Ny fikafikan-dRatsiraka

2013-05-02 @ 17:53 in Politika

Fampidirana kely. Tsy haiko ianareo na ahoana fa ohatry ny tsy tiako be izany ilay sarin'i Lalao Ravalomanana eo amin'ilay ofisialy an. Ohatry ny terana be izany ilay izy. Aty Italie dia mahita olona maro mitovy amin'itony saingy tsy photoshop no miasa fa tena bistouri mihitsy. Ka manjary ohatra ny hoe amboarina be izany ilay sary. Tsy maninona anie izy na dia eo amin'ilay fahatsorany sy fahalehibeazany iny aza e. Fa raha tsy namboarina aloha ilay sary dia tena niova be indray izy izany.

Fa tsy izay no tena resaka fa ity fikafikan-dRatsiraka ity. Na dia niteny aza i Elysé Ratsiraka rahalahiny (niala bala) fa hoe voaomana tsara iny filatsahan-dRatsiraka iny dia toa izay nolazain-dRatsiraka ihany no marina. Ilay hoe taitaitra teo aho dia nilatsaka. Saingy tsy hoe fahataitairana fotsiny na resaka FFKM fotsiny araka ny filazany fa tena politika avo lenta mihitsy.

Ny fahavalo atahorana indrindra amin'ity fifidianana ity dia Lalao Ravalomanana. Ny antony aloha, mazava ho azy, dia vokatry ny nataon'ny TGV sy ny HAT ihany. Mitovy amin'ny resaka rehetra ankoatry ny politika ihany io. Raha ny olona no tsy asianao sira sy tsy raharahainao dia ho leo azy ny olona. Hanjavona eo amin'ny tantara izy ary tsy hisy hahalala azy akory. Jereo izao ireo kolonely sy jeneraly any Tsiafahy, na ireo mpanohitra nalaza izay tsy kitikitihina. Nangina sy tsy hay na maty na velona. Fa raha vao henjehina sy kitikitihina foana izy dia manomboka mametra-panontaniana momba azy ny olona dia manjary miha-malaza indray. Dia izay indrindra no mitranga amin'izao momba ny fianakaviana Ravalomanana. Fantatr'i Ravalomanana tsara mihitsy io hoe tsy hahatanty i Andry Rajoelina fa tsy maintsy hisakana foana isaky ny misy zavatra ataony, dia vao maika ankalozainy. Rehefa dinihina dia isaky ny mangingina tsy re firy Ravalo, ka mangingina ny eo amin'ny magro, dia miketrika zavatra "médiatique" goavana izy (fodiana tampoka, fampodiana ny vadiny, fanatrehana fivoriana, conférence de presse na interview sns). Dia tonga dia manao "réaction" ny HAT dia mitombo indray ny fitiavan'ny sasany an-dRavalo. Koa ny tena antony nidiran'i Lalao Ravalomanana amin'izao fifidianana izao dia vokatry ny nataon'ny HAT ihany nanome fanantenana azy hoe mbola mamim-bahoaka. Ary amin'izao fifidianana izao ary, raha toa ka tsy avela hilatsaka Lalao Ravalo, dia vao maika indray ho tian'ny olona satria hametra-panontaniana indray ny olona hoe fa dia maninona loatra. Ho hita eo moa ny tohiny.

Ka ity fikafikan-dRatsiraka ity no tsy matiko lolo. Ary hitako ho baiko ankolaka avy amin'i Andry Rajoelina sy ny tropiny ihany ilay izy. Ny antony tena nilatsahan-dRatsiraka dia ny hanakorontanana indrindra ny filatsahan'i Lalao Ravalomanana. Efa fantatr'i Deba tsara mihitsy mantsy fa tsy ho eken'ny CES ny firotsahany noho ny antony maro saingy nisisika nametraka firotsahan-kofidina ihany izy... na dia tsy izay aza no tena tanjony. Amin'izay fotoana izay raha lavina ny filatsahany dia tsy maintsy hitaky ny handavana ny filatsahan'i Lalao ihany koa izy, ary antony iray ihany no holazainy fa tsy ny antony maro izay anakanana azy... dia ny resaka fanamarinam-ponenana.

Raha tena niomana ny hilatsaka Ratsiraka dia efa nisy fampiomanana ny sain'ny maro mialoha izany. Ary mety nisy paompy sy hirahira indray teny Ivato tamin'ny niverenany. Tsy ho niseho ho marefo be tahaka iny izy. Fa nisy fifanarahana avo lenta teo. Ny rahampitso moa no hilaza ny zava-misy. Ny ahiako fotsiny dia ny kandidà-n'ny TGV ihany no ekena hirotsaka miaraka amin'ireo indépendants vitsivitsy izay atao tohatra fiakarana fotsiny hilazàna hoe manan-kery ny fifidianana. Dia hiverina ny zava-niseho tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny lalàm-panorenana farany teo. Vitsy ny nankasitraka nefa lany ihany ilay izy.

Koa raha izay tokoa no mitranga dia hanao inona ny movansy Ravalomanana?

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry