Lahatsoratra tsy vita

2011-11-15 @ 10:58 in ItaliAfrika

(grrr. lahatsoratra tsy vita ity, nosoratana tamin'ny zoma, fa milona ao amin'ny vakiraoka ao dia aleo alefa ihany) Henjikenjika be ity herinandro ity ka tsy nisy fotoana nanoratana mihitsy. Ny trains sy bus izay nanome ny fotoanany hanoratana hatrizay resin'ny torimaso tsy nahazo toerana nandritra ny alina. Manjary misavorovoro ao antsaina fotsiny ny hevitra... Mitady fifandraisana. Tsy hitako mihitsy izao, ohatra, ny ifandraisan'i Berlusconi amin'ny omby vavy (na dia hoe lasa lavitra aza i leiry) kanefa mifandrirotra ao antsaina satria lohahevira samy tokony navoaka tamin'ity herinandro ity fa tsy tafavoaka. I Berlusconi moa iny hametra-pialana amin'ny herinandro ambony iny. Maka tsirony faram-parany amin'ny Bunga-bunga. Nilokaloka mihitsy i leiry fony voafidy hooe tsisy miala eo, saingy tsisy fika. Ilay resaka omby vavy indray dia ilay pub humour malaza hoe "Keleri-lait". Tsy tantaraiko fa jerijereo any, dia apondra ny azy fa tsy omby, ary Gigi ny azy fa tsy i Zizi. :-) Fa tsy ireo resaka roa ireo no tena horesahiko eto fa zavatra roa samihafa. Ny iray nanaitra, ny iray tsia. Nanohina ahy ilay film hoe "Omar ma tuer" (2011), mitantara zavatra tena nisy. Ny nanentana ahy hijery azy aloha dia sendra nataon-dry zalahy fomba fiteny ilay izy taorian'ny fanendrena an'i Omer Beriziky ho praiminisitra. Fa ny votoatiny tsy misy ifandraisany mihitsy. Tantara tena marina ny tantaran'i Omar. Mahaliana indrindra ho anay izay mivahiny aty an-tanin'olona aty. Voalohany aloha hita hoe vokatry ny maha vahiny azy fotsiny dia ny fanamelohana no mandeha alohan'ny fanadihadiana ataon'ny polisy. Ny olona rehetra alohan'ny hanontany azy dia efa samy resy lahatra fa izy no meloka... Na dia tsy nahalala azy sy ny fomba fiainany akory aza. Faharoa dia nanana olana lehibe izy vokatr'ilay tsy mbola mahay miteny frantsay. Tsy afaka nanazava sy niaro tena. Vokany, 18 taona an-tranomaizina. Rehefa tena nohalalinina anefa, na ny olontsotra fotsiny aza dia mahita hoe misy zavatra tsy mitombona. Hatramin'izao moa izy dia mbola mitady ny marina ihany. Ny zavatra iray tsy nanaitra ahy dia ilay 1111111111 tamin'ity taona ity. Marina fa nahaliana ilay isa 1 be dia be tamin'ny 11 novambra 2011 tamin'ny 11 ora sy 11... fa dia ny nandreraka dia 1 minitra monja io :-). Firy andro mialoha no niresahana azy. Hatramin'ny "illuminati" avy no nanao vinavina. Kanefa tamin'ny 11ora sy 12mn dia efa tsy tafa intsony. Ilay 11:11 aza moa dia efa samy nanana ny azy isaky ny firenena, mbola vao tamin'ny 9 sy folo taty dia efa nisy niteny hoe am 11:11 izao eto Madagasikara... dia maninona? Ny zavatra maivana sasany: - Lasa praiminisitra i Beriziky - M... Inviato con Windows MobileĀ®.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry