13 mai hafa indray, hono.

2009-03-14 @ 17:43 in Politika

Raha ohatra hono ka mametra-pialàna i Ravalomanana, izay mazava ho azy fa demission forcée ambava-basy tahaka ny nanaovana ny minisitry ny Fiarovana teny Ampahibe. Dia hiakatra eo amin'ny fitondrana ny ekipan'i TGV, hifandrombaka hiakatra satria samy nitolona dia samy mba te hahazo kely. Te haka ny anjarany daholo ry Zafy, Rolland Ratsiraka, Ratsiraka koa mazava ho azy, Pierrot Rajaonarivelo. Dia efa hikorontana aloha ry zalahy ireo. Rolland Ratsiraka aza moa ilay vao nisy fanendrena minisitra dia efa nampiaka-peo hoe tsy mba ao ny ekipany. Dia tsy maintsy hozarazaraina izany ny mofomamy ary izay tsy mahazo dia hampiaka-peo.

Dia ankoatra an'izay koa, tsy hanaiky ireo mpanohana an-dRavalo satria noterena niala ny filoha napetrany tamin'ny fifidianana. Dia hiverina eny amin'ny 13 mai indray ry zareo... Izy ireo rahateo no tena tompon'ny 13 mai. Ny 13 mai dia an'izay nanongana an-dRatsiraka fa nangalatahaka fotsiny ny akoatra an'izay :-) dia hitohy indray ny grevy lava reny. Ary hahazo olona ry zareo satria eo ireo izay efa mpanohana TIM hatramin'izay. Eo koa ireo izay tsy nahazo toerana amin'ny TGV. Eo koa ireo izay nahatsapa hoe nataon'ny TGV fitaovana fotsiny, amin'izay fotoana izay vao ho tonga saina. Eo koa ireo izay very asa sy fivelomana nandritra iny korontana iny.

Dia satria ny TGV mpanao loham-boto, raha ireny fanaony ireny, dia tsy hisalasala handefa jiolahimboto handrava sy hanafika 13 mai, tahaka ilay iraikalahy taloha nandefa Antandroy miaraka amin'ny pilotra. Dia mety handefa miaramila mihitsy hitifitra satria tsy nanana basy aza nahasahy nanafika vao mainka fa manana?

Vokany? rava ao anatin'ny 2 taona indray ilay fitondrana dia hisy fifidianana indray amin'ny 2012 dia ho lany indray Ravalomanana...

Dia maninona no tsy miandry amin'ny 2012 dia mety tsy lany intsony Ravalo toa izay ho tonga amin'ny 2012 ihany kanefa lany Ravalo?

Mbola tsy eo mihitsy hoy aho ny politika malagasy.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry