Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina

2015-06-19 @ 08:07 in Politika, Fiaraha-monina

N'aiza n'aiza, amin'ny firenena misy demokrasia dia manana zo hitokona ny mpiasa. Ny mifanohitra amin'izany dia fambara ho an'ny firenena misy jadona. Eken'ny lalàna soa amantsara ny fitokonana manara-pitsipika. Eny, hatramin'ny fitokonana heverina ho tsy manara-dalàna aza dia toa mbola eken'ny lalàna ihany. Anisan'izany ny fitokonana tsy misy ilay fetran'ny asa farafahakeliny (service minimun), ny fitokonana tsy misy daty fiafarany. Ny mpanamory tao amin'ny Air France, ohatra, dia nanao fitokonana tsy misy fetra mandra-pahazony izay notadiaviny.

Amin'izao fotoana fitokanan'ny mpiasan'ny Air Madagascar izao dia tena ao anaty fitsipika sy zo mifehy ny mpiasa tokoa ry zareo. Zo fototra ho an'ireo sindikan'ny mpiasa izay mahatsapa ny tsy mety ny migrevy ary tsy voatery hisy fetrany izany satria miankina tanteraka amin'ny feon'ny fieritreretany ny hanaovany ny asa farafahakeliny na ny halavan'ny fitokonana. Saingy... saingy... saingy...

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina. Izany hoe misaina ny mpitokona ary misaina koa ny olona itakiana ny zavatra, izany hoe ny fanjakana izany amin'ity trangan'ny Air Madagascar ity. Ny mpitokona misaina dia mahita hoe hatraiza no fetran'ny tokony hitokonana ka hanimba ny hoaviny... satria fijerena ny hoavy no antony hitokonana. Ary ny fanjakana koa raha misaina dia mahita hoe hatraiza no tokony mila mandray andraikitra sao hanimba ny hoaviny. Fa amin'izao fotoana izao dia vondrona roa samy tsy misaina no idiran'ny fitokonana ka ny azo antoka dia samy ho very fihinanana ireo.

Ny mpitokona ao amin'ny Air Madagascar dia mahatsapa fa raha tsy mihodina tanteraka ny orinasa dia ho fatiantoka tanteraka. Ka na tsy amin'izao fotoana izao aza dia hisy fiantraikany (amin'ny fomba ara-dalàna) ho an'ny mpiasa tsirairay. Tsy ho gaga mihitsy isika raha hisy ny fandroahana teknika rehefa milamindamina ny raharaha, tahaka izay nahazo ny tany Ambatovy farany teo. Fandroahana ara-dalàna satria misy antony voaporofo. Tsy adalan'ny mpitokona amin'ny toerana hafa ny manao izay sady hampiodina kely ihany ny orinasa tsy ho faty antoka. Mahatsapa izany izy ireo raha misaina.

Ny mpitondra koa dia tsy mahatsapa hoe mampidina be ny sary asehony ny fisian'ny fitokonana lavareny. Midika ho tsy fahafahana mamaha olana izany, ary midika indrindra indrindra tsy fahaiza-mitantana. Ankoatr'ireo olona voakasiky ny vokatry ny fitokonana mivantana, dia misy koa ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola izay miandry kendry tohana amin'izay hetsika hatao na tsy hataon'ny fanjakana hanalàna ny fitokisana aminy. Tsy adalan'ny fitondrana hafa ny manao famoizana tombotsoa sasany (sacrifice) mba hamahàna fitokonana lava reny... na dia hisy talé sy sekretera tsy maintsy hoesorina amin'ny toerany aza. Mahatsapa izany izy raha misaina.

Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vokany sisa isika. Tsy vokatra fohiezaka izay mety hamaha olana vetivety fotsiny fa ny fiantraikan'izao krizy izao lavitrezaka eo amin'ny toekarena, ny fizahan-tany, ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry