalaza ihany mba mankalaza zavatra mahafinaritra saina? Tsy aleo zavatra tsy mampanofy ratsy? Tsy aleo fety mazava toa izay sangisangy amin'ny maizimaizina mampatahotra? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Ao amin'ny tetiandro katolika dia fetin'ny olomasina rehetra rahampitso. Tsy hoe ny olomasina no mila an'izany satria efa kilalaka non-stop any an-danitra any. Fa ho an'ny Katolika dia hampatsiahy ilay fiombonam-ben'ny olomasina (communion des saints) izay ao anatin'ny foto-pinoana. Fanamafisana ny fisian'ny fiainana ho avy izay karakarain'Andriamanitra ho an'ny olona.

Io ihany koa no fotoana hanateran'ny olona voninkazo ho an'ireo havany nodimandry. Fandinihan-tena, fieritreretana ao anaty fahanginana. Tsy aleo izany? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Filaharam-be noho izany teto Roma hijery an'ilay Twighlight fahatelo (?). Na ilay voalohany aza tsy mbola hitako. Tsy manintona ahy. Harry Potter mba tiako ihsny satria resa-jaza, fa ilay Twighlight tsy mety voajeriko mihitsy. Misy boky anefa ao an-trano. Tsy aleoko mijery Shrek 1-2-3? Na ny toa ireny? Sa aleo inona? Halloween?

Inviato con Windows Mobile�.

Tsisy surprise

2011-10-28 @ 07:24 in Politika

Hiresaka ny fihetseham-poko kely momba ny resaka praiminisitra ao Madagasikara aho. Marihina aloha fa tsara ilay "Monsieur Papa" (2011) nojerena omaly, na dia film frantsay aza. :-)

Tsy dia azoazoko loatra ilay resaka fifidianana ho praiminisitra tamin'ity indray mitoraka ity. Tonga dia hita hoe cinema be ilay izy. Sady tsy misy chance ho an'ireo olona izay mety afaka manao praiminisitra nefa tsy natolotry ny mouvance. Tsy hita mihitsy izao, ohatra, i Prof. Ranjeva na dia efa anisan'ireo tokony ho nantsoina taloha aza.

Fa ny nanaitra ahy dia ity Jeneraly Rabotoarison Sylvain tsy annisan'ny natolotra teny amin'ny Paon d'Or kanefa tafiditra tampoka tao anaty lisitra. Toa azo eritreretina hoe izy no ho voafidy. Raha izy no lany eo dia sinema tanteraka ilay mody misy kandida sy consultations fa efa notendrena talohan'ny fotoana ny ho Praiminisitra. Ny tsy fantatra fotsiny dia hoe iza no tena nampanendry azy: ny SADC ve? Ny Frantsay ve?

Na izany na tsy izany dia tsy haharitra ela intsony ny fitaintainana satria raha ny heno dia rahariva amin'ny 7ora no havoaka ny anaran'izay ho lehiben'ny Governemanta vaovao.

Inviato con Windows Mobile�.

Miantso an'i Prof. Ranjeva Raymond hilatsaka hofidina filoham-pirenena

2011-10-19 @ 06:19 in Politika

Ho avy (ihany) ny fifidianana, tsy maintsy ho avy na dia mbola tsy fantatra aza hoe rahoviana. Ny olona mety mbola hilatsaka hofidina sy hanana salanisa ho lany aloha hatreto dia i Ravalo sy Rajoelina. Ny voalohany moa mety ho lany vokatry ny fahatsiarovana ny asa vitany sy vokatry ny tsy fitiavan'ny olona ny HAT, ilay faharoa dia mety ho lany vokatry ny hala-bato sy ny sangodim-panina ao anatiny ao, kandidam-panjakana tsinona.

alt

Hatramin'izao izany dia ireo no safidy. Samy manana olana goavana anefa ireo raha mbola hitondra.

 (tohiny)

Tany Dago aho, milamina any :-)

2011-01-25 @ 08:07 in Izaho sy ny ahy, Politika

Sao mbola nisy tsy nahalala :-) Izany tokoa mantsy no fanao, rehefa ho any Dago dia tsy miteniteny fa rehefa avy any dia atao fantatry ny rehetra any amin'ny fb sy bf (vakio hoe béfé) rehetra any. Sary etsy sy eroa, ary matetika atao karazan-toerana maro mba hitenenana hoe voatetiko i Madagasikara (yes, ho avy tokoa ny sary lol). Etsy Ampefy no maka sary, atao angles maromaro dia toa ny hoe tany Nosy Be sy Sainte Marie... (azo atao tsara) (tohiny)

Fitsapakevi-bahoaka: Hamantana trano foana ny mpangalatra

2010-11-10 @ 22:50 in Politika

Betsaka tokoa ny resaka momba ny fitsapan-kevi-bahoaka ho avy ity ka mba arosoko ihany koa ny ahy. Mizara efatra izao mantsy ny firehana. Ireo mampanao Eny, ireo mampanao Tsia, ireo mamporisika tsy hifidy ary ireo izay tsy mahalala n'inona n'inona ka mifidifidy na tsy mifidifidy (firehana koa ireo). Hoy i Simp tatsy ambadika hoe "Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe tsy misy dikany ilay fifidianana satria na eny na tsia no lany dia tsy mampiova inona izany"... dia izay no manentana ny olona tsy hifidy. Raha ny fahalalako azy anefa, ny manentana ny olona tsy hifidy dia ilay fiarovana ny safidiny. Eritrereto tokoa moa fa raha TSIA no alatsakao kanefa miova ho ENY tampoka rehefa avy eo... dia aleo tokoa tsy mifidy. Amin'iny mantsy ny safidinao mba tsy azo angalarina. (tohiny)

Manaova fety sambatra

2010-06-26 @ 06:24 in Politika

Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.

Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy  hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.

Miantsoantso fihavanana izy kanefa izy aza tsy manao dingana iray amin'izany akory.

Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.

Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.

Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.

Modia fanina eo ihany

2010-03-25 @ 08:10 in Politika

Salama indray,

Averimberin'ny HAT foana fa mandeha tsara daholo ny zvatra rehetra ao Madagasikara ao. Na ny fitantanan-draharahan'ny ministera isankarazany, na ny resaka sosialy, na ny resaka fandriam-pahalemana, ny fampianarana sns. Toa hoe manaiky izay lazainy daholo ny "vahoaka" ka hiditra amin'ny fitantanana samy irery ny fifidianana izy ireo.

Odiany fanina ny ultimatum-n'ny mpianatra eny ankatso. Odiany fanina ny grevin'ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy. Odiany fanina ny fitotongan'ny Ariary mihoatra amin'ny Euro sy ny Dollar. Odiany fanina ny fitaintainan'ny olona amin'ny vono olona sy fandrobàna miaraka amin'ny basim-panjakana. Odiany fanina ireo nafana fo TGV teo aloha manomboka tonga saina saingy tsy afa-miteny intsony. Odiany fanina ny fikorontanana anatiny ao amin'ny tafika.

Dia hoy aho hoe odio fanina ao ihany. Marivo fitadidy angamba ka tsy mahatsiaro intsony fa io mody fanina io no anisan'ny nampiongana an-dRavalo. Variana misahana loatra ny fampandrosoana ankapobeny (làlana, varotra, fifandraisana amin'ny firenen-kafa) ka tsy nahita fa tsy araky ny sasany intsony ny rythme.

Ka tohizo ihany ny mody fanina fa dia hanenina eo.

Hery
"Tsiky dia ampy"


Miala any Riffeur sy ny fandaharana Rock Metal ma-ve-sa-tra

2009-11-24 @ 15:29 in Politika

Manomboka amin'ny alakamisy izao dia hiverina indray ny fandaharana Rock Metal ao amin'ny RadioVazoGasy.com. Isaky ny alakamisy amin'ny 8 ora sy sasany alina (Ora Paris) dia hanainga antsika amin'ny mavesatra indray Riffeur izay efa nanao izany teto amin'ny RadioVazoGasy hatramin'ny volana vitsivitsy lasa izay.

Amin'ity indray mitoraka ity dia mbola tsy be teny i leiry fa amin'ny fandaharana ho avy dia hisy toy ny mahazatra ny fampahafantarana ny tontolon'ny Rock Mavesatra, ny vaovao momba ny hira sy ny mpihira.

Dia ao indray izany mihaona e. 

Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

2009-11-18 @ 04:46 in Politika

Efa henonareo ve io fomba fiteny io? "Inona no idiran'i Kotity amin'izany?" Matetika rehefa miresaka miaraka iny dia misy mitsatsaingoka tampoka hoe "Inona no idiran'i kotity amin'izany?"... tsy nisy resaka Kotity mihitsy teo ary tsy misy idiran'ilay fanontaniana akory. Ny niandohany angamba dia satria angamba mafy loatra tamin'ny olona ny nataon'i Kotity ka dia nafatratra tany amin'i Kotity daholo ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainany. Na dia ny akoho matin'ny barika aza dia i Kotity no omena tsiny. Taty aoriana moa dia navoakan'i Andry Rajoelina avy any Tsiafahy i Kotity satria resy lahatra izy fa tsy namono olona izany ilay rangaha io fa gadra politika fotsiny. (tohiny)

Miala amin'ny mpiavonavona dia miditra amin'ny mpiavonavona

2009-11-10 @ 08:05 in Politika

Anisan'ny tsy (n)itiavan'ny olona an-dRavalomanana mihitsy ilay fizahozahoany etsy sy eroa. Ny teny an'avona fanaony. Marina fa nahavita zavatra maro izy ary tena nampandroso tokoa ny firenena fa ilay mizahozaho dia mahabe fahavalo. Misy ny miteny hoe tsy mba manaja olona izy, ilay fomba fiteniny mihitsy no tonga dia mahadikidiky.

Fa rehefa dinihina ity dia toa izany koa no ataon'i Rajoelina. Zara raha vao tonga teo amin'ny toeran'ny filohan'ny tetezamita izy dia efa niala any ny hoe "Vous pouvez m'appeler président"... ohatra ny hoe izany no tena manan-danja. Noezahina mafy  mihitsy ny nitazona io hoe "Président" io hatramin'ny  nipetrahany teo. Ary izao izy niverina avy any Addis-Abeba izao indray moa dia ny nahafaly sy nampirehareha azy voalohany dia ilay hoe nandresy hono izy fa "Mbola izy ihany no prezidà"... Toa mampite hiteny hoe "Raha izay no nilainy, omeo azy any fa andao isika hanatsara ny firenena". Izay mihitsy aza angamba no tao antsain'ireo nivory tany hoe aleo izy hilingilingy eo amin'ny "Prezidà" eo fa izay hanarenana ny firenena jerena.

Ny  mampanahy ahy dia ny momba ny fifidianana ho avy. Raha olona te ho Prezidà mafy toa izany ve dia tsy hilatsaka hofidiana? Ary raha milatsaka ka resy ve dia hahatanty resy? Tsy hisy fanonganam-panjakana vaovao indray raha sendra resy eo?... Ho hita eo ihany

Ravalo - Zafy - Ratsiraka - Andry TGV

2009-08-04 @ 15:18 in Eritreritra mandalo, Politika

Raha tena raikitra ny fihaonana any Maputo rahampitso, fa tsy hanao tahaka ny tany Antanimena indray i Andry TGV sy Ratsirahonana, dia mety ho betsaka ny surprise. Ny atahorana dia efa mitondra ny heviny tsy azo ovaina ny tsirairay dia tsy hanaiky izay zavatra mety hivoaka avy ao mihitsy ka tsy mifanaraka amin'ny heviny. Na izany aza anefa dia azo atao ihany ny tombatombana, ka izao no eritreretiko. Raha tena misy ny dinika dia tsy maintsy hiafara amin'ny zava-baovao. Teteza-mita vaovao mantsy no hany eken'ny vondrona iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao. Koa raha manaiky ny HAT sy Ravalo dia mety ho tonga ny teteza-mita iarahamitondra. Eo indrindra anefa no olana satria tsy maintsy hampidirina antsehatra i Zafy sy i Ratsiraka. I Ratsiraka moa mety tsy hiady ny hitondra intsony fa hangataka ny aministie (ho azy sy ho an'ireo namany) no tena ho tanjony mba hahafahany maka aina any Madagasikara. I Zafy indray dia manana ny atout rehetra hiverenany eo amin'ny fitondrana satria izy no tsy mba voarohirohy tamin'ny resaka vono olona sy gadra politika. Resaka tsy fahaiza-mitantana izay azo arenina tsara no nahavoa azy. Ny mety ho zava-baovao izany dia ny fisian'ny HAE vaovao izay i Zafy no hitondra azy. Amin'izay fotoana izay dia samy miomana amin'ny fifidianana ho avy i Rajoelina na izay tohanany sy i Ravalo ary ireo kandidà hafa, i Ratsiraka kosa afaka hody sy hanomana ny kandidà-ny.

Vinavina ihany izany fa dia aleo ny rahampitso no hanambara azy.

Milamina sa haolo ny tanàna?

2009-07-13 @ 08:05 in Eritreritra mandalo, Politika

Ny teny voalohany saika hanombohako an'ity lahatsoratra ity dia hoe "Mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara"... kanefa tsy izay indray no ampiasaiko satria manjary lasa fihetseham-po fotsiny ilay izy. Satria toa tsy mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara... tsy misy olona mampalahelo tsy miantso vonjy izany mantsy. Ka andao atao hoe milamina ny tanàna... na farafaharatsiny mandrimandry manan-draharaha.

 (tohiny)

Tsy tokony hampisaraka ny politika

2009-06-30 @ 15:22 in Politika

Manomboka manangasanga any koa ny fiandaniana amin'ny vondrona politika eto Roma. Misy roa moa etsy andaniny ny fizarana politika amin'izao fotoana izao dia ny mpomba ny HAT sy ny mitsipaka ny HAT (izay mbola mizara roa ihany koa, hamerina an'i Ravalo na manohatra ny HAT fotsiny). Fa etsy ankilany ihany koa dia misy ny tsy te hiditra amin'ny resaka politika fotsiny tsotra izao. Ireo izay mieritreritra hoe mampisaraka ny politika ka raha ny Gasy izay efa vitsy kely eto Roma no mbola zarazarain'ny firehan-kevitra politika. Ireto farany dia miteny mihtisy hoe OLP na olona leo politika. (tohiny)

Nahoana no tsy manangantsaina?

2009-06-22 @ 14:16 in Politika

indrisyRe fa betsaka ny olona tsy manangan-tsaina ao Antananarivo (ao aloha no hita). Mahagaga ihany raha ankatoky ny 26 jiona toa izao no vitsy saina mihofahofa eran'ny lavarangana... Fa fantatrao ve hoe nahoana no tsy manangan-tsaina ny olona?

 (tohiny)

Hadisoana foana ny fanatisme sy ny radicalisme

2009-06-08 @ 07:20 in Politika

Ekeko fa ny zavatra rehetra mafy nitranga ara-politika tao Madagasikara, toy ny fandrobana, ny faty olona, ny ady mivantana, dia mitarika hatrany ho amin'ny fanatisme, izay fitiavana tafahoatra ny olona tohanana na tsy fitiavana tafahoatra ny olona tsy tohanana. Dia arakaraka ny fitomboan'ny fanatisme ataon'ireo fanatiques-ny amin'ilay olona tsy tiana no hitomboan'ny fanatisme ataon'izay fanatique amin'ny olona tiany ihany koa. Izany hoe mitombo hatrany ny elanelana misy eo amin'ireo vondrona samy fanatiques mifanohitra. Ary rehefa lavitra loatra dia sarotra be ny hifanatonana.

Amin'izao mantsy ny TGV dia miha TGV be be kokoa hatrany. Izay naha TGV kely tao anatiny tao no nampitomboiny mafy ary raha teo aloha mba nihaino kely ny tsy TGV izy dia amin'izao nihena izany fahafaha-mihaino nananany izany. Toa izany koa ny TIM-ndRavalo izay mba nanaiky sosokevitra ihany teo aloha. Amin'izao dia mitombo be indray ny fitakiana dia mitady hiafara amin'ny hoe tsy hanaiky izahay raha tsy anay daholo ny hena REHETRA.

Eo anivon'ireo toe-javatra roa ireo dia TSY HITA INTSONY ilay mpanohitra "modérés" sy ilay mpanaraka "modérés". Takona tanteraka ireo izay nitaky ny hialan'i Ravalomanana amin'ny fomba demokratika. Ireo izay nieritreritra hoe tokony nosakanana tahaka an'i Zafy Albert izy, na nesorina tamin'ny alalan'ny fitsapan-kevi-bahoaka, na fifidianana mihitsy. Raha vao miteny ianao hoe esory Ravalomanana dia tonga dia voasokajy ho ao anatin'ny TGV izay. Toa izany koa, voasaron'ny safobe-mantsina hoe "mpitaky ny ara-dalàna sy famerenana an'i dada" ireo izay nieritreritra hoe avelao aloha Ravalomanana hamita ny mandat-ny dia esorina amin'ny alalan'ny fifidianana rehefa tsy tiana. Sy ireo nieritreritra hoe nisy ny tsy nety nataon-dRavalomanana kanefa nisy ihany koa ny zavatra tena niova nandritra ny fitondrany. Tsy afaka mieritreritra toa izany intsony ny olona fa tonga dia voasokajy ho TIM sy kamboty dada avy hatrany.

Ka hoy aho hoe, angamba tonga kosa ny fotoana tokony hihainoana an'ireo tsy be fiavy. Ny "majorité silencieuse" azo eritreretina hoe mizara roa, dia ireo izay tsy voatery ho TGV na dia tsy mila ny hiverenan-dRavalo aza, sy ireo izay tsy voatery ho TIM na dia manohana ny asa nataon-dRavalo aza. Asa nefa hoe amin'ny fomba ahoana.

Tsy efa manomboka manenina?

2009-04-02 @ 08:09 in Politika

Anisan'ny nahafinaritra ahy ilay débats izay nifanaovan'i Vony Rambolamanana sy Philippe Rajaona tao amin'ny France 24 tamin'ny herinandro lasa. Na dia tsy dia mitovy hevitra aza ry zareo dia nisy niraisana ihany tao... dia ny hisian'ny filaminana. Hoy tsara Vony hoe raha ny hanala an-dRavalomanana ny tanjona dia misy fomba demokratika ao anatin'ny lalam-panorenana hanaovana izany. Ary Ravalomanana rahateo dia nanolotra hevitra hirosoana amin'izany dia ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Azo natao tsara mihitsy io mba hahafahana maka ny fon'ny vahoaka rehetra eran'i Madagasikara sy ny Firenena vahiny... saingy ny haka fanjakana moa no nahamaika ny TGV. (tohiny)

Hanohitra ny fanjakana nangalarina

2009-03-23 @ 15:28 in Politika

Miala any ny fanoherana ny fanjakana nangalarina. Manomboka ary hitohy eo amin'ny kianjan'ny demokrasia :-) eo Ambohijatovo ny tolon'ny vahoaka ianjadian'ny tsy rariny. Vahoaka mpandala fifidianana. Nohosihosena mantsy ny vokatry ny safidiny ka na ny Solombavam-bahoaka na ny Filoham-pirenena izay nofidiny dia nesorin'ireo be sandry ary nosoloiny olona tsy nofidiny akory. (tohiny)

Nahoana no mangina?

2009-03-20 @ 10:03 in Politika

Taorian'ireny hotakotaka ireny dia toa be dia be ny mangina, indrindra ny TIM. Ny solombavam-bahoakan'ny TIM, ny loholon'ny TIM, ny birao-n'ny TIM, ny radio sy télé TIM moa efa nampanginin'ny be sandry. Dia gaga ny tena hoe matahotra ve sa nialokaloka fotsiny fa tsy nanohana an-dRavalo?  (tohiny)

Tantara: Ny niakaran'i Andry Rajoelina teo amin'ny fitondrana

2009-03-18 @ 16:09 in Politika

Hotehiriziko eto fotsiny aloha ity mba hotadidiana rehefa any aoriana kely any... tsy ho ela :-p 
Rahalina aho mbola hiaritory hiarahaba ny internet tonga ao antrano indray (lasa Ravalo vao nandeha ilaikary tsss). Koa rahampitso dia hitohy indray ny dinidinika politika eto amin'ity blaogy ity.
Ny lalao mbola ho ela.
 
----------
 
L'arrivée au pouvoir de Andry Rajoelina aura été une succession de retournements et de coups de théâtre. Récit.

Premier acte :  le président Ravalomanana signe une ordonnance qui transfère tous ses pouvoirs à un directoire militaire. Le vice-amiral Philibert Ramaroson, qui doit en prendre la tête, finit par se laisser convaincre avec deux autres généraux qui figurent parmi les plus hauts gradés de l’armée. Selon nos sources, les trois hommes acceptent la formule, non pas pour exercer le pouvoir, mais parce qu’elle permet d’obtenir l’éviction du président. Leur plan est de définir, avec les officiers de l’état-major général, le cadre de la transition et de passer immédiatement le flambeau aux responsables politiques. Mais petit contretemps, le directoire militaire et le chef d’état-major, convoqués à une réunion de la médiation des églises, n’ont pas le temps de se voir et de s’expliquer.

Le deuxième acte  se déroule alors à l’épiscopat où la réunion démarre en présence des émissaires de l’ONU et de l’UA, et de plusieurs ambassadeurs. Les officiers de l’état-major et Andry Rajoelina, sont-ils déjà au courant de l’instauration de ce directoire ? Difficile de savoir, mais Andry TGV, furieux, n’attend pas les explications et quitte la salle. Dehors, les militaires qui l’escortent sont informés. Des soldats arment leur fusil mitrailleur, pénètrent dans la pièce et hurlent qu’ils n’accepteront jamais de directoire militaire. Les trois généraux sont embarqués sans ménagement vers le camp CAPSAT (Corps d'administration des personnels et services de l'armée de terre), d’où est partie la mutinerie il y a quinze jours. La fin de ce deuxième acte se termine par une scène saisissante de diplomates s’engouffrant dans leur voiture pour échapper à la furie et de militaires surexcités hurlant dans la cour de l’épiscopat.

Le troisième acte se déroule donc au camp militaire du CAPSAT. C’est là où s’est préparé le dénouement. Les trois généraux installés dans une pièce reçoivent enfin le chef d’état-major. Décision est prise de transférer les pouvoirs qu’ils ont reçus quelques heures plus tôt du chef de l’Etat à Andry Rajoelina. Il faut rédiger une nouvelle ordonnance. Selon nos informations, Norbert Ratsirahonana, l’ancien Premier ministre et surtout ancien président de la Haute Cour constitutionnelle, est à la manœuvre. Il a formé les actuels juges du HCC et dispose d’un réel ascendant sur la Cour. Il faudra  plusieurs heures pour peaufiner la formule du transfert des pouvoirs du directoire à Andry Rajoelina. A 21h30, les trois généraux très détendus lisent leur ordonnance aux journalistes qui patientent depuis des heures dans le mess du CAPSAT.

Fin du troisième acte : Le héros du jour Andry TGV est nommé président de la Haute autorité de transition avec de fait les pouvoirs d’un président de la République.

Mbola hifototra ny jiolahimboto

2009-03-17 @ 14:52 in Politika

Tsy resy lahatra aho amin'ny hilaminan'ny politika ao Madagasikara ao anatin'ny 2 taona farafahakeliny raha mandray fitondrana ny TGV. Tadidinareo ve hoe naninona ny MFM no tsy nahazo fitondrana mihitsy hatramin'izay niforonany izay? NY MFM/MFT an'i Manandafy Rakotonirina hatramin'izay no nitarika tolona teto Madagasikara. Hatramin'ny 1972, 1991 sns. Mitarika foana ry zalahy fa tsy tonga hatramin'ny farany satria matetika dia loham-boto izay afenina ao anatin'ilay teny hoe "Tolom-bahoaka" no ataony. (tohiny)

13 mai hafa indray, hono.

2009-03-14 @ 17:43 in Politika

Raha ohatra hono ka mametra-pialàna i Ravalomanana, izay mazava ho azy fa demission forcée ambava-basy tahaka ny nanaovana ny minisitry ny Fiarovana teny Ampahibe. Dia hiakatra eo amin'ny fitondrana ny ekipan'i TGV, hifandrombaka hiakatra satria samy nitolona dia samy mba te hahazo kely. Te haka ny anjarany daholo ry Zafy, Rolland Ratsiraka, Ratsiraka koa mazava ho azy, Pierrot Rajaonarivelo. Dia efa hikorontana aloha ry zalahy ireo. Rolland Ratsiraka aza moa ilay vao nisy fanendrena minisitra dia efa nampiaka-peo hoe tsy mba ao ny ekipany. Dia tsy maintsy hozarazaraina izany ny mofomamy ary izay tsy mahazo dia hampiaka-peo. (tohiny)

Rehefa tsy hay ajanony - Soa fianatra

2009-03-13 @ 15:30 in Politika

Iray volana sy tapany izay dia nanao antso ho an'izay mitondra aho, na iza izy na iza, hoe gadrao i Andry Rajoelina. Tamin'ireny fotoana ireny dia nanana rariny tsara mihitsy raha nanagadra an'i AndryTGV satria nazava be ny antony dia ny tsy fanarahan-dalàna izay nataony. Noheveriko fa fetsy i Ravalomanana ka niandry kendry tohana toy ny fanaony. Izay mantsy no tena fomba fanao hatramin'izay ary tsy hita izay maharatsy azy. Fanaon'ny demokraty rehetra ihany koa. Rehefa misy fahavalo politika dia arahi-maso akaiky, ka raha vao misy tsy fanarahan-dalàna ataony dia paingorina. (tohiny)

Miantso dokotera vazaha sy miantso miaramila vazaha

2009-03-06 @ 09:38 in Politika

Resaka isan'ny nanaitra ahy tatsy amin'ny serasera indray. Averiko eto ihany fa tsy hevitro ity fa hevitr'i Andrianarivo Robson. Tsy maninona raha mamaly eto ambany eto ianareo kanefa mety tsy ho hitany akory izany. Raha mazoto moa dia jereo eto ny toerana tena hamaliana azy.

---------------

Atao resaka be ankehitriny fa misy « mercenaires » teo @ place 13 mai nibaiko ny miaramila Malagasy. Dia nataontsika sasany ho olana be izany. Dia izaho no mba hevitro.

 

Nodidiana I Mahalatsa sy Mahagaga tsy vita tao Dago fa nalefa taty Farantsa. Tsy nisy niteny isika fa samy faly satria vita soa aman-tsara ny fandidiana. Spécialiste ireo ary azo lazaina koa hoe “mercenaries” fa ao amin’ny sehatra Fahasalamana.

 

Vao afak’omaly ny tao @ MAEP no nanao fiaraha-midinika momba ny fambolena vary ary dia nanafatra expert tany ivelany nanome toro-marika. Azo lazaina ho “mercenaire” koa io fa ao @ sehatra fambolena.

 

Ny sehatra Fizahan-tany eto amintsika dia anjakan’ny teratany vahiny ny fitrandrahana azy. Tsy misy miteny isika kanefa “mercenaries” koa ireo fa ao amin’ny lafiny “tourisme”.

 

Maro tsy ho tambo isaina ny ohatra.

 

Ny fanontaniana dia ny hoe nahoana no asiana resaka be raha vao ny ao @ miaramila no manafatra “expert en mouvement  de masse”? Dia gaga amintsika aho. Amiko sehatra tahaka ny sehatra rehetra io, rehefa ilaintsika ny fanampiana avy any ivelany na inona na inona ka mahasoa antsika tsy hitako ny olana. Famerenana ny filaminana ao anatin’ny fotoana fohy no tanjona, izay fomba rehetra hahatratrarany izay no jerentsika.

 

Sa ahoana hoy ianareo?

 

Valin'ny fanontaniana momba an-dRavalo sy ny didy jadony

2009-02-27 @ 09:25 in Politika

Voalohany indrindra aloha dia averimberiko ihany ny fireha-kevitro. Tsy mpanohana be fahatany an-dRavalomanana aho. Ny antony mbola anekeko an'izao fitondrana izao dia satria tsy mbola misy foana mpanohitra matotra ho afaka hisolo an-dRavalo na dia noeritreretina ny ho teteza-mita ho amin'ny fitondrana tsaratsara kokoa fotsiny aza Ravalo tamin'ny 2002. Tamin'ny fifidianana 2007 iny dia nijery aho raha misy olona vaovao hitondra saingy toa mbola tian'ny olona loatra Ravalo dia miandry amin'ny 2012 indray izany. Ho hita eo raha misy hafa tsaratsara kokoa indray. (tohiny)

Malagasy iza no maty teny Antaninarenina?

2009-02-07 @ 15:43 in Politika

Tamin'ny taona 1991, raha nanafika teny Mavoloha izahay, dia tsy nampoizinay hoe hitifitra Ratsiraka. Tsy mbola nisy hoe filoham-pirenena noeritreretinay hoe hitifitra vahoaka izany. Fa tamin'iny vao fantatray hoe hay misy an'izany zone rouge izany, niantsoantso izahay hoe mpamono olona i Ratsiraka kanefa tsy nampiverina ireo maty akory izany. Nanomboka tamin'izay dia nivoadivoady izay nilahatra teny hoe hofatifaty foana fa aleo mitady fika hafa. Ratsiraka hatramin'izao tsy naninona fa mbola misonanina any Frantsa. (tohiny)

Na ho avy aza i Johnny Hallyday

2009-02-06 @ 09:24 in Politika

(Ny fiainana mandeha ihany) Toa hoe ho avy any Madagasikara hono i Rossy? Hanimba carrière any indray dia rehefa halan'ny olona vao hoe "Mbola tsy mety tafody foana leisy aho" :-)  (tohiny)

Nahazo basy tampoka

2009-01-30 @ 15:11 in Politika

Nisy nahazo basy tampoka... raha toa ka lasa fitaovana hiambenana fotsiny aloha tsy dia maninona loatra satria mba "voaaramaso"... fa ny basy sasany lasa aiza?

Andry Rajoelina sy ny basy Andry Rajoelina sy ny basy Andry Rajoelina sy ny basy Andry Rajoelina sy ny basy Andry Rajoelina sy ny basy

DotMG: A qui profite la casse?

2009-01-28 @ 16:04 in Politika

Un message envoyé par DotMG que j'ai le plaisir de diffuser sur mon blog.

===============

A qui profite la casse?

A Andry Rajoelina?

Avantages à gagner:
 - Accuser l'autre partie d'avoir orchestré ces casses afin de tuer la
lutte qui devient trop incontrôlable pour le régime
(http://twitter.com/barijaona/status/1151158998)
 - Eviter une grève générale qui dure trop. Une autre grêve de plus de
2 mois n'est pas concevable actuellement.

Inconvénients:
 - Perte de crédibilité et de poids politique. Comment croire qu'un
jeune puisse prendre la tête d'une transition alors qu'il ne maitrise
même pas la foule qui le soutient?
 - Perte d'une grande partie des manifestants pacifiques qui ne
voudront pas être complices d'un mal quelque part.
 - Perte du contrôle de la lutte qui démarre pourtant en trombe.

A Marc Ravalomanana?

Avantages à gagner:
 - Légitimer un dédommagement par l'Etat des biens détruits, une fois
la crise passée, puisque d'autres "innocents" ont aussi été victimes.
(En mettant entre parenthèses le mot innocents, je veux mettre
l'accent sur le fait que je ne sous-entend pas par ces mots que le
propriétaire de Magro ne soit pas innocent. Lire plutôt dans le sens :
il y a eu d'autres innocentes victimes que le propriétaire de Magro.)
 - Tuer toute volonté future éventuelle du peuple de révolter, par
crainte de nouvelles casses. Une fois la crise passée, les forces de
l'ordre auront même tout le droit légitime d'user de la force pour
anéantir toute forme de mouvement, et ce, surtout quand il sera au
stade embryonnaire.
 - Noyer la masse populaire acquise à la cause de Andry TGV. En effet,
la masse populaire acclamant le retour du Président n'a pas été trop
convaincante car des gens auraient été payés, ramassée des quatres coins de
la capitale. Depuis les casses en effet, on ne parle plus de lutte, du
nombre de gens sur la place du 13 mai, on parle de casses, de casses.
 - Accuser l'autre partie d'avoir orchestré ces casses afin d'avoir la
légitimité et les lattitudes pour arrêter les malfaiteurs?

Inconvénients:
 - Risque de coup d'Etat de la part de l'Armée.

A une autre force du mal qui agit dans l'ombre?

Avantages à gagner:
 - Faire régner la confusion, pour fragiliser les deux protagonistes
et ou les anéantir

A Dieu Tout Puissant (attention blasphème)

Avantages:
 - Faire payer aux Malgaches leurs erreurs. Montrer aux réligieux que
quand on instrumentalise la religion, il n'y aura pas de Raiamandreny
qui peut aider à surmonter une crise qui arrive à l'improviste, et
c'est le chaos.

Inconvénients:
 - Les Malgaches n'admettent pas que c'est l'erreur de chacun: c'est
toujours la faute de l'autre. Et ils continuent de renier Dieu et son
existence, et ils continuent la religion ... vavaka mihambahamba,
vavaka mihatsaravelatsihy.

 

Antso ho an'izay mitondra: Gadrao Andry Rajoelina

2009-01-28 @ 08:11 in Politika

Efa niaiky i Andry Rajoelina fa olony no nandeha teny amin'ny MBS. Nolazainy ho fatam-poko ho fanta-pirenena, hatr@ mpanao gazety vahiny fa mpitolona tao aminy ilay maty voatifitra teny @ MBS. Nanome baiko izy hanakatonan'ny vahoaka ny MBS ka ny olona nirahina no nandeha koa hanakatona ny RNM. Satria an'ny fanjakana ny RNM ka noho izany dia an-dRavalomanana koa. Dia nodorana toy ny tany amin'ny MBS koa ny RNM izay fananam-panjakana. 

Noho izany dia Andry Rajoelina, izay niantso désobéissance civile, no tomponandraikitra voalohany tamin'ny zavaniseho teto Antananarivo hatramin'ny alatsinainy. Miantso ny vahoaka hikomy izy kanefa mbola tsy eo am-pelatanany akory ny fahefana. Mbola tsy nanana drafitra akory izy hiarovana ny vahoaka sy ny fananam-panjakana raha sendra misy ny mihoa-pefy. Koa tompon'andraikitra voalohany amin'izany fikomiana nitranga izany Andry Rajoelina ka tokony hotsaraina sy hogadraina.

Matoa ry Zafy sy ny mpanohitra tsy nahasahy nanetsika vahoaka dia fantatr'izy ireo fa rehefa vahoaka noana sy mahantra no hetsehina dia tsy ho voafehy. Ary satria tsy mbola nahazo ny fon'ny mpitandro ny filaminana ry Zafy dia naleony tsy nihetsika. I Andry Rajoelina kosa nahita fa misy vahoaka manaraka azy dia nanome baiko tsy ampieritreretana. Nanaraka azy tokoa ny vahoaka noana ka tsy voafehiny intsony.


Raha niantso désobéissance Ravalomanana tamin'ny 2002 vokatry ny tsy nanekena ny fanaovana fampitahana ny PV tamin'ny fifidianana dia satria fantany fa voafehiny tsara ny vahoaka raha sendra mikomy. Tsy nihetsika tanteraka izy raha tsy efa azony antoka fa hisy avy amin'ny tafika hiaro ny vahoaka.

Na dia nataon'ny mpanohitra fitaovana aza i Andry Rajoelina dia tompon'andraikitra voalohany satria avy aminy ny baiko hisian'ny fikomiana. Koa ny vahoaka izay very fanantenana amin'izao fotoana izao, ny vahoaka izay nantsoina hikorontana nefa tsy narovana, ny vahoaka izay leo fitondrana nefa tsy misy mpiaro dia miantso an'izay mbola manana fahefana na iza na iza mba hisambotra izay mpanakorontana. Miantso hanagadra an'i Andry Rajoelina izay atidoha nikotrika izao korontana izao. Ary miantso ny hisian'ny fifampidinihana ho an'ireo izay vonona hanarina an'Antananarivo sy Madagsikara.

 

Main'ny afo natsangany i Andry

2009-01-27 @ 04:57 in Politika

Rava ny tanàna. Nandry tsy lavo loha ny olona. Izao daholo ry Andry Rajoelina sy ny tariny vao manomboka manenina sy miantso fandriam-pahalemana. Toa efa tara loatra ihany. Tsy noheverina angaha fa izao no hitranga rehefa vahoaka noana sy mahantra no asaina manao désobéissance civile?

Nirehareha ianao fa afaka mitondra firenena kanefa ny vondron'olona kely taritinao aza tsy voafehinao rehefa tena tsy mandray andraikitra ny miaramila.
Fa nankaiza daholo ireny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo nahavita nisakana ny arabe sy nandamina ny olona ireny? Lasa jiolahy?
Fa nankaiza daholo ireo nantsoina hoe Andrimasom-pokonolona izay nolazaina fa "vahoaka" mpanohana an'i Andry? Nivadika ho mpandroba?

Izao aho vao tsy gaga koa raha nieritreritra hoe nanaiky natao fitaovana ireo olona teny Ambohijatovo. Kay izao no nokoboniny tao.

Main'ny afo natsangany izao i Andry. Dia samy hotsarain'ny tantara eny daholo.

Rossy - Ino Vaovao

2008-04-18 @ 12:12 in Kanto, Politika

Araka ny heno izany dia any Dago Rossy ary dia ho raikitra ihany (angamba) ny fampisehoana ataony ao Antananarivo amin'ny 27 aprily izao.

 (tohiny)

Ny hoavin'i Andry TGV

2008-01-16 @ 11:24 in Politika

Talohan'ny fifidianana aho dia efa naneho ny tsy fankasitrahako ny hidiran'i Andry TGV eo amin'ny fitondrana ny tananan'Antananarivo. Tsy fankahalana manokana azy izany ary tsy fitiavana manokana ny hafa ihany koa fa fitsinjovana ny mety ho tsimbadika politika sy ny hoavin'ny tananan'Antananarivo ihany. Herinandro vitsivitsy izao no nipetrahany teo amin'ny fitondrana ny tanàna. Tsy mbola ampy hitsarana azy kanefa efa miseho sahady ny mety ho taratry ny zavatra hisy atsy ho atsy. (tohiny)

TGV: Checklist

2007-12-13 @ 09:19 in Politika

Araka ny hita dia ho lany Ben'ny tananan'Antananarivo i Andry Rajoelina alias TGV. Nifantoka be tamin'ny tanora ny fampielezan-keviny na dia hoe eo koa aza ny zavatra hafa izay nampanantenainy. Mba hotsarovana ao aoriana dia haseho fohifohy eto ny tetikasany araka ny hita tao amin'ny andrytgv.com  (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2022 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry