Na tsy ho lany aza

2013-10-24 @ 17:14 in Politika

Izay hofidina

Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ihany izany ny Malagasy ny zoma faha 25 oktobra 2013 ho avy izao. Fifidianana karakarain’ny fitondrana tetezamita izay andraisan’ireo minisitra sy mpitondra tetezamita teo aloha anjara.

Hatramin’ny voalohany aho dia efa tsy natoky sy tsy mino hoe ho mangarahara ny fifidianana karakarain’ny fitondrana tetezamita. Izany rahateo no tsy nivakiako loha firy tamin’ny fitsapan-kevibahoaka natao mba handaniana ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha-4 tamin’ny taona 2010. Satria ny tetezamita no mikarakara azy, ny tetezamita no mitady tombony, ka tsy maintsy izay tohanan’ny tetezamita no lany. Dia iny tokoa moa fa lany ny lalam-panorenana vaovao na dia vitsy dia vitsy tamin’ny Malagasy aza no nandany azy.

Tamin’ity fifidianana filoham-pirenena ity koa dia mbola izany ihany no tao antsaiko. Ny fitondrana tetezamita ve no mikarakara, fantany tsara fa rehefa lany ny filoham-pirenena dia rava ny tetezamita, dia hanaikinaiky fotsiny izy hanome olona hafa ny fitondrana izay nalainy an-keriny? Indrindra fa hoe homeny olona izay tohanan-dRavalomanana izay mety hanao valifaty aminy rehefa lany? Koa misy dia misy ny fiahiahiana amin’izay mety ho fikarakarana sy izay vokatry ny fifidianana eo. Ary toa izay eritreretin’ny maro dia mety fomba fotsiny io fifidianana io hanomezana fanekena ireo mpitondra tetezamita mba hahafahany mitondra firenena tsy ao anaty tetezamita amin’izay. Izany hoe efa any aminy ilay lany ho filoha.

Ka nahoana ary aho no mbola nanohana sy manohana ny hisian’ny fifidianana?

Amiko dia fanehoana hery lehibe ny fisian’ity fifidianana ity. Tsy dia tena ilay fifidianana loatra aza fa ireny fampielezan-kevitra ireny. Raha tsy nisy ny fifidianana dia tsy afaka hanao famoriam-bahoaka ampahibemaso tahaka ireny nandritra ny fampielezan-kevitra ireny ny ankolafy Ravalomanana. Ireny dia nanaporofo fa misy ary betsaka tokoa ny olona tsy tia HAT sy TGV. Marina fa mety ho diso fanantenana ireny olona ireny satria fifidianana tsy tena izy no atao, ary tsy izay fidin’ny maro anisa no ho lany nefa ireny niseho tamin’ny fampielezan-kevitra ireny dia hery lehibe hahafahana manohitra amin-kery izay tsy rariny mivoaka eo.

Mba hahafahana manao izany anefa dia mila manana porofo fa tsy ara-dalàna tokoa ilay fifidianana. Efa betsaka izao ireo izay tsy afaka mifidy satria tsy mahazo kara-pifidianana sy tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana na dia efa nisoratra anarana hatry ny ela aza. Misy ireo fomba azo atao hanamarihana izany tsy mety izany, ohatra fotsiny ny @andrimaso sy ny zahavato. Azo atao koa ny manatrika sy manaraka tsara ary manamarina sy mampita ny fanisam-bato. Tehirizina hatrany ny porofo azo rehetra ary angonina satria ilaina. Izany rehetra izany dia angonina entina hiady raha toa ka betsaka ny tsy fanarahan-dalàna hita. Efa manana trai-kefa amin’ny fandresena vokatry ny fanaraha-maso ny tsy ara-dalàna rahateo ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny 2002.

Koa mahereza daholo na iza no hofidina na iza. Aza avela ho very fotsiny izay fidinao.

(Sary tahiry tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka 2010 ny sary. Nalaina tao amin'ny mydago.com)

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry