Yanukovych sy #Ravalomanana

2014-03-05 @ 01:40 in Eritreritra mandalo, Politika

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny mampitaha ny nanjo an'i Yanukovych sy Ravalomanana amin'izao zava-mitranga any Ukraine izao.

Ny zava-nisy: 

Samy nitsoaka vokatry ny hetsi-bahoaka izy roalahy. Ravalomanana dia namindra ny fahefana tamin'ny directoire militaire (fametraham-pialàna tokoa ve izany aloha?) i Yanukovych kosa dia nametram-pialàna dia andrim-panjakàna ara-dalàna sy voafidim-bahoaka, dia ny antenimieram-pirenena, no nanala azy teo amin'ny toerany. 

Ravalomanana nandroso vahaolana nandritra ny korontana saingy tsy neken'ny mpanohitra intsony (fitsapankevi-bahoaka sns). Yanukovych kosa nandroso vahaolana dia neken'ny mpanohitra, voasonia mihitsy hoe haroso ny fifidianana sns.

 

 

Ny vokany:

Ny teto Madagasikara dia tsy nankatoavin'ny Vondrona Iraisam-pirenena mihitsy ny hetsi-bahoaka fa nolazainy hoe fanonganam-panjakana. Ny any Ukraine kosa dia ankatoaviny tsara sy tohanany aza ny fitondrana tetezamita ary tsy ekeny intsony ny fiverenan'i Yanukovych eo amin'ny fitondrana.

 

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry