« | »

Na ho avy aza i Johnny Hallyday

2009-02-06 @ 09:24 in Politika

(Ny fiainana mandeha ihany) Toa hoe ho avy any Madagasikara hono i Rossy? Hanimba carrière any indray dia rehefa halan'ny olona vao hoe "Mbola tsy mety tafody foana leisy aho" :-)

Raha mahazo olona betsaka izany ny TGV amin'io asabotsy io dia noho i Rossy fa tsy noho i Andry Rajoelina. Dia zavatra tsara ve izany? Dia raha tsy mahazo olona izany i Andry TGV dia ahoana indray ny zavatra hatao manaraka? Hiantso an'i Johnny Hallyday? Zavatra mifanohitra amin'izao mihitsy no tokony hataon'i Andry Rajoelina raha toa ka te hitsapa ny fitiavan'ny olona azy izy. Esory daholo ny manodidina rehetra (Lahiniriko, Alain Ramaroson, Rossy, etc.) dia taomy eo amin'ny 13 mai ny olona dia lazao hoe "Tsy misy olona ao aoriako" dia ho hita eo :-) Satria amin'izao dia manomboka fantatra tsikelikely hoe iza marina no ao ambadika, na dia nolavina foana aza hatramin'izay.

Izay aloha fa mbola hihira "Dors petit homme"

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry