Raha tsy Ravalo fa tohanan-dRavalo?

2012-08-18 @ 20:19 in Politika

Araka ny heno dia mety anisan'ny fomba iray hiverenan-dRavalomanana ao Madagasikara ny tsy handraisany anjara amin'ny fifidianana ho avy manaraka io. Valin'izay koa anefa dia tsy afaka hirotsaka hofidina koa Rajoelina. Io izany no mety hitranga hoe samy tsy milatsaka hofidina Ravalo sy Rajoel. Dia iza no tena voa ary inona no mety hitranga?

 (tohiny)

Izay ilay politika

2012-01-21 @ 16:24 in Politika

Nisy sarimihetsika "The ides of March" izay vao nivoaka tamin'iny 2011 iny izay resaka politika avo lenta no tena ao anatiny. Na dia fitapitaka maloto sy mahafanina aza ilay izy dia mahaliana satria tena ady sy kajy politika. Fa nony nahita ity zava-niseho androany ity aho dia niaiky fa efa manomboka mahay politika ny HAT. Mino aho aloha fa misy mpanolotsaina matevina ao ambadik'i Rajoelina satria tsy eritreretiko ho izy no hahay zavatra toa izay nitranga androany.

Voafitak'i Rajoelina daholo androany na ny Communauté Internationale, SADC, na Ravalomanana mianakavy, na ny Mouvances Ravalomanana izay niandry tao amin'ny salon d'honneur, na ny governemanta Beriziky, na ny mpitandro ny filaminana (afats'i Gal Ravalomanana sy izay niaraka taminy).

Nesoriny hatry ny ela ny NOTAM satria tsy ara-dalàna ny fisian'ny NOTAM lava reny, na dia hoe efa nohavaozina kely aza. Fantany fa raha mamoaka NOTAM mialoha izy dia hosakanan'ny Governemanta sy hofaizin'ny SADC. Tsy mety aminy mihitsy anefa ny hiverenan-dRavalo dia navelany ihany hiainga ny fiaramanidina. Rehefa teny am-panidinana dia nohidiany ny seranana teny Ivato. Torohevitra avy aminy manokana mihitsy ilay NOTAM fa tsy tamin'ny Governemanta akory (Misy soratra mazava hoe PHAT INSTRUCTION). Natao haharitra adin'ny telo fotsiny izany NOTAM izany ary nolazaina tamin'ny fiaramanidina nitondra an-dRavalo hoe aiza izy no afaka mipetraka. Ny antony dia mba hanatanterahana ny fisamborana (Hoy ny minisitry ny serasera). Mazava ho azy fa niverin-dalana ny fiaramanidina nony nahita ilay NOTAM.

Ny zavatra nahaliana dia efa nisodisody teny Arivonimamo nandritra iny  herinandro iny ny mpitandro ny filaminana. Ny sasany nihevitra hoe mety Ravalomanana no hidina tampoka eny Arivonimamo dia nojerena ny fahafahan'ny fiaramanidina midina eny. Kay ry zalahy mihitsy no nanomana an'ilay hoe havily any ny fiaramanidinay.

Ny zavatra nahaliana anakiray koa dia ny Jeneraly Ravalomanana niteny hoe hitsena an-dRavalomanana kanefa izy tsy teny Ivato. Mazava izany fa toerana hafa no saika hitsenany an-dRavalomanana.

Dia inona no mety ho tohiny?

Henjan-droa ny tady. Efa miely be amin'izao fa tsy navelan'ny FT (tsy FAT intsony hono) higadona ao Madagasikara ny fiaramanidina. Ry zareo ao amin'ny mpitatitra an'habakabaka SAA - Airlink dia nanao filazana hoe nohidiana ny habakabaka Malagasy, ary tsy nolazaina azy hoe inona ny antony. Tsy hijanona amin'izany fotsiny izy ireo fa tsy maintsy hisy vokany izany. Efa miakapeo i Fransman fa hampiakarina eo anivon'ny UA na ny vondrona afrikanina ny resaka. Hitohy izany ny dinidinika saingy efa hita ihany koa ny fahefan'ny Tetezamita tsy hanaiky ny hidiran-dRavalo ka tsy maintsy hotohizany izany.

Ny hany herin-dRavalo?

Mody antsokosoko sisa no azon-dRavalo atao. Raha mody amin'ny zotra ara-dalàna tahaka ny androany izy dia tsy maintsy hisy NOTAM hisakana foana. Raha mody amin'ny fiaramanidina manokana indray izy ka fantatra mialoha dia mety vao maika hosamborina na ho zavatra hafa ny hanjo. Koa tsy maintsy tahaka izay fomba nialany tao Madagasikara ihany sisa no hidirany ao. Tsy nisy nahalala ny nialany tao Madagasikara sy ny nikarakara izany, ka azony atao koa ny tsy mampahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenany. 

Miditra mandritra ny prolongation

2011-11-24 @ 23:37 in Politika

Ho an'ny mpijery baolina dia mahita fa misy fomban'ny mpanazatra rehefa te handany fotoana izy dia ilay mampiditra mpilalao vaovao mandritra ny minitra farany, na mandritra ny fanalavam-potoana mihitsy aza. Matetika ireny mpilalao ireny dia zara raha mikasika baolina fa mihazakazaka kely fotsiny dia voatsoka indray ny kiririoka mamarana ny lalao. 

Toa ireny mpilalao ireny no fahitako ireto minisitra vaovao ao amin'ny governemanta Beriziky ireo. Ampidirina amin'ny governemanta izay tsy fantatra na haharitra oviana. Governemanta hita hoe marefo noho ny an'i Camille izy ity satria ny azy dia avy amin'i Andry Rajoelina irery, nananany fahefana feno. Fa ity an'i Beriziky ity dia sadasada ihany. Ireo avy amin'ny mpanohitra dia nolavin'ny mpanohitra ka manjary miady irery, ireo avy amin'i Rajoelina moa dia tsy afaka hanjaka tokana satria misy ihany iretsy mpanohitra.

Nisy kosa aloha ireo fetsy tsy nanaiky niditra tamin'izany governemanta izany. Anisan'ireny ry Ruffine TSiranana. Ireny no azo antoka fa hahazo toerana maharitra kokoa amin'ny governemanta tena firaisam-pirenena rehefa mitsangana izany.

Na izany na tsy izany dia mikaonty ireny lalao nataon'ireny mpilalao ireny na dia minitra vitsy monja aza. Izay angamba no mba tombony ho azon'ireo minisitra vaovao ireo. Anisan'ny voasoratra ao anatin'ny CV-ny hoe efa minisitra izy.

Aleo inona?

2011-10-31 @ 19:58 in Politika

aleo inona?

Halloween hono ny azy ny fety rahampitso. Ity no fety vazaha faran'izay tsy tiako indrindra. Tsy mba mamolavola amin'ny zavatra mahafinaritra fa amin'ny zavatra mampatahotra. Tsy azoko mihitsy ny anton'ilay manao arotava mampatahotra isan-karazany, vampira, angatra, matoatoa, faty mitsangana sns. Izany ve tsy mamelombelna ny toetra minomino foana?

Tsy aleo, rehefa samy hankalaza ihany mba mankalaza zavatra mahafinaritra saina? Tsy aleo zavatra tsy mampanofy ratsy? Tsy aleo fety mazava toa izay sangisangy amin'ny maizimaizina mampatahotra? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Ao amin'ny tetiandro katolika dia fetin'ny olomasina rehetra rahampitso. Tsy hoe ny olomasina no mila an'izany satria efa kilalaka non-stop any an-danitra any. Fa ho an'ny Katolika dia hampatsiahy ilay fiombonam-ben'ny olomasina (communion des saints) izay ao anatin'ny foto-pinoana. Fanamafisana ny fisian'ny fiainana ho avy izay karakarain'Andriamanitra ho an'ny olona.

Io ihany koa no fotoana hanateran'ny olona voninkazo ho an'ireo havany nodimandry. Fandinihan-tena, fieritreretana ao anaty fahanginana. Tsy aleo izany? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Filaharam-be noho izany teto Roma hijery an'ilay Twighlight fahatelo (?). Na ilay voalohany aza tsy mbola hitako. Tsy manintona ahy. Harry Potter mba tiako ihsny satria resa-jaza, fa ilay Twighlight tsy mety voajeriko mihitsy. Misy boky anefa ao an-trano. Tsy aleoko mijery Shrek 1-2-3? Na ny toa ireny? Sa aleo inona? Halloween?

Inviato con Windows Mobile�.

Tsisy surprise

2011-10-28 @ 07:24 in Politika

Hiresaka ny fihetseham-poko kely momba ny resaka praiminisitra ao Madagasikara aho. Marihina aloha fa tsara ilay "Monsieur Papa" (2011) nojerena omaly, na dia film frantsay aza. :-)

Tsy dia azoazoko loatra ilay resaka fifidianana ho praiminisitra tamin'ity indray mitoraka ity. Tonga dia hita hoe cinema be ilay izy. Sady tsy misy chance ho an'ireo olona izay mety afaka manao praiminisitra nefa tsy natolotry ny mouvance. Tsy hita mihitsy izao, ohatra, i Prof. Ranjeva na dia efa anisan'ireo tokony ho nantsoina taloha aza.

Fa ny nanaitra ahy dia ity Jeneraly Rabotoarison Sylvain tsy annisan'ny natolotra teny amin'ny Paon d'Or kanefa tafiditra tampoka tao anaty lisitra. Toa azo eritreretina hoe izy no ho voafidy. Raha izy no lany eo dia sinema tanteraka ilay mody misy kandida sy consultations fa efa notendrena talohan'ny fotoana ny ho Praiminisitra. Ny tsy fantatra fotsiny dia hoe iza no tena nampanendry azy: ny SADC ve? Ny Frantsay ve?

Na izany na tsy izany dia tsy haharitra ela intsony ny fitaintainana satria raha ny heno dia rahariva amin'ny 7ora no havoaka ny anaran'izay ho lehiben'ny Governemanta vaovao.

Inviato con Windows Mobile�.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry