Tsy tokony hampisaraka ny politika

2009-06-30 @ 15:22 in Politika

Manomboka manangasanga any koa ny fiandaniana amin'ny vondrona politika eto Roma. Misy roa moa etsy andaniny ny fizarana politika amin'izao fotoana izao dia ny mpomba ny HAT sy ny mitsipaka ny HAT (izay mbola mizara roa ihany koa, hamerina an'i Ravalo na manohatra ny HAT fotsiny). Fa etsy ankilany ihany koa dia misy ny tsy te hiditra amin'ny resaka politika fotsiny tsotra izao. Ireo izay mieritreritra hoe mampisaraka ny politika ka raha ny Gasy izay efa vitsy kely eto Roma no mbola zarazarain'ny firehan-kevitra politika. Ireto farany dia miteny mihtisy hoe OLP na olona leo politika.

Arak'ireo ary dia misy firehan-kevitra politika maro sahady eto: Ny HAT-ers, ny anti-HAT pro-Ravalo, ny anti-HAT tsy pro-Ravalo, ny OLP, eny firehan-kevitra politika koa ny OLP. Fa voatery hampisaraka marina ve nefa ny fananana an'ireo firehan-kevitra ireo? Nahoana isika no "zara-zarain'ny" finoana nefa tsy misy olana? Misy protestanta, katolika, ny OLF (olona leo fivavahana?). Nahoana isika no zarazarain'ny "sexe" nefa tsy misy olana? Misy lahy, vavy, ny OLS (bi-sexe?). Nahoana no zarazarain'ny status nefa tsy misy olana? Misy manambady, misy tsy manambady, misy OLV (vady io fa tsy ilay anakiray). Nahoana no zarazarain'ny spaoro kanefa tsy misy olana be loatra :-) ? Misy pro-Inter, misy pro-Roma, misy ny OLB. Koa nahoana no mampisy olana raha OLP ny sasany ary GTT ny hafa na TGV ny hafa koa?

Tadidiko fa tany Rwanda tamin'ireny taona 1994 nampisy ny genocide ireny no nisy mpiray trano voatery nifamono satria tsy nitovy foko. Nony niady ny foko dia ilay rangahy ihany no nasain'ny mitovy foko aminy nitetika tamin'ny antsibe ny vadiny izay foko hafa. Kanefa nisy dia nisy koa ny iray fiangonana izay nampiraisin'ny finoana ka nifanampy indray aza na dia tsy mitovy foko.

Koa angamba amin'izao fotoana izao dia tokony ho rariny raha misy fianakaviana izay GTT ny rainy ary TGV ny zanany, na OLP ny vavy nefa mpitolona mafana fo eny amin'ny MAGRO ny lahy. Ary tsy tokony hisy hifanenjika amin'izany na hifandresy lahatra fa samy manana ny firehan-keviny.

Izany ihany koa no tsy anekeko ny fanaovana takalon'aina na fampihorohorona ny fianakavian'ny olona iray noho ny firehan-keviny. Satria ahoana no ahazoanao antoka fa mitovy hevitra amin'ilay olona iny avokoa ny fianakaviany? Tsaroako eto ny fotoana izay saika nisamborana lehiben'ny onjam-peo iray ao Madagasikara, dia rehefa tsy hitan'ny mpisambotra ilay rangahy dia ny vadiny no nalaina an-keriny. Toa izany koa ny nanjo an'ilay PDS iray izay, saingy ny an'ity farany angamba rehefa nojerena fa lasa mpikamban'ny HAT ilay ramatoa dia azo eritreretina ihany hoe mpiara-mitolona izy mivady taloha ka tsy amin'ny maha vadin'i PDS azy no nisamborana azy fa amin'ny maha izy azy mihitsy.

Koa miverina eto Roma aho, avelao ny OLP ho OLP fa aza taritaritina, mbola tsy vonona amin'izany izy. Avelao ny TGV ho TGV fa aza gidragidraina na dia vitsy an'isa aza... ary avelao ny GTT ho GTT raha izay no mahafalifaly ny fony. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry