« | »

Nahoana no tsy manangantsaina?

2009-06-22 @ 14:16 in Politika

indrisyRe fa betsaka ny olona tsy manangan-tsaina ao Antananarivo (ao aloha no hita). Mahagaga ihany raha ankatoky ny 26 jiona toa izao no vitsy saina mihofahofa eran'ny lavarangana... Fa fantatrao ve hoe nahoana no tsy manangan-tsaina ny olona?

Eny, mety ho hadisoana ny mampifangaro ny adilahy politika amin'ny resaka fetin'ny fahaleovan-tena kanefa toa izao ny hevitry ny olona:

  • Tsy manangan-tsaina izahay fa mbola tsapanay hoe ambany ziogan'ny mpanjanaka amin'ny fomba hafa i Madagasikara. Mbola ny Frantsay no mibaiko ny fomba handaminana ny politika eto Madagasikara. Niady mafy ireo Raiamandreny nitady fahafahana sy fahaleovan-tena kanefa ankehitriny dia nohosihosen'ny sasany izany ka aleo ampirimina aloha ny saina mandra-pahazo ny tena fahafahana indray.
  • Tsy manangan-tsaina izahay mba ho fanajàna ny saina sy ny fiandrianam-pirenena. Mandritra izao fotoana teteza-mita noterena izao dia tsy hitsangana ofisialy ny saina satria tsy voahaja ny safidy natao tamin'ny fifidianana.
  • Tsy manangan-tsaina izahay na dia saika hanangana ihany aza satria heno fa izany no fomba mangina hanoherana ny fitondran'ny FAT. Tianay haseho fa mitaky ny ara-dalàna izahay na dia tsy mirotsaka eny an-dalambe sy tsy mitady ady saritaka aza.
  • Tsy manangan-tsaina izahay satria tsy tianay ny fandrahonana atao ofisialy hoe izay tsy manangan-tsaina dia tsy karakarain'ny ao amin'ny fokontany ny taratasy. Tsy fotoanan'ny fampihorohoroana izao... ary tany demokratika i Madagasikara. Raha tsy izany dia naleo nijanona tamin'ny teo aloha ihany.
  • Tsy manangan-tsaina izahay satria tsy manam-bola hividianana na hanamboarana saina.
  • Tsy manangan-tsaina izahay satria aiza moa no hatsanganay ny saina? Eny ambany tonelina ve? Ny trano aza tsy anananay.
Dia inona no antony hanangananao saina?

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry