« | »

Fitsapakevi-bahoaka: Hamantana trano foana ny mpangalatra

2010-11-10 @ 22:50 in Politika

Betsaka tokoa ny resaka momba ny fitsapan-kevi-bahoaka ho avy ity ka mba arosoko ihany koa ny ahy. Mizara efatra izao mantsy ny firehana. Ireo mampanao Eny, ireo mampanao Tsia, ireo mamporisika tsy hifidy ary ireo izay tsy mahalala n'inona n'inona ka mifidifidy na tsy mifidifidy (firehana koa ireo). Hoy i Simp tatsy ambadika hoe "Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe tsy misy dikany ilay fifidianana satria na eny na tsia no lany dia tsy mampiova inona izany"... dia izay no manentana ny olona tsy hifidy. Raha ny fahalalako azy anefa, ny manentana ny olona tsy hifidy dia ilay fiarovana ny safidiny. Eritrereto tokoa moa fa raha TSIA no alatsakao kanefa miova ho ENY tampoka rehefa avy eo... dia aleo tokoa tsy mifidy. Amin'iny mantsy ny safidinao mba tsy azo angalarina.Sarotra tokoa ny hino fa tsy mitongilana io fitsapan-kevi-bahoaka io satria betsaka ireo ankolafin-kery izay tsy mandray anjara amin'ny fikarakarana azy. Raha hery andaniny fotsiny izany no mikarakara dia tsy maintsy hisy mizàna tsindriana ila ao, ka ny azy no ezahiny atao mandresy. Ka na ho be vato aza ny an'ny ankilany, dia tsy maintsy hovainy ho nifidy ny azy. Efa nitranga izany tamin'ny fifidianana sasany taloha. Misy mitsimbadika tanteraka mihitsy ny voka-pifidianana, indrindra ny tany amin'ny tany lavitra andriana. Nefa aza tamin'izany nisy mpanohitra sy vavolombelona nanatrika. Amin'ity fifidianana ity dia mety tsy ho afaka (satria tsy te) hanatrika akory ny mpanohitra.

Zo sy adidy goavana tokoa izany mifidy izany. Raha ny tokony ho izy dia tokony tsy maintsy hifidy hatrany ny olona isaky ny misy fifidianana satria sady zo izany no adidy. Eo indrindra isika izao. Raha toa ka efa fantatrao dieny mialoha ve fa hisy hangalatra ny zo-nao dia mbola hatoky ihany ianao? Asa aloha.

Koa hoy aho hoe, arakaraky ny tsirairay ihany io. Raha  matoky ny fitondrana tetezamita ianao dia mifidiana na ho ENY na ho TSIA. Vonona ny hizaka ny fitokisanao azy ianao izany, dia mizaka izay vokany eo. Raha ohatra kosa tsy matoky dia aza manao na dia TSIA aza satria ny TSIA alefanao mety hiova ho ENY. Lojika be izany satria efa tsy matoky azy rahateo ianao. 

Tokony hazava tsara fotsiny ny antony handraisanao na tsy handraisanao anjara.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry