Ireo tsy mankalaza asaramanitra

2021-06-26 @ 11:14 in Eritreritra mandalo, Politika, Tsy aritra

Mahagaga fa eto Madagasikara, andao atao hoe tato ho ato, dia misy hatrany ireo olona mieritreritra hoe tsy tokony hanao fankalazàna amin'ny 26 jiona, fetim-pirenena. Vao manomboka ny volana jiona dia efa misy ny adihevitra amin'ny tokony na tsia hametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano. Ny antony apoitran'ireo izay manao izany matetika dia ny hoe tsy mbola mahaleo tena akory i Madagasikara. Mbola misy ireo sotrobe lava tango avy ataon'ireo mpanjanaka fahiny misalovana ny fanjakana.

Ny olana tokoa angamba dia tsy nampidirina na tsy tafiditra tsara ao antsain'ny Malagasy maro izany hevitry ny 26 jiona. Ny antsika tokoa mantsy, ny 26 jiona dia fankalazàna ny nahazoana fahaleovan-tena. Tsy hoe azo tamin-kery sy ady be anefa izany, tahaka ny hoe tsy mba nisasarana, satria nomena. Marina fa nisy ireo Malagasy niady mafy ho an'izany fahaleovan-tena izany tamin'ny 1947, fa tsy mba izy ireny no nankalazaina tamin'ny fanomezana ny fahaleovan-tena. Tsy nolazaina mihitsy hoe vokatry ny adin'izy ireny dia nahazo fahaleovan-tena isika... fa fanomezana tsotra izao. Ary fanomezana avy amin'ireo mpanjanaka ihany. Vokatr'izany dia saritsarim-pahaleovan-tena no niainana nandritra ny taona maro. Tsy nanamarika ny hambom-pon'ny Malagasy izany ilay andro nanomezana fahaleovan-tena, tsy tena midika fandresena.

Ny an'ny hafa mantsy, ohatra fotsiny ho an'ny Frantsay, ny andro 14 jolay ny azy dia tena vokatry ny ady mihitsy. Fankalazana ny nakàna ny Bastille. Izany hoe nisy zavatra niadiana dia azo. Tahaka izany koa ny an'ny Etazonia, fanambarana ny fahaleovan-tena taorian'ny ady natao... sy ireo firenena hafa maro.Koa angamba tsy omena tsiny ny Malagasy sasany raha toa ka tsy manaitra azy ity andro iray ity. Inona nefa ny andro mety azo hasolo azy? Andro nanamarika fahafahana? Sa mbola tsy afaka mihitsy ny Malagasy?

Na izany na tsy izany dia mirary fety mahafinaritra eo anivon'ny fianakaviana ho an'ireo izay manamarika izany. Indrindra mila manararaotra fety amin'izao fotoanan'ny krizy vokatry ny valan'aretina izao.

Tsy hatao vakisiny mihitsy

2021-06-25 @ 19:07 in Eritreritra mandalo

Matetika dia tsy olana ho an'ny olona tena matanjaka sy ampy sakafo tsara ary tsy taizan'aretina ny Covid. Tsy tsapan'izy ireny akory hoe efa voa izy satria indraindray tsy misy soritr'aretina akory.

Tsy mahagaga noho izany raha tsy marisika amin'ny fiarovana ny ankamaroan'ireo sokajin'olona ireo. Anatin'izany ireo filoham-pirenena tanora sy matanjaka. Tsy mila atao vakisiny izany izy ireny raha resaka fiarovan-tena fotsiny no jerena.

Ny olana fotsiny izao dia tsy resaka olon-tokana izy ity fa resaka itambarana. Raha tsy tiana hiparitaka sy hiverimberina ny aretina dia mila miaro tena daholo ny rehetra na dia ireo dfq matoky fa tsy ho lavon'ilay aretina aza. Raha sendra mitondra ny tsimok'aretina mantsy ianao nefa tsy misy fiantraikany eo aminao ilay izy nefa ianao tsy miaro tena dia ho voa daholo ireo mifandray aminao... ary izy ireo mety marefo, be taona, taizan'aretina, sns.

Io fitsinjovana ny hafa io angamba no tsy tsapan'ny sasany miteny hoe tsy hanao vakisiny mihitsy. Sarotra be nefa ny hifandresy lahatra raha ohatra ka efa tsy mba zatra mitsinjo ireo marefo hatramin'izay ianao na tsy nobeazina tamin'izany.

Ny hany azo atao angamba dia ny maniry hoe raha tsy hatao vakisiny ihany dia tokony ho voa malaky satria araka ny fikarohana dia mitovy amin'ny vita daozy iray amin'ny vakisiny ny olona efa voan'ilay aretina.

 

Nofy fahavaratra

2021-06-23 @ 05:38 in Izaho sy ny ahy

Zavatra tsapako tato ho ato hoe lasa tsotra be ny nofiko. Angamba hoe efa miha be taona. Tsy misy suspens mampitaintaina intsony. Izany nofy ratsy izany moa dia efa ela tsy hita. Ny nofy faran'izay ratsy nitranga angamba dia ilay nanofy hoe mamo. Tamin'izay ara mbola izaho ihany no nanamboatra ny scenario satria tsy sensation mbola niainako mihitsy ilay mamo. Fa ohat'izany daholo ny nofiko amin'izao. Ohatry ny hoe fiainana hafa en parallèle fotsiny ny nofy, zavatra azo tanterahina daholo... nefa hono mba nofy 😊

Taloha nefa misy nofy tena hoe nofinofy. Rehdfa taitra ianao dia mbola miezaka mitady torimaso hanohizana azy. Na foronina eo am-pandriana mihitsy ny épisodes sasany. Dia manofinofy eo. Izany manofy manidina izany tena fahasambarana. Nisy an'izay nofiko manidina niverimberina izay. Tao anatina tunnels maromaro misesy hono... toa lalan'ny fiaran-dalamby mandeha any Ambatolampy. Dia miditra anatin'ny tunnel iray. Rehefa ao anatiny nefa no tonga ny fiara dia manidina aho mba tsy ho tratrany. Im-betsaka mihitsy izay nofy iray izay no niverina. Karazana superman kely izany tamin'izany. Fa izao tsy nisy intsony.

Angamba misy dikany ara-pahasalamana koa izany. Matetika mantsy ny nofy ratsy dia misy dikany ara-pahasalamana, aretim-po na aty na saina sns. Ka angamba ny manofy tsara na tsy manofy be koa misy dikany hafa.

Podcast

2021-06-03 @ 20:29 in Izaho sy ny ahy

Mpihaino radio mavitrika aho, ary hitako hoe raha eto Frantsa dia mbola manan-danja ihany ny radio na dia eo aza ny firongatry ny internet sy ny fahitalavitra. Ny anisan'ny itiavako ny radio dia noho izy tsy mibahana ny asan'ny maso. Na dia mandeha aza ny radio dia mbola afaka manao ny asa fanaoko ihany ny masoko... na dia hoe marina fa mihena kely aza ny fifantohan'ny saina. Ny radio tena henoiko matetika dia ny France Inter, FM 95,70 izy raha avy eto amin'ny toerana misy anay. Efa mila ho haiko tsianjery avokoa ireo fandaharana sy ny mpanolotra azy. Azo atao hoe radiom-panjakana, ilay antsoin-dry zareo Frantsay hoe  "service public" ny France Inter ka matotra kokoa ny fandaharana vokariny. Misy izany ny fandaharana ankafiziko manokana fa misy koa ny tonga dia dinganiko avy hatrany. Resaka safidy ilay izy ka tsy dia tena hoe hovelabelarina.

Fa ny antony nanoratako ity dia te hizara aminareo mpamaky aho hoe ankoatra ny radio mivantana dia miha-malaza koa amin'izao ny resaka podcast. Izany hoe karazana radio tsy mivantana. Azo eritreretina hoe mitovy amin'ireny youtube ireny izy saingy tsy sary fa feo kosa. Izany hoe karazana fandaharana mpandeha amin'ny radio no henoinao fa tsy mivantana. Afaka misafidy izany ianao araka izay tianao. Ankoatra ny fandaharana mpandeha ao amin'ny radio France Inter ary dia nanintona ahy tato ho ato ny tantara vokarin'izy ireo izay mivoaka ao amin'ny Les fictions de France culture... satria tena izany koa ny podcast... misy tantara izay azonao henoina. Tantara foronina tahaka ireny mpandeha amin'ny radio tany Madagasikara ireny, saingy amin'ny teny frantsay mazava ho azy. Raha hihaino sombin'ny zavatra nahaliana ahy ianareo dia afaka mihaino avy hatrany eto ambany eto. Misy tantara fohy tahaka izao koa mantsy ao.

Dia lasa mitombo kely ny eritreritro hoe tsy tokony ho azo atao ve ny zavatra toa izany amin'ny teny malagasy? Tena mahaliana ahy raha mba misy toerana fitehirizana tantara na fandaharana maro amin'ny teny malagasy. Raha misy ny mpanohana dia vonona ny hanomboka izany ao amin'ny RadioVazoGasy aho...

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2021 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry