« | »

Rehefa tsy hay ajanony - Soa fianatra

2009-03-13 @ 15:30 in Politika

Iray volana sy tapany izay dia nanao antso ho an'izay mitondra aho, na iza izy na iza, hoe gadrao i Andry Rajoelina. Tamin'ireny fotoana ireny dia nanana rariny tsara mihitsy raha nanagadra an'i AndryTGV satria nazava be ny antony dia ny tsy fanarahan-dalàna izay nataony. Noheveriko fa fetsy i Ravalomanana ka niandry kendry tohana toy ny fanaony. Izay mantsy no tena fomba fanao hatramin'izay ary tsy hita izay maharatsy azy. Fanaon'ny demokraty rehetra ihany koa. Rehefa misy fahavalo politika dia arahi-maso akaiky, ka raha vao misy tsy fanarahan-dalàna ataony dia paingorina. Tsy nanapaingotra anefa Ravalomanana na dia mbola nanana ny fahefana (sy ny tafika) rehetra aza. Mbola vao i Manorohanta ihany no nametra-pialàna (tsy ofisialy) tamin'izany fotoana izany ary mbola natahotra ny ankamaroan'ny miaramila. Natahotra tokoa satria efa fain'ny tamin'ny 2002. Ireo miaramila izay naneho hevitra politika tamin'ny 2002 dia tratran'ny arakaraka taty aoriana. Mbola azon-dRavalomanana natao tsara izany ny nanapatra ny fahefany, indrindra rahateo efa nalaza izy hoe mpanao didy jadona. Saingy tsy nataony izany. Gaga ny ankamaroan'ny olona hoe inona ity fahalemena asehony ity? Tsy nandray andraikitra, nandefitra amin'ny fanafihana ny fananany rehetra. Misy aza ny naniry mihitsy hoe mba tafiho koa. Na nanao didy jadona ianao na tsy nanao dia efa voakilasy ho mpanao didy jadona ka asehoy izany amin'izao. Dia ho ambaka an'i Ratsiraka ve ka hatahotra? Saingy tsy nihetsika hatrany i Ravalo. Nisy nilaza fa nanafatra mercenaires avy any Sudaf izy. Dia miantso indray ireo rava fananana hoe maninona no tsy ampiasaina izany mercenaires izany hiarovana ny tenanao sy izahay? Kanefa tsy nihetsika i Ravalo... satria angamba tsy nisy mercenaires nafarany izany fa na izany tsaho na vono lolo.

Tamin'ny herinandro lasa ary aho, nony nandre ny vaovao avy any amin'ny fianakaviana, dia nahita hoe rafotsy be very laona sisa ny Malagasy. Miandry izay higadonany. Ny karama tsy hay na ho azo, tsy fantatra hoe iza no hanome azy. Rehefa tsy misy karama anefa amin'izao krizy izao dia inoana avy hatrany fa hahantra ny Gasy. Dia nieritreritra hanoratra mafy hanao antso hafa indray. Koa ity ilay izy averiko androany.

Ny antso angamba dia hoe, "Rehefa tsy hay ajanony". Na iza na iza milaza hitondra vahaolana dia ataovy malaky raha tsy izany dia adabohy fa tsy hamely. Raha milaza azy haka fitondrana ny TGV dia ataovy haingana hahalalàna hoe iza no handoa ny karaman'ny mpiasam-panjakana. Raha toa ka mahatohitra TGV ny fitondrana dia ajanony malaky io hahafahan'ny mpianatra miverina mianatra indray fa alohalika ny ranombary. Raha tsy ho vitanareo dia aleo hikarakaranay azy :-)

Averiko ihany fa nisy olona mba efa nieritreritra ny hisolo toerana an-dRavalomanana amin'ny fomba demokratika, izany hoe ny fifidianana amin'ny 2012. Raha mbola Ravalo nefa izao no ho eo amin'izany fotoana izany dia toa hanahirana ny handresy azy. Raha olona hafa no eo dia averina hatramin'ny voalohany daholo indray ny stratezia rehetra fa tsy mitombona intsony. Ary tsy hay na ho amin'ny 2012 na alohan'izay ny fifidianana manaraka. Rava daholo izany ny paika rehetra... ka dia hanomboka hitady hevitra hafa, sady efa nahazo lesona, dia tsy inona izany fa ny fakàna fanjakana an-dalambe indray amin'ny 2012.

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry