Miditra mandritra ny prolongation

2011-11-24 @ 23:37 in Politika

Ho an'ny mpijery baolina dia mahita fa misy fomban'ny mpanazatra rehefa te handany fotoana izy dia ilay mampiditra mpilalao vaovao mandritra ny minitra farany, na mandritra ny fanalavam-potoana mihitsy aza. Matetika ireny mpilalao ireny dia zara raha mikasika baolina fa mihazakazaka kely fotsiny dia voatsoka indray ny kiririoka mamarana ny lalao. 

Toa ireny mpilalao ireny no fahitako ireto minisitra vaovao ao amin'ny governemanta Beriziky ireo. Ampidirina amin'ny governemanta izay tsy fantatra na haharitra oviana. Governemanta hita hoe marefo noho ny an'i Camille izy ity satria ny azy dia avy amin'i Andry Rajoelina irery, nananany fahefana feno. Fa ity an'i Beriziky ity dia sadasada ihany. Ireo avy amin'ny mpanohitra dia nolavin'ny mpanohitra ka manjary miady irery, ireo avy amin'i Rajoelina moa dia tsy afaka hanjaka tokana satria misy ihany iretsy mpanohitra.

Nisy kosa aloha ireo fetsy tsy nanaiky niditra tamin'izany governemanta izany. Anisan'ireny ry Ruffine TSiranana. Ireny no azo antoka fa hahazo toerana maharitra kokoa amin'ny governemanta tena firaisam-pirenena rehefa mitsangana izany.

Na izany na tsy izany dia mikaonty ireny lalao nataon'ireny mpilalao ireny na dia minitra vitsy monja aza. Izay angamba no mba tombony ho azon'ireo minisitra vaovao ireo. Anisan'ny voasoratra ao anatin'ny CV-ny hoe efa minisitra izy.

Tapitra tarangana

2011-11-16 @ 18:26 in Eritreritra mandalo

altMisy hetsika goavana sy fanentanana maharitra amin'izao fotoana izao momba ny hiaroovana ireo karazam-biby izay efa miha vitsy isa amin'izao fotooana izao.

Voalaza fa ny 40%-n'ireo "reptiles" dia ahiana ho lany taranaka. Ny antony voalohany moa dia ny fanimban'ny olombelona nyu tontolo manodidina azy. Ny fandoroana tanety, ny fambolena, ny fanajariana ny tany sns.

Fa misy antony faharoa kosa izay antony natoraly. Miha tsy zakan'izy ireo intsony ny vanim-ptoana amin'izao fotoana izao. Tsy noho ny fanimbana ataon'ny olona loatra fa vokatry ny fivooatry ny tontolo mihitsy. Lany, ohatra, na nihavitsy ny sakafo fihinan'ireny biby ireny. Miha-tery tsy azony onenana intsony ny toerana misy azy noho ny fitombon'ny biby hafa izay miroborobo kokoa. Raha fintinina dia efa tsy vanim-potoana tokony hahavelomany intsony izao.

Eo indrindra no mampisalasala ahy hanao ny fanentanana sanatria sao dia mitazona ny efa tokony ho lany tarangana. Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Misy ny taranaka mandalo eto antany. Ny dinozoro ohatra dia efa nahavita ny anjarany. Marina fa rava'ny meteorita nilatsaka teto an-tany, hono, no naha-fongana azy, saingy lalana natoraly ihany. Angamba ho sahirana ihany nyolombelona raha mbola nisy dinozaoro nandehandeha sy velona amin'izao fotoana izao. Misy koa ny taranaka voatery nivoatra sy nihavao. Ny olom-belona, ohatra, dia anisan'ireo karazana izay nivoatra miandalana nanaraka ny toetr'andro.

Koa angamba tsara ihany raha avela hidina ny natiora. Ireo karazan-java-boahary izay efa tsy afaka hiaina intsony dia avela handeha amin-kalalahana. Hain'ny biby, raha mbola tokony ho velona izy, ny maka volontany. Izany hoe miezaka miaina amin'ny zava-misy manodidina azy (toe-tany, toetr'andro) fa matoa ny biby tsy afaka mivelona intsony dia tsy zakany. Fitiavan-tenan'ny olombelona, fifalian'ny maso sa inona, fotsiny ny fanerena azy ireo hiaina amin'ny toerana tsy zakany.


Inviato con Windows Mobile�.

Lahatsoratra tsy vita

2011-11-15 @ 10:58 in ItaliAfrika

(grrr. lahatsoratra tsy vita ity, nosoratana tamin'ny zoma, fa milona ao amin'ny vakiraoka ao dia aleo alefa ihany) Henjikenjika be ity herinandro ity ka tsy nisy fotoana nanoratana mihitsy. Ny trains sy bus izay nanome ny fotoanany hanoratana hatrizay resin'ny torimaso tsy nahazo toerana nandritra ny alina. Manjary misavorovoro ao antsaina fotsiny ny hevitra... Mitady fifandraisana. Tsy hitako mihitsy izao, ohatra, ny ifandraisan'i Berlusconi amin'ny omby vavy (na dia hoe lasa lavitra aza i leiry) kanefa mifandrirotra ao antsaina satria lohahevira samy tokony navoaka tamin'ity herinandro ity fa tsy tafavoaka. I Berlusconi moa iny hametra-pialana amin'ny herinandro ambony iny. Maka tsirony faram-parany amin'ny Bunga-bunga. Nilokaloka mihitsy i leiry fony voafidy hooe tsisy miala eo, saingy tsisy fika. Ilay resaka omby vavy indray dia ilay pub humour malaza hoe "Keleri-lait". Tsy tantaraiko fa jerijereo any, dia apondra ny azy fa tsy omby, ary Gigi ny azy fa tsy i Zizi. :-) Fa tsy ireo resaka roa ireo no tena horesahiko eto fa zavatra roa samihafa. Ny iray nanaitra, ny iray tsia. Nanohina ahy ilay film hoe "Omar ma tuer" (2011), mitantara zavatra tena nisy. Ny nanentana ahy hijery azy aloha dia sendra nataon-dry zalahy fomba fiteny ilay izy taorian'ny fanendrena an'i Omer Beriziky ho praiminisitra. Fa ny votoatiny tsy misy ifandraisany mihitsy. Tantara tena marina ny tantaran'i Omar. Mahaliana indrindra ho anay izay mivahiny aty an-tanin'olona aty. Voalohany aloha hita hoe vokatry ny maha vahiny azy fotsiny dia ny fanamelohana no mandeha alohan'ny fanadihadiana ataon'ny polisy. Ny olona rehetra alohan'ny hanontany azy dia efa samy resy lahatra fa izy no meloka... Na dia tsy nahalala azy sy ny fomba fiainany akory aza. Faharoa dia nanana olana lehibe izy vokatr'ilay tsy mbola mahay miteny frantsay. Tsy afaka nanazava sy niaro tena. Vokany, 18 taona an-tranomaizina. Rehefa tena nohalalinina anefa, na ny olontsotra fotsiny aza dia mahita hoe misy zavatra tsy mitombona. Hatramin'izao moa izy dia mbola mitady ny marina ihany. Ny zavatra iray tsy nanaitra ahy dia ilay 1111111111 tamin'ity taona ity. Marina fa nahaliana ilay isa 1 be dia be tamin'ny 11 novambra 2011 tamin'ny 11 ora sy 11... fa dia ny nandreraka dia 1 minitra monja io :-). Firy andro mialoha no niresahana azy. Hatramin'ny "illuminati" avy no nanao vinavina. Kanefa tamin'ny 11ora sy 12mn dia efa tsy tafa intsony. Ilay 11:11 aza moa dia efa samy nanana ny azy isaky ny firenena, mbola vao tamin'ny 9 sy folo taty dia efa nisy niteny hoe am 11:11 izao eto Madagasikara... dia maninona? Ny zavatra maivana sasany: - Lasa praiminisitra i Beriziky - M... Inviato con Windows Mobile®.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2011 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry