« | »

Valin'ny fanontaniana momba an-dRavalo sy ny didy jadony

2009-02-27 @ 09:25 in Politika

Voalohany indrindra aloha dia averimberiko ihany ny fireha-kevitro. Tsy mpanohana be fahatany an-dRavalomanana aho. Ny antony mbola anekeko an'izao fitondrana izao dia satria tsy mbola misy foana mpanohitra matotra ho afaka hisolo an-dRavalo na dia noeritreretina ny ho teteza-mita ho amin'ny fitondrana tsaratsara kokoa fotsiny aza Ravalo tamin'ny 2002. Tamin'ny fifidianana 2007 iny dia nijery aho raha misy olona vaovao hitondra saingy toa mbola tian'ny olona loatra Ravalo dia miandry amin'ny 2012 indray izany. Ho hita eo raha misy hafa tsaratsara kokoa indray.

Fa ireto kosa misy valin'ny fanontaniana maromaro nanaitra ny masoko izay nandalo tao amin'ny lisitry ny serasera. Valin-kevitra avy amin'i Robson momba ireo fanontaniana matetika mipetraka momba an-dRavalomanana.

Misy fanontaniana maromaro tokoa napetraka dia tsy maintsy valiana.
Izaho anefa raha miteny eto dia ny hevitro no entiko fa tsy mpitondra
tenin’ny mpanohana rehetra aho.

“Nahoana no halain'ny orin'asany Ra8 avokoa ny orin'asa kelin'ny
olon-tsotra izay mba mandeha”?

Na hamaliako anao dia tsotra haka ohatra vitsivitsy aho handavana ny
zavatra noteneninao. Raha nalain-dRa8 daholo ny orinasa
kelin’olontsotra mandeha dia tsy hisy afa-tsy ny orinasan-dRa8 eto
amin’ny firenena. Tiako anefa ny milaza aminao fa tsy nalain-dRa8
ohantra ny Elite GSM , ny Express de Madagascar, ny MATV, ny
Savonnerie tropicale, ny concessionaire auto rehetra, ny SOCOLAIT sns
sns. Amin’ny lafiny fandraharana koa dia tiako ny milaza aminao fa azo
atao tsar any mividy ny orinasa madinika rehetra ary hifanarahan
amin’ny tompony izany. Maro ny orinasa amerikana novidian’ny sinoa
satria tsy maharaka intsony ny fifaninanana ireny.

Nahoana no esorina ny douane rehefa mikasika ny karazana entana
hafarany (menaka), ary ireo ihany?

Esory eto aloha ny olona (Ravalomanana) fa aleo ny zavatra vokariny
ary ny secteur d’activité no ho resahintsika. Raha ny secteur misy ny
orinasa Tiko sy Magro dia tafiditra amin’ny secteur PPN isika, izany
hoe zavatra ilain’ny vahoaka andavanandro (vary, menaka, siramamy,
etc.). Ny tanjona apetraka dia ny hanamorana ny vidin-javatra mba
hanamora ny fiainan’ny valalabemandry. Ka raha natao ny détaxation dia
tsy Ravalomanana no jerentsika fa ny mpanjifa (ny vahoaka) satria
mitarika any @ fanamorana ny vidin-javatra ny fanesorana ny Taxe. Vao
nampiharina t@ ity taona ity koa ny fanesorana ny TVA @ vary. Izany no
nahatonga ny vidim-bary eto Madagasikara tsy niakatra t@ ireny krizy
ara-tsakafo nisy ireny. Ary raha natao ny « détaxation” dia ny orinasa
rehetra @ secteur no mahazo tombotsoa fa tsy ny orinasan-Dravalo
irery.

Nahoana no afangarony ny volany sy ny volam-panjakana (boeing sy ny
hafa koa) eny fa na dia manome aza izy?

Eto raha @ lafiny fitantanana dia tsy mety tokoa ny fanangaroana  ny
fitantanana ny volam-panjakana sy ny volan’ny tena. Tsy mety izay,
manana fahamarinana izay mitsikera an’io. Kanefa misy lafiny tsara koa
anefa iny fanapahan-kevitra iny dia :

·        Nisy mangarahara tao satria tsy nandà ny fisiany ary nitsotra
ny Filoha tamin’io resaka io.

·        Ny faharoa dia ny fanampian’ny Filoha ny fanjakana teo @
fandraisana anjara @ fampitaovana ny andrim-panjakana izay misy azy
satria mijanona ho fananam-panjakana ilay fitaovana.

Nahoana no tsy mihaino ny manodidina/conseillers azy izy? izay tsy
manaiky ny didiny, ny akaiky azy, dia "Allez! affecté!" (hoy Dada an'i
Mahaleo)

Ny hoe tsy mihaino ny mpanolotsaina azy ny Filoha. Io angamba
totran’ny olona mpitondra rehetra io. Tsy voatery ekena daholo izay
rehetra lazain’ny mpanolo-tsaina fa izay heverina fa mahasoa iahany no
raisina hanapahana hevitra. Misy tokoa ny voaroaka satria tsy
mahatratra ny tanjona napetraka taminy kanefa mbola maro ny
mpanolo-tsain sy minisitra voatana ao @ fitondrana. Ny mampiavaka ny
fomba fitantanana @ izao dia ny obligation de résultats ka raha tsy
maharaka ianao dia voaroka. Izaho dia mankasitraka tanteraka io fomba
fitondrana io satria gaboraraka loatra ny fomba teo aloha. Raha mijery
ny MAP ianao dia misy programme ao izay tsaraina @ indicateurs de
résultats ao anatin’ny fotoana voafetra.

---

Mbola hitohy moa io famalian'i Robson io ary inoako fa mbola betsaka ny fanontaniana azo apetraka momba ny fitondran-dRavalomanana taloha sy mandritra ny krizy.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry