Tany Dago aho, milamina any :-)

2011-01-25 @ 08:07 in Izaho sy ny ahy, Politika

Sao mbola nisy tsy nahalala :-) Izany tokoa mantsy no fanao, rehefa ho any Dago dia tsy miteniteny fa rehefa avy any dia atao fantatry ny rehetra any amin'ny fb sy bf (vakio hoe béfé) rehetra any. Sary etsy sy eroa, ary matetika atao karazan-toerana maro mba hitenenana hoe voatetiko i Madagasikara (yes, ho avy tokoa ny sary lol). Etsy Ampefy no maka sary, atao angles maromaro dia toa ny hoe tany Nosy Be sy Sainte Marie... (azo atao tsara)Fa tsy hitantara an'izany aloha no voalohan-teny (kay efa voalohany io), fa hiteny amin'ny ankapobeny fotsiny hoe milamina ny tany.

- Milamina ny tany satria tsy misy mpanendaka intsony amin'ny alina ao amin'ny ville... efa tsy misy mivoaka alina intsony tsinona ny olona. Raha mivoaka alina kosa aloha ianao dia tsy hadisoan'ny  mpanendaka izay fa dia efa hadalànao.

- Milamina ny tany satria tsy misy misakana amin'ny alina intsony ny taxi-brousse rehefa mandeha maromaro. Raha sendra mandeha tokana kosa aloha dia tena famonoan-tena mihitsy.

- Milamina ny tany satria tsy misy sakoroka intsony, tsy  misy kilahadahatra izany intsony na any amin'ny "place de la démocratie" eny Ambohijatovo na eny amin'ny "place de l'amitié" (ex place 13 mai) eny Analakely. Izay milahatra tsinona dia mety ho tonga dia any am-ponja dia aleo mipirina. 

- Milamina ny tany ary madio be ny eny an'arabe rehetra eny, tsy misy mpivarotra amoron-dalana intsony amin'ny andro fiasan'ny "polices du marché" satria tena bokona be ry zalahy ary tena midaroka mihitsy. Teo akaikin'ny ambassade de France teo, sendra nandalo izahay, no nenjehindry zalahy ireny mpivarotra amoron-dalana, ilay mitrotro ny entana amidiny ireny. Efa nitsoaka fa tena nihazakazaka sy nitsoraka mihitsy ilay bandy polisy bokona nisambotra ilay bandy mpivarotra iray dia niakarapoka tao ambadiky ny fiara nentiko tao sady very tao ambany fiara ny entana sasany. Ny ambin'entana sy ny latabatra moa lasan'ilay polisy. Mirehareha mihitsy izy amin'izany, tahaka ireny nahazo valala ireny. Tsy misy contravention tsy misy lamandy, tsy misy taratasy apetraka hoe nalainay ny entanao fa alaivo atsy sns. Izay lasany any dia very. Teo Ambodifilao koa hitako maso tonga avy any ry zalahy dia tonga dia nodakany ny vilany nisy lasopy dia nentiny ny vilany sy fatapera ary ny siô. Any dia any, tsy azo intsony. Ary ny tena gravy dia efa tsy tonga amin'ireny camion manga be ireny intsony ry zalahy fa amin'ny fiara madinika toa ny mini-bus indray.

- Milamina ny tany, tsy misy resaka tsolotra intsony. Tsy any ambany latabatra intsony no hanomezana boatin'afokasika fa eo ambony latabatra. Efa tsy tsolotra intsony izany fa efa imaso imaso. Raha hanamboatra zavatra iray ianao dia tonga dia teneniny hoe raha ny tokony ho izy dia telo andro io vao vita, ary betsaka ny taratasy ilainao vao mahavita an'io. Fa azonay karakaraina. Dia mametraka kely ianao dia vita vetivety ny zavatra iray. 

- Milamina ny tany fa tsy migrevy intsony ny mpiasam-panjakana. Asondrotra foana tsinona ny karamany. Ary indraindray tonga dia baiko avy any ambony (qui vient du H.Au.T)  ilay fampakarana karama dia misavoritaka ny ao amin'ny tresor. Fa tsy maninona izany, 10% sy 25% dia milay.

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry