Hanohitra ny fanjakana nangalarina

2009-03-23 @ 15:28 in Politika

Miala any ny fanoherana ny fanjakana nangalarina. Manomboka ary hitohy eo amin'ny kianjan'ny demokrasia :-) eo Ambohijatovo ny tolon'ny vahoaka ianjadian'ny tsy rariny. Vahoaka mpandala fifidianana. Nohosihosena mantsy ny vokatry ny safidiny ka na ny Solombavam-bahoaka na ny Filoham-pirenena izay nofidiny dia nesorin'ireo be sandry ary nosoloiny olona tsy nofidiny akory.

Raha mba nisy référendum dia mety mba azo noleferina ihany satria mba efa fifidianana izany na dia mbola tsy rariny aza satria tsy araka ny nifanarahana tamin'ny fifidianana. Fa ity indray mitoraka ity dia tsy nisy referendum fa dia didin'ny be sandry no natao.

Nangina ihany teo ny vahoaka satria mbola sahirana amin'ny fiainana vokatry ny krizy ekonomia eran-tany,
Nangina ihany teo ny vahoaka satria nieritreritra hoe hankatò ny fahendrena malagasy ny TGV ka hanara-dalàna tsy hanakorontana sy handoro fananam-pirenena
Nangina ihany teo ny vahoaka satria nanantena hoe eo ny tafika hiaro azy amin'ireo mpanao didin'ny be sandry,
Nangina ihany teo ny vahoaka satria mbola niandry hoe handray andraikitra ireo mpanao politika ambony izay nofidiny ka hiaro ny safidiny amin'ny fahefana izay rehetra ananany.

Izao kosa dia tsy afaka hangina intsony satria nohitsahina an-tampondoha ny fahafahany. Koa hitraka sy handrodana izay rehetra nangalatra ankarihary ny safidiny.

Tsy mila fanjakana mampihorohoro.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry