Rossy - Ino Vaovao

2008-04-18 @ 12:12 in Kanto, Politika

Araka ny heno izany dia any Dago Rossy ary dia ho raikitra ihany (angamba) ny fampisehoana ataony ao Antananarivo amin'ny 27 aprily izao.

Alohan'ny Resaka aloha dia efa tafiditra azo halahatra sy henoina ao amin'ny Radiovazogasy.com ihany koa ny Album faran'i Rossy "Ino vaovao"

Ireto ny hira ao:

1. Io ary - Rossy
2. Rossy - Aloaloahely
3. Rossy - Ho avy
4. Rossy - Imanga
5. Rossy - Ino vaovao
6. Rossy - Izaho irery
7. Rossy - Lasa aho
8. Rossy - Pity Rahoaka
9. Rossy - Vangio zaho
10. Rossy - Zalozia

Koa raha handahatra ianao dia tsindrio fotsiny eto.

Araka ny voalazako ombieny ombieny dia anisan'ny mpakafy ny hiran'i Rossy taloha aho, fa tsy atakaloko Njakatiana :-p. Ireto hira vaovao ireto koa aloha ohatran'ny tsy dia mety amiko loatra... satria ohatran'ny mirona kokoa amin'ny Salegy fa tsy ilay Sova nahalalana an-dRossy intsony.

 Ny olako amin'i Rossy fotsiny dia ilay izy nanadino sy toa nanenjika an'Antananarivo mihitsy aza fony mafy ny ataky... (afera Bemiranga, afera Soma), ary izay mihitsy aza angamba no niheverako ny "salegy"-sation-n'i Rossy... kanefa izao dia tsy maintsy eto Iarivo ihany no haka kil maro.

Dia naveriny hoe tsy hanaiky ataon'ny mpanao politika fitaovana intsony... ary sao dia hanao fitaovana indray?

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry