« | »

Raha tsy Ravalo fa tohanan-dRavalo?

2012-08-18 @ 20:19 in Politika

Araka ny heno dia mety anisan'ny fomba iray hiverenan-dRavalomanana ao Madagasikara ny tsy handraisany anjara amin'ny fifidianana ho avy manaraka io. Valin'izay koa anefa dia tsy afaka hirotsaka hofidina koa Rajoelina. Io izany no mety hitranga hoe samy tsy milatsaka hofidina Ravalo sy Rajoel. Dia iza no tena voa ary inona no mety hitranga?

Ho aiza Ravalo?

Tsy azo odian-tsy hita fa mbola manana lanja politika lehibe ao Madagasikara Ravalomanana, ary vao maika aza nampitombo hery azy ny zavatra nataon-dRajoelina nandritra ny telo taona teo amin'ny tetezamita. Raha tsy afaka hilatsaka hofidina Ravalo dia tsy maintsy hanohana olona iray, na hanendry olona iray mihitsy, hilatsaka hofidina. Io no fomba hahafahany mampiasa ny hery politikany ka hahafahany indray mandray fitondrana any aoriana any. Mety ho lany avy hatrany mantsy ny olona tendreny na tohanany raha toa ka izy mihitsy no anisan'ny mirotsaka amin'ny fampielezan-kevitra. Rehefa lany ny olona tendreny dia afaka manova na manitsy lalàna sy manatanteraka ny zavatra eriteretiny na dia ankolaka aza. Mahazo tombony izy izany.

Ho aiza Rajoel?

Raha tsy mahazo mirotsaka Rajoel dia hirehareha hoe vitany ny adidy dia ny tetezamita izany. Hiteny izy hoe mba ho fanarenam-pirenena dia tsy hilatsaka izy satria manao di-doha loatra Ravalomanana ka aleo samy miala. Amin'ny mpanohana azy dia hivoaka amboninahitra izy. Efa ampy nivelomany rahateo izay telo taona teo amin'ny fitondrana izay. Ny ho avy politikany no mety ho aotra na dia hoe manana ny antoko TGV aza izy satria tsy nanomana kianja politika mihitsy ny TGV fa variana fotsiny niady tamin-dRavalo. Asa na ho ampy azy ireo ny enimbolana hanomanana fifidianana raha hiatrika izany am-pahadiovana izy ireo. Mahazo tombony ihany nefa izany Rajoel satria afaka amin'ny mety ho valifaty ataon-dRavalo izay tena natahorany izy... ary afaka madiodio tamin'ny fanonganam-panjakana nataony.

Koa inoako fa raha tena mahay politika izy roalahy dia izao fotoana izao no tokony hanararaotana hamahana ny krizy. Ekeny sy reseny lahatra ny mpiara-dia aminy hanaiky ilay hoe samy tsy milatsaka izy roalahy. Ny vahoaka indray avy eo no hikarakara izay hirotsaka hofidiana manaraka eo.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry