TGV: Checklist
Araka ny hita dia ho lany Ben'ny tananan'Antananarivo i Andry Rajoelina alias TGV. Nifantoka be tamin'ny tanora ny fampielezan-keviny na dia hoe eo koa aza ny zavatra hafa izay nampanantenainy. Mba hotsarovana ao aoriana dia haseho fohifohy eto ny tetikasany araka ny hita tao amin'ny andrytgv.com Hatao karazana checklist izany ity hahitana hoe ny aiza no hatombony voalohany, inona no vitany ary inona no tsy vitany.
Mahereza ary e.
Fanatsarana ny fiainana andavanandro ho an'ny maro an'isa ao anatin'ny fifanajana fa tsy ao anatin'ny famoretana na fanaparam-pahefana |
|
FAMPITOMBOANA NY ASA, | |
Fampitomboana ny FANDRIAMPAHALEMANA any amin'ireny faritra mena tena mampitaraina eto an-drenivohitra ireny noho izay tsy fisian'ny fandriampahalemana izay Fanorenana toerana azo ilalaovana sy ivelaran'ny sain'ny ankizy, Famitomboana ny toerana hanaovan'ny tanora fanatanjahan-tena sy hianlana voly, |
|
Fanomezana "COURS" maimaim-poana ho an'ny mpianatra rehetra manala fanadinana, na CEPE, na BEPC, na BACCALAUREAT izany, Fanafaingana ny fahazoana taratasy isan-karazany |
|
Fanatsarana sy fampitomboana ny toerana hivarotana mba tsy hifanenjika lava amin'ny polisy ny olona mitady fivelomana amin'ny alalan'ny varotra Fanatsarana ny fahazoana RANO FISOTRO MADIO eny amin'ny tokantrano tsirairay tena sahirana |
|
Fanafaingana ny fahazoan-dalana hanorina, na permis de construire ho an'ireo olona te-hanorina eto Antananarivo |
|
Fitsinjovana ny RAY AMAN-DRENY LEHIBE | |
Fanatsarana ny fitaterana na ny fiara karetsaka izany, na ny fiara fitateram-bahoaka, |
Ankoatr'ireo moa dia nisy ny fampanantenana ombieny ombieny isaky ny toerana (ohatra ny kianjabe eny Antsonjombe, Andohalo sns) izay tsy tafiditra ao anaty lisitra ofisialy ary inoako fa tsy hataony satria tsy mbola tena mahamaika. Sao rehefa kelikely eo dia ataon'ny olona hoe "Antsonjombe angaha azo hohanina?" (Tahaka ilay hoe ny goudron angaha azo hohanina)