Ireo tsy mankalaza asaramanitra

2021-06-26 @ 11:14 in Eritreritra mandalo, Politika, Tsy aritra

Mahagaga fa eto Madagasikara, andao atao hoe tato ho ato, dia misy hatrany ireo olona mieritreritra hoe tsy tokony hanao fankalazàna amin'ny 26 jiona, fetim-pirenena. Vao manomboka ny volana jiona dia efa misy ny adihevitra amin'ny tokony na tsia hametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano. Ny antony apoitran'ireo izay manao izany matetika dia ny hoe tsy mbola mahaleo tena akory i Madagasikara. Mbola misy ireo sotrobe lava tango avy ataon'ireo mpanjanaka fahiny misalovana ny fanjakana.

Ny olana tokoa angamba dia tsy nampidirina na tsy tafiditra tsara ao antsain'ny Malagasy maro izany hevitry ny 26 jiona. Ny antsika tokoa mantsy, ny 26 jiona dia fankalazàna ny nahazoana fahaleovan-tena. Tsy hoe azo tamin-kery sy ady be anefa izany, tahaka ny hoe tsy mba nisasarana, satria nomena. Marina fa nisy ireo Malagasy niady mafy ho an'izany fahaleovan-tena izany tamin'ny 1947, fa tsy mba izy ireny no nankalazaina tamin'ny fanomezana ny fahaleovan-tena. Tsy nolazaina mihitsy hoe vokatry ny adin'izy ireny dia nahazo fahaleovan-tena isika... fa fanomezana tsotra izao. Ary fanomezana avy amin'ireo mpanjanaka ihany. Vokatr'izany dia saritsarim-pahaleovan-tena no niainana nandritra ny taona maro. Tsy nanamarika ny hambom-pon'ny Malagasy izany ilay andro nanomezana fahaleovan-tena, tsy tena midika fandresena.

Ny an'ny hafa mantsy, ohatra fotsiny ho an'ny Frantsay, ny andro 14 jolay ny azy dia tena vokatry ny ady mihitsy. Fankalazana ny nakàna ny Bastille. Izany hoe nisy zavatra niadiana dia azo. Tahaka izany koa ny an'ny Etazonia, fanambarana ny fahaleovan-tena taorian'ny ady natao... sy ireo firenena hafa maro.Koa angamba tsy omena tsiny ny Malagasy sasany raha toa ka tsy manaitra azy ity andro iray ity. Inona nefa ny andro mety azo hasolo azy? Andro nanamarika fahafahana? Sa mbola tsy afaka mihitsy ny Malagasy?

Na izany na tsy izany dia mirary fety mahafinaritra eo anivon'ny fianakaviana ho an'ireo izay manamarika izany. Indrindra mila manararaotra fety amin'izao fotoanan'ny krizy vokatry ny valan'aretina izao.

Mbola tsy voasambotra foana ve i Tatandraza?

2018-06-03 @ 08:29 in Politika, Serasera 3 minitra

Tsy hoe tsy fitiavana manokana an'i Tatandraza akory, satria tsy dia maty antoka manokana aho raha mahazo tombony izy, fa ilay fizahozahoan'ny manam-pahefana Gasy rehefa mahatratra boay kely sendra nanao tsy mety teo amin'ny Facebook. Rehefa sendra misy mandefa vaovao tsy marina manohintohina andry zalahy dia malaky be mihitsy ilay fisamborana, miasa daholo mihitsy angamba ny teknolojia isan-karazany. Fa mahagaga i Tatandraza mampiseho video impiry tsy mety tratra. Sa mbola tsy voakasika ny fiainana manokan'ny sasany? Sa mbola mampihomehy fotsiny aloha dia varimbariana amin'iny ny vahoaka noana?

Hitsangana indray ry Rainisoazanatasy

2016-07-08 @ 18:19 in Politika

Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena alina hono ny Lalàna mifehy ny fifandraisana. Raha fintinina dia sivana sy famehezam-bava ho an'ireo mpikirakira vaovao sy ho an'ny rehetra no ao anatiny. Araka ny vaovao farany dia nitsipaka izany ny RSF sy ny UPF. Tsy vaovao intsony nefa izany ho an'ireo niaina tany amin'ny taona 80 tany. Imbetsaka no nahita gazety nisy faritra na pejy fotsy tanteraka satria nandalo sivana tamin'ny ora farany. Fa ny nahay azy dia ny Gazety Lakroa izay nisy an'i mompera Remy Ralibera sy ny ekipany. Hainy ny nihoatra ny sivana ka tafita foana ny hafatra nefa sarotra dia sarotra ny nanakana ny Gazety Lakroa hivoaka.

Tamin'izany no nahenoako andry Rainisoazanatasy.

Rainisoazanatasy dia vahoaka ao amin'ny RBDMNK (raha tadidiko) izay miaritra fijaliana sy fahoriana. Misy itovizany betsaka amin'ny an'ny Malagasy ny fiainany, fa tsy Malagasy ry zareo :-) Ka dia ny fiainan'ny Rainisoazanatasy sy ny RBDMNK no voatsikera sy toroana hevitra tao.

Izany no fomba iray nataon’ireo mpanao gazety tao amin’ny Gazety Lakroa nitsikeran’izy ireo ny fitondrana izay tsy azo notsikeraina intsony tamin’izany fotoana izany. Izany sisa no nahafahany nampita ny zava-misy ho an’ireo mpamaky. Isaky ny misy zavatra mitranga eo amin’ny firenena, na misy kabarin’ny mpitondra mila tsikeraina, dia ny mpitondran’ny Rainisoazanatasy sy ry Rainisoazanatasy no nahazo fananarana sy torohevitra.

Tamin'ny farany moa dia hoy foana ny lahatsoratra hoe "Hafa ihany ho'aho isika Malagasy e."

Koa raha izao no mitohy dia hitsangana indray ry Rainisoazanatasy sy ny fianakaviany hiseho gazety.

 

 

Politika manomana 2018

2016-04-12 @ 09:44 in Politika

Resaka hafa mihitsy aloha. Miverimberina foana ny antso hoe miverena aty an-Tsihanaka... na ilay hoe aza mimenomenona fotsiny ianareo any ivelany any fa raha tena te hampandroso firenena dia miverena aty Madagasikara. Eny, mety hadisoana ho anay ny tsy miverina hampandroso an'i Madagasikara... fa inoako fa tsy hampiova zavatra lehibe loatra akory ny fiverenana. Firifiry ireo niverina nefa tsy afaka manao na inona na inona akory... toa izany koa moa ireo efa tao foana fa tsy afa-mikofoka e. Vao maika loza aza satria tsy afaka miteny tahaka izay any ivelany akory noho ny delestazy :-) Koa aza mifampiantsoantso fa samia manao izay ho vitany amin'ny toerana misy azy.

Praiminisitra
Sary: www.iisd.ca

Ny kajikajy politika tamin'ny fanoloana praiminisitra teo dia hoe hanomanana ny fifidianana 2018. Dia be ireo tena manao kajy tokoa hoe ho hita eo fa tsy handresy ny anay io na soloina an'iza na soloina an'iza. Dia misy ireo miezaka mandresy lahatra ny vahoakaNY hoe vao maika ireo resintsika raha iny no praiminisitra. Ny sasany moa dia faly ery milaza hoe "voaporofo izao fa tsy mamely ity fitondrana ity satria intelo niova praiminisitra ka ho resintsika io amin'ny fifidianana"... dia mikajikajy politika eo. Kanefa toa ho diso kajy daholo.

Diso kajy satria tsy mitovy ny "fototra" (base) hoy ny mpanao matematika. Ny 1+1 dia mety ho mira 2 na mety ho mira 10 arakaraka ny "fototra" ampiasaina. Ka ity kajy politika ity misy "puissance" hafa mihitsy dia ny vola sy ny fahefana izany. Na tsy ho tian'ny vahoaka aza io fitondrana io, raha mbola ny vola sy ny fahefana no hiasa dia ho reraka eo fotsiny ny mpikajy madio. Ny vahoaka madinika mety tsy ho voavidy amin'ny fifidianana intsony satria efa maranitra amin'ilay hoe hano fa adala tompo. Ka tsy hifidy Herim-po Very Maina intsony na hahazo Tee-Shirt sy vary tambim-bato aza. Ny vahoaka madinika efa tsy ho resy lahatry ny kabary tsara lahatra intsony satria tadidiny ny ngidin'izay mandat voalohany izay. Saingy tsy ny vahoaka madinika intsony no hianteheran'izay manana vola sy fahefana fa ny ambaratonga ambony kokoa. Izay no atahorana amin'ilay kajy maloto. Raha voavidin'ny eo amin'ny fitondrana avokoa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hanao "halabato be vata" dia tsy hisy kajy mirindra. Ka na ho zakanao avoko aza ny vahoaka dia ho gaga ianao hahita ny voka-pifidianana hoe tsisy nifidy anao akory.

Koa raha hanao kajy dia ovay ny "fototra"... na farafaharatsiny ampitovio ny "fototra" hanaovana ny kajy.

Ny fanantenako amin'ity Praiminisitra vaovao ity dia toa Katolika hono izy... ary ho an'ny Katolika dia taonan'ny famindram-po ity taona ity.

Fanafihana VIVA, tompon'andraikitra ny VIVA

2015-08-08 @ 22:32 in Politika

Mampalahelo tokoa ny mandre ny fanafihana, fangalarana, fanapotehana ny VIVA TV tany Fianarantsoa. Tahaka izany koa nampalahelo ny fanakatonana sy fangalarana ny fitaovan'ny Radio Fahazavana, ny MBS Radio sy TV, indrindra ny fandorana ny TVM sy ny RNM tamin'ny fotoan'androny. Mampalahelo foana rehefa fitaovana mahavokatra tsara ho an'ny Malagasy, na iza tompony na iza, no simbaina sy dorana. Satria anisan'ny voakasika amin'izany koa ny Malagasy mpanjifa, mpiasa, mpamboly, mpamokatra. Ny fanimbana ny Tiko Madagasikara ohatra dia nahavery asa fianakaviana maro. Ary hatramin'izao dia mbola tsy nisy nahasolo azy ny vokatra hita eny antsena. 


Sary ao amin'ny site-n'ny viva

Rehefa dinihina anefa, amin'ny fo tsy miangatra sy tsy mandatsa, dia main'ny afo natsangany ihany ny mpiandraikitra ny VIVA. Toa ny fitaovana fanaovan-gazety rehetra dia tokony hanabe ny fiaraha-monina ny VIVA. Nivoana tamin'izany adidy masina tokony hiantsorohany izany anefa izy ka nanjary niandany tamin'ny herisetra sy fanimbàna zavatr'olona. Nisy ve, ohatra, ny fanamelohan'ny VIVA ny fandoroana ny MBS na ny RNM na ny TVM? Fanamelohana ny hetsika sy ireo izay nitarika izany? Ny fanamelohana tahaka izany mantsy dia fanabeazana ny mpihaino hahalala fa tsy fomba ny tahaka izany. Nisy ve ohatra, tamin'ny fotoanan'ny tetezamita, ny fiantsoan'ny mpanao gazety ao amin'ny VIVA ny hanokafana ireo radio sy televiziona nohidiana? Raha nisy dia mba tiako ho hita. 

Koa tompon'andraikitra, na dia tsy mivantana aza, amin'izao zava-mitranga amin'ny VIVA Fianarantsoa izao, ny fanabeazana nentin'ny VIVA hatramin'izay, indrindra nandritra ireny korotandrotana teto amin'ny firenena ireny. Anatra ho an'ireo rehetra mihambo ho mpanao gazety izay manana adidy hanabe ny mpiray firenena aminy. Beazo ao anaty fandriam-pahalemana ny vahoaka dia handry fahalemana miaraka aminy ianao.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry